Subscribe to RSS

Tapatapany

Herinandro maty
Tapaka tamin’ny fivoriamben’ny sendikan’ ny mpampianatra mpikaroka (Seces) omaly fa hatomboka amin’ny alatsinainy izao ny fanakatonana ny oniversiten’Antananarivo, izay hialohavan’ny fanentanana ny rehetra ny alatsinainy. Ny talata maraina kosa no hitokonan’izy ireo manoloana ny prezidansan’ny oniversite eny Ankatso. Nilaza ny mbola hanatanteraka fivoriambe indray izy ireo ny andron’ny
talata io mialoha ny fitokonana.

Fiaraha-miasa tapaka
Nilaza fa hampiato ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-drenivohitra (ATT) ny kaofederasiona nasionalin’ny mpitatitra (CNT) nandritra ny fivoriamben’izy ireo omaly. Misy fehin-kevitra andrasan’ny CNT avy amin’ny minisiteran’ny Fitaterana momba ny fanarenana ny lesoka eo amin’ny tontolon’ny fitaterana. Mandra-pivoakan’izay fehin-kevitra izay anefa no hanomezan’ ny CNT fe-potoana iray volana hampiatoana ireo tompon’andraikitry ny fitantanana ao amin’ny ATT.

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Aretina mamany lava – Vehivavy marary tatavia 300  hodidiana maimaim-poana

Aretina mamany lava – Vehivavy marary tatavia 300 hodidiana maimaim-poana(0)

Efa manomboka mahazo vahana eto amintsika ny aretin’ny faharovitan’ny tranon-jaza. Tranga manodidina ny 2 000 isan-taona no hita ary vehivavy telo amin’ireo arivo bevohoka no voan’ny aretina, araka ny antontan’isa avy amin’ny Tahirim-bolan’ny Firenena Mikambana misahana ny mponina (Fnuap). « Vehivavy 563 ihany koa no hita voan’ny aretina mamany lava nandritra ny herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy

Tapatapany

Tapatapany(0)

MPITATITRA NITOKONA Nitokona ary nibahan-dalana ireo mpitatitra amin’ny lalam-pirenena RN5, omaly. Vokatry ny faharatsian-dalana izay miteraka fahasimban’ny fiarakodia no nambaran’izy ireo fa anton’izany. Tsy nisy fiara niasa mihitsy mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Fenerive Est, tamin’io omaly io.  Nilaza ny mbola hanohy ny fitokonana mandritra ny telo andro ireo mpitatitra ireo mba ho antso fanairana 

Nanomboka omaly – Hifanotofan’ireo tolotra vaovao samihafa ny FIM 2013

Nanomboka omaly – Hifanotofan’ireo tolotra vaovao samihafa ny FIM 2013(0)

Ambohipihaonan’ny fandraharahana amin’ny ankapobeny ny tahala ho an’ny fampirantiana Forello eny Tanjombato. Nisokatra, omaly ary haharitra hatramin’ny alahady izao, ny andiany faha-8 amin’ny Foara Iraisam-pirenen’i Madagasikara na ny FIM. Hifanotofan’ireo tolotra vaovao avy amin’ireo mpandray anjara ny hetsika. Anisan’ireo vokatra vaovao ao anatin’ny FIM ny zezika voajanahary miampy izay singa ilaina novokarin’ny Guanomad. Misy karazany

Fanadiovana – Olona 300 nahazo asa tana-maro tetsy Anosibe Mandrangombato

Fanadiovana – Olona 300 nahazo asa tana-maro tetsy Anosibe Mandrangombato(0)

Afa-pahasahiranana indray ny mponina. Isan’ny faritra be mponina sy mpifanerasera etsy amin’ny fokontany Anosibe Mandrangombato. Miavosa araka izany koa ny loto eny an-toerana ka miteraka fahasahiranana ho an’ny vahoaka. Mponina manodidina ny 300 ao an-toerana ihany no nokaramain’ny avy amin’ny Fiadidiana ny tetezamita hanadio amin’ny alalan’ny asa tana-maro. « Efa nisy ny fitarainan’ny filoham-pokontany taminay ary

Hetraketraky ny fiainana – Mpivady sy ny mpanampiny  novonoin’ny dahalo tamin’ ny fomba feno habibiana

Hetraketraky ny fiainana – Mpivady sy ny mpanampiny novonoin’ny dahalo tamin’ ny fomba feno habibiana(0)

TAO AMINA TSENA IRAY AMORON’NY LALAM-PIRENENA FAHAFITO, AO AN-TAMPON-TANÀNAN’ILAKAKA, NO NITRANGAN’ITY FAMONOANA OLONA AMIN’NY FOMBA FENO HABIBIANA ITY. TAMIN’NY 8 ORA SY SASANY ALINA, MAIZIN-KITROKA NY TANÀNA IRAY MANONTOLO, NANDRIAKA NY RA TAO AMINA TSENA IRAY TAO AN-TOERANA. MPIVADY ROA, RAMAROLAHY SAMUEL SY RAZAFINDRAMAVO HANTAMALALA, NIARAKA TAMIN’NY MPANAMPINY IRAY NO MATY TSY TRA-DRANO NOVONOIN’NY DAHALO

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite