VALALA
Mametraka fomba fiasa ahazoana mifanakalo vaovao haingana momba ny firongatry ny andiam-balala ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fambolena. Ireo rehetra te hampita vaovao mahakasika ny lalan-kizoran’ny andiam-balala dia afaka miantso amin’ny laharana maitso 145.
BANKY
Manohy ny fanitarany ny masoivohony eto an-drenivohitra sy manerana ny Nosy ny banky Boa. Vokany : efa misokatra ho an’ireo mpanjifa ny masoivohon’ity banky ity etsy Ampandrana. Sady ahitana milina fakana vola eo anivony. Marihina fa isan’ireo banky maro mpanjifa ny Boa.









0 Fanehoan-kevitra