MIOMANKOMANA
Efa vita tamin’ny herinandro teo ny fandrafetana ireo laza adina ho an’ny fanadinana Cepe. Efa natoka-monina ihany koa ireo mpampianatra namola- vola izany mba hisorohana ny fiparitahan’ny laza adina mialoha ny fanadinana. Ho an’ny laza adina Bepc kosa indray dia nomarihin’ ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazam- pirenena fa efa miditra amin’ny fifantenana ireo izay hanao izany ny tompon’andraikitra.
FILAHARAM-BE
Tapaka tsy fidiny mihitsy ny lalan’ny fiara tao Mahamasina izay niteraka fitohanana lavabe omaly, noho ny hamaroan’ireo mpan-kafy baolina lavalava naniry ny hijery ny lalao iraisam-pirenena tao amin’ny kianjaben’ i Mahamasina. Nameno ny arabe ireo mpilahatra ary niezaka nandamina ny fifamoivoizana teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana sy ny avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra.









0 Fanehoan-kevitra