Subscribe to RSS

Tantaram-piainana – Kamboty ray sy reny sady indroa voalona i Seheno saingy afa-panadinana CEPE

Rakotonirina Harivololona, talen'ny akany Tsaramanasoa nandray an'i Seheno ho toy ny zanany mihitsy

Fiainana mangidy. Nandalo olana sy fisedrana maro Ralaiarivony Seheno, 14 taona, teo amin’ny fiainana. Mbola kely izy dia efa kamboty ray, ary ny reniny irery no namelona azy enina mianadahy. Tsy nahakivy azy anefa izany fa vao mainka nisikim-ponitra izy, ary fanambiny ny ho tafita amin’ny fianarana. « Niharan’ny fanolanana izy teo amin’ny faha- 12 taonany, ary tena nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny sainy mihitsy izany », araka ny fitantaran-dRakotonirina Harivololona, talen’ny akany Tsaramanasoa, izay mandray an-tanana azy amin’izao fotoana izao.

Tao amin’io akany fitaizana io izy no nianatra tamin’izany. Tompon’andraikitry ny fandriampahalemana teny amin’ny fokontany nisy azy ihany no nanolana ity zaza ity. Niakatra teny anivon’ny Fitsarana ny raharaha izay nitarika aretina sy alahelo ary tebiteby teo amin’ny reniny. « Ny andro nivoahan’ny didy anefa dia maty tampoka indray ny reniny », hoy ny fitantaran’ny havany. Ilay nambara fa nanolana azy kosa lasa nigadra eny Tsiafahy.

Valifaty nahatsara zavatra

Niteraka alahelo sy ratram-po mafy teo amin’ny fiainan’i Seheno izany rehetra izany. « Tsy maintsy narahina akaiky ny fitaizana ara-psykolojiany satria indroa niharan’ny fanolanana izy. Narahina asam-pifohazana mihitsy izany vao tena natanja-tsaina i Seheno », hoy hatrany Rakotonirina Harivololona

Nipetraka ihany koa nanomboka teo ny alahelon’ireo fianankavian’ilay lehilahy nambara fa nanolana. « Saika nisy mihitsy ny valifaty; ary tsy maintsy nafindra monina i Seheno », raha ny fitantaran’ny havany. Ny akany Tsaramanasoa etsy Itaosy no nandray an-tanana azy tamin’ny lafiny rehetra. Ny akany no nampianatra sy nitaiza azy ary isan’ireo ankizy afaka ny fanadinana Cepe teo  i Seheno, roa taona taty aorian’ny fahavoazany. « Ny ho lasa mpitsabo no tena faniriako ary isaorako ny akany nitaiza ahy ho toy ny zanany », hoy izy.

Lilia Rajaonah

 

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Vola sy serasera – Sehatra ahitana lalam-barotra ao anatin’ny dimy minitra

Vola sy serasera – Sehatra ahitana lalam-barotra ao anatin’ny dimy minitra(0)

Fanomezan-danja ny vehivavy. Hampiseho ny talentany sy ny fiofanana norantoviny nandritra ny fandaharan’asa Babeo, ireo vehivavy mpandraharaha madinika. Vehivavy mpian- tsehatra miisa 30 no hampi- ranty ny ezaka vitany mandritra ny telo andro, 23, 24, 25 mey, etsy amin’ ny Esplanade Analakely. «Foaraben’ny orinasa madinika» mihitsy no anarana hampitondraina ny hetsika mba hampaha- fantarana ny olona fa afaka mivelatra ny vehivavy na dia ao anatin’ny fahasahiranana aza. « Ho hita eny

Fahapoizinana – Olona 63 nararin’ny sakafo  tamina mariazy miara-mizotra

Fahapoizinana – Olona 63 nararin’ny sakafo tamina mariazy miara-mizotra(0)

Nanao rano lava omaly ireo olona narary vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo tonga tetsy amin’ ny hopitaly Hjra, Ampefiloha. “Olona nanatrika mariazy miara-mizotra tamina fiangonana iray teny Itaosy ireo narary tonga nanatona hopitaly ireo. Olona an-jatony no nanatrika ny sakafo fanasana saingy ireo 63 ireo ihany no tonga nanatona hopitaly. Misy no nanatona toeram-pitsaboana hafa. Ankizy latsaky ny 15 taona avokoa ny ankamaroany tonga eto amin’ny Hjra », araka ny nambaran’ny Dr

Tapatapany

Tapatapany(0)

VONONA NY LAZA ADINA Efa vonona avokoa na ny mpianatra na ny mpampi- anatra, hatramin’ny laza adina rehetra. Efa nahavita ny fandaharam-pianarana ny kilasy fahadimy hiatrika ny fanadinana Cepe amin’ ity taona ity. Nahavita izany na ireo avy amin’ny sekolim- panjakana na ny tsy miankina. Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny famerenana ireo mpiadina. Ao anatin’ny fiatrehana ny fanadinana andrana ihany koa izy

Hasoavan-jazalahy – Tsy nisy fiakarany ny hasin-tanana amin’ny didim-poitra

Hasoavan-jazalahy – Tsy nisy fiakarany ny hasin-tanana amin’ny didim-poitra(0)

Manomboka ihany koa ny tsenan’ireo dokotera mpanao didim-poitra amin’izao ririnina izao.  Tsy nisy fiakarana ny hasin-tanana alain’ireo dokotera amin’ ny fanaovana didim-poitra raha ampitahaina tamin’ ny taon-dasa. «Niezaka ny tsy hampiakatra ny saran’ny fandidiana izahay noho ny fahatsapana fa mbola ao anaty krizy ny Malagasy», hoy ny dokotera Randrianasolo Jules, mpanao io asa io. Etsy an-daniny anefa dia mirentirenty amin’ny alalan’ny peta-drindrina ny dokam-barotra ataon’ireo dokotera manao didim-poitra amin’ny

Fanadiovana – Nitombo be ny loto nameno tanàna taorian’ ny fety

Fanadiovana – Nitombo be ny loto nameno tanàna taorian’ ny fety(0)

Tsy mahay mifety. Mbola lavitra antsika izany mifety ao anatin’ny fahadiovana izany raha ny fako sy ny loto hita omaly nandritra ny fanadiovana nataon’ ny avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua), taorian’ny fetin’ ny Pentekosta. Saika nahitana izany fako miavosa izany avokoa ireo toerana rehetra naha- vory olona saingy niavaka tamin’ireny ny teny amin’ ny faritra

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite