Tsy misy adihevitra fa kabary politika sy fanairana ny sain’ ny rehetra sahady, amin’ny firosoany amin’ny filatsahan-kofidiana filoham-pirenena, no nataon’ny Filohan’ny tete- zamita, teny Iavoloha, ny alarobia teo. Tsy misy mahalala izay tena any am-pony tsy miloaka aloha, fa aleo ny tantara no hitsara.
Tsy adala anefa ny vahoaka malagasy ka tsy hahalala ny vary sy ny tsiparifary, na ny setroka sy ny tomany. Prao- pagandy mipoapoaka no nameno an’Iavoloha sy ny fahitalavi-pirenena, tamin’iny fotoana iny.
Tsy misy maharatsy izany akory satria tsy lainga fa asa fanasoavam-bahoaka ihany ny fahavitan’ireny kazarana fotodrafitrasa samihafa ireny. Ho an’ny valalabemandry, dia zarany aza ho fampielezan-kevitra toy izao foana no ataon’ireo mpanao politika mandavan-taona, sitrany hahay mba hanamaivana azy amin’ny hasarotry ny fiai-nana: vita ny lalana, mitsangana ny hopitaly, mijoro ny atsy, tokanana ny aroa, misy ny vary mora sy ny zaraim-potsiny, mety hitombo koa aza ny karama! Inona indray moa no tadiavina ankoatra izay fa dia maromaroa ny tahaka izany!
Tandremo anefa fa fitaka ny kobaka am-bava sy ny kabary tsara lahatra! Tsy misy tsy vitan’ny vava tokoa ny an’ny mpanao politika, fa ny fanatanterahana aotra! Tsarovy fa matoa izy izay manatanteraka, dia azony antoka fa haharitra ela eo amin’ny fanjakany sy ny fahefany. Tsy toe-tsain’ny Malagasy mantsy izany hoe hitatatra ho an-dRainilezafy ary ny hitsikitsika tsy mandihy foana…
Na izany aza, tadidio fa ny vahoaka no tena tompom-pahefana, ka rehefa mamadika ny dina nifaovana, tsy maintsy haronjony, na ho ela na ho haingana. Ka ny fahendrena dia aleo halan’Andriana, toy izay halam-bahoaka! Ny ataon’ireo mpanao politika ihany mantsy no tsy maintsy haverina aminy, any aoriana any. Noho izany raha mpitondra naka ny fahefana teny an-dalambe no manararaotra sy mamadika izany ho amin’ny tombontsoany manokana, dia tsy maintsy ny vahoaka ihany no handrodana azy amin’ny fanjakany ary dia miafara amin’ny sesitany. Ny atsy Afrika aza, manefa hatramin’ ny aina, koa tandremo ihany sao diso fihevitra!
Tojo Rakotomalala









0 Fanehoan-kevitra