Subscribe to RSS

TahiryMiverena

  • 19/06/2013: « Fetim-pirevena » - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Mampahonena, ary tena mitaratra ny endriky ny firenena ankehitriny, raha toa ka tarafina amin’ny filanonana sisa ny tsingerintaona hamarihana ny andron’ny 26 jona, niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Lasa kolontsain’ny « Podium » sy afomanga sisa. Lotoin’ny fivalanan-drano, fivazavazan’ny mamo toaka, redirediren’ny mamon-drongony, fahasahian’ireo mpanao firaisana an-dalam-be… Tadidio ny zava-nitranga tetsy Anosy sy ny manodidina tamin’ny taon-dasa ! Sanatria « soavaly [...]
  • 19/06/2013: Tapatapany - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Varotra zava-mahadomelina. Vehivavy iray saron’ny polisy nitondra rongony 50 fonosana teny Antohomadinika, ny alahady tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro no naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny Fampanoavana. Raha ny tatitra azo avy amin’ny polisim-pirenena dia novidiany teny amin’io toerana nahatratrarana azy io ihany ireo rongony ary Ar 3000 no nividianany azy ka nokasainy [...]
  • 19/06/2013: Olana tamina fiantsonana – Minisitra sy mpitsara nifampitory, hivoaka anio ny didy - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Niakatra fitsarana omaly ny raharaha nitorian’ny mpitsara iray ny minisitry ny Fifandraisan-davitra teo aloha, Iharizaka Rahaingoson. « Vono sy ratra niniana natao miampy fanalam-baraka imasom-bahoaka no fototry ny fiampangana azy », araka ny voalazan’ny loharanom-baovao iray teo anivon’ny fitsarana. Fifanolanana tamina fiantsonana fiarakodia teny Ampefiloha tamin’ny 10 jona  lasa teo no niantombohan’ity raharaha ity. Hiditra hamonjy ny [...]
  • 19/06/2013: Halatr’omby tany Ankazobe – Dahalo iray maty, olona 4 naratra mafy tamin’ny fifandonana - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Mirongatra indray ny asan-dahalo any amin’ny faritra Ankazobe iny amin’izao fotoana izao. Dahalo 10 lahy nirongo basy sy fitaovam-piadiana hafa no nanafika tao Anosibe ao amin’ny fokontanin’Antanandava; any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Kiangara, ny sabotsy 15 jona teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Nisy fifandonana tamin’izany, ka dahalo iray no lavon’ny balan’ny zandary ary olona [...]
  • 19/06/2013: Voalobo-jaza - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Milaza ny hitarika olona an-dalambe ny 19 amin’ireo kandidà ho Filoham-pirenena, izay nanao fanambarana niaraka teny Antaninarenina omaly, mitaky ny hitazonana ny datin’ny 24 jolay hanatanterahana ny fifidianana Filoha. Asa anefa mba firy amin’ireo kandidà miseho ho dodona mafy amin’ny fifidianana ireo no tena manana herijika hahalany azy ireo amin’ny fomba madio. Na inona aloha [...]
  • 19/06/2013: Antsiranana – Milaza hanapaka ny tanàn’ireo mpanao sinto-mahery ireo mpivarotra - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Manoloana  ny  firongatry ny  harom-paosy sy ny  sinto-mahery  ao Bazarikely-Antsiranana, izay efa tsy voafehy intsony,  dia nilaza ny handray fepetra hentitra dia hentitra ireo  mpivarotra mivondrona ao  anaty sendika iray. Mihevitra ny hanafay ireo olon-dratsy amin’ny alalan’ny fanapahana ny tanàn’izy ireo mihitsy ireo mpivarotra. Nilaza avy hatrany anefa ny manam-pahefana sy ny mpitandro ny filaminana [...]
  • 19/06/2013: Amboasary Atsimo – Dahalo 50 nangalatra omby nenjehina tamin’ny helikoptera - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Nihetsika indray ny helikoptera tany Amboasary Atsimo, ny alahady 16 jona teo nanara-dia dahalo 50 nangalatra omby miisa 127 tany Emida, kaominina ambanivohitr’i Esia any Amboasary Atsimo. « Nirongo basy sy fitaovam-piadiana ireo dahalo ka raha vao nahita ilay helikoptera izy ireo dia namotsotra an’ireo omby 126. Ny iray kosa no novonoin’izy ireo », hoy ny tatitra [...]
  • 19/06/2013: Fanadinana andrana – Misy 8 taona ny mpianatra etsy amin’ ny EPP Analakely hanao Cepe - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Saika ireo mpianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina foana hatramin’izay no ahitana ireo zandriny indrindra amin’ny ankizy hanao fanadinana Cepe. Manana ankizy mahay toy izany koa anefa ny eny amin’ ny sekolim-panjakana Epp, na dia 6 taona aza ny zaza vao raisina mianatra eny. Isan’ireny Ratsidiarinambinina Finarintsoa, 8 taona, mpianatra etsy amin’ny Epp Analakely. Izy no isan’ ireo zandriny indrindra niatrika ny fanadinana andrana, omaly, tao Analakely, izay nahitana [...]
  • 19/06/2013: Fifanakalozana – Misy maka amin’ny antsasa-bidiny ireo vola tapaka - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Fitadiavana hafa kely haingana. Mahay mitady vola ny olona sasany, ary miainga amin’ny zava-misy avokoa izany. Taorian’ny fotoana tsy andraisan’ny olona ireo vola rovitra na misy “scotch” dia efa misy olona manakalo sy manao asa fitadiavam-bola amin’izany. Ireo somary misintaka kely ny renivohitra no tena sahy manao io asa io ary vidiany amin’ny antsasa-bidy izay vola atakalo. Misy ihany koa [...]
  • 19/06/2013: Podium eny Antsonjombe – Mety ho voaelingelina kely ny Lycée sy Ceg Analamahitsy - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Ho voaelingelina kely amin’ny “podium”. Sekoly roa mifanila amin’ ny sehatra “coliseum” etsy Antsonjombe, hanao- vana ny fampisehoana hira sy dihy na “podium”, ny Lycée sy Ceg eny Analamahitsy. « Ny fotoana hanaovan’ny teknisianina andrana ireo fanamafisam- peo no mety hanelingelina amin’ny fampianarana, fa efa karazan’ny mirava izahay amin’ny fotoana hanombohan’ny podium. Efa mampihatra ny ora ririnina izahay izao ka amin’ny 5 ora sy sasany no mirava », hoy Rakotonirina Jean, proviseur ao amin’ny Lycée Analamahitsy, izay misy mpianatra 750 sy mpanabe 40. [...]
  • 19/06/2013: Fanabeazana – Nidina hatramin’ny 10% ireo ankizy miditra an-tsekoly - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Ny ho avin’ny ankizy mihitsy no iharan’ny krizy, araka ny fanadihadiana nataon’ny banky iraisam-pirenena. Natolotra omaly teny Anosy ny valin’izany fanadihadiana  izany, ary nifototra tamin’ny fiantrankain’ny krizy eo amin’ny fanabeazana ambaratonga fototra. “Mitombo hatrany ireo ankizy tsy tafiditra eny amin’ny sekoly ambaratonga fototra, manodidina ny 600 000 na 10%-n’ny ankizy izany hatramin’ny nisian’ny krizy tamin’ny 2009. Maherin’ ny 255 000 kosa no mitsoaka an-daharana [...]
  • 19/06/2013: Tapatapany - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Sokatra 250 Tody any amin’ny toerana hiompiana azy, any Ifaty Toliara ny alatsinainy teo ireo sokatra 250, nisy namoaka an-tsokosoko ka tratra tany Tailandy. Ny fikambanana mpiaro ny sokatra PSA sy ny Salamandre Nature ary ny kaompania Air Mada- gascar no nifarimbona namerina azy tany amin’ ny toerany nisy azy ireo. Sokatra 2 570, toa azy ireo, ahiana ho lany tamingana no efa ompiana ao amin’io faritra nana- terana azy [...]
  • 19/06/2013: Fikasihan-tanana mpitsara – Voasazy mafy ny mpanazatra sy kapitenin’ny AS Saint Michel - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Taorian’ny fikasihan-tanana mpitsara sy fikasana hanakorontana nandritra ny lalao natao ny alahady teo dia navoakan’ny ligin’ Analamanga omaly ny sazy henjana ho an’ireo mpilalao sy mpanazatra ny klioba AS Saint Michel. Voasazy iray volana tsy afa-mipetraka eny amin’ny toerany i Kareka, mpanazatra ity ekipan’ny Masindahy Misely ity, raha voasazy tsy mandray anjara amin’ny lalao telo kosa i Tsiresy (Kapiteny) sy Johny [...]
  • 19/06/2013: Rugby « CAN 2013″ – Ireo lohalaharana no tena hotsapaina any Afrika Atsimo - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    “Hoentina manomana ireo lohalaharana no tena tsy maintsy hivahinianantsika any Afrika Atsimo amin’ny 22 jona ho avy izao”, hoy i Berthin Zoto, mpanazatra ny Makis, raha nanazava ny anton-dian’izy ireo amin’io fanomanan-tena amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika io izy. Ny Golden Lions, ekipa ao Johannesbourg no hifanandrina amin’izy ireo amin’ny lalao mandroso sy miverina [...]
  • 19/06/2013: « Afrobasket 2013″ – Hiatrika fiofanana manokana ireo mpanazatra 12 - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Hahazo fiofanana manokana avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny taranja basket-ball na Fiba Afrika, izay hotontosaina amin’ny 8 – 11 jolay eto Antananarivo, ireo mpanazatran’ny firenena 12 mandray anjara amin’ny Afrobasket sy ireo “meneur” na ireo mpitarika baolina miala avy any amin’ny tanin’ny tena. I Jean Michel Sénégal, izay mpanazatra matihanina any Frantsa sady efa kapitenin’ny ekipam-pirenena frantsay fahiny, no hitarika izany fiofanana izany. Hisy ihany koa fifantenana hatao mandritra ny Afrobasket ho an’ny latsaky ny 16 taona hatao eto amintsika, ho an’ireo mpilalao telo fanampiny hiatrika [...]
  • 19/06/2013: Kitra Analamanga – Hivoaka eny Carion anio ireo klioba hiatrika ny «poule des As» - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Aorian’ny andro faha-16 ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga eo amin’ny baolina kitra diviziona voalohany, atao eny amin’ny kianjan’i Carion anio, no ahafantarana ireo efatra voalohany hiatrika ny «poule des AS». Raha samy tafavoaka ho mpandresy avokoa ny Tana Formation sy AS Saint Michel anio sy ny Iarivo Football Club rahampitso dia izy ireo sy ny AS Adema no hifanandrina eo amin’ny dingana farany aorian’ny andro faha-18. Hoentina handaharana azy ireo sisa [...]
  • 19/06/2013: Kitra Kaonfederasiona – Nomontsanin’ny Nizerianina i Tahiti - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Mitarika eo amin’ny vondrona B ny solontenan’ i Afrika eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfede- rasiona ho an’ny baolina kitra atao any Brezila amin’ izao fotoana izao. Nomon- tsanin’ny Voromahery nizerianina tamin’ny isa 6 no ho 1 i Tahiti, ny alatsinainy alina teo, izay nanaovana ny fiakarana kianja voalohany ho an’ny Afrikanina. Baolina matin’ i Elderson (5’, 80’), Oduamadi (10’, 26’, 76’) ary famonoan-tena nataon’ i Tehau (69’) [...]
  • 19/06/2013: Kitran’ny mpamily – Indroa efa nibata ondry ny Astagra Ambodivona - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Ekipa iray mandray anjara amin’ny fifaninanana iraisan’ ny mpamily fiarakaretsaka eny Fort Duchesne ny Astagra na ny “Association taxi ville Gare routière Ambodivona”. Mpiandry ireo mpandeha amin’ny taksiborosy, zotra mankany Toamasina na Mahajanga na Diego na Anjozorobe ireo mpilalaon’ny Astagra. «Sady fialam-boly no fanatanjahantena no antony ilalaovanay baolina kitra. Tena ilaina mba hiasan’ ny hozatra efa reraka mipetraka isan’andro, mamily fiara », hoy Ramandimbisoa Nirina, na Ralava, filohan’ny [...]
  • 19/06/2013: Lalao finday – Namoaka mpanapitrisa voalohany ny M’Vola - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Fampiarahana ny maha-soa sy ny mahafinaritra. Nanomboka ny 3 jona teo ary haharitra hatramin’ ny 4 aogositra ny Tombola lehibe atolotry ny M’Vola ho an’ireo mpanjifany. Tamin’ny herinandro lasa iny dia efa namoaka ny mpanapitrisa voalohany ny M’vola, ka i Mahaleo Tsiebo avy any Toliara no nitsikian’ny vintana, nahazo ny Ar 1 tapitrisa tamin’ny fisarihana voa- lohany natao teny Alarobia, teo anatrehan’ireo mpanara-maso ny lalao. «Nanomboka [...]
  • 19/06/2013: Gaboraraka amin’ny fitaterana – Mandoa Ar 600 vao tonga eny Fiadanamanga Iavoloha - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Gaboraraka miharo tsy fandraisana andraikitra. Manao izay danin’ny kibony tanteraka ireo fiara fitateram-bahoaka mankany Fiadanamanga Iavoloha. Rehefa atambatra ny saran-dalana aloan’ny mpandeha iray hamonjy fodiana any amin’iny faritra iny ny hariva dia tafakatra Ar 600. Tsy misy tonga any amin’ny toeram-piantsonana farany voatondron’ny bokin’andraikitr’izy ireo ny ankamaroan’ ireo taksibe amin’ny zotra 187 sy 137 rehefa [...]
  • 19/06/2013: Haino aman-jery – Hiroso amin’ny fampiasana ny TNT ireo fahitalavitra - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Tsy azo ihodivirana intsony. Efa tongotra mby an-dakana ny an’ny Fanjakana ny amin’ny fametrahana ny “télévision numérique terrestre (TNT)”. Ny 17 jona 2015 dia tsy miasa intsony eto Madagasikara sy aty Afrika ny teknolojia fampitana sary amin’izao. “Efa mipetraka ny tondrozotra ny amin’ny fametrahana izany TNT izany. Voakasik’io fepetra io avokoa ireo televiziona miankina na [...]
  • 19/06/2013: Fetim-pirenena – Hisy seho maimaim-poana hiarahana amin-dRajao sy ny ekipany - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Ho hita mivantana nofo sy rà. Ankoatra ny filalaovana sarimihetsika, dia manan-talenta amin’ny seho an-tsehatra ireo mpilalao sarimihetsika ao amin’ny Scoop Digital. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena dia mikarakara seho maimaim-poana hiarahana amin-dRajao sy ny ekipany anio hariva manoloana ny Lapan’ny tanàna, hiarahan’ny Scoop Digital sy ny tanànan’Antananarivo. Ho hita etsy Analakely ireo mpilalao, [...]
  • 19/06/2013: Mozika jazz – Hanohy ny Walking jazz etsy Isoraka ny tarika 3Play - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Toy ny fanao isam-bolana, dia toerana vaovao miaraka amin’ny mpana- kanto vaovao. Hiatrika ny seho ho an’ireo vato vao misondrotra eo amin’ny jazz, na ny Walking jazz , karakarain’ny Radio Lazan’ Iarivo (RLI fm 106) ny tarika 3Play. Etsy amin’ny La Boussole, Isoraka no hanao- vana ny seho rahampitso amin’ny 7 ora hariva. Tamin’ny 2012 no teraka ny tarika 3Play efa nandrombaka [...]
  • 19/06/2013: Foiben’ny hetra – Nilaza ho naha-ray Tva Ar 96700 tapitrisa ny Fanjakana - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Mitohy ny fanehoan-kery eo amin’ny foibem-pitondrana misahana ny hetra (Dgi) sy ireo sehatra tsy miankina. Ireto farany izay nanapa-kevitra, tamin’ ny alàlan’ny vondron’ny mpandraharaha na GEM, ny tsy handoa hetra amin’ ny fanjakana fa any amin’ ny banky mandra-pivahan’ ny olana politika. Nilaza indray ny teo anivon’ny Dgi omaly fa “nahatratra Ar 96 700 tapitrisa [...]
  • 19/06/2013: Sombiny - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    HANENIKA IREO FARITRA > Araka ny tapaka teo anivon’ ny filankevitry ny governemanta omaly dia hizara sy hipari- taka hiatrika ny fankalazana ny fetim-pirenena manerana ireo faritra samihafa manerana ny Nosy ireo minisitra eo anivon’ ny governemantan’ny tetezamita. Voalaza fa nampifanarahana amin’ireo faritra nihaviany avy ny fitsinjarana azy ireo. FANEHOAN-KEVITRA > Niantso ireo olom-pirenena hidina an-dalambe ka haneho ny tsy fankatoavana ny fanemorana lava ny fifidianana Filoham-pirenena ny kandidà Rabearison Roland Dieu Donné, Vahombey. Ity farany izay mbola nana- mafy ny amin’ny tokony hampiharana ara-bakiteny ny lalàna manan-kery mahakasika ny fifidianana raha naneho hevitra tao amin’ny tranon-kalan’ny gazety  »Franc-jeu » omaly.
  • 19/06/2013: Filankevitra ambonin’ny tetezamita – Tsy mety miala ireo Cst voailika na efa  voatendry aza ny solony - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    « Tsy hiala izahay ». Io indray no teny malaza ankehitriny, tsy afaka am-bavan’ireo mpitondra fanjakana. Omaly dia mbola nanamafy tamin’ny tompon’andraikitry ny fitandroana ny fiarovana ny lapan’Anosikely ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita voailika fa « tsy hiala izy ireo mandra-pivalin’ny fitoriana napetrany eny amin’ ny Filankevi-panjakana, hampiatoana an’ilay didim-panjakana laharana faha 2013-421 tamin’ny 12 jona, manaisotra azy ireo tsy ho Cst intsony ». Na teo aza ny fanahiana ny amin’ny hisian’ny korontana teny amin’ny lapan’Anosikely dia nila-mina ary voafehy ihany ny toe-draharaha omaly. Tsy vitsy rahateo ireo mpitandro ny filaminana efa tonga nanamafy ireo namany. Afaka niditra tao amin’ity lapa ity ireo Cst efa voailika. Toy izay ihany koa ireo vaovao izay notendrena hisolo azy ireo. Mbola nahavita nivory tao amin’ny trano fivorian’ny lehiben’ny vaomiera ireo mpikambana Cst voailika. Tsy nisy anefa ny zavatra tapaka taorian’io fivoriana io, ka nampitaina ampahibemaso. Tsilian-tsofina no naha-fantarana fa nisy tamin’ ireo Cst no nikasa ny hidina an-dalambe avy hatrany, saingy nosakanan’ireo namany. Aorianan’ny 26 jona no nifanarahan’ny maro tamin’izy ireo fa hitarihan’izy ireo ny mpomba azy ireo eny an-dalambe. Ranaivoson Faniry 
  • 19/06/2013: Fanaovan-gazety – Nodimandry Rakotondrasoava Georges, mpanorina ny Telonohorefy - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Tsy nahatohitra ny aretina efa nandazo azy ny mpanorina ny gazety Telonohorefy Rakotondrasoava Georges. Nindaosin’ny fahafatesana omaly teo amin’ny faha-72 taonany ity andrarezin’ny asa fanaovan-gazety ity. Vao 15 taona monja izy dia efa niroso teo amin’ny asa fanaovan-gazety. Nikoriana tao anatiny ny tsy fanekena ny tsy rariny. Isan’ny antony namonjan’ny Frantsay azy ny 31 oktobra 1959 izany, fony izy tao amin’ny gazety « La nation malgache ». 50 taona katroka taorian’io, ny 31 oktobra 2009 dia nosalorana mari-boninahitra izy sy ny vadiny. « Grand croix de deuxieme classe de l’ordre national » ny an’ity zokiolon’ ny mpanao gazety ity raha « chevalier de l’ordre national » kosa ny an’ny andefimandriny. Isan’ireo mpitarika ny fikambanan’ny mpanao gazety zokiolona Rakotondra-soava Georges. Ranaivoson Faniry   
  • 19/06/2013: Ray aman-dReny namoy zanaka 2 tona – «Mbola ankamantatra aminay ny fomba nahafaty an’i Tahiana» - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Enim-bolana aty aoriana, mbola hita soritra eny amin’ny endriky ny ray aman-drenin-dRafearivo Nomenjanahary Tahiana, na i Tahiana, zazalahy kely 2 taona sy tapany nonina teny Andranomahitsy Ambohitrimanjaka, ny alahelo noho ny fandaozan’ity zanany tokany ity azy ireo tampoka. Mbola mipetraka ho ankamantatra ho azy ireo ny fomba nahafatesan’ity zaza ity. Maizina tamin’izy ireo ny andron’ny [...]
  • 19/06/2013: Faritry ny CES – Nampitomboina ho 15 ny isan’ireo mpitsara mpanampy  - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Nasian’ny governemanta fanitsiana ny volavolan-dalàna  mamaritra ny isan’ireo mpitsara mpanampy izay tokony hiara-hiasa amin’ireo mpikambana eo anivon’ny fitsarana manokana misahana ny raharaham-pifidianana (Ces). Araka ny fantatra dia nampitomboina ho 15 ny isan’ izy ireo, raha noheverina ho valo izany teo aloha. «Isan’ny olana noresahina teo anivon’ny filankevitry ny governemanta ny hoe tsy tokony ireo kandidà hiatrika ny fifidianana ihany no hanana solontena ao anatin’ny Ces, fa tokony hanana izany koa ireo antoko politika izay hiatrika ny fifidianana solombavambahoaka ka izay no anton’io fanampiana isa an’ireo mpitsara mpanampy io», araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Kolontsaina sy ny vakoka, Elia Ravelo-manantsoa, omaly. Isan’ny fanitsiana noentin’ny governemanta ihany koa ny fomba hisafidianana azy ireo. «Mety hatao antsapaka ny fifidianana azy ireo», hoy hatrany i Elia Ravelomanantsoa. Tsy mbola mihatra anefa fa miandry ny fankatoavana eo anivon’ny filankevitry ny minisitra anio ity volavolan-dalàna mialoha ny handefasana azy any amin’ny parlemantan’ny tetezamita. JR
  • 19/06/2013: Fihemoran’ny datim-pifidianana – Kandidà 19 mandrahona ny handrodana ny fitondrana tetezamita   - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Fanambarana feno fampitandremana sy fihantsiana ireo mpitantana ny tetezamita mihitsy no nataon’ireo kandidà amin’ny fifidianana Filoham-pirenena miisa 19  tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina, omaly maraina. Ireto farany izay mivondrona ao anatin’ilay fiombonamben’ireo kandidà miady fo mafy ny amin’ny tokony hitazonana ny datin’ny 24 jolay, mba hanatontosana an’io fifidianana Filoham-pirenena io. Nilaza ny handray ny fepetra [...]
  • 19/06/2013: Jeneraly Ndriarijaona André – « Milamina ny ato amin’ny Tafika » - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Nanamafy ny jeneraly Ndriarijaona André, lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika  omaly fa « milamina ny eo anivon’ny Tafika ». Na eo aza ny resabe mahakasika ny miaramila etsy sy eroa ny amin’ny mety hisian’ny fakana ny toeran’ity manamboninahitra jeneraly ity ary mety hiafara amin’ny fandraisan’ny miaramila fitondrana mihitsy dia tony tanteraka izy omaly nilaza fa « sarotra ny hanao izany ». Hita ho gaga aza ity tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika ity raha nanontaniana mahakasika ny fanozongozonana ny toerany ataona miaramila eo ambany fifehezany. « Tsy misy ny olana ato aminay. Milamina tsara ny eny anivon’ny fibaikoana ny miaramila rehetra. Mbola averiko hatrany ny hoe:  »ho zakantsika Malagasy ve izany fitondrana miaramila izany ? ». Basy no miteny amin’izany koa ho tiantsika ve izany?», hoy ny jeneraly Ndriarijaona André, toa efa nampitandrina sahady. R.F
  • 18/06/2013: Manan-tsaina…tsisy saina! - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Indreo ry mpanao politika, samy miseho ho dadany, samy miseho ho mafy amin’ity fifidianana indray mitoraka ity. Mahavariana fa ny daty handatsaham-bato aza mbola any an-kibon’ny omby, dia efa mifamely ambony ihany ireo mpifanandrina. Samy avo vava sy tsy mifankatahotra nefa  iaraha-mahalala fa samy gisa lahy homan-ketsa daholo ihany fa mody manamarin-tena! Izay tokoa ilay politika e! Mampiova olona rahateo ny seza sy voninahitra. Omaly mpinamana tsy mifankafoy, nifanohantohan-tsy ho lavo, androany nanjary mpifahavalo mifampitsikera sy samy te ho zavatra eo imasom-bahoaka. Ireo akama maherihery fihetsika, nanohana taloha, aza moa natsipy tsotra izao any ivelan’ilay sambo niarahana nidola satria mitady hanoha-riana. Vokatr’izay fifandranitana eo amin’ireo mpanao politika izay, dia maro ihany koa ireo olom-pirenena no manaraka ny hadalan-dry zalahy ireo. Amin’izao, tsy roniny tsy ventiny, dia hoe: «tsy hanangan-tsaina». Sao dia tsisy saina?! Aiza kosa e, mpivarotra sainam-pirenena mameno ny arabe ireo ve dia hoe: «tsisy saina», fa ianareo mihitsy no efa tsisy saina! Ny Tanindrazana angaha ijerena tsangan’olona na tsangan-kevitra? Tsy an’ny mpanao politika i Madagasikara fa an’ ny vahoaka malagasy na mpomba ny atsy na aroa, na kristiana na mpino fomban-drazana, na manana na ory, na andriana na… tsy andriana. Mahagaga anefa fa noho ny fankahalana an-dRanona sy fankamamiana an-dRanona, dia tsy hanangan-tsaina nefa fetim-pirenena! Efa fomba fanaon’ny zanak’i Dada ireo, raha vao niforona ny tetezamita. Saingy rehefa niitatra ilay tetezana, ka nahazo avara-patana ny sasany, dia iny fa mody tonga saina niverin-dalana, na nanangan-tsaina indray. Ankehitriny, ny hafa indray no nifindran’ny hadalany. Dia mihevera tena ianareo tsy mbola manan-tsaina. Atsangano ny saina, raha tsy te ho voatondro molotra ao anaty fiarahamonina hoe: Ireo fa tsisy saina! Ho aiza moa no hiafaran’ity firenena malalantsika ity raha samy hanao hambom-po diso toerana tahaka izao daholo ny valalabemandry. Izao no tadidio ry vahoaka tonga saina: androany ianao no andrian’ireo mpanao politika hilika, fa rahampitso ihany anefa dia ho voahilika… Samia tonga saina e! Tojo Rakotomalala
  • 18/06/2013: Lozam-pifamoivoizana – Lehilahy 18 taona maty voahitsaky ny kamiao - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Lehilahy iray vao 18 taona no maty tsy tra-drano voahitsaky ny kamiao afak’omaly tany Befandriana Atsimo, distrikan’i Morombe. «Andian-jatovo maromaro niara-nitsangatsangana no nandeha tamin’ny sisin-dalana, ka ilay tovolahy maty no tamin’ny sisiny indrindra. Kamiao nitarika no nanitsaka azy teo amin’ ny lohany», araka ny tatitra avy amin’ny zandarimaria any an-toerana. Nisy kamiao iray niara-dia tamin’ilay fiara naha-faty olona tamin’io fotoana io, ka tsy mbola sahy nihe-tsika aloha fa mialokaloka ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Morombe noho ny tahotra ny fitsaram-bahoaka. Efa nalain’ny fianakaviana ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny zandary. Maminiaina Andri.
  • 18/06/2013: Vinavina - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Mahatratra ny 60 ka hatramin’ny 70 %-n’ny mpifidy ny fitambaran’ireo heverina fa handatsa-bato ho an’i Didier Ratsiraka, Lalao Ravalomanana ary i Andry Rajoelina, raha ny tohan-kevitr’ity farany tany Toliara, ny sabotsy teo. Tarehi-marika tsy voaporofo mazava io. Fifidianana Ben’ny tanànan’ Antananarivo izay nandreseny ny kandidàn’ny Tim ihany no hany nandraisan’i Andry Rajoelina anjara kanefa efa maro ny fiovan-javatra taorian’izay. Efa tsy tahaka ireo olona nitsena azy teny Ivato tamin’ny 1997 intsony koa no nitsena an’i Didier Ratsiraka farany teo. Ary i Lalao Ravalomanana indray na mahazo ny fanohanan’ireo mpomba ny vadiny aza dia mbola tsy niatrika fifidianana ka tsy afaka hitompo teny fantatra ihany koa. Ny hany azo antoka dia ireo «be tsy miteny» no tena maro an’isa indrindra ary ireo dia tsy mitady afa-tsy ny filaminana sy ny fitoniana. Saingy rehefa tsy miteny izay moa  ka dia izay mahay vava sy manangam-bovona ihany no toa zary manana ny marina.
  • 18/06/2013: Toamasina – Trano fivarotana volamena  notafihin’ny jiolahy - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Trano fivarotana volamena iray no notafihin’ny jiolahy, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany tany Ampasima-zava Toamasina. Lehilahy telo nitondra basy poleta no fantatra fa nanao ny fana- fihana ary tsy nisy nisaron-tava izy ireo tamin’izany. « Lasan’ireo jiolahy ny volamena tao amin’ilay trano fivarotana ary talohan’ny nitsoahan’izy ireo dia mbola noraofiny avo-koa ny vola rehetra tao amin’ ny fitoeram-bolan’ilay toe-ram-pivarotana », hoy ny tatitra avy amin’ny zandarimaria any an-toerana. « Nitondra môtô scooter roa ireo jiolahy tamin’io fanafihana io saingy tamin’ny fitsoahan’ izy ireo dia tsy velona ny iray  ka ny iray ihany no niarahan’izy telo nitain-gina», hoy ihany ny tatitry ny zandarimaria. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandary any an-toerana amin’izao fotoana izao. H.R. 
  • 18/06/2013: Vono olona tetsy Ankadikely Ilafy * Namboraka ny antony namonoany ny dadatoany ireo zanak’anabaviny - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ireo tovolahy 16 sy 17 taona, voampanga tamin’ny vono olona teny Andranoritra Ankadikely Ilafy, ny harivan’ny talata 11 jona teo. Nalefa eny amin’ny fitaizana zaza mania eny Anjanamasina kosa ilay tovolahy 14 taona, mbola isan’ireo voarohirohy amin’ity raharaha ity. Mpirahalahy ilay tovo-lahy 17 taona sy ilay 14 taona ary anadahin-drenin’izy ireo ihany ilay rangahy maty voatsatoka antsy niaraka tamin’ny mpanam- piny tao amin’ilay tokan-trano. Ilay tovolahy 16 taona kosa dia naman’izy mirahalahy, voatondro ho nanampy azy ireo tamin’ilay famonoana. Resa-bola sy fialonana Naharitra ora maromaro ny fakàna am-bavany azy ireo teo anivon’ny Mpi-tsara mpanao famotorana  omaly tolak’andro. Tokony ho tamin’ny 6 ora sy fahefany hariva vao vita ny famotorana teny amin’ny Fitsarana Anosy. Vono olona no vesatra niampangana azy telo lahy ireo. Raha ny voalazan’ny loharanom-baovao akaiky ny famotorana dia namboraka ireo voampanga fa «efa zatra nahazo vola tany amin’ilay dadatoany saingy taty aoriana dia nanapa-kevitra hanangana zaza hafa ilay rangahy ary izay no nahavelom-pialonana azy mirahalahy ka nitarika hatrany amin’ny famo-noana». «Tsatok’antsy maromaro no voamarina fa namo- noan’izy ireo ilay dadatoany sy ilay mpanampy tao an-trano tamin’io fotoana io», hoy ny tatitry ny zandarimaria taorian’ ilay voina. [...]
  • 18/06/2013: Tapatapany - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Mpanao hira gasy voatafika > Fiara nitondra tarika mpanao hira gasy no notifirin’ny jiolahy tany Marovoalavo Soa-vinandriana Itasy, ny alahady hariva teo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany. Rehefa lany bala ireo jiolahy dia nitsoaka fa ilay fiara kosa no nivadika. Tsy nisy naratra na maty ireo olona tao anatin’io fiara io. Fikasihan-tanana > Malagasy iray 33 taona voatondro ho nandratra tovovavy malagasy iray, 22 taona, no notazonin’ ny polisy any Maorisy ny alatsinainy teo. Mbola tsaboina any amin’ny hôpitaly any Maorisy kosa amin’izao fotoana izao ilay tovovavy. Tao-rian’ny famotorana nataon’ ny polisy dia fantatra fa resa-pitiavana no nahatonga io fikasihan-tanana io. Ankizilahy naratra mafy > Ankizilahy iray mpilalao irony kiraro misy kodiarana irony no naratra mafy teo amin’ny tarehiny raha iny izy nana- raka taksibe avy ao aoriana omaly hariva, teny Antsahabe. Namikitra taorian’ilay taksibe izy tamin’io fotoana io kinanjo sendra lavaka ny tongony ka izay no nampi-trosona azy tamin’ny arabe, araka ny voalazany.
  • 18/06/2013: Tatitra herinandro – Dahalo enina maty, omby 1647 very,olona 20 naratra - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Namoaka ny tatitra fanaony isaky ny herinandro mikasika ny tsy fandriam-pahalemana manerana ny Nosy ny mpitandro ny fila-minana. Araky ny tatitra dia “dahalo enina no maty vokatry ny fifandonana, omby 1647 kosa no very tamin’izany ary ny 1207 tamin’ireo no tafaverina tamin’ny tompony”. Ny tany Ampanihy ao amin’ny kaominina amba-nivohitr’i Tsimafana distrikan’i Belo ambonin’i Tsiribihina no nahavere-zana omby 307, ny 13 jona teo ary ny tany  Bedretra,  kaominina ambanivohitr’i Soaloka, distrikan’i Mian-drivazo kosa no nahavere-zana omby 300 tamin’io 13 jona io ihany. Noresahina nandritra ity fanaovana jery todiky ny herinandro ity ihany koa ny mikasika ny fitandroana ny filaminana mialoha, mandritra ary ny  aorianan’ny fety fanka-lazana ny faha-53 taonan’ ny niverenan’ny Fahaleovantena. H.R.
  • 18/06/2013: Toetr’andro manerana ny nosy – Haharitra hatramin’ny alahady ny orana sy erika ary rivotra - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Somary tampoka tamin’ny rehetra ihany ny toetr’andro niseho omaly. Nifandimby tao ny erika sy ny hatsiaka ary nisy faritra hafa maro teto amin’ny Nosy no nahitana orana mihitsy. Mbola hitohy anefa izany toetr’andro mandritra ity herinandro ity, araka ny nambaran’ny teknisiana avy amin’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr’andro. « Hanomboka handrivotra ny andro vokatry ny fitsoakan’ny Alizay [...]
  • 18/06/2013: Fanavaozana sarintany – Mety hisy fiovana ireo anaran- tanàna mitovy eto amintsika - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Efa hiroso amin’ny fanavaozana ny sarintanin’i Madagasikara ny tompon’andraikitra samihafa eto amintsika. Ankoatra ny endrika ivelany amin’ny maha sary azy dia mety hisy fiovana koa ireo anaran-tanàna misy ao anatiny. Nambaran’ireo manam-pahaizana manokana, nanatrika fiofanana teny Anosy, omaly, fa manan-danja sady manampy betsaka amin’ny fanondroana sy fitadiavana toerana iray ny anaran-tany. Tafiditra ao anatin’ireo anaran-tanàna [...]
  • 18/06/2013: Tsenan’ny kilonga – Hisy fampahafantarana ireo kilalaon’ny ankizy - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Isan’ny manamarika ny volana jona ny fetin’ny ankizy. Hanome sehatra malalaka ho azy ireo ny vondron’ny mpanabe eo anivon’ny Babeo, amin’ny alalan’ny fampilalaovana sy ny fomba fitaizana ny ankizy, amin’ny sabotsy ho avy izao, etsy Ambohijatovo. Hiavaka ny hetsika satria hisy fanehoan’ireo ankizy ny talentany momba ny fanaovana kisary amin’ny alalan’ny kofehy sy ny loko [...]
  • 18/06/2013: Fananganan-tsaina – Hampaneno lakolosy fanairana ny fokontany sasany - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Tsy mavitrika amin’ny fananganan-tsaina ny ankamaroan’ny olona. Trano enina amin’ny 10 no hita fa mbola tsy manao izany fananganan-tsaina izany amin’izao herinandro mialohan’ny fetim-pirenena izao. Ireo tompon’andraikitra isaky ny fokontany no mitady hevitra sy miezaka amin’ny fanentanana ny olona. Misy amin’ireo fokontany no manao fanentanana amin’ny alalan’ny peta-drindrina, antso ary misy kosa no mampaneno lakolosy [...]
  • 18/06/2013: Fampianarana Teknika – Taratasim-panadinana 40 000 no natonta - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Ny trano printy, izay sady fanaovan’ny mpianatra fianarana asa ho mpiasa printy, eny amin’ny Ivon-toeram-panofanana araka asa (CFP) Ampasampito no nomena nanonta printy ireo taratasim-panadinana 40 000 hampiasaina amin’ireo fanadinam-panjakana, sokajy teknika, hatao amin’ity taona ity. «Tao anatin’ny roa herinandro no namitanay ny fanontana printy ireo taratasim-panadinana ireo. Fehezan-taratasy 400 no nanaovana azy. 100 isaky [...]
  • 18/06/2013: Fifaninanam-panjakana – Mitaky ny fahafahana mijery naoty ireo ivon-toerana fanaovana « cours » - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Mahazo vahana ireo ivon-toerana manampy ireo mpifaninana hiditra ho mpiasam-panjakana. Samy manao izay hisarihany mpianatra avokoa ny rehetra ary misy mihitsy no mifangalatra anarana. « Efa an-taona maro no nisian’ny sekoly saingy misy maka anarana mitovy amin’ny anay. Efa niezaka nifanantona ihany ary niaiky ny hanova ny anarana ireo sekoly vaovao. Ny tena olana amin’izy io [...]
  • 18/06/2013: Fifaninanana rallye dzama event – Nirara-kompana ny lozam-piarakodia tany Antsirabe - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Nisehoana tranga maromaro ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara dingana faharoa eo amin’ny fanamoriana fiarakodia na ny “Rallye Dzama Event”, izay notontosaina tany Antsirabe, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra an’i Roi Lion sy Timon, izay nivadibadika teo amin’ny andro voalohany ho an’ny fifaninanana dia niharan’izany ihany koa i Haja Danielson, nitondra Subaru. Nipitsoka mihitsy ny [...]
  • 18/06/2013: «Trail de Colorado» – Fahatelo i Fanomezantsoa tany La Réunion - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Na dia teo amin’ny taranja tolona sokajin-danja latsaky ny 48 kg aza no nanjakazakan’i Fanomezantsoa Razafindravelo, dia tafakatra lampihazo izy afak’omaly tany La Réunion, nandritra ny «Trail de Colorado» sokajy vehivavy. Laharana faha-76 kosa no nisy azy teo amin’ny filaharana ankapobeny. Vitany tao anatin’ny fe-potoana 4 ora 39’42’’ ny halavirana 38 km nifaninanana tamin’ity hazakazaka [...]
  • 18/06/2013: Tenisy Afrika – Nionona tamin’ny medaly alimo ireo zazalahy malagasy - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Tsy hanana solontena any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ho an’ny isan-tarika eo amin’ny tenisy sokajy latsaky ny 14 taona isika Malagasy amin’ny volana septambra izao. Laharana fahefatra teo amin’ireo ekipa nandray anjara tany Tonizia, ny 10 – 15 jona ry Randy Randrianasoloson sy Sariaka Radilofe kanefa ireo tarika roa voalohany no mahazo ny [...]
  • 18/06/2013: Kitran’ny mpamily fiarakaretsaka – Nahemotra ny fihaonan’ny Taxi Ravinala sy Ambohipo - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Haverina rahampitso antoandro ny lalaon’ny ekipan’ny Taxi Ravinala sy ny Taxi Ambohipo, tokony natao ny sabotsy teo teny amin’ny kianjam-pasika Fort Duchesne noho ny fahoriana iray nitranga. Eo amin’ny dingan’ny lalao ampaha-valon-dalana ny fifaninanana «Grand tournoi taxi-foot», karakarain’ny Fiteramana, ny fihaonan’izy ireo. Tontosa kosa ny lalao enina nanamarika izany. Niavaka ny nanamontsanan’ny Taxi Ambohintsoa tamin’ny [...]
  • 18/06/2013: Kitra amboaran’ny kaonfederasiona – Tsara fanombohana i Brezila, Espana ary Italia - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Tsara ny vokatra ho an’i Brezila sy Espana ary Italia teo amin’ny andro voalohany ho an’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona, izay tontosaina any Brezila nanomboka tamin’ny 15 jona hatramin’ny 30 jona ho avy izao. Nomontsanin’ny Brezila, mpampiantrano, tamin’ny  isa 3 no ho 0 i Japon solontenan’ny Kaonfederasiona aziatika. Lalao nisongadinan’i Neymar, mpilalao breziliana vaovao nantsoin’ny [...]
  • 18/06/2013: Baolina kitra ALFA – Ny As Adema no tafita voalohany amin’ny “Poule des AS” - AO RAHA Gazety Malagasy Online
    Efa manana antoka ho isan’ireo ekipa efatra voalohany amin’ny fifaninanana baolina kitra ho an’Analamanga ny ekipan’Ivato Seranana. Ny faran’ny herinandro lasa teo dia nanamafy ny maha voalohany azy eto Analamanga ny AS Adema raha nanamontsana ny United FC, tamin’ny isa 7 no ho 0. Tsy nanampo ny fahavoazany kosa ny ekipan’i Masindahy Misely, izay niondrika [...]

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite