|
Misaona ny zavakanto – Nindaosin’ny fahafatesana i Lydiary, mpanoratra, vadin’i Solofo José Iray amin’ireo andriambavilanitra sangany eo amin’ny asa soratra. Nodimandry ny alin’ny alahady teo Razaiarimanana Lydia, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Lydiary. Niaina tanteraka tao anatin’ny asa soratra sy ny zavakanto izy sy Solofo José, andefimandriny. Raha nahafantaran’ny maro azy ny sehatry ny tononkalo, dia mpanoratra rafi-tantara teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika ihany koa izy. Anisan’izany ny «Jabajaba», izay horonantsary mikasika ny fanentanana ny ady amin’ny Sida sy ny «An’iza aho?» mahakasika indray ireo zaza nania. Nanan-talenta tamin’ny fanoratana tantara filalao amin’ny onjam-peo ihany koa i Lydiary. Anisan’ireny ny «Ota fady» mikasika izao zaza kambana any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny «Fanidy fito»… Sanganasany ihany koa ny «Ry zareo belazao», mandeha ao amin’ny Aceem Radio amin’izao fotoana izao. Maro ireo boky efa nahitana ny sanganasany ka anisan’ireny ny «Sandratra antsa» sy ny «Ambadiky ny ambadiky ny fitia». Namela kamboty efatra izy. Saika nanaraka ny diany tamin’ny fitiavana zavakanto na tsy nifantoka tamin’ny asa soratra aza ireo zanak’izy sy i Solofo José. Izahay eto amin’ny gazety Ao Raha dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’i Lydiary. FR |
|
Beko’n'Blues – Efa miketrika ny «Hazolahy» ny tarika Mikea Taorian’ny fandraisany anjara tamin’ny «Gilitabe» ka niarahany nikalo tamin’i Dama,dia mitety faritra any La Réunion i Théo Rakotovao, ankehitriny. Fitetezam-paritra izay hitohy any Eorôpa amin’ny volana septambra ka hatramin’ny novambra. tsy ankilan’izay anefa, eo am-pikotrehana ny «Hazolahy», rakikira vaovao heveriny fa hatolotra ny mpankafy amin’ny volana septambra ihany koa ity mpanakanto fantatra amin’ny fiangaliana ny «beko’n'blues» ity. Hiarahan’i Théo Rakotovao sy ny tarika Mikea amin’ ny trano mpamokatra avy any Hollande Music and World, tarihin’i Hans Peter, io vokatra vaovao io. iavaka amin’ireo rakikira teo aloha (Longo sy Taholy) ity rakikira ity noho ny gadon’ny mozika izay somary ho haingana kokoa. Na izany aza, ho hita amin’ireo hira ao anatin’ny rakikira ny fototra sy ny gadona nentin-drazana ary indrindra ny Kabôsa, izay nandravaka ny hiran’ny tarika Mikea. Eo am-pieritreretana ny famo- karana rindran-tsary vaovao ihany koa i Théo Rakotovao, amin’izao fotoana izao. Faly Ran. |
|
Nifampitsodrano – Hanova ireo mpikambana ao aminy ny tarika VHF
Tarika fantatra tamin’ny fiangaliana ny hira fiderana gasigasy. Nifampitsodrano i Parfait, mpanangana ny tarika sy ireo mpikambana tao amin’ny tarika VHF nandritra ny dimy taona nahitana an-dry Bodo, Via, Naly, Luk, Mahery, Sefo, Solofo Boto ary Nini. Araka izany, dia hanova ireo mpikambana ao aminy ny tarika VHF, ka hisy ny fifantenana mpikambana vaovao, izay hotanterahina ny alahady 8 jolay izao, amin’ny 9 ora maraina etsy amin’ny CGM Analakely. «Tsy nisy ny ady na fifandirana fa ny tsy fahafahan’ ireo mpikambana, izay samy manana ny toerany sy ny tarika misy azy no anton’ny fisarahana», hoy ny fanazavan’i Parfait Lalanirina. Mpihira vavy sy lahy, mpitendry gitara gasigasy, mpitendry angorodao ary mpively ampongalava no karohina amin’izany. “Roa vavy sy fito lahy ireo mpikambana teo aloha. Miankina amin’ny fahitana ireo mpifaninana kosa anefa ny handraifitra ny tarika amin’ny endriny vaovao » hoy ihany i Parfait. Ankoatra ireo hira efa nahafantarana ny tarika VHF hatramin’izay toy ny «Hiran’ny lanitra», «Ho avy», «Sakaiza tsara»… dia homasahan’ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny iray volana ihany koa ireo hira vaovaon’ny tarika. Manomboka amin’ ny volana aogositra dia efa manana fandaharam-potoana maromaro ny tarika VHF vaovao. Tsy fantatra kosa anefa na hanohy ny 5 taona teo aloha na hanomboka taona vaovao ity tarika VHF amin’ny endrika vaovao ity. Faly Ran. |
|
Vokatra ara-javakanto – Nampahafantarina tany Antsiranana ny borigady miady amin’ny piraty
Taorian’ny tany Nosy Be, dia nandalo tany Antsiranana ary nanao hetsika fanentanana sy fampahafantarana ny ady atao amin’ny piraty ny Borigady manokana miady amin’ny piraty (BAP). Nandray anjara tamin’izany fihaonana izany ireo mpanakanto mikambana ao amin’ ny sendika, ny mpanao gazety ary ireo tompon’andraikitry ny toeram-pivarotana samihafa. Notsiahivin’ny Kolonely Dieudonné Alphonse, mpandrindra nasionalin’ny BAP fa «rafitra iray eo anivon’ny minisitera ny borigady, ary andraikitra sahaniny voalohany ny fampahafantarana ny besinimaro ny voka-dratsin’ny fandikana ireo asa famoronana sy ny fanimbana ny vakoka». Mandrafitra ity borigady ity ny polisy, zandary, mpitsara, teknisianina sy ny sehatr’asa samihafa mifandray amin’izay asa famoronana izay. Voaresaka manokana ny andraikitry ny ofisim-pirenena miaro ny zon’ny mpamorona (OMDA), ka nilazan’ iry tompon’andraikitra iry hatrany fa “ny BAP irery ihany no afaka mandray ny toeran’ny polisy, ka afaka mandraoka ireo vokatra hosoka, manao ny fanadihadiana ary mitondra ny raharaha eny amin’ny tribonaly”. Faly Ran/Raheriniaina |
![]() |
Masoivoho Amerikana – Foara sy rock nanamarihana ny andron’ny Tany Hetsika ho an’ny tontolo iainana. Nanamarika ny andro amerikanina ho an’ny tany ny masoivoho amerikanina teny Andranomena, omaly. Foara mahakasika ny tontolo iainana sy fampisehoana ireo gadon-kira “rock” mavesatra, niarahana tamin’ny tarika Kazar no nentina nanasongadinana izany. Nandray anjara tamin’ity hetsika ity hatramin’ireo sehatrasa samihafa mikirakira mikasika ny tontolo iainana. «Tsy ampy ny fiatrehana ny fiarovana ny tontolo iainana indray mandeha isan-taona. Mandritra ny taona, dia manolotra hetsika momba ny fiarovana ny tontolo iainana ny Amerikanina ary anisan’izany ny miaina voajanahary any Ranomafana», hoy i Brett Bruen, mpanolotsaina momba ny serasera sy ny lafiny kolontsaina eo anivon’ny masoivoho amerikanina. Tafiditra amin’ny fiarovan’ny tranoben’ny masoivoho amerikanina eny Andranomena ny tontolo iainana, izay mamadika ireo rano avy nampiasaina ho an’ny zaridaina sy ny manodidina azy, ny fanangonana ny ranon’orana alefa any amin’ireo tanimbary manodidina… Faly Ran. |
|
35 taona an-tsehatra – Hotsidihin’i Erick Manana Razilinah, Lôlô, Feo Gasy
Hanamarika ny faha-35 taona niakarany an-tsehatra i Erick Manana. Ho fanamarihana izany ny fampisehoana hataony amin’ny sabotsy 05 mey ho avy izao, etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Hotsidihiny avokoa ireo sehatry ny hira nandalovany sy nahafantarana azy, miainga amin’ny famelomana indray ireo hiran-dRazilinah, ny vazon’ny Lôlo sy ny tariny ary ny sanganasan’ny tarika Feo Gasy. Hanotrona sy hiara-dia aminy mandritra ny fampisehoana anefa i Jenny, ilay andriambavilanitra vahiny mpitendry lokanga sy mampiara-peo aminy sy ny tarika Feo Gasy. Ity tarika ity izay natsangan’i Erick Manana niaraka tamin-dRakoto Frah ary ahitana an-dry Kolibera, Nini, Bariliva ary Fafah sy Benny. Etsy ankilany kosa dia mpitendry nanara-dia an’i Erick Manana sy Jenny ry Solofo Bota (angorodao), Donné Randria Ernest (ampongalava), Titi (saxophone) ary Sata. Ho tonga eto an-tanindrazana ny 29 avrily izao ireo mpanakanto monina any ivelany, ka handray anjara amin’io seho hatolotr’i Erick Manana io ary hiatrika avy hatrany ny famerenan-kira eny amin’ny trano fandraisam-peon’ny m’Ritsoka, izay mpikarakara ny fampisehoana. Nambaran’i Erick Manana fa hoentina ahatsiarovana ireo efa nodimandry, ka nanampy azy teo amin’ny sehatry ny hira, ity fampisehoana ity. Nosinganiny ry Razilinah izay nambarany fa nahafantarana azy tamin’ny famelomana ireo hirany. Ao ihany koa i Raoul (tarika Mahaleo) izay nolazainy kosa fa nanosika azy hiroso amin’ny mozika ary Rakoto Frah, izay singa iray ao amin’ny Feo Gasy. Faly Ran.
|
![]() |
Marary mafy – Hanolo-tanana ho an’i Alain ireo mpanakanto namany Tratry ny tsy fahasalamana efa ho iray volana. Marary mafy etsy amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana i Alain, mpively amponga maroanaka ary miara-dia amin’ireo mpanakanto maro toa an-dry Dah’Mama, Tarika Hasina, Tafita, tarika Mendrika, Big Mj… Mbola ho lava ny fitsaboana azy ka nijoroan’ireo mpanakanto namany hanolotra hetsika tolo-tanana ny zoma 20 avrily izao manomboka amin’ny 8 ora alina, etsy amin’ny Lion d’Or Anosiavaratra. Handray anjara amin’izany ry Tence Mena, Lôla, Hery Tiana, Tarika Hasina, Vetson-kira, Lion’s Music, Tarika Mendrika, Boboh Mahavanona, Melky, Dinah, Sanda Mozika, Nanja, Ndondolah, Tafita…
Faly Ran.
|
|
Kudeta-Carlton – Hanohy ny «Walking jazz» ny Saxo-Jazz
Tarihin’ilay mpitendry karazan-java-maneno maromaro, Rajhonson Andrianaly na i Naly. Hanohy indray ny «Walking jazz» hiarahana amin’ny Radio Lazan’Iarivo (RLI FM 106) ny Saxo Jazz. Mampiavaka ity tarika ity ny mpikambana ao aminy. Mpitendry am-polony no mandrafitra ny Saxo-Jazz, izay ahitana ireo karazan-java-maneno vita amin’ny varahina, lokanga… Ny Takarivan’ny alakamisy 19 avrily indray manomboka amin’ny 7 ora hariva etsy amin’ny Kudéta Urban Club ao amin’ny Carlton no hitondran’izy ireo ireo mozika jazz mahazatra anefa miainga amin’ny aingam-panahin’ireo mpitendry samihafa ao anatin’ny tarika. Ankoatra an’i Naly, izay hitendry ny vata maroafitsoka sy ny lokanga ary hitsoka ny saxophone, dia haneho ny talentany amin’ity hetsika ity ry Mahefa (Beso), Nikita’Amponga maroanaka), Tsiry (amponga lava), Johary (Saxohoe soprano), Hasina (Saxophone alto), Navalona (Tropetra) ary Liva (Gitara solo).
Faly Ran.
|
![]() |
Faha 40 taona – Hitohy any amin’ny faritra ny fampisehoan’ny Mahaleo Taorian’ny fampirantiana tetsy amin’ny Chéminot Antanimena sy ny seho tany Antsirabe ary tetsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, dia hitohy any amin’ny faritra ny fampisehoan’ny tarika Mahaleo ao anatin’ny fankalazana ny faha-40 taonany. Tsy ho latsa-danja tamin’izay naseho teto an-drenivohitra ny hatolotra any amin’ny faritra. «Mbola holazaina manaraka eo ihany ireo daty sy faritra handalovan’ny tarika», araka ny fanazavan’ny Média Consulting, izay mpikarakara ny fankalazana. Tsiahivina fa nandritra ny fampisehoana ny alatsinain’ny Paska teo no nanolorana ireo mpikambana ao amin’ny tarika Mahaleo ny mari-boninahitry ny «Commandeur de l丹rdre des Lettres, de Arts, de la Cultureサ noho ny zava-bitan’ny tarika teo amin’ny tontolon’ny kanto. Faly Ran. |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |