Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: zandary Miverena

Fanofanana manamboninahitra – Hangataka Akademia manokana ny zandarimariam-pirenena Fanofanana manamboninahitra – Hangataka Akademia manokana ny zandarimariam-pirenena

Efa eo an-dalam-panoma­nana ny antontan-taratasy fangatahana ny hananganana sekoly fanofanana manamboninahitra ho an’ny zandarimariam-pirenena, araka ny nambaran’ny kolonely Rasolofo Lumène Fidèle, izay voatendry ho Kaomandin’ny sekoly sy ny fanofanana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Ny tenany no miandraikitra ny fibaikoana ny sekolin’ny zandarimaria ao Ambositra sy Moramanga, ny fanofanana ho fampiakarana laharamboninahitra, ary ny fanofanana ho amin’ny fibaikoana alika, eny Ivato.

Ao Moramanga ihany ity sekoly vaovao atsangana ity araka ny fantatra, ka aorian’ ny fitsanganan’izany dia tsy ho any Antsirabe intsony ny mpianatra ho manamboninahitra zandary no hiofana. Vao nalefa any amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy ny fangatahana izany, araka ny tsilian-tsofina.

Tontosa, omaly teny Maha­masina, ny lanonana ara-miara­mila ho fametrahana azy amin’ireo andraikitra ireo. «Tsy hoe hisintaka tanteraka amin’ny Tafika tsy akory fa hapetraka hatrany ny firahalahiana eo amin’ny samy miaramila», hoy izy raha nanohy ny fanazavany manodidina ilay hevitra fananganana Akademia manokana ho an’ny zandarimaria.

Etsy an-danin’izay dia nanamafy ny hiadiana amin’ny kolikoly, izay efa drafitra napetraky ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena ity Kaomandin’ny sekoly sy ny fanofanana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ity.

Hirosoana ihany koa, araka ny voalaza ny atrikasam-piofanana ho an’ny zandary efa am-perinasa mba ho fanatsarana ny kalitaon’ny asan’izy ireo.

Maminiaina Andri/R.F 

Zandarimariam-pirenena – Niakatra Codis ny kolonely Raymond Andrianjafy Zandarimariam-pirenena – Niakatra Codis ny kolonely Raymond Andrianjafy

Herintaona aty aorian’ny fanamelohan’ ny Fitsarana ny lietnà kolonely Andrianjafy Raymond dia niakatra teo amin’ny filan-kevi-pifehezana (Codis) eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny tenany, herinandro lasa izay. Tsilian-tsofina no nahafantarana fa efa nivaly ny vokatr’ity filankevi-pifehezana ity, ka voaroaka tsy ho isan’ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena intsony ny tenany.

« Nohenoina tokoa izy tamin’ny filan­kevi-pifehezana, saingy tsy fantatro ny valiny. Kanefa lojika ihany raha izay satria ato anatin’ny zandarimariam-pirenena,ny olona melohin’ny Fitsarana dia tsy maintsy voaroaka. Raha toa anefa any aoriana ka rava indray izany didy manameloka azy izany dia afaka mangataka hiverina izy », hoy ny manamboninahitra jeneraly zandary iray.

Ny 20 mey 2010 no nipoaka ny raharaha fikomiana izay notarihin’ity manamboninahitra ity teny amin’ny toby Fign Fort-Duchesne. Roa taona taty aoriana, ny 5 mey 2012 no voaheloka higadra enin-taona an-tranomaizina sazy mihatra ny tenany. Fitondrana miaramila mitam-basy tsy nahazoana alalana, fihantsiana ho amin’ny fikomiam-bahoaka mitarika ady an-trano, fanohintohinana ny filaminana anatiny, fikasana hanongam-panjakana, fandraisana anjara amin’ny fihetsiketseham-bahoaka tsy nahazoana alalana, famonoana olona an-kolaka ary fikomiana miaramila no vesatra niampangana azy.

R.F

Telo volana voalohan’ny 2013 – Zandary mahatratra 77 no voasazy ho nanao kolikoly Telo volana voalohan’ny 2013 – Zandary mahatratra 77 no voasazy ho nanao kolikoly

Fiovana hentitra. Tsy an-kitsitsy intsony ny fampiharana ny lalàna maha-kasika ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny fibaikoana ny Zandari-mariam-pirenena, nanom- boka tamin’ity taona 2013 ity. Tao anatin’ny telo volana voalohan’ity taona ity dia efa zandary 77 sahady no voasazy noho io resaka kolikoly io. Hatramin’ny fakana vola 1000 ariary tamina mpamily fiarakodia no nahavoasazy zandary iray.

Nisy tamin’ireo zandary ireo no naiditra am-ponja vonjimaika mihitsy, toy ny manamboninahitra kolonely iray tany Betroka tamin’ilay hetsika fanenjehana an-dRemenabila. Nisy ireo nahazo ny sazy ara-miaramila fotsiny ihany rehefa nahazo fahafahana teo anivon’ny Fitsarana. Tsy mbola nisy kosa anefa ny voaroaka hatreto. Isan’ ireo nomen’ny Fitsarana fahafahana ilay zandary iray voatondro ho naka vola 10 000 ariary tamina mpamily tany Antsirabe.

Ny jeneraly Ravalo-manana Richard, kaomandin’ny Zandarima-riam-pirenena dia manamafy hatrany  fa « na mahazo fahafahana eo anivon’ny Fitsarana aza ireo zandary voarohirohy amin’ny kolikoly dia mana- raka hatrany ny sazin’izy ireny ara-miaramila raha voaporo mazava ny zavatra nataony ».

Sorona

Nandritra ny fifam-piarahabana noho ny taona vaovao teo anivon’ ny fianakaviamben’ny zandarimaria, tamin’ny tapaky ny volana janoary teny amin’ny toby Fign Fort Duchesne, dia efa nanizingizina ny jeneraly Randrianazary, kaoman-din’ny Zandarimaria fa « mitady zandary hatao sorona izy ireo amin’ny ady amin’ny kolikoly raha misy mbola alaim-panahy hitolo-tena ». Efa fampitandremana tsy niolaka io nataony io.

Zandary afaka misahana ny andraikitry ny« officier de police judi-ciaire » miisa 2800 mane- rana an’i Madagasikara ihany koa no efa nahavita fanambaram-pananana tany amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ho fanehoan’ny zandarimaria ny fahavononan’ izy ireo hiady amin’ny kolikoly izay.

Etsy andanin’izay ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia nilaza fa « hisy ny fana-raha-maso hentitra iarahan’ny ministeran’ny Asam-panjakana sy ny Bianco amin’ny fifaninana hidirana ho zandary ny 25 sy 26 may izao ».

Ranaivoson Faniry

Sekolin’ny zandarimaria Moramanga – Hiitatra amina resaka kolikoly ny fanadihadiana momba ilay zandary namono tena Sekolin’ny zandarimaria Moramanga – Hiitatra amina resaka kolikoly ny fanadihadiana momba ilay zandary namono tena

Hatreto dia mbola ny fividianana naoty mba hahatafidirana teny amin’ny sekoly ambonin’ny zandarimaria tany Moramanga hatrany no itoeran’ny ahiahin’ny tompon’andraikitry ny zandarimaria ho antony nahatonga ilay zandary namono tena, ny alatsinainy maraina teo.

« Raha ny fanadihadiana natao tamin’ireo vady aman-janany dia efa elaela no tsy nanome vola azy ireo io zandary maty namono tena io. Heverina ho mety nandoa trosa izany izy, saingy mbola hisokatra moa ny fanadihadiana ka eo no hahitana izay tena marina », hoy ny jeneraly Ravalomanana Richard, kaomandin’ny zandarimariam-pirenena. Raha ny fantatra dia tsy ho ela intsony ny fisokafan’ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.

Ny kaomandin’ny zandarimaria izay nampiseho indray ny mahasarotiny azy amin’ny fana-raha-maso ny resaka kolikoly eo anivon’ny zandarimaria sy ny fidirana amin’ireo sekoly mano-fana ho zandary.

« Tsy azo ekena mihitsy ny fisian’ny kolikoly hidirana ho zandary. Tamin’ilay resaka kolikoly teo aloha dia efa mandeha ny fanadihadiana amin’ izao fotoana izao. Efa nisy olona iray voasambotra ary misy hafa ahiahiana amin’izao fotoana izao », hoy hatrany ny kaomandin’ ny Zandarimariam-pirenena.

Mahakasika ny fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary amin’ity taona ity dia efa nampiomana sahady ny jeneraly Ravalomanana Richard fa « tsy hisy kolikoly mihitsy ny fifaninanana amin’ity taona ity ary  tsy ho voaray ho mpianatra zandary ireo tsy mahazo salan’ isa mihoatra ny 10 ».

Isan’ireo ho voaara-maso ireo lehibe izay tsy maintsy fitaratra voalohany, araka ny nambaran’ny kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena ihany.

Ny tenany izay nanamarika fa « ho azo hamarinina tsara ny fitsinjarana ilay vola Ar 7 600 tapitrisa nangatahina hitandroana ny filaminana mandritra ny fifidianana fa tsy hisy hiditra any am-paosin’ireo lehibe velively ».

Haja R

Heloka amin’ny tontolo iainana – Zandary sy polisy 50 miverina mianatra lalàna Heloka amin’ny tontolo iainana – Zandary sy polisy 50 miverina mianatra lalàna

Mihevitra ny hana-tsara ny fomba fanenjehana sy fampiharana ny lalàna ireo zandary sy polisy manoloana ireo heloka misesy momba ny tontolo iainana tsy misy fitsaharana. Mpanao famotorana 50 avy amin’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena no nomena fanofanana momba ny varotra iraisam-pirenena maha­kasika ireo biby sy zavamaniry atahorana ho lany tamingana (Cites) tetsy amin’ny foiben’ny hery vonjy taitran’ny polisim-pirenena (Fip) etsy Antanimora noho izany.

Omaly no niantom­boka ny fiofanana ni-araha-miasa tamin’ny Alliance Voahary gasy izay fiarahamonim-pirenena misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. “Adidinay mpitandro ny filaminana koa no miaro ny tontolo iainana. Heverina fa hanatsara ny fanenjehana sy fampiharana ireo lalàna ity fiofanana ity”, hoy Rakoton­dra­zaka Arsène, minisitry ny Filaminam-bahoaka.

Heverin’ny jeneraly Randrianazary, sekreteram- panjakana misahana ny Zandarimariam-pirenena fa “lesoka mantsy ny tsy fifehezana tsara ireo karazana fehezan-dalàna”.

HNA

Nosy Varika – Saika notafihin’ny olona koa ny biraon’ny zandary Nosy Varika – Saika notafihin’ny olona koa ny biraon’ny zandary

Mitady hiitatra any amin’ny toeran-kafa ny zava-nisy tany Mandritsara, andro vitsy lasa izay. Omaly sy afak’omaly dia saika nisy korontana tao Nosy-Varika. Lehilahy iray avy nahafaty olona noho ny ady nateraky ny fampiadiana omby no nitsoaka tany amin’ny zandary. Nisy ireo andian’olona nitanjozotra nitaky ny hanaovana  »maso solon’ny maso » tamin’ilay lehilahy.

« Nampiady omby ireo tovolahy tao Sahanivato Nosy-Varika, ny 4 marsa. Taorian’io dia raikitra ny ady teo amin’ireo samy tovolahy ka niafara tamin’ ny kapa famaky sy tsindrona lefona. Namoy ny ainy vokatr’ izany ny tovolahy iray. Name- traka fitoriana taty aminay ireo fianakavian’ny maty ary nomarihin’izy ireo ny fita- kiana ny hamonoana ilay lehilahy voatondro ho namono ny havan’izy ireo », hoy ny avy amin’ny zandarimaria any an-toerana.

Tsy niandry ela ireo tompon’andraikitry ny zanda- rimaria fa nandefa zandary avy any Mananjary hanampy ireo namany any an-toerana. Voafehin’izy ireo ny filaminana hatreto, araka ny voalazan’ny loharanom-baovao. Nalefa any Mananjary avy hatrany kosa ilay lehilahy volaza ho namono olona io.

Faralala 

Anosibe – Zandary sandoka naiditra am-ponja Anosibe – Zandary sandoka naiditra am-ponja

Tsy henatra tsy tahotra ny lehilahy iray mitonona ho zandary teny Anosibe sy 67 ha, ny alakamisy 21 febroary. Nisambotra olona mihitsy ity milaza ho zandary prinsipaly kilasy voalohany ity tamin’ izany. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Anta-nimora izy rehefa avy natolotra ny Fitsarana afak’omaly.

«Mpivarotra rongony iray no nosamborin’ity mpisandoka ity ary nakany vola mihitsy ho sandan’ny famotsorana azy. Rehefa voasambotra indray ilay zandary sandoka dia nahitana karatra zandary sandoka roa izay samy misy ny anarany tany aminy. Tany an-tranony indray nahitana fanamiana zandary sy antontan-taratasy maro milaza famitàna iraka. Izy ihany no manamboatra ireo taratasy ireo, araka ny nolazainy, ary milaza izy fa ao amin’ny tobim-paritry ny zandary Anta-nanarivo no miasa», hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

Faralala 

Toby Ratsimandrava – Zandary an-jatony hafindra toerana Toby Ratsimandrava – Zandary an-jatony hafindra toerana

Nilatsaka ny baiko eo anivon’ny zandari- mariam-pirenena fa ireo zandary rehetra mihoatra ny telo taona amin’ny toerana iray dia tsy maintsy afindra toerana. Voakasik’ izay fepetra izay avokoa araka izany ny ankamaroan’ny zandary rehetra manerana ny Nosy. Tsy afa-bela amin’izay ihany koa ireo zandary miasa amin’ireo sehatra ivelany toy ny andrim-panjakana, manomboka amin’ ny mpiana-draharaha ka hatrany amin’ny kolonely. Ny ao amin’ny toby Ratsimandrava manokana dia fantatra fa an-jatony ireo nahazo famindran-toerana.

« Tsy mandà ny fanadiovana izahay fa tena tsara ary mendrika hanaovana an’izany ny zandarimariam-pirenena. Amin’ny lafiny iray anefa dia tsy mifanaraka amin’ny tena zava- misy ihany ilay fepetra indraindray ary eo no mety hitarika fikorontanan’ny lamina izay efa napetraka. Tahaka izany ny fiambenana ny toby ohatra. Notapahina fa hohamafisina izany kanefa ny zandary hanao ny asa mifandraika amin’izany aza nahena be indray», hoy ny fitarainan’ireo zandary sasany.

Raha ny fanazavan-kevitry ny lehiben’ ny Zandarimaria anefa dia nolanjalanjaina fatratra avokoa ireo fanapahan-kevitra mahakasika famindran-toerana noraisina.

Faralala  

Fitandroana ny filaminana – Arovana mafy ireo tobin’ny zandary Fitandroana ny filaminana – Arovana mafy ireo tobin’ny zandary

Miova andriana, miova sata. Miroso amin’ny paikady vaovao ny eo anivon’ ny zandarimariam-pirenena. Taorian’ ireny fihombon’ny fanafihan-dahalo nahafatesana zandary maromaro tamin’ ny herintaona ireny, dia misy ny fana-zarantena izay mafimafy kokoa ataon’ny zandary. Tanjona ihany koa amin’ity taona ity ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fiarovana ny tobin’ny zandary.

« Tsy azo ekena intsony amin’ity taona ity ny zandary mihemotra manoloana ny dahalo na jiolahy. Handraisana fepetra ihany koa ny zandary izay mamela ny namany hiady irery amin’ny dahalo rehefa raikitra ny fifandonana. Hohama-fisina ny fahaizana haiady eo amin’ny zandary. Tafiditra ao anatin’io ny fiarovana ihany koa ny tobin’ny zandary satria toerana saro-pady tsy tokony ho tafiditry ny olo-tsotra mora amin’izao fotsiny », hoy ny jeneraly Ravaloma-nana Richard, kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena.

      Faralala 

Naiditra am-ponja – Zandary kilasy faharoa tratra nivarotra balanà  »kalachnikov » Naiditra am-ponja – Zandary kilasy faharoa tratra nivarotra balanà  »kalachnikov »

Mpivarotra bala. Zandary iray manana ny laharam-boninahitra  »gendarme principal de 2ème classe » na GP2C miasa eo anivon’ny sampan-draharaha mikirakira ny fitaovam-piadiana ao amin’ny toby Ratsimandrava no sarona nivarotra bala, ny 17 janoary teo. Naiditra am-ponja vonjimaika omaly rehefa avy natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ity zandary ity.

« Nisy rafitra mitsangana eo anivon’ny Tafika izay antsoina hoe « police militaire ». Mivezivezy eran’ny tanàna izy ireo mitady vaovao ka izany no nahatratrarana ity zandary mpivarotra bala ity », hoy ny loharanom-baovao azo tamina manam-boninahitra iray avy eo anivon’ny Zandarimaria.

« Balanà  »kalachnikov » niisa 20 no tratra tany amin’ity zandary ity ka rehefa natao ny famotorana dia nolazainy fa iray alina ariary no nivarotany ny iray tamin’ireo bala ireo », hoy hatrany ilay loharanom-baovao.

« Natao avy eo ny fisavana ny tranon’ity zandary kilasy faharoa ity ka mbola bala-nà  »kalachnikov » 38 sy masolavitra fampiasan’ny hery manokana indray no hitan’ireo mpitandro ny filaminana  tao», hoy hatrany ilay loharanom-baovao.

Fanadiovana

« Misy hetsika manokana natao ho fanadiovana ny eo anivon’ny zandarimaria ka izay no nahatratrarana an’ity zandary ity. Tsy misy fijerena ihany koa na iza na iza fa izay tratra dia manefa ny saziny avokoa. Misy sazy tsy maintsy miandry ity zandary ity ihany koa amin’ny maha miaramila azy, ankoatra ny saziny eny amin’ny Fitsarana. Mety hiafara amin’ny fandroahana azy tsy ho eo anivon’ny zandarimaria mihitsy izany sazy ara-miaramila izany », hoy ny fanazavan’ny lietnà Razandrinirinjokiny Honoré, ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny serasera eo anivon’ny zandarimaria.

Misy sampana manokana eo anivon’ny zandarimaria misahana ny fanadihadiana izay antony marina nahatonga ity zandary ity nanao izao fivarotana bala izao. Ilay sampandraharaha manokana avy eo no mamaritra izay sazy homena an’ilay nandika lalàna. « Manampy betsaka amin’ny fampihenana ny asan-jiolahy eto amintsika ihany koa ny fahatratrarana fitaovam-piadiana tahaka izao », hoy hatrany ity tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny zandarimaria.

Haja Randrianantoandro

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite