|
Fitsaram-bahoaka – Lehilahy voatondro ho mpangalatra nodoran’ny olona velona Lehilahy iray voatondro ho mpangalatra no nodoran’ny olona velona tetsy Ambolokandrina, omaly vao maraimbe tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany maraina. « Niditra tao amina tranona mpianatra iray io lehilahy io, ka nandrahona azy ireo tamin’ny antsy. Lehilahy roa sy vehivavy iray no tao amin’io trano io. Naharitra adiny iray mahery io lehilahy io no tao. Rehefa avy nanakorontana tao izy dia namatotra ireo olona rehetra tao an-trano. Henon’ny mpiray vodirindrina ny zava-niseho ka niantso vonjeo izy ireo», hoy ny fitantaran’ny lehilahy iray monina eo amin’ny manodidina an’ilay trano voatafika. « Raha vao naheno izany ilay lehilahy tao an-trano dia nikoropaka ka notoherin’ireo tompon-trano. Nafatotr’izy ireo avy eo ilay saika handroba ary nentina nivoaka sy niantsoana polisy. Tsy niandry izany anefa ireo olona sasany fa avy hatrany dia nanamparan’izy ireo ny fony ilay olona tratra ka nodoran’izy ireo», hoy ihany io lehilahy monina eo amin’ny manodidina io. Efa leo fanafihana Raha ny fantatra teny an-toerana dia tsy dina ifampifehezan’ny olona eny Ambolokandrina sy ny manodidina velively ity fandoroana olona ity. « Efa leo fanafihana ny mponina ety satria vao tamin’ ny herinandro no nisy vaky trano sy olona maty voatsatoka antsy teto amin’ny manodidina », hoy ny nambaran’i Feno, mponina eny Ambolokandrina. « Tonga teny an-toerana ny polisy avy ato aminay, saingy efa maty ilay lehilahy ka tsy nisy azo natao intsony. Niantso ny teo anivon’ny polisy misahana ny ady heloka bevava izahay avy eo hanao ny fanadihadiana », hoy ny nambaran’ ny polisy eo anivon’ny Boriborintany faharoa. Haja Randrianantoandro |
|
Vono olona tetsy Andoharanofotsy – Voasambotra ireo dimy lahy voarohirohy ho namono Sinoa Lehilahy dimy ka teratany sinoa ny iray no voasambotra vokatry ny fiaraha-misalahan’ny polisy misahana ny ady heloka bevava sy ny polisin’ny faritanin’Antananarivo tamin’ilay fanafihana mitam-piadiana nahafatesana Sinoa vavy iray tetsy Volotara Andoharanofotsy ny 12 avrily teo. « Ny 19 avrily teo no voasambotra ilay lehilahy teratany sinoa iray ahiana ho nahavita ity fanafihana ity. Efa nigadra 8 taona asa an-terivozona tamin’ny resaka fandrobana teratany sinoa koa ity voarohirohy ity, saingy rehefa nohamarinina teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy dia fantatra fa nahazo fahafahana vonjimaika izy tamin’ny taona 2010 » , hoy ny nambaran’ny tale misahana ny fikarohana ny fandikan-keloka eo anivon’ny polisim-pirenana, ny kaomisera divisionera Velotsara Marcel. « Nanondro namana io Sinoa io tamin’ny fanadihadiana natao azy ka ny ampitson’ny andro nahatratrarana azy, ny 20 avrily, dia roa lahy indray no voasambotra. Ny iray tamin’ireo no nitondra ilay fiara nentin’izy ireo nanafika », hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Ny 22 avrily dia olona roa hafa indray no voasambotra. Tratra tany amin’ny iray tamin’izy ireo ny basy poleta iray nisy bala 16. « Mbola mitohy ny fikarohana amin’izao fotoana izao satria fantatra fa mbola misy naman’izy ireo hafa mbola nandositra», hoy ihany ny kaomisera divisionera Velotsara Marcel. Haja Randrianantoandro
Fanadihadiana roa Tsy ilay ramatoa vehivavy sinoa irery no namoy ny ainy tamin’ity fanafihana ity fa mbola nisy tovolahy iray hafa ihany koa voatifitra tsy nahin’ny zandary mpiana-draharaha iray. Rehefa nanontaniana mikasika ity tranga iray ity ny tompon’andraikitry ny zandary dia nilaza fa mbola mandeha amin’izao fotoana izao ny famotorana.
|
![]() |
Valifaty – Tompom-bady nanindrona antsy ilay voalaza fa rafilahiny Lehilahy iray 42 taona no maty voatsindron’ny antsy bory tany Marofody Tsaravavy ny 8 avrily teo tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Lehilahy roa amin’izao fotoana izao no notazonina ao amin’ny biraon’ny zandary ao Mananjary, ahiana ho nahavanon-doza. Ilay tompom-bady no voatondro ho tompon’antoka tamin’ny fanindronana antsy azy. « Nitondra namana ilay tompom-bady ka nanao valifaty ary izao niafara tamin’ny fanindronana antsy ity lehilahy ity izao », hoy hatrany ny tatitry ny zandary any an-toerana. Taorian’ny fizahana nataon’ny zandary avy ao Mananjary dia natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy ity. Haja R. |
![]() |
Hetraketraka – Lehilahy iray ahiana ho nisy namono dia natsipy tao anaty rano Fatin-dehilahy iray, 26 taona, omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany no navoaka tao anaty rano tetsy Andrano-mena. Efa somary nisy fahasimbana ihany ny vatan’ilay tovolahy satria raha ny nambaran’ny dokotera tonga nijery teny an-toerana dia efa roa na telo andro teo ho eo io razana io no tao anaty rano. « Nisy maratra sahala amin’ny nofiraina tamin’ny antsy teo amin’ny lohany ary feno ratra ny tratrany sy ny lamosiny. Efa potika kosa ny mahalehilahy azy sahala amin’ny hoe lanin’ ny biby », hoy i Feno Rakotozafy, mponina eny amin’ny manodidina ilay toerana nahitana ny razana. Ny zandarimaria avy ao Ambohibao aloha dia resy lahatra fa « tsy maty an-drano no nahafaty io lehilahy io fa novonoina ary avy eo natsipy tao anaty rano ». Efa mandeha noho izany ny fikarohana an’ireo nahavanon-doza. Ny teo anivon’ny mpamonjy voina no tonga teny an-toerana namoaka an’ilay razana avy ao anaty rano ary ny teo anivon’ny Bmh kosa indray no nitondra izany teny anivon’ny hôpitaly Joseph Ravo-ahangy Andrianavalona. Haja R. |
|
Famonoana miaramilan’ny primatiora – Lehilahy iray voasambotra nivarotra ilay basy very
Lehilahy iray no tanana etsy amin’ny biraon’ny zandary misahana ny heloka bevava, etsy Fiadanana nanomboka ny alarobia teo noho ny fiva-rotana ny basin’ilay miara-milan’ny Primatiora nisy namono teny Androndra-kely, ny 26 febroary teo. « Olona roa akaiky azy no nanondro azy teny amin’ ny zandary ka raikitra ny fisamborana. Tsy tao anefa izy tamin’ny fidinana voalohany nataon’ny zandary tany an-toerana. Niverenana fanindroany ka tamin’izay vao voasambotra », hoy ny loharanom-baovao iray maharaka akaiky ity raharaha ity. Raha ny tatitra ihany dia niaiky ny heloka vitany ilay lehilahy rehefa nanontaniana ary namboraka fa efa lafony ilay basy. Ilay olona nividy io basy io indray no tadiavina amin’izao fotoana izao. Raha ny tokony ho izy dia efa tokony ho tamin’iny herinandro iny no natolotra ny Fitsarana ireo olona enina voasambotra tamin’ity raharaha ity, araka ny fampitam-baovao. Noho ny fisian’ io olona iray mbola karohina io anefa dia najanona ilay fanolorana azy ireo ny Fitsarana fa mbola miandry ny fisamborana azy. Nihosin-dra tetsy Andron- drakely tamin’ny fotoana nahi- tana ny fatin’ilay miaramila niharan’ny fanendahana. Tsatok’antsy roa no hita tamin’ ny vatan’ity miaramila ity, ny iray teo amin’ny lamosiny ary ny iray teo amin’ny foto-peny. Haja Randrianantoandro |
|
Famonoana miaramilan’ny primatiora – Olona enina naiditra am-ponja eny Antanimora
Naiditra am-ponja vonjimaika ireo olona enina voarohirohy tamin’ny famonoana an-dRandrianirina Fidelice, ilay miaramilan’ny Primatiora maty voatsindron’antsy tetsy Androndrakely ny 26 febroary teo tokony ho tamin’ ny 9 ora alina. Raha ny fantatra dia vehi-vavy ny iray tamin’ireo voam- panga ireo ary mbola tsy ampy taona kosa ny iray. Afak’omaly izy ireo no natolotra ny Fampanoavana tetsy amin’ny Tribonaly Anosy ka enina izy ireo no voarohirohy ary nisy olona telo hafa kosa nijoro ho vavolombelona. « Ny iray tamin’ireo voa-rohirohy voalaza fa nitazona ilay basy very tany amin’ilay kaporaly no voasambotra farany tamin’izy ireo. Teny Ambohimalaza no nahatrarana an’ity farany. Tsy nety niaiky ho nitazona io basy io hatramin’ny farany anefa izy tamin’ny fotoana nanaovana ny fakàna am-bavany azy. Ireo vavolombelona anefa dia samy nanondro azy avokoa », hoy ny loharanom-baovao azo avy eo anivon’ny miaramilan’ny Primatiora. « Efa tapitra voasambotra avokoa ny olona rehetra heve- rina ho nandray anjara tamin’ iny famonoana iny ary ireo natolotra ny Fampanovana ireo », hoy hatrany ilay loharanom-baovao. Tsindron’antsy roa no hita tamin’ny vatan’ity miaramila ity tamin’ny fotoana nahitana ny razana. Ny iray tao amin’ny lamosiny izay saika nipaka tany amin’ny fony mihitsy ary ny iray kosa teo amin’ny foto-peny. Haja Randrianantoandro |
![]() |
Famonoana Masera – Olona roa hafa naiditra am-ponja vonjimaika Olona roa no naiditra am-ponja vonjimaika tamin’ilay raharaha fitokonana niafara tamin’ ny fitoraham-bato an’ireo mpikambana eo anivon’ ny governemanta namita iraka tany Mandritsara, tamin’ny herinandro teo. Nahazo fahafahana vonjimaika avy amin’ny fitsa-rana kosa ireo olona 16 hafa voasambotra nandritra ny fotoana nitrangan’ny savorovoro. Raha ny tatitry ny zanda- rimaria avy any an-toerana dia samy fotorana avokoa na ny vahoaka na ny avy amin’ny mpitandro ny fila- minana, ahafantarana ny tena zava-niseho marina tamin’iny fotoana iny. « Tsy maintsy mandalo famotorana ireo mpitandro ny filaminana niasa tamin’iny fotoana iny mba hanajana ny teny nifano-mezana tamin’ny vaho-aka », hoy ny nambaran’ny manam-boninahitra iray. « Tamin’ny fotoana nisian’iny korontana iny dia nisy siosion-dresaka fa misy olona roa tsy hita popoka tamin’ireo tanora nanao fihetsiketsehana. Rehefa nidina teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana nanao ny fanamarinana dia hita ny iray fa ny iray kosa tsy voamarina ny fahavere-zany », hoy hatrany ity manam-boninahitra ity. Ilay raharaha famo-noana masera niseho tany Mandritsara ny 2 marsa teo no nahatonga an’ity fampidirana am-ponja vonjimaika ity. Ireo olona naratra naiditra hôpitaly dia efa nivoaka ny ankamaroany. Mbola misy kosa ireo voatery manaraka fitsaboana. Ireo olona telo voatondro ho nahavita ny heloka kosa dia efa nalefa eny Tsiafahy miandry ny fitsarana azy. Haja Randrianantoandro |
![]() |
Mandritsara – Olona 16 voasambotra, saika tsy afaka tany an-toerana ireo delegasionan’ny governemanta Milamindamin-dratsy ny tao an-tampon-tanànan’i Mandri-tsara, omaly hariva. Tsy nahasahy nanohy ny fitakiany intsony mantsy ireo tanora tany an-toe-rana taorian’ny fisamboran’ny mpitandro ny filaminana olona 16, voatondro ho mpitarika ny hetsika. Saika tsy afaka niainga kosa ny fiaramanidina nitondra ireo delegasionan’ny governemanta nidina tany an-toerana omaly antoandro. Ankoatra izay, vokatry ny fihetsiketsehana ihany, dia nisy tsena voaroba tao an-tampon-tanànan’i Mandritsara. Fiara iray an’ny zandarimaria any an-toerana koa no voalaza fa vaky fitaratra vokatry ny toraka nataon’ireo mpanao fihetsike-tsehana. « Noho ny fikasan-dratsy hanimba zavatra sy handroba no antony nisamborana ireo olona 16 ireo. Niniana tsy nampahafantarina mihitsy ny toerana hitazonana azy ireo », hoy ny nambaran’ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria any an-toerana. « Tsy nahitam-bokany ny fifampiresahana teo amin’ny solontenan’ny fanjakana sy ireo mpanao fihetsiketsehana. Ny fitakian’ireo tanora ihany koa tetsy ankilany dia nitombo sy nivoatra niandalana foana. Tamin’ny voalohany dia ny fita-kiana ny famoahana ireo nahavanon-doza no notaon’izy ireo. Notakian’izy ireo indray avy eo ny hamerenana ireo voarohirohy any amin’ny fonja any an-toe-rana. Niafara tamin’ny fitadiavan’izy ireo izay mpitandro ny filami-nana nitifitra nahafaty ireo olona roa nanao ny fihe-tsiketsehana izany nony farany », hoy hatrany ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimarian’i Sofia. Haja R. |
|
Habibiana – Zazalahy kely 14 taona namono nahafaty ny renibeny Mampihoron-koditra. Tovolahy kely 14 taona no voalaza fa namono nahafaty, namira antsy ny renibeny tany Mantsaboribe, ao amin’ny kaominina Ampandrikilandy ao amin’ny distrikan’Antsohihy, ny alahady 3 marsa teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Raha ny fitantaran’ny teo anivon’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Antsohihy dia resaka valifaty no antony namonoan’io tovolahy kely io ity renibeny ity. Raha ny fahitana ny razana dia tsy hitan’ilay renibeny akory no namonoan’ity zafikeliny azy, satria avy aty aoriana avokoa ireo dian’antsy. « Nambarany tamin’ny famotorana natao azy fa io renibeny io, hono, no namosavy ny raibeny sy ny zandriny roa. Nifanelanelana telo volana avokoa no nahafaty ireo olona telo ireo, ka tany amin’io renibeny io foana ny ahiahiny ary izao niafara tamin’ny famonoany azy izao », hoy ny tatitry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritr’Antsohihy. « Avy niandry omby tany an-tsaha ilay zazalahy no nifanehatra tamin’ilay renibeny izay avy niasa tany an-tanimboly ,ka teo no nanatanterahany ny valifatiny », hoy hatrany ny teo anivon’ny zandarimaria. Fantatra fa nitsoaka avy hatrany ilay tovolahy kely raha vao nahavita ny asa ratsiny. Ireo fokonolona tany amin’ilay toerana nandosirany indray avy eo no nitondra azy tao amin’ny zandary. Tamin’ny fotoana nahitana ny razana dia nitsoaka ihany koa ny ray aman-drenin’ity zaza ity noho ny fahatahoran’izy ireo ny valifatin’ireo mpiray tampo aminy. Nampanatsoin’ny zandary avy eo ireto farany satria tsy maintsy hatrehiny ny famotorana ilay zanany, mbola tsy ampy taona. Anio no hatolotra ny Fampanoavana any an-toerana ity zazalahy kely voatondro ho nahavita namono ny renibeny ity. Haja Randrianantoandro |
![]() |
Famonoana masera – Minisitra efatra nidina any Mandritsara Nandeha fiarama-nidina manokana mihitsy ireo minisitra efatra: Razanamahasoa Christine, misahana ny Fitsarana; Rakotoarisoa Florent, misahana ny Atitany; Razafindehibe Etienne Hilaire, minisitry ny Fampianarana am-bony ary Ruffine Tsira-nana, miadidy Fitsinji-ram-pahefana, namonjy an’i Mandritsara omaly hariva. Fandaminana ny savorovoro nateraky ny fahafatesan’ilay masera vavy frantsay 82 taona no anton-dian’izy ireo. Miaraka amin’ireto mpikambana ao amin’ ny governemanta ireto ihany koa ireo tompon’ andraikitra ambony avy amin’ny zandary sy polisy. « Hifampidinika amin’ireo ray aman-dreny sy tompon’ andraikitra any an-toe-rana mba hiverenan’ny filaminana haingana no foto-dian’ireo tompon’ andraikitra ireo any. Misy ihany koa ny mpitandro ny filamina nalefa any hanampy ireo efa any an-toerana », hoy ny jeneraly Randrianazary, sekreteram-panjakana miadidy ny Zandari-mariam-pirenena.
Faralala |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |