![]() |
Volley ball CACC 2013 – Norombahin’ny ekipan’ i Kenya Prisons ny amboara Fanindiminy no nandrombahan’ny ekipan’ny Kenya Prisons ny amboaran’i Afrika teo amin’ireo ekipa tompondaka eo amin’ny taranja volley ball sokajy vehivavy. Niady dia niady tokoa ny lalao omaly satria efa tany amin’ny Tie break vao nanaiky nilavo lefona ny ekipan’ny GSP d’Algérie. Nahatratra hatrany amin’ny adiny roa sy 15 minitra no fotoana nifandonan’ny roa tonta mba hivoahana ho tompon’ny amboara teto, ka ny seta fahadimy no nibatan-dry zareo Keniana ny amboara (25-21/20-25/ 25-19/ 20-25/15-6) tamin’ity fifaninanana afrikaninana andiany 2013 natao tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ity. Ry zareo Keniana izany no hisolo tena an’ I Afrika any amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany hatao any Torkia. Filaharana ankapobeny 1-Kenya Prisons, 2-GSP Algérie, 3-Al Ahly Egypte, 4-MB Bejaia Algérie, |
![]() |
Volley ball CACC 2013 – Laharana faha-13 ny VBCD, fahasivy ny Stef’Auto Tsy gisitra. Na dia matetika nisedra faharesena teo amin’ny dingan’ny fifanintsanana aza ireo ekipa roa nisolo tena antsika teo amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny ekipa tompondaka dia mbola misy ireo ekipa voalahatra any aoriantsika. Omaly dia nahavita nanamontsana ny Manga Sport avy any Gabon tamin’ny alalan’ny seta 3 no ho 0 (25/7, 25/18, 25/14) ny Volley Ball Club Diamant (VBCD) teo amin’ny fiadian-toerana laharana faha-13. Taty amin’ny fiafaran’ny fifaninanana vao nanomboka tafiditra ireo mpilalaon’ny VBCD, izay mbola tanora avokoa. Ny alarobia alina teo kosa no tafapetraka teo amin’ny laharana fahasivy ny Stef’Auto taorian’ny nandresen’izy ireo ny Water Sport avy any Etiopia tamin’ny alalan’ny seta 3 no ho 0 (25/20, 25/21, 25/22), izay efa niadiana mafy vao nahatratra izany. Anio kosa no hotontosaina ny lalao famaranana ho an’ity fifaninanana ity, izay hifanandrinan’ny Kenya Prisons amin’ny GS Petrolière avy any Alzeria. R. A |
|
Volley ball « CACC 2013″ – Tafita amin’ny famaranana ny tompondaka farany
Voahaja ny lojika. Niondrika tamin’ny alalan’ny seta 3 no ho 0 nanoloana ny Kenya Prisons, tompondaka farany, ny Bejaia avy any Alzeria teo amin’ny manasa-dalana voalohany notontosaina omaly teny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Ny GS Petrolière, avy nanamontsana ny Al Ahly tamin’ny seta 3 no ho 0 no hifanandrina amin’izy ireo eo amin’ny lalao famaranana ho an’ “Tsy dia niomanana be loatra iny lalao iny satria efa betsaka ny traikefa hitanay nandritra ireo lalao sy fifaninanana iraisam-pirenena natrehinay, indrindra tamin’ny andiany teo aloha”, hoy i David Lungaho, mpanazatra ny Kenya Prisons. “Ny tsy fahasalaman’ireo mpilalao mirahavavy mitana ny toeran’ny mpamahana no isan’ny nahatonga ny faharesenay. Tsy maintsy ny mpamahana fahatelo no nampiasaina, saingy mbola tsy dia ampy ny fahaiza-manao ho azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena”, hoy kosa i Hawny Abdglhalim, mpanazatra ny Bejaia avy any Alzeria. R.A |
![]() |
Volley ball CACC 2013 – Nihiratra ny maso-adron’ny VBCD Mba nahazo ny anjara masoandrony ny Vbcd teo amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja volley ball ho an’ireo ekipa tompondaka atao eny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Lavon’izy ireo, omaly, taorian’ny lalao fiadian-toerana ny Le AS avy any Burundi. Seta 3 no ho 1 (24/26, 25/9, 25/18, 25/11) no nandresen’ny ekipan’i Léa Raharimalala an’iretsy farany. Hatao anio kosa ireo manasa-dalana hihaonan’ny Prisons (Kenya) sy Bejaia (Alzeria), ary ny fifandonan’ny Al Ahly (Ejypta) sy ny GS Petrolière (Alzeria). R. A |
![]() |
Volley ball CACC 2013 – Ady toerana sisa no ataon’ny Stef’Auto sy VBCD Anio amin’ny 9 ora maraina no hiady toerana ka hifanandrina ny Stef’Auto sy ny Vbcd, samy ekipa malagasy, eo amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny ekipa tompondaka ho an’ny volley ball atao eto amintsika. Hotontosaina anio hariva eny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena kosa ny dingan’ ny ampahefa-dalana ho an’ity fifaninanana kaontinantaly ity. Tsy maintsy hisy solontena any amin’ny manasa-dalana kosa ireo ekipa avy any Kenya, satria tsy nampoizin’ny Kenya Prisons, izay tompon’ny amboaran’i Afrika farany, ny faharesen’izy ireo nanoloana ny GS Petrolière avy any Alzeria ny sabotsy teo, ka nahatonga izao fifanandrinan’ny samy Kenianina eo amin’ny ampahefa-dalana izao. R.A Fandaharam-potoana anio Fiadian-toerana Ampahefa-dalana |
|
Volley ball Afrikanina – Raraka avokoa ny Vbcd sy ny Stef’Auto
Tsy nahovoka firy. Lalao roa avy ary samy faharesena roa avy no azon’ireo solontena malagasy roa mandray anjara amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny ekipa tompondaka sokajy vehivavy, izay raisintsika ary tontosaina etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Raraka avy hatrany izany ny klioba malagasy, Vbcd sy ny Stef’Auto. Omaly dia niondrika tamin’ny seta 3 no ho 0 nanoloana ny Al Ahly avy any Ejipta ny Vbcd (25-19/25-16/25-14). Fiarovana voninahitra sisa ny lalao farany atrehin’izy ireo manoloana ny Fap avy any Cameroun anio. Lavon’ny Alzerianina, Mb Dejaia tamin’ny seta 3 no ho 1 kosa ny Stef’Auto (25-17/22-25/25-20/25-18), ka dia tapitra hatreo ny lalana amin’ity fifaninanana kaontinantaly ity. RA |
|
Volley ball CACC 2013 – Resin’ny traikefa avokoa ny ekipan’ ny VBCD sy Stef’Auto
Ratsy fanombohana! Niondrika teo anatrehan’ny mpifanandrina aminy avy ireo solontena malagasy. Lavon’ny APR avy any Rwanda tamin’ny seta 3 no ho 2 ny ekipan’ny Stef’ Auto, raha niondrika teo anatrehan’ny AS Tanda, avy any Côte d’Ivoire, tamin’ny alalan’ny “tie break” 15 no ho 13 ny VBC Diamant, solontena malagasy niatrika ny lalao voalohany omaly teo amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo amin’ireo ekipa tompondaka na ny CACC 2013. Mila mandresy ny MB Jaia avy any Alzeria izany raha te hanohy ny fifaninanana ny Stef’ Auto satria ekipa telo ihany izy ireo no ao amin’ny vondrona misy azy. Azo lazaina efa any amin’ny dingana manaraka hatreto ny tongotra ilan’ny APR Roandey. Nifandimbiasana ny nahazo seta teto raha ny faharoa sy fahaefatra ( 21-25/ 27-29) no lasan’ ny Stef’Auto. Ny seta voalohany ( 25 -18), fahatelo (25-21), fahadimy (17-15) no nampivoaka mpandresy ireo vahiny. Nitsimbadika Teo amin’ny lalaon’ny VBCD kosa dia nitarika hatrany teo amin’ireo seta efatra izy ireo, saingy ny faramparany no nisy olana kely tamin’ ny famaranana izany seta izany. Mbola tsy maintsy mitady hirika mafy amin’ ny Forces Armées Patriotique avy any Cameroun sy ny Al Ahly avy any Ejypta izany izy ireo raha te hanohy. Azon’ ny AS Tanda ny seta voalohany, izay nampahatahotra kely ireto ekipan’ i Léa Raharimalala ireto (25 – 20). Ireto farany kosa no nahazo ny seta faharoa (22 – 26) sy fahatelo (20 – 25). Mbola nitarika ihany koa ny ekipa malagasy teo amin’ ny seta fahaefatra saingy nosongonan’ ny traikefan’ ny Ivoariana izany ka lasan’ izy ireo (25 – 23). Voatery niditra tamin’ ny seta fahadimy na ny “tie break” izany lalao izany, izay mbola nitarihan-dry Piso tamin’ ny alalan’ ny isa 2 no ho 8 teo amin’ ny fialan-tsasatra teknika. Nitsimbadika anefa izany teo amin’ ny fiafaran’ ny lalao satria nandresy tamin’ ny isa 15 no ho 13 ny AS Tanda Ivoariana. Roméo Andriamihaja Ireo vokatra hafa Water Sport (Etiopia) # JS Petrolière (Alzeria) 1 – 3 |
|
Volley ball Afrikanina – Malaladalaka ny lalan’ny Stef’Auto, mila miady mafy ny Vbcd amin’ny Cacc 2013 Tafara-bondrona amin’ny Al Ahly avy any Ejypta ny VBC Diamant, solontena malagasy iray eo amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo amin’ny ekipa tompondaka (Cacc 2013), izay hanomboka anio. Izy ireo ihany koa no hanokatra ny lalaon’ny Malagasy etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina anio. Lalao telo avy no hoatrehin’ireo ekipa 12 mpifaninana avy amina firenena 10 mandritra ny lalaom-bondrona. “Henjankenjana avokoa ireo mpiray vondrona aminay, saingy fifaninanana no tadiavina ka tsy hoentinay hanambaniana ny toe-tsaina izany”, hoy i Léa Raharimalala, mpanazatra ny VBC Diamant. Mila mandresy an’i Rwanda amin’ny lalao ataon’izy ireo anio kosa ny Stef’Auto dia efa tafita sahady amin’ny ampahefa-dalana, raha ny antsapaka notontosaina omaly teny amin’ny Motel Anosy no zohiana. Ekipa telo izy ireo no miaraka ao amin’ny vondrona A dia i Stef’Auto sy MB Jaya (Alzeria) ary ny APR Rwanda. Roméo Andriamihaja Fizaram-bondrona Vondrona A : Stef’Auto, MB Jaya (Alzeria), APR (Rwanda) Vondrona B : Kenya Prisons, Kutlwano (Botsoana), JSB Petrolière (Alzeria) Vondrona C : Kenya Pipeline, Manga sport (Gabon), Ndjeje University (Ouganda), Les AS (Burundi) Vondrona D : Forces armées Patriotique (Cameroun), VBCD, Al Ahly (Ejypta), AS Tanda (Côte d’Ivoire) |
![]() |
Volley ball « CACC 2013″ – Tontosaina anio ny antsapaka ho an’ireo mpandray anjara Raikitra. Hotontosaina anio eny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny antsapaka hahafahana mamantatra izay hifanandrina amin’ireo solontena malagasy eo amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo amin’ireo ekipa tompondaka vehivavy. “Miankina amin’ny antsapaka anio ny zava-drehetra. Ny fanomanana dia efa ela no natao”, hoy i Etienne Raharisena, mpanazatra ny Stef’Auto. Isan’ireo goavana tsy maintsy hialana ireo ekipa mampiasa fiteny anglisy toa an’i Kenya. Efa tonga aloha teto amintsika avokoa ny Kenya Prisons, Kenya Pipeline, Water Sport avy any Etiopia ary ny Ndjeje Université avy any Ouganda. Omaly kosa no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ireo ambiny, toa an’i APR Rwanda, Kutlwano Botsoana, Manga Sport avy any Gabon, Les AS avy any Burundi, Al Ahly avy any Ejypta, AS Tanda Côte d’Ivoire ary ny ekipa roa avy any Cameroun sy ekipa roa avy any Alzeria. R. A |
|
Volley Amboaran’i Afrika – Mbola mikaroka Ar 60 tapitrisa ny federasiona malagasy
Tsy mbola ampy ny vola hoentintsika mampiantrano ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ireo ekipa tompondaka, izay hotontosaina amin’ny 2 – 15 avrily ho avy izao eto amintsika. Fantatra izao fa ekipa 20 avy amin’ny firenena 12 no handray anjara amin’izany, ka ny Stef’Auto sy ny Vbcd no ho solontenantsika. Ireo no nambaran’ny federasiona malagasin’ny volley ball, teny amin’ny Capsat Soanierana, ny sabotsy lasa teo. “Ireo firenena miteny anglisy no tena navitrika tamin’io andiany 2013 io”, hoy i Clarisse Randrianilana, filohan’ny federasiona. Lalao 40 no hanamarika io fifaninanana io ka valo isan’andro no hotontosaina amin’izany. Isan’ireo ho avy eto amintsika ireo ekipa keniana tompondaka sy lefitra tamin’ny andiany teo aloha. “Hatramin’izao dia mbola mikaroka vola 60 tapitrisa ariary izahay eto anivon’ny federasiona hanatontosana izany hetsika izany”, hoy ihany i Clarisse Randrianilana. R.A |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |