|
Fanondranana an-tsokosoko – Tany Mahajanga no niainga ireo volamena 66 kg
Mandeha ny famotorana mahakasika ny nahafahan’ireo volamena 66 kg, tratra tany Mayotte, andro vitsy lasa izay. Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao iray dia tany amin’ny seranam-piaramanidin’i Mahajanga no nivoaka ireo volamena ary nandalo tany Nosy-Be. Manohitra ny fitanana azy am-ponja vonjimaika ihany koa ilay mpandraharaha teratany renioney. Mbola manamafy hatrany izy tamin’ny alalan’ny mpisolovava azy fa « ara-dalàna ny taratasy mahakasika ireo volamena ireo ary noho ny fahafantarany ny lalàna mihitsy no nanaovana fanambarana mahakasika ireo volamena ireo tany amin’ny mpitandro ny filaminana tany Mayotte ». Ny lehiben’ny Fampanoavana kosa raha nanontaniana mahakasika ity raharaha ity dia nilaza tamin’ny mpanao gazety tany an-toerana fa « tsy mbola mahalala tsara ny fandehan’ity raharaha ity satria isan’ny raharaha sarotra indrindra tamin’ny nataon’izy ireo ity fahatrarana volamena ity ». Tombanana ho 2.5 tapitrisa euros ny vidin’ireto volamena ireto. Mahakasika ilay teratany renioney indray dia isan’ny nahaliana ireo zandary tany Mayotte ny nahita azy. Fantatra tamin’ny raharaha fisolokiana tany La Réunion ny taona 2008 ny tenany ary efa nomelohin’ny Fitsarana higadra herintaona ka ny enim-bolana dia sazy mihantona. Namoahan’ny Fitsarana didy fampisamborana ihany koa izy tamin’izay. Faralala
|
![]() |
Fanondranana volamena – Hofotorana ireo zandary eny Ivato Voamarina fa hosoka avokoa ireo antontan-taratasy tany am-pelantanan’ireo vahiny nanondrana an-tsokosoko volamena miten-tina 72 kg avy eto Madagasi-kara ka sarona tany Kaomôro ny 22 sy 26 janoary teo. Fantatra fa saika hoentina any Dubai izy ireo. Hisy famotorana mano-kana hatao amin’ireo mpitandro ny filaminana miasa eny amin’ ny seranam-piaramanidina eny Ivato ato ho ato noho ity fivoahana harem-pirenena an-tsokosoko ity, hahafantarana izay tena marina. “Sao misy resaka kolikoly na fira-isana tsikombakomba tamin’ ny mpitandro filaminana”, hoy ny fanamarihan’ny avy amin’ny fibaikoana ny zandarimaria. Mpivarotra eto an-dreni-vohitra ny iray tamin’ireo voasambotra izay malaza amin’ny fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena. Teratany frantsay kosa ilay faharoa izay monina eto Madagasikara ihany koa, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. « Samy nampiseho taratasy milaza ny maha azy ireo an’ ireo volamena 72 kg izy roa lahy ireo. Mitovy tsy misy hafa anefa ireo taratasy ireo ary hosoka avokoa ka notazonina ilay teratany frantsay. Ilay teratany vahiny iray hafa kosa rehefa tsy nahazo ny volamena 6 kg izay azy mano- kana tamin’ilay 72 kg dia navo- tsotra. Ity teratany frantsay ity no namboraka tamin’ny famo- torana azy fa an’ilay teratany vahiny navotsotra ihany ireo volamena ireo ary efa mpi- tondra volamena mankany Emirats Arabes Unis izy. Naha- tratra 246 kg ary mitentina 12 tapitrisa dolara ny volamena voalaza fa efa nentiny tany ivelany », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Faralala |
|
Faritra Betsiboka – Ahazoana 10 tapitrisa dôlara ny volamena raha voatrandraka ara-dalàna
Fanadihadiana natao tamin’ny taona 2006, araka ny tarehimarika azo teo anivon’ny Tahirim-bolam-panjakana, no milaza fa mampidi-bola mitentina 10 tapitrisa dôlara ny fitrandrahana volamena ao anatin’ny Faritra Betsiboka, raha ara-dalàna ny fitrandrahana ka mandeha amin’ny lalana voalazan’ny lalàna ihany koa ny fandoavana ireo vola rehetra mifandraika amin’izany. “Raha kajiana ny haba sy ny ampahan-tombom-barotra mitentina 2% amin’ny vola azo amin’ny fivarotana voalohany ny volamena, izay misy miditra amin’ ny ampahany amin’ny kitapom-bolan’ireo kaominina ao an-toerana dia 130 000 dôlara no miditra amin’ireo kaominina ireo”, hoy i Jean Baptiste Randrianantenaina avy amin’ny Tahirim-bolam-panjakana any an-toerana. Zara raha Ar 1 439 000 Rehefa nojerena anefa ny tarehimarika tamin’ny volana mey 2012 ho an’ny kaominina Antanimbary distrikan’i Maevatanàna, ohatra, dia zara raha nisy Ar 1 439 000 ny ampahany amin’ny tombom-barotra avy amin’ny volamena niditra taminy. “Raha kajiana amin’ny isan’ireo mpisivam-bolamena misy 1 375 ao anatin’io kaominina io, izay mety hahavita mitrandraka volamena 2,8 grama isaky ny mpitrandraka isaky ny herinandro anefa, dia tokony hahazo mihoatra ny Ar 140 tapitrisa io kaominina io”, hoy izy. Niaiky io gaboraraka amin’ny fitrandrahana volamena ao Maevatanàna, faritra be volamena indrindra io, tokoa ny teo anivon’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. “Mifamahofaho ao anatin’ny tsy fifehezana ny gaboraraka ny fahantran’ny olona, ny tsy fahahezan’ ireo manam-pahefana sasany ao an-toerana ny lalàna mikasika ny volamena na ny firaisana tsikombakomba mihitsy ho an’ny sasany, ny tsy fahampian’ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany… Na io tsy fihantonan’ny famoahana fahazoan-dalana na fanavaozana hitrandraka io koa aza dia mahatonga ny fitrandrahana tsy ara-dalàna”, hoy ny teo anivon’ity minisitera ity. Milaza ny hanamafy ny fanentanana any an-toerana ny minisiteran’ ny Harena an-kibon’ny tany amin’ity taona ity. “Tokony hasiana sampan-draharahan’ny volamena sy bankin’ny volamena na comptoir de l’or ihany koa koa any an-toerana hanamorana ny fampanarahan-dalàna ny fitrandrahana”, raha ny soson-kevitr’i Jean Baptiste Randrianantenaina. Hanitry Ny Aina |
![]() |
Fanondranana volamena – Mbola andrasana foana ilay lalàna Hatreto dia mbola tsy voafaritra mazava ny lalàna ifehezana indray ny fivarotana volamena eto an-toerana. Tsiahivina mantsy fa tsy azo atao intsony, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 18 avrily 2012 lasa iny, ny manondrana volamena. Ny Banky foibe ihany no manana alalana hividy volamena na manondrana izany amin’ny alalan’ny tolo-bidy iraisam-pirenena, raha ny voaresaka tao anatin’io filankevitry ny minisitra io. « Efa voarafitra ny volavolan-dalàna mahakasika io sehatra io, saingy miandry fandaniana sisa », hoy Randriafeno Rajo Daniella, minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, afak’omaly, nandritra ny fianianana teo anatrehan’ny Fitsarana nataony niaraka tamina mpiasan’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany enina tetsy amin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy. Fianianana izay fanaon’ireo teknisianina ambony misahana ny fitantanana sy ny fanaraha-maso ny harena an-kibon’ny tany, ka anomezan’izy ireo toky amin’ny hanatanterahany ny asany ao anatin’ny fahamarinana sy ny mangarahara. Hanitry Ny Aina |
![]() |
Saika haondrana – Volamena 5kg 730g sarona teny Ivato Volamena milanja 5kg 730g saika naondrana tany Nairobi no saron’ny polisy tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly hariva tokony ho tamin’ny 6 ora. Vehi-vavy iray 23 taona no voatondro ho nitondra ireo volamena ireo. « Nandritra ny fitarafana ny entana no nanamarihana zavatra hafahafa tao anatin’ny entana enti- tanan’ilay vehivavy. Rehefa nosavaina ilay entana dia sarona tao ny anjam-bolamena maromaro efa tao anaty fonosana iray », raha ny fanazavana avy amin’ny polisin’ ny seranana sy ny sisin-tany. Araka ny loharanom-baovao ihany dia « efa mpivezivezy mankany Kaomôro ity vehivavy sarona ity ». Natolotra eo am- pelantanan’ny ladoany ireo volamena sarona. Haja R. |
![]() |
Fitrandrahana volamena – Faritra iray ao Fandriana ifanolanan’ny Rosianina sy Zeorzianina Eny anivon’ny polisin’ny Harena an-kibon’ny tany ankehitriny ny olana mahakasika ny kaompania rosianina Hola Firm, izay mikasa ny hitrandraka volamena ao anatin’ny kaominin’i Miarinavaratra distrikan’i Fandriana. Raha ny fantatra dia mitory teratany Zeorzianina vitsivitsy eo anivon’ity sampana mpanao famotoran’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany ity ny kaompania Hola Firm. Nambaran’ity farany fa mandavadavaka sy mitrandraka an-tsokosoko eo amin’ny faritra efa nahazoan’izy ireo alalana hanao fikarohana ireo teratany Zeorzianina ireo. Nanamafy Rakotoarimanana Pamphile Julien, sekretera jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany fa « anio no ampanantsoina ka hohenoin’ny polisin’ny Harena an-kibon’ny tany ireo olona torian’ny Hola firm ireo, mba hamaritana ny tena zava-misy marina eo amin’ny roa tonta, izay samy te hitrandraka ao amin’izany faritra izany ». Fantatra fa rehefa azo ny alalana hitrandraka avy amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany dia mikasa ny hanodina ireo volamena voatrandraka ho firavaka eo anivon’ny orinasa Alpha Madagascar II, izay miara-miasa aminy ao Mahajanga sy hanondrana ny vokatra any ivelany ny Hola firm. HNA
|
|
Volamena 58 Kg sarona – Nahemotra ny Fitsarana ireo Karàna roa voasambotra
Omaly no tokony natao famotorana teny amin’ny Fampanoavana ao Mahajanga ireo Karàna roa lahy voasambotra tamin’ny fitondrana volamena 58 kg teo amin’ny seranam-piaramanidina tao Amborovy, Mahajanga ny zoma lasa teo voalaza fa saika haondrana ao Kaomôro. Efa indroa nihemotra ny fanolorana azy ireo ny Fitsarana, saingy mbola hihemotra anio indray izany. Fantatra mantsy fa mbola nampiantso ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny minisitera voakasin’izany, ny Tonia mpampanoa lalàna, anio. Mbola hotiliana any amin’ny laboratoara ihany koa ireo volamena hijerena ny tena kalitaony, hahafahana manombana ny vidiny. Aorian’izay vao hiditra amin’ny famotorana ny raharaha ny mpitsara. «Loharanom-baovao avy amin’ny olona iray no nahatrarana ireo volamena. Zotram-piaramanidina ho any Dubaï, saingy mandalo atsy amin’ny Nosy kaomôro no nikasan’ireo Karàna roa lahy hitondrana ny entana. Voa-lohany no nisy tranga fahatrarana volamena be lanja tahaka izao taty. An’arivony tapitrisa maro ny tetidibin’io volamena io raha tombanana», hoy ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena izay nahatratra ireo volamena ireo. Hatramin’ny fotoana nahatrarana azy dia natao tsara ambina tao amin’ny tobin’ny zandary any Mahajanga ireo volamena. «Efa tonga aty an-toerana ihany koa ny solontenan’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany hanadihady ny zava-misy. Faralala |
![]() |
Fanondranana volamena – Karàna maromaro tsy mahazo miala eto Madagasikara Araka ny voalazan’ ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany dia am-polony ireo olona voakasika amin’ny didy tsy fahafahana mivoaka an’i Madagasikara noho ny raharaha fanondranana volamena an-tsokosoko, ka ny Karàna no betsaka amin’ireo. Voalaza fa misy ihany koa anefa ny Malagasy. «Fanapahan-kevitry ny Fitsarana no manao ilay fangatahana ny didy tsy fahafahana mivoaka, fa izahay no mamoaka ilay izy. Tsy azonay atao ny milaza ny anaran’ ireo olona ireo satria mbola manan-jo hiaro tena izy ireo no sady tsy mbola meloka tanteraka», hoy hatrany ny fanamarihan’ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany. Sesilany mihitsy tato ho ato ny fahatrarana volamena nokasaina haondrana any ivelany, teny anivon’ny seranam-piaramanidina. Efa nisy mihitsy aza ireo efa tafavoaka an’i Madagasikara toy ireo lasa tany Kaomôro farany teo. Faralala |
![]() |
Volamena tratra – Mifamahofaho ny mahakasika ny famotorana Tsy mazava. Mana- marika ny eo anivon’ ny Zandarimariam-pirenena fa ny eo anivon’ny polisy misa- hana ny harena an-kibon’ ny tany no manao ny famotorana ny maha-kasika an’ilay volamena 34 kg sarona teny Ivato, ny zoma teo. Misy loha- ranom-baovao hafa ihany koa anefa milaza fa miandraikitra ny famotorana ity raharaha ity ihany koa ny eo ani- von’ny polisy ekonomika. « Rehefa sarona teny Ivato io volamena io dia nobataina tao amin’ny biraon’ny kaom- panian’ny zandary eny amin’ny seranana. Tonga teny ny polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany nijery sy nandanja ilay izy ary noraisin’izy ireo an-tanana ny famotorana taorian’izay. Raha ny fahalalanay azy dia tsy misy manam- boninahitra zandary voarohirohy mikasika iny raharaha iny. Mbola mandeha anefa ny famotorana ka ho hita eo ny fivoaran’ izany », hoy ny kolonely Rakotondrazaka Andry, lehiben’ny Zandary ato anatin’ny faritra Analamanga. Faralala |
![]() |
Volamena sarona teny Ivato – Manamboninahitra zandary sy mpanamory voasaringotra Tsy afa-bela. Ny zoma teo dia manamboninahitra zandary iray miasa eny amin’ny sera-nam-piaramanidina Ivato indray no voatonon-tonona tamin’ilay fahatrarana volamena 34 kg teny an-toerana,nokasaina haondrana an-tsokosoko. Teratany karàna mpivarotra firavaka volamena eny Ivandry no voalaza fa tompon’ ny entana. Isan’ireo voatonontonona ihany koa ny mpanampy ny mpanamory ilay fiaramanidina. « Nokasaina hoentina any Nairobi tamin’ ny zotram-piaramanidina iray nanainga tamin’ ny 5 ora maraina ireo volamena ireo. Tsikaritr’ ilay olona nampitondrain’ny tompony azy anefa fa tsy tao amin’ny toerana nifanarahana tokony hisy azy ao anaty fiaramanidina ilay entana. Teo no mailo ilay olona ka niafara tamin’ ny fahatrarana ny tetikady rehetra efa nomanina mba hanondranana an’ireo volamena », hoy ny loharanom-baovao. Faralala |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |