Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Tsena Miverena

Andravoahangy tsena – Nampiseho fifankatiavana ny mponina sy ny Pds Edgard Razafindravahy Andravoahangy tsena – Nampiseho fifankatiavana ny mponina sy ny Pds Edgard Razafindravahy

Nitafa tamin’ny mponina mivantana teny Andravohangy tsena ny Pds-n’Antananarivo renivohitra, Razafindravahy Edgard sy ireo mpiara-miasa taminy, omaly. Nifety sy niara-nifaly tao anatin’ny fifankatiavana ny andaniny sy ny ankilany, notronin’ireo delegasiona mafonja avy amin’ny « Région île de France ». Ity farany no isan’ny namatsy vola ny fanamboarana ireo toeram-pitsangatsangana mahafinaritra.

« Tsaroako tsara ianareo taona vitsy lasa izay, raha tonga tety ny tenako dia nangataka ny hanatsarana ny manodidina io lakandrano io ianareo. Tsy maintsy misy anefa ny famatsiam-bola rehefa manao fotodrafitrasa ka nilàna faharetana niandry izany. Vita ny asa ankehitriny noho ny fiarahantsika rehetra nifanome tanana. Mino sy matoky aho fa raha isaky ny fokontany no misy tahaka izao dia ho tonga ny tanjona hampandrosoana ny tanànantsika », hoy Razafindravahy Edgard.

Niova endrika

Vita tsara maha te honina ny manodidina ny lakandrano eny Andravoahangy tsena. Nisy ihany koa ny fanamboarana toeram-pivoahana. Lasa toeram-pitsangantsanganana mahafinaritra ilay toerana izay feno loto sy fivoahan’ny olona teo aloha.

Niantso ireo mponina mba hanaja ny fotodrafitrasa ny filoha lefitry ny Région île de France, Romero Roberto, raha nandray fitenenana teny Andravoahangy-tsena ihany koa omaly. « Izahay mandalo ihany fa ny zava-bita mijanona ho anareo. Tandrovy sy kojakojay tsara izy ireo », hoy izy.

« Aoka mba tsy hanarinary fako eny rehetra eny fa isika ihany no mizaka ny voka-dratsy amin’izany. Isika rehetra miaraka no afaka manana tanàna misy hasina ary ho ahy manokana dia fitiavana ny tanànan’Antananarivo no nanekeko hitantana azy », hoy ny Pds teo am-pamaranana ny lahateniny.

Faralala 

Fanjifana – Matin’ilay resaka henan’alika  ny tsenan-tsaosisy Fanjifana – Matin’ilay resaka henan’alika ny tsenan-tsaosisy

Miantraika amin’ny tsena fivarotan-kena etsy amin’ny tsenaben’Isotry ilay resaka niely, ka nilazana fa nisy henan’alika entina hanamboarana saosisy hamatsiana ireo mpivarotra hani-masaka tratra teny an-toerana.

Jerem-potsiny ankehitriny ireo saosisy amidin’ireo mpivaro-kena. « Saosisy 20 kg no lafoko eto isan’andro teo aloha. Nanomboka ny alatsinainy teo anefa, vao niely iny resaka iny, dia zara raha mahalafo 5 kg ao anatin’ny iray andro. Hita mikentrona mihitsy ny tarehin’ireo mpanjifa vao mahita saosisy mihantona eto an-tsena », hoy Randria Harilambo, mpivaro-kena etsy Isotry. « Raha tsy mpanjifa mahatoky tsy mividy saosisy intsony amin’izao. Na mivadika mividy hena izy ireo. Ao koa ny tsy sasatry ny manontany hoe avy aiza sy ahoana ny fomba nanamboarana ireo saosisy », hoy izy. Mihena hatrany amin’ny 50% indray ny mpividy saosisy eo amin-dRandrianarimanana Maurice.

Entina mody

« Na ireo mpivarotra hani-masaka aza tsy dia mividy eto satria tsy misy mpividy ihany koa ny saosisy eo aminy », hoy izy. Nanamafy ny nambaran’ity farany Rasetramihamina Nestor, mpivarotra hani-masaka mifanila amin’ireo mpivaro-kena ireo. « Ela ny ela ka nisy nentina nody ireo saosisy nataonay laoka teto. Lasa nangingina ny tsena teto noho iny resaka iny », hoy izy.

Ireo mpivaro-kena mivarotra irony karazana hena na saosisy « halal » irony ihany no tsy nisedra olana. « Sady azo amarinina no amboarina eto an-tsena eto ny saosisinay ka tsy dia mampanahy ireo mpanjifa », hoy izy ireo.

Rasoanaivo Laurent, filohan’ireo delegen’ny tsenaben’Isotry dia nahasahy nanamafy fa tsaho niniana naparitaka iny resaka henan’alika nolazaina fa tratran’ny polisy iny.

Hanitry Ny Aina

 

Varotra fitafiana tonta – “Tsenaben’ny friperie” hatramin’ny anio Varotra fitafiana tonta – “Tsenaben’ny friperie” hatramin’ny anio

Entana  sahaza ny fahefa-mividin’ny sarambabem-bahoaka. Mikarakara ny andiany faharoan’ny “Tsenaben’ny friperie”, ireo fitafiana efa tontan’ny vahiny, ao amin’ny tokontanin’ny Institution Sainte Famille etsy Mahamasina ny orinasa Mad Univers. Nanomboka tamin’ny alakamisy lasa teo io tsena io ary tsy hifarana raha tsy anio sabotsy.

Efa maro ireo tolotra mamaly ny filàn’ny tinady amin’ny resaka fripy fa mampiavaka ity hetsika iray ity ny fisian’ireo lohan’entana amin’ny vidiny mora. “Amidy ao ny akanjo, kiraro, poketra, atin’akanjo, fitaovan- dakozia mandeha amin’ny herinaratra. “Mahaliana ny mitsidika ilay tsena satria amin’ny karazany toy itony no hahazoana entana tsara sy mateza ary azo iadiana varotra. Raha tsy mahatakatra ireo marika lafo vidy dia manavotra ny fripy”, hoy ny renim-pianakaviana nitsidika teny an-toerana. Manome tolotra hafa koa ny mpikarakara amin’ny alalan’ny MVola ho an’ireo mbola te hiantsena kanefa tsy ampy na lany ny hoenti-manana am-pelantanana.

 Monica Rasoloharison

Fanjifana toaka – Ny alin’ny alakamisy no efa tsy nahazo nivarotra intsony Fanjifana toaka – Ny alin’ny alakamisy no efa tsy nahazo nivarotra intsony

Ny alakamisy nanom- boka tamin’ny 9 ora alina dia efa nakatona avokoa ireo trano fivarotana alikaola rehetra teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Niezaka nidina sy nanara-maso izany ireo tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua). “Efa manomboka manara-dalàna ireo mpivarotra, nefa na izany aza misy ihany ireo mbola minia mivarotra an-tsokosoko, indrindra ireo mpivarotra tsy ara-dalàna. Tsy maintsy hanohy ny fidinana sy ny fanaraha-maso izahay anio (omaly) mba hitandroana ny filaminana”, araka ny nambaran’ny kapiteny Razafimahefa Jocelyn, tale lefitry ny kabinetra avy amin’ny Cua.

Toy ny mahazatra ihany koa, ny andron’ny 29 marsa, dia takonana lamba ireo zava-pisotro rehetra misy alikaola eny anivon’ny tsena.

LR

Tsenan’omby ao ivohitra – Polisy sandoka efatra nanao ramatahora Tsenan’omby ao ivohitra – Polisy sandoka efatra nanao ramatahora

Misandoka ho polisy ka manao ramatahora  sy mitaky vola amin’ireo mpivarotra omby ao amin’ny tsenan’omby ao Ivohitra-Antsirabe ireto efa –dahy saron’ny polisy ireto. Raha araka ny filazan’ny loharanom-baovao dia efa hatramin’ny ela no nalaza ny fisian’izy ireo, saingy izao vao sarona.

Nanomboka ny sabotsy lasa teo izy ireo no efa nokarohina, saingy efa mailo ka tsy tratra teny an-toe-rana. Loharanom-baovao avy aminà olona tsara sitrapo izay efa matetika voasolokin’ireto jiolahy ireto no nahafantarana fa mitoby ao amoron’ny farihin’ Andranomaibo izy ireo, ny alatsinainy teo. Tsy niandry ela fa vao nahare io ny polisy dia nanao bemidina ka dia noraisim-potsiny ireto mpisoloky ireto. Basy poleta iray sy bala miisa dimy ary vola mitentina 2 tapitrisa ariary ihany koa no hita tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny polisy.

Fantatra fa isan’ireo mpanera omby ao amin’ity tsena ao Atsimon’Ivohitra ity izy efa-dahy tratra niso-loky ireto, ary ankoatra io dia maro ihany koa ny olona no efa nahazoany vola be noho io fisandohana andraikitra nataony io. Natolotra ny Fampanoavana tao Antsirabe ny talata teo ny raharaha, ka vesatra roa no iampangana azy ireo dia  ny fisandohana andraikitra sy fitanana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana.

Angola Ny Avo

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite