Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Tiko Miverena

Fandraharahana – Tsy mandà handoa ireo ambin-ketrany ny Tiko Fandraharahana – Tsy mandà handoa ireo ambin-ketrany ny Tiko

Tsy mandà ny handoa ny hetrany amin’ny Fanjakana ny orinasa Tiko. Takian’ireo tompon’andraikitra ao aminy kosa ny hijeren’ny Fanjakana ny fahavoazana nateraky ny fanapotehana ireo fananan’ny orinasa, tao anatin’ny fiantombohan’ny krizy tamin’ny taona 2009. Izay voafaritra ao anatin’ny tondorozotra no nanamafisan’ireo mpitantana ao amin’ny Tiko izany fitakiany izany.
An’arivony tapitrisa ariary ny hetra voalaza fa tsy mbola nefain’ny orinasa Tiko. Mihoa-pampana ihany koa anefa ny fahavoazana nihatra tamin’ny orinasan’ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana ity tamin’ireny savorovoro niteraka ny “Alatsinainy mainty” ireny.
Nasongadin’ireo mpitantana ao amin’ny orinasa, tetsy amin’ny Tiko Tanjombato, ny sabotsy lasa teo, fa voafaritra mazava ao anatin’ny tondrozotra ny tokony hijeren’ny fanjakana ny fanonerana ny fahavoazana nihatra tamin’ireo orinasa sy mpandraharaha nisedra fandrobana sy fahapotehana tamin’ireny raharaha 2009 ireny.
Ny orinasa Tiko izay miezaka miarin-doha tsikelikely amin’ny alalan’ny fiverenan’ny famokarana, toy ny vokatra voahodina avy amin’ny ronono amin’izao fotoana izao.

HNA

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite