Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Tiko Miverena

Fanatanterahana didim-pitsarana – Mandà ny hiditra ao amin’ny Tiko ireo vadintany ao Antsirabe Fanatanterahana didim-pitsarana – Mandà ny hiditra ao amin’ny Tiko ireo vadintany ao Antsirabe

Tsy misy mety manatanteraka ilay didy fanokafana ny orinasa Tiko ao Andranomanelatra sy Mahafaly ireo vadintany ao Antsirabe. Vokatr’izany dia tsy mety tontosa ny fanaovana tombam-bidy ireo entana eo anivon’ity orinasa ity, hahafahana manao ny lavanty handoavana ireo hetra ambara ho tsy voaloan’ny Tiko. Efa dodona ny ho amin’izany anefa ny foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Hetra.

Somary nanome vahana ny hetsik’ireo mpomba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana rahateo ny fahanginana nasetrin’ireo manam-pahefana, taorian’ny nanambaran’ny Mpampanoa lalàna ao Antsirabe fa tsy ara-dalàna ny firosoana tamin’ny fanatanterahana io didy io. Raha ny fanamarinam-baovao natao mantsy dia fantatra fa « tsy afaka manatanteraka ilay didy fanokafana ny orinasa Tiko ilay vadintany nanankinana izany satria sady tsy ao anatin’ny holafitry ny vadintany no mbola vadintany vonjimaika ao anatin’ny distrikan’Antanifotsy fotsiny ihany ».

Barazy

Napetraka teo anivon’ny Faritra Vakinankaratra ny fanatanterahana io didy io. Ny fandavan’ireo vadintany ao Antsirabe hanatanteraka ny didy anefa no sakana ankehitriny.

Manampy ireo barazy, dia nitondra fanamafisam-peo mihitsy efa roa andro izao, ireo andian’olona miambina ny Tiko ao Antsirabe. Manotrona sy manome aina ny fiambenana ireo mpikambana avy ao amin’ny Kaongresin’ny Tetezamita mpomba ny filoha teo aloha. Nambaran’i Guy Maxime Ralaiseho fa efa mivadika ho politika ny raharaha Tiko. « Ny andininy fahavalo ao anatin’ny Tondrozotra manoritra ny fanonerana ny simba rehetra tamin’ireny fandrobàna tamin’ny taona 2009 aloha no tokony hohajain’ny Tetezamita vao mitakitaky hetra », hoy izy.

Angola Ny Avo

Fitakian-ketra tao Antsirabe – Doro kitay sy tabataba no nanehoan’ny mpiasan’ny Tiko ny hatezerany Fitakian-ketra tao Antsirabe – Doro kitay sy tabataba no nanehoan’ny mpiasan’ny Tiko ny hatezerany

Tezitra ireo tantsaha sy olona mivelona amin’ny orinasa Tiko ao Antsirabe. Nandoro kodiarana, kitay sy nitabataba teo anoloan’ ny orinasa tao Andranomanelatra izy ireo ho fanehoana ny tsy fankatoavan’izy ireo ny fanagiazana ity orinasan’i Marc Ravalomanana ity ao an-toerana.

Nandrasana hatramin’ny 9 ora maraina ny vokatr’ilay fihaonana teo anivon’ny minisiteran’ny Varotra sy ny minisiteran’ny Vola sy ny Tetibola natao teto Antananarivo, ny talata teo, saingy noho ny tsy fisiana baiko hafa tonga dia nidina teny an-toerana ireo lohandohan’ny mpisorona avy ao amin’ny Omc (Organe Mixte de Conception) izay nahitana ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandary eto Vakinankaratra kolonely Bama Marima sy ny kaomisera La Barre Guy José ary ny sekretera jeneralin’ny Faritra Andriamanantsoa Hervé Phillibert sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy eto an-toerana.

Tsy mitovy lenta

Hihaona tamin’ireo mpiasan’ny Tiko efa vory lanona teo Andranomanelatra no anton-dian’ireo tompon’andraikitra ireo, saingy vokatry ny tabataba nataon’izy ireo dia ny olon’ny Tiko, toa an’i Me Norosoa Raharimalala mpisolovava sy i Lanto Rabenantoandro, mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita ihany no nitafa tamin’izy ireo. « Ny hanao fanagiazana ny orinasa ihany no anton-dian’ireo avy amin’ny OMC. Eny fa na dia nangataka aza izahay ny hampitoviana lenta ny fampiharana ny didy, izay mametra ny tokony hanaovan’ny roa tonta kaonty amin’ny vola tokony haloan’ny Fanjakana amin’ny Tiko sy ny tokony haloan’ny Tiko amin’ny Fanjakana», hoy ny Me Norosoa Raharimalala.

Tsy mbola tanteraka kosa hatramin’izao io fanagiazana io.

Angola Ny Avo/HNA

Fitakian-ketra – Mandeha ny fifampiraharahana avo lenta momba ny Tiko Fitakian-ketra – Mandeha ny fifampiraharahana avo lenta momba ny Tiko

Efa tonga tao Antsirabe, saika hanatanteraka ilay didy hanaovana fanagiazana ny orinasa Tiko ao Andranomanelatra sy Mahafaly omaly ny
vadintany avy amin’ny foibem-pitondrana anka-pobeny misahana ny hetra (Dgi), saingy voatery nahemotra anio indray izany. Fantatra mantsy fa misy ny fihaonana sy dinika ataon’ireo minisitera maromaro voakasik’ity raharaha ity, omaly.

Teo anatrehan’ny sekretera jeneralin’ny Faritra Vakinankaratra ny vadintanin’ny Dgi sy ny avy amin’ny Tiko no nifampiresaka omaly.

« Raha tsy misy baiko azo hatramin’ny rahampitso maraina (ndlr : anio) dia hiroso amin’ny fanagiazana izahay », hoy ny Me Mamy Andrianoro Lucien, vadintany.

Nilaza izy fa tsy mbola fanaovana varotra ampahibemaso no hatao mandritra izany fa fijerena ireo entana rehetra ao amin’ny orinasa Tiko ihany.  »Baiko avy any amin’ny minisiteran’ny Vola, 10 hatramin’ny 15 andro aorian’ny fanagiazana no ahafahana miroso na tsia amin’ny fanaovana varotra ampahibemaso ireo entana giazana », hoy ihany ny fanazavany.

Toy ny mahazatra dia efa vory lanona teny amin’ny orinasa Tiko Andranomanelatra ireo mpiasa, omaly. Nilaza ny tsy hitazam-potsiny izay hafitsok’ireo mpanatanteraka didy izy ireo koa dia andrasana izay hiseho amin’ity andro anio ity.

Angola Ny Avo

Tiko Andranomanelatra – Niandry ireo mpitaky hetra  ny mpiasa Tiko Andranomanelatra – Niandry ireo mpitaky hetra ny mpiasa

Efa hatramin’ny talata lasa teo no tonga tsy tapaka manoloana ny orinasa Tiko ao Andrano- manelatra ireo mpiasa ao amin’ity orinasa ity. Sora-baventy mampiranty ny tokony hamerenana ny fihodinan’ny orinasa iasan’izy ireo no nolanjain’ izy ireo teo anoloan’ny orinasa Tiko. Nanampy isa azy ireo ihany koa ireo tantsaha very tombon-tsoa noho ny fahapotehan’ny Tiko. Anton’izao fihetsika izao ny filazana fa ho tonga hanatanteraka didimpitsarana, ka hanokatra sy hitaky ny trosany ao amin’io orinasa io ny avy ao amin’ny foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny hetra (Dgi).

Efa ny zoma teo no voalaza fa ao Antsirabe ny ekipan’ny Dgi. Miandry ireo mpitandro ny filaminana hanohana azy kosa izy ireo vao hanatanteraka ny didy, raha ny fantatra.

Angola Ny Avo

Fandraharahana – Tsy hogiazana ny Tiko raha mandoa ampahan-ketra Fandraharahana – Tsy hogiazana ny Tiko raha mandoa ampahan-ketra

« Raha tsy mandoa ny ampahan-ketra tokony haloany amin’ny Fanjakana ny orinasa Tiko, sady tsy mametraka tetiandro mazava amin’ny fandoavana ireo tambin-ketra dia tsy maintsy hiroso amin’ ny fitakian-ketra an-tery, amin’ny alalan’ny fanaovana lavanty ireo entana ao amin’ ny Tiko ao Andranomanelatra sy ao Mahafaly ao Antsirabe, ny foibem-pitondrana misahana ny Hetra (Dgi) », hoy Tazafy Armand, Tale jeneralin’ny Hetra.

« Miankina amin’ny Dgi sisa dia afaka miditra ao amin’ ny orinasa Tiko izahay. Efa nanome alalana am-bava ho amin’izany rahateo ny orinasa Tiko », hoy kosa ny vadintany miandraikitra ny fanatanterahana ny didy, raha nanazava ny fitarazohan’ ny fanatanterahana ny didy.
Kely finoana amin’ny fampiatoana io didy io ny Tiko satria efa nilaza izy ireo fa tsy manana ny vola handoavana io ampahan-ketra io.

HNA

Fitsarana – Resy ny orinasa Tiko, hiditra ao Andranomanelatra ireo mpitaky hetra Fitsarana – Resy ny orinasa Tiko, hiditra ao Andranomanelatra ireo mpitaky hetra

Fahadisoam-panantenana. Endrika maloka no nandraisan’ireo mpiasan’ny Tiko, tonga niandry ny didim-pitsarana navoakan’ny tribonalin’Anosy omaly, mahakasika ny ho avin’ity orinasa ity ao Mahafaly sy Andranomanelatra ao Antsirabe. «Nohamafisin’ ny Fitsarana ny didy hitsivolana manome alalana ny Foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Hetra hiditra ao amin’ny orinasan’ny Tiko ao Antsirabe. Resy teo anatrehan’ny Fitsarana isika…», hoy i Heritiana Andrianaivo, tale jeneralin’ny Magro nanoloana ireo mpiasa tetsy amin’ny Fitsarana omaly maraina.

3 000 ny fitambaran’ny mpiasan’ny Tiko tao Antsirabe no tsy maintsy natsahatra tsy niasa taorian’ireny raharaha 2009 ireny, araka ny tarehimarika nomen’i Heritiana Andrianaivo. Mbola maro ireo nanantena ny hiverina hiasa raha nandeha ny resaka teo aloha fa haverina hahodina ny orinasa ao Andranomanelatra.

Ankehitriny anefa dia efa afaka miroso amin’ny fanatanterahana ilay didy hitsivolana amin’izay ny Foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Hetra (Dgi) na hangataka fandravana didy aza ny Tiko. Nanamafy rahateo i Armand Tazafy, Tale jeneralin’ny Hetra fa «hotanterahina ny didy satria efa ny Fitsarana no mamela anay hiditra ao».

«Hetra mitentina Ar 107 000 tapitrisa no nambara fa trosan’ny Fanjakana aminay», hoy ihany i Heritiana Andrianaivo. Hijery izay rehetra azo giazana sy hatao lavanty ao Andranomanelatra ny Dgi hanonerana izany.

Ho an’ireo mpikambana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana dia tsy mifanandrify amin’izay voalazan’ ny tondrozotra izao zava-miseho izao. Manantena ny fampitsaharana ny fanenjehana izy ireo, ary tokony hisy aza ny fanoneran’ny fanjakana ny fahavoazana nihatra tamin’ireo orinasa voaroba tamin’ny raharaha 2009.

Hanitry Ny Aina

Antsirabe – Ho fantatra  ny 23 mey ny  ho avin’ny Tiko Antsirabe – Ho fantatra ny 23 mey ny ho avin’ny Tiko

Afaka herinandro. Amin’ny alarobia ho avy izao no hivoaka ny didim- pitsarana mahakasika ny fampiharana ilay didy hitsivolana mamela
ny foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny hetra (Dgi) hiditra ao amin’ny faritra misy ny Tiko ao Antsirabe.

Ny alarobia lasa teo no nitondra ny teny fiarovana ny orinasa Tiko teo anivon’ny Fitsarana etsy Anosy ny Me Radson Solo sy ny ekipany. Nanao fampiakarana io didy hitsivolana nanome alalana ny Dgi hiditra sy hanao fanagiazana ao amin’ny Tiko Antsirabe io mantsy ireto mpisolovavan’ny Tiko ireto. Fanagiazana izay entina hanaovana lavanty ireo entana ao anatin’ny Tiko ho amin’ny fandoavana ny hetra an’aliny tapitrisa ariary, izay nolazaina fa tsy voaloan’ny orinasa.

HNA

Marimaritra iraisana – Nandamoka ny diniky ny samy mpanao politika Marimaritra iraisana – Nandamoka ny diniky ny samy mpanao politika

Tsy tanteraka omaly indray ny fivo- riana nokasain’ireo vondrona sy antoko ary ankolafy politika izay tokony nandinihana ny fomba fampi- harana ny sori-dalana. «Maro amin’ ireo mpanao politika manana andraikitra ao anatin’ireo rafi-panja-kan’ny tetezamita no mamita iraka ivelan’ny renivohitra, ka tsy afaka nanatrika io fivoriana io», hoy fotsiny ny fanazavana avy amin’ny sekretera nasionalin’ ny antoko Tgv, Lanto Rakotomavo, omaly.

Ny mpitarika ny delegasionan’ny ankolafy Ravalomanana, Mamy Rakotoarivelo ihany aloha no fantatra fa tsy eto an-toerana fa mamita iraka any Frantsa. Na izany aza dia maro amin’ireo minisitra avy amin’ity ankolafy ity no fantatra fa diso fanantenana tanteraka noho ny tsy fahatanterahan’ity fivoriana ity. Ireto farany izay niandrandra mafy ny hahitan’ny rehetra ny marimaritra iraisana amin’ny fampi- harana ireo andininy mamaritra ny fampodiana tsy misy araka-raka ny mpanorina ny orinasa Tiko.

Ireo vondrona sy antoko politika akaiky ny Filohan’ny teteza-mita, Andry Rajoelina anefa hatramin’ny omaly dia mbola nani- zingizina fa tsy hanohy hiatrika ity fivoriana ity mihitsy raha tsy miverina mandray ny andrai-kiny ao anatin’ireo rafitry ny tetezamita ny ankolafy Rava-lomanana.

JR

Fanefana hetra – Nohamafisin’ny Fitsarana ny fanagiazan’ny Fanjakana ny Tiko Fanefana hetra – Nohamafisin’ny Fitsarana ny fanagiazan’ny Fanjakana ny Tiko

Nivoaka omaly ny didim-pitsarana mikasika ny raharahan’ny orinasa Tiko miisa roa any Antsirabe. Nomen’ny Fitsarana tany an-toerana rariny ny fanjakana malagasy mikasika ilay didy hitsivolana nivoaka ny 260AG/12, ny 16 avrily 2012, ka manome alalana ny foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Hetra (Dgi) hiditra ao amin’ny faritra misy ny Tiko ao Andranomanelatra sy Mahafaly ao Antsirabe. Fanatanterahana ny fitakian-trosa an-tery mahakasika ny hetra nambara fa tokony hoefain’ny orinasa Tiko io didy hitsivolana io.

Fihetsiketsehana

Nolavin’ny Fitsarana araka izany ny fangatahana fanoherana nataon’ny orinasa Tiko an’ io didy hitsivolana io. Horakoraka ny an’ireo olona 300 mahery teo ivelan’ny Fitsarana raha vao nandre ny didim-pitsarana tao Antsirabe tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany maraina omaly.

Nahitana mpiasan’ny orinasa, mpiompy omby, mpamboly voankazo sy soja ireo olona teo ivelan’ny lapan’ny Fitsarana sady nilanja sora-baventy, izay naneho ny « tokony hamelana azy ireo hiasa » sy ny « tokony hisian’ny mangarahara amin’ny fitsarana io raharaha io ». Narovana mpitandro ny filaminana vao maraina ny teny amin’ny manodidina ny Fitsarana.

« Tsy tokony hihatra aloha io didy hitsivolana io raha tsy mivaly ny fampiakarana Fitsarana ambony nataonay », hoy i Heritiana Andrianaivo, tale jeneralin’ny Magro raha nivoaka ny lapan’ny Fitsarana. Teo no ho eo ihany mantsy dia efa nampiakatra ny raharaha ny Me Noro Raharimalala, mpisolovava ny orinasa Tiko. Ireo mpitandro ny filaminana avy aty Antananarivo anefa efa an-dalan’ny hihazo an’Antsirabe ny maraina hanatanteraka ny didy. « Voatery naverin-dalana izy ireo noho ny didy izay nanaovana fampakarana », hoy ny kolonely Bama Marima, lehiben’ny tobim-paritry ny Zandarimaria ao Vakinankaratra.

Tsy mbola nanan-kambara ihany koa ny teo anivon’ny Dgi raha nanontaniana ny fepetra horaisiny. « Tsy maintsy mbola hisy fifampidinihana amin’ny sampana misahana ny lalàna eto anivonay aloha vao ho fantatra ny ho atao », hoy i Tazafy Armand, tale jeneralin’ny Hetra.

 

Hanitry Ny Aina/ Angola Ny Avo

Raharaham-pitsarana – Mandindona ny mety fanagiazan’ny Fanjakana ny Tiko Raharaham-pitsarana – Mandindona ny mety fanagiazan’ny Fanjakana ny Tiko

Eo am-pelantanan’ny Fitsarana ny ho avin’ny orinasa Tiko ao Andranomanelatra sy Mahafaly ao Antsirabe. Hamoaka ny fanapahan-keviny taorian’ny fanoherana ny didy hitsivolana laharana 260AG/12 nataon’ny Tiko mantsy ny Fitsarana ao Antsirabe, ny zoma ho avy izao.

Na mijanona ho an’ny Tiko ireo orinasa ireo aorian’io na giazan’ny Fanjakana. Ka raha ny Fanjakana no mandresy dia hiroso amin’ny fanaovana lavanty izany sy ny fitaovana ao anatiny izy ireo mandra-pahafeno ny trosa ambara fa tokony hoefain’ity orinasa ity amin’ny Fanjakana. Nanamafy anefa i Tojo Ravalomanana omaly fa « tsy maintsy ho tafatsangana ny orinasa Tiko ».

Dingana fanerena handoa hetra

Loharanom-baovao teo anivon’ny foibem-pitondrana misahana ny Hetra no nahalalana fa tafiditra ao anatin’ny dingana fitakian-trosa ataony io fanagiazana sy fanaovana lavanty io. « Efa tapitra ny fe-potoana nirosoana tamin’ireo dingana hafa toy ny fanagiazana ny kaonty, ny famelana ny orinasa hiodina mba hahafahany mamerina ny trosa. Tsy mbola voaverina anefa ny trosa hatreto », hoy ny loharanom-baovao.

Sotasota, fanapotehana amin’ny endriny rehetra ny orinasa Tiko, fikasana hanao tantely afa-drakotra ny orinasa toy ny niseho tao Toamasina no andraisan’ireo tompon’andraikitry ny Tiko ny zava-miseho ankehitriny. « Satria tsy mitombina ny kajin’ny ampahan’ny hetra sy haba takiana ary nohamarinin’ny vaomieran’ny hetra misahana ny fangatahana momba ny fitantanan-draharaha na ny Cfra izany », hoy Ratsimbazafy Faliniaina, tale ara-bolan’ny Tiko.

Nampiany fa tokony honerana araka ny voalazan’ny Tondrozotra aloha ny fahavoazan’ireo orinasa voaroba tamin’ny 2009, ka isan’izany ny Tiko.

HNA

 

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite