|
Famoriam-bahoaka mampihomehy(0) Famoriana olona kitoatoa no niseho teny Ankorondrano, omaly. Tsy nisy fangatahana alalana mazava tamin’ny Prefektiora, fa dia famoriam-bahoaka amboletra. Ny tena manahiran-tsaina sy manala baràka dia ny fahitana sora-baventy manevateva olona sy ny anarany. Marina fa mety misy tokoa ny alahelon’ny olona vokatry ny ataon’ireo olona mpitsabatsabaka amin’ny tsy tokony hidirany saingy efa mamoehatra kosa ary fahambanian-tsaina an-karihary raha sora-baventy tsy mendrika no entina hanehoana hevitra. Amin’io lafiny iray io, dia tsy misy hoe amboako na amboan’olona fa rehefa vandana dia kary. Nanana ny rariny indray teto Ingahy Praiminisitry ny fampihavanam-pirenena raha nampiaka-peo momba iny raharaha iny. Iza anefa no nitarika teny? Niaraha-nahita fa ireo mpila ranondranony sy ireo te ho deraina ho tsy mpankasitraka vahiny hatramin’izay ihany. Matoa misy ny zavatra mamoehatra toy ireny, dia ireo mpitarika mihitsy no mampihomehy voalohany. Hany ka na tokony hotsarain’ny olona fa manana ny rariny aza, manjary mivadika ho mampihomehy sy manala baràka rehefa manaonao foana! Mbola mampihomehy ihany koa, araka ny fitenin’Ilairaikalahy taloha, ity filàna doka sy fitiavana te hila ranondranony ity, fa dia natao nifanandrify indrindra tamin’ny fikaonan-dohan’ny Foloalindahy sy ireo kandidà voailika ao anatin’ny firotsahan-kofiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena mihitsy ilay hetsika famorian’olona tsy ahoan-tsy ahoana. Amin’izay ve mba ho faly ny Filohan’ny tetezamita? Sao ho diso hevitra! Hatramin’izay ianareo nangina tsy nisy sahy niloa-bava, na dia efa nohitsahin’iny olona iny hatrany an-tampon-dohany aza. Ingahy Rabetsaroana Sylvain irery no sahy namaly sy nanitsy ny fomba fijerin’ilay ramatoa gara maso iny. Ny sisa rehetra nanaiky lembenana sy nimenomenona tany ambadika tany fotsiny. Miharihary fa zavatra foronina sy korontana tiana hovolena eto amin’ny firenena no toy ireny. Tsy misy vahoaka ho taitaitra fotsiny eo raha tsy efa nisy ny teny ifampierana dieny mialoha ary mazava tsara ny paikadin’ny mpitarika. Tsy fitakiana vokatry ny tena fitiavan-tanindrazana iny fitakiana vokatry ny fizaram-bola tsy mahavita andro fotsiny. Mampihomehy tokoa! Tojo Rakotomalala
|
|
Miandry baolina mitontona Ny hitsikitsika tsy mandihindihy foana fa ao raha. Misy dikany lehibe eo amin’ny sehatra politika, indrindra manoloana ny savorovoro momba ny raharaham-pifidianana, ny fandra-isana andraikitra ataon’ny Foloalindahy. Tsy maninona aleo tonga dia hotsorina hoe Foloalindahy satria toy ny haingom-bato tsy azo ariana na koa mpitsara an-jorony miara-mitantana ny lalao eny ambony kianja ny Ffm, izay manam-boninahitra ihany koa no mitantana azy sy ny Komity mpanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra. Fanampin’izay, naneho hevitra hentitra ny amin’ny tokony tsy handraisan’ny iraisam-pirenena fanapahan-kevitra mety hanohintohina ny filaminana, mialoha sy mandritra ary aorian’ ny fifidianana, ihany koa ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika sy ny Polisim-pirenena raha ny fanambaràna nataony omaly. Midika izany fa mety hisy fanapahan-kevitra lehibe horaisin’izy ireo, izay tsy mbola fantatra tsara hoe ahoana no ho fandehany, raha toa ka tsy mety hampitovy tandin-dokanga ireo kandidà telo mianadahy mianaka: Ravaloma-nana Lalao, Ratsiraka Didier ary Rajoelina Andry, izay tsy ankasitrahan’ny vahiny mpanaraka ny raharaha amin’ny fahitalavitra fotsiny, ny firotsahan’izy ireo eo ambony kianja. Arakaraka izay zavatra hitranga rahampitso, aorian’ny fampihaonana ireo kandidà telo ireto, izany no mety ho fiovan’ ny toe-draharaha eto Madagasikara. Izay iray alehany, na hitohy ny tetezamita, amin’ny alalan’ny fanemorana ny fifidianana, raha toa ka mihizingizina tsy mety miala eny ambony kianja izy telo mianadahy mianaka. Na ihany koa mety hanery azy ireo hiala ankitsirano ny Foloalindahy, ka tsy hanova ny datim-pifi-dianana saingy amin’izay dia tsy maintsy hiala avokoa ireo kandidà tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo mpanao politika 109 nosazian’ny vondrondra iraisam-pirenena. Io dia mety hitarika amin’ny mety ho fahavitsian’ireo mpilatsaka hofidiana satria maromaro ihany ireo kandidà voakasik’io fepetra io. Miankina amin’izay mety ho fahendren’izy telo miana-dahy mianaka izany ny fizotran’ny raharaham-pirenena. Izany hoe miandry baolina mitontona fotsiny sisa ny Foloalindahy sy ny Ffm ary ny Csc, dia hitsoka kiririoka handravàna tanteraka na hanohizana ny lalao! Tojo Rakotomalala |
|
Aleo ho adin’ny olom-baovao Misafotofoto tanteraka ny raharaham-pifidianana! Manao antsojay ary sesilany mihitsy aza ny antso avo ataon’ireo vondrona iraisam-pirenena ny amin’ny hoe: «hanapaka ny fanampiana ara-bola hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena raha toa ka mbola misisika hirotsaka hofidiana ireo kandidà telo, Ratsiraka Didier, Ravalomanana Lalao ary Rajoelina Andry». Mazava izany ny lalan-kombana eto fa ny fialàn’izy telo mianadahy mianaka ireo ao anatin’ny hazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena no hampilamina ny raharaha. Na misy mahamarina azy ihany aza io hevitry ny vondrona iraisam-pirenena io, dia olana goavana ny fitsabahan’izy ireo lalina loatra amin’ny raharaha anatiny eto Madagasikara. Ny mahamarina azy dia izao: raha tiana hipetraka tokoa ny fanovàna nimatimatesana eto Madagasikara, dia tokony ho olom-baovao tanteraka, tsy mbola fantatra teo amin’ny sehatra politika mihitsy ary tanora, no tokony hitantana firenena amin’ny Repoblika fahefatra. Mampihomehy mantsy ny zava-misy ankehitriny satria raha ny filazan-dry Deba, tamin’ny fotoan’ androny ny amin’ny hoe: «ny tanora ankehitrio no Izao fibaikoan’ny vahiny ny familiana eto firenentsika izao dia midika fa tsy manana hazondamosina ary tsy mahaleo tena isika, ka azon-dry zareo lalaovina araka izay itiavany azy sy mifanaraka amin’ny tombontsoany, i Madagasikara. Rehefa tena tapi-dalan-kaleha ihany koa anefa, ka tsy mahita vahaolana intsony dia tokony ho tonga saina izy telo mianadahy mianaka miala moramora. Tsy maninona esory avokoa izay kandidà tsy manara-dalàna sy mampiahiahy dia aleo ho adin’ny samy olom-baovao. Tsy ilaina koa anefa ny Ces ankehitriny fa ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ireo mihitsy no vao mainka nampidi-kizo lalina toy izao indray. Tojo Rakotomalala |
|
Mila hazavana i Gasikara Maizina ny tany aman-danitra! Toa manaraka ny haizin’ ny raharaham-pirenena ny fahazavana na fanazavana ny tanàna sasany manerana ny Nosy. Izany ka tena hoe maizina am-pototry ny mazava, ara-bakiteny, tahaka an’ i Talatanampano ao Fianarantsoa. Ny otrikarena tokony hahazoana angovo azo havaozina: na ny avy amin’ny masoandro, na ny avy amin’ny rivotra dia samy ananantsika maro sy tsy lany, nefa toa iniana tsy raharahaina sy asiana fiheverana loatra. Ankehitriny saika manerana ny faritra rehetra ny olana eo amin’ny jiro. Ny an’ny sasany tsy an-kijanona ny delestazy noho ny fahasimbana amin’ ny gropy ampiasain’ ny orinasa Jirama. Ny tena mahagaga mantsy dia nitombo tato ho ato ny olana amin’ny gropy manome herinaratra amin’ny faritra maro, ka mahatonga ny fahatapatapahana lava amin’ny jiro. Ny vahoaka ihany anefa no lasibatra noho izany satria tsy mihodina ny fandraharana miankina amin’ny jiro, ny tsy fandriampahalemana mihamahazo vahana… Na izany aza toa tsy rototra akory indraindray ny tompon’ andraikitra amin’ny famahana ireny olana ireny, toa zara aza tsy mandeha izy ireny mba hampitombo ny « bizina », ka hahafahan’ny orinasa sasany mampanofa ny gropiny amin’ny fanjakana. Dia somary gaga ihany ny tena indraindray satria ireny tamin’ny fitondrana teo aloha ireny toa tsy sarotra akory dia nahazo ilay gropy goavam-be etsy Mandroseza ny Jirama. Ankehitriny anefa dia toa malaza sy fahita amin’ny gazety sasany ny hoe manofa gropy etsy ny Jirama hampiasain’ny tanàna atsy sy aroa… Zatra sy mahay ho azy ilay voambolana vahiny nohagasiana hoe delestazy na ny zazakely aza, any amin’ny faritra. Ny tena zava-doza dia niitatra toa sima misioka ny olana avy amin’ny jiro tatsy Mananara Avaratra, nisy mihitsy aza ny aina nafoy, re koa ny atsy Tsiroanomandidy fa dia aleo ny vahoaka no miaina anaty haizina fa ny gropy vaovao, hono, «tsy maintsy hotokanana alohan’ny hampiasana azy». Aiza ho aiza amin’izay fisehosehoana izay ilay tena fitiavana ny tanindrazana? Dia maizina tanteraka sy hamaizinina miaraka amin’i Madagasikara ny sain’ny Malagasy. Mahaiza mifidy izay tena ho fanilon’ny Firenena amin’izy 41 mianadahy mianaka ireo. B Radavidra |
|
Fitapitaka mahafanina Sanganehana ny olom-pirenena rehetra, omaly. Tsy mena-mivadika marina ny mpanao politika! Mahavàka ny sain’ny mpanara-baovao ny fitapitaka madinidinika ka tsy araka intsony izay tena marina momba ny fizotran’ny raharaham-pirenena, ankehitriny. Ny mahava-riana ity kilalao maloto hamadibadihana ny marina eto amin’ny firenena ity. Miharihary ary hitam-poko hitam-pirenena fa maro no tsy manara-dalàna saingy dia navadika no marina sy ara-dalàna tsotra izao rehefa izay no tian’izy ireo hapetraka. Marina fa mitombina tokoa ny ahiahy amin’ny mety hisian’ny korontana raha toa ka nosakanana tsy navela nirotsaka ireo kandidà tsy ara-dalàna rehetra ireo nefa na izany aza tokony hijoro amin’ny rariny sy ny hitsiny ny fitondrana ka hampihatra ny fahamarinana amin’ny fomba rehetra. Tsy izany anefa no zava-nisy fa ny mpitondra natao ho fitaratra indray no vao mainka nanao tery vaimanta amin’ny tsy fanarahan-dalàna. Porofo mitohoka amin’ny tenda ihany koa izao, fa tsy mahaleo tena ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana ary tsy mijoro tamin’ny heviny. Kobaka am-bava ny fianianana hampandala ny marina teo anatrehan’Andriamanitra sy ny lalàna. Raha izay no fandehany, dia tsy azo antoka intsony, na rahoviana na rahoviana, ny hisian’ny voka-pifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra havoakan’io andrimpanjakana io! Porofo tsy azo ihodivirana ary efa niainana teto hatramin’izay nisian’ny Fanjakana Replobikana teto Madagasikara, dia tsy misy mitana ny teny nomeny ireo mpitondra. Tsy fitiavan-tanindrazana no mibaiko fa fitiavan-tena, fitiavam-boninahitra, indrindra fitiavana hampisavorovoro saim-bahoaka mba hahafahana manao taingim-bozona ny madinika. Miharihary amin’ny vahoaka malagasy izany izao ny fitapitaka mahafanina ataon’ny mpanao politika, izay tsy hahalalana ny zava-misy marina tian’izy ireo hapetraka eto anivon’ny firenena. Anjarantsika sisa no mitsara, anjarantsika ihany koa no misafidy. Ekena fa samy manana ny fironany sy ny kandidà lanilanin’ny vavoniny ny olom-pirenena tsirairay saingy aoka isika ho tonga saina satria isika ihany no hanoratra ny tantarantsika ka hotsarain’ny taranaka fara aman-dimby, any aoriana ihany, raha sendra diso safidy. Tojo Rakotomalala |
|
Mpivarotra saka beloha Ny politika mandany vola fa ny politika koa fanangonam- bola. Matoa ifandrombahana hanaovana tsy omby aloha, toy izao zava-misy iainana eto Madagasikara ankehitriny izao, ny toerana politika, dia mazava fa vola avokoa no manosika ao ambadika. Manaraka ny voninahitra sy ny fitiavana te ho ambony noho ny hafa, mba hahafahana manjakazaka. Nofy aloha raha izay fitiavan-tanindrazana! Politika mira fihatsarambelatsihy. Politika mira fanaovana taingim-bozona ny vahoaka. Ao anatin’io fotoanan’ny fampielezan-kevitra io no tena itobahan’izao vola maloto rehetra izao. Tsy nasiana fetra ao anatin’ny lalàna mifehy ny fifidianana tokoa angamba ny vola tokony holanian’ny kandidà iray rehefa amin’ny fampielezan-kevitra. Heno etsy sy eroa mantsy fa dia handany vola faran’izay betsaka mihitsy ireo kandidà mba hahazoana toerana. Tsy an’hetsiny na an-tapitrisany ariary eto no resaka fa amina miliara maro. Izay kandidà tsy manana miliara izany dia efa mihevera tena dieny izao. Tsy kilalaon-jaza io, na hoe ho vitan’ny tora-pon’ny fitiavan-tanindrazana madio ranofotsiny amin’izao. «Bizina» ny fanaovana politika e! Iaraha-mahalala loatra izany. Maro tamin’ireo kandidà be vola ireo anefa no efa mpitondra teto amin’ny firenena saingy nahavita inona? Tsy vitsy ihany koa ireo nanana ny laza ratsiny, ka na handany vola amina miliara aza, efa hain’ny vahoaka ihany ny manavaka ny vary sy ny tsiparifary. Izay kandidà be vola milaza fa mahita vahaolana amin’ity adim-piainana isan’andro ity ihany izao no hahazo laka, raha tsy hoe hivarotra saka beloha ihany koa. Tojo Rakotomalala |
|
Adin’ny samy matanjaka Raha ny zava-misy ankehitriny no dinihina, dia tsy tokony hiteraka adihevitra intsony ny hanemorana ny datim-pifididianana, izay efa napetraka ho amin’ny 24 jolay. Ny fifidianana Filoham-pirenena no tiana holazaina eto! Efa ampolony ary mitombo miandalana mantsy ireo kandidà nametraka ny antontan-taratsy filatsahan-kofidiany. Ny mampiahiahy ary mampahatahotra izao, dia ny mbola tsy fisian’ny fanomezan-toky amin’ny hampangarahara tanteraka sy ny haneken’ny rehetra ny valim-pifidianana, ao anatin’ny fahamarinana. Tsikaritra mantsy fa samy efa mampiasa ny teknolojia avo lenta avokoa ireo kandidà hahazoana vokatra eo no ho eo. Izany hoe efa karazany manana fitaovana, tahaka ny ampiasaina ao amin’ny Trano boriborin’ny minisiteran’ny Atitany avokoa ny ankamaroany (izay be vola). Araka izany, raha vao tsy mitovy ny vokatra mivoaka, dia tsy maintsy hisy ny hampiaka-peo, ary dia hiverina ho azy ny savorovoro, toy ny efa niainana tamin’ny faramparan’ny taona 2001. Noho izany, raha tiana ny hisorohana ny korontana, dia mila mijoro amin’ny maha izy azy ny Cenit. Mila mampitovy tadin-dokanga ihany koa ireo kandidà amin’ ny fandraisana sy ny fanekena ny voka-pifidianana, izay tokony hitovitovy amin’ny vokatra ofisialy. Adin’ny samy matanjaka rahateo ity fifidianana indray mitoraka ity, ka tsy hisy hanaiky lembenena na hanaiky mora raha toa ka misy fitongilanana ny voka-pifidianana. Tokony ho tsapan’ny olom-pirenena rehetra koa anefa fa ny fahatanterahan’io fifidianana io amin’ny an-tsakany sy an-davany no hitondra vahaolana maharitra eto amin’ny fire- nena. Raha sanatria misy ny savorovoro, dia izay vao tena hihitsoka ao anaty krizy vaovao, ary vao mainka ho lavareny sy hihamafy noho izao iainana ankehitriny izao, ny firenena. Samia mandinika aloha fa ny alina misy isainana. Tojo Rakotomalala |
|
Hisolo vaika ny akalana Hilatsaka, hono, i Mama? Miharihary toy ny vay an-kandrina izao fa dia nivadika tanteraka ny rasa ho an’ny ankolafy Ravalomanana. Hita ho mai-molotra sy nangidy rora avokoa ireo mpitarika sy lohandohan’ny mpisorona, taorian’ny dian’izy ireo tany Afrika Atsimo, rehefa avy nihaona tamin-dRamose. Nisy tamin’izy ireo mantsy no efa niedinedina sy nanantena fatratra fa hitondra ny lokon’ny ankolafy amin’ny fifidianana filoham-pirenena izay hatao amin’ny 24 jolay, kinanjo diso fanantenana fa lasa i Mama tampoka indray no hisolo toerana an-dRangahy satria izy ihany, hono, no ananany fitokisana. Tokony hampandini-tena sy hampieritreritra ny toy izao. Fantatra izany izao izao fa tapa-kevitra tokoa Ramatoa fa hilatsaka ka hanatitra ny antontan-taratasy firotsahany hofidiana eny Ambohidahy. Ny mahavariana fotsiny amin’ity tantara ity, dia tsy nisy resaka ny firotsahan-kofidiana mihitsy no nifanarahany tamin’ny fitondrana tetezamita fa hamangy an-dreniny narary tsy salama. Io mihitsy aza no fototra tena nankatoavana ny fampodiana azy teto Madagasikara. Hisolo vaika ny ankalana izany Ramatoa Lalao Ravalomanana? Mahavariana mihitsy ity kajikajy politikan-dRamalagasy ity. Tsy maintsy atao avokoa izay fomba rehetra hahazoana ny fitondrana na dia amin’ny fomba tsy dia mendrika loatra aza. Izao dia iaraha-mahita fa nivadika ankitsirano tamin’ny veliranom-bazimba nifanaovany tamin’ny fitondrana tetezamita Ravalomanana Lalao. Ny fianakaviam-be iraisam-pirenena rahateo sady tsy mitsipaka no tsy manaiky tanteraka io fanapahan-kevitra io, ka dia alefany aloha ny azy na ho any na tsy ho any. Ny azo antoka fotsiny, dia tsy hikatsaka ny tombontsoam-pirenena no tena tanjona voalohany fa hikatsaka ny tombontsoa manokan-dRavalomanana Marc. Efa nilaza ombieny ombieny mantsy Ravalomanana Lalao fa tsy manao politika ary tsy mahay politika, kanefa nahoana no tampotampoka eo indray no milaza fa ho kandidà? Ny hitsikitsika tsy mandihy foana…Raha sanatria ho lany eo tokoa anie izy, tsy maintsy ilay Iraikalahy taloha ihany no hitondra ny baolina e ! Tojo Rakotomalala |
|
Voalobo-jaza ny an’ny sasany Tena fitiavan-tanindrazana marina tokoa sa fitia te hisehoseho fotsiny ihany ny an’ireto mpanao politika maro dia maro, maneho ny fahavononany hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ireto? Efa taona maromaro rahateo koa no tsy niatrika izany fifidianana Filoham-pirenena izany ny mponina teto Madagasikara, ka tsy mahagaga raha manao be fihavy ireo kandidà. Mahavariana anefa fa hatramin’izay tsy hita tabilao ny sasany, saingy rehefa tonga ny fifidianana vao mipingampinga sy manao be lazao etsy sy eroa fa hoe hilatsaka! Raha ny fahavononan’ireo mpilatsaka indray no dinihina, dia tsy tokony handalo krizy na hahantra velively ity firenena malagasy ity. Tsy ilay fahavononana izany no ratsy, fa ny mahatsikaiky sy mahalotika ireo mpanara-baovao, dia miharihary fa misy olona fantatra fa tsy ho lanim-bahoaka na amin’ny fifidianana filoham-pokontany aza, nefa dia milingilingy sy faly mitomany randrana manendrika hafa fotsiny satria manam-bola hanaovana fampielezan-kevitra. Raha mety teren-ko masaka tahaka ny voalobo-jaza tokoa moa izany hoe fifidianana Filoham-pirenena izany inona no olana? Misy indray ireo matin-kambo fotsiny satria hoe narotsaky ny fikambanana izatsy na antoko izaroa,dia « toy ilay ratsy tarehy nangata-bady, ka ny anaran-dray no enti-mangataka ». Dia mbola maro tokoa no mihevitra fa kilalao ny raharaham-pirenena. Io fiheverena ny Malagasy ho donto sy azo lalaovina amin’izay rehetra tiana hanaovana azy io mihitsy no olana teto amin’ity firenena ity hatramin’izay! Amin’izao aloha, samy mbola miseho tsy te ho ratsy imasom-bahoaka daholo ry zalahy na dia efa vakiana fotsiny aza ny zava-bitany teto amin’ny firenena. Eny e, samia miezaka mafy amin’ny fandresen-dahatra sy ny fambaboana fom-bahoaka fa tsy mbola misy tahaka ity satria malalaka tsara ny kianja ilalaovana. Na izany aza, tandremo ihany ny be fanantenana loatra sao ho tapaka lalan-dra rehefa injay mivoaka ny valim-pifidianana! Am-polony mantsy ianareo no mikatsaka toerana nefa tsy maintsy ho iray ihany no ho tompon’ny laka. Ny vahoaka rahateo efa leon’ny fiverimberenan’ny krizy ka angamba ho tonga saina tsy hanaiky hivarotra ny safidiny intsony! Tojo Rakotomalala
|
|
Fanantenana efa konka! Taloha izany! Indray andro, hono, tany amin’ny taona 1991 dia narodan’ny vahoaka analin-kisa tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely ny Amiraly mamim-bahoka, kintana fito, raiben’ny paradisa sosialista Didier Ratsiraka Ignace. Tsy nahatanty resy anefa ka voatery nitsoaka tany an-tanindrazam-bazaha tany mihitsy izy rehefa lasan’ny Profesora Albert Zafy ny Fitondrana. Narary mafy anefa ny firenena taorian’ izay fa tsy mety sitran’ ingahy profesora tamin’ny fahaizany sy ireo namany ny Hery velona mihitsy. Dia vitany tokoa àry ny nitondra ny Malagasy rehefa voafidy hiverina hibaiko ny familiana ny Sambobe malagasy indray izy. Indrisy anefa fa hadinony fa tsy tafaraka taminy ilay lokalokany lehibe nataony hoe «Fanantenana vaovao». Toa ny teo ihany no teo! Dia mbola nisisika hitondra indray mandeha koa tamin’ny taona 2002 fa efa nanomboka lasan’ ny «tanora tompon’ny taona 2000 ny fitondrana». Nanao ny farahery hifikirana teny Iavoloha ny Amiraly fa nitsoaka tany an-tanindrazam-bazaha ihany indray no niafarany. Andao handeha hotohizana haingana ny tantara! Rehefa novahan’i Andry Rajoelina ho an’ireo sesitany tamin’ny 2002 indray ny sisin-tanin’i Madagasikara dia mbola niseho ho Rôla indray ny anao lahy, nikasa hamerina ny «1996» tamina karazana sarimihetsika: paompy, lasa mpanakanto… Toa «kapila mangirana efa loaka » anefa sisa. Hany ka tsy naharitra ela fa nanao fialan’ny Jiosy, niala mangingina teto Madagasikara. Ankehitriny toa mandeha ny feo fa mbola tsy tonta mihitsy, hono, ilay «Fanantenana vaovao» tamin’ny 1996 dia haveriny indray amin-dRamalagasy be famindram-po. Ho avy indray, hono, ny Lehilahy. Tsy hay izay tena tanjony amin’izao fiverenany ao anatin’ny fotoana anaovan’ny Ffkm ny fampihavanana sy amin’ny an-katoky ny fifidianana izao aloha.. Handrava efa sa hamerina ny «Hanao ny fanantenana efa konka! » B. Radavidra |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |