Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Tenisy Miverena

Tenisy « Coupe Davis » – Hifandona amin’ ny 1/2-dalana i Maraoka sy Madagasikara Tenisy « Coupe Davis » – Hifandona amin’ ny 1/2-dalana i Maraoka sy Madagasikara(0)

Azon-dry Jean Jacques Rakotohasy sy ny namany, izay misolo tena antsika any Egypta amin’ny fifaninanana tenisy na ny “Coupe Davis” Vondrona III, ny laharana voalohany niarahana tamin’i Namibia ary Rwanda tao amin’ny Vondrona C. I Maraoka no hifandona amin’ny ekipa Malagasy amin’ny manasa-dalana, taorian’ ny nandresen’i Mada- gasikara isa 3 no ho 0 ny Namibiana, omaly.

Teo amin’ny lalao voalohany, resin’i Jean Jacques Rakotohasy na i Zakakely tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/3, 6/0) i Jacobus Serdyn. Seta 2 no ho 0 (7/6, 6/3) ihany koa no nandavoan’i Antso Rakotondramanga an’i Tiku Jacob. Mbola seta 2 no ho 0 (6/1; 6/1) ihany koa no nandresen’i Ando Rasolomalala sy Tony Rajaobelina azy mirahalahy ireo teo amin’ ny olon-droa miaraka.

Raha tafavoaka eo anatrehan’i Maraoka isika dia tafaverina indray ao anatin’ny vondrona II amin’ny taona 2014, ka hiarahantsika amin’ireo firenena eoropeana.

R.A

Tenisy « Coupe Davis » – Hiady voalohany amin’ i Namibia i Madagasikara Tenisy « Coupe Davis » – Hiady voalohany amin’ i Namibia i Madagasikara

Nataon-dry Jean Jacques Rakotohasy na Zakakely tsy nisotro rano mihitsy ny ekipan’i Rwanda, omaly, teo amin’ny lalao voalohany natrehantsika tamin’ny Coupe Davis, ho an’ny vondrona III, atao any Egypta. Nomontsanin’ny ekipa malagasy 3 no ho 0 i Rwanda, tao amin’ny kianjan’i Le Caire, ho an’ ny vondrona C ary hifanandrina amin’ny lohany eo amin’ny vondrona A kosa i Maraoka, Alzeria ary Cameroun.

Marihina fa i Rwanda dia efa resin’i Namibia 3 no ho 0 ihany koa, ka ity farany no hiady ny laharana voalohany amintsika. Ho an’ny lalao natrehan’ny Malagasy tamin’ny Rwanda omaly, dia lavon’i Jean Jacques Rakotohasy tamin’ ny seta 2 no ho 0 (6/4, 6/0) i Dieu-Donné Habiyambere. Seta 2 no ho 0 (6/1, 6/3) ihany koa nanilihan’i Antso Rakotondramanga an’i Jean Claude Gasigwa, izay laharana faha-1 780 eran-tany. Mbola seta 2 no ho (6/2, 6/2) ihany koa no nandavoan-dry Ando Rasolomalala sy Tony Rajaobelina an’i Hamissi Gatete sy Mubaraka Harerimana, teo amin’ny olon-droa miaraka.

Roméo Andriamihaja

Tenisy FEDSAT – Nanjaka ireo tompondakan’i Afrika Tenisy FEDSAT – Nanjaka ireo tompondakan’i Afrika

Nanamafy ny anaram- boninahitra azon’izy ireo teo amin’ny fifaninanana kaontinantaly  Andritoavina Ratsimandresy sy Randy Randrianasoloson teo amin’ny fifaninanana Fedsat, izay nokarakarain’ny federasiona malagasin’ny tenisy teny amin’ny Country Club Ilafy. Teo amin’ny sokajy lehilahy dia niondrika teo anatrehan’Andritoavina tamin’ny alalan’ny seta 2 no ho 0 (6/2, 6/1)
i Radonirina Fanantenantsoa. Tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1, 6/2) ihany koa no nandresen’i Randy an’i Jackinah Rakotohasy teo amin’ny sokajy vehivavy. Hain’izy mianadahy ireto hatrany ny namezivezy an’ireo mpifanandrina taminy nandritra ireo lalao notontosaina tamin’ity fifaninanana ity.

Aorian’ity fifaninanana ho an’ny tanora ity dia hiditra eo amin’ny sokajy “1e Série” ny federasiona afaka tapa-bolana (18 – 19 mey). Hotontosaina amin’ ny 24 – 25 mey kosa ny dingan’ny famaranana ho azy ireo. Mikasa ny hampisy fifaninanana telo avy ho an’ireo sokajy tanora sy “1e Série” ny federasiona amin’ity taona ity ary hofaranana amin’ny “Masters” amin’ ny volana desambra.

RA

Tenisy Coupe Davis – Hiara-hiady any Ejypta ihany  i Zakakely sy Ando Tenisy Coupe Davis – Hiara-hiady any Ejypta ihany i Zakakely sy Ando

Hiara-hiatrika ny Coupe Davis, hatao any Ejypta amin’ny 13 – 18 mey ho avy izao, i Ando Rasolomalala sy Jean Jacques Rakotohasy na i Zakakely. Ity farany no saika handeha irery hiaraka amin’ireo mpilalao mala- gasy mila ravinahitra any Frantsa hiaro ny voninahitr’ i Madagasikara amin’izany fifaninanana izany, saingy nantsoina tamin’ny ora farany i Ando.

“Ny fisalasalana teo amin’ i Rija Rajaobelina, mpilalao mpila ravinahitra no isan’ ny antony nampiakarana an’i Ando, izay niatrika ny lalao famaranana tamin’ ny fitsapana notontosain’ ny federasiona teto an-toerana, ka nahatonga anay hampiditra an’i Ando ho ao anaty lisitra”, hoy ny avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny tenisy. Mpi- lalao mpila ravinahitra roa lahy, Antso Rakotondramanga sy Tony Rajaobelina, sisa no hanampy azy ireo amin’izany fifaninanana izany. I Rija Rajaobelina kosa no ho kapitenin’ny ekipam-pirenena.

R A

Tenisy Mondial – Hivondrona eny Ankatso ny ekipam-pirenena malagasy Tenisy Mondial – Hivondrona eny Ankatso ny ekipam-pirenena malagasy

Hiatrika fampivondronana eny amin’ny fotodrafitrasan’Ankatso ireo mpilalao tenisy efatra mianadahy, izay  hiatrika ny fiadiana ny ho tompon- daka eran-tany ho an’ny minimes, hatao any Tonizia amin’ny 10 – 15 jona ho avy izao. Mpilalao roa lahy, Andritoavina Ratsimandresy sy Miary Zo Rakotondramboa sy roa vavy, Randy Randria- nasoloson sy Sariaka Radilofe) no mandrafitra ny ekipam-pirenena.

« Hanomboka amin’ny fiandohan’ny volana mey io fampivondronana io », hoy i Tsialiva Rajaobelina, filohan’ny federasiona malagasin’ny tenisy.

Ankoatra izay dia miatrika ny fampivondronana eny Ankatso ihany koa amin’ izao fotoana izao ireo mpi- lalao hiatrika ny Coupe Davis hatao any Ejypta amin’ ny 13 – 18 mey ho avy izao. Efa akaiky ny fandehanan’ ireo mpilalao vehivavy hiatrika ny Fed Cup, izay horaisin’i Moldavie amin’ ny 6 – 13 mey 2013. 10 taona taty aoriana indray vao handray anjara amin’ izany isika Malagasy.

R.A

Tenisy – Hifaninana eny Ilafy ireo lehibena orinasa Tenisy – Hifaninana eny Ilafy ireo lehibena orinasa

Manomana fifaninanana tenisy natokana ho an’ny orinasa sy ireo lehibeny ny Country Club Ilafy sy ny mpano­hana azy, ny 1 – 2 jona ho avy izao na ny “BMOI Premium challenge”. “Efa fanaon’ireo mpikarakara hetsika eto Antananarivo izy io, ary natokana ho an’ireo olona ambony eo amin’ny orinasa nahazo fanasana manokana ”, hoy i Josoa Rakotonin­driana, avy ao amin’ny Country Club Ilafy.

“Noferana ho 15 minitra indroa miditra ny lalao ka izay ambony isa ao anatin’ny 15 minitra voalohany no mahazo ny seta voalohany. Rehefa mitovy kosa ny isa dia mbola tohizana amin’ny alalan’ny isa tokana mba hanavahana izay mandresy. Toy izany ihany koa ny eo amin’ny seta faharoa. Raha itovizana ny seta dia tohizana ny lalao ka izay mahazo isa voalohany no mandresy”, hoy ihany ny mpikarakara.

R A

Tenisy Coupe Davis – Noravain’ i Zakakely  ny nofinofin’ i Ando Tenisy Coupe Davis – Noravain’ i Zakakely  ny nofinofin’ i Ando

Tsy isan’ireo hiatrika ny Coupe Davis hatao any Ejypta amin’ny 13 - 18 mey ho avy izao i Ando Rasolomalala. Nandritra ny lalao famaranana ho an’ny fifantenana dia resin’i Jean Jacques Rakoto­hasy seta 2 no ho 1 (2/6, 6/4, 6/2) i Ando, teny amin’ny kianjan’ Ankatso, omaly.

Nan­dritra io fifantenana io dia mbola tsy nisedra faharesena mihitsy i Zakakely. Hanampy azy amin’ny fivahinianana any Ejypta amin’ ity fifanintsanana ho an’ny Coupe Davis ity i Antso Rakotondra­manga sy Tony Rajao­belina, izay samy mpilalao mila ravinahitra any ivelany.
I Rija Rajaobelina kosa no hipetraka ho kapitenin’ny ekipam-pirenena amin’izany fifaninanana izany.

RA

Tenisy Coupe Davis – Hiady toerana  iray ho any Ejypta  i Ando sy Zakakely Tenisy Coupe Davis – Hiady toerana  iray ho any Ejypta  i Ando sy Zakakely

Hiatrika ny lalao famaranana hotontosaina amin’ ny alahady eny Ankatso, eo amin’ny fifaninanana hifantenana izay mpilalao avy eto Madagasikara hiatrika ny Coupe Davis any Ejypta amin’ny 13 – 18 mey ho avy izao i Ando Rasolo­ma­lala sy Jean Jacques Rakoto­hasy na i Zakakely. Nan­dritra ny dingan’ny manasa- dalana omaly, dia niondrika teo anatrehan’i Ando Rasolo­malala tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4, 6/1) i Paulin Ralaivoavy. Seta 2 no ho 1 (3/6, 6/2, 6/2) ihany koa no nampivoaka sempotra an’i Jean Jacques Rakoto­hasy teo anoloan’i Mamy Ialy Ratsifandrihamanana teo amin’ny manasa-dalana ilany.

RA

Tenisy coupe Davis – Mety hionona amina mpilalao tokana isika Tenisy coupe Davis – Mety hionona amina mpilalao tokana isika

Noho ny tsy fisian’ny vola eo anivon’ny federasiona malagasin’ny tenisy amin’izao fotoana izao dia mety ho mpilalao tokana no hiainga avy eto Madagasikara hamonjy ny Coupe Davis, izay hotontosaina any Ejypta amin’ny 13 – 18 mey ho avy izao. Nanomboka omaly teny amin’ny kianjan’Ankatso ny fifaninanana hifantenana izay ho solontenantsika eo amin’ireo mpilalao tenisy lehilahy malagasy. Ireo mpilalao valo voalohany eo amin’ny filaharan’ny federasiona no miatrika izany ary hitohy hatramin’ny alahady izao. I Rija Rajaobelina, kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy, kosa no hikarakara ny fifaninanana hifantenana ireo mpilalao any ivelany.

Samy tafita hiady ny dingan’ny manasa-dalana eo amin’io fifaninanana io avokoa i Mamy Ialy sy Ando, izay samy nanilika an’i Jacky Michel teo amin’ny vondrona B misy azy ireo. Hiady ny ho laharana voalohany izy mirahalahy ireo anio. Eo amin’ny vondrona A kosa dia mbola miankina amin’ny lalaon’i Zakakely sy Solo anio no hahafantarana izay hiatrika ny manasa-dalana. Efa vita omaly ny lalao ho an’i Paulin ka nahitany fandresena tokana (nanoloana an’i Solo) sy faharesena tokana (teo anatrehan’i Zakakely). Anio tolakandro ihany no atao ny dingan’ny manasa-dalana ho an’ity fifantenana mpilalao avy eto an-toerana ity.

R A

Vokatra

Mamy Ialy # Jacky Michel (6/2, 6/3)

Zakakely # Paulin (7/5, 7/5)

Ando # Jacky Michel (6/1, 6/2)

Paulin # Solo (6/0, 7/5)

 

Tenisy – Hotsapaina any Maraoka  i Randy sy Andritoavina Tenisy – Hotsapaina any Maraoka i Randy sy Andritoavina

Taorian’ny vokatra tsara azon’i Randy Randrianasoloson sy Andritoavina Ratsiman- dresy tany Kenya, tamin’ ny fiadiana ny ho tompon- dakan’i Afrika, sokajy U 14, dia voaasa hiatrika fitsapana any amin’ny ivon-toeran’ny tenisy any Casablanca izy mianadahy ireo.

“Aorian’ny fifaninanana eoropeanina hatrehan’izy ireo ato ho ato dia nahazo fanasana avy tamin’ny federasiona iraisam-pirenena izy ireo hiatrika fitsapam-pahaizana any amin’ny ivon-toeram-piofanana any Maraoka”, hoy i Dina Tahiry Razafimahatratra, tale teknika nasionalin’ ny tenisy malagasy.

Miankina amin’izany no mety hahazoan’izy ireo vatsim-pianarana hiofana ao amin’ity ivon-toerana ity, tahaka ny nataon’i Zarah tany Afrika atsimo. Efa nofoanana rahateo io ivon-toerana any Afrika atsimo io.

Noho izy ireo tafiditra ho ao anatin’ny efatra voalohany teo amin’ny fiiadiana ny ho tompondakan’i Afrika no nanomezan’ ny Kaonfederasiona afrikanina azy ireo ho valisoa ny fitetezana fifaninanana eoropeana, araka ny nambaran’ity tale teknika nasionaly ity hatrany. Amin’ny volana mey kosa no hiatrika ny fifanintsanana hiatrehana ny fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany izy ireo miampy an’i Sariaka Radilofe sy Miary Zo Rakotondramboa.

I Afrika Atsimo sy Ejypta no mifanintsana amintsika eo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy, izay hisoloan’izy efatra mianadahy tena antsika.

R.A

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite