![]() |
Tapatapany(0) Varotra zava-mahadomelina. Vehivavy iray saron’ny polisy nitondra rongony 50 fonosana teny Antohomadinika, ny alahady tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro no naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny Fampanoavana. Raha ny tatitra azo avy amin’ny polisim-pirenena dia novidiany teny amin’io toerana nahatratrarana azy io ihany ireo rongony ary Ar 3000 no nividianany azy ka nokasainy hamidy Ar300 ny iray amin’ireo fonosana. Voatifitra. Jiolahy iray no naratra voatifitry ny zandary tany Soanafindra Tsiroanomandidy, omaly vao maraim-be tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Teo am-panafihana tokantrano iray ireo olon-dratsy no tonga ny zandary ka raikitra ny fifandonana. Mbola nentin’ireo namany nitsoaka ihany ilay olon-dratsy voatifitra.
|
![]() |
Tapatapany(0) Sokatra 250 Jiro tapaka |
![]() |
Sombiny(0) HANENIKA IREO FARITRA > Araka ny tapaka teo anivon’ ny filankevitry ny governemanta omaly dia hizara sy hipari- taka hiatrika ny fankalazana ny fetim-pirenena manerana ireo faritra samihafa manerana ny Nosy ireo minisitra eo anivon’ ny governemantan’ny tetezamita. Voalaza fa nampifanarahana amin’ireo faritra nihaviany avy ny fitsinjarana azy ireo. FANEHOAN-KEVITRA > Niantso ireo olom-pirenena hidina an-dalambe ka haneho ny tsy fankatoavana ny fanemorana lava ny fifidianana Filoham-pirenena ny kandidà Rabearison Roland Dieu Donné, Vahombey. Ity farany izay mbola nana- mafy ny amin’ny tokony hampiharana ara-bakiteny ny lalàna manan-kery mahakasika ny fifidianana raha naneho hevitra tao amin’ny tranon-kalan’ny gazety »Franc-jeu » omaly. |
![]() |
Tapatapany(0) Mpanao hira gasy voatafika > Fiara nitondra tarika mpanao hira gasy no notifirin’ny jiolahy tany Marovoalavo Soa-vinandriana Itasy, ny alahady hariva teo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany. Rehefa lany bala ireo jiolahy dia nitsoaka fa ilay fiara kosa no nivadika. Tsy nisy naratra na maty ireo olona tao anatin’io fiara io. Fikasihan-tanana > Malagasy iray 33 taona voatondro ho nandratra tovovavy malagasy iray, 22 taona, no notazonin’ ny polisy any Maorisy ny alatsinainy teo. Mbola tsaboina any amin’ny hôpitaly any Maorisy kosa amin’izao fotoana izao ilay tovovavy. Tao-rian’ny famotorana nataon’ ny polisy dia fantatra fa resa-pitiavana no nahatonga io fikasihan-tanana io. Ankizilahy naratra mafy > Ankizilahy iray mpilalao irony kiraro misy kodiarana irony no naratra mafy teo amin’ny tarehiny raha iny izy nana- raka taksibe avy ao aoriana omaly hariva, teny Antsahabe. Namikitra taorian’ilay taksibe izy tamin’io fotoana io kinanjo sendra lavaka ny tongony ka izay no nampi-trosona azy tamin’ny arabe, araka ny voalazany. |
![]() |
Sombiny(0) HIFANATRIKA > Ny alakamisy izao no hiha-ona amin’ireo mpikambana eo anivon’ny gover- nemanta ireo mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra ambonin’ny tetezamita. Isan’ny horesahina manokana mandritra izany ny raharaham-pifidianana. Raham- pitso dia hisy ihany koa ny fihaonan’ireo mpi-kambana Cst amin’ny minisitry ny Fambolena, Roland Ravatomanga, izay hanasiana tsindrim-peo manokana mikasika ny ady amin’ireo andiam-balala any Atsimo. TONGAVA SAINA > Nanao antso ho an’ny fahatongavan-tsainan’ ny mpanao politika Mala-gasy ny masoivohon’ny Sina, Shen Yongxiang, niasa teto Madagasikara, omaly teny amin’ny mini- siteran’ny Raharaham-bahiny nandritra ny lanonana fanolorana mariboninahitra azy. Ankatoky ny famahana ny krizy i Madagasikara izao, ka izany no ampi-risihana ny Malagasy hiroso amin’ny fifidianana, araka ny voa-lazany. |
![]() |
Tapatapany(0) SERANAN’IVATO AMBATOVY |
![]() |
Tapatapany Vazaha maty irery > Lehilahy teratany vahiny iray no maty irery tao an-tranony tetsy Mandrosoa Ivato ny sabotsy teo. Mbola tsy fantatra hatreto izay nahafaty ity teratany vahiny fa tamin’ ny fisavana ny tranony dia nahitana zava-mahadome-lina teo ambony latabatra. Maty tao an-dava-drano > Zazalahy 15 taona no maty latsaka tao anaty lava-drano ny zoma lasa teo tany Ambatoaranana any amin’ny distrikan’Ambato-lampy. Voalazan’ny zanda-rimaria fa nifoha tamin’ny 2 ora sy sasany hahandro sakafo ity tovolahy ity tamin’ io andro io, ka nandeha nan- tsaka rano. Ny nahatonga azy tao anaty lava-drano no tsy mbola voafaritra hatreto. Fiara nivoaka ny lalana > Fiara marika Renault 25 no tafavoaka ny lalana ary avy eo nandona tamboho ny zoma lasa teo teny Ankadin-dambo-Ambohimangakely. Samy nahitana ratra avokoa ireo olona telo tao anatin’ilay fiara. Ny sabotsy tokony ho tamin’ny 8 ora alina tany Miadana Manjakatompo dia taksiborosy iray no nidona tamin’ny sisin’ny arabe. Olona telo no naratra ka nalefa notsaboina tao Ambatolampy. |
![]() |
Tapatapany FIARAHA-MITANTANA. Manomboka anio no tokony handihan’ireo mpikambana eo anivon’ny parlemantan’ ny tetezamita ilay volavolan- dalàna mahakasika ny fomba hitantanana ny tetezamita aorian’ny fialan’ny Filohan’ ny tetezamita Andry Rajoelina amin’ny toerany. Volavolan-dalàna izay manome fahefana tanteraka ireo minisitra eo anivon’ny governemanta hitantana ny raharaham-pirenena. MIKONONKONONA > Amin’ity herinandro ity vao tena ho fantatra ny fizotr’ilay fampihaonan’nyFFKM an’i Zafy Albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina. Ny faran’ny herinandro teo no fantatra fa tafavory eto an-tanindrazana indray ireo Filoham-piangonana efatra mpitarika ny Ffkm. |
![]() |
Tapatapany VIDIM-BARY Niakatra 2% ny vidin’ny vary ao Toamasina noho ny fiakaran’ny daram-pitaterana araka ny fanamarihan’ny sampana manara-maso ny vary. Lasa Ar 1 400 ohatra ny kilaon’ny vary vokarina eto an-toerana raha Ar 1 350 teo aloha. Nahitana fidinany indray ny kilaon’ny vary eto an-toerana sy ny vary afarana ho an’ Antananarivo noho ny fihenan’ny mpividy. TRANO Mihisatra ny tsenan’ny asa vaventy. Raha ny nambaran’ireo mpandraharaha eo amin’io sehatra io dia ny fanaovana mari-drafitra na mari-trano amin’izao fotoana izao no tena ilain’ireo olona manao trano ireo mpahay mari-trano ireny. An-kavitsiana ireo orinasa mahita tsena fanamboaran-trano. Tsikaritr’ireto farany ihany koa anefa fa ireo teratany vahiny manambady teratany malagasy no tena manorina trano. Trano manodidina ny Ar 80 tapitrisa eo no be mpanorina. |
![]() |
Sombiny TAPAKA NY FIARA-MIASA > Araka ny fan-tatra dia tsy vonona hiara-hiasa amin’ny Cenit amin’ny fanatontana ny biletà tokana intsony, ny Ceni ao Afrika Atsimo. Voalaza fa mbola hian-kina amin’izay fanapahan-kevitra horaisin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny ho fanohizana na tsia ny fanampiana an’i Mada-gasikara amin’ny raharaham-pifidianana ny five-renan’ny fiaraha-miasa amin-dry zareo Afrika-nina tatsimo. ISA MASINA > Kandidà fahafito hirotsaka amin’ ny fifidianana solombavambahoaka eny Atsi-mondrano i Solofonirina Lucie, izay nanatitra ny antontan-taratasiny, tetsy amin’ny Boriboritany fahatelo tetsy Tsaralalàna, omaly hariva. Ho an’ity kandidà ity dia ny fana-tanterahana ny fifidianana miainga eny ifotony no vahaolana ahafahana mamaha ny krizy politika eto Mada-gasikara. |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |