![]() |
Tsenan-tsolika – Mbola afaka mamatsy gazoala « ratsy » ireo mpandraharaha Aorian’ny volana jona 2013 vao mety hiova ho amin’ilay gazoala manana tahana sofra 0,05% na 500 PPM ny gazoala ampiasaina eto an-toerana. Nohalavaina hatramin’io fe-potoana io mantsy ny fahafahan’ireo mpandraharaha ara-tsolika manafatra gazoala manana tahana sofra 5 000 PPM. Raha ny fanazavana azo teo anivon’ny ofisy malagasin’ny solika (Omh) dia tokony efa tamin’ny janoary 2013 teo no niova ho 500 PPM ny tahana sofra ao anatin’ny gazoala nampiasain’ireo mpanjifa, raha nomena iny taon-dasa iny ireo mpandraharaha hiampitana any amin’io gazoala tsara kalitao io. Ny tapatapaky ny taona 2012 mantsy no nivoaka ny didim-pitondrana mametra io fatrana sofra vaovao io. Ireo mpandraharaha ara-tsolika no nangataka io fanalavam-potoana io raha ny nambaran’ny Omh, noho izy ireo nilaza fa tsy ho tratra ny fiovana noho ireo vokatra nofandrihana teo aloha mbola tsy ho lany amin’ny fe-potoana nomena. Ireo mpandraharaha ara-tsolika hafa indray anefa dia nanamafy fa noho ny vidin-tsolika tsy azo ahetsika mandritra ny enim-bolana (nanomboka ny volana janoary teo) dia tsy afaka hanatsara vokatra izy ireo satria miaka-bidy ny vokatra hatsaraina. Ho fiarovana bebe kokoa ny tontolo iainana no antony hanatsarana io kalitaon’ny gazoala io. HNA
|
![]() |
Tsenan-tsolika – Holokoina mena ny solitany Nivoaka ny didim-pitondrana manampy ireo fepetra takina amin’ny vokatra solitany. Manom- boka izao dia hiloko mena ny solitany ho hita eny anivon’ireo tobin-dasantsy. Taorian’ireny feo nandeha sy fahatratrarana gazoala sy solika tsy manara-penitra ireny no nahatonga ny fan- draisana ity fepetra ity. «Nirona tany amin’ny fampifangaroana ny gazoala sy ny solika amin’ny solitany ny ahiahin’ ny maro ka izay no naha- tonga io fandokoana ny solitany io», hoy Andriana- rahinjaka Harivelo, tale jeneralin’ny ofisy malagasin’ny solika (Omh). Hiloko mena avy hatrany ireo solitany hamantana ao Toamasina. «Handeha tsikelikely io fandokoana io ho an’ireo faritra hafa, toy ny eto Antananarivo ary mipaka any amin’ny faritany sasany», hoy izy. Voalaza fa tsy misy ahiana ny kalitaon’ny solitany na holokoina aza. Tsy hiova ihany koa ny sarany. HNA |
![]() |
Tsenan-tsolika – Nisy tobin-dasantsy ritra ny faran’ny herinandro teo Tobin-dasantsy vitsivitsy teto an-drenivohitra no tsy nahitana solika omaly sy afak’omaly. Olan’ny famatsiana no nambaran’ ireo mpisehatra eo amin’ ny tontolon’ny solika fa anton’ io tranga tamina tobin-dasantsy sasantsasany io. “Isan’ireo kaompania be tsena indrindra eto an-toerana no sendra ny olana ny faran’ny herinandro teo. Somary ambanimbany ihany koa ny tahirin’izy ireo hany ka tsy naharaka ny tolotra teo amin’ny solika. Tokony hiverina amin’ny laoniny anefa ny famatsian’ izy ireo anio (Ndlr: alatsinainy), satria vao nisy sambo nitondra solika tonga tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina tamin’iny herinandro lasa teo iny”, hoy Andrianarahin- jaka Harivelo, tale jeneralin’ ny Ofisy malagasin’ny solika (Omh). Nisy nanazava ihany koa anefa ireo mpandraha- raha eo amin’ny solika sasany fa ny fampihenana ny solika fandrihana any ivelany tao ho ao dia mety ho antony miteraka ny faha- tapahan’ny famatsiana tampoka toy ireny. Nanamarika anefa aloha ny teo anivon’ny Omh fa raha ny solika manokana dia mbola manana tahiry iray volana isika. HNA |
![]() |
Kalitaon’ny gazoala – Mety hihatra amin’ny avrily ny fanamarihana ny solitany Fombafomba sy pitso- pitsony sisa dia hivoaka ny fanapahan-kevitra mahakasika ny fomba hamahana ny olan’ny gazoala nampitaraina ireo mpanjifa fa ratsy kalitao. «Amin’ny faran’ ny volana marsa any ho any no mety hampiharina izy io», hoy Razafindratsara Jean Noël, lehiben’ny sampan-draharaha misahana ny kalitaon’ ireo vokatra ara-tsolika eo anivon’ny Ofisy malagasin’ny solika (Omh). Ankoatra ny fandokoana ny solitany dia vahaolana iray hafa afaka irosoana hialàna amin’ny ahiahy amin’ny fampifangaroana solitany sy gazoala ihany koa ny fampiasana ny »agent traceur » amin’ny solitany. «Karazana akora araraka ao anaty solitany izy io, ka raha misy manafangaro gazoala na solika amin’ny solitany asiana azy io dia tratra any anaty fitsirihana. Izany hoe tsy mila lokoina ilay solitany amin’izay fotoana izay fa asiana karazana marika tsy hita maso», hoy hatrany Razafindratsara Jean Noël. Hanitry Ny Aina |
|
Fampihenana ny fandaniana – Efa misy ireo mpampiofana amin’ ny fahaizana fampiasana rano
TSY NY SOLIKA IHANY NO AZO AMPIHODINANA NY FIARA. EO IHANY KOA NY HYDROZENA AZO AVY AMIN’NY RANO. EFA MISY ANDIAN-TANORA MAMPANAO FIOFANANA MAHAKASIKA AZY IO ETO AMINTSIKA. BE NY TOMBONTSOA FA MISY IHANY KOA ANEFA NY RISIKA. ARAHO NY FANADIHADIANA. Tavoara, tariby, fantsona, rano, karibonetra. Ireo dia hahavitana mamokatra entona azo ampiasaina ho angovo jifaina amin’ny andavan’andro. Lesona nianarana tamin’ny taranja fizika tamin’ny taona fahasivy tany an-dakilasy no nipoiran’izany. Tsy inona io fa ny “électrolyse”. Raha adika tsotsotra dia fampisarahana ny hydrôzena sy ny ôksizena mandrafitra ny rano, izany hoe ny fivakiandrianaratra na “électrolyse”. “Io hydrôzena io no ampiasaina ho angovo hamokarana herinaratra ao an-tokantrano, hamokarana entona hahandroana sakafo, hampihenana ny fandaniana solika… Satria azo ampiasaina ho angovo hampihodinana ny fiara ihany koa ny hydrôzena ka hampihenana ny fandaniana amin’ny solika”, hoy Raoeliarisaina Colomba, mpampianatra fizika eo anivon’ny Lycée iray eto an-drenivohitra. Tany amin’ny taona 1998 ity teknika antsoina hoe “HHO Cell” ity vao tena nisy nampihatra raha efa 70 taona lasa no nahafantarana azy. Isan’ireo i Stanley Meyer, ilay mpikaroka amerikanina, maty ny taona 1998, nilaza ho nahavita nanolo ny solika amin’ny rano manontolo, ka noheverina ho nisy nanapoizina noho izany fikarohana nataony izany. Amin’izao fotoana dia efa misy amin’ireo firenen-dehibe no mampihatra sy mampiroborobo azy, toa ny ao Etazonia izay efa mamokatra sy mivarotra fitaovana hahafahana manao ny fivakiandrianaratra, ka mampiditra ny hydrôzena azo avy amin’izany avy hatrany amin’ny fiara hampihenana ny fandanian-tsolika. Misy manaparitaka Ho an’i Madagasikara dia efa misy ihany koa ireo miezaka ny manaparitaka ity teknika ity amin’ny alalan’ny fiofanana na dia tsy dia mbola mahoraka aza izany. Isan’izy ireny Ramambason Andrilaza, raim-pianakaviana nandranto fianarana manokana nandritra ny efa-taona momba ny elektrô-teknika sy ny mekanika. “Isan’ireo zavatra efa nahaliana ahy hatrizay ny angovo malalaka sy ny teknolojia. Tia mikarokaro-javatra any anaty tranonkala ihany koa ny tenako. Rehefa nanomboka tsy nitsaha-niakatra moa ny solika dia nanomboka nieritreritra teo ny tena hoe inona no mety hampihenana ny fiankinan-doha amin’ny solika. Teo no nahitana io “HHO Cell” izay efa be mpampiasa io”, hoy izy. “Tanora maromaro izahay no ao anatina fikambanana mivoy ny fanajana ny tontolo iainana. Rehefa nojerena anefa io teknika io dia tena manaja ny tontolo iainana tokoa ka nety taminay sy ezahanay zaraina amin’ny rehetra ankehitriny”, hoy Ramambason Andrilaza. Matanjaka, mampihena ny fandaniana Eo amin’izay lafiny fandaniana izay dia nanamafy ny voka-pikarohana navoakana mpianatra iray tetsy amin’ny Lycée teknika etsy Alarobia ireo tanora ireto. “Mihena 15% hatramin’ny 60% ny fandaniana solika, arakaraka ny fitaovana ampiasaina”, hoy izy. Isan’ny nanazavan’ity farany izany ny tanjaky ny hydrôzena izay ambony lavitra noho ny solika fampiasa hatramin’izao. “Mahavita mamoaka entona 1 800 litatra ny rano iray litatra rehefa sarahina ny hydrôzena sy ôksizena ao anatiny. Hahavitana lalana 1 000 km ny rano iray litatra. Ny entona avoakan’ny rano iray litatra ihany koa dia hahavitana mahandro sakafo mandritra ny herinandro”, hoy indray Ramambason Andrilaza. Miaro ny tontolo iainana Namoitra ny lafy tsaran’ny fampiasana ny “HHO Cell” amin’ny tontolo iainana ihany koa Ramambason Andrilaza. “Mihena hatrany amin’ny 90% ny famoahana entona karbonika raha anampiana ny solika ny hydrôzena. Dorany avokoa mantsy ireo singa rehetra mety handoto ny tontolo iainana ao anatin’ny solika iny”, hoy izy. Ny fiakaran’ny “indice d’octane” ao anatin’ ilay angovo ampiasaina no manamora izay fandorana izay. Raha ny nambaran-dRaoeliarisaina Colomba ihany koa, tetsy an-kilan’izay, dia “ny 40%-n’ny gazoala ampidirina amin’ny fiara iny ihany no lasa angovo raha ny 30% ho an’ny lasantsy. Miparitaka anaty tontolo iainana ny ambiny. Raha ampiasaina anefa io teknika io dia ho may avokoa ireo singa ireo fa tsy hiparitaka ao anatin’ny tontolo iainana”, hoy izy. Nijoro ho vavolombelona tamin’ny soa azony noho ny fampiasana ity “HHO Cell” ity Rakotondranaivo Jean Pierre. “Isan’ireo nanaraka fiofanana tamin’ny septambra 2012 ny tenako. Manana môtô ‘‘scooter’’ izay aho. Koa raha lalana mandroso ihany no vitan’ny solika jifaiko rehefa mandeha any Antsirabe aho dia mahavita ahy mandroso sy miverina izany solika fividiko izany ankehitriny. Eo Antanifotsy indray aho vao mampiditra solika”, hoy izy. Azo amboarina eto Izy ihany no nanamboatra ny fitaovana ampiasainy hamokarana ny hydrôzena fanampin’ny solika jifainy. “Tavoara, tariby “inox”, fantsona no arafitra. atohy amin’ny fantsona mpitondra ny rivotra amin’ny fiara izany. Asiana karibonetra telo sotro ilay rano ao anatin’ny tavoara hahatonga ilay rano hanana fahafahana hitatitra herinaratra”, hoy Ramambason Andrilaza. Azo amboarina eto an-toerana saingy efa azo afarana avy any ivelany ihany koa io fitaovana io raha ny nambarany “saingy mahatratra hatrany amin’ny Ar 1,4 tapitrisa ny fitaovana iray raha afarana avy any ivelany”, hoy izy. Tsy tsara ampiasaina amin’ny fiara misy “injection électronique” anefa ity teknika ity fa vao mainka mampiakatra ny fandaniana solika indray raha ny nambarany ihany. Mila fahaizana mikirakira Raha fintinina indray ny tsikeran’ireo fizisiana nanontaniana dia mila fahaizana ny fikirakirana ity teknika ity mba tsy hiteraka fahavoazana ho an’ny fiara. “Raha misy tsy fetezana mantsy, ohatra, eo amin’ny fipetrak’ilay fantsona sy ny haavon’ny rano ao anatin’ilay tavoara dia mety ho tsentsina ilay fantsona, hihiboka ilay entona ary hipoaka mihitsy. Tokony hisy faritra malalaka eo amin’ilay rano sy ny vavan’ilay fantsona ivoahan’ilay hydrôzena”, hoy Raoeliarisaina Colomba, mpampianatra fizika. Nanamafy izany ny profesora iray, nisafidy ny tsy hotononina anarana, mampianatra fizika mahakasika ny angovo etsy amin’ny oniversiten’ Ankatso. Profesora manao fikarohana hahafahana mampiasa ny hydrôzena ho angovo ihany koa izy io. “Matanjaka be ny angovo entin’ny hydrôzena. Mety hipoaka mihitsy ka mila fitandremana be ny fikirakirana azy. Ankoatra izay anefa”, hoy izy. Rano anaty maotera Manampy izany ny risika amin’ny mety hahatafidiran’ny rano any anatin’ ny maoteran’ny fiara. “Izay no mahatonga ny hoe ampiarahana amin’ny solika ihany izy satria ny solika dia miteraka entona karbônika izay manana asa manamaina ka manala ny harafesina raha toa ka misy. Efa misy ihany koa teknika hanamainana ny hydrôzena entin’ ilay fantsona mankany amin’ny fantsona mpitatitra ny rivotra ao anatin’ny fiara. Azo ahodinkodina eo amin’ilay fantsom-pivoahan-tsetroky ny fiara iny, ohatra, ilay fantsona mitatitra ilay hydrôzena. Hamainin’ny hafanan’io fantsom-pivoahan-tsetroka io ilay hydrôzena amin’izay”, hoy Raoeliarisaina Colomba. Soratra: Hanitry Ny Aina |
|
Fandraharahana – Antomotra ny fivoriana momba ny fihetsehan’ny vidin-tsolika
Taorian’ny famerana ny vidin-tsolika ambony indrindra azo ampiharina sy ny fanitsian’ireo mpana- tsinjara solika ny vidin-tsoliny hanakatra io vidin- tsolika ambony indrindra azo atao io, dia hisantatra ny fivoriana voalohany amin’ny handinihana ny fampiakarana na tsia ny vidin-tsolika ireo tompon’ andraiki-panjakana na ireo mpandraharaha ara-tsolika amin’ity volana febroary ity. Raha ny nambaran’i Alain Soumoudronga, sekretera jeneralin’ny vondron’ireo mpandraha- raha ara-tsolika (Gpm) dia amin’ny 07 febroary ho avy izao no vinavinaina hotanterahina io fivoriana voalohany io. Raha ny hevitr’ity olon’ ny Gpm ity dia « tokony hiakatra ny vidin-tsolika, raha ny tokony ho izy, jerena amin’ny fiakaran’ny vidin’ ny barila sy ny sandan’ny vola ariary manoloana ireo vola vahiny ». Araka ny efa tapaka tamin’ny volana janoary iny dia efa nanambara ny Fanjakana fa hisy ny tahirim-bolan’ny solika hatsangana hamenoana ny banga ho an’izay tsy mampiakatra ny vidin-tsolika, raha toa tapaka fa hiakatra ny vidin-tsolika. Milaza anefa ny Gpm fa mbola tsy mazava amin’ izy ireo hatreto ny loharano hakana ny vola hampihodinana io tahiry io. Hanitry Ny Aina |
|
Voka-pikarohana – Azo ahena ho 60% ny fandaniana soliky ny fiarakodia Mikaroka ny mpianatra malagasy. 16,50/20 miampy ny fanamarihana «Tena tsara», avy amin’ny mpitsara, no naotin-dRakotomamonjy Salohy Fenosoa, teny amin’ny LTP Alarobia, omaly. Tohin’ny fampahafantarana ny voka-pikarohana nataony, ho famaranana ny taona faharoa lalam-piofanana «génie électrique», ka nahazoany ny mari-pahaizana «Brevet de technicien supérieur» io. Nisongadina tamin’ny voka-pikarohany ny fahafahana mampihena hatramin’ny 60% ny fandaniana solika ho an’ny fiarakodia sy hiarovana ny tontolo iainana. «Karazana fitaovana antsoina hoe «modulateur d’impulsion» no namboarina, nanaovana ny fikarohana. Ahazoana mibaiko ny rianaratra, hanairana ny fitambarana rano sy pôtasiôma hamokarana entona izy io», Lesona sy raki-pohy Nomarihin’ity farany, fa niainga tamin’ny lesona sy ny raiki-pohy nianarana no nanamboarana izany. Azo ampiasaina haiditra amin’ny fiarakodia, na anaovana «soudure» ny entona vokarina, rehefa vita ny fanatsarana sy ny fampifandanjana momba ny pitsopitsony teknika. Nambaran-dRaoeliarisaina Colomba, mpanabe mpiandraikitra ny lafiny pedagojika nanampy ity mpianatra ity tamin’ny fikarohany fa « manafaingana ny fandorana ny solika ity entona ity, raha ampiasaina amin’ny fiarakodia ary mampihena ny entona karbonika mivoaka hatramin’ny 80%». Nilaza ity farany fa hanaovany andrana amin’ny fiarany ny vokatra vaovao. Monica Rasoloarison |
|
Kalitaon’ny solika – Tsy mbola avelan’ny OMH lokoina ny gazoala
Mbola misalasala ny eo anivon’ny Ofisy malagasin’ ny solika (Omh) hanome alalana ny vondron’ireo mpandraharaha ara-tsolika (Gpm) handoko ny solitany amidy eto an-toerana. Tamin’ny fotoana naha- tratrarana ireny gazoala tsy manara-penitra ireny mantsy dia ny fampifangaroana ny solitany amin’ ny gazoala no niantefan’ ny ahiahy voalohany. « Efa vonona izahay handoko ny solitany mba hisorohana izany. Ny alalana avy amin’ ny Omh sisa no andrasana », hoy ny teo anivon’ny Gpm. Milaza ny te hamaritra tsara ny tena antony nahatonga ireny olan’ny gazoala teo aloha teo ireny anefa aloha ny Omh vao hanapa-kevitra mahakasika izay fangatahan’ny Gpm izay. « Azo atao tokoa ny mandoko ny solitany. Azo atao ihany koa anefa ny mametaka marika na manao »traçage » ny gazoala », hoy Andrianarahinjaka Harivelo, tale jeneralin’ ny Omh. Ny tsikaritra anefa aloha raha ny voalazan’ ny teo anivon’ny Omh ihany, dia zara raha misy ny fitarainana mahakasika ny gazoala ratsy kalitao amin’izao fotoana izao. Hanitry Ny Aina |
![]() |
Tsenan’angovo – Nidina teo amin’ny 10% ny fanjifana solika Nidina teo amin’ny 10% ny fanjifana vokatra solika, teo anelanelan’ny volana oktobra sy novambra 2012. Tamin’ireo vokatra 99 328 m3, izay nafarana ny volana oktobra 2012 dia ny 77 403 m3 ihany no nojifaina. Nampidinina 85 812 m3 indray io vokatra nafarana io ny volana novambra 2012 saingy ny 72 727 m3 no nojifain’ny tsena. Ny fihenan’ny fanjifana gazoala sy ny “fuel oil” no nampidina izany. Raha ny filazan’ny teo anivon’ny Ofisy malagasin’ny solika (Omh) dia fanao ny manafatra vokatra mihoatra ny ilaina isorohan’ny fahatapahan’ny fanjifana. Araka ny vokatry ny famakafakan’ny Omh ny tsena teo anelanelan’ny volana oktobra sy novambra 2012 lasa teo dia ny fihenan’ny fanjifan’ny orinasa Jirama no nahatonga io fihenan’ny fanjifana io. “Raha oharina ny tamin’ny taona 2011 mantsy dia nidina 2% ny fanjifana vokatra solika. Be ny orana tamin’ity faramparan’ny taona ity ka tsy dia nila solika ny Jirama nampihodinana ny tobim-pamokarana ahodin-tsolik’izy ireo. Ny toby ahodin-drano no tena niasa. Ny Jirama anefa no isan’ny mpanjifa goavana ny solika”, hoy ny tatitry ny teo anivon’ny Ofisy malagasin’ny solika (Omh). Mijanona ho mpanjifa goavana ihany koa ny fitaterana, izay mahalany hatrany ny 44% na ny 45% ny vokatra afarana. HNA |
![]() |
Tsenan-tsolika – Mety holokoina ny solitany hialana amin’ny fampifangaroana vokatra Tsy hanasazy indray aloha. Tapaka taorian’ny nahatratrarana gazoala ahiana ho nampifangaroana tamina vokatra hafa tany amin’iny faritr’i Fianarantsoa iny, fa tsy hiroso avy hatrany amin’ny fanasaziana ny kaompania mitantana ireo tobin-tsolika nahatratrarana ireo gazoala ireo ny eo anivon’ny Ofisy malagasin’ny solika (Omh). « Fepetra maharitra mba hisorohana ireny tranga ireny no hokarohina miaraka amin’ireo kaompanian-tsolika. Eritreretina ny handokoana ny solitany hanamorana ny fanatratrarana ireo minia mampifangaro ny gazoala amin’ny solitany. Eo am-pandinihana ny fahafahana manatanteraka io fepetra io izahay ankehitriny », hoy Totozafy Jaonera, talen’ny fampanaraham-penitra sy ny fandrindrana eo anivon’ny Omh. Hatreto mantsy, na dia tsy manana fitaovana hanamarinana izany aza ny Omh, dia ambony ny ahiahy, fa solitany no afangaro amin’ny gazoala ka mahatonga ireo gazoala tsy manara-penitra tratra etsy sy eroa sy mampitaraina ireo mpanjifa. Milaza ny efa vonona ny hanefa ny lany amin’ny fividianana ny akora handokoana ny solitany ny Vondron’ireo mpandraharaha ara-tsolika (Gpm). « Tsy hisy akony any amin’ny kalitaon’ny solika io fandokoana io ary everina tsy hisy akony amin’ny vidiny ihany koa. Miandry ny alalana avy amin’ny Omh sisa dia tokony hihatra amin’ny volana janoary 2013 izany », hoy ny Gpm. Hanitry Ny Aina |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |