Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: SEMPAMA Miverena

Fitokonana SEMPAMA – Mbola hiampy ireo mpampianatra  ho tapaka karama Fitokonana SEMPAMA – Mbola hiampy ireo mpampianatra  ho tapaka karama

Mandrangaranga indray ny fampitahorana.  »Hitombo ireo mpampianatra hotapahina karama raha mbola tsy miverina miasa », araka ny fanambaràn’ ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Manoro Régis. Ireo mpampianatra mpiasam-panjakana rehetra nandefasana taratasy fiantsoana hanara-maso sy hitsara ny fanadinam-panjakana nefa tsy tonga hana- tontosa izany no ho voakasik’ io fanapahana karama io.

Amin’ny talata 07 aogositra izao no handeha ny fanadinam-panjakana voalohany amin’ity taona ity. Efa voa-zaran’ireo fari-piadidiam-pampi- anarana (Cisco) samihafa ny taratasy fiantsoana, na ho an’ ny mpiadina izany, na ho an’ ny mpampianatra. Eo ihany koa ny fandraisana mpampia-natra hafa hanatanteraka ny fanadinana.

Ny ankamaroan’ireo mpam-pianatra, mivondrona ao anatin’ ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe na Sempama any amin’ny faritra, izay tsy tafiditra tao anatin’ny lisitry ny nahazo  »réquisition de service » anefa miziriziry amin’ny heviny.

« Tsy misy fanadinana mandeha izany eo. Hovo-noina ve ny ankizy malagasy ka terena hanao fanadinana amin’ny fandaharam-pianarana tsy vita? », hoy izy ireo.

LR

Fitokonan’ny SEMPAMA – Nolavin’ny filankevi-panjakana ny fitorian’ny mpampianatra Fitokonan’ny SEMPAMA – Nolavin’ny filankevi-panjakana ny fitorian’ny mpampianatra

Tsy nahita rirany indray. Nahavory lanona olona sy mpampianatra maro omaly maraina ny valin’ny fitoriana napetraky ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe (Sempama) tetsy amin’ ny filankevi-panjakana Anosy. Nolavin’ity farany anefa ny fitoriana fiandry napetraky ny Sempama raha mbola miandry amin’ny herinandro ny momba ny fampiatoana sy ny fana- foanana ny fampiharana ny « réquisition ».

« Tsy mampiova ny hetsika ireny. Hitohy hatrany izany ary vao mainka aza mety hihamafy », araka ny fanehoankevitry Raharovoatra Claude, filohan’ny Sempama.

Nijanona tetsy amin’ ny lalan’ny fahafahana Ampefiloha hatramin’ny omaly ny hetsik’ireto sendika ireto. Taorian’io hetsika io no nitohizan’ ny fivoriana nataon’izy ireo handinihana indray ny mety ho tohiny.

LR

Ambilobe – Misy mpampianatra manohy ny asa no voarahona Ambilobe – Misy mpampianatra manohy ny asa no voarahona

Misy mpampianatra sasany ao amin’ny Zap Ambilobe, mpikambana amin’ny Sempama, mitety toeram-pianarana ka mandrahona izay mampianatra. Sady efa tsy mampianatra izy ireo no mandrahona ireo izay te hampianatra. “Na mbola  tsy nisy akory  aza ny  grevy  dia  efa tsy hita tabilao tany an-tsekoly  ny mpampianatra iray S.A sy ireo namany mitokona ireo, fa manao tsidi-pahitra ny sekoly any aminay fotsiny. Asa any an-toeran-kafa no ataony fa tsy miraharaha izay sekoly nametrahana azy”, hoy ny Ben’ny  tanànan’i  Mosorolava.

Mampitaraina ireo Ben’ny tanàna ao amin’ny distrikan’Ambilobe ny zava-misy, ka niantso manokana ny Lehiben’ny faritra Romuald Bezara hivory hiaraka  aminy izy ireo. « Malahelo izahay satria Ambilobe no  lohalaharana amin’ny  fanaovana kenda roroka ny fampianarana  amin’izao  fotoana izao, raha oharina amin’ny  distrika hafa », hoy ny mpitondra teniny.

Raheriniaina/B.A

Tahotry ny ho tapaka karama – Miverina mandray asa tsikelikely ireo mpitokona Tahotry ny ho tapaka karama – Miverina mandray asa tsikelikely ireo mpitokona

Efa misy amin’ireo mpiasam-panjakana nanao fitokonana no niverina nandray ny asany nanomboka omaly taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny filankevitry ny governemanta, ny 10 jolay lasa teo. « Ny 80%-n’ireo mpampianatra miisa 266 nahazo ilay fanerena hiasa no efa niverina nampianatra any amin’ireo foibem-pitondram-pampianarana eny anivon’ny faritra (Dren) miisa 18 manerana ny Nosy », araka ny antontan’isa nomen’ny avy amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, taorian’ny fitetezam-paritra nataon’ireo tompon’andraikitra ao aminy tamin’ny faran’ny herinandro teo.

« Amin’ny talata kosa no tena ahitana ny isan’ireo tsy mbola nandray ny asany mihitsy. Aorian’izay vao ho fantatra izay fepetra horaisina mahakasika azy ireo », hoy ny fanazavan-dRanaivoson Olga, lehibe misahana ny mpiasa eo anivon’io minisitera io ihany.

Nahitana taratra ny fiverenana miasa izay ihany koa ny teo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Toy ny hita tetsy amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (Hjra) Ampefiloha, omaly. Nisokatra avokoa ny sampan-draharaha rehetra hatramin’ny fanaovana fitarafana izay isan’ny nikatona foana nandritra ny fitokonan’ny mpitsabo mpanampy. Saika noho ny tahotra amin’ny fanapahana karama avokoa no voalaza fa anton’ny niverenan’ireo mpitokona niasa.

Ireo mpitokona izay tsy manaiky ny fanerena kosa indray dia nilaza ny hametraka fitoriana.

« Zo sendikaly no ampiharinay fa tsy misy resaka hafa mihitsy. Vao mainka hihamafy ny fitakiana », hoy ny nambaran’ireo mpampianatra avy amin’ny Sempama, mbola manohy ny fitokonana.

Rakotonandrasana Valérien, mpitarika ny sendikan’ny mpitsabo mpanampy aza dia milaza haka vadintany mihitsy mba hahafahany miditra ao amin’ny faritry ny Hjra.  Ny tale jeneralin’ny ministeran’ny Asam-panjakana kosa nampahatsiahy tamina onjam-peo iray fa azo atao ny fitakiana sendikaly, saingy misy ny sampan-draharaha tsy maintsy manatontosa ny asany ary voafaritry ny lalàna izany.

Lilia Rajaonah

Hetsiky ny SEMPAMA – Hojerena amin’ny herinandro ambony ny fanapahana karama Hetsiky ny SEMPAMA – Hojerena amin’ny herinandro ambony ny fanapahana karama

Efa nivoaka ny lisitr’ireo mpampianatra 265 nahazo toromarika fa tsy maintsy mandray ny asany na ilay antsoina hoe  »réquisition de service ». Nisy tamin’ireo voakasik’izany no nanaraka, saingy tsy vitsy ihany koa ireo mbola nanohy ny fitokonana omaly. Na efa nifarana tamin’io omaly io aza ny 24 ora nolazain’ny minisiteran’ny Fanabezam-pirenena tsy maintsy hanatanterahana an’io baiko io dia voalaza fa amin’ny herinandro ambony vao hojerena akaiky ny mahakasika ny sazy fanapahana ny karaman’ireo minia tsy mbola manao ny asany.

« Tsy mbola nisy aloha hatramin’izao ny mpampianatra nampiharana izay sazy izay. Mbola hatao ny fampahafantarana azy ireo, izay halefa eny anivon’ny distrika ,ka amin’ny herinandro ambony vao tena mety ho tanteraka izany », hoy ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Razafimanantsoa Jean Christophe.

Aorian’ny fangatahana fanazavana dia mety hisy ihany koa ny fiakarana amin’ny filankevi-pifehezana.

 

M.R

Fanabeazana – Mpampianatra mpitokona 265 teren’ny fanjakana hiasa Fanabeazana – Mpampianatra mpitokona 265 teren’ny fanjakana hiasa

Fepetra hentitra. Terena sy omen’ny fitondram-panjakana baiko tsy maintsy mandray ny asany ny mpampianatra mpitokona 266, tohin’ilay fanapahan-kevitra noraisina teo anivon’ny filankevitry ny governemanta  ny 10 jolay teo. Io ilay antsoina hoe « réquisition de service».

Mpampianatra izay avy amin’ireo foibem-pitondram-pampianarana eny anivon’ny faritra (Dren) miisa 18 manerana ny Nosy.

Voalaza fa hanaovana peta-drindrina ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana eny amin’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) sy ny Dren ny anaran’izy ireo. Nanambara ihany koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa handraisana fepetra hentitra ireo minia tsy manaraka ity baiko ity, ao anatin’ny 24 ora aorian’ny nampahafantarana izany amin’ny alalàn’ny onjam-peo sy ny fahitalavi-pirenena.

Manoloana an’izay anefa dia nilaza ny hanohy ny hetsika fitakian’izy ireo hatrany ireo mpampianatra eo anivon’ny Sempama.

« Zo sendikaly no nanaovanay fitakiana tamin’ny alalan’ny sendikan’ny mpanabe eto Madagasikara (Sempama) ary heverinay fa hery famoretana sy fanaovana halako bika tsy tiako tarehy sy faneriterena izao baiko izao », hoy ny fanehoan-kevitry ny mpampianatra iray nisafidy ny tsy hitonona anarana. « An’alina ny mpampianatra manao fitakiana manerana ny Nosy fa tsy 200 fotsiny, ka noho izany dia ireo mpitari-tolona mihitsy no kendrena amin’ity fepetra ity», hoy indray ny mpampianatra mpitokona, iray hafa.

Monica Rasoloarison

Fitokonan’ny SEMPAMA – Mpampianatra dimy nosamborina Fitokonan’ny SEMPAMA – Mpampianatra dimy nosamborina

Manam-pahefana ambony iray any amin’ny faritra Sofia no nisambotra mpampianatra dimy, isan’ny manaraka ny toromariky ny sendikan’ny mpampianatra (Sempama) ny hanohizana ny fitokonana, ny zoma teo, raha ny fitantaran-dRaharivelo Louise, lehiben’ny ZAP ao amin’ny faritra Sofia.

Ny tsy fankasitrahan’io manam-pahefana io ny tsy fiverenan’ireo mpampianatra ireo amin’ny asany no anton’ny fisamborana, raha ny voalaza. «Rehefa tonga tany amin’ny mpitandro filaminana sy ny distrika anefa dia navotsotra ireo nosamborina», araka ny tatitr’ity tompon’andraikitry ny fampianarana any an-toerana ity ihany.

Ny any amin’ny faritra no voalaza fa tena ahitana mpampianatra maro mitokona ka tena nampitaraina ireo raiamandreny.

Tany Nosy Varika dia tonga hatrany amin’ny fivelesana daba, izay midika ho fanalam-baraka any amin’iny faritra iny, ireo mpampianatra maherin’ny 60 izay tsy nety niverina nampianatra.

« Nanaovan’ny mponina fihetsiketsehana izy ireo rehefa tsy nety nampianatra ka voatery niala tany mihitsy. Noteren’ny mponina hanao fanambaràna hiverina hampianatra izy ireo nefa tsy nety nanao izany », hoy ny fitantatran-dRakotonirina Edmond, filohan’ny Sempama Mananjary.

Loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena no nilaza mazava fa «tsy mbola nisy mihitsy aloha ny fanasaziana avy amin’ny minisitera hatreto». «Marary amin’ireo ray amandreny ny tsy fianaran’ny zanany, ka izay no mahatonga ny fihetsika tahaka ny tany Nosy Varika», hoy ihany ity tompon’andraikitra tsy nitonona anarana ity.

 LR

Fitokonan’ny SEMPAMA – Ifanotofana ny fanaovana « cours » Fitokonan’ny SEMPAMA – Ifanotofana ny fanaovana « cours »

Lasa mirona any amin’ ny fanaovana « cours » ny ankamaroan’ireo mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana noho ny mbola fizirizirian’ny mpampi- anatra sasany manohy ny fitokonany. Maro amin’ ireo ray aman-dreny sy ireo mpianatra no manahy ny amin’ny mety hizoran’ny fanadinana ofisialy hatrany na dia mbola mitokona aza ny mpampianatra amin’ny sekolim-panjakana, ka izany no mampihazakazaka azy ireo manao « cours ».

« Efa nandefitra teo ny sekoly tsy miankina tamin’ ny fanemorana ny datim- panadinana ka mety tsy hilefitra intsony ny minisitra », hoy ny fanehoan-kevi-dRavaonirina Claudia, renim-pianakaviana.

Ireo mpiadina tsy miankina amin’ny sekoly sy ireo mpianatry ny sekolim-panjakana no tena roboka amin’ny fanaovana  »cours » ity raha mianatra ara-dalàna kosa ny amin’ny sekoly tsy miankina.

Ny voamarika dia misy amin’ireo mpampianatra amin’ny sekolim-panjakana ihany mikarama mampanao an’ireny fanampina fampianarana ireny.

LR

Hetsiky ny SEMPAMA – Ifanotofan’ny mpanao fitakiana ny fitokonan’ny mpampianatra Hetsiky ny SEMPAMA – Ifanotofan’ny mpanao fitakiana ny fitokonan’ny mpampianatra(1)

Mpiasam-panjakana maro avy amina sehatra hafa indray omaly no tonga nanotrona ireo mpampianatra mpanabe mivondrona ao anatin’ny sendika Sempama teny Ampefiloha. Nahitana  mpampianatra mpikaroka, ny avy amin’ny banky foibe ary ny solontena avy amin’ ny  sendikan’ny mpiasam- panjakana  eo anivon’ireo minisitera isan-tsokajiny ( »cellule de crise interministé- rielle ») teny an-toerana.

Nomarihin’ny filoha mitarika ny sendika misy azy ireo avy anefa fa mandeha amin’ny anaran’ ny tenany manokana no nahatongavan’ireo olona nitonona ho solontena avy amina sendika isan-tsokajiny ireo.

« Malalaka amin’izay tiany haleha ny mpikambana tsirairay ao amina sendika, saingy tsy tokony hanonona ny anaran’ny sendika kosa izy. Hatreto aloha dia tsy mbola manatevin-daharana azy ireo mihitsy izahay satria samy hafa ny fitakiana », hoy Rakotondrainibe Simon Richard, filoha nasionalin’ny Seces. Toa somary nifanipaka tamin’ izay kosa anefa ny kabarin’ ny Pr Rafalimanana Alexis, mpampianatra mpikaroka izay nilaza fa « vonona ny hanohana ny mpampianatra satria zavatra mitovy no iaretana ».

Ireo avy amin’ny sendika hafa kosa dia nilaza fa ny fahatsapan’ izy ireo ny lanjan’ny fampianarana no antony iraisan’izy ireo hina amin’ny Sempama.

LR

Fihemoran’ny fanadinana – Nizara roa ny mpampianatra Sempama Fihemoran’ny fanadinana – Nizara roa ny mpampianatra Sempama

Miziriziry amin’ny heviny. Nipoitra ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ireo mpam-pianatra mpanabe mano-loana ny fanambarana tamin’ ny fomba ofisialy ny fihemoran’ny datim-panadinana rehetra. Maro no nankasitraka iny fanapahan-kevitra iny ary nilaza ny hiverina hampianatra. Nisy ihany koa anefa no tsy nankasitraka, toy ny Sendikan’ ny mpanabe (Sempama) tarihin-dRaharovoatra Claude. Nivaky roa manoloana izany ireto mpampianatra Sempama ireto.

« Saro-pady ny fampianarana ka tsy azo atao kitoatoa. Tokony hisy vaomiera siantifika manokana handinika ny fihemorana. Efa efa-bolana no tsy nianatra ka tokony hifanaraka amin’ izany ny fihemorana », hoy Raharovoatra Claude. Nana-mafy ihany koa anefa izy fa tsy mandray fanapahan-kevitra avy amin’ny minisiteran’ny Fana- beazam-pirenena intsony ary mbola hanohy ny fitokonana.

Miray saina

Ny mpampianatra Sempama nisintaka kosa, izay nivondrona ao anatin’ny Sempama Miray Saina (SMS) dia nilaza fa hiverina hampi-anatra.  »Ny ho avin’ny ankizy no jerena ary efa mba nanao dingana ny minisi-tera », raha ny fahitan’i Nomenjanahary Tidison azy. Ity Sms ity dia nanatanteraka fivoriana niaraka tamin’ny vovonan’ny sendika sy ny fikambanana rehetra misy eo anivon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Tapak’izy ireo fa hotohizana ny fampianarana ary havadika ho lalàna ny fangatahana rehetra.

Io vovonana ahitana sendika valo io dia misy ireo mpampianatra rehetra hatramin’ny mpampianatra Fram ka hatramin’ny mpam-pianatra  »cértifiés ». Anio alatsinainy dia efa nilaza ny hiverina hampianatra izy ireo.

Lilia Rajaonah

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite