![]() |
SADC – Hodinihina maika any Addis-Abeba ny raharaham-pifidianana (0) Araka ny fanambaràna nataon’ny filoha lefitry ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana ao anatin’ny tetezamita (Cenit), Mamy Ralaiariliva, omaly dia «hanatanteraka fivoriana tsy ara-potoana handinihana manokana ny raharahan’i Madagasikara any Addis-Abeba ny vondrona Sadc rahampitso alahady 26 mey». Voalaza fa karazana fihaonana an-tampony izay handraisan’ireo Filoham-pire-nena mandrafitra ny Vondrona Sadc anjara mihitsy ity hotanterahina ao an-drenivohitr’i Ethiopie ity. Hatreto aloha dia tsy mbola fantatra mazava ny lohahevitra hodinihina any an-toerana. Azo heverina anefa fa isan’ny teboka tsy maintsy hitoeran’ny adihevitra ny momba ny raharaham-pifidianana, indrindra fa ny fitakiany ny fisintahan’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina sy ny amiraly Didier Ratsiraka ary i Lalao Ravalomanana tsy ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Aorian’io fivoriana io dia hisy ny fahatongavan’ireo iraky ny Sadc eto Madagasikara. JR |
|
Fepetra fampitoniana – Hametraka vahaolana maharitra eto Madagasikara ny Sadc Hiasa maharitra eto Madagasikara. «Tsy hijanona hatreo amin’ny famahana ny olana ara-politika fa hiditra an-tsehatra hijery izay fomba rehetra ahafahana mametraka ny fitoniana sy ny fandriampahalemana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana ny Sadc», araka ny nambaran’ny Dr Adane Ghebremeskel, tompon’andraikitra voalohany amina orinasa tsy miankina misahana ny fandriampahalemana sy ny fandaminana ireo savorovoro politika eo anivon’ny vondrona Sadc. «Hisy ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny fiarahamonim-pirenena mba hahafahana mikaroka vahaolana mahomby sy maharitra amin’izany. Tsy hionona amin’izay fotsiny anefa fa hojerena ihany koa ny fomba ahafahana mijery miaraka ny fampandrosoana an’i Madagasikara», araka ny fanazavan’ity tompon’andraikitra ity tetsy amin’ny «hôtel Colbert», toerana izay nanatanterahana ny atrikasa hiarahan’ireo solontenan’ny Sadc sy ny firaisamonim-pirenena mivondrona ao anatin’ny «Voifiraisana». Natao hikaroham-bahaolana amin’ny famahana ny krizy politika eto amintsika io fihaonana io. Araka ny fanazavan’ity farany ihany dia «horaisina ho lasitra ahafahan’ny «Troïka», rafitra mpanatanteraka eo anivon’ny vondrona Sadc mamaha tsikelikely ny olana eto Madagasikara ireo fehin-kevitra mivoitra amin’ity fivoriana ity ». Be loatra ny antoko sy fiangonana Mahatsapa ihany koa ireto solontenan’ny Sadc ireto fa «isan’ny mbola mahasarotra ny famahana tanteraka ny krizy eto Madagasikara ny fahamaroan’ny antoko politika sy ny fahabetsahan’ny fiangonana». Nohamafisin’ny filohan’ny vovonana nasionalin’ny firaisamonim-pirenena (Voifiraisana) , Lalao Randriamampionona teny an-toerana rahateo fa «isan’ny soson-kevitra nisongadina tamin’ity andro voalohany nanatanterahana ny fifampidinihana ity ny amin’ny tokony hijerena ifotony ny lalàna mahakasika ny fananganana antoko politika». Maro Tamin’ireo mpandray anjara no nilaza fa tokony izay tena antoko manana ny maha izy azy ihany no afaka manolotra kandidà amin’ny fifidianana. Mbola hitohy anio ny fivoriana eny an-toerana ka ireo solontenan’ny Cenit sy ny komity mpanara-maso ny fampiharana ny sori-dalana ary ireo solontenan’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy no hihaona amin’ireo solontenan’ny Sadc sy ny «Voifiraisana». JR |
|
Hetsika ny voifiraisana sy ny SADC – Hovoriana an-databatra boribory ny mpanao politika, ny Ffkm ary ireo sendika Hovorian’ny vovonana nasionalin’ny firaisamonim-pirenena (Voifiraisana) sy ny solontenan’ny sampandraharaha tsy miankina misahana ny raharaha politika eo anivon’ny vondrona Sadc etsy amin’ny «hotel Colbert» manomboka anio ireo sokajin’olona heverina fa isan’ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny famahana ny krizy politika eto Madagasikara. «Ny famoahana fehin-kevitra hametrahana ny fitoniana mba hahafahana miantoka ny fanatanterahana ny fifidianana mangarahara no tanjona»,araka ny fampitam-baovao avy amin’ity vovonana ity. Isan’ireo hihaona voalohany amin’ny talen’ny sampandraharahan’ny Sadc, Bichoko Ditlhake sy ireo solontenan’ny Voifiraisana anio maraina ny solontenan’ny Ffkm sy ireo solontenana sendika samihafa ary ny solontenan’ny vondron’ny mpandraharaha. Ny fanaovana jery todika ny zava-bita, ny lesoka sy izay mbola mety ho fanamby tokony hapetraka ao anatin’ny tetezamita no isan’ny lohahevitra hodinihina amin’io fihaonana voalohany io. Anio hariva indray dia hiatrika ny adihevitra manodidina ny fametrahana ny fitoniana eto amintsika ireo mpanao politika. Hamoaka fehin-kevitra Handray anjara amin’ny fanomezana vahaolana amin’izany ny sekretera nasionalin’ny antoko Tgv, Lanto Rakotomavo sy ny mpitarika ny delegasionan’ny ankolafy Ravalomanana, Mamy Rakotoarivelo. Hanana solontena iray avy ihany koa ny avy amin’ny mpanohitra ny fitondrana tetezamita sy ny hery afovoany ary ny antoko maitso Hasin’i Madagasikara. Isan’ireo handray anjara amin’ny adihevitra ihany koa ireo manam-pahaizana manokana amin’ny fandinihana ny raharaham-pirenena miisa roa. Rahampitso zoma tontolo andro indray dia anjaran’ireo solontenan’ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana ao anatin’ny tetezamita (Cenit), ny komity misahana ny fanaraha-maso ny fampiharana ny sori-dalana, ny komitin’ny fampihavanana malagasy ary ny solontenan’ny biraom-pifandraisana iraisam-pirenen’ny Sadc no hifampidinika eny an-toerana. Ny hariva no hifarana ny adihevitra ka hisy ny famoahana fehin-kevitra izay hifanarahan’ireo mpandray anjara rehetra tamin’ity fifampidinihana ity. JR
|
![]() |
Sori-dàlana – Mandodona mafy ny Sadc ireo mpomba an-dRavalomanana Omaly maraina no tonga nidodododo tetsy amin’ny Biraom-pifan-draisana iraisam-pirenen’ny vondrona Sadc tetsy Ankorondrano ireo fikambanan’ny mpomba ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana. Ankoatra ny fitakiana ny fampodiana haingana ity farany, dia nangataka tohana avy amin’ny Sadc amin’ny famoahana tsy misy hataka andro ireo gadra politika sy ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona noho ny antony ara-politika ihany koa ireto akaiky ny mpanorina ny orinasa Tiko ireto. Nisy ny fanateran’izy ireo ny taratasy fitakian’ izy ireo izany tamin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ity Biraom-pifan-draisan’ny Sadc ity, omaly. Tetsy ankilan’izay dia naneho fankasitrahana ny fihetsika nataon’ ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina izay nanaiky ny fampodiana an’i Lalao Ravaloma-nana ihany koa izy ireo. JR |
![]() |
Sazin’ny HAT – Nilaza hanitsy ny fanambaran’ny Vondrona Afrikanina ry zareo ao amin’ny Sadc Niaro ny Filohan’ny tete- zamita, Andry Rajoelina amin’ny tery an-kolaka ataon’ny filankevi-pilaminan’ny vondrona Afrika-nina (Cps) amin’ny fampodiana ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana ho takalon’ny famafana ny sazy ampiharina amin’i Madagasikara ny minisitry ny Raharahambahiny tanzanianina, Bernard Membe. «Tsy azo ekena ary tsy nifanarahana tamin’ny Sadc io fanapahan-kevitra noraisin’ny Cps io», araka ny nomarihin’ity farany, taorian’ny fihaonana manokana nataony tamin’ ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina teny amin’ ny lapan’i Iavoloha, omaly hariva. Notsindrian’ity lehiben’ny diplaomasian’ ny fitondram-panjakana tazanianina izay firenena mitarika ny troika, rafitra mpanatanteraky ny vondrona Sadc ity mihitsy fa «tokony hanao fanambarana vaovao ny Cps ary hisy ny resaka hifanaovan’ny Sadc amin’ ny vondrona afrikanina momba izany». Nomarihin’ity minisitra tanzanianina ity ihany koa fa «tsy tokony hisy ifandra-isany amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ny fodian’ny Filoha teo aloha eto Madagasikara». JR |
![]() |
Fampodiana – Mangataka ny fanampian’ny Sadc ny ankolafy Ravalomanana Niantso ny fanam-pian’ny iraisam-pirenena amin’ny fampodiana an’i Lalao Ravalomanana eto Madagasikara ny ankolafy Ravalomanana. Noho ny fihombon’ny aretina mahazo ny reniny, Helmine Razaiarivelo no anton’io fiantsoana fanam- piana io, araka ny fanaza- vana avy amin’ny filohan’ ny Kaongresin’ny tetezamita, sady mpitarika ny delegasionan’ny ankolafy Ravalomanana, Mamy Rakotoarivelo, omaly. «Efa nisy ny fampahafantarana ireo tompon’ andraikitry ny Sadc momba io olana io. Nisy ihany koa ny resaka nifa-naovana tamin’ny Frantsay ka ho hita eo izay vokany. Tiako ho marihina fa efa nisy ny fifampiresahana natao tamin’ ny Filohan’ny tetezamita saingy mbola tsy namaly io fangatahana io izy hatramin’izao», hoy ity farany. Araka ny tatitra avy amin’ireo mpikambana eo anivon’ity ankolafy ity dia «niha tsy salama ka voatery nampidirina ao amin’ny sampana fame- lomana aina ny renin’i Lalao Ravalomanana, omaly». JR |
|
Leonardo Simao – «Hijery ny fomba rehetra hanatanterahana ny fifidianana ny Sadc»
Nampiseho faha-vononana hitady izay vahaolana rehetra hahafahan’ny fitondrana tetezamita miroso amin’ny fifidianana ny iraky ny vondrona Sadc, ny doko-tera Leonardo Simao. Omaly tolakandro no nigadona teny amin’ny seranam-piaramani- dina teny Ivato ny tenany. «Mino sy maatoky aho fa tokony hotanteraka ny fifidianana eto Madaga-sikara. Noho izany dia hisy ireo vahaolana rehetra, indrindra fa ny lafiny ara-bola hoen-tina hanatontosana izany», hoy izy. Omaly aloha dia nanamafy ny fanohanany ny amin’ny tokony hitazonana ny tetiandrom-pifidianana napetraky ny Cenit sy ny Firenena Mikambana ity iraky ny Sadc ity. Nomari-hin’ity farany anefa fa «mbola azo atao ny mandinika ny fangatahan’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, amin’ny tokony handroso-ana ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fifidianana Filoham-pire-nena». Etsy ankilan’izay anefa dia tsy mbola tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra, omaly na andro hiasana na tsy hiasana ny andron’ny alarobia 8 mey, izay tokony hanatontosana ny fifidianana Filoham-pirenena fihodinana voalohany sy ny datin’ny alatsinainy 8 jolay hiatrehana ny fifidianana Filoham-pirenena fiho- dinana faharoa sy ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy mbola fantatra ihany koa na andro hiasana na tsia ny alarobia 23 oktobra izay tokony hanatanterahana ny fifidianana Ben’ny tanàna. Mahakasika ny fodian’ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana dia nilaza ny mbola haka ny hevitr’ireo mpanao politika nanasonia ny sori-dalana ny dokotera Leonardo Simao. Hanom-boka anio ny fihaonany amin’ ireo vondrona sy antoko ary ankolafy politika nanasonia ny sori-dalana. JR |
![]() |
Famotsoran-keloka – Mivonona tsy hankato ny fitakian’ ny Sadc ireo akaikin-dRajoelina Nanao valy bontana. Nasiaka dia nasiaka ny valin-kafatr’ireo akaiky ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, mahakasika ny fitakian’ny vondrona Sadc ny «handanian’ny parlemantan’ny tetezamita lalàna hanomezana famotsoran-keloka faobe ho an’ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana sy ny Filohan’ny tetezamita ary ireo mpitandro ny filaminana voakasiky ny raharaha politika nitranga tao anatin’ny krizy politika teto Madagasikara». Ny antoko Tanora malaGasy Vonona aloha no avy hatrany dia nandray ity soson-kevitra ity ho karazana fanaovana fanaovana tsinontsinona ny mpanao politika malagasy. «Mba tianay ho fantatra hoe famotsoran-keloka inona moa io tadiavin’ny Sadc hampiharina eto amintsika io? Ny lalàna mifehy ny famotsoran-keloka izay efa nolanian’ny parlemantan’ny tetezamita tamin’ny taona 2012 ihany no fantatray», hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko Tgv, Lanto Rakoto-mavo, omaly. Ny tena tsy levon’ny vavonin’ny Tgv tamin’ny Sadc, ny alarobia lasa teo ity, dia ny fanononana ny anaran’ny Filohan’ny tetezamita ho isan’ireo ao anatin’ireo olona tokony hisitraka ny famotsoran-keloka. JR |
|
Fanovana tetiandrom-pifidianana – Nitsipaka ny handrosoana ny fifidianana depiote ny Sadc Sady nisaotra ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny, tsy ho kandidà amin’ny fifidianana Filoham-pirenena no nitsipaka ny fangatahan’ity farany ny handroso ny datin’ny fifidianana solombavambahoaka mba hotanterahina mialoha ny fifidianana Filoham-pirenena ireo Filoham-pirenena efatra mirahalahy mpitarika ny vondrona Sadc. Notsiahivin’izy ireo tao anatin’ny fanambarana nivoaka omaly ny amin’ny tokony hanajana ny tetiandrom-pifidianana novolavolain’ny Firenena mikambana sy ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana ao anatin’ny tetezamita (Cenit). «Ny Sadc dia manantitrantitra ny fankatoavany ny fanatontosana ny fifidianana Filoham-pirenena sy ny fifidianana an’ireo handrafitra ny parlemanta amin’ny volana mey ka hatramin’ny volana jolay 2013», hoy ny voafaritra ao anatin’ity fanambarana ity. Ny Filohan’ny Cenit, Béatrice Atalah rahateo omaly dia nilaza mazava fa «fifanarahana politika ihany no ahafahana manova io tetiandrom-pifidianana io ka hapetraka tanteraka eo am-pelantanan’ny Sadc ny fanapahan-kevitra momba izany». Homena famotsoran-keloka Tetsy ankilan’izay dia mangataka amin’ny parlemantan’ny tetezamita ny «hamolavola sy hankatoa ny lalàna manome famotsoran-keloka faobe ho an’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina sy ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana ary ireo mpitandro ny filaminana» ihany koa ireo Filoham-pirenena mpitantana ny vondrona Sadc. Eo ihany koa ny fitakian’izy ireo ny handinihan’ny parlemantan’ny tetezamita ny sata mifehy ireo Filoham-pirenena teo aloha. Nosinganin’izy ireo manokana ao anatin’izany ny amin’ny tokony hanomezana an’ireto Filoham-pirenena ireto tombotsoa manokana sy zo tsy iharan’ny lalàna. Araka ny fanambarana nataon’ny filohan’ny fitsarana fandravana didy eo anivon’ny Fitsarana an-tampony, Pétronille Andriamihaja omaly dia «tsy mila manao fangatahana amin’ny Fitsarana ireo olona tokony hisitraka ny famotsoran-keloka faobe». Tamin’ny taona 2012 no efa nolanian’ny parlemantan’ny tetezamita ny volavolan-dalàna mifehy ny famotsoran-keloka izay miendrika fanilihana ny mpanorina ny orinasa Tiko tsy hahazo anjara amin’izany. JR |
|
Fihaonan-dRajoelina sy ny SADC – Notsotsorin’Ambohitsorohitra aloha ny resaka avy any Tanzania Nihanona fotsiny tamin’ny fitanisana ny lanonana makotrokotroka sy ny fanomezam-boninahitra manokana ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina nataon’ny Filoha tanzanianina, Jakaya Kikwete, izay nandray azy tao amin’ny lapam-panjakana tanzanianina omaly, ny fampitam-baovao avy amin’ny Fiadidiana ny tetezamita. Ninia nanasongadina ny avy eny Ambohitsorohitra fa «noraisina toy ireny Filoham-pirenena ireny mihitsy ny Filohan’ny tetezamita ary nahazo pao-tsatroka manokana avy amin’ny Filoha tanzanianina». Tsy adino ny fanomezana tamin’ny antsipirihany ny vaovao mahakasika ny fiaraha-misakafo notanterahan’ny Filohan’ny tetezamita sy ireo Filoham-pirenena efatra mirahalahy mpitarika ny vondrona Sadc, izay nampiantso azy nankany Tanzania. Izay vokatry ny fihaonana tany an-toerana sy ny mety ho akon’izany amin’ny famahana ny krizy politika eto Madagasikara dia tsy nisy resaka. Tsy re tsaika Voafaritra ao anatin’ilay fampitam-baovao avy amin’ny fiadidiana ny tetezamita omaly ihany fa «amin’ny fahatongavany eto Madagasikara vao hanambara ny vokatr’ity fihaonana ity ny Filohan’ny tetezamita ». Omaly maraina no nitsaitsaika nihazo an’i Dar es Salaam, renivohitr’i Tanzania hihaona amin’ireo Filoham-pirenena efatra mirahalahy mpitantana ny vondrona Sadc ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina. Taorian’ny fiaingany teny Ivato omaly maraina dia namoaka fanambarana milaza ny votoatin’ny dian’ny Filoha mpanorina ny antoko Tanora malaGasy Vonona any an-toerana ny fiadidiana ny tetezamita. Fampitam-baovao izay nanipika avy hatrany fa «ny fanamafisana ny heviny sy ny fampitana ny hetahetan’ny Malagasy manoloana ny fivoaran’ny raharaham-pifidianana eto Madagasikara sy ny fakana antoka amin’ny tokony hanajana ny fe-potoana hanatanterahana ny fifidianana izay voatondro ho amin’ny volana mey izao» no hifotoran’ny fifampinihan’ny Filohan’ny tetezamita amin’ireo Filoham-pirenena mpitarika ny vondrona Sadc ireo. Raha zohiana dia toa efa nanilika mialoha ny resaka manodidina ny fandraràna azy tsy ho kandidà amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny Filoha mpanorina ny antoko Tanora malaGasy Vonona. Raha tsy misy ny fiovana dia anio maraina amin’ny 11 ora no handrasana eny Ivato ny Filohan’ny tetezamita.
JR |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |