|
Asan-dahalo – Trano fanaovam-basy ahiana ho mpamatsy an-dry Remenabila sarona
Nahabe fanantenana ny zandary sy ny fokonolona any Ambovombe any amin’ny faritra Androy ny nahitan’ny zandary trano iray mpanamboatra basy vita gasy ny 10 Avrily teo. Tao an-tampon-tanàna mihitsy no nahitana ity toerana fanamboarana basy ity. « Orinasa kely mihitsy ity tratra ity ary efa harifomba avokoa ny fitaovana ampiasaina ao. Lehilahy iray ihany anefa no tratra tao. Basy fitondra mihaza na »fusil de chasse » avokoa no amboarin’ ity trano ity ary teo am-panam- boarana basy 4 ilay lehilahy no saron’ny zandary », hoy ny kolonely Reribake Jeannot, lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandary any Androy. Efa fanindroany « Tsy manan-tsafidy afa-tsy ny famongorana ny asan-dahalo izahay aty Atsimo, ka manome tsirim-panantenana lehibe ahafahana ny nahitana an’io toerana famokarana basy io », hoy hatrany ny kolonely Reribake. « Tsy vao izao fa efa nisy ihany koa fahatratrarana trano fanamboarana basy sahala amin’izao tao Tserebeho tamin’ny 27 marsa teo. Ny tao amin’io orinasa io indray dia poleta vita gasy daholo no namboariny. Roa lahy kosa no tratra tamin’ izany niaraka tamin’ny poleta roa vao vita mihitsy », hoy hatrany ny kolonely Reribake Jeannot. Efa any am-ponja avokoa amin’izao fotoana izao ireo roa lahy tratra ireo taorian’ny fanolorana ny Fampanoavana azy ireo. Haja Randrianantoandro Tsy an-kijanona. Na misy aza ny vokatra tsara azo dia mbola mitohy ihany koa ny asa ratsin’ireo malaso. Ny alarobia tolak’andro teo dia omby 120 no najifan’ny dahalo tany Beraketa any amin’ny faritr’Ambovombe. Nisy iray tamin’ireo dahalo no voatomboky ny lefon’ny fokonolona nanara-dia. Efa eo am-panavoana famotorana ity malaso ity amin’izao ny zandary ka efa fantapantatra avokoa ireo namany. |
|
Ampamoakan’ny zandarimaria – Vaky bantsilana teny Fort-Duchesne ny momba an-dRemenabila « Misy marina ve Remenabila ? »; « Iza no tena ao ambadiky ny fanondranana andramena, vato sarobidy na ireo harem-pirenena maro samihafa ? » ; « Ahoana ny mahakasika an’ireo zandary mivarotra fitaovam-piadiana ka isan’ny mitarika ny tsy fandriampahalemana ? ». Santionany tamin’ireo fanontaniana tsy niolaka napetrak’ireo mpanatrika tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, nandritra ny fihaonana narahina adihevitra ho fanamarihana ny andron’ny zandary teny Fort-Duchesne omaly ireo. Ora telo tsy an-kiato no naharetan’ny dinika. Tsy nisy an-kadasitra tamin’ny fametrahana fanontaniana ary dia nametraka izay nanitikitika azy ireo tonga niatrika ity fotoana ity. Tetsy andaniny ireo tompon’andraikitra dia niezaka namaly an’ireo fanontaniana rehetra nipetraka. Hentitra ny jeneraly Randrianazary, sekreteram-panjakana nanamafy fa « na ny tarehin-dRemenabila aza mbola tsy fantatra amin’izao fotoana izao ». Valin-teny izay nahagaga ny mpanatrika ihany satria dia efa nisy sary navoakan’ny mpitandro ny filaminana nolazaina fa sarin-dRemenabila. Na ny kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena, Ravalomanana Richard aza dia hita ho sadaikatra ihany rehefa nanontaniana manokana mikasika an’io fanambaran’ny jeneraly Randrianazary io. Tsy nahavaly mivantana ny tenany na Remenabila tokoa na tsia ilay sary nampahalalàna ny besinimaro. « Lasa tranga amin’izao fotoana izao io , raha ny tena marina mantsy dia anarana fitondra miady fotsiny ilay hoe Remenabila. Matetika koa efa misy olona manana sary mazava toa an’ilay voatondro ho namono ny adjidà Herlys Rasolondray, kanefa dia tsy mety tratra mandraka ankehitriny ». Raha ny mahakasika ny fanondranana an-tsokosoko ny andramena dia nilaza ny jeneraly Ravalomanana fa « ny eo anivon’ny DST no tena miandraikitra an’io raharaha io, fa rehefa mahazo vaovao vao mirotsaka an-tsehatra amin’ny fisamborana sy fanatrarana ireo mpanondrana an-tsokosoko ny zandary ». Ny kaomandin’ny zandarimaria izay naneho an-kolaka ny faniriany ny tokony hametrahana eo ambany fiadidian’ny zandarimaria ny fanaraha-maso manokana ny andramena. « Izay andramena efa azon’ny zandary dia mbola tsy nisy nipika na voahodina na iray aza », hoy izy nanipika fa matihanina amin’ny asany ny zandary ka tokony homena ny matihanina ny fisahanana an’io asa io. Raha ny mahakasika ny tsy fandriampahalemana sy ireo zandary mivarotra basy dia voatondro molotra ny Fitsarana tamin’ny valim-panontanian’ireo lehiben’ny zandarimaria. « Tany Antsirabe efa nisy zandary tratra nivarotra bala, saingy noafahan’ny Fitsarana. Fa io rehefa tsy voaenjika eo anivon’ny Fitsarana ady heloka dia tsy maintsy faizinay amin’ny fitsipi-pifehezana ary tsy maintsy voaroaka ireo zandary izay tratra nivarotra fitaovam-piadiana na dia avotsotry ny Fitsarana aza fa tsy avelanay fotsiny amin’izao », hoy hatrany ny jeneraly Ravalomanana Richard. Ity farany izay nanamarika fa raha ny mahakasika ny resaka mandeha amina fisiana fitaovam-piadiana avy any ivelany miditra eto dia ny eo anivon’ny fadintseranana no tokony ho tompon’andraikitra hahalala voalohany ny manodidina an’izany. Nilaza anefa aloha ny kaomandin’ny Zandarimaria fa tamin’ireo dahalo izay efa lavon’ny mpitandro ny filaminana dia tsy mbola nahatrarana fitaovam-piadiana vaovao mihitsy teny amin’izy ireo, fa saika efa fitaovam-piadiana efa nampiasaina ela avokoa. Tetsy andanin’izay ny jeneraly Randrianazary dia nanipika fa ny isan’ny olona no tena olana fototra eo anivon’ny zandarimaria. « 1 000 mahery no miasa ivelan’ny toby manao mpiambina olona sy tranon’olona, 500 isan-taona no voatery mandeha misotro ronono, 600 isan-taona ihany anefa no mba azo raisina », hoy ny fanazavany. Haja Randrianantoandro
|
|
Amboasary Atsimo – Ireo tanana ankavanan-dRemenabila indray no mampitondra faisana
Niverina ireo mpanara-dia tany Amboasary Atsimo tamin’ilay fanafihana nataona dahalo 350 tany an-toerana, ny 9 febroary teo tokony ho tamin’ny 3 ora maraina, fa tsy nahatohitra ireo olon-dratsy. Dahalo enina sy iray tamin’ireo fokonolona no maty tamin’ity fanafihana ity. « Ny toerana nisy ireo zandary no notafihin’izy ireo voalohany ka tsy naharay afa-tsy ny basiny intsony ireo zandary, fa ny entana rehetra tavela tao avokoa. Avy hatrany dia raikitra ny fifandonana ka tamin’izany no nahalavo ny dimy tamin’ireo dahalo ireo sy ilay olona iray mpanara-dia », hoy ny tatitra azo avy tany an-toerana. Voalaza fa nisy ny fiambenana ny kizo tao Betainakoa, 4km avaratry ny tanànan’i Mahabo, nataon’ireo zandary sy ny fokonolona, ka tamin’ izany no nahafaty ny iray tamin’ ireo dahalo. Tsy resy tosika anefa ireo dahalo ka niverina ireo mpanara-dia. Mila fanampiana « Tanana ankavanan-dRemenabila taloha ireo mana-fika ireo, ary efa misy mpitandro ny filaminana nalefa manao ny famotorana any an-toerana amin’izao fotoana izao. Efa hita ny toerana misy ireo omby very ka efa manomana paik’ady vaovao ny mpitandro ny filaminana hidirana ao », hoy ny nambaran’ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria ao Tolagnaro. « Efa nolazaina ihany koa fa misy fitaovana halefa aty aminay hanenjehana ireo dahalo ireo, saingy mbola tsy tonga, ka izay eto am-pelantanana ihany no ampiasaina », hoy hatrany ity tompon’andraikitry ny zandary avy ao Taolagnaro ity. « Tsy azo aboraka ny paik’ ady. Ny azo lazaina dia efa ho vita ilay helikoptera ho alefa any an-toerana. Tsy maintsy mandalo fitsirihana mantsy ireny fitaovana ireny vao azo ampiasaina. Efa misy mpitandro ny filaminana avy ao Toliara sy Fianarantsoa ihany koa nalefa any an-toerana », hoy kosa ny jeneraly Rakotoarimasy André Lucien, minisitry ny Foloalindahy. Haja Randrianantoandro |
|
Fanenjehana dahalo – Efa mandeha irery nitsoahan’ny namany any an’ala Remenabila Sivy volana taorian’ilay fanafihana voalohany nataon-dry Remenabila tany amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, dia fantatra izao fa mandeha irery mirenireny any an’ala ity lehiben’ny dahalo ity, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny zandarimaria ao Betroka. «Efa azo avokoa ireo loharanom-baovao rehetra mikasika an-dRemenabila ka fantatra tamin’izany fa na ireo tena tanan-kavanany sy ireo olona rehetra niaraka taminy ary ny mpiray tanàna taminy dia nandositra azy avokoa. Mbola sarotsarotra anefa no manenjika azy satria efa hainy tsianjery ireo zohy rehetra any anaty ala», hoy ny loharanom-baovao avy any Betroka. Voalaza fa efa manomboka tonga tsikelikely any an-toerana avokoa ireo mpitandro ny filaminana hanampy isa ny ekipa miady amin’ny asan-dahalo, izay manomboka mahazo laka indray. Isan’ny nambaran’ireo mpitandro ny filaminana fa mampananosarotra ny hetsika ny tsy fahampian’ny fitaovana. Hetsika »Tandroka II » Natsidiky ny jeneraly Randrianazary, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, omaly sahady kosa anefa «tsy maintsy hisy ny hetsika manokana faharoa hatao saingy mbola tsy fantatra aloha hatreto na rahoviana ilay fototana hanombohany na ny anarany». «Efa nivoriana tetsy amin’ny Primatiora ihany koa ny zavatra atao amin’ity hetsika faharoa ity ary efa nasiana manam-pahaizana manokana mikasika ny fanaovana izany handinika ny paik’ady rehetra», hoy ihany ity manamboninahitra ambony ity. Tao anatinfny herinandro vitsivitsy izao dia tanàna maro sy omby maro indray no lasibatry ny dahalo tany aminfiny faritra atsimonfny Nosy iny. Haja Randrianantoandro |
|
Fanenjehana dahalo – Misy mpampandry tany sahy namboraka ireo ao ambadiky ry Remenabila MILAMINDAMIN-DRATSY AZO DIAVINA IHANY I BETROKA SY NY FARITRA MISY AZY ANKEHITRINY, TAORIAN’NY HETSIKA FAMPANDRIAN-TANY FANENJEHANA AN-DRY REMENABILA, IZAY NATAON’NY HERY MANOKAN’NY MPITANDRO FILAMINANA. AO ANATIN’ITY FANADIHADIANA ITY NO ITANTARAN’IREO MPITANDRO FILAMINANA SASANY NY TENA ZAVA-MISY IAINAN’IZY IREO ANY AN-TOERANA, HATRAMIN’NY FILAZAN’IZY IREO NY DAHALO AMBONY LATABATRA AO AMBADIKY RY REMENABILA, NA IHANY KOA NY ODY BALA. Telo volana aty aoriana dia mbola tsy voafafa ao an-tsain’ny mponin’i Betroka ny niainany noho ny nafitsoky Remenabila sy ny tariny. «Raha vao milentika ny masoandro dia tsy misy sahy mivoaboaka any ivelany intsony ny olona fa samy mihidy any an-tranony any. Na ireo mpandeha tratra alina amin’ny taksiborosy mampitohy amin’i Taolagnaro, izay voatery mijanona eto an-tanàna koa aza, dia tsy nisy sahy nivoaka ny fiara”. Tsy izany intsony anefa ny zava-misy any an-toerana ankehitriny. Any amin’ny 60 kilometatra any ho any, miala amin’ny renivohitry ny distrika, miatsinanana somary mianavaratra, no mbola mafampana ny toe-draharaha ka mihorohoro noho ny tahotra malaso ny olona. Ny ankoatra izay dia milamindamina ivelany ny fiainan’ny mponina. Toa antoka ho azy ny fisian’ireo miaramila mifanaretsaka ao Betroka, izay mbola maneho fahavononana hanatanteraka ny baiko. “Efa anananay ny porofo fa manamboninahitra miaramila, tompon’andraiki-panjakana ary mpikambana amin’ny Andrimpanjakan’ny tetezamita no ao ambadiky ny asan-dry Remenabila ka tsy maintsy hosamborinay amin’ny fotoana maha mety azy”, hoy ny serzà sefo iray, izay mampahatsiahy ny fisian’ny miaramila lavon’ny balan’ny fahavalo tany amin’iny faritra iny mba hilazana fahavononana hamaly faty ka handrava ny tariky Remenabila. Nisy anarana manampahefana, sivily sy miaramila notonontonin’ireo mpitandro ny filaminana sasany tafaresaka taminay tao Betroka ireo, nentin’izy ireo nanaporofo ny herin’ny dahalo ambony latabatra ka isan’ny mampananosarotra ny famongorana ny halatr’omby sy ny fanenjehana ireo malaso. Vao farany teo no nisy fiakanaviana akaikina manampahefana ambony re fa nantsoina nalaina am-bavany amin’ity raharaha ity. Fa ankoatra izay dia nisy nanatsidika ihany koa, tamin’ireo mpitandro filaminana ireo ihany, ny fisehoan’ny fifandonana teny an-kianja nataon’ny Hery manokana tamin’ireo dahalo. Niverimberina matetika, indrindra ho an’ireo sambany vao nidina nanatanteraka iraka tamin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny, ny momba ny ody bala na ody basy. “Ny tenako dia tsy mba nino ny herin’izany ody basy izany raha vao niala tany Antananarivo. Tamin’ny fifandonana tamin’ny malaso tao amin’ny toerana iray any Tsivory anefa dia ireo masoko ireo mihitsy no nahita. Efa voatifitra izao ilay dahalo iray, lavo tamin’ny tany, dia niarina toy ny tsy naninona. Tsy namelan’ny miaramila ka voan’ny bala indray nefa mbola tafatsangana koa”, hoy ny manamboninahitra lefitra iray ao amin’ny Hery manokana nalefa tany Betroka, izay sady mbola mivarahontsana eo am-pitantarana. Rehefa harivariva iny ka misotrosotro eny amin’ireo trano fisakafoana ao Betroka ny mpitandro ny filaminana no mivoaka ny resaka samihafa. Tamin’izany no nahenoana fa misy amin’ireo mpitandro ny filaminana, indrindra ireo zanak’iny faritra iny, no mampiasa koa ny ody basy ka sahy mifanandrina amin’ireo malaso. “Tifitra avy any an-damosina ihany no tsy mahahendry ny mpanao ody basy”, hoy ny iray tamin’ireo miaramila tamin’ny feo avo. Fitenenana izay toa neken’izy rehetra tamin’ny tsy fanohizana intsony ny resaka. Araka ny filazan’ireo mpitandro ny filaminana ihany dia misy olona iray mikopaka amin’ny tapa-damba miloko mena, ao anatin’ireo malaso, dia manomboka amin’izay ny fiasan’ny ody basin’izy ireo. Misy amin’ireo mponina any Betroka nefa no toa tsy mino ny herin’izany ody basy izany. Ho azy ireo dia tahotra ny an’ny miaramila satria tsy zatra miady amin’ny fahavalo. “Ny sainy no efa voa dia tsy mipoaka hatramin’ny basy eny an-tanany. Ny ho faty no efa masaka ao an-dohany raha vao mifanatrika amin’ny dahalo”, hoy Ranovoarivelo Marie Chantale, renim-pianakaviana iray monina ao Betroka. Votsotra foana… Hatramin’izao anefa, na Remenabila io aza mbola misy mampiahiahy ny olona sasany, na dia any Betroka aza, ny fisiany. Ny any an-toerana izay nahenoana mponina maro nitsotra ho mbola tsy nahita maso izany Remenabila izany. “Tsy fantatro na mainty na fotsy fihodirana izy izany. Na ny fihaviany koa aza dia tsy fantatro, na Bara izy io na Antaisaka”, hoy izy tamim-pahatsorana. Tompon’andraiki-panjakana iray ao Betroka no nanindry mafy fa tany amin’ny 10 taona lasa tany ho any dia “niakatra Fitsarana tao Taolagnaro Remenabila”. Araka ny fitantarany ihany dia tsy indroa na intelo fotsiny no tra-tehaka ny asa ratsin-dRemenabila fa ampiasainy ny volany dia votsotra ho azy izy avy eo. Manenjika isa Remenabila! Te-hamafa ny tsahon-dresaka miely momba ny hoe fisian’ny vonomoka natao tamin’ny jiolahy tany amin’iny faritra atsimo iny indray kosa ny Lehiben’ny distrikan’i Betroka, Zara Amélie, ka sahy manao fanamby. “Jereo ilay hoe fasana itambaram-be dia ento aho raha hitanareo izany”, hoy izy tamim-paharesen-dahatra, nanoloana ny biraony. Fomba entina manamafy fa milamina ny ao amin’ny fari-piadidiany. Na izany aza anefa ny zava-misy dia tsy azo lazaina ho mandry fahizay ireo tanàna manamorona ny lalam-pirenena faha-13 mandalo an’i Betroka iny. Minibus Mazda iray nitondra “patiraon’omby” no notafihin’ny jiolahy fito mitondra basy isanisany avy, teo anelanelan’i Bevoay sy Ampamata, tamin’ny marainan’ny talata 27 novambra lasa teo. Tapa-tongotra ny lehilahy iray mpandeha tamin’io fiara io noho ny tifitra nahazo azy. “Tsy voalohany izao no nisy fanafihan-jiolahy tamin’iny làlana iny. Tsy tariky Remenabila no nanao ny asa ratsy. Tsy hanakana fiara izany mihitsy izy ireo fa ny azy dia ny omby ihany no mahamay azy”, hoy ny manampahefana iray any amin’iny faritra iny, izay nanipika fa manenjika isa ry Remenabila amin’ny omby azony halefa any amin’ny mpandray azy ka izany no nampirongatra ny asan-dahalo tao ho ao izay. Vahiny miasa mangina Somary nanaitra kosa ny fahitàna ireo fiara tsotra sy fiara mpitondra marary misy ny famantarana Médecins sans frontières (MSF) tany amin’ireo toerana sasany nolalovana tamin’iny lalana mihazo an’i Betroka iny. Tsy saro-pantarina ry zareo miaraka amin’ny fiara tsy mataho-dalana fotsy misy sotratra “Médecins sans frontières”. Ny sasany amin’ireo fiara ireo aza dia manangana saina fotsy misy ny famantarana ny MSF. «Tsy afaka hilaza na inona inona izahay», hoy ny tompon’andraikitra iray avy amin’ny MSF raha nanontaniana ny mety ho fiantraikan’ny asan-dahalo na ny asa «fampandrian-tany» eo amin’ny fiainan’ny mponina. Tsy te-hiditra lalina amin’izay antony mampitondra takaitra na ratra, na mahatonga ny tsy fahasalaman’ny olona amin’ny tanàna izay lalovany ry zareo fa miezaka manao ny asany amin’ny maha mpitsabo azy. «Manao fizaham-pahasalamana sy mizara fanafody no iraka ampanaovina anay aty», hoy ihany ilay teratany vahiny, hany nanaiky niresaka kely nandritra ny fandalovan’izy ireo tao amin’ny renivohitry ny distrika tao Betroka. Raha jerena maimaika anefa dia hita fa manampy ny any an-toerana, indrindra amin’ny tampoka ireo mpitsabo avy amin’ny Médecins sans frontières. Fiaran’ireto farany no nantsoina haka ilay lehilahy tapa-tongotra noho ny tifitra nataon’ireo jiolahy nanafika minibus Mazda, tao amin’ny hopitalin’i Beraketa ary nampiditra azy tany Toliara, ny talata 27 novambra 2012. Levona ny karine fanisana mpifidy Mifaningotra matetika amin’ity fanenjehana dahalo any Atsimo ity ihany koa ny resa-pifidianana. Ao mantsy no milaza fa misy milalao ity resaka ity mba hahatanteraka ny fifidianana kasaina hatao amin’ny taona ho avy. Tsy araka ny fanahiana tany am-boalohany anefa fa nizotra araka ny tokony ho izy ihany ny fanisana mpifidy tany amin’ny distrikan’i Betroka. Afaka nitety tokantrano ireo mpanisa mpifidy 211 mianadahy niparitaka tamin’ny fokontany 190. Semban-drahona anefa ny asan’izy ireo tao amin’ny fokontanin’i Miary Omby ao amin’ny kaominina Mahabo. «Nodorana ny tanàna ka very tamin’izany ny karine tokony ho nampiasaina nandraisana ny mombamomba ireo mpifidy vinavinaiana ho 392 ao amin’io fokontany io. Noho izany tarehin-javatra izany dia lasa nitsoaka any anaty ala ny mponina tao ka tsy miakatra an-tanàna raha tsy hariva”, hoy Razanamalala Marie Pierette, tsy nihambahamba raha nilaza mikasika ny fizotry ny fanisana mpifidy. Nambaran’io filohan’ny Vaomiera momba ny fifidianana eo anivon’ny distrika (CED) io fa efa manomana karine hafa ry zareo hanatanterahana ny fanisana mpifidy ao Miariomby ka vantany vao miverina ao an-tanàna ireo olona nilefa any an’ala dia horaisina ny mombamomba izay rehetra feno 18 taona tokony hifidy. Soratra sy sary: Heritiana Rabesetra
|
|
Nifampitifitra ny tariky Remenabila sy ny zandary – Bala-na kalachnikov 800 tsy hita, zandary iray maty « Mbola tsy maty Remenabila ». Vao lasa ny tariky ny kolonely Lylison Réne de Rolland dia manao ny danin’ny kibony indray ny dahalo any Atsimo. Zandary prinsipaly kilasy faharoa iray indray no maty voatifitra, ny alakamisy teo. Very nandritra ny fifandonana ihany koa ny bala miisa 800 nentin’ireo zandary ireo ary tsy mbola hita hatramin’ny omaly. Ahiana ho mbola naman-dRemenabila ireto manjaka any Atsimo ireto. « Tamin’ny 6 ora maraina no nanafika ny fokontany Lapiry ireo dahalo an-jatony. Mitondra basy kalachnikov miisa 6 eo ho eo izy ireo ary basim-borona kosa no betsaka. Manodidina ny 20 ihany koa ny vehivavy sy ankizy entin’ireo dahalo. Io indray izao no fomba ataon’ny dahalo vaovao aty. Ny lehilahy maka ny omby rehetra dia ny vehivavy kosa maka ny fitaovana ilaina an-dakozia », hoy ny jeneraly Iama Radafy, kaomandin’ny fari-piadidiam-paritanin’ny Zandarimariam-pirenena any Toliara. Niantso mpitandro ny filaminana ao Esira izay manohy ny hetsika »Tandroka » any an-toerana ny fokonolona avy ao amin’ilay toerana, taorian’ilay fanafihana. « 18 no isan’ny mpitandro ny filaminana nandeha tany, manodidina ny 30 km eo ho eo miala ao Esira ny androtr’io ihany. Rehefa nenjehina ireo dahalo dia tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany no nifankatratra. Raikitra ny fifampitifirana ka nitarika tamin’ny fahafatesan’io zandary io », hoy ihany ity jeneraly ity. Omby 50 teo ho eo no fantatra fa tafaverina hatramin’ny omaly. Dahalo enina kosa no maty ary maro ireo naratra.
Faralala
|
![]() |
Fifehezana an-dry Remenabila – Hanao hetsika vaovao indray ny mpitandro ny filaminana Mbola mitohy hatrany ny famerenana amin’ny laoniny ny filaminana any Betroka sy ny manodidina. Afak’omaly dia fantatra fa nanomboka indray ny andiany faharoa amin’ny hetsiky ny mpitandro ny filaminana hampandriana fahalemana iny tapany atsimon’ny Nosy iny. Fametrahana azy ireo any amin’ireo toerana heverina ho faritra mena amin’ny asan-dahalo no hotan- terahina amin’izany. « Nisy fahatarany kely ny vola hoenti-mihetsika teo, fa efa nilamina izany ankehitriny. Mahavita tsara io tetikady io ihany koa ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana. Ezahina ny hanaparitaka azy ireo any amin’ ireo faritra manodidina an’i Betroka », hoy ihany ity tompon’andraikitra voalohan’ny zandarimariam-pirenena ity. Faralala |
![]() |
Tanan-kavanan-dRemenabila – Balan’ny zandary no nampiasain’ireo dahalo Taorian’ny nahafaty ilay dahalo voalaza ho tanana ankavanan-dRemenabila, tany Beharena-Befotaka, ny 27 novambra teo dia fantatra ankehitriny fa balan’ireo zandary maty voatifitr’ireo dahalo tamin’ny 9 jona tany Iabohazo ihany no nampiasain’ireto dahalo tamin’ny fanafihana nataon’izy ireo taty aoriana. Porofo izany, hoy ny zandary, fa iray tarika amin-dRemenabila tokoa ireo dahalo maty voatifitra tamin’io fotoana io. « Rehefa nojerena ny vodin’ireo bala-na »kalachnikov » miisa 54 nampiasain’ireo dahalo dia voamarina fa an’ny kaompanian’ny zandary ao Sakaraha.Very nandritra ny fifampitifirana nahafaty ireo zandary sy miaramila tany Iabohazo ireo bala ireo, raha naterin’ireo dahalo tao amin’ny Ben’ ny tanànan’i Ranotsara kosa ny basin’ireo mpitandro ny filaminana namoy ny ainy », hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Faralala |
|
Tatitra ofisialy – Mahatratra 180 ireo voalaza fa olon-dRemenabila maty Izay vao namoaka tatitra ofisialy faobe mahakasika an’ilay hetsika manokana fampandrian-tany notanterahina tany amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny, tao anatin’ny telo volana latsaka kely ny teo anivon’ny zandarimaria. Tafakatra 224 ny maty tao anatin’ny enim-bolana, ka ny 180 tamin’ireo dia voatondro ho olon-dRemenabila, ilay nambara fa lehiben’ny dahalo, avokoa. Omby 9 867 kosa no nangalarin’ireo dahalo ka ny 2 948 tamin’ireo no tafaverina tany amin’ny tompony. « Niisa 183 ireo olona maty talohan’ny nanaovana ny hetsika ka ny 140 tamin’ireo dia dahalo, ny 23 tamin’ireo no mpitandro ny filaminana ary ny 20 dia avy amin’ny fokonolona. Dahalo 40, fokonolona 1 kosa no maty taorian’ny hetsika »Tandroka » », hoy ny tatitra. « Ny 9 jona no namoizana ny folo tamin’ireo mpitandro ny filaminana, nandritra ny fifandonana tamin’ireo dahalo. Ny fokonolona tao Ranomafana kosa no namono ny 109 tamin’ireo dahalo mpiara-dia tamin-dRemenabila ireo », raha ny voalazan’ity tatitry ny zandarimaria ity ihany. Etsy andanin’izay dia olona 79 kosa no nosamborina, ka isan’ireo ilay voalaza ho mpimasin-dRemenabila, fantatra amin’ny anarana hoe »Tokanono ». « Omby 7 965 kosa no fantatra fa nalain’ny dahalo talohan’ny nisian’ny hetsika, ka ny 1 393 tamin’izy ireo ihany, izany hoe ny 17,48%, no tafaverina tany amin’ny tompony », hoy hatrany ilay tatitra. Nohamafisin’ny zandarimaria manokana fa « nihena 50,21% ny omby very tao anatin’ny telo volana nisian’ny hetsika Tandroka ». Ny 955 tamin’ireo omby 1 902 very dia efa tafaverina tany amin’ny tompony avokoa. Haja Randrianantoandro
|
|
Fampandrian-tany any Atsimo – Nivadika ho raharaha iraisam-pirenena ny fanenjehana an-dRemenabila Tafiditra lalina. Hiditra an-tsehatra hampanao fanadihadiana manokana mahakasika ny vokatry ny hetsika nataon’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny famongorana ny asan-dahalo izay nanenjehana an-dRemenabila, voatondro ho raindahiny amin’ireo dahalo any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ny eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Nisy omaly teny Mahazoarivo ny fihaonana manokana teo amin’ireo masoivoho vahiny miasa eto Madagasikara maromaro sy ireo solontena maharitr’ireo sampandrahara iraisam-pirenena niaraka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemantan’ny tetetezamita, nandinihana manokana ny fomba ahafahana mijery ifotony ny tena zava-misy marina mahakasika ity raharaha ity. Tapaka taorian’izay fa hiara-hiasa akaiky ny fitondram-panjakana malagasy sy ny Firenena mikambana amin’ny hanatanterahana «fanadihadiana tsy miankina» manodidina ny famongorana ny asan-dahalo sy ny fampandrian-tany nataon’ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana, tao anatin’ilay hetsika «Tandroka». «Mba tsy hisian’ny ahiahy eo amin’ireo firenen-dehibe momba an’io raharaha io no anton’ny naneken’ny governemanta ny fitakian’izy ireo ny hirosoana amin’io fanadihadiana io. Efa misy ary mbola hitohy ny fanadihadiana manokana hataon’ny governemanta mahakasika izany ary hisy ihany koa ny fanampian’ny Firenena mikambana », hoy ny fanazavan’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta Omer Beriziky, taorian’ity fihaonana teny Mahazoarivo omaly ity. Ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina eto amintsika, Leonidas Tezapsidis rahateo dia nanamarika fa «ilaina ny fisian’ny fifampitokisana tanteraka eo amin’ny fitondrana tetezamita sy ny iraisam-pirenena, indrindra eo amin’ny lafiny fandriampahalemana». «Isan’ny zava-dehibe rahateo ny fametrahana ny fitoniana izay antoka ahafahana miroso tsy misy ahiahy amin’ny fanatontosana ny fifidianana», hoy hatrany ity masoivoho ity nanamafy. JR sy FARALALA
Hanao fanadihadiana koa ny Rfi Araka ny loharanom-baovao marim-pototra dia hisy mpanao gazety vahiny avy amin’ny onjam-peo Rfi (radio france international) hidina any Atsimo hanadihady manokana mahakasika ny zava-nisy marina, nandritra ny hetsika «Tandroka» nataon’ny mpitandro ny filaminana. Ny avy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana raha nanontaniana mahakasika izany dia nanamarika fa «ilaina mihitsy ny mpanao gazety midina any an-toerana tahaka izany». «Vonona izahay hiaro azy ireo mba tsy hisian’ny lainga afafy aty an-drenivohitra», hoy ny tompon’andraikitra iray avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |