Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Rallye Miverena

Tafatafa tamin’i… Tafatafa tamin’i…

Eric Razafitsifera
Filohan’ny klioba Fmmsam
«Efa nasiam-panamboarana ny ampahany betsaka tamin’ny lalana»

*Ao Raha: Afa-po tamin’ny fanomanana iny Rallye Total Fmmsam iny ve ianareo?
-Eric Razafitsifera: Henjankenjana ihany ny fanomanana, saingy ataoko angamba fa tsy nitsanga-menatra ny klioba. Tsy misy ny mahafa-po fa ny an’ny Fmmsam dia miezaka hatrany ny hanatsara ny zava-bita tany aloha mba hanatsarana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanohana.

*A.R: Niniana nohasarotina tokoa ve ny lalana nodiavina tamin’ity indray mitoraka ity?
-E.R: Tsy hoe fanahy iniana fa efa tany am-piandohana no nanambarànay fa mafimafy ny lalana, indrindra eo Manankavaly. Ataoko fa tsy ho tsininay ny nety ho fihintsanana tsikelikely teo amin’ireo kalaza. Izahay anefa efa nanamboatra lalana satria betsaka tamin’ izy ireny no tena efa ratsy ka tsy maintsy nasiam-panamboarana, izay vola miala amin’ny klioba sy ny mpanohana.

*A.R: Hanao ahoana ny ho tohin’ny fandaharana ho an’ny klioba Fmmsam?
-E.R: Manaraka ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny Rallye aloha izahay. Tsy midika hoe vita ny anjaranay eo amin’ ny Rallye fa tsy maintsy manaraka ireo ekipazy misolo tena anay izahay. Eo amin’ny lafiny fikarakarana kosa dia ny Slalom no mbola hokara- karaina atsy ho atsy, izay tafiditra ihany koa ao amin’ ny fiadiana ny ho tompon-dakan’i Madagasikara.

Nangonin’i R. A

« Rallye total FMMSAM » – Noraofin’ny klioba Asacm  tanteraka ny lampihazo « Rallye total FMMSAM » – Noraofin’ny klioba Asacm tanteraka ny lampihazo

Ekipazy dimy avy amin’ny klioba Asacm no isan’ ireo tonga voalohany teny Andohatapenaka, nandritra ny Rallye Total Fmmsam, notontosaina tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ny Mitsubishi Evo IX noentin’i Mathieu sy Laurent, no nitana ny laharana voalohany tamin’ny filaharana ankapobeny, taorian’ireo dingana manokana 16 tsy maintsy nolalovana.

Vitany tao anatin’ny fe-potoana 2 ora 30 minitra 31 segaondra ny halavirana 183,5 km. Mbola mpikambana ao amin’ny Asacm ihany koa, Guiguibone sy Nat, nitondra ny Mitsubishi Evo IX no faharoa, tamin’ny alalan’ ny fe-potoana 2 ora 32 minitra 30 segaondra. I Mac Guillot sy Tsitsi, nitondra ny Subaru Sherco kosa no laharana fahatelo, izay mbola mpikambana ao amin’ny Asacm ihany koa, nahavita ny halavirana 2 ora 39 minitra 57 segaondra.

Hatrany amin’ny fiarakodia sarihin’ny kodiarana roa dia mbola mpikambana avy ao amin’ ny Asacm, Fidy sy Alain nitondra Renault Clio, no voalohany. Teo amin’ ny laharana fahadimy kosa, ary sambany no tonga hatramin’ny farany hatramin’izay nandraisany anjara, ry Tahiana niaraka tamin’ny Subaru (Asacm).

Niala an-daharana

Saika sahirana avokoa ireo mpanamory nandray anjara tamin’ity andiany fahafito tamin’ny Rallye Total ity, indrindra teo amin’ny dingana manokana teny Manankavaly. “Henjankenjana ny fifaninanana, saingy voafehy ny fiarakodia na dia teo aza ny lalana be vato tao Manankavaly ka nahatonga anay hitsitsy aloha”, hoy i Mathieu Andrianjafy, tompon’ny Rallye Total andiany fahafito.

Nanamora ny tsindry teo amin-dry Mathieu sy Guiguibone ny fialana an-daharan-dry Olivier sy Boom, izay tompondakan’i Madagasikara farany sy ny lefiny. Voatery niala an-daharana toy izany ihany koa i Louvel, izay nitondra Mitsubishi Evo VI, noho ny olana mekanika ihany. Tamin’ ireo 44 nandray ny fiaingana dia 15 sisa no nahatody hatramin’ny farany.

Roméo Andriamihaja

« Rallye total FMMSAM » – Mandravarava ry Boom sy ny Mitsubishi Evo X « Rallye total FMMSAM » – Mandravarava ry Boom sy ny Mitsubishi Evo X

Tsy nisy namelan’i Boom sy Berthin avokoa ireo dingana manokana roa teo amin’ny andro voalohany ho an’ny “Rallye Total Fmmsam”, izay nanomboka omaly. Tamin’ny dingana manokana voalohany dia nitarika tamin’ny alalan’ny fe-potoana 7’26’’ ny fiara Mitsubishi Evo X nentin’izy ireo. Telo segaondra no nanelanelana azy sy Mathieu, izay nitondra Mitsubishi Evo IX. Teny Andohatampenaka ihany koa dia mbola voan-dry Boom tamin’ny alalan’ny segaondra iray ny “zaza maditra”, araka ny anaram-bositra nomen’ny mpankafy rallye an’i Mathieu.

“Miezaka ny mitady toerana tsaratsara izahay amin’ity taom-pilalaovana ity. Tamin’ny taon-dasa dia nanana olana mekanika izahay, saingy voafehy ihany ny taom-pilalaovana ka nahatonga anay ho laharana faharoa. Ny ho laharana voalohany no tanjona, saingy miankina amin’ny herin’ny fiarakodia”, hoy i Berthin Randriamihaingo, mpana- mory mpanampy an’i Boom.

Tsy mbola afaka misioka

Teo amin’ny laharana fahatelo kosa no nisy an’i Olivier sy Haingo, tompondakan’i Mada- gasikara farany. Mbola tsy afa-misioka anefa ry Boom sy Berthin amin’ izao elanelam-potoana ananan’izy ireo izao (4 segaondra) fa mbola hitohy anio sy rahampitso ny fifaninanana, izay hisy dingana manokana 14. Isan’ireo tena atahoran’ ireto mpanamory ireto ny eo Manakavaly mivoaka an’i Maharidaza, mirefy 15,13 km.

“Rahampitso (ndlr: anio) no tena fifaninanana fa ny androany (ndlr: omaly) dia mbola fifampitsapana fotsiny. Ny fahavakisana kodiarana no tena tsy maintsy tandrovina. Na izany aza anefa dia tsy maintsy miezaka izahay ny haka ny laharana voalohany”, hoy indray i Mathieu Andrianjafy.

Eo amin’ny fiarakodia sarihina kodiaran-droa kosa dia i Tovonen sy ny Renault Clio no mbola manjakazaka arahin’
i Sitraka sy Fidinera akaiky. Valo segaondra no manasaraka an’i Tovo amin’i Sitraka.

Roméo Andriamihaja

« Rallye total FMMSAM » – Adin’i Olivier sy Boom ary Mathieu, ekipazy 44 no mandray anjara « Rallye total FMMSAM » – Adin’i Olivier sy Boom ary Mathieu, ekipazy 44 no mandray anjara

Ao anatin’ny fano- manana tanteraka ireo mpanamory fiarakodia hifaninana amin’ny “Rallye Total Fmmsam”, izay hanamarika ny andiany voa- lohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara hanomboka anio hatramin’ny 12 mey ho avy izao. Mahatratra 44 ireo ekipazy handray ny fiaingana anio. Isan’ireo tsy ao anaty lisitra i Kopela sy Nashemy.
Na izany aza dia isan’ ireo hanampy tosika an’ity sokajy ity i Gerard Louvel, izay niverina indray ary hiaraka amin’ny Mitsubishi Evo VI. I Teddy Rahamefy,  mpanampory mpanampy an’i Mathieu tany Afrika no hiaraka aminy.

Adin’ny telo lahy

Azo heverina izany fa adin’ireo telo lahy efa nifanandrina tamin’ny taon- dasa ihany ny andiany voalohany amin’ny fifa-
ninanana fanamoriana fiarakodia eto Madagasikara, ahitana an’i Olivier sy Boom ary Mathieu.

Ho an-dry Boom manokana dia «efa vita tsara ny fiarakodia». Mbola ilay teratany frantsay, Jean Luc Lenfant, mpikarakara ny fiarakodian’izy ireo hatrany no mitantana ny Mitsubishi Evo X Shell Helix-Tecno-Air Mada- gascar hoentin’izy ireo mandritra ny taom-pilalaovana.

Ho an’ny sarihin’ny kodiaran-droa kosa dia saika handray anjara hifanandrina amin-dry Tovonen sy Fidy ary Sitraka i Tax, nefa mbola misedra olana eo amin’ny tsy fahampian’ny kojakoja eo amin’ny fiarakodiany. Isan’ireo tsy azo tsinon- tsinoavina ihany koa i Janice Raharinosy na i Alcazaria, isan’ireo mpanamory vehivavy manambaka lehilahy eo amin’ity taranja ity. Nasehony izany tamin’ ireo fifaninanam-pirenana ho an’ny “Slalom”, ka nandreseny mpanamory lehilahy maro.

Roméo Andriamihaja

Fanamoriana fiarakodia – Hikendry ho ao anatin’ny laharana 10 voalohany ry Ndrianja sy ny PMU Madagascar Fanamoriana fiarakodia – Hikendry ho ao anatin’ny laharana 10 voalohany ry Ndrianja sy ny PMU Madagascar

Mandry ivohon’ny vato ny ekipazy misy an’i Ndrianja Rajemison sy Fanja Ramiakatsoavina, vadiny, amin’ny taom-pihazakazahana 2013 ho an’ny Rallye. “Ny 60 %-n’ny fandaniana amin’ny fiatrehana ny Rallye rehetra amin’ity taona ity dia niantohan’ny PMU Mada- gascar avokoa”, hoy i Fanja Ramiakatsoavina, izay mpiasa eo anivon’io orinasa io ary hotohanan’ ireo mpiasa maro mandritra ny rallye hanomboka amin’ny 10 mey izao.

Subaru mitapaka maitso sy fotsy no hoentin’izy mivady ireto mandritra ny taona. “Ilaina ny mpanohana tahaka izao mba tsy hieritreretan’ny mpifaninana intsony afa-tsy ny hazakazaka”, hoy i Ndrianja, izay mpana- mory efa niatrika fifaninanana hatramin’ny taona 2004. Ho azy dia tsy azo atao ny tsy mandray ny fiaingana sy ny mitsoaka an-daharana amin’izany. “Hoezahina kosa ny hahatafidirana ao anatin’ireo ekipazy 10 tonga voalohany fara faharatsiny”, hoy ihany ity mpanamory ity.

R A

Hazakaza-piarakodia – Hiantrano ao amin’ny Kianjan’ny Makis ny “Rallye Total Fmmsam” Hazakaza-piarakodia – Hiantrano ao amin’ny Kianjan’ny Makis ny “Rallye Total Fmmsam”

Hindrana! Ny Rallye Total Fmmsam no taranja hafa hampiasa voalohany ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka, fanomezan’ny Filoha Andry Rajoelina. Eny an-toerana no hatorian’ny fiarakodia (PC) raha eny amin’ny toeram-piantsonan’ ny fiara vaventy Ambohi- malaza kosa no hanaovana ny toerana fanamboarana. Hatao ny 10 – 12 mey ho avy izao, eto Antananarivo, ity andiany fahafito ho an’ny Rallye Total andiany faha-13 karakarain’ny Fmmsam ity.

“Ilaina ny fifanampiana eo amin’ireo taranja rehetra amin’ny fikojakojana ny kianja. Amin’ny alalan’ny hofany no hoentina manatanteraka izany. Misokatra ho an’ny rehetra rahateo izany kianja izany, izay tsy hampiasana ny kianja maitso”, hoy i Marcel Rakotomalala, filohan’ ny federasiona malagasin’ ny baolina lavalava.

“Ny fisian’ny fifidianana amin’ny volana jolay no nahatonga anay handroso ny fifaninanana”, hoy i Eric Razafitsifera, filohan’ny Firaisana Malagasy Mpanao Spaoro aotomobilina sy môtô (Fmmsam).

Isan’ny hampiavaka ity andiany ity ny fampi- akarana ny halaviran’ny fifaninanana ho lasa 419,270 km, raha 387,900 km izany tamin’ ny taon-dasa. Dingana manokana enina, miisa 16, no hiverimberenana ka hirefy 183,050 km ny fitambarany.
Tamin’ny taon-dasa dia i Titi sy MD, izay nitondra Subaru, no nandrombaka ny amboara. Noferana ho 45 ireo mpandray anjara raha 40 izany tamin’ny taon-dasa.

Tsara tohana

Fiarakodia roa no hitondra ny mariky ny Total amin’ity andiany fahafito ho an’ny Rallye Total Fmmsam ity. Saika ireo ekipazy manana ny lazany ary efa nisalotra ny anaram-boninahitra tompondakan’i Mada- gasikara izy ireo: dia ny fiara Subaru hoentin’i Olivier sy Haingo (Asa Tana), izay tompondaka farany, sy ny Mitsubishi Evo IX hoentin’i Mathieu sy Laurent (Asacm).

Roméo Andriamihaja

Hohamafisina ny aro loza

“Ny fiaraha-miasan’ny federasiona amin’ireo mpitandro ny filaminana sy ireo klioba no hoentina manamafy ny aro loza eny amin’ireo dingana manokana handalovan’ny rallye”, hoy indray i Sandy Solofonirina, sekretera jeneralin’ny Fmmsam sady talen’ny fifaninanana eo anivon’ny Rallye Total Fmmsam. “Hoentina mampihena ny mety ho lozam-pifamoivoizana izany rehetra izany”, araka ny nambarany hatrany.
Tamin’ny taon-dasa dia tsy vitsy tamin’ireo mpanamory no nimenomenona vokatry ny habetsahan’ ireo fahavakisana kodiarana noho ny vato atsipin’ ny olona teny amin’ny lalana.

Rallye total FMMSAM – Tsy handray anjara i Joda, efa vonona ry Mathieu Rallye total FMMSAM – Tsy handray anjara i Joda, efa vonona ry Mathieu

Efa naneho ny tsy fandraisany anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny fanamoriana fiarakodia na ny Rallye i Jean Yves Ranarivelo, na i Joda sy Rila Raivomam­pianina. “Mihevitra ny handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany izahay”, hoy i Joda, izay efa nandalo ny fifaninanana afrikanina tamin’ny taona 2011. Eo an-dalam-pivarotana ny fiarakodiany, Subaru, ihany koa izy ireo amin’izao fotoana izao.

Tsy ho tazana sahady izany izy mirahalahy ireo amin’ny dingana voalohany, izay karakarain’ny Fmmsam amin’ny 10 – 12 mey ho avy izao. Hahatratra 16 ireo dingana manokana an’ny Rallye Total, izay hanoka­fana ny taom-pilalaovana. Isan’ireo efa naneho ny fahavononany kosa ry Mathieu sy Olivier ary Boom. “Nanomana izahay. Efa hita ny fahavoazana tamin’ny taon-dasa ka nohatsaraina ny fiarakodia mba hahatsara koa ny fifaninanana”, hoy i Mathieu Andrianjafy, hitondra ny Mitsubishi Evo IX miaraka amin’i Laurent.

R A

Hazakaza-piarakodia – Lasan’i Sitraka ny amboara tamin’ny TMF Rally Hazakaza-piarakodia – Lasan’i Sitraka ny amboara tamin’ny TMF Rally

Norombahin’i Sitraka Rakotomalala, izay nitondra Renault Clio RS, ny amboara teo amin’ny dingana faharoa ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny slalom. Niala an-daharana teo amin’ny andro faharoa i Hariandry Razakaboana na Bona nitondra ny Seat Ibiza. Laharana fahafito kosa no nisy an’i Teddy Rahamefy, tompondaka farany, niaraka tamin’ny P 306 S16. Vitan’i Sitraka tamin’ny alalan’ny fe-potoana 3 minitra sy 10 segaondra 74 ny halaviran-dalana nifaninanana tamin’io fifaninanana nokarakarain’ny TMF Rally teny Ivato io. Tafiditra ho isan’ireo dimy voalohany (Top 5) kosa i Alcazaria, izay vehivavy nitondra ny Peugeot 205. Laharana fahefatra no nisy azy tamin’izany ary tara telo segaondra taty aorian’i Sitraka. Mbola tany aoriany avokoa ry Guiguibonne, Chris, Ptis Chinois ary Soloberg, izay samy mpandray anjara amin’ny Rallye avokoa.

Nisy ihany koa ny fifaninanana teo amin’ny “cross car” sy ny “Quad sy Ssv”, izay omena etsy ambany ireo vokatra. Hitohy amin’ny andiany karakarain’ny MSA eny Bevalala amin’ny 20 – 21 avrily izao ny fifaninanana manaraka.

R. A

Vokatra

Slalom (25)
1 – Sitraka (Renault Clio RS) 3’ 10’’ 74
2 –Daddy (Golf Trans D) 3’ 10’’ 41
3 – Saka MM (Super 5 Harena sy Haiky) 3’ 12’’ 79
4 – Alcazaria (P 205) 3’ 13’’ 95
Cross car (8)
1 – Nicky 3 15 70
2 – Joujou 3 16 62
3 – Kash 3 18 49

Quad sy SSV (9)
1 – Eric (Quad) 3’ 03” 22
2 – Hasina Kely (Quad) 3’ 10” 64
3 – Ando (SSV) 3’ 11” 08

Hazakaza-piarakodia – Hotsarain’ireo  klioba ny asan’ny federasiona Hazakaza-piarakodia – Hotsarain’ireo klioba ny asan’ny federasiona

Hotontosaina raham- pitso eny amin’ny lapan’ ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fivoriam-be fanao isan-taona eo amin’ ny federasiona malagasin’ ny fanatanjahantena mekanika na ny Fsam. Tsy isan’ireo federasiona miatrika fifidianana amin’ ity taona ity rahateo izy fa amin’ny taona 2014 vao hisy izany fanoloana birao mpanatanteraka izany. Miankina amin’ny tatitra ara-maoraly, ara-bola ataon’ny ekipan’i Jimmy Rakotofiringa na i Bebey no ahafahan’ireo klioba mikambana ao amin’io federasiona io manome fahatokisana indray azy ireo hitantana ny taom-pilalaovana manaraka.

Mbola azo heverina izany ny hisian’ny fanovana eo amin’ny tetiandron’ny fifaninanana rehetra amin’ ity taom-pilalaovana 2013 ity, na dia efa voasoritsoritra ihany aza izany tamin’ny fiandohan’ny taona. Tamin’ ny taon-dasa dia saika tontosa avokoa ireo
fandaharam-potoana nokasain’izy ireo natao ary tsapa nihatanora avokoa ireo tompondaka.

R.A

« Rallye des pilotes » – Noporofoin’i Olivier ny maha tompondaka azy « Rallye des pilotes » – Noporofoin’i Olivier ny maha tompondaka azy

Tanora vao misondrotra. Nohamafisin’i Olivier omaly, nandritra ny «rallye fotsy» nampitondraina ny anarana hoe “rallye des pilotes” ny naha tompondakan’i Madagasikara azy eo amin’ ny hazakaza-piarakodia. Toyota Celica no noentiny niaraka tamin’ Ny Anjara tamin’izany ary saika izy ireo avokoa no nahazo ny laharana voalohany tamin’ ireo dingana manokana efatra notontosaina tany Antsahamaina Carion.

Tamin’ny voalohany dia 6’40’’ no nahavitany ny 9 km. Niova ho 6’30’’ izany teo amin’ny dingana manokana faharoa sy fahatelo. Mbola nohatsarainy indray izany teo amin’ny dingana manokana fahefatra ka nataony tao anatin’ny fe-potoana 6’29’’ io halaviran-dalana nifaninanana io.

I Tax, izay niverina indray rehefa tsy hita tao anatin’ny roa taona teo ho eo, kosa no teo amin’ny laharana faharoa. Teo amin’ny laharana fahatelo vao hita i Guiguibone sy Fafahcop, izay nitondra Mitsubishi Evo IX, tara 1’18’’ taorian’ i Olivier.

Teo amin’ny sokajim-piarakodia “Side-by-Side Vehicle” (SSV), dia i Jaona Elita no nitana ny laharana voalohany, izay narahin’
i Lalah sy Rivo akaiky.

R.A

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite