Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Polisy Miverena

Heloka amin’ny tontolo iainana – Zandary sy polisy 50 miverina mianatra lalàna Heloka amin’ny tontolo iainana – Zandary sy polisy 50 miverina mianatra lalàna

Mihevitra ny hana-tsara ny fomba fanenjehana sy fampiharana ny lalàna ireo zandary sy polisy manoloana ireo heloka misesy momba ny tontolo iainana tsy misy fitsaharana. Mpanao famotorana 50 avy amin’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena no nomena fanofanana momba ny varotra iraisam-pirenena maha­kasika ireo biby sy zavamaniry atahorana ho lany tamingana (Cites) tetsy amin’ny foiben’ny hery vonjy taitran’ny polisim-pirenena (Fip) etsy Antanimora noho izany.

Omaly no niantom­boka ny fiofanana ni-araha-miasa tamin’ny Alliance Voahary gasy izay fiarahamonim-pirenena misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. “Adidinay mpitandro ny filaminana koa no miaro ny tontolo iainana. Heverina fa hanatsara ny fanenjehana sy fampiharana ireo lalàna ity fiofanana ity”, hoy Rakoton­dra­zaka Arsène, minisitry ny Filaminam-bahoaka.

Heverin’ny jeneraly Randrianazary, sekreteram- panjakana misahana ny Zandarimariam-pirenena fa “lesoka mantsy ny tsy fifehezana tsara ireo karazana fehezan-dalàna”.

HNA

Fanafihana – Nandraisana fepetra ny fivezivezena amin’ny alina Fanafihana – Nandraisana fepetra ny fivezivezena amin’ny alina

Nandray fepetra hentitra ny teo anivon’ ny polisy etsy amin’ny boriborintany fahatelo taorian’ilay fanafihana trano maromaro nitranga ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo teny an-toerana.

« Fepetra telo no noraisina mahakasika ny fivezivezena amin’ny alina. Ny voalohany dia ny fisavana kara-panondro ho an’ireo olona mandeha alina, ny faharoa dia ny fanidiana ireo trano fiso-troana zava-pisotro maha- mamo mbola misokatra aorian’ny amin’ny 9 ora. Any amin’ireny toerana ireny mantsy ireo jiolahy indraindray no mivori-vory. Ny faha-telo farany dia ny fitazomana ireo olona mamo mandeha amin’ny alina », hoy ny nambaran’ny kaomisera Razafindrazaka Hector, kaomiseran’ny boribo-rintany fahatelo.

Efa mizotra ny fana-dihadiana mikasika ilay fanafihana amin’izao fotoana izao izay iarahan’ ny polisin’ny boriborintany fahatelo sy ny BC Anosy.

Haja R.

Hetsiky ny polisy – Môtô maherin’ny  40 voasakana  fa tsy manara-dalàna Hetsiky ny polisy – Môtô maherin’ny  40 voasakana  fa tsy manara-dalàna

Môtô maherin’ny 40 no tsy nanara-dalàna nosakanan’ny polisy tetsy andohan’Analakely, omaly tontolo andro.

« Tsy nisy nanalana ireo fepetra nota-kiana, nanampy ireo efa nisy indray ary no natao. Tsy ny tsy fanaovana aroloha ihany fa ny tsy fanajana fanajanonana (stop) ihany koa dia isan’ny nanasaziana ireo mpitondra môtô », hoy ny manam-boninahitra polisy iray isan’ireo nanao ny hetsika teny an-toerana.

« Tsy mbola tonga any amin’ny fampi-dirana  »fourrière » aloha ny fepetra fa mbola notazonina ny môtô-n’izy ireo ary nasaina nandoa lamandy tetsy amin’ny polisy tetsy Tsaralalàna izy ireo. Rehefa voamarina fa voaloa ilay lamandy dia omena azy ireo ny môtô-ny », hoy hatrany ity manam-boninahitra ity.

Tsy hijanona intsony ity hetsika ataon’ ny polisy ity,araka ny fanamarihana nataon’ ity manam-boninahitra ity hatrany.

Haja R.

Polisim-pirenena – Hoarahi-maso akaiky ny fitondran-tenan’ireo vao noraisina Polisim-pirenena – Hoarahi-maso akaiky ny fitondran-tenan’ireo vao noraisina

Notontosaina omaly tany amin’ny sekolin’ny polisim-pirenena tany Antsirabe ny fametrahana ambany faneva ireo mpianatra ho  »inspec-teur » sy  »agent de police », andiany faha-20 nampiton-draina ny anarana hoe  »Raitra ». Zavatra maro no hitsarana ireo polisy ireo mandritra ny fiofanana ataony, indrindra fa ny fitondran-tena. Naha-tratra 301 ny isan’izy ireo, ka ny 47 tamin’ireo no vehivavy.

« 302 no isan’izy ireo tany am-piandohana fa ny iray kosa nalefa nody rehefa hita fa nitondra vohoka. Maharitra 12 volana ny faharetan’ny fiofanan’izy ireo eto amin’ny sekoly. Maro ny zavatra hitsa- rana azy ireo amin’izany ankoatra ny fanadinana farany toy ny fitondran-tena izay manana lanjan’isa 5 », hoy ny kaomisera divizionera Randimbisoa Blaise Richard, talen’ny sekoly.
Manamboninahitra miaramila sy sivily maro no tonga nanotrona ity lanonana ity tany Antsirabe.

Haja R.

Ankadindratombo – Vehivavy notazonin’ny polisy noho ny fividianana trano Ankadindratombo – Vehivavy notazonin’ny polisy noho ny fividianana trano

Niteraka olana teo amin’ny tompon’ny trano sy ny mpividy ny trano iray eny Ankadin-dratombo ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta, izay voalaza anefa fa nataon’ny an-daniny sy ny ankilany, sonia. Nametraka fitarainana milaza ny tsy fahaloavan’ny mpividy ny vidin’ny trano, ny tompon-trano teny amin’ny Fitsarana. Natao famotorana teny amin’ny polisin’ny Boriborintany faha-5 eny Mahamasina ilay vehivavy mpividy omaly, ary voatana vonjimaika taorian’izay.

« Nisy ny fifanarahana teo amin’izy ireo izay vita sonia tsara ary nilaza fa aloa tsikelikely ny vidin’ilay trano. Tamin’ny volana desambra ny fandoavana voalohany ary ny volana marsa indray ny manaraka. Tsy fantatra anefa izay antony fa nametraka fitoriana ilay vehi-vavy tompon’ny trano, milaza fa tsy nahaloa ny vidin’ny trano ny havanay », hoy ny fiana-kavian’ilay renim-pianakaviana nividy ilay trano eny Ankadindratombo.

« Ny vidin’ny trano tsy voaloa kanefa voa- laza fa kitihin’ilay mpividy no sady ipetrahany ny tranon’ilay olona. Nametraka fitoriana teny amin’ny Fitsarana ilay tompon’ny trano, ka nanome baiko anay ny hitazonana ilay olona nividy ilay trano ny Fitsarana », hoy kosa ny loharanom-baovao avy amin’ny polisy.

Faralala

Karohin’ny polisy – Mpanampy roa nitsoaka niaraka tamin’ ny vola Karohin’ny polisy – Mpanampy roa nitsoaka niaraka tamin’ ny vola

Navelan’ireo mpa-nampy nivoha teo ny varavaran’ny tompon-tranon’izy ireo. Lasa nitsoaka niaraka tamin’ ny entana kojakoja an-dakozia sy vola izy ireo ny alin’ny sabotsy teo, teny Ambohijatovo. Hatairana ny an’ny tompon-trano tsy naha- lala na inona na inona raha tsy ny maraina.

Nametraka fitoriana avy hatrany teny amin’ny polisy izy ireo ary karohina fatratra izy mianadahy amin’izao fotoana izao.

« Nisy banga ny vola tato an-trano. Nisy ihany koa ireo kojakoja an-dakozia izay nalain’izy ireo. Eo am-pijerena ireo entana rehetra ato an-trano ihany koa izahay izao satria tany ambany rihana no nipetraka ilay lehilahy nefa ao no misy ireo zava-maneno maro be ka tsy vita vetivety ny mijery an’ilay efitra », hoy ireo mpampiasa raha nametraka fitoriana teny amin’ny polisy.

Faralala

Fitandroana ny filaminana – Hovaina ny sata mifehy ny polisy Fitandroana ny filaminana – Hovaina ny sata mifehy ny polisy

Tapaka tamin’ny filankevitry ny governemanta omaly teny Mahazoarivo fa hisy ny fanam- boarana ny sata mifehy ny polisy rehetra manomboka any amin’ny farany ambany ka hatrany amin’ny polisy milanja ny galona ambony indrindra. Nanapaka ny amin’ny fampi-dirana polisy 650 vaovao ihany koa ny teny Mahazoarivo, omaly. Tsy mamaha tanteraka ny olana eo anivon’ny poli-sim-pirenena anefa izany, raha ny fanehoan-kevitr’ireo polisy tratra antso omaly.

« Ampahany ihany amin’ ny olana misy amin’izao foto-ana izao no voavaha raha tante- raka tokoa io fanitsiana ny sata mifehy anay io. Ny olana fototra ato aminay dia ny fampia-karana galona. Tsy mifanaraka amin’izay voalazan’ny sata mifehy anay ilay izy. Tsy maintsy hisy ihany ny hetsika hataonay raha toa ka tsy voavaly ny zavatra takianay satria manimba ny polisim-pirenena ny zava-misy », hoy ihany ny loharanom-baovao.

« Raha fampisondrotana galona izany dia tsy maintsy mandalo amin’ny filankevitry ny governemanta ary avy eo mandalo any amin’ny fiadidiana ny Filohan’ny tetezamita vao azo ekena. Ny tompon’ andraikitra ihany koa mandanjalanja tsara ny olona tokony hahazo anjara amin’izany fampisondrotana izany. Efa fantatra ny olona fototr’io fando- toana ny polisim-pirenena io, ka tsy maintsy hisy ny fepetra raisina mahakasika azy », hoy kosa ny contrôleur general Rakotondrazaka Arsène, mini-sitry ny Filaminana anatiny.

Faralala

Mananjary – Notafihin’ny fokonolona  ny kaomisarian’ny polisy Mananjary – Notafihin’ny fokonolona  ny kaomisarian’ny polisy

Noho ny fahafatesana olona iray vokatry ny ady teo aminy sy ny namany iray hafa, andro vitsy lasa izay no nahatonga ny andian’olona hitroatra tany Mananjary, afak’omaly. Nosamborin’ny polisy ilay lehilahy voa-laza ho nahavanon-doza io, ka henon’ny havan’ilay namany voalaza fa novonoiny. Nitaky ny famoahana izany tao amin’ny kaomisarian’ny polisy izy ireo hanaovana valifaty. Nisy ny fifandonana noho izany ka nisy tamin’ireo polisy no naratra. Voatery niditra an-tsehatra ny zandary nanampy ireo polisy.

« Niarakaraka nisotrosotro ireo lehilahy roa ireo, ny 20 desambra. Tsy fantatra izay olana teo amin-dry zareo fa niafara tamin’ny fifamonoana izany, ka namoy ny ainy ny iray. Omaly (mantsy ny afak’omaly) vao voasambotry ny polisy ilay ahiana ho nahavanon-doza. Teo no nahatonga ny korontana, ka ankoatra ireo polisy naratra izay voakasi-tanan’ny sasany tamin’ireo andian’olona, dia potika daholo ihany koa ny fitaovana tao amin’ilay biraon’ny polisy. Voaaro kosa ilay lehilahy ahiana ho nahavanon-doza », hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

Faralala

Fakana an-keriny – Polisy iray nampidirina am-ponja eny Tsiafahy Fakana an-keriny – Polisy iray nampidirina am-ponja eny Tsiafahy

Ny alatsinainy teo no nampidirina am-ponja eny Tsiafahy ilay polisy voasambotry ny zandary tany Alatsinainy-Bakaro, herinandro lasa izay. Ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminana anatiny dia milaza fa « efa voarohirohy tamina kolikoly nanaovana varo-maizina zava-mahadomelina io polisy io ary efa natolotra ny Fitsarana, saingy nahazo fahafahana vonjimaika ».

Mpandraharaha iray no nisy naka an-keriny tany Alatsinainy-Bakaro ary nitondra fiara ireo olon-dratsy. « Nosakanan’izy ireo ilay mpandraharaha nandeha môtô. Nampidirin’izy ireo tao anaty fiara ary notakian’izy ireo vola 20 tapitrisa ariary. Efa nanana 4 tapitrisa ariary anefa ilay mpandraharaha tany aminy tamin’io ary nomeny ireo jiolahy, saingy tsy nanaiky ireto farany. Nasain’izy ireo niantso ny havany ilay mpandraharaha mba hitady ilay vola, ka teo no tonga tany am-poto-tsofin’ny zandary ny raharaha ary niafara tamin’ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Ny iray tamin’ireo jiolahy no maty ary telo kosa azo sambo-belona ka isan’ireo ilay polisy », hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary any an-toerana.

Faralala

 

Finiavana ho matihanina – Harahi-maso akaiky ireo polisin’ny UIR vaovao Finiavana ho matihanina – Harahi-maso akaiky ireo polisin’ny UIR vaovao

Nisintona lesona tamin’ny zava-nisy teo aloha ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Nofanina manokana nandritra ny fotoana maharitra teny Antanimora ireo polisy mandrafitra indray ny Hery vonjy taitra (UIR), endrika vaovaon’ny Vondron’ny hery vonjy taitra (Gir) teo aloha. Hentitra ny minisitry ny Filaminana anatiny, ny contrôleur général Rakotondrazaka Arsène omaly raha nilaza fa « handraisana fepetra hentitra izay manao hadalàna amin’ireo ».

« Mino aho fa tsy hiverina intsony ny zava-nisy teo aloha teo anivon’ny Gir. Nanjaka loatra ny kolikoly, ka izany no antony nandravana an’io vondrona iray io ary namoronana ny Uir. Ny fanajana ny zon’ olombelona, ny fahaiza-manao eo am-panatanterahana ny asa, dia isan’ny nano-fanana an’ireo polisy ireo avokoa », hoy ihany ny minisitra. 24 ireo polisy ao amin’ ny Uir etsy Tsaralalàna izay hisahana ny eto Antananarivo Renivohitra, raha 12 kosa ny any Antsirabe.

Faralala  

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite