Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Oniversite Miverena

Oniversite Antananarivo – Misokatra ny tranonkala ifanakalozan’ny mpisehatra rehetra Oniversite Antananarivo – Misokatra ny tranonkala ifanakalozan’ny mpisehatra rehetra

Namorona ny tranonkala www.togetherweb.org, izay ahitana  ny momba oniversiten’Antananarivo ny fikambanana SFCG na ny “Search for common ground”, izay vao niforona eto Madagasikara.

« Sehatra natao ifandraisan’ ny mpianatra sy tompon’ andraikitra ety amin’ny oniversite io tranonkalam- pifandriasana io. Afaka mampiseho ny fitarainany ao anatin’io tranonkala io koa ny mpianatra », hoy Ravalison Tiana, tompon’ andrikaitra ao amin’ny SFCG, anisan’ny nananganana izany tranonkalam-pifandraisana izany.

B.A

Oniversite – Tsy hilefitra amin’ny fibo­do­ana tany tsy ara-dalàna ny Croua Oniversite – Tsy hilefitra amin’ny fibo­do­ana tany tsy ara-dalàna ny Croua

Mitady hahazo vaha­na loatra eny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny fibodoana tany ataon’ olon-tsotra. Efa nisy ny fidinana ifotony nanadiovana ny toeram-ponenan’ny mpianatra teny Ankatso I, ny volana marsa teo, nataon’ny mpiasa 17 mianadahy avy amin’ny ivon-toerana rezionaly mika­ra­kara ny fonenan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite (Croua) sy ny mpianatra.

“Sarona ireo mpibodo tany tsy ara-dalàna ka izy ireo indray no nitory ireo mpiasan’ny Croua eny anivon’ny polisy mpanao famotorana etsy Ambohi­dahy”, araka ny nambaran-dRavonjison Gabriel, tale lefitry ny Croua. Nampian’ity farany hatrany fa fanadiovana efa nahazoana alalana no natao ary tsikaritra tamin’izany ihany koa fa efa nahitana “borne” tsy ara-dalàna io tany io.

L.R

Fifaninanana eny Ankatso – Ar 14 000 dia ahafahana manomana ny fanadinana eny amin’ny oniversite Fifaninanana eny Ankatso – Ar 14 000 dia ahafahana manomana ny fanadinana eny amin’ny oniversite

Hafakely indray ny zavatra hita eny Ankatso eny amin’izao fotoana isian’ny fifaninanana samihafa handraisana mpianatra eny amin’ny oniversite izao. Raha elo sy latabatra ahitana ireo fiantsoana an-tariby isan-karazany no mandravaka ny arabe, manoloana ny vavahady hiditra ao amin’ny oniversite teo aloha, dia elo hafa kosa misy soratra karazana taranja no hita eny an-toerana. “Droit, sciences, économie, …”, no karazana soratra tazana. Mahasarika olona maro izay liana amin’ny fanamafisana ny fianarana mba hahafahana miatrika ny fifaninanana hiditra hianatra eny amin’ny oniversite ireo elo mitandahatra marobe.

“Zava-baovao tsy dia mbola fahitan’ny mpianatra firy ny endri-panadinana ety amin’ny oniversite. Efa dimy taona no nanaovana ny asa ary ampy ho an’ny taranja rehetra ny mpampianatra”, hoy R. Pano. Manodidina ny Ar 14 000 isaky ny taranja avokoa ny saran’ny fampianarana ho azy rehetra ireo. “Olona telo isan’andro no misoratra anarana eto aminay ary ny taranja momba ny Lalàna no tena be mpianatra indrindra”, hoy kosa R. Liva.

Olona avy nivoaka sy nahavita fianarana teny Ankatso no nambaran’ireo mpampanao “cours” fa misahana ny fampianarana. Rehefa fotoanan’ny fanadinana toy izao ihany vao miasa ireo olona ireo. Amin’ny voalohan’ny volana marsa izao kosa no fifaninanana farany hosahanin’izy ireo.

Lilia Rajaonah

Oniversiten’Antananarivo – Hisokatra amina firenena telo lehibe ny fiaraha-miasa Oniversiten’Antananarivo – Hisokatra amina firenena telo lehibe ny fiaraha-miasa

Hanome lanja ny fifanankalozan-kevitra sy ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra no tanjon’ny Filohan’ny oniversiten’Antananarivo vaovao,ny Pr Ramanoelina Panja Armand. Nambarany, omaly, taorian’ny nahalany azy ho filoha fa firenena telo lehibe no efa vonona amin’ny fiaraha-miasa. « Oniversite any ivelany maro toy ny ao Alemana, Frantsa ary Japon no efa vonona hanampy antsika. Fanampiana amin’ny alalan’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fiofanana akademika no hisongadina amin’izany », hoy izy.

Asa lehibe miandry ity filoha vaovao ity ihany koa ny momba ny vatsim-pianarana sy ny karaman’ny mpandraharaha ary ny tetibola fampandehanan-draharaha. Nambarany anefa fa tsy maintsy hodinihina akaiky ny momba ireo mba tsy hiverenan’ny fitokonana intsony. « Ilaina ny fandrindrana ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Mbola hisy ny fihaonana amin’ny minisitra aorian’ny didim-panjakana manendry anay », hoy Pr Ramanoelina Panja.

LR

Oniversite Ankatso – Nitarika tamin’ ny fifidianana ny Pr Ramanoelina Panja Oniversite Ankatso – Nitarika tamin’ ny fifidianana ny Pr Ramanoelina Panja

Tsy lany ho filoha hitantana ny oniversiten’ Antananarivo intsony Andriantsimahavandy Abel, raha araka ny valin’ny fifidianana notontosaina omaly. Ny profesora Ramanoelina Panja no nitarika tamin’ny isan’ny vato azo. Teo amin’ny laharana faharoa kosa ny Filoha teo aloha. Raha ny vokatra taorian’ny fifidianana izany no zohiana dia ny Pr Ramanoelina Panja indray no hitantanana ny oniversiten’Antananarivo, ao anatin’ny telo taona manaraka. “Izy avokoa no nitarika ny filaharana mane- rana ny sampam-pianarana rehetra, hatramin’ny mpan- draharaha”, hoy Randrian-tiana Richard, komity nikarakara ny fifidianana.

Manodidina ny 2 300 ireo tokony hifidy. Isan’ny fanambin’ny Pr Ramanoelina Panja ny fanatsarana ny fomba fitantanana eny amin’ ny oniversite, mba tsy hiverenan’ny fitokonana lavareny sy matetika intsony. Eo ihany koa ny fitadiavana fiaraha-miasa amin’ny oniversite hafa sy ny fitondrana tsara tantana.

LR

Antsiranana – Efa milamina ny Oniversite Antsiranana – Efa milamina ny Oniversite

“Havoaka manomboka androany (Ndlr : omaly zoma) ny  tetiandro fizaràna vatsim-pianarana, havoaka ireo  mpianatra nihoa-pefy tamin’ny
fitarihana grevy, ary  dia hiverina amin’ny  laoniny ny fampianarana …”, hoy ny fanambaràna nataon’ny minisitry ny Fampianarana ambony, Etienne Hilaire Razafindehibe taorian’ ny fihaonany tamin’ny mpampianatra mano- didina ny 100 tao amin’ ny Lapan’ny faritany Antsiranana.
Nidina tany an-toerana  nijery ifotony ny zava-nisy ny tenany, taorian’ ny roa andro nampa- fana vay ny fihetsiketsehan’ ny mpianatra tao Antsiranana , izay niafara tamin’ny fisamborana mpianatra dimy sy fandoroana ny fiaran’ny sampana Haisoratra eny amin’ny Oniversite.

Talohan’io dia nisy  ny fihaonany tamin’ireo  filohan’ny fikambanan’ ny mpianatra 13 izay misy eny an-toerana. Henjankenjana ny fifandresen-dahatra tao amin’ ny efitrano malalaky ny Rezidansan’ny faritra, tao amin’ny Place Kabary, izay ala nenina farany mba hialana amin’ny fanakatonana ny oniversite. Nifanaraka hamerina ny filaminana ihany anefa ny rehetra.

Raheriniaina

Oniversiten’Antsiranana – Mpianatra efatra voasambotra Oniversiten’Antsiranana – Mpianatra efatra voasambotra

Mpianatra dimy no  voasambotra tany Antsiranana omaly. Nifampitaona  vao  maraina teo  amin’ny Bloc G ireo mpitarika ny  fitokonana  ny  maraina, raha toa  ka tamin’ny 4 ora hariva  no  fihaonana nifanarahan’izy ireo  tamin’ny Lehiben’ny faritra hanohizana ny fifandresen-dahatra.

Noteren’ireo mpitarika ireo mpianatra rehetra tsy  ankanavaka ary noteteziny  isaky ny efitrano  mba hanatevin-daharana  ny  hetsik’izy ireo  . Tonga hatreny  amin’ny  Lycee Mixte ireo  mpianatra, saingy  efa nitsena azy teny  koa ireo  mpitandro  filaminana avy  amin’ny Emmo-reg.

Teny am-pilaharana dia  noravain’izy  ireo ny  tsenan’olona sendra azy  ireo. Talohan’izao anefa dia efa nametraka fitarainana  teny  anivon’ny  mpitandro filaminana  ireo fokonolona ao  Lazaret-avaratra noho ny fangalarana akoho sy  bengy nihatra tamin’ny tokantrano sasany. Nahiana mihitsy aza ny mety ho fifandonana teo amin’ny  mpianatra sy  ny fokonolona. Olana eo amin’ny vatsim-pianarana no nahatonga ity fihetsiketsehan’ny mpianatra ity.

Raheriniaina/Faralala

Olana eny amin’ny oniversite – Tsy nahafapo ireo mpianatra ny vatsim-pianarana Olana eny amin’ny oniversite – Tsy nahafapo ireo mpianatra ny vatsim-pianarana

Diso fanantenana. Nahatontosa ny fampanantenany, omaly, ny fanjakana tamin’ ny namoahana ny lisitry ny mpianatra nahazo vatsim-pianarana sy ny fahatongavan’ny vola teny Ankatso, saingy tsy nahafaly ireo mpianatra izany. Ny ankamaroan’ireo mpianatra ao amin’ny taona voalohany no nilaza fa tsy hita tao anatin’ny lisitra.

“25 000 isan-taona ny isan’ny mpianatra mahazo vatsim-pianarana ary tsy niova tamin’ity taona ity. Samy manana ny fandaminany ihany koa ny isaky ny departemanta”, hoy ny avy amin’ny minisiteran’ ny Fampianarana ambony. Mbola ny tao amin’ny sampam-pianarana Siansa ihany no hita fa nahazo izany vatsim-pianarana izany, omaly hariva. Maro ny mpianatra manahy ny tsy hahazo anjara amin’ ity vatsim-pianarana ity intsony ary efa somary nanatsidika izany rahateo ny minisitra Razafindehibe Etienne. “Nihena ny tetibolan’ny minisitera ary tokony hoamboarina ny mason-tsivana ho an’ireo mpianatra tokony hahazo vatsim-pianarana”, hoy ingahy minisitry ny Fampianarana ambony. Tsy mitovy hevitra aminy anefa ireo mpianatra.

-Rinasoa, (taona voalohany, momba ny Fitantanana) : “Ilain’ny mpianatra ny vatsim-pianarana indrindra amin’izao fotoana iakaran’ny saran-dalana izao. Tsy dia olana ho an’ny taona voalohany anefa raha tsy misy izany. Ireo any amin’ny taona fahatelo no tena mila azy amin’ny fanomanana boky”.

- Lalaina, (taona voalohany, taranja Toekarena) : “Tsy marisika hianatra intsony ny mpianatra raha tsy misy ny vatsim-pianarana. Ilaina amin’ny saran-dalana sy fividianana boky ary hofan-trano ho an’ireo mpianatra lavitra ray aman-dreny izy io”

- Randriamanga Rina, (taona voalohany, momba ny Fitantanana) : “Matoa misy ny minisitera mpiahy dia tokony hisy foana ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra. Raha hofoanana io dia tokony hofoanana koa ny minisitera. Noana ny mpianatra ka tokony hahazo avokoa”

- Ambinintsoa,  (taona voalohany, momba ny Fitantanana) : “Ilain’ny mpianatra ny vatsim-pianarana na dia tsy maha- vita tanteraka ny fiainany  aza. Mahasahana ny 70%-n’ny fanohanana ny fianaran’ny mpianatra izany”.

Nangonin’i Lilia Rajaonah

Oniversiten’Antananarivo – Mbola velona ny tora-bato, nanakoako ny baomba mandatsa-dranomaso Oniversiten’Antananarivo – Mbola velona ny tora-bato, nanakoako ny baomba mandatsa-dranomaso

Samy nanome toky hamaha ny olana amin’ity herinandro ity avokoa na ny minisiteran’ny Fampianarana ambony na ny Fiadidiana ny Tetezamita. Ity farany anefa nilaza fa ao anatin’ny 24 ora no hamoahana ny vatsim-pianarana dimy volana miampy fampitaovana Ar 50 000, taorian’ny fihaonana tamin’ny solontenan’ny mpianatra. Ny minisitra Razafindehibe Etienne kosa nibaboka fa ny vola mihitsy no tsy nisy. “Vatsim-pianarana iray volana sy fampitaovana ihany aloha no azo alefa”, hoy izy. Hatramin’ny omaly anefa tsy mbola nisy vola nirotsaka tao anatin’ny kitapom-bolan’ny oniversite, araka ny filazan »Andriatsimahavandy Abel, filohan’ny oniversite.

Tora-bato…

Miitra tahaka ny sima misioka ny olana eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo. Nanao fitokonana ihany koa ireo mpandraharaha noho ny fahataran’ny karaman’izy ireo. Ireo mpianatra kosa nanohy ny fitokonana nanomboka tamin’ny 9 ora maraina ary nidina nibahan-dalana sy nandoro kodiarana teo amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara fitaterana indray tamin’ny 11 ora. Nitohy ihany koa ny tora-bato sy fandefasana entona mandatsa-dranomaso.

Ahiana hafana araka izany eny Ankatso eny. Tsy niditra tany amin’ny faritry ny oniversite intsony kosa ireo mpitandro ny filaminana, omaly. Ny mpianatra ankilany mahita izany dia manararaotra mitora-bato avy any anatin’ny faritry ny oniversite.

Lilia Rajaonah

 

Olan’ny Oniversite – Noafahana vonjimaika avokoa ireo mpianatra Olan’ny Oniversite – Noafahana vonjimaika avokoa ireo mpianatra

Ny 12 novambra izao no hamoaka ny didy mahakasika an’ireo mpianatry ny oniversiten’ Antananarivo sy olon-tsotra roa nosamborin’ny mpitandro ny filaminana, taorian’ny fihetsike-tsehana teny Ankatso, ny alarobia sy ny alaka-misy lasa teo, ny Fitsarana. Noafahana vonjimaika avokoa aloha mandra-piandry izay didim-pitsarana, ireo rehetra voampanga .

Fanevatevana mpitandro ny filaminana, fandraisana anjara fivoriana an-dalambe ary fandraisana anjara tamin’ny fanaovana herisetra nanimbana fananan’olona sy fiarakodia no vesatra anenjehana azy ireo.

Indroa niantoana ny fotoam-pitsarana an’ity raharaha ity omaly teny Anosy. Ireo mpianatra valo lahy no notsaraina voalohany ka naharitra ora iray teo ho eo ny fitsarana azy ireo. Mpisolo-vava valo be izao no indray niaro an’ireto mpianatra ireto tamin’izany.

Telopolo minitra teo ho eo koa no naharetan’ ny fihainoan’ny Fitsarana ireo tsy mpianatra, izay nomena fahafahana vonjimaika ihany koa nony avy eo.

Haja R

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite