![]() |
Fitakian’ny mpitsabo – Tsy manana olana amin’ny fametraham-pialana faobe ny minisitera Miala any ny sazy. Nanamafy omaly ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Ndahimananjara Johanita fa efa miroso amin’ny fanadihadiana momba ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy tsy miverina miasa. “Tsy olana ny fametraham-pialana faobe, saingy tokony handinika lalina izy ireo raha tena vahaolana tokoa izany. Maro ny mitady asa raha izany no mitranga”, hoy ny minisitra. Nampahatsiahy izy fa miankina amin’ny tsy fandraisan’ny mpiasa tsirairay ny andraikiny amin’ny asany ny sazy miandry azy. Ny sendikan’ny mpitsabo mpanampy no tena voakasik’izany fametraham-pialana faobe izany. “Tsy mampihemotra anay izany. Tokony ho mailo kosa anefa ny rehetra satria tsy asa azo anendrena olona fahatany ny tontolon’ny fitsaboana. Tsy maintsy mandalo fiofanana telo taona farafahakeliny ny mpitsabo mpanampy aorian’ny fianarany vao tena mahafehy ny asa. Ain’olona anefa no holalaovina”, araka ny fahitan-dRakotonandrasana Valérien azy. |
![]() |
Fametraham-pialana – Efa mandrafitra ny taratasy ny Paramed Miandry fotsiny. Hentitra omaly ireo sendikan’ny mpitsabo mpanampy raha nilaza fa tena hiroso tokoa amin’ny fametraham-pialana faobe izy ireo. « Efa an-dalam-piketrehana ny taratasy izahay. Nilaza ny minisiteran’ny Fahasalama fa efa any ny lisitr’ireo ho tapaka karama. Tonga dia ataonay vonona kosa ny taratasy fa tsy hiandry karama tapaka izahay. Mafy izany tapaka karama izany, nefa izahay mihitsy no hampirisika ny minisiteran’ny Fahasalamana hanatontosa izany mba hipetraka ho tantara eto amin’ny firenena « , hoy Rakotonandrasana Valérien, mpitarika ny sendika. Ny minisitry ny Fahasalamana, Ndahimananjara Johanita anefa efa nilaza fa mbola tsy misy izany lisitra izany ary famerenana ilay mpiasa amin’ny andraikitra tokony ho sahaniny no dikan’ny « réquisition », saingy tsy maintsy hihatra anefa ny sazy raha mbola misy ny tsy fiverenana hiasa sy ny fitokonana lavareny. LR |
|
Dokotera sy mpitsabo mpanampy – Mbola manahirana ny fanangonana ny anaran’ireo mpitokona
Tsy hisy fanavahana. Efa manomboka mikononkonona ny lisitr’ireo sendikan’ny mpitsabo mpanampy sy ny dokotera manao fitokonana ihany koa ny eo anivon’ ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, taorian’izay nitranga ho an’ny seha-panabeazana. Mahatsiaro faha- sahiranana anefa ny minisitera amin’ny fanatanterahana izany raha ny loharanom-baovao marim-pototra. « Tsy fantatra intsony izay tena mitokona marina amin’ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy. Misy ihany ny manatanteraka ny fiandrasan-draharaha. Ireo mpitokona rahateo tsy tazana manao fihetsiketsehana intsony », raha ny nambaran’ity loharanom-baovao ity. Ny minisitra Ndahimananjara Johanita koa nanamafy fa efa an-dalam-panangonana izany. “Mbola tsy maintsy dinihina ireo tokony hosaziana, ny sazy hampiharina ary ny porofo matanjaka. Misy amin’ireo mpanao fitokonana mantsy no mety efa nahavita ny asany na mifanandrify amin’ny andro tsy fiasany no mandeha mitokona”, hoy ny minisitra. Nilaza ny mbola hanohy ny fitokonana kosa anefa ireo sendika roa ireo. Lilia Rajaonah |
![]() |
Filankevi-panjakana – Tsy nahazo rariny ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy Niala maina. “Manohin- tohina ny fiainan’ny olona amin’ny ankapobeny ny grevin’ny sendikan’ny mpitsabo mpanampy sy ny dokotera. Nolavina kosa ny fangatahan’izy ireo ny fanafoanana na fampiatoana ny fanerena hiasa na “réquisition de service””, araka ny fanapahan-kevitra navoakan’ ny filohan’ny filankevi-panjakana tetsy Anosy omaly. Horakoraka narahina hakiviana avy eo no nandraisan’ireo mpitsabo mpanampy sy ny dokotera izany. LR |
|
Fitokonan’ny mpitsabo – Fisiana fitoriana fiandry no niantsoan’ny polisy ireo mpitarika grevy
Fitoriana fiandry napetraka tale iray eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana no voalaza fa antony nampiantsoana an-dRakotonandrasana Valérien, mpitarika ny sendikan’ny mpitsabo mpanampy sy ny Dr Ndatason Frédéric, filohan’ny sendikan’ny mpitsabo, omaly maraina teny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava eny Anosy. « Fampahafantarana an’io fitoriana fiandry io ihany no nataon’ny polisy », hoy ny mpisolovava azy ireo, ny Me Andriamanjakasoa Ndranto. « Fandrahonana sy fanalam-baraka ary fanaparitahana vaovao tsy marina » no voalaza fa voarakitra ao anatin’io fitoriana fiandry napetraka tale iray eo anivon’ny minisitera io. Nilaza anefa Rakotonandrasana Valérien fa vao nikasa hametraka fitarainana fiandry tamin’ilay tale io indrindra ihany koa izy ireo. Raha ny filazany dia « manana porofo sy sary izy ireo fa nisy ny finiavana hanakorontana ny hetsika nataon’ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy teny amin’ny Hjra ». Ireto tompon’andraikitra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ireto izay milaza ny hanamafy hatrany ny hetsik’izy ireo, araka ny nivoitra tamin’ny fivoriamben’izy ireo, omaly.
MR |
|
Fitokonana – Ampanantsoin’ny polisy ireo mpitarika ny sendikan’ireo mpitsabo Nampanantsoina ho eny amin’ny sampan-draharahan’ny polisy misahana ny heloka bevava ( »brigade criminelle ») eny Anosy anio maraina Rakotonandrasana Valérien, filohan’ny sendikan’ny mpitsabo mpanampy sy ny Dr Ndatason Frédéric, mpitarika ny sendikan’ny dokotera. « Tsy fantatray izay antony hampanantsoina anay fa ny taratasy fampiantsoana no naterina tany amin’ny toeram-piasanay », hoy Rakotonandrasana Valérien. Ity farany izay mbola miandry ny didim-pitsarana amin’ny raharaha mahavoasingotra azy ary heverina hivoaka ny alatsinainy ho avy izao. Ny voalaza fa tsy fanampiana olona tra-doza no anenjehana azy amin’izany. Etsy andanin’izay dia tsy nampahafantatra ny anton’izao fiantsoana izao ihany koa ny kaomisera Velotsara Marcel, talen’ny fikarohana ny fandikan-keloka eo anivon’ny polisim-pirenena. Nampiaka-peo avy hatrany aloha ireo sendika mpitokona ary nanao antso amin’ny fampitsaharana ny voalazan’izy ireo fa fandrahonana sy fisamborana ary ny fanapahana karaman’ny mpiasam-panjakana. Omaly dia niova kianja nankeny amin’ny hôpitaly Joseph Raseta eny Befelatanana (Hjrb) indray ireo mpitsabo mpanampy sy ireo dokotera. Nisy ihany aloha ny fiandrasan-draharaha teny anivon’ny hopitaly. Ny alarobia teo izy ireo dia efa nametraka fitoriana teny anivon’ny Filankevi-panjakana ho fampiatoana ny fampiharana ilay didy manery ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy mitokona mba handray avy hatrany ny asany ary ho fanafoanana izany.
Monica Rasoloarison/Barphil Andriantsiferanarivo |
|
Fitokanan’ny dokotera – Mihamaro ny olona manatona mpitsabo tsy miankina
Mitombo ny isan’ireo olona manatona ny tobim- pitsaboana tsy miankina, noho ny fitokonan’ny mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy amin’ireo hopitalim-panjakana tato anatin’ny andro vitsivitsy izay. « Aleonay manatona avy hatrany ety amin’ny mpitsabo tsy miankina, na andoavam-bola aza, toy izay ho very fotoana fotsiny eny amin’ny hopitaly », hoy Ralimanana Fanan- tenana, renim-pianakaviana iray, nitondra ny zanany tetsy amin’ny mpitsabo tsy miankina iray etsy Antanimena. « Manantombo eo amin’ny 25% eo ny isan’ireo olona mizaha fahasalamana ety aminay, nandritra ny tapa-bolana teo ho eo izay », hoy ny Dr Sam Nériah, mpitsabo iray eny Anosibe. Ny Dr Andriarimanana Abel, etsy Antanimena koa dia nanamafy fa niakatra kely ny isan’ireo marary tonga ao aminy. « Raha manodidina ny 30 isan’andro eo ny marary, dia manantombo 10 eo izany amin’izao fotoana », hoy izy. Hita ho miha mahazo vahana ihany koa anefa ny fanaovana dokotera tenany, ankoatra izany. « Mihamaro ny olona manontany fanafody sy mividividy fahatany izany fotsiny amin’izao, raha momba ireo aretina tsotra toy ny sery sy ny kohaka na gripa tsotra », raha ny fanamarihan-dRanaivotiana Nirina, mpivarotra eny amin’ny farmasia iray eny Analakely, vokatr’ity fitokonan’ny mpitsabo ity. MR |
|
Raharaha Valerien – Hivoaka ny 16 jolay ny didim-pitsarana
Tarehy miramirana no nivoahan-dRakotonandrasana Jean Valérien, ilay mpitsabo mpanampy nosamborina teny amin’ny Hjra, ny alarobia 4 jolay teo, rehefa voalaza fa tsy nandray andraikitra nitsabo ireo naratra tamin’ny fifanosehana teny Mahamasina. « Tsy nisy mpitory. Tsy nisy vavolombelona. Tsy nahita maso akory izay olona naratra, nila famonjena ny olona narovako. Tahaka ny hoe fitiavana hamono an-karanany ny hetsik’ireto mpitsabo mpanampy no nisy », hoy ny Me Razafinjatovo Willy, mpisolovava ny voampanga. « Tsapako kosa fa tsy nisy »tsindry bokotra » na baiko avy any ambony ny fizotry ny fitsarana fa nandeha nangarahara. Miandry am-pitoniana izay didy havoakan’ny mpitsara amin’ny 16 jolay izahay », hoy ihany ity mpisolovava ity. B.A |
|
HJRA – Nokotabain’ny andian’olona ireo mpitsabo mitokona Toerana tsy azo itabatabana ny eny anivon’ny hopitaly. Omaly anefa dia nisy andian’olona tonga teny amin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (Hjra), nitaky tamin’ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy ny tokony hiverenan’izy ireo miasa. Fihetsika izay tsy nahafaly ny tompon’andraikitra teo anivon’ity hopitaly ity. « Misy lalàna mifehy ny faritry ny hôpitaly izay tsy azo itabatabana. Ho tonga amin’ny fampiharana izany izahay raha ilaina », araka ny fampahatsiahivan’ny Profesora Razafimahandry Jean Claude, lehiben’ny hopitaly Hjra Ampefiloha. « Fandrangitana anay no tena tetik’ireo antokon’olona ireo mba hisian’ny korontana ety amin’ny hopitaly. Tsy hanao izany velively anefa izahay fa fitakiana sendikaly no ataonay ka ato anatin’ny faritry ny hopitaly no hanaovana izany am-pilaminana », hoy ny fanazavan’ny solontenan’ireo mpitsabo sy mpitsabo mpanampy mitokona. Rakotonandrasana Valérien, mpitarika ny sendikan’ny mpitsabo mpanampy izay nilaza fa « miankina amin’ny filankevitry ny ministra anio no hanapahana ny fanamafisana ny hetsik’izy ireo na tsia ».
Lilia Rajaonah |
|
Fitokonan’ny mpitsabo – Nihena ireo tonga nanatona hopitalim-panjakana
Ny marary hatrany no tsy maintsy miafy. Tsy dia narisika firy nanatona ireo toeram-pitsaboam-panjakana intsony ny ankamaroan’ny marary noho ny fitokonan’ireo dokotera sy ireo mpitsabo mpanampy, raha zohiana amin’ny tarehimarika avy eo anivon’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Amin’ny ankapobeny dia manodidina ny 120 isan’andro ny olona raisin’ny eo anivon’ny sampana vonjy taitra ao amin’ ny hopitaly, saingy zara raha nisy 10 izany omaly maraina fotsiny. Saika ireo mpiana-draharaha avokoa no nisahana ny asa na ny ho an’ny mpitsabo izany na ny mpitsabo mpanampy. Voatery niandry fandaminana ihany koa ny eo amin’ny lafiny fandidiana, araka ny nambaran’ireo marary. Voalaza anefa fa saika notanterahina avokoa ireo fandidiana maika ka nisy ireo mpitsabo tsy miankina avy any ivelan’ny hôpitalim-panjakana nanampy tamin’izany. « Tsy maintsy atao ireo fandidiana maika. Ho an’ireo aretina afaka miandry kosa dia tsy maintsy mbola misy ny fandaminana hatao », hoy ny fanamafisan’ny Pr Razafimahandry Jean Claude, lehiben’ny Hjra. Manoloana izany rehetra izany dia mbola hita ho mandeha ila hatrany ny fitsaboana eny anivon’ny hopitalim- panjakana. Mbola nikatona tanteraka ny toerana fanaovana fitiliana izay iandraiketan’ny mpitsabo mpanampy manokana. Lilia Rajaonah |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |