|
Mihoitra amin’ny fiainana – Tovovavy mianatra eny amin’ny Oniversite nefa tsy manana tanana roa Manambaka ny matanjaka sy tsy manana fahasembanana. Tafita sy manohy ny fianarany noho ny herin-tsaina sy herim-batana i Nomenjanahary Francine, tsy nanana tanana hatrany an-kibon-dreniny. Taona faharoa amin’ny lalam-piofanana Sociologie eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ity tovovavy ity ankehitriny. Ireo tongony roa avokoa no ampiasainy,hanaovany ireo asa rehetra ampiasana tanana, hatramin’ny fiainany amin’ny ankapobeny. Miaina toy ny olona rehetra i Francine ary mahatsiaro ho manana tombony aza amin’ny fahaizany mifehy zavatra maro. « Matoa izao no nanaovan’Andriamanitra ahy dia fantatro fa mahavita zavatra aho ary miezaka amin’izany. Efa tena zatra tanteraka amin’izao toe-batako izao aho ary tsy mieritreritra ny hanao solo-tanana », hoy ity tovovavy ity omaly tetsy amin’ny tranony etsy Ambolokandrina. Mipetraka amin’ny tranon’ny mpianatra izy sy ireo zandriny telo. Ireto farany no manampy azy amin’ny zavatra tsy vitany, toy ny mantsaka rano, mibata zavatra mavesatra, … Etsy Anatihazo Isotry, tanàna nahalehibe azy no mipetraka ny ray aman-dreniny. 10 mianadahy ry Francine ary izy no zokiny indrindra. « Efa tanjoko ny hilofo amin’ny fianarana mba ho reharehan’ny ray aman-dreniko sy ny olona manohana ahy. Izaho ihany koa no zaza voalohany dia mba hanao modely ho an’ireo zandriko amin’ny fitiavana fianarana« , hoy izy. Raha fehezina dia ireo tongony roa no manolo ny tanany ka hanatanterahany ny asa fanoratana, fanindriana ireo bokotry ny solosaina, mipasoka, sy ny sisa… Seza miavaka Nandalo ny ambaratongam-pianarana rehetra i Francine, ary nianatra tamin’ny sekolim-pinoana hatrany. Maro ny ankizy miaiky ny fahaizany, hatreny amin’ny anjerimanontolo. « Tena mahay izy ary maharaka tsara ny lesona tononina rehetra raha miohatra amin’ny toe-batana ananany. Rehefa tsy mianatra aho dia any aminy no mindrana kahie handikana lesona, ny sorany rahateo tsara sy mazava. Izy koa sariaka sady tsy mifidy namana ka mora amin’ny ankizy ny manampy sy manatona azy », hoy Marosahanina Soloherinavalona, tovolahy mpiara-mianatra aminy. Efa manana seza manokana mihitsy i Francine any am-pianarana. Izy ihany no nanamboatra io seza io ary nentiny tamin’ireo kilasy sy sekoly rehetra nolalovany. Todiny tany amin’ny ivon-toerana nanaovany Bakalorea mihitsy izany seza izany. Kitapo babena an-damosina hatrany kosa no fitondrany rehefa mandeha mianatra izy. Mikiky trondro Isan’ny raharaha sy sakafo ankafizin’i Francine indrindra ny trondro ary vitany hatramin’ny mikiky izany trondro izany sy ny mahandro azy. « Tsy mbola naratran’ny antsy mihitsy ny tongoko ary tsy mbola namaky fitaovana mihitsy aho amin’ireo rantsan-tongotro ireo », araka ny fitantarany. Vitan’i Francine avokoa na ny mahandro sakafo, mipasoka, manjaitra, mandefa fahitalavitra, manoratra, mijery solosaina… hatramin’ny fanaovana tsipy kanetibe. Misy olona manohana sy manampy azy mihitsy amin’ny fanaovana io taranja io sy ny hazakazaka, isan’ny hilofosany mafy. « Efa saika hanao fifaninanana tsipy kanetibe aho saingy nifanindry tamin’ny fanadinana. Nampandeferiko izany satria misy isan-taona fa ny fanadinana indray mandeha ihany« , hoy i Francine. Matetika no tratran’ny folaka ny hoza-tongony (Crampe) rehefa tena miasa mafy. Indray mandeha isaky ny telo volana izy no nambarany fa tratran’izany. « Taloha aho mianjera matetika dia torana satria ny lohako no lasa aloha noho izaho tsy manana tanana hianteherana. Hatramin’ny nanaovako ireo fanatanjahantena ireo anefa dia tsy nianjera intsony aho », hoy izy. Mibango volo Isan’ny zavatra iray tsy maintsy ilàny fanampiana ihany koa ny fidiovana rehefa misaika sy ny fampidirana akanjo. Mety aminy avokoa ny akanjo rehetra ary matetika izy no manao pataloha satria manainga tongotra matetika rehefa misy zavatra atao mahakasika ny loha. « Manao akanjo ambony lava tanana foana aho fa tsy tiako ny jerijeren’ny olona sy fosafosain’ny olona« , hoy izy nahitsy. Ny tongony ihany koa no hibangoany volo sy hampiasany ny finday rehefa miresaka amin’ny olona izy. Manana toe-batana malefaka (souple) izy ka ahafahany mametaka ny finday eo amin’ny sofiny. « Tsy maintsy atao madio foana ny tongotra ary manao kapa mora esorina. Indraindray koa aho anefa manao ireny kiraro avo vodin tongotra ireny », hoy Francine sady mitsiky. Maty tampoka Fahatsiarovana tena ratsy tsaroan’i Francine teo amin’ny fiainany ny nahafatesan’ny zandriny tampoka. « Io zandriko io no tena akaiky ahy sady nifankatia be tamiko. Izy no nanampy ahy tamin’ny zavatra rehetra ary tsy manaiky mihitsy izy amin’izany« , hoy Francine sady somary nisento. Isan’ny zavatra tena tsy tiany kosa, araka ny filazany hatrany, ny mamerina fanadinana, ny fijerijeren’ny olona ary ny mifamaly. Toetra hitan’ny mpiara-monina aminy kosa ny fitiavany misangy. Sary sy soratra: Lilia Rajaonah |
|
Fanofanana fanatanjahantena – Nitokona koa ireo mpianatra 350 etsy Ampefiloha Miseho lany ny fitakiana. Horakoraka narahina sora-baventy sy filanjana saro-bilany no nanehoan’ireo mpianatra ao amin’ny taranja fanatanjahantena, etsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny fitakian’izy ireo ny vatsim-pianarana tsy voaray . « Efa dimy volana izahay no tsy nahazo vatsim-pianarana, ka matetika no tsy misakafo. Manahy ihany koa anefa izahay ny amin’ny ho avinay satria ireo zokinay efa nahavita fianarana teo aloha aza hatramin’izao mbola tsy nahazo toerana hiasana”, hoy i Andriamila Julius, mpitondra tenin’ny mpianatra ao amin’ny taona fahefatra. “Marina fa tsy naharay vatsim-pianarana sady tsy zarizary ny sakafon’ireo mpianatra ireo. Tratran’ny tsy fahasalamana ny mpitantana teo aloha ary nisy fiantraikany tamin’ny sekoly, ka nahatonga ny olana. Efa mikarakara izahay ary fara fahatarany amin’ny herinandro no hivoaka io vatsim-pianarana io”, hoy avy hatrany kosa ny fampanantenana avy amin’i Monja Dinard, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena. Tsy nisy fampianarana nandeha mihitsy tetsy Ampefiloha omaly tontolo andro, ary tsy nisy olona tafiditra ihany koa tao an-toerana. Nobahanan’ny mpianatra dabilio rahateo ny lalana miditra ao ka na ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Emmoreg aza tsy afaka niditra tao anatiny fa kosa niandry teny ivelany teny amin’ny arabe. LR |
|
Lycee eto Antananarivo – Tsy misy rafitra manoro lalana ireo tanora momba ny asa eto amintsika Natomboka omaly tao amin’ny Lycée JJ Rabearivelo ny fitetezana ireo Lycée fito eto an-drenivohitra, miampy ny Lycée, eny Mahitsy, hatramin’ny 12 avrily. Olona efa amperinasa 150 matihanina avy amin’ny sehatr’asa samihafa no hizara amin’ireo mpianatra 3 800 ao amin’ny kilasy faha-2 ny asa ataony, hahafahan’ireo mpianatra misaintsaina izay asa tiany hatao rahampitso. Nikarakara ity hetsika ity ny Rotary club Antananarivo Ainga, tarihin’ny Dr Ramananarivo Miharisoa. Nambaran’ity farany fa “ny tsy fisian’ny rafitra mpanoro lalana ny tanora momba izay asa mety hataony rehefa vita ny fianarany no tena anton’izao hetsika izao”, hoy ny Dr Ramananarivo Miharisoa. Nahitana dokotera, mpiasan’ny ladoany, polisy, zandary, mpamonjy voina, inspektera amin’ny hetra, asa tanana, mpandraharaha ara-toekarena… tamin’ireo nampita fahalalana. B.A HOY IZY IREO Razafiarimanga Hanitra, 15 taona. Ny hanao dokotera no efa noheverin-dRazafiarimanga Hanitra hatao rahampitso ka efa nikasa hanaraka ny sokajy C na D izy rehefa amin’ny kilasy famaranana. Niova anefa ny heviny rehefa nanaraka ny fiofanana ka ny hanao “styliste” indray no heveriny fa tsaratsara kokoa. “Asa sady fialamboly ny styliste no mahavelona”, hoy izy. Idriss Yacine, 15 taona “Efa masaka tao an-tsaiko hatramin’ ny ela ny hanao mpitsara. Vao mainka nohamafisin’ny fahalalana azoko tato ny hanao io asa io”. Miezaka tsara mianatra literatiora, fitenim-pirenena vahiny, tantara sy jeografia ny tenany. Patrick Tafitasoa, 17 taona Mialoha ny fiofanana, ny hanao zandary no efa safidiny. Azony ny fiofanana: tsy niova ny heviny. “Miezaka mianatra ny taranja siantifika sy manao fanatanjahantena aho. Ny Jeografia sy matematika ary ny fizika no tena ilofosako. Tsy amelako koa ny teny vahiny sy ny informatika fa ilaina daholo izany raha hanao zandary”, hoy izy. |
|
Mpianatra maty tany Chine – Mitantara ireo ora farany nampaharary sy nahafaty an’i Bob ny namany akaiky iray NIGADONA TENY AMIN’NY SERANAM-PIARAMANIDINA IVATO AFAK’OMALY ALINA NY RAZAN’ILAY TOVOLAHY MPIANATRA NAMOY NY ANY TANY CHINE. TSY NISY NETY NIRESAKA NY FIANAKAVIAN-DRATOMPOKOLAHY. NIEZAKA NITANTARA IZAY ZAVA-NISEHO NANOMBOKA TAMIN’NY FOTOANA NAMPAHARARY AN’I BOB SY NY ANDRON’NY NAHAFATESANY NY NAMANY AKAIKY IRAY. Tao anatin’ny alina maizim-be tokony ho tamin’ny 11 ora, afak’omaly, no nitsenan’ireo solotenan’ny fianakaviany an-dRakotomalala Harivelo Bruno na i Bob, ilay mpianatra maty tany Sina teo amin’ny faha-31 taonany, tetsy amin’ny seranam-piaramandina Ivato. Fitaintainana, ranomaso no niandrasana ilay feo tao amin’ilay vata fanamafisam-peo hoe : « ilazana isika rehetra fa tonga ny fiaramanidina avy any Guangzhou ». Tomefy olona ny tao amin’ny trano fiandrasana ireo olona avy nisidina tany ivelany, nisy ireo nilanja sora-baventy milaza ny alahelon’izy ireo, toy ny hoe : « nizaka sy niaritra ny mafy ary maty tany an-tanin’olona ». Ireo fianakavian’ilay namoy ny ainy tamin’izany efa tsy nahatombina teo alohan’ny toerana famoahana entana, tao amin’ny seranam-piaramandina ihany, namelatra latabatra norakofana lamba volomparasy hitsenana ny fahatongavan’ny razana. Nahavariana ihany ny tsy nahitana ny renin’itompokolahy, izay tsy tonga teny an-toerana nitsena an-janany. Raha ny filazan’ny olona iray, mpikambana ao anatin’ny fianakaviana, dia « tsy mety mino fa tonga aty an-tanindrazana ny fatin-janany fa mbola any Sina foana io renim-pianakaviana io. Tsy mety mijery an-janany izy sady toa tsy mety handevina ihany koa ». Nifafy ny erika madinika saingy tsy nampiala ny rehetra efa dodona samy te hahita ny fahatongavan’ny havany maty tany an-tanin’olona tany. Tokony ho tamin’ny misasak’alina, niraondraona ny feon’ny fiara fibatana entana nampiakatra ilay vata nisy ny vatana mangatsiakan’Itompokolahy teo ambonin’ilay latabatra. Nifamihina tao anaty ranomaso ireo fianakaviany. Ireto farany izay tsy nety naneho hevitra mihitsy mahakasika ny nahafaty an’i Bruno, fa sao miteniteny foana, hono. Tamin’ny 12 ora sy sasany no niainga tao amin’ny seranam-piaramanidina hihazo an’i Mandrimena, toerana hiandrasana azy, ilay razana. Efa ambivitra ny aina vao niditra hôpitaly Maso manganohano no niresahan’i Tihandraza Flobert ny niarahany niaina farany tamin’i Bruno tany an-tany lavitra tany. « Efa am-bolana maromaro izy no nitaraina taminay hoe ohatran’ny marary aho izany. Tamin’izay dia nolazainay izy hoe maninona isika raha mankany amin’ny hôpitaly ? Ny ampitson’io anefa dia nilaza indray izy fa hoe salama tsara tsy misy atahorana indray! ». Nandeha ny andro, nandeha ny volana, hoy ihany ity namany akaiky ity, dia nivonto be ny tongony havia, ny ampitso anefa dia nihena ilay fivontosana saingy ny havanana indray no nivonto. Nikaondoha ny ankizy rehetra iray trano, efatra izahay no niray trano, fa tokony hoentina mamonjy hôpitaly izy. « Manahirana be mihitsy ny fandehanana any amin’ny hôpitaly any Sina fa tsy mitovy ny any amin’ireo toeran-kafa. Mila manana Ar 800 000 aloha ahafahana manao ny fizahana na ny »consultation » sy ny tombatombana na ny »diagnostique » mba ahafantarana ny fototr’aretina. Mila mandoa 5000 Yuans na Ar 2 tapitrisa latsaka kely vao afaka miditra hôpitaly », hoy ihany i Flobert. « Efa tamin’ny andron’ny nahafatesany vao afaka niditra tany amin’ny hôpitaly ilay rahalahinay saingy efa tara noho ny tsy fananana vola », hoy ihany ity namany ity. Ny fiainany farany « Tamin’ny alin’ny alatsinainy talohan’ny nahafatesany dia niara-natory avokoa izahay efatra mianadahy. Izy no niteny tamin’izay hoe aleo isika hatory amin’izay fa alina ny andro, dia natory izahay », hoy ihany i Flobert. Taitra izy tamin’ny 5 ora sy sasany maraina sady nitabataba mafy hoe : « inona izany? ». Taitra ny iray trano ka nikoropaka namonjy azy, izy anefa efa manomboka tsy mahatsiaro tena. Izy efa tsy nahatsiaro io no nentina tany amin’ny hôpitaly ary izahay mpiara-mianatra sy namany no nanao tsipaipaika hitondrana azy tany. Isan’ireo mpianatra nahay indrindra izy tao am-pianarana, any Sina mantsy dia saika ny ankizy malagasy avokoa no lohany ao am-pianarana. Rahampitso zoma no fantatra fa hihaona amin’ireo mpianatra mandranto fianarana any Sina ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina. FANEHOAN-KEVITRA Dr HAMELO CHARLES (Filohan’ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra any ivelany) « Efa natahorana ny toe-pahasalamany » Vao nahazo antso izy fa maty ny rainy dia nanomboka narary fo izy noho ny tsy fahafahany mody manatrika ny fandevenana an-drainy. Mbola niampy ihany anefa izany tamin’ny fandrenesany ny tsy fahasalaman-dreniny. Manahirana anefa ny miditra hôpitaly any Sina satria tsy mitovy ny any amin’ireo firenena sasany izay sady afaka mianatra no miasa. Ny an’ny Sinoa dia rehefa mianatra dia mianatra. Rehefa vita ny fianarana vao miasa. Ny mahavariana dia ny any Sina ihany no tratran’izao toe-draharaha tsy mahazo vatsim-pianarana izao. Izao anefa no niafarany, namono olona ilay toe-javatra. Efa ela ihany izahay no niantso ny manam-pahefana handray andraikitra, saingy tsy misy mihaino. Tokony hojeren’ny fanjakana akaiky ny resaka hoe maro loatra ireo ankizy mianatra any ivelany satria raha ny tokony ho izy dia ankizy nanatitra antontan-taratasy teo anivon’ny sampan-draharaha manokana misahana ny fianarana any ivelany na ny Conabex no lasa any. RAMAHATRATRA Fleurquin (Mpianatra avy ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina) « Ny zavatra iainana mitovy no nahatongavana aty » Tsy misy maha samy hafa ny zavatra iainanay mpianatra ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina sy ny mpianatra mandranto fianarana any ivelany. Na ny trano ipetrahana na ny vatsim-pianarana. Tsy maintsy miray hina anefa raha tsy izany sy mahazo izay zavatra takiana. Amin’ny tranga sahala amin’izao dia tsy maintsy malahelo satria mpianatra tahaka ny tena no namoy ny ainy, sady amin’izay any an-tany lavitra ny fianakaviana. Mety hisy ihany ny hetsika hataon’ny mpianatra any Barikadimy amin’izao trangan-javatra izao satria isan’ireo mpianatra nandrandrain’ny Oniversite tokoa i Bob. Ny zavatra takianay mpianatra fotsiny dia hoe tokony haloa ara-potoana ny vatsim-pianarana fa tsy andrasana hisy zavatra mitranga sahala amin’izao. RAZAFINDEHIBE Etienne, Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa « Misy olana tsy maintsy atrehina » Efa misy ny fepetra raisin’ny fanjakana amin’izao fotoana izao amin’ireo mpianatra any ivelany. Misy ihany koa fenitra tokony hoarahina, io fenitra io izay feran’ny fanjakana. Raha ny vola zakan’ny fanjakana malagasy dia tokony ho 250 na 300 ihany no mpianatra mandranto fianarana any ivelany. Efa mahatratra 826 anefa izy amin’izao fotoana izao. Misy ny olana tsy maintsy atrehina amin’izao fotoana izao ary efa nolazaiko tamin’ny Filohan’ny tetezamita sy ny Praiminisitra io olana io. Efa mandeha kosa ny fikaroham-bahaolana amin’izao fotoana izao. Soratra : Haja Randrianatoandro Sary : Hery Rakotondrazaka
|
![]() |
Antanimena – Mpianatra roa lahy samy 14 taona tsy hita popoka Mailomailo avokoa ireo ray aman-drenin’ ny mpianatra ao amin’ny sekolim-pinoana iray etsy Antanimena. Zazalahy kely samy 14 taona mantsy no tsy hita popoka, nanomboka ny alakamisy antoandro teo rehefa avy nisakafo. “Efa nametraka filazana teny amin’ny manampahefana ny fianakavian’ireo zazalahy kely ireo, saingy mbola tsy nahitam-bokany izany hatramin’izao”, hoy ny nambaran’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ ity sekoly ity. “Akanjo fohy tanana miloko mavo, sy pataloha “jean” miloko manga no nanaovan’ilay iray tamin’izy ireo. Pataloha fotsy kosa ny an’ilay faharoa. Marihina fa samy manao aron’akanjo avokoa izy roa lahy ireo”, hoy hatrany ilay tompon’andraikitra. “Mbola tsy nahitam-bokany ny fikarohana azy roa lahy ireo hatramin’izao, ka iangaviana izay mahita azy ireo mba hampandre ny mpitandro ny filaminana akaiky azy indrindra”, hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Haja R. |
|
Lisea Jules Ferry – Mpianatra maro saika tsy tafody tavela tany am-pambolen-kazo
Sendra fisolokiana. Mitaraina ny ray aman-drenin’ ny mpianatra maro etsy amin’ny Lycée Jules Ferry Faravohitra, fa tavela alim-be, tany Ambohimanga Rova, toerana nanaovan’ny sekoly fambolen-kazo, ny zoma lasa teo, ny zanak’izy ireo. Raha nanahy lesoka avy amin’ny tompon’andraikitry ny sekoly ireo ray aman-dreny dia voalaza fa nisy tamin’ireo taksibe tokony hitatitra ireo ankizy hody no nandà tsy hitondra azy ireo ny hariva. “Nisy ny fifanarahan’ny sekoly sy ny Club Vintsy tamin’ny kaoperativa Fafiava, zotra amin’iny Sabotsy Namehana iny, mikasika ny fitaterana ny mpianatra. Fiara 36 no nifanaraka fa hitatitra. Ny tolakandro anefa, fiara 30 no efa lasa, nahavita ny fitaterana. Nitokona tsy nety nitatitra kosa ireo fiara enina ambiny, izay nilaza fa tsy voaloa ny volany, kanefa efa naloan’ny sekoly sy ny mpikarakara avokoa”, hoy Rabenary Prisqua, talen’ny Lycée Jules Ferry. Nampian’ity farany fa antony ara-pianakaviana no tsy maintsy nodiany tamin’io hariva io, saingy efa nisy ny lefiny sy mpampianatra hafa kosa nijanona tany Ambohimanga Rova nandamina ny raharaha mandra-pilamin’ny fampodiana ireo ankizy mpianatra. “Voatatitra ihany ny mpianatra, na alina aza, ary voatery nandoa vola amboniny aza izahay”, hoy ihany ity tale ity. “Hametraka fitoriana an’ilay mpanera, izay nitonona ho tompon’andraikitra tato amin’ny kaoperativa izahay. Ahiana ho nisoloky ka naka ny vola sy nanao ny fifanarahana tamin’ity sekoly ity, kanefa tsy nandalo teto aminay akory izy”, hoy avy hatrany kosa ny avy ao amin’ny kaoperativa Fafiava. MR |
|
Oniversiten’Antananarivo – Mbola velona ny tora-bato, nanakoako ny baomba mandatsa-dranomaso Samy nanome toky hamaha ny olana amin’ity herinandro ity avokoa na ny minisiteran’ny Fampianarana ambony na ny Fiadidiana ny Tetezamita. Ity farany anefa nilaza fa ao anatin’ny 24 ora no hamoahana ny vatsim-pianarana dimy volana miampy fampitaovana Ar 50 000, taorian’ny fihaonana tamin’ny solontenan’ny mpianatra. Ny minisitra Razafindehibe Etienne kosa nibaboka fa ny vola mihitsy no tsy nisy. “Vatsim-pianarana iray volana sy fampitaovana ihany aloha no azo alefa”, hoy izy. Hatramin’ny omaly anefa tsy mbola nisy vola nirotsaka tao anatin’ny kitapom-bolan’ny oniversite, araka ny filazan »Andriatsimahavandy Abel, filohan’ny oniversite. Tora-bato… Miitra tahaka ny sima misioka ny olana eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo. Nanao fitokonana ihany koa ireo mpandraharaha noho ny fahataran’ny karaman’izy ireo. Ireo mpianatra kosa nanohy ny fitokonana nanomboka tamin’ny 9 ora maraina ary nidina nibahan-dalana sy nandoro kodiarana teo amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara fitaterana indray tamin’ny 11 ora. Nitohy ihany koa ny tora-bato sy fandefasana entona mandatsa-dranomaso. Ahiana hafana araka izany eny Ankatso eny. Tsy niditra tany amin’ny faritry ny oniversite intsony kosa ireo mpitandro ny filaminana, omaly. Ny mpianatra ankilany mahita izany dia manararaotra mitora-bato avy any anatin’ny faritry ny oniversite. Lilia Rajaonah
|
![]() |
Olan’ny Oniversite – Noafahana vonjimaika avokoa ireo mpianatra Ny 12 novambra izao no hamoaka ny didy mahakasika an’ireo mpianatry ny oniversiten’ Antananarivo sy olon-tsotra roa nosamborin’ny mpitandro ny filaminana, taorian’ny fihetsike-tsehana teny Ankatso, ny alarobia sy ny alaka-misy lasa teo, ny Fitsarana. Noafahana vonjimaika avokoa aloha mandra-piandry izay didim-pitsarana, ireo rehetra voampanga . Fanevatevana mpitandro ny filaminana, fandraisana anjara fivoriana an-dalambe ary fandraisana anjara tamin’ny fanaovana herisetra nanimbana fananan’olona sy fiarakodia no vesatra anenjehana azy ireo. Indroa niantoana ny fotoam-pitsarana an’ity raharaha ity omaly teny Anosy. Ireo mpianatra valo lahy no notsaraina voalohany ka naharitra ora iray teo ho eo ny fitsarana azy ireo. Mpisolo-vava valo be izao no indray niaro an’ireto mpianatra ireto tamin’izany. Telopolo minitra teo ho eo koa no naharetan’ ny fihainoan’ny Fitsarana ireo tsy mpianatra, izay nomena fahafahana vonjimaika ihany koa nony avy eo. Haja R |
|
Oniversiten’Antananarivo – Mikasa hananika an’Ambohi- tsorohitra ireo mpianatra
Hiaka-dapa. Mbola nitohy tamin’ny alarobia teo ny fifanenjehana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Naiditra am-ponja vonjimaika, rehefa avy nandalo Fampanoavana kosa tamin’io alarobia io ireo mpianatra 13 nosamborina ny talata. Noho izay tranga fampidirana am-ponja izay no ananan’ireo mpianatra fikasana ho eny amin’ny lapam-panjakana eny Ambohitsorohitra. Nambaran’ireo mpianatra fa efa vita sonia tamin’ny 19 okotobra avokoa ny antontan-taratasy rehetra mahakasika ilay vatsim-pianarana dimy volana sy famerenana ny saram- pisoratana anarana Ar 10 000. “Ao amin’ny minisitera mihitsy no misy lesoka. Ny fiadidiana ny Tetezamita no azo antoka fa hamaha ny olana”, araka ny fanantenan’ireo mpianatra. Mbola nisy mpianatra enina hafa voasambotra ny alarobia teo. Mpianatra iray naratra teo amin’ny lohany ihany koa no efa nalefa nody rehefa nahazo fitsaboana. Lilia Rajaonah |
|
Fifanjevoana teny Ankatso – Mpianatra 11 voasambotra, mpitandro filaminana sy mpianatra roa naratra Raikitra indray ny fifanjevoana teo amin’ireo mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ny mpitandro filaminana omaly. Naharitra ora valo ny fifandonana sy fifanenjehana ka nahatonga iretsy farany niditra tany anatin’ny faritry ny oniversite mihitsy. Nifamezivezy ny tora-bato avy amin’ny mpianatra sy ny baomba mandatsa-dranomaso avy amin’ny ankilany. Mpianatra 11 no voasambotra vokatr’izany ary mpianatra roa sy mpitandro filaminana roa no fantatra fa naratra. Entana maro ihany koa no simba sy may, hatramin’ny toeram-pivarotana. Faritry ny oniversite Tamin’ny 9 ora maraina dia efa vory, teo anoloan’ny sampam-pianarana Degs, ary nidina teny amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara fitaterana teny Ankatso ireo mpianatra. « Vao nigadona teo amin’io toerana io izahay dia nitora-bato avy hatrany ireo mpianatra. Tsy maintsy nosamborina ireo mpianatra nitsoaka tany anatin’ny faritry ny oniversite satria tratra ambodiomby nitoraka ary nandratra olona sy nanimba zavatra maro. Tokony ho foana ny maha faritra tsy azo idirana azy rehefa hita ny mpanakorontana », hoy kolonely Rakotondrazaka Andry, lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarmaria Analamanga. Tsy faly tamin’izany fidiran’ny mpitandro ny filaminana tany anatin’ny faritry ny oniversite izany ny avy amin’ny oniversite. « Tsy tokony hiditra aty amin’ny faritry ny oniversite ny mpitandro filaminana. Tsy nanala ny maha faritra tsy azo idirana azy izahay ary ny filohan’ny oniversite irery ihany no afaka manala izany », hoy i Harijaona Jean Jules, avy amin’ny fiadidiana ny oniversite. Mbola notazonina etsy Betongolo ireo mpianatra ireo hanaovana fanadihadiana ary nilaza ny mbola hanohy ny fitakiana ny vatsim-pianarana dimy volana ireto mpianatra ireto. Lilia Rajaonah
|


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |