Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Mpampianatra Miverena

Oniversite – Mbola tsy nivaly ny fangatahan’ireo mpampianatra Oniversite – Mbola tsy nivaly ny fangatahan’ireo mpampianatra

Nivoaka tamin’ny fahanginany indray ary miantso ny fanjakana ny mpampianatra mpikaroka mivondrona amin’ny Seces eny amin’ny oniversite. Efa tamin’ny tapaky ny volana marsa no niverina ny fampianarana eny amin’ ny oniversite, saingy nilaza ireo mpampianatra fa tsy mbola nivaly akory ny fangatahan’izy ireo. « Fampahatsiahivana ny fitondram-panjakana no ataonay satria mbola tsy tanterak’izy ireo ny fifana- rahana », hoy Rakotondrainibe Simon Richard, filohan’ ny Seces. Nilaza kosa anefa ireo mpampianatra fa mbola hana- tanteraka ny fampianarana ary hamita hatramin’ny farany ny taom-pianarana.

Momba ny famaranana ny taom-pianarana kosa indray anefa dia mety ahiana ny hihalavan’ny fialan-tsasatra ho an’ireo vao afaka fanadinana satria mety any amin’ny volana jona any vao vita tanteraka ny fandaharam- pianarana eny amin’ny oniversite. Ny tetibola fampandehanan-draharaha rahateo hatramin’izao mbola tsy tonga eny amin’ny oniversite.

 

LR

Fitokonan’ny mpampianatra – Izay fandaharam-pianarana vita no hanaovana fanadinana Fitokonan’ny mpampianatra – Izay fandaharam-pianarana vita no hanaovana fanadinana

Azo antoka hatreto fa tsy hisy fiovana ny datim-panadinana raha ny vaovao azo teny anivon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. “Tsy misy fihemorana ny fanadinana ary tsy maintsy miroso amin’ny fanenjehana ny fandaharam-pianarana ny mpampianatra”, hoy i Manoro Régis. Nanamafy kosa Fofa Dominique, tale jeneralin’ity minisitera ity fa raha sanatria tsy tratra ny fandaharam-potoana dia izay lesona vita no hanaovana fanadinana.

Ireto tompon’andraikitra ireto izay efa mahazo antoka sahady fa hitohy sy tokony hiverina amin’ny laoniny ny fampianarana manomboka anio alatsinainy, eny fa na dia tsy mankasitraka izany aza ny mpitarika ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe mivondrona ao anatin’ny Sempama. Mamerimberina hatrany ny fitakiany ny fampiakarana 80% ireo tambin-karama samihafa notadiaviny mantsy ireo mpanabe ao amin’ny Sempama.

Tsiahivina fa ny fanadinana Cepe, izay hatao amin’ny talata 10 jolay dia nomarihin’ireo tompon’andraikitra fa efa maro amin’ny mpampianatra no vonona handroso laza adina. Ho an’ireo fanadinana Bepc sy Bakalorea kosa indray dia mbola miankina amin’ny fiverenan’ny mpampianatra amin’ny asany no hamaritana ny daty hanolorana ny laza adina. Efa nisy rahateo toromarika momba ny fitohizan’ny fampianarana nomen’ny minisitra ireo talem-pampianarana manerana ny faritra 22, tamin’ny sabotsy maraina teo.

Ho an’ny anio dia nanome baiko ny handraisana ny lisitr’ireo mpampianatra tonga any amin’ny sekolim-panjakana tsirairay avy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

LR

Fitakian’ny mpampianatra – Hotapahina karama izay tsy miverina miasa Fitakian’ny mpampianatra – Hotapahina karama izay tsy miverina miasa

Tsy hitsitsy. Hentitra omaly ny ministry ny Fanabeazam-pirenena, Manoro Régis raha nilaza fa handray fepetra ho an’ireo mpampianatra tsy miverina mamonjy ny asany. « Efa nisy ny ezaka amin’ny fitadiavam-bahaolana ary vonona izahay hanondrotra Ar 20 000 tapitrisa isan-taona ny tambin-karama ho an’ny mpampianatra. Kitapom-bola efa mitovitovy amin’ny natao tamin’ny miaramilan’ny Capsat io », hoy ny minisitra.

Nanentana ireo mpampianatra sy ny tompon’andraikitry ny fanabeazana rehetra izy noho izany mba hiverina hampianatra amin’ny alatsinainy izao. “Tsy misy lalàna manamarina ny fanaovana fitokonana lavareny ary ny karama natao ho an’ny olona miasa. Hisy ny fepetra horaisina araka izany ho an’ireo izay mbola tsy miverina mampianatra, toy ny fanapahana karama, fanapahana ny fifanarahan’asa ho an’ireo mpiasa mbola tsy raikitra, fanafoanana ny fanampiana ho an’ny mpampianatra Fram », araka ny fampitandremana nataon’i Manoro Régis.

Ambenana miaramila

Nomen’ity ministra ity baiko ihany koa omaly ireo tompon’andraikitra rehetra isaky ny faritra iandraiketany (Dran, Cicso, Zap, …) mba hanao izay hisokafan’ny sekoly amin’ny alatsinainy ary handray lisitra ireo mpampianatra tsy tonga mampianatra.  » Ireo tompon’andraikitra tsy mahatanteraka baiko dia midika ho fametraham-pialana sy tsy fahazakana andraikitra », hoy hatrany ny minisitra. Nampiany aza fa azo atao ny miantso mpitandro filaminana hiambina eny anivon’ny sekoly raha misy mitady hanakorontana.

« 5% amin’ny fangatahana io natolony io ka tsy hiverina hampianatra izahay raha tsy mivaly ny 80% », hoy kosa ny avy amin’ny Sendikan’ny Mpanabe na Sempama. Ny eo anivon’ny minisitera anefa nilaza fa ny volana jona izao ihany dia efa hanomboka ny fandoavana ny tambin-karama vaovao, izay lasa mitombo manodidina ny Ar 459 770 isan’olona isan-taona.

Lilia Rajaonah

 

 

Fitakian’ny sempana – Nilaza hitokona koa ireo ray aman-dreny Fitakian’ny sempana – Nilaza hitokona koa ireo ray aman-dreny

Nampiaka-peo ny ray aman-dreny. Nivondrona ireo ray aman-drenin’ny mpianatra avy amin’ny sekolim-panjakana sy ny tsy miankina omaly maraina tetsy amin’ny zaridaina Antanimbarinandriana.  » Matahotra izahay sao dia hihemotra na tsy hisy mihitsy ny fanadinana nefa ny zanakay andoavana saram-pianarana isam-bolana », araka ny ahiahin’i Haingo Isabelle, avy amin’ny sekoly tsy miankina.  » Handray fepetra ny ray aman-dreny rehetra manerana ny faritra 22. Hanatona ny tale sy ny minisitra mihitsy izahay mba hanapahana ny karaman’ireo tsy miasa izay miteraka voka-dratsy amin’ny ho avin’ny zanakay », hoy kosa Razanatsara  Hantamalala, ray aman-drenin’ny mpianatra avy amin’ny sekolim-panjakana.

Manoloana izay fanapahana karama izay kosa dia nilaza ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Manoro Régis , fa « tsy mbola tonga amin’izany aloha hatramin’izao ». Toa manambara anefa izany teniny izany fa mety hisy ihany izany tranga izany.

Mampitandrina araka izany ireto ray aman-dreny ireto mba tsy hisian’ny taona fotsy. « Miantso ny mpampianatra izahay mba hitsinjo ny mpianatra fa tsy ho variana amin’ny resa-bola », hoy izy ireo.

LR

Fitokonan’ny mpampianatra – Nahazo fampitandremana ireo olom-panjakana mpampirisika Fitokonan’ny mpampianatra – Nahazo fampitandremana ireo olom-panjakana mpampirisika

Ao anatin’ny mason-drivo-doza ihany koa ankehitriny ireo tompon’andraiki-panjakana sasany ao anatin’ny fitondrana tetezamita ao. Tsy levonin’ny vavonin’ny Filohan’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, ny endrika fanomezana vahana ireo mpampianatra mpitokona ataon’ny tompon’andraikitra ambony sasany. Na tsy nivantana aza ny tenany dia tsinjo efa misy lasibatra heverina fa manohana ireo mpitokona ireo.
«Misy tompon’andraikitra ambony ao amin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao mampirisika ny mpampianatra hanao fitokonana mba hampikatsoana ny fanabeazana eto amin’ny firenena. Tsy ekena ny fanaovana takalon’aina ny ankizy ho amina antony politika», hoy ny fampitandremana nataon’i Andry Rajoelina. Nambarany fa tokony hamaha ny olana faran’izay haingana ireo tompon’andraikitra ireo fa tsy vao mainka hampihitsoka ny toe-draharaha indray no ataony.
Fanemorana fanadinana?
Ny hany vahaolana natolotry ny minisitra dia ny mety hihemoran’ny datim-panadinana. “Tsy fahotana ny manemotra ny datim-panadinana saingy mbola ezahina aloha ny mitady vahaolana”, hoy ny ministra Manoro Régis.
Mitady hihalalim-paka tokoa mantsy ity hetsiky ny mpampianatra izay tarihin’ny sendikan’ny mpanabe mivondrona ao amin’ny Sempama ity. Isan’ny tena atahoran’ny fanjakana ny tranga farany niseho ka nirosoan’ireo mpampianatra vitsivitsy avy amin’ny sekolim-panjakana, toy ny Ceg sy ny lycée teto an-drenivohitra sy ny manodidina, tamin’iny herinandro lasa iny. Nisy avy eo ny fanambarana navoakan’ny minisitera, izay toy ny tsy nihontsona akory nanoloana ny hambana fampikatsoana ny fampianarana ataon’ireo mpitokona, sady nampatsiahy ny zo fahafahana mitokona ananan’ireo mpampianatra. Ireo mpianatra hatrany anefa aloha no tena voa mafy hatreto.

MR

Fiainana any ivelany – Mpampianatra malagasy iray  mety ho voaroaka any Frantsa Fiainana any ivelany – Mpampianatra malagasy iray mety ho voaroaka any Frantsa

Raim-pianakaviana malagasy iray no mety ho voaroaka any Frantsa indray. Mpampianatra ny taranja  hairaha ara-toekarena ao amin’ny Lycée iray any Normandie, ity lehilahy ity.  Omaly dia nanao hetsika fiaraha-mientana ireo mpampianatra sy mpianatra ao amin’ilay sekoly ho fanohanana azy sy tsy ho fanekena ny mety ho fandroahana ity Malagasy ity.

«Miandry izay valintenin’ny prefektora ny tenako izao. Teo am-panavaozana ny fahafahako mipetraka aty aho no izao tsy nekena izao intsony. Ho hita eo ny tohiny», hoy Rabeharimanana Hery, ilay mpampianatra mety ho voaroaka, tamin’ny fahitalavitra iray tany an-toerana.

 

Faralala

 

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite