![]() |
Androy – Mitokona ny mpampianatra any Bekily Mifanolana ny mpampi- anatra sy ny tompon’ andraikitra voalohany amin’ ny Fari-piadidiam-pampi- anarana (Cisco), ao amin’ ny distrikan’i Bekily, any amin’ny faritra Androy. Nakaton’ireo mpampianatra ireo avokoa ny varavaran’ ny trano sekoly amin’ny ambaratonga voalohany tao amin’ity distrika ity, omaly, nanehoana ny fitakian’ izy ireo ny fialan’ny lehiben’ ny fari-piadidiam-pampianarana. Tonga nitangorona nano- didina ny biraon’ny Cisco izy ireo. “Nidina tao Bekily mihitsy ny talem-paritry ny fampianarana nikaroka vahaolana tamin’izao fifa- nolanana izao fa tsy mbola nahavaha olana”, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Tsy mazava izay tena votoatin’ny olana. Ny mampalahelo dia ny ho avin’ireo ankizy mpianatra no lasa natao takalon’aina amin’ny toe-draharaha toy izao. Fihetsika izay tsy mendrika ny mpanabe. B.A |
![]() |
Karama tsy voaray – Nanao hetsika tetsy Anosy ireo mpampianatra Fram Nanatanteraka fitokonana tetsy anoloan’ ny minisiteran’ny Fampianarana tetsy Anosy ireo mpampianatra Fram, omaly maraina. Hetsika ho fitakiana ny karaman’izy ireo tao anatin’ ny efa-bolana tsy mbola voaray izy io, raha ny fanamarihana nataon’izy ireo. “Tokony ho isaky ny roa volana izahay no mandray karama. Ny volana janoary-febroary dia mbola tsy voaray hatramin’izao. Ny marsa-avrily anefa efa tokony horaisina, saingy mbola tsy voaray izany hatramin’izao”, hoy ny nambaran-dRafaramalala Mevasoa, mpampianatra Fram. Rehefa nanatona tao amin’ny minisitera izahay, hoy hatrany ity mpampianatra ity, dia nilaza izy ireo fa tsy misy vola. Rehefa nanontaniana kosa ny talen’ny kabinetran’ny minisitera dia nilaza fa “tsy mahalala izany resaka karama tsy voaray izany”. Mbola hitohy anio ity hetsika ataon’ny mpampianatra Fram ity ary nilaza ny tsy hampianatra izy ireo raha tsy efa mivaly ny fitakiana. Haja R |
|
Ambilobe – Misy mpampianatra manohy ny asa no voarahona
Misy mpampianatra sasany ao amin’ny Zap Ambilobe, mpikambana amin’ny Sempama, mitety toeram-pianarana ka mandrahona izay mampianatra. Sady efa tsy mampianatra izy ireo no mandrahona ireo izay te hampianatra. “Na mbola tsy nisy akory aza ny grevy dia efa tsy hita tabilao tany an-tsekoly ny mpampianatra iray S.A sy ireo namany mitokona ireo, fa manao tsidi-pahitra ny sekoly any aminay fotsiny. Asa any an-toeran-kafa no ataony fa tsy miraharaha izay sekoly nametrahana azy”, hoy ny Ben’ny tanànan’i Mosorolava. Mampitaraina ireo Ben’ny tanàna ao amin’ny distrikan’Ambilobe ny zava-misy, ka niantso manokana ny Lehiben’ny faritra Romuald Bezara hivory hiaraka aminy izy ireo. « Malahelo izahay satria Ambilobe no lohalaharana amin’ny fanaovana kenda roroka ny fampianarana amin’izao fotoana izao, raha oharina amin’ny distrika hafa », hoy ny mpitondra teniny. Raheriniaina/B.A |
![]() |
Mpampianatra – Nilaza ho efa tapaka karama ireo mpitarika ny sendika Tena nihatra tokoa ve ny sazy? Nampitain’ ireo mpitarika ny sendikan’ ny mpampianatra mpanabe mivondrona ao anatin’ny Sempama omaly, nandritra ny hetsika nataon’izy ireo tetsy Ampefiloha fa niharan’ny fanapahana karama izy ireo. « Mpampianatra roa izahay teto Analamanga no efa niharan’izany. Ny tenako sy mpampianatra iray ao amin’ny LMA », hoy Ranivoarisoa Bodo, sekretera jeneralin’ny Sempama. Mpampianatra maro hafa kosa anefa no nilaza fa mbola tsy naharay ny »bon de caisse »-n’izy ireo. « Tsy mitombina izany fa tsy mbola nisy karama nivoaka izany », hoy kosa ny lehibe misahana ny mpiasa eo anivon’io minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Ranaivoson Olga. Na ireo mpitarika ny Sempama any amin’ny faritra rehetra koa aza dia samy nilaza fa tsy mbola nisy ny fahatongavan’ny karama. Nilaza ho samy mbola miandry izy ireo. LR |
![]() |
Fanerena mpiasa hiasa – Vao mainka nanamafy ny firaisankinany ireo sendika Taorian’ilay fanapahan-kevitry ny Filankevitry ny governemanta nivoaka ny 10 jolay teo, izay nanery ireo mpampianatra handray ny asany (réquisition) dia namoaka fanambaràna koa omaly ireo mpitarika ny sendika avy amin’ny Sempama, ny mpitsara, ny mpitsabo mpanampy, ny mpitsabo ary ny sendikan’ ny Banky Foibe, ny mpampianatra mpikaroka ary ireo rehetra mivondrona ao anatin’ny «Cellule de crise interministerielle des agents de l’Etat» . Nolazain’izy ireo, tamin’ny alalan’ny filohan’ny Sempama Raharovoatra Claude sy ny mpitarika ny sendikan’ny mpitsabo, Ndatason Fréderic, fa vao mainka hanamafy ny firaisan-kinany izy ireo. Teboka maromaro no voalazan’ireo mpitarika sendika ireto saingy ny tena nivoitra dia ny valy bontana tamin’iny fanapahan-kevitry ny governemanta iny. «Manoloana ireny fanerena tsy ara-drariny mahazo ny namanay sendika vitsivitsy ireny, dia manameloka tanteraka ny tsy fisian’ny fifanakolazan-kevitra manoloana ny TjR |
![]() |
Teknolojia fanabeazana – Mpampianatra avy any Antsirabe ho any Maroc Mpampianatra 10 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana mikasika ny famolavolana tetikasa hoenti-mampianatra mana- raka ny fivoaran’ny teknolo- jia, andiany fahenina natao omaly. Fifaninanana fanao isan-taona izy ity, izay entin’ ny minisiteran’ny Fanabe- azam-pirenena mandrisika ny fanomezana lanja ny teknolojia eo amin’ny tontolon’ny fampianarana. Fiaraha-miasan’ny mini- sitera amin’ny »Microsoft ». Razafiarison Odile avy any amin’ny Lycée André Resampa any Antsirabe no nahazo ny loka voalohany tamin’izany. Hisolo tena an’i Madagasikara izy amin’ ny fifaninanam-paritra aty Afrika hatao any Maroc, ny volana septambra ho avy izao. Ny tetikasa hampi- anarana ny teny alemana izay nampifandraisiny amin’ ny fialambolin’ny mpianatra amin’ny alalan’ny famo- ronana tranonkalam-pifan- draisana natokana ho amin’ izany no nanaovany fika- rohana ka nentiny nifaninana. Razananoro Michelle avy ao amin’ny Lycée Nanisana kosa no nahazo ny loka faharoa ary Randriankoto Luc Eloi, avy ao amin’ny Lycée moderne Ampefiloha no fahatelo. MR |
![]() |
Matsiatra ambony – Nampiditra mpampianatra vaovao 80 ny faritra Fepetra iray heverin’ ny mpitondra ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony hanalefahana ny voka-dratsin’ny fitokonan’ireo mpampianatra manaradia ny Sempama ny fampidirana mpampianatra tsy raikitra vaovao miisa 80. Halefa hampianatra any amin’ny Lycée sy ny kolejy fampianarana ankapobeny ao amin’ity faritra ity ireo mpampianatra vao nampidirina ireo. « Noraisina hikara- kara indrindra ny fiatrehana ireo fanadinana famaranana ny taom-pianarana no antony nandraisana azy ireo », hoy ny fanazavana avy ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony. « Haparitaka any amin’ ireo sekoly mila mpampi- anatra fanampiny izy ireo. Na nisy fitokonana na tsia dia efa tena tsy ampy ny isan’ny mpampianatra amin’ny ankapobeny », hoy hatrany ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. B.A |
|
Fitokonan’ny SEMPAMA – Mpampianatra dimy nosamborina Manam-pahefana ambony iray any amin’ny faritra Sofia no nisambotra mpampianatra dimy, isan’ny manaraka ny toromariky ny sendikan’ny mpampianatra (Sempama) ny hanohizana ny fitokonana, ny zoma teo, raha ny fitantaran-dRaharivelo Louise, lehiben’ny ZAP ao amin’ny faritra Sofia. Ny tsy fankasitrahan’io manam-pahefana io ny tsy fiverenan’ireo mpampianatra ireo amin’ny asany no anton’ny fisamborana, raha ny voalaza. «Rehefa tonga tany amin’ny mpitandro filaminana sy ny distrika anefa dia navotsotra ireo nosamborina», araka ny tatitr’ity tompon’andraikitry ny fampianarana any an-toerana ity ihany. Ny any amin’ny faritra no voalaza fa tena ahitana mpampianatra maro mitokona ka tena nampitaraina ireo raiamandreny. Tany Nosy Varika dia tonga hatrany amin’ny fivelesana daba, izay midika ho fanalam-baraka any amin’iny faritra iny, ireo mpampianatra maherin’ny 60 izay tsy nety niverina nampianatra. « Nanaovan’ny mponina fihetsiketsehana izy ireo rehefa tsy nety nampianatra ka voatery niala tany mihitsy. Noteren’ny mponina hanao fanambaràna hiverina hampianatra izy ireo nefa tsy nety nanao izany », hoy ny fitantatran-dRakotonirina Edmond, filohan’ny Sempama Mananjary. Loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena no nilaza mazava fa «tsy mbola nisy mihitsy aloha ny fanasaziana avy amin’ny minisitera hatreto». «Marary amin’ireo ray amandreny ny tsy fianaran’ny zanany, ka izay no mahatonga ny fihetsika tahaka ny tany Nosy Varika», hoy ihany ity tompon’andraikitra tsy nitonona anarana ity. LR |
|
Fihemoran’ny fanadinana – Nizara roa ny mpampianatra Sempama
Miziriziry amin’ny heviny. Nipoitra ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ireo mpam-pianatra mpanabe mano-loana ny fanambarana tamin’ ny fomba ofisialy ny fihemoran’ny datim-panadinana rehetra. Maro no nankasitraka iny fanapahan-kevitra iny ary nilaza ny hiverina hampianatra. Nisy ihany koa anefa no tsy nankasitraka, toy ny Sendikan’ ny mpanabe (Sempama) tarihin-dRaharovoatra Claude. Nivaky roa manoloana izany ireto mpampianatra Sempama ireto. « Saro-pady ny fampianarana ka tsy azo atao kitoatoa. Tokony hisy vaomiera siantifika manokana handinika ny fihemorana. Efa efa-bolana no tsy nianatra ka tokony hifanaraka amin’ izany ny fihemorana », hoy Raharovoatra Claude. Nana-mafy ihany koa anefa izy fa tsy mandray fanapahan-kevitra avy amin’ny minisiteran’ny Fana- beazam-pirenena intsony ary mbola hanohy ny fitokonana. Miray saina Ny mpampianatra Sempama nisintaka kosa, izay nivondrona ao anatin’ny Sempama Miray Saina (SMS) dia nilaza fa hiverina hampi-anatra. »Ny ho avin’ny ankizy no jerena ary efa mba nanao dingana ny minisi-tera », raha ny fahitan’i Nomenjanahary Tidison azy. Ity Sms ity dia nanatanteraka fivoriana niaraka tamin’ny vovonan’ny sendika sy ny fikambanana rehetra misy eo anivon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Tapak’izy ireo fa hotohizana ny fampianarana ary havadika ho lalàna ny fangatahana rehetra. Io vovonana ahitana sendika valo io dia misy ireo mpampianatra rehetra hatramin’ny mpampianatra Fram ka hatramin’ny mpam-pianatra »cértifiés ». Anio alatsinainy dia efa nilaza ny hiverina hampianatra izy ireo. Lilia Rajaonah |
|
Fitokonan’ny mpampianatra – Ahiana ho “varoboba” ny fifindran-kilasy eny amin’ny sekolim-panjakana Mihazakazaka sy antomotra ny datim-panadinana ofisialy. Ny ankamaroan’ny sekoly eto amintsika anefa zara raha nahavita ny fandaharam-pianarana. Niezaka manoloana izany ireo sekolim-panjakana mba hanafaingana sy hamita ny fanadinana fifindran-kilasy. « Efa nanao fanadinana avokoa ny ankamaroan’ny kilasy. Tsy nisy kosa ny fanadinana niraisana fa ireo fitsapam-pahaizana (DS) no nakana ny naoty hifindrana kilasy », araka ny vaovao nomen-dRazafindralambo Nirina, provizeran’ny Lycée Ampefiloha. Nilaza ny handinika ny datin’ny fanadinana andrana ity Lycée iray ity, izay mbola manahirana azy ireo, satria banga be ny taranja frantsay sy filozofia. Ny tao amin’ny Epp Ambanidia ihany koa nilaza fa efa nahavita ny fanadinana famaranana. « Nasaina namita ny fanadinana sy ny famerenana, ireo mpampianatra mialoha ny nanotronany ny fitokonana », hoy kosa Andrianavahy Hanta Chérie, talen’ny Epp. Ny any amin’ny faritra kosa izay samy nilazan’ireo tompon’andraikitra samihafa fa tsy misy izany fanadinana izany. Mbola ny 50% ka hatramin’ny 75% ny fandaharam-pianarana no vita hoy izy ireo. Raha mbola voaelingelina toy izany ny fanadinana fifindran-kilasy dia nilaza ny hanao fanambarana kosa anio na rahampitso ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. « Aorian’ny fitsidihana sy ny fanaovana tombana nandrefesana ny fandaharam-pianarana vita any amin’ny faritra no hanambaran’ny minisitra ny daty sy ny fizotran’ny fanadinana », hoy Rabetahina Pascal, sekretera jeneralin’ny minisitera. Lilia Rajaonah |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |