Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Matoanteny Miverena

Mifanitsa-kitro ! Mifanitsa-kitro !

Tratran’ny adin’angely ireo vondron’ny mpitatitra eto an-drenivohitra (Uctu) sy ny mpitatitra ivelan’ny renivohitra (Ucts). Raha hahazo tombony aloha ny mpandeha dia tsy maninona, saingy raha kilalao maloto hiteraka korontana ho an’ ny fitateram-bahoaka kosa dia tokony mba ho tonga saina ihany izay niketrika an’izao hevitra hampifanditra ny roa tonta izao.

Tsy lavina aloha fa ny fifaninanana eo amin’ireo taksibe no isan’ny hateraky ny fanitsahan’ireo fiara mpitatitra voatokana ho an’ny manodidina ny renivohitra hiditra amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra. Mazava ho azy ihany koa fa irohotana kokoa ireo taksiben’ny Ucts ireo satria hitazona ny saran-dalana Ar 300. Kanefa raha ho rava izao tetezamita izao, higadona ny Repoblika faha-IV, moa hijanona amin’izao ny toe-draharaha eo amin’ny sehatry ny fitaterana?

Fa ireo tompon-kevitra ankehitriny dia hitsilailay any ho any, ny ho avy izao hidirana angano. Ny amin’izao fotoana izao anefa aloha dia hirehareha fotsiny izy ireo fa nahita vahaolana hanampiana ny valalabemandry mpampiasa fiara fitateram-bahoaka amin’ny sarany mirary. Ho takona ny tsy fahaiza-manaon’ny sasany tsy nahavita nitazona ny saran-dalana Ar 300 teto an-drenivohitra.

Dia sanatria maro ny zavatra azo novaina sy ny lalàna azo nodikaina tamin’ity tetezamita ity. Fanovàna tokoa angaha izany! Tsy hanomezana rariny ireo mpitatitra eto an-drenivohitra ao anatin’ny Uctu aloha, satria diso fantatra loatra ihany koa ireo mpampiady angely nampirisika mafy io fampiaka-rana saran-dalana io ho amin’ny tombontsoany manokana, fa mba manaitra ny sain’ny manampahefana isan-tsokajiny ihany amin’ity fanohizana manaonao foana ity.

Asa raha ho vaky ny ady eo amin’ny Uctu sy ny Ucts. Mpinamana sy mpirahalahy mianala ihany anefa taloha. Zarazarain’ny firehana angamba ka izay vao hifanitsaka kitro kely eo ny andaniny sy ny ankilany, raha tsy voalamina io fifanitsahan’ny zotran-drenivohitra sy manodidina ny renivohitra io. Andraso moa dia ho hita eo ny tohiny… Sanatria ka ny vonjy tavanandro indray no handrehitra afo handoro antsika eto!

Rina Rasoava

Ny mpitokona sy ny tsy misy atokona Ny mpitokona sy ny tsy misy atokona

Mitohy ary mitovitovy, saingy tsy sahala ny sehom-pitokonana mitranga eto amintsika. Nanambana hampiato ny asany ireo mpamilin’ny taksibe amin’ny zotra 119 omaly, fa mitady hampihena ny fihinanany hono mantsy ireo tompon’ ny fiara fitaterana. Efa nitokona nanomboka ny zoma lasa teo kosa ireo mpiasan’ny Cnapmad, orinasam-panjakana mpamokatra fitaovam-pampianarana, noho ny fahataran’ny fandoavana karama. Mitovy tokoa satria samy ny fihinanana no voatohintohina. Tsy sahala kosa satria ny iray efa manana saingy manahy sao hanesorana indray izay mba azony, moa ny faharoa tena tsy nahazo na inona na inona mihitsy.

Toa mibaribary izao fa fitiavana te handraoka be ny an’ ireo tompom-piara nampirisika mafy ny hanondrotana ny saran-dalana ho Ar 400. Lainga marivo tototra ny an’izy ireo raha namerimberina fa matiantoka ny mpitatitra. Fa iza izany izao ireny mpitatitra nahavidy fiara vaovao na efa niasa nefa mbola tena mijoro amin’ny marika Mercedes Sprinter ireny? Aza tsahoana ny olona ka terena hino hoe hisy mpampiasa vola milaza fa matiantoka amin’ny sehatra iray, kanefa mbola manatontona vola hividianana fitaovana hanohizana ny asa amin’ilay sehatra ihany. Aleo ny tsy manan-kery ihany no hibaby ny famenoana ny kitapom-bolanareo e !!!!!!

Fa mba mankaleo ihany koa ity resaka fitokonana noho ny resaka fahataran’ny fandoavana karama ity. Angaha moa tsy efa isam-bolana ny fanonerana ny vidin-katsembohan’ ireo mpiasa? Tahaka ny eny amin’ny anjerimanontolo ihany. Isan- taona, olana foana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra ka miteraka gidragidra sy korontana tsy hahasoa na iza na iza akory.

Misy vorika mihitsy anie matoa miseho foana ny fitokonan’ny mpianatra e! Dia mahavariana ny fanendrena ireny tompon’andraikitra ambony amin’ny sehatra itrangana gidragidra lava ireny, kanefa tsy mahavaha olana akory. Na dia napetrapetraka amin’ny toerany fotsiny fa tsy misy atokona. Kitikitiho ihany ny fihinanan’ny olona e! Fa na mpamily taksibe na mpianatra samy efa mahay an’izany hoe mitokona sady mampatahotra izany…

Rina Rasoava

« Drikina politika » « Drikina politika »

Fanimpiriny tamin’ny fivoriana voalaza fa handinihana ny famahana krizy eto Madagasikara iny natao tetsy amin’ny lapan’i Mahazoarivo afak’omaly iny ? Ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no tena tiana tsindriana eto. Fomba fiteny mampiavaka ny Vondrona eoropeanina ity hoe « dinika politika » hahafahana mamaritra ny dingana mety na tsia hiverenan’ny fanampian’izy ireo an’i Madagasikara indray ity.

Niantomboka tamin’ny « Bla bla bla bla… ». Notohizan’ny « Bla bla bla bla… ». Ary tsy maintsy mifatratra any amin’ny fanelanelanana sy ny fanapahan-kevitry ny Sadc ihany no iafarany. Vao tsy ela akory anefa ireo maso-ivoho vahiny ao anatin’ny Vondrona eoropeanina no nanindrom- paingotra fa « ela fidona loatra hono ny Sadc ». Ka inona ihany no marina e ! Ny lelan’iza no tena itokisana?

Dia eto aloha hifampidinidinika eto. Ny Banky Iraisam-pirenena anefa milaza fa nitombo efatra tapitrisa indray hono ny isan’ny mahantra eto Madagasikara. Efa tsy vaovao intsony izany. Raha mitohy izao tetezamiitatra izao dia hahantra daholo ny Malagasy tsy mba manan-kavana mini-sitra, Ct, Cst… Ilay dinika politika mantsy toa fifanakalozan-kevitry ny moana sy ny marenina. Tsy nisy zava-baovao niova mihitsy tao anatin’izay efa ho efa-taona niainana krizy politika teto izay.

Ampanjakao ny fitoniana, avereno ireo sesitany politika, ataovy madio ny fiaraha-mitantana, ampanjakao ny zon’ olombelona, sy ny sisa tsy voatanisa, sady efa litania no am-betin-kafatry ny iraisam-pirenena! Efa hitam-poko hitam-pirenena anefa fa ny fidrikinan’ny andaniny sy ny ankilany no mampihitsoka ny raharaha. Tsy atoro an’izany ny fianakaviam- be iraisam-pirenena, fa indrindra ny Vondrona eoropeanina.
Ka raha manam-piniavana hanampy ny Malagasy hiala amin’izao gidragidra politika mandetika firenena izao ny vahiny dia io « drikina politika » io no tokony hofongoriny. Aza be fitapitapika manadala saim-bahoaka amin’ity fanombanana lava ny zava-misy eto Madagasikara ity, kanefa tsy misy miafina aminareo hoe aiza no lesoka mety tsy haha-tafitana any amin’izany fanatanterahana fifidianana madio, mangarahara ary eken’ny rehetra izany. Atsaharo ity fano-mezana daty lava sy fivavahana amin’ny Sadc ity!

Rina Rasoava

Akaiky vilany voky hena Akaiky vilany voky hena

Nitombo efa ho efatra tapitrisa ny Malagasy nahantra tao anatin’ny telo taona niandohan’ny krizy politika. Isan’ireo tare- himarika navoakan’ny Banky iraisam-pirenena farany mikasika ny lafiny rehetra mahasahana ny toekarena io. Tsy tokony misy hahagaga sy hatalanjona izany na koa hatao hamendrofendro. Raha ny marina dia vaovao tokony hahafaly ny fianakaviambe iraisam-pirenena izao tatitra momba ny fahantran’ny vahoaka malagasy fadiranovana izao. Sa izao izy ireo vao nahatsapa fa tsy ny mpitondra izay nolazainy fa nanongam-panjakana no nibata ny taolambe tsy mitapaka,novesaran’ny sazy isan-karazany nampihariny teto. Ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc aza moa dia faly sy ravo rehefa ataon’ny firenen-dehibe fahirano ny Malagasy, kanefa izy sy ny mpomba azy dia misora- tena ho tia tanindrazana.

Mba diniho kely ity zava-mifanohitra ity dia ho hitanao fa mivaona tanteraka ny tetika nataon’ny vahiny hanerena ny mpitondra fanjakana hanaraka ny baikony. Nisy fotoana dia tsy nahazo nivoaka tany ivelany ny mpitondra Tetezamita an- jatony, ary voalohany tamin’izany ingahy Rajoelina Andry. Taty aoriana anefa, tsy mbola nofafana io fepetra io, dia ry zareo indray no nanasa ity voasazy hihaona amin’ilay mpifanadrina aminy mivantana tatsy amin’ny Nosy Seychelles. Ary dia nomena ny voninahitra sy fikarakarana rehetra mendrika sy sahaza ny Filoham-panjakana, ankatoavin’izao tontolo izao ireny. Ny fanelanelanana nomena ny Sadc dia efa hatramin’ny ela no nandamoka, kanefa dia io no ifotoran-dry zareo hampiverina an’i Madagasikara ao anatin’ny ara-dalàna. Tsianjery efa maimbo tsy misy mihaino intsony!

Noho izany dia tsy zava-baovao tokony hanaitra velively ny fahantrana eto. Efa tandra vadin-koditra io. Nahazo fanam- piana an-tapitrisany dolara aza tototra tao anaty fahasahiranana, ka vao mainka fa tratry ny antsojay sy « halako bika tsy tiako tarehy ». Ny fomba  nampiasana ireny trosa be ireny no tsara hojerena sy ny fahombiazan’ireo tetikasa novatsiana hiadiana amin’ny fahantrana. Toa ny seminera no betsaka, lasa resa-pianakaviana ny fitantanan-draharaha ka ny fiara raitran’ireo mpitantana no nameno tanàna fa ny vokatra nandrasana tsy nisy. I Madagasikara anefa dia lazaina fa tany manana harena voajanahary tsy hita noanoa. Saingy ratsy zara izy ireny ka ny vitsy an’isa no mitavana sy migalabona, fa ny ankamaroany dia atao fanalana azy ao anaty antontan’isa sy fanadihadihana lalina efa mankaleo.

Eric Ranjalahy

Bandy sy rôla Bandy sy rôla

Ny eto amintsika izany tsy misy hetsika fitakiana tsy misy fitokonana izany. Sarotra ho an’ny rehetra ny hanao fangata-hana ao anatin’ny fitoniana, fahamendrehana ary filaminana. Ohatran’ny hoe misy mitady korontana izany foana, raha tsy izany tsy taitra ireo sehatra na mpitantana na tompon’ andraikitra iantefan’ny fitakiana. Ilay fitokonana tsy vitan’ny mitokona fotsiny fa tsy maintsy misy gidragidra kely foana. Taiza teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo no nisy fihetsi-ketsehan’ny mpianatra mba nangingina ?

Nanaitra kosa anefa na izany aza ny fidiran’ny mpitandro ny filaminana, araka ny anarany hoe saika hamerina ny filaminana, tao anatin’ny faritry ny Oniversiten’Anta-nanarivo. Tsy noesorina ary tsy nahazo alalana tamin’ny fanàlana ilay tsy fahafahan’ny mpitandro ny filaminana manitsaka ny faritry ny oniversite, na ny « franchise universitaire » akory anefa ny Emmo/Reg.

Dia iza izany no tena diso e! Izay nihavian’ny fanafintohinana ve, sa ireo nanaonao foana fa nentin-katezerana? Tezitra kosa satria betsaka ny zavatra simba, maro no voatora- bato. Adin’ny samy henjana angamba ka tsy hay intsony na ny mpitokona no adala, na ny mpitandro ny filaminana no tsy misy saina!

Fa nahitan-javatra tamin’ity herinandro ity. Mbola sahala amin’ny adin’ny be sandry…azafady, be basy mantsy e! ny an’ireo zandary sy ny mpiandry fonja, tohin’ny fanafihan’ny jiolahy ny banky iray tetsy Andraharo tamin’ny alarobia lasa teo. Lasa mifanebaka izy ireo ankehitriny. Mipika helika indray ireo tsy tia ny fitondrana tetezamita, ka mivavaka mafy hipoahan’ny adin’ireo antokon-draharaha roa ireo mba hampiongana ny fanjakana. Manontany tena ny ao an-dapa amin’ity gidragidra manala baraka ity.

Ny fahantrana daholo angamba no miteraka izao savorovoro, tsy amin’ny kely tsy amin’ny lehibe izao. Resa-bola mantsy, na ny an’ny mpianatra sy ny Emmo/Reg, na ny an’ny zandary sy ny mpiandry fonja…

Rina Rasoava

Tsipolitra manara-damba Tsipolitra manara-damba

Misavoritaka sahady ny mpanao politika na dia mbola manja- vozavo aza ny mety hahavitana ny fifidianana ho Filoham-pirenena amin’ny volana mey ho avy izao. Ny mpanohana ny Filohan’ny Tetezamita Rajoelina Andry ohatra dia toa manomboka misintaka tsikelikely. Ny antokon’ingahy Lahiniriko Jean tany Toiliara dia nanakiana mafy ny “Tanora Gasy Vonona” na dia somary nafenin’ireo haino aman-jery akaiky ny fitondrana aza izay feo nivalana izay. I Lahiniriko Jean moa dia efa zatra manao fihetsika toy izany ihany.

Tsaroana eto izy ilay nitondra fiarovana manokana amin’ ny bala tetsy amin’ny lapan’ny Antenimiera tetsy Tsibazaza, nentina nilazana fa tsy matoky ny Andrimpanjakana hafa intsony ny tenany. Izany sinema be izany dia nandritra ny fano- kafana ny fotoam-pivoriana ara-potoana. Rehefa nihamafy ny fanoherana ny Filoha Ravalomanana Marc, izay nametraka azy teo amin’ny sezan’ny Filohan’ny Antenimiera, dia nikisaka moramora ny lehilahy. I Ratsiraka Roland, nanangana ny “Malagasy Tonga Saina” koa dia manakiana mafy ny fomba fitondran-dRajoelina Andry ny Tetezamita. Aminy manokana dia tsy mety ny hanaovan’izao fitondrana noheverina fa handalo izao, fananganana fotodrafitrasa miantefa any amin’ny vahoaka, fa tokony hanomana fifidianana tsy mitanila, madio ary mangarahara fotsiny, dia samy miala rehefa vita ny fitsaram-bahoaka. Nolazainy fa dia tetikasa efa nofaritany fony izy Ben’ny tanàna tao Toamasina no kasain’ny fitondrana hotanterahina.

Toa mahalasa saina ihany izany fomba fijery izany. Efa mba maro koa anie no naniry sy nilokaloka ny hanamboatra ny Lapan’ny tanàna etsy Analakely, fa ilay olona tsy nampoizina no nahavita azy. Ry Ratsiraka Didier no namolavola ny fana-tsarana ny Marais Masay, ny tsena ao Anosibe, ny fitrandrahana solika ao Tsimiroro sy Bemolanga, ny hafa no nitavana, nahazo dera sy laza. Izay ilay hoe ny fanjakana mitohy sy mito- etra fa ny mpitondra mandalo ihany. Dia maninona no anaovana alahelon-kanina raha tena ny tombontsoan’ny vahoaka tokoa no katsahina sy lazaina fa arovan’ny mpanao politika gaigilahy.
Mbola hafotaka ny famadihana palitao atsy ho atsy. Ny tanjona dia ny ho sakaizan’ny mpandresy fa tsy misy tsangan-kevitra hijoroana sy tohanana. Ka ny sakay sy maso omaly dia ho lasa mpifankatia tsy mifankafoy androany. Nefa dia mety hifandramatra sy hifanasa vangy ihany koa rahampitso. Dia misy ihany olona manaiky ataon-dry zareo tohatra fiakarana eo ka vonona ny hanao “Avia ry mino” eny an-kianja amin’ny krismasy, ho fanohizana ny tolona efa natomboka.

Eric Ranjalahy

Tifi-danitra… Tifi-danitra…

Mampanahy ihany fa sao ataon’ny sasany fitaovana politika ity fampiakarana saran-dalana eto an-drenivohitra ity. Tsy azo odian-tsy hita iny ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ ireo mpitarika ny vondron’ny mpitatitra an-drenivohitra (Uctu), izay minia manosika hatrany ny fanondrotana ny saran-dalana hanomboka hihatra amin’ny 01 novambra 2012, sy ireo mpitarika ny vondron’ny mpitatitra ivelan’ny renivohitra (Ucts), izay tsy mbola tena marisika loatra amin’ io fanetsehana ny saran’ny tapakilan’ny taksibe io.

Aza taitra! Samy manana ny ekipany ireo. Misy nama-naman’ny mpitondra ao ka miaro mafy izay mba tsy haha-tezitra ny vahoaka. Ao indray ireo mivovo mafy mihitsy, mba te hisitraka ihany koa izay azo rambasana, ka manipy tadim-pintana sy manao tifi-danitra sao hahazo trondro be sy tendrombohitra ihany. Zara aza nitombo Ar 100 ny vidin’ ny iray litatra amin’ny gazoala. Saingy tsy moramora izany hanaraka ny onjan’ny fisondrotan’ny vidin-dasantsy izany.

Tahaka ny hoe mandrora mitsilany saingy vara-datsaka mihitsy no setriny avy eo ho an’ireo mpitatitra. Ny raharaha, tsy ireo tompom-piara (eny e! mety ho simba fananana tahaka izay nitranga teny Ankatso afak’omaly ihany izy ireo) na ireo filohana sendika sy federasiona na vondrona kaope- rativa sy ireo filohana kaoperativa no higoka ny mafy amin’ izany. Tsy maintsy ireo mpamily sy mpanampy azy eny an-dalana sy eny an’arabe eny no hifoteran’ny rambony.

Tsy vitan’ny mokon-doha. Tsy efan’ny kajikajy sy fitiavana tombontsoa. Tsy ho moramorainy ka ho toy ny tranom- pody ny manondrotra saran-dalana amin’izao vanim-potoana izao. Tsy hoe rehefa mahavita kajy an-kandrina dia mandeha misosa ho azy ny zava-drehetra: gazoala+ kojakoja fanolo+ fitohanana (izay ianareo taksibe ihany no isan’ny tena mahatonga azy)+ hetra= fampiakarana saran-dalana!

Tsinjotsinjo ihany izao, satria mba manana ny heviny sy ny fitarainany ireo mpamily sy ny mpanampiny, fa tetiky ny mpitifi-danitra ny anareo lohandohan’ny mpisorona eo amin’ny sehatry ny fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra eto. Tahaka ny mandrangitra fotsiny amin’ity tsapatsapa ny halalin’ny rano. Toy ny mpisolo vaika ny akalana kanefa tsy hiaritra ny mafy fa hitanty ny tombony!

Rina Rasoava

Variana mihainohaino! Variana mihainohaino!

Ho resabe ato ho ato indray ity raharaha fanakatonana onjam-peo tsy ara-dalàna hataon’ny ofisy malagasy misahana ny fanadihadiana sy fandaminana ny fifan-draisan-davitra (Omert) ity. Vaovao nilatsaka omaly io ary inoana marimarina fa betsaka no tsy ho faly, maro ny handrabiraby ary tsy vitsy ny hanompa an’eritreritra. Ny tiana hisintonana ny sain’ny tompon’andraikipanjakana voakasik’ity raharaha ity anefa dia tsotra (mitom- bina na amin’ny sehatra hafa aza ka anjakan’ny gaboraraka, avy eo tratran’ny taitra irery vao mamaky takotra): tsy maintsy amin’izao vanim-potoana izao ve no niroso-ana amin’io fanakatonana onjam-peo tsy ara-dalàna io?

Ekena ny fanenjehana ireo tsy manaraka ny fenitra sy tsy manaraka ny lalàna. Tsy lavina ny fanasaziana ireo mandika ny fitsipi-dalao voafaritry ny fifanarahana napetraka amin’ny sehatra iray. Saingy naninona no tsy hita tany am-boalohany izay tsy nety nataon’ireo onjam-peo maro miraondraondrana ankehitriny?

Sa efa zatra ny ivangongoan’ny olana sy fahasahiranana foana angaha isika Malagasy vao mitroatra handrava ny sakana amin’izatsy na izaroa. Mitady raharaha tahaka an-dRainizafilemena ka tsy manovokovoka raha tsy efa rakofan’ny ditran’ireo tsy mpanara-dalàna. Aiza no tsy ho lasa ireo tsy manara-penitra indray no zary toy ny manana ny rariny, itontonan’ny fitseran’ ny mpitazana sy ny mpanara-baovao.

Lasa ny saina hoe akaikaiky ny vanim-potoanan’ny fifidianana dia mandeha daholo io fingampingana rehetra io. Tsy maintsy manana ny fanazavany aloha ny manampahefana mandray ny fanapahan-kevitra, saingy na inona holazaina na inona hotenenina, mikotrika afo ny lavenona, tsy mbola maty tanteraka ny tranga tahaka izao. Ho avy ny mpanararaotra. Andraso moa fa hilatsaka indray ny fanambaràna avy any ananona any hoe « voahosihosy ny fahalalahana sy ny asa fanaovan- gazety!»

Sanatria ho lasa « Repoblikan’ny rehefa te hampi-tenenina dia tsy maninona, fa rehefa manorisory dia akombom-bava » ny eto amintsika eto. Hamafiso ny fanaraha-maso re! Aza ilaozana mihainohaino, ataovy vonona ny olona na fitaovana ilaina amin’izany, ka dieny any am-boalohany dia enjeho sy faizo izay hita sy voaporofo fa tsy manara-dalàna.

Rina Rasoava

Mandrora mitsilany Mandrora mitsilany

Tsy nampaneno lakolosy intsony fa nanao antso avo amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana afaka fotoana fohy. Nitsangana ireo fikambanana mandala ny zavabohary tamin’ny herinandro lasa ka dia nitsotra fa raha mitohy ny fanaovana saribao, ny fandoroana tanety, ny fanaovana tavy sy ny  fitrandrahana ireo faritra voaro dia ho lany tamingana ny ala eto amin’ity Nosy ity ao anatin’ny telopolo taona raha ela indrindra.

Ahiana ho toy ny antso any an-tany efitra ihany izany satria dia tsy misy vahaolana atolotry ny mpitondra Tetezamita aloha hatreto. Ny fisintahan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena rahateo dia nisy nanaraotra nanaovana tantely afa-drakotra ny harena voajanahary, aondrana an-tsokosoko, tsy hita hoe nankaiza. Ny fanadihadiana very an-javony, ny ampamoaka tsy misy mihaino.

Ny olana apetraky ny fiarovana ny ala dia tsy inona akory fa ny resaka angovo sy fahantrana. Mbola sarotra ny hino fa handeha hampiasa entona fandrehitra ny maro an’isa amin’ny tokantrano malagasy kanefa efa mahatratra valo alina ariary ny fahana fotsiny raha ny tavoahangy roa ambin’ny folo kilao no resahina. Ny jiro indray dia vao mainka loza ny sandany, sady vitsy ny mpamandrika raha mitaha amin’ny isan’ny mponina. Ny maro aza efa sahirana vao mahefa faktiora nefa tsy mampiasa fatana.

Ary dia sarotra ny manakana ny olona tsy hiditra ny valan-javabohary nefa ao misy safira sy volamena mety mba hanatsara ny andavanandron’ ny tsirairay. Raha ny angovo nokleary indray dia tsy manana ny hoentina amin’izany ny fanjakana ary noho izy ity saro-pady ka mety hamono tara-naka maro rehefa tonga ny antambo toy ny tany Tcher-nobyl sy Fukusima, dia efa maro ny firenena mampiasa azy no mihevitra ny hanajanona ny toby famokarana.

Raha akapoka ho iray ireo rehetra ireo dia ny saribao sy kitay ihany no akora fototra azo atao fandrehitra hisintonana angovo ho fandrahoana sakafo. Ny filàna anefa dia hitombo satria ny isan’ny mponina tsy hijanona amin’ izao,ny ala sy ny tahiry any ho any etsy ankilany, dia ho ripaka tsikelikely. Ny fambolen-kazo dia iaraha-mahalala fa tsy naharakotra velively ny velaran-tany  lasa ngazana noho ny fitrandrahana tsy ampy fiheverana. Ka tsy ny mpanao politika seriny amin’ny fifidianana no handeha hamono afo any Tampoketsa sy Bongolava e!

Eric Ranjalahy

Hazo feno tsilo Hazo feno tsilo

Tsy tati-bolan’olona na honohono fa ny maso no nahita, satria dia tena fahombiazana tokoa ilay hetsika « salon des études supérieures » nokarakarain’ny Madajeune tetsy amin’ny kianja mitafo Ankorondrano tamin’ity herinandro ity. Ireo tanora vao na efa nanana ny mari-pahaizana Baka-lorea no liana tamin’io fampahafantarana ny tontolon’ny fampianarana ambony io, indrindra ny tsy miankina. Naha-vory ireo sokajina tanora samihafa tetsy Ankorondrano: na ny zanaky ny sahirana na ny zanaky ny manan-katao dia tazana nifamezivezy tao amin’ny kianja mitafo avokoa. Tsy nisy resaka firehana sy movansy izany fa dia ny tohin’ny fandrantoana fahalalana no nibahana tao an-dohan’izy ireo sy ny ray aman-dreny sasany ihany koa.

Manoloana an’ireo dokam-barotra amin’iry sekoly ambony tsy miankina iry na itsy oniversite tsy miankina itsy dia tsara ny fisian’ny torolalana sy torohevitra omena ny ray aman-dreny sy ny zanaka amin’ny alalan’ny hetsika tahaka ity natao tetsy Ankorondrano ity. Ny fanjakana mijoro anefa no tena andrasana handray andraikitra hijery manokana ny momba ireo tanora manohy fianarana. Satria tsy vitsy no voafitaka noho ny fahamaroan’ireo sekoly mpisoloky. Ny sasany efa eo am-pitadiavana asa vao tonga saina fa hay tsy misy dikany satria tsy nahazo fankatoavana ara-panjakana akory ity mari-pahaizana nandaniana ron-doha nandritra ny firy taona. Ny hafa rehefa hamita ny dingana ambony indrindra, alohan’ny hidirana amin’ny sehatry ny asa, vao mahafantatra fa diso lalana raha nisafidy ny sekoly nianarany.

Toa mahakivy, na be aza no manantena azy noho ny tsy fahampian’ny ny enti-manana, ny sekoly ambony tantanan’ ny fanjakana na ireo oniversite sy ny rantsa-mangaikainy tsirairay avy. Ka nahoana moa no tsy betsaka ny tanora voafitaka. Miantsampitsampy amin’izay hazo hitany, eny fa na be aza ny herijika hampisy tsilotsilo an’ireny hazo ireny. Maniry toy ny anana izy ireny hoy ny fitenenana. Izay miantsampy maratra, moa izay mihinana kenda. Diniho fotsiny fa saika isak’io elakelan-trano io zary misy sekoly ambony tsy miankina, satria mambabo loatra na ny dokam-barotra na ny saram-pianarana.

Mandrimandry manana aretina ity firenena ity fa hamoaka tanora nianatra nefa poak’aty aoriandriana ao raha izao no mitohy…

Rina Rasoava

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite