Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Matoanteny Miverena

Lasa «mpioko» ny mpandraharaha Lasa «mpioko» ny mpandraharaha

I Marc Ravalomanana no isan’ny nanokatra ny lalana ho an’ireo mpandraharaha ara-toekarena nangetaheta fahefana teto Madagasikara, raha nandrombaka ny sezan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra tamin’ny fifidianana ny volana desambra 1999. Na tsy dia be mpahafantatra aza izy, dia nanomboka nahalala ity Filoha mpanorina ny orinasa Tiko ity ny Malagasy. Ireny raketin’ny tantara ireny ny diany teo amin’ny sehatra politika, ny firoboroboan’ny fandraharahany, indrindra taorian’ny nahalany azy ho Filoham-pirenena nandritra ny fifidianana niteraka krizy, tamin’ny taona 2001, nitohy hatramin’ny taona 2002. Niitatra ho lasa vondrona nivelatra tamin’ny sehatra maro ny orinasa Tiko. Mampahomby ny fandraharahana izany ny fanaovana politika, indrindra fa raha tonga amin’ny fahefana faran-tampony! Saingy niaraha-nahita ihany koa ny niafarany sy ny fanaovana sesin-tany ny tenany hatrany Afrika Atsimo…

Toa lasa fitaratra sy soa fianatra ihany anefa rangahy io. Maro no nanaraka ny diany, fa ankoatra ny naha-mpikosoka kapila manjelatra (DJ) tena nahalalana azy, dia tsy tokony hohadinoina fa tena mpandraharaha i Andry Rajoelina. Na teritery, na paika hanangoronan-karena no nanosika an-dRavalomanana hanao politika, dia isan’ny antony (ankoatra izay voalaza fa hery teto an-toerana na tany ivelany) nanosika an-dRajoelina hananika ny avo ny antsojay nanaovan’ny fitondran-dRavalomanana azy. Lasa mpioko ny mpandraharaha.

Mitombo ny filaharana ankehitriny, ho an’ireo mpandraharaha mirotsaka eo amin’ny sehatra politika. Ao ny te ho Filoham-pirenena, ny te ho Depiote, ny te ho Ben’ny tanàna, sy ny sisa. Iza anefa no mpandraharaha ara-toekarena, tafiditra lalina amin’ny tontolo politika, ka tsy hampiasa ny fahefana ananany mba hitadiavany tombontsoa ho an’ny orinasany? Mora lazaina eo imolotra, saingy sarotra inoana ny fahadiovan-tanan’ireo «mpandraharaha politika» na koa hoe «mpanao politika ara-toekarena», rehefa azony ny fahefana.

Tsy misy foronina ireo tranga ireo fa samy niaiky niara-nahita isika. Fa ankoatra ireo te hangoron-karena, dia misy ny voatery noho ny fahalotoan’ny fandraharahana sy ny fitsipi-dalao. Raha tsy nisy izany, mety mba samy haka ny tena toerany sy hanohy ny tena asany ny tsirairay, fa tsy hilingilingy hikendry avo kanefa raha voa eo dia mianjera fanina mitsirepirepy mihitsy. Anontanio anie rangahy iny na dia mbola tsy fay aza e!

Rina Rasoava

Ny aza voany Ny aza voany

Na resaka tiana haely, na tsahobe ampihorohoroana, tsy azo terena hilamin-tsaina fotsiny ny isan-tokantrano manoloana ny tsy fandriampahalemana ankehitriny. Tahaka ny ody varatry mompera ihany io, ny aza voany. Ny tsy manam-basy kalach sy P.A ary langilangy sy ny sisa ve moa dia hanozona fa toa mba nanindrona ny mponina tany amin’ireo tanàna tsy milamina ihany ilay filazan’ny Emmo/Far fa tsaho fotsiny ny resaka fampilazan’ny jiolahy mialoha fa hanafika izy ireo.

Tsara tsindriana eto kosa fa «ny valala misy, saingy ny mpilaza ihany koa mahay». Mirarakompana ny vaky trano, asa fanendahana, fanafihana amin’ny endriny samihafa, fandrobàna tsy tambo isaina… tao anatin’ny taona vitsy izao. Tsy ny sakana ataon’ny polisy na zandary eny amin’ny arabe isak’alina akory no hampandry fahalemana ny tokantrano any anaty elankelan-trano maro any, raha ho an’ny eto an-drenivohitra. Mainka fa ny mponina any ambanivohitra!

Tsy vitan’ny fanerena ny olona hino fa tsaho ihany izany, ireny fampitahoran’ny olon-dratsy ireny, dia hilamina ny tanàna. Ny tsirairay ve moa tsy efa mba miezaka manao izay fomba hahafahana misoroka ny fandrobàna ataon’ny jiolahy, saingy tsy vitany irery izany. Raha efa nanao izay ho afany ny mpitandro ny filaminana, izay «MPIARO NY VAHOAKA SY NY FANANANY», dia adala ny olona mbola ho feno fahatahorana.

Ka ianareo mpitandro filaminana ve tena akaiky ny fokonolona, izay mitaintain-dava amin’ny fanafihana mety hihatra amin’ny tokantranony, na tsaho na tsia? Tsy hisy handreraka na hampijaly tena hatory any an-tsaha ny olona, raha toa ianareo antsoina andro dia andro, antsoina alina dia alina. Fomba fitenenana io, fa ny zava-misy dia tsy matetika no handrenesana hoe nisy tokantrano notafihin’ny jiolahy ka vantany vao niantso ireo fianakaviana lasibatra dia tonga vetivety ireo mpitandro ny filaminana ary nifanehitra dia nahasambotra olon-dratsy. Ny vetivety dia samy manana ny azy, fa angamba kosa tsy ho 30 minitra na adiny iray izany ho anareo mpitandro filaminana…

Rina Rasoava

Namana tampoka Namana tampoka

Mba hafa indray ity resaka ity, tsy dia malaza kanefa mivandravandra mafy ery amin’izao vanim-potoana iainana ao anatin’ny firosoana amin’ny fifidianana izao. Mivandravandra amin’ireo tambazotra sosialy, indrindra fa ny « facebook » no tena tiana asongadina eto. Tsy iza fa ry zalahy, ry zareo nanjary te ho  « namana » tampoka fa misy ilàny anao !

Ho an’ny « mpihinana », na andeha atao hoe « mpanjifa » ny tambazotra « facebook », dia mahita an’irony fangatahana ho namana, na soson-kevitry ny namana hafa mba haka namana an’ireo efa ao anatin’ ny lisitry ny « firahalahiany ». Asa aloha ireo raha ilay « tena namana » na « namanamana ». Mitolagaga ianao fa mangataka anao daholo ny ankamaroan’ireo kandidà, izay tsy hita tabilao taloha, kanjo tampotampoka eo dia mahay « facebook » daholo.

Manaporofo ny « namana raha misy patsa » ny fihetsika asehon’izy ireo. Rehefa mangetaheta sy mirangorango fahefana izany moa, tsy misy henatra na tahotra izany intsony. Tsy mangataka « voan-tehamaina » tsinona, na ianao manaiky na ianao « minia tsy mahalala »! Ankehitriny mantsy, tsy vitan’ny an-taratasy na peta-drindrina, na fitetezam-paritra, na « tee-shirt » sy hirahira any amin’ny onjam-peo irery intsony ny fambaboana ny fo adaladalan’ny mpifidy. Jono iray mety ahitàna fahombiazana, raha tena mahay mihatsaravelatsihy sy manarato ary sahy mitsoraka ho kankana mihitsy ireo kandidà. Ao anaty « facebook » indray izao no anaovana tsianjery sy famerenana sahady, amin’ny fideran-tena miampy fanasohasoana ny « izaho » … Zanaky ny tena henjana angaha no fetra !

Mba andramo idirana anie ny « pejin »’izy ireo, fa moa va tsy toy irony virijiny tsy misy pentina irony, na raha tsy nahavita be tamin’ny firenena, dia ireo misora-tena ho mpamonjy sy mpitondra fanantenana tsy manam-paharoa ho an’ny Malagasy. Inona akory anefa fa namana tsy menatra ny hamadika akory. Tsy vao ianareo anie no niseho ho namanay hatramin’
izay e!

Arira

Sao haka tahaka «zero» Sao haka tahaka «zero»

Mihivingivina ihany raha nandre sy nahita fa firenena faha-14 mety handany ny fampiharana ny mariazy ho an’ny rehetra (mariage pour tous) i Frantsa. 13 aloha hatreto ny firenena efa mankato izany ao anatin’ny Lalàm-panorenany. Ho an’i Frantsa manokana aloha dia efa lany ny lalàna momba io fanambadiana ho an’ny rehetra io, izay raha haza- vaina tsotsotra dia ny fanekena amin’ny fomba ofisialy ny fisoratam-panambadiana ara-panjakana eo amin’ny lehilahy samy lehilahy (izay sady samy manan-jo hanangan-jaza avokoa ireo olon-droa mitovy fananahana mifanambady ireo) na vehivavy samy vehivavy… Mety ho an’ny 25 mey 2013 ho avy izao dia efa hamoaka ny lalàna momba izany ny Filoha frantsay.

Azy ny azy aloha ho an’ny Frantsay, fa izaho manokana dia be ahiahy amin’ny tranga toy ireny, indrindra rehefa mijery ny fivoaran’ny fiarahamonina malagasy. Tadidiko ny fakàna tahaka tamin’ny kavin’ila tamin’ny sofina. Ny fanarahana ny pataloha miborotsaka. Ny fitevehana sy tombokavatsa tamin’io vatan-tena rehetra io, nanomboka tany amin’ny maso, orona, foitra… Niampy ny fipoiran’ireo sarimbavy sy sarindahy.

Avy eo mandinika ny fahabadoan’ireto parlemanteran-tsika, dia tena matahotra e! Raha sanatria misy very fanahy mivoy ny fampidirana izany volavolan-dalàna hanekena sy hankatoavana ny fanambadiana ho an’ny rehetra izany, dia asa fotsiny. Raha tsy hoe ihany koa angaha ka tsy hihatsara ivelan-tsihy ho kristianina intsony ny ankamaroan’ny Malagasy.

Isika Malagasy mantsy dia tsorina fa be dika vilana, mpaka tahaka fahantany… Efa ny fanompoana ny kolontsaina frantsay no mampahantra fadiranovana antsika tahaka izao! Parlemantera tsy mahay mamaky teny no avela hanapaka momba ny fiainam-bahoaka sy ny firenena. Hany ka tsy mba hanao tahaka an-dry zareo Frantsay, atosiky ny fanapahan-kevitra politika fotsiny, fa tena tsy fahaizana ny votoatin’izay voarakitra amin’ireo volavolan-dalàna no hampidirana kizo ny tanindrazana.

Tsy haiko lehiretsy fa ny raharaha tahaka an’izany fanambadiana hafa kely izany, tokony ho ny rehetra no manapaka azy, fa tsy ireo vilam-bava homana!

Arira

Mpiandry ondry mania Mpiandry ondry mania

Herinandro farany hanapahana hevitra ho an’ireo vonon-kirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena ity herinandro ity. Amin’ny alahady izao no hikatona ny varavaran’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana etsy Ambohidahy, ho an’ireo manan-kevitra ny hifaninana hofidiana hitondra ny tany sy firenena, raha afaka volana vitsivitsy. Saingy… saingy mila mitsefotra aloha ilay finiavan’ny sasany hanalava indray ity vanim-potoanan’ny tetezamita ity. Na avy amin’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (Ffkm) io, na avy amin’ny sehatra hafa manana tombontsoa mano-kana avy amin’ny fahorian’ny vahoaka.

Raha hatao saingisangy ny fiainam-pirenena, dia azo atao indray hoe andao ravaina ireo andrim-panjakan’ny tetezamita ankehitriny. Andao hivorivory indray hitadiavana Filoha vaovao, Praiminisitra vaovao, Minisitra vaovao, Parlemantera vaovao, sy ny sisa … ao anatin’ity hevitra fananganana tetezamita vaovao ity. Ny fijalian’ny mponina ihany no (tsy maintsy) hijanona ho toy ny teo aloha, na ho mafimafy kokoa aza. Tena izay tokoa ve no takian’ny firenena ankehitriny?

Mampalahelo ihany raha toa ka ireo noheverina ho olon-kendry no hanana, na hanaraka, hevitra an-taingina sy mbola miandany amin’ny sarintsarim-bahaolana hampijaly ny ondriny tahaka izany.  Ny nantenain-kanirina indray no indro toa hampivandravandra. Mahamenatra raha ny mpiandry tanàna indray ity no antsoina hiverina ao anaty vala!

Tsy hevitry ny tsy tia akory, na halako bika, fa amin’ny fomba ahoana no mbola hiantsoantsoana fanorenana tetezamita vaovao indray amin’izao firosoana miandalana amin’ny fanatanterahana fifidianana izao? Ny hantahantan-drabesiasia sy ny alahelon-kanin’ireo mpiandry mahazo no kasain’ny sasany hanaovana sorona ny Malagasy an-tapitrisany. Dia mbola ho sahy hizara seza hihinanan’ireo mpirangorango ihany!

Ankehitriny, lasa krizy vaovao indray ny fifanandrinan’ny mpiray hevitra amin’ny Ffkm sy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena. Nahoana kosa moa, no nosiantsiahana sy nitalahoana mihitsy aza ny fivoahan’ny adihevitry ny samy Malagasy, tsy nisy nahovoka. Izao ny vahiny manosika amin’ ny fanatontosana fifidianana haingana,  toa isika indray no malailay fonosana. Rehefa mba ondry no andrasana dia ireo aloha ambenana tsara, aza ilaozana misary « gaigy » misangy amin’ireo amboadia…

Arira

Iza no « Messi » antsika… Iza no « Messi » antsika…

Misy Messi ve any? Manana olona tahaka an’ity mpilalao baolina kitra arzantina ity ve i Madagasikara, ka raha mandray an-tanana ny raharaha izy dia hahomby daholo izay hatao rehetra ? Fanontaniana miharo sangi-sangy zary tenany io ry zareo, fa ny tahaka an’i Messi no takian’ny firenena amin’izao ankatoky ny safidy goavana hatrehintsika amin’ny 24 jolay 2013 ho avy izao.

Mba saino izany hoe manana mpilalao, na maratra aza, vao miditra ambony kianja dia manome hery tsy hita pesim- pesenina ho an’ireo mpiray ekipa aminy ary mampihorohoro ny mpifanandrina kosa. Mpilalao vao miditra an-kianja dia mampangorovitsika ny ery amin’ny andaniny. Tsy vitsy no te hampidaraboka azy. Ny mpiray tanàna aminy aza, hoy aho, misy mitady hialona. Vao afak’omaly, voaporofo fa « tsy maintsy mandresy » rehefa eo i Messi.

Maro ny tsy tia, be ihany koa ny mpankasitraka… Tsy voatery ho ankamamian’ny rehetra anefa vao mahavita zavatra sy afaka mihambo manan-kevitra hanesorana ny firenena amin’izao sarintsarim-pampandrosoana feno fitaka sy tsindron’antsy an-damosina izao. Jereo i Messi e! Na ny ao an-tanànany aza anie, averina ihany, misy tsy dia mahazoazo loatra ny fomba filalaony, saingy rehefa ny ankamaroan’ny mpitia sy mpanohana no mametra-pitokisana aminy dia manjary hery sy fanoitra lehibe mampandresy sady mampiakatra avo ny ekipany izy.

Tsy i Messi irery anefa no milalao eny ambony kianja. Ampian’ireo mpiara-milalao aminy izy, izay toa lasa mavitrika sy matanjaka lavitra rehefa eo akaikiny. Raha tsy misy ny mpifanandrina ery am-pita ihany koa dia tsy hisongadina ary tsy handresy i Messi. Efa niara-dia i Messi sy i Ibrahimovic, saingy nikopak’elatra tany amin’ny ekipa hafa ity farany, kanefa i Messi ihany no nandresy sy tafavoaka rehefa raikitra ny fifanandrinana e!

Tsy maintsy hisy ny hibahana, hampianjera… handratra mihitsy aza, hanakorontana ny endri-dalao e! Nisy fotoana tokoa, nisedra vokatra ratsy ny ekipan-dry Messi, saingy raha ny handresy no tanjona hiafarana, nahoana no tsy hiditra ao anatin’ny ekipa tarihin’ny mpilalao efa nandresy hatramin’izay sy handresy hatrany rahampitso?

Mila olona tahaka izany i Madagasikara. Mila olon’ny fandresena.

Arira

Tsy maintsy mandresy… Tsy maintsy mandresy…

Nivoaka ihany ny anaran’ny kandidàn’ny antoko Tanora malaGasy Vonona (Tgv) amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, hatao ny 24 jolay 2013 ho avy izao. Lanin’ny maro an’isa nandritra ny fifidianana miafina natao nandritra ny vovonam-pirenen’io antoko io, teny amin’ny Futura Andranomena ingahy Edgard Razafindravahy. Efa vonona ho mpandresy ka ho Filoha voalohan’ny Repoblika faha-IV ity Pds-n’ Antananarivo renivohitra ankehitriny ity.

Ny fandreseny dia ho fandresen’ny mpomba an-dRajoelina. Izy no ho tokin’ny Filohan’ny tetezamita sy hian- toka ny fiverenan’ity farany eo amin’ny fitondrana amin’ny taona 2018. Edgard Razafindravahy no isan’ny olona akaiky an-dRajoelina tsy mba nanana fifanolanana tamin’ireo mpikatroka politika teto amin’ny firenena, nandritra ity tetezamita ity. Azo lazaina ho nahay namaky ny fizotran’ny tantaram-pirenena ireo mpandray anjara tamin’ny vovonam-pirenen’ny Tgv ka nametraka ny safidy taminy.

Fahasahiana lehibe, ary tombanan’ny mpitazana fa tena efa fandresena sahady ho an’ny Tgv sy ireo mpikatsaka fanovàna tokoa, ny nandraisan’i Edgard Razafindravahy ny andraikitra nanaiky sy nampanantena fahombiazana ho an’ ny vahoaka sy ny tanindrazana amin’izao maha kandidà azy amin’ ny fifidianana ho Filoham-pirenena izao. Niverimberina ary teny filamatry ny Tgv manomboka teny Andranomena  ny hoe « fandresena », izay hita taratra tamin’ny lalana nodiaviny fony izy mpandraharaha ka nahatafitany ireo orinasa rehetra notantanany. Isan’ny mampiavaka an’i Edgard Razafindra-vahy io nisintahany tamin’ny fandraharahana io, satria teboka iray tsy ampifangaroany ny fiainany manokana sy ny fiainam-pirenena. Dia tena nitady toko ka sendra vato ny antoko Tgv, nefa tsy izy ireo irery fa na izay manjohy sy mandala ny fampiraisana ihany koa aza.

Raha fintinina dia efa niara-dia tamin’ity kandidàn’ny Tgv ity hatramin’izay ny fandresena. Antony iray heverina fa mampanita-tsaina an’ireo mikasa hitsipa-doha laka-nitana indray ankehitriny, taorian’iny vovonam-pirenena namoaka ny kandidàn’ny antoko naorin’i Andry Rajoelina amin’ny fifi- dianana Filoham-pirenena iny. Olona tahaka ny ahoana tokoa moa izany mandoto ny loharano nipoirana izany? Fa ny tena mpandresy dia tsy mizotra afa-tsy amin’ny lalana mahitsy…

Arira

Velombelona ny kamboty Velombelona ny kamboty

Tsara vintana sa nahay nijery andro? Nifanontona indrindra tamin’ny fankalazana ny taom-baovao malagasy no nahatongavan’ny Maman-dry zareo etsy amin’ny Magro, teto an-tanindrazana. Na atao aza hoe efa manadino ny fomban-drazany ny ankamaroan’ny Malagasy, dia azo antoka fa nanao fety sy totorebika manokana kosa ireo mpomba an-dRavalomanana, amin’izao fahatongavan’ny renin’izy ireo izao. Efa ela rahateo no nahakamboty an-dry zareo, ka zara aza tonga ny iray handihizana. Ela ny ela ka tonga ihany ilay nandrasana, velombelona indray ny kamboty!

Ny zavatra fantatra dia somary nalailay fonosana, nidongy saika tsy nety hiakatra ny fiara sy ny fiaramanidina Ramatoa talohan’ny niaingany tany Afrika Atsimo. Raha ny sitrapony izany dia tsy te hamela an’Ingahirainy ho irery any an-tanin’olona any izy, saingy mafy loatra ny fiti- avan-dreny ka dia naleony nampandefitra ny hambom-pony. Mafy rahateo izany tsy nifankahita tamin-dreny nandritra ny efa-taona ka ny famangiana azy no napetrany ho ambony.

Ny zavatra tsikaritra ihany koa hatreto, dia mitandrina fatratra ilay fepetra sy fifanarahana nosoniavina teny Ambohitsorohitra ny ankolafy Ravalomanana, amin’izao fahatongavan’i Lalao Ravalomanana izao. Mifanohitra amin’izany kosa anefa ny hevitr’ireo mpomba azy any anaty tranonkalam-pifandraisana samihafa any, fa fandra-nitana sy fandrangitana no betsaka. Misy amin’ny sasany amin’izy ireo mantsy no mitady hanararaotra hamboly korontana sy manao izay fomba hisian’ny savorovoro hoentina hanomezana tsiny ny fitondrana. Ireo lohandohan’ny mpisorona tetsy amin’ny Magro rahateo efa nanao tsy omby aloha nihaona mivantana tamin’ity vadin’ny Filoha teo aloha ity, tetsy Faravohitra, omaly.  Na izany aza, efa mailo hatrany ny fitondrana, ka dia naleon’izy ireo mihitsy mandefa mpitandro ny filaminana andro aman’alina manaraka akaiky izay fivoaran’ny toe-draharaha. Ireo mpitandro ny filaminana ireo izany izao no karazany « manao sotrobe lavatango » mitatitra izay zava-misy rehetra rehefa misy fivorivoriana. Ramalina tokoa aza, hono, mifehy hazo tokana. Kendritohina kely fotsiny koa no andrasana dia efa miverina amin’ny taniny indray ny jiosy raha vao mihanahana.

Tojo Rakotomalala

Lalana mankany Rôma Lalana mankany Rôma

Nandao ny toerana maha Papa Ray Masina azy, alina, i Joseph Ratzinger.  Lasa, nentin’ny Papa Benoît XVI nanaraka azy any amin’ny toerana mangina hisotroany ronono sy hiandrasany ny toerana nampanantenaina azy mandrakizay any, ireo tsiambaratelo niteraka iny fametraham-pialany tsy ho Papa intsony iny. Mbola maro mantsy ny fanontaniana mipetraka. Betsaka ny tombantombana nivoaka an-gazety sy tamin’ny tranonkala iraisam-pirenena niresaka ny antony nanosika ny Papa Benoît XVI hihataka amin’ity andraikitra fitantanana ny EKAR ity. Ny ofisialy anefa, raha tsiahivina hatrany, dia ny fahanterana sy ny toe-pahasalaman’i Joseph Ratzinger.

Ho vetivety ihany anefa dia hangina ny feon’ny mpampahalala vaovao hamaly ny ankamantatra momba an’i Joseph Ratzinger, fa hitodika amin’ny fombafomba sy ny lalana hifidianana izay ho Papa vaovao indray ny maso sy sofin’ireo mangetaheta vaovao manerana izao tontolo izao. Hivory mangina sy mitokana ireo Kardinaly mahafeno ny fepetra amin’izany fifidianana izany, dia hiverina indray ny hoe ho mainty hoditra ; ho Amerikniana tatsimo… sa hiverina Italianina ihany ny Papa Ray Masina vaovao ho lany eo!

Andro na herinandro maromaro eo izany dia hitana anjara toerana amin’ny tontolom-baovao manerana izao tontolo izao indray ny fifidianana izay ho Papa hisolo ny Papa Benoît XVI. Fotoana sarobidy ho an’ireo mpino katolika io, satria isan’ny mampiavaka ny Eglizy Katolika Romana amin’ireo finoana hafa. Tsy maintsy ho avy ny fanozongozonana ho an’ireo mpino katolika ireo, tahaka izay efa sedra nolalovan’izy ireo nanomboka tamin’ny fotoana nanambaran’ny Papa Benoît XVI ny fisintahany.

Fa na vao mainka hanamafy ny finoana izany, na hampipatitaka ity finoana isan’ny tranainy indrindra ity. Nahoana moa no lasa misy safidy tahaka izany ? Satria miverina matetitetika ny fanolanana zaza tsy ampy taona ataon’ireo relijiozy katolika ; fifanolananan’ny samy Kardinaly ao Rôma ; …  fa na ny Papa teo aloha aza dia niaiky fa nisy fotoana nasamboaravoaran’ny rano ny  sambo katolika tao anatin’ny valo taona naha Papa azy.

Ka asa raha afaka hitarika ny mpino katolika tonta sy vao amin’ireo lalana voalaza fa « miisa 1000 » mankany Rôma, araka ny fitenenana, ilay Papa vaovao dimbin’i Joseph Ratzinger !

Rina Rasoava

Sao diso lalana Sao diso lalana

Amin’ny volana jona ho avy izao, hono, no hanomboka ho tonga eto amintsika ireo fiarabe fitaterana vaovao na «bus», andiany voalohany hanoloana ny taksibe nahazatra efa ho 20 taona teo ho eo izao. Eo ihany ny fikatsahana fampiharana saran-dalana mora amin’ny fampiasana ireo «bus» ireo, fa isan’ny tanjona ihany koa, hono, ny fampihenana ny fitohanan’ny fifamoivoizana.

Aleo aloha hazava ny resaka! Mety maro loatra tokoa ka miteraka fitohanana ireo taksibe ankehitriny, saingy tsy tokony ho hadinoina ny toe-tsain’ireo mpamily sy ny mpanampy azy. Impiry efa nentina teto moa izany olana izany? Io toetran’ny mpamily sy ny resevera io no tokony hojeren’ny tompon’andraikitra sy ny manampahefana mahefa. Raha tsy izany, tsy hanova na hitondra fanatsarana amin’ny fifamoivoizana tahaka ny inona mihitsy na irony fiarabe na «boeing» irony indray aza no hafarana. Vao mainka ahiana hampitombo fahasorenana ho an’ny fiara madinika sy ny mpampiasa lalana ny fibahambahanana ny arabe, na ny fijanonana tampoka tsy eny amin’ny toerana natokana ho amin’izany sy ny sisa mety hataon’ireo «bus» ireo.

Misy ihany koa ny soson-kevitra ny amin’ny tokony hamerenana ny fijerena ireo toeram-piantsonana eto an-drenivohitra. Misy lalana na arabe tena tery ary tsy tokony hametrahana toeram-pijanonana intsony, kanefa inoana fa hanafaka ny fitohanan’ny fifamoivoizana ny famerenana fandinihana izany. Indraindray mantsy toa mahatonga saina ihany hoe andinindinin-javatra kely tahaka izany no miteraka fitohanan’ny fiara eto an-drenivohitra.

Ny fehiny dia asa mifampitohy fa tsy mijanona eo amin’ny fanafarana fiara fitaterana amin’ny endriny vaovao izany tetikasa fanatsarana ny fitaterana sy ny fifamoivoizana amin’ny ankapobeny izany. Fatiantoka ho an’ny daholobe io, ka mila fanentanana mahery vaika sady andraisan’ny rehetra anjara satria tsy tokony hohadinoina ny fanabeazana ho an’ireo olon-tsotra mpandeha izay manakana na midina amin’ny fiara fitaterana eny amin’ny toerana tsy natokana ho amin’izany ohatra. Atsipy, hono, ny teny eny am-pon’ny mahalala…

Rina Rasoava 

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite