|
Behenjy – Mpitondra biskileta maty voafaokan’ny fiara Tany akaikin’Ambohitompoina Behenjy no voalaza fa maty voafaokan’ny fiara ny lehilahy iray 20 taona, izay nitondra bisiki-leta omaly, araka ny nambara tamin’ny fianakaviany. Olona tsy nety nitonona ana-rana no nanatitra ilay razana teny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly Joseph Ravoa-hangy Andrianavalona, omaly tamin’ny 8 ora. Heverin’ny fianakaviany fa mety ho efa ny alin’ny alatsinainy no nisehoan’ny loza ka nahafaty azy.«Handeha ho any Antanifotsy haka vidina tany no nialany tao an-tranony eny amin’ny 67 ha. An-dalana hitodi-doha eto an-drenivohitra izy io voadonan’ny fiara tao Behenjy io ka tsy tra-bonjy intsony», hoy ny fitantaran’ny nenitoany. Tsy fantatra mazava anefa ny mombamomba ilay fiara voalaza fa nifaoka an’ ity tovolahy ity sy ny fomba nisehoan’ny loza. «Mangina be ihany ilay toerana, voatondro ho nitrangan’ny loza ka izay no mety tsy nisian’ny vavolombelona», hoy hatrany ilay nenitoany, naka ny razana tetsy Ampefiloha. Haja R. |
![]() |
Fiara nifandona – Potsitra teo ambony sezany ilay mpamily »404 bâchée » Loza mahatsiravina. Maty tsy tra-drano, voa- tery teo anelanelan’ny familiana sy ny seza nipetrahany ny mpami- ly fiara »404 bâchée » nifandona tamina Mazda teny Ampasika omaly, tokony ho tamin’ ny 3 ora. Mpandeha efatra hafa, tamin’ireo fiara nifandona ireo, no naratra ka ny telo dia tao anatin’ ilay Mazda avokoa. «Nisy fiara ’Mazda nijanona tampoka saika hihazo ny tranon-dry mompera, eo akaikin’ilay toerana nitrangan’ ny loza. Taksibe iray » Mercedes Sprinter » no nanaraka io fiara io avy ao aoriana ka noheverin’ ilay »404 bâchée » nanaraka azy fa nanala olona ka avy hatrany dia nosongonany. Nisy Mazda iray hafa mihitsy indray anefa nipoitra tampoka ka io no nifatratra tany amin’ilay 404. Mbola nidona tamina fiara nijanona teo amin’ny sisin-dalana ilay Mazda ary nivadika avy eo», hoy ny fitantaran-dRakoton- draibe Solofo, mponina eo amin’ny manodidina, nahita maso ny fitrangan’ ny loza. Haja R. |
![]() |
Fandehanana mafy – Zazalahy 16 taona matin’ny môtô Efa notsaboina tany amin’ny hôpitaly no tsy tana intsony ny ain’ny iray tamin’ireo zazalahy roa samy 16 taona, tra-doza tamin’ny môtô tany Antsahamaroloha, kaominina Behenjy, ny zoma teo tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany maraina. Nifatratra tany amina fiara be iray ny môtô notaingenan’izy ireo. Samy naratra mafy izy roa lahy ireto fa ilay nentina tao aoriana no tena voa mafy. Novon-jena haingana teny amin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona ihany saingy namoy ny ainy omaly ity farany. Mbola tsaboina kosa ilay nitondra. «Somary nandeha mafy izy roa lahy kanefa nanao taingin-droa ka voadona tampoka ny familiana ary izay no nahatonga azy ireo hidona tany amin’ilay fiarabe», hoy ny tatitry ny zandarimaria. Haja R. |
|
67Ha – Tovolahy kely maty voahitsaky ny fiara 4×4 Nihorohoro ny teny amin’ny 67ha sy ny manodidina omaly hariva tokony ho tamin’ny 3 ora, nahita tovolahy kely iray maty voapotsitry ny kodiarana fiara. Roa lahy izy ireto no niaraka fa ny iray tsy voahitsaka. Araka ny fitantaran-dRandrianantenaina Jean Paul, mpivarotra eo anoloan’ilay toerana nitrangan’ny loza dia « niaraka nandeha niampita izy roa lahy kely ireto, kinanjo nivoaka tampoka ilay fiara 4×4 ». Voalaza fa samy tavela tao ambanin’ilay fiara izy mirahalahy ireto fa ilay zandriny no voahitsaky ny kodiarana raha ny lohany ihany kosa no voadona ho an’ilay zokiny. Raha ny fitantaran’ny vavolombelona dia « efa nolazaina ilay mpamily, saingy tsy nijanona, ka izay no nahavoahitsaka teo amin’ny lohany an’ilay zaza iray ». Rehefa potsitra tao ity farany vao nivoaka ilay mpamily Nikoropaka niantso ny teo anivon’ny BMH ny olona manodidina ka izy ireo no naka ilay razana Nentina namonjy mpitsabo kosa ilay zokiny mba hijerena izay tena voa taminy.
Haja R. |
|
Lozam-pifamoivoizana – Olona enina maty tototry ny vato nentina kamiao
Teo am-pitozoana ny fiaka-rana teo amin’ny lalan’i Bevao ao anatin’ny fokontanin’Amba- ravaranala, kaominin’i Fiere-nana, 90 Km tsy hiditra an’i Tsiroanomandidy ity kamiao iray no tapaka hisatra, ka nihe- motra sy nivadibadika. Olona enina no maty tsy tra-drano tototry ny vato nentin’io kamiao io. Mpandeha 21 hafa no naratra mafy. Afak’omaly tamin’ny misa-sak’alina no nisehoan’ity lozam- pifamoivoizana ity. « Avy any Maintirano ho any Tsiroanomandidy io kamiao io no niseho ny loza. Mpandeha 28 no nentiny. Tsy tokony hitondra mpandeha anefa izy », hoy ny vaovao avy eo anivon’ny kaompanian’ ny Zandarimariam-pirenena ao Tsiroanomandidy. Isan’ireo nieren-doza tamin’ izany ny mpamily ny fiara. Tazonina ao amin’ny biraon’ ny zandary ao Mahatsinjo ny tenany amin’izao fotoana izao. Nalefa ao Mahatsinjo ihany koa ireo razana enina. Nentina notsaboina tao amin’ ny hopitalin’i Tsiroanoman-didy kosa ireo mpandeha 21 naratra. HNA |
![]() |
JMJ Mada – Fiara nitondra mpizaika nivadika Fiara iray marika »Sprinter » nitondra mpizaika avy namonjy ny fihaonamben’ny tanora katolika »JMJ » tany Antsiranana ary handeha hody aty an-drenivohitra no niharam-boina tao Anahidrano Antsohihy, omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 ora. Olona valo no naratra mafy tamin’izany. « Vaky ny kodiaran’ilay fiara, ka izay no nahatonga ny loza », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny vondron-tobim-pileovan’ ny Zandarimaria ao amin’ny faritra Sofia. « Efa nisy lamina napetraka talohan’ny nisian’ity zaika be ity ary efa nametrahana zandary avokoa ireo toerana rehetra nahiana fa mety hitrangana loza toy ny ao Andriamangirana, Anahidrano, Tsarahasina, Ct Befandriana, Maromandia, Ankaranobe, Befotaka, Anjiabory, Bekoratsaka sns… », hoy hatrany ny fanazavana. Nentina namonjy ny hôpitaly tao Antsohihy ireo rehetra naratra. Haja R. |
![]() |
Reseveran’ny 194 maty voahitsaka – Miantso ireo nahita ilay lozam-pifamoivozana ny polisy Nomen’ny mpitsara fahafahana vonjimaika omaly ilay mpamily ny fiara fitateram-bahoaka zotra 194, voatondro ho nanitsaka ka nahafaty ilay reseverany tetsy Tsarasaotra-Alarobia, ny harivan’ny alahady teo. Miantso ireo vavo-lombelona nahita ny loza anefa ireo polisy misahana ny fanadihadiana, hanamarinana ny tena zava-nitranga marina, ka niteraka an’iny lozam-pifa-moivoizana iny, araka ny baikon’ny Fitsarana. Tsy mbola mikatona, araka izany, ny fanadihadiana mahakasika iny raharaha iny. Na ny Fitsarana na ireo polisy nanao famotorana mantsy dia samy naneho ny fisalasalany mahakasika ny fomba nolazaina fa nisehoan’ny loza. « Raha ny lalan’ilay fiara fitateram-bahoaka dia tahaka ny tsy mitombina ny hoe izy ihany no nahahitsaka an’ilay resevera, izay voalaza fa nianjera avy ao anatiny », hoy ny teo anivon’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana. Ilaina noho izany ny fijo-roana vavolombelona avy amin’ireo mpandeha tao anatin’ io taksibe io hamaritana ny tena fomba nisehoan’ny loza. Aorian’izay vao haverina hatolotra ny Fitsarana indray ny raharaha. Taorian’iny loza iny dia name- rina ireo mpanara-maso ao anatin’ ny kaoperativa Mirindra ahitana ny zotra 194 sy 163 ity kao- perativa ahitana fiara miasa 180 ity. Efa tsy nisy nandritra ny telo volana io fanaraha-maso io. Afaka mandray ny fitarainan’ny mpandeha sy mampanaja ny fifampifehezana amin’ireo mpamily sy resevera izy ireo. Santionany amin’ireo fitsipika ireo ny tsy tokony hifanenjehan’ny mpamily na koa ny tsy fihodinana eny an-dalana. HNA/MR |
![]() |
Ankadikely Ilafy – Fiarana mpi-tondra nandona mpitaingina bisikileta Fiara 4×4 iray ana tompon’andraikipanjakana ambony eo anivon’ny Kaongresin’ny tetezamita no nandona lehilahy iray nitondra bisikileta tetsy Ankadikely Ilafy, ny alin’ny 25 aogositra teo tokony ho tamin’ ny 11 ora. « Nitodi-doha toy ny ho any Sabotsy Namehana ilay fiara tsy mataho-dalana, raha handeha hiakatra aty an-drenivohitra kosa ilay bisikileta. Vaky vokatry ny fifandonana ny fitaratr’ilay fiara teo aloha. Naratra vokatr’izany kosa ilay lehilahy nitondra bisikileta », raha ny tatitra azo teo anivon’ny zandarimaria. Ilay fiara ihany no nitondra ilay naratra teny amin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Haja R. |
![]() |
Loza teny Ankadindratombo – Olona telo maty vokatry ny fifandonana fiara 4×4 roa Olona telo no indray namoy ny ainy vokatry ny fifandonana teo amina fiara tsy mataho-dalana roa teny Ankadindra-tombo, amin’ny lalana By-pass, ny sabotsy alina tokony ho tamin’ ny fito ora. Voafaoka teo amin’ny tehezany ilay fiara tsy mataho-dalana iray. Raha ny nambaran’ny zandary nanao ny fitsirihana dia olona tety amin’ ny sisin-dalana ireo voadona ka namoy ny ainy. Loharanom-baovao avy eo anivon’ny fianakaviana kosa anefa no nanamarika fa « mpandeha tao anatin’ilay fiara 4×4 voa-dona ireo maty ireo ary vao avy namonjy lanonam-pianakaviana ». « Tafapitika tany ivelan’ny fiara ilay vehivavy ka maty tsy tra-drano. Maty tao anatin’io fiara io ihany, vokatry ny dona mafy nahazo azy ny lehilahy iray izay mpifamofo aminy. Tovovavy kely iray ihany koa no voadona mafy teo amin’ny lohany, ka namoy ny ainy rehefa tonga teny amin’ny hopitaly», hoy ny loharanom-baovao. Mbola hatao famotorana eny amin’ny biraon’ny zanda-rimaria eny Alasora ny mpamily an’ilay fiara 4×4 iray, hamantarana ny tena zava-nisy marina raha mbola tsaboina eny amin’ny hôpitaly ny mpa-mily ilay fiara faharoa. Olona telo no naratra tamin’ ity lozam-pifamoivoizana ity, raha ny voalazan’ ny mpitandro ny fila- minana. Efa natolotra ny havany kosa ny razan’ireo maty teo no ho eo rehefa vita ny fanadihadiana nataon’ny zandary.
H.R |
|
Lozam-pifamoivoizana – Kamiao namantana tany anaty rano Fahafatesana no efa saika niandry ireto lehilahy roa navarin’ny kamiao nitondra azy ireo tetsy Ambatolaona, lalam-pirenena faharoa, omaly vao maraina tokony ho tamin’ny 2 ora. Avy any Ambatondrazaka naka vato ny fiara nisy azy roa lahy no namantana tao anatin’ny ranon’Ampasimpotsy, mialoha ny hidirana an’i Marozevo. « Nifanena tamina kamiao tao anatina fiolahana izahay raha avy any Marozevo hihazo an’Ambatolaona iny. Somary nangalatra afovoany io kamiao io ka tsy maintsy niala tany amin’ny ankavian-dalana izahay, kinanjo nivarina tany anaty rano », hoy ny fitantaran-dRandriamanampy Etienne, ilay mpamily. Faritra tsy misy mponina no sady voahodidina ala no nisehoan’ny loza, hany ka tsy maintsy izy roa lahy ihany no nanezakezaka namoaka ny ny tenan’izy ireo tao anatin’ny fiara. « Efa difotry ny rano mihitsy izahay tao. Ren’ny tanana ihany rehefa nifampitadiavana ny faritra nisy ny famahana ny varavaran’ny fiara. Izay no nahatafavoaka anay », hoy Randriamanampy Etienne. Nisolo akanjo tao Marozevo no sady niantso ireo zandary tsy lavitra io tanàna io izy ireo. « Tsy nahalala nijanona akory ilay kamiao nifanena taminay », hoy hatrany ny fitantarany. Omaly maraina no tonga nitsirika ny loza teny an-toerana ireo zandary. Nilaza ny tsy nahita ny laharan’ilay kamiao nifanena taminy izy roa lahy. Ny namoaka ny sisan’ireo vato 10 taonina notaterina tamin’ity kamiao ity no hany sisa nataon’ireo nitondra ny fiara, izay nieren-doza tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity. HNA
|


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |