![]() |
Afa-doza – Lehilahy iray tavela adiny valo tao anatina kamiao nivadika Adiny valo vao afaka tao anatin’ilay kamiao nitondra azy ka nivadika teny Iavoloha, omaly vao maraina be, tokony ho tamin’ny 3 ora ny lehilahy iray. Kamiao lehibe nitondra ovy hoentina hamidy any avaratra io tra-doza io. «Olona efatra izy ireo no tao anaty fiara fa afaka nivoaka ireo olona telo dia ny mpamily sy ny mpanampy azy ary olona iray hafa. Ity olona fahefatra ity kosa no tavela tao», hoy ny fanazavana azo avy amin’ny zandarimaria, etsy Andoharanofotsy. «Nifanome tanana nisikotra io lehilahy io tao anatin’ilay fiarabe ireo olona teo amin’ny manodidina sy ny mpamonjy voina ka tokony ho tamin’ ny 11 ora vao afaka tao ity farany», raha ny nambaran’ ny tatitry ny zandarimaria hatrany. Tonga teny an-toe-rana ny zandary avy eo ka ny nanala ilay fiara niteraka fitohanana no nataony sady nanadihady ny mpamily mikasika izay nahatonga ny loza. H.R |
|
Namontana – Fisaka ny lohan’ilay lehilahy tra-doza tamin’ny môtô Ranomaso no nameno ny tranom-patin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Lehilahy iray, 30 taona, nitondra môtô no maty tsy tra-drano nifatratra tany amina fiara kamiao iray omaly antoandro tokony ho tamin’ny 12 ora teny Namontana. Nahatsiravina ny nijery ny loza satria dia fisaka tao anatin’ilay aroloha nanaovany ny lohan’ity mpitondra môtô ity. Ny zandrin’ilay namoy ny ainy irery no nanaraka azy teny amin’ny tranom-paty tao aorian’ny voina ka saika tsy nahazo nampanginina ity farany nijery an-jokiny. «Môto lehibe natao ho an’olon-droa no nentin’ity lehilahy ity, izany hoe tsy maintsy olona manana fahazoan-dalana hitondra fiara no afaka mitondra azy», hoy ny fanazavana azo avy amin’ ny biraon’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana. «Raha vao niseho io loza io dia najanon’ilay mpitondra kamiao ny fiara noentiny ka avy hatrany izy dia nanatona biraonay ary nitondra polisy nijery ilay loza. Natahotra fitsaram-bahoaka rahateo ihany koa izy», hoy ihany ny fanazavan’ny polisy avy ao amin’ny birao misahana ny lozam-pifamoivoizana. Teny an-dalana hamonjy hôpitaly no namoy ny ainy ilay lehilahy nitondra môtô. Haja Randrianantoandro sy Rindra Rabeharimahazo |
|
Lalana Masay – Mpaka trondro maty nodonin’ ny taksibe Nipitika lavitra ny toerana nandonan’ny taksibe iray ao amin’ny zotra 163 azy mihitsy ity zazalahikely iray 13 taona, afak’omaly hariva, teny amin’ny lalana manamorona ny farihin’i Masay. Maty tsy trà-drano ity niharan-doza ity. Samy manana ny filazany ny mpamily an’ilay fiarakodia sy ireo mpandeha tao anatin’ilay fiara, raha ny tatitry ny polisy. « Nisy tamin’ireo mpandeha no nilaza fa nifanenjika tamin’ny fiara namany ilay taksibe, ka nandeha mafy tamin’io fotoana io. Nisy ihany koa anefa ireo mpandeha nilaza fa niampita tampoka ilay ankizy ka izay no naha voadona azy. Mbola haka am-bavany ilay mpamily sy olon-kafa izahay dia ho hita eo ny marina mahakasika ny antony marina nahatonga ny loza », hoy ireo polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana. « Mpaka trondro eo amin’ny farihin’i Masay io zazalahy io ary eny Manjakaray izy no mipetraka raha ny fahalalako azy. Miaraka maromaro manao andiany ireo ankizy ireo rehefa maka trondro. Somary manao fanenjika izay izy ireo rehefa avy ao anaty rano fa tsy afaka ny hanamarina aho hoe tena nanao izany tokoa izy ireo tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza noho izaho tsy nanatri-maso », hoy kosa indray i Ndahy Odette, mponina eny Manjakaray tonga teny an-toerana taorian’ilay loza. Ranaivoson Faniry |
|
Fifamoivoizana – Loza valo amin’ny 12 no avy amin’ny môtô scooter Mitombo isa ny loza ateraky ny môtô scooter. Ny tsy fitandremana sy ny hafangainam-pandeha diso tafahoatra, miaraka amin’ny fisotroana zava-pisotro mahamamo ary ny tsy fahatomombanan’ny taratasy momba azy matetika no miteraka ny loza. «Amin’ireo marary 140 isan’andro raisinay, raha lozam-pifamoivoizana 12 no mitranga, valo amin’ireo no môtô. Izany hoe 70 isan-jaton’ny lozam-pifamoivozana noho ny fianjerana amin’ny môtô scooter avokoa. Saika lehilahy eo amin’ny 20 ka hatramin’ny 35 taona no tena iharan’izany», hoy Dr Raveloson Zorozo lehiben’ny sampana mpamonjy voina ao amin’ny Hjra . « Isan-kerinandro, 27% ny lozam-pifamoivoizana no avy amin’ny fitondrana môtô scooter avokoa ary matetika miafara amin’ny fahafatesana. Antony mahantonga ny loza ny fisongonana an-kavia, ny tsy fanajana ireo takelaby fanoroan-dalana, ny hamamoana, ary ny tsy fanajana ny lalànan’ny fifamoivoizana», hoy ny manamboninahitry ny Polisy, Rakotomahandry Herizo Alain Patrick, ao amin’ny Borigadin’ny lozam-pifamoivoizana, ao Tsaralalana. Iray indray no maty Nisehoana loza mahatsiravina indray teny Ambohibao manakaiky ny fivarotam-panafody ny alin’ny talata teo. Lehilahy iray nitaingina môtô no nodonin’ny fiara ka maty tsy trà-drano. Nikasa hiaraka amin’ny namany, izay tsy hitany efa ela, ity niharan-doza ity izao tra-doza izao. Tato anatin’ny andro vitsy izay dia nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana nahakasika môtô ary saika namono olona hatrany izany. Potipotika tsy nisy noraisina intsony ny aroloha nentin’ilay mpitondra môtô, teny Ambohibao nandritra io loza mahatsiravina io. Fiara tsy mataho-dalana no nandona azy. Nihosin-dra ny arabe. Efa vatana mangatsiaka sisa no tonga tany amin’ny hopitaly. «Dona mafy tany amin’ny lohany no mety nitarika tamin’ny nahafatesan’ity lehilahy nitondra môtô ity», hoy ireo mpitsabo nitondrana ilay niharam-boina. Tamin’ny fiandohan’ny herinandro ihany koa nisy mpitaingina môtô roa lahy nodonin’ny fiara tsy mataho-dalana, teny Ankorondrano. Nitsoaka ilay fiara ary mbola ifampitadiavana hatramin’izao. Andro vitsy taorian’io dia namoy ny ainy ny iray tamin’ireo niharam-boina raha mbola tsaboina noho ny fahatapahan’ny taolan-tongony kosa ilay faharoa any amin’ny hopitaly. Talohan’izay no nahavoa ilay zandary miasa eny amin’ny Gsis nitaingina môtô maty voadonan’ny fiara, teny Andranomena ihany koa, ny 4 mey,tokony tamin’ny 3 ora sy sasany maraina. Rindra R sy Ranaivoson Faniry |
|
Lozam-pifamoivoizana – Zandarin’ny GSIS matin’ny môtô
Zandary prainsipaly kilasy faharoa, 27 taona, iray miasa eo anivon’ny GSIS (vondrona eo anivon’ny zandarimaria natao hirotsaka an-tsehatra amin’ireo tranga manokana sy mahery vaika) no maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana tetsy Andranomena ny sabotsy vao maraim-be teo tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany. « Nifatratra tany amina fiara iray marika Peugeot 405 ny môtô nentin’ity zandary ity, ka vokatry ny hamafin’ny dona nahazo azy teo amin’ny lohany no heverina ho nahafaty azy », hoy ny fitantaran’ny zandary avy ao Ambohibao, tonga voalohany teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza. Handeha hamonjy fodiana eny Ivato ity zandary ity izao tra-doza izao. « Raha ny fijery ny faritra voadona tamin’ilay fiara dia hita fa somary nangalatra ankavia ihany ilay môtô. Tsy fantatra mazava anefa na torimaso fotsy na zavatra hafa no nahatonga ny loza fa tamin’ny fotoana nahatongavanay teny an-toerana dia tsy nahenoana fofon-toaka mihi-tsy aloha ilay maty », hoy ihany ny zandary avy ao Ambohibao. « Tsy nisy azo natao intsony fa teo no ho eo dia nodimandry ilay zandary. Tonga teo amin’ ny toerana nahafaty ilay namany avy eo ireo zandary avy eo anivon’ny GSIS, ka avy hatrany dia nentin’izy ireo nankeny amin’ny tobin’izy ireo eny Ivato ny vatana mangatsiakan’ity zandary ity », hoy ihany ny zandary avy etsy Ambohibao izay miandraikitra ny famotorana. Fanindroany izay no nisy zandary maty vokatry ny fifandonana môtô tamin’ity taona ity. Ny voalohany dia tamin’ny 13 avrily teo teny amin’ny lalana Digue ary ity indray ny faharoa. H.R |
|
Lozam-pifamoivoizana – Mpitondra scooter naratra mafy nifandona tamin’ny fiara
Lehilahy iray manodidina ny 25 taona nitondra môtô no naratra mafy nifatratra tany amina fiara iray marika « Ford » tetsy Itaosy, ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. « Andeha hody io tovolahy io izao tra-doza izao. Nisy vaky ny lohany ka avy hatrany dia nentina namonjy hôpitaly izy . Potika tanteraka ny môtô nentin’ity lehilahy ity ary ny jiro havanan’ilay fiara kosa no vaky », hoy ny fanazavana azo teo anivon’ny zandarimaria tetsy Itaosy. « Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny zandary amin’izao fotoana izao mikasika ity loza ity. Ary mbola tazonina ato amin’ny borigadin’ny zandary ilay môtô », hoy ihany ny fanazavana azo teo anivon’ny zandary. Mbola tazonina eny amin’ny hôpitaly, manaraka fitsaboana, ilay lehilahy naratra amin’izao fotoana izao. H.R |
|
Lozam-pifamoivoizana – Hotsaraina anio ilay nahafaty an-dRazafimily Maxime
Iray volana mahery aty aoriana, hotontosaina anio eny amin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy, efitra faha-2, ny fotoam-pitsarana ilay lozam-pifamoivoizana nahafaty ny tovolahy Razafimily Maxime, nitranga teny amin’ny By pass, ny 17 marsa tolakandro. Hatramin’ny omaly dia milaza hatrany ireo fianakaviany fa « tsy afa-po tamin’ny fahazoan’ilay mpamily ny fiara tra-doza fahafahana vonjimaika ». Manantena ny fahendren’ny Fitsarana anefa izy ireo anio amin’ny fitsarana ny raharaha tsy mitanila. Ny harivan’ny 17 marsa tokony tamin’ny 4 ora latsaka, teny amin’ny by pass no tra-doza Razafimily Maxime. Nitondra irony karazana môtô « bol d’or » irony izy no nifandona tamin’ny fiara iray. Mbola nihetsika izy taorian’ny loza, saingy namoy ny ainy rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. « Raha toa ka nisy niraharaha izy raha vao nitranga ilay loza, ka nisy nitondra haingana teny amin’ny hopitaly, mety ho zavatra hafa no nitranga », hoy Razafimily Anasthasia, anabaviny. Ho tonga maro eny amin’ny Fitsarana anio ireo namana sy tapaka ary mpiara-mianatra tamin’i Maxime hiatrika ity fitsarana ity. Andro vitsy taorian’ ny nitrangan’ny loza dia nanao fihetsiketsehana teny amin’ilay toerana nisian’ny loza izy ireo. Fihetsika izay natao, araka ny fantatra, fa hanairana ny tompon’ andraikitra voakasika rehetra tamin’ity raharaha ity, mba tsy hanao jery mitanila. R.Faniry |
|
Lozam-pifamoivoizana – Vehivavy ahiana ho voadonan’ny fiara hita faty teo amoron’arabe
Fatim-behivavy iray no nitsirara teo amoron’arabe teny Manandona Ambohijanaka, omaly vao maraimbe tokony ho tamin’ny 4 ora. Ireo zandary avy eny Andoharanofotsy mpanao fisafoana avy nanatitra ireo zandary namany teny Alasora no nahita ity razana ity. « Nisy vakina jirona fiara sy vakim-pitaratra teo akaikin’ity razana ity tamin’ ny nahitana azy voalohany. Mety ho voadonan’ny fiara araka izany io vehivavy io, ka izay no nitarika ny fahafatesany », hoy ny tatitry ny zandary avy eny Andoharanofotsy, izay mandray an-tanana ny famotorana.« Tsy nisy nahafantatra ity razana ity ireo olona teo amin’ny manodidina ary tsy nahitàna taratasy mombamomba azy ihany koa tany aminy », hoy ihany ny zandary. Naterina eny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha ilay razana taorian’ny fizahana rehetra natao. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandary avy etsy Andoharanofotsy. Haja R. |
|
Lozam-pifamoivoizana – Fiara 4×4 nifatratra tany amina andrin-jiro Fiara tsy mataho-dalana iray no nidona mafy tamina andrin-jiro, omaly vao maraim-be tetsy Ankorondrano. Na dia potika aza anefa ny lohan’ilay fiara dia tsy nisy ratra hita mihitsy tamin’ilay mpamily. « Tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tany ho any no nitrangan’io loza io. Mafy be tokoa ny fandonan’ilay fiara ilay andrin-jiro ka taitra aho ary nivoaka nijery. Fiara 4×4 iray, ny lohany no ambany ary ny vodiny nitondrotra ambony, no hitako teo. Ilay andrin-jiro kosa nitongilana tahaka ny hianjera ho any afovoan’ny arabe, hany ka tapaka avokoa ny jiro tety amin’ny manodidina », hoy ny fitantaran’i Jean Solo, mpiambina orinasa iray isan’ireo nahita voalohany ny fitrangan’ny loza. Ity vavolombelona ity ihany no nitatitra fa raha ny nambaran’ilay niharam-boina taminy dia niala fiara Sprinter nandeha teo anoloany no nahatonga ilay fiara tsy mataho-dalana nifatratra tamin’ilay andrin-jiro. Raha ny fahitana ny dian’ny kodiarana tamin’ny arabe dia tahaka ny nisongona avy aty amin’ny ankavanana ilay fiara 4×4 ary heverina fa nandeha mafy ihany koa. Voatery nosoloina mihitsy ilay andrin-jiro. Efa ireo tariby vaventy taminy sisa no nitazona azy tsy hianjera. Tokony ho tamin’ny 6 ora maraina no tonga teny an-toerana ny teo anivon’ny Jirama nanolo ilay andrin-jiro. Ilay fiara kosa ny antoandro vao noesorina teny an-toerana. Haja R. |
|
Ivato firaisana – Lehilahy roa nitaingina môtô niara-maty Namono olona indray ny môtô teny Antanambao Andafiavaratra ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ivato Firaisana, ny alahady 14 avrily teo tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka fahefany. Lehilahy roa nitaingina « môtô scooter » no niara-namoy ny ainy. « Somary nandeha mafy izy roa lahy ka nifatratra tany amina fiarakaretsaka iray avy any Ivato. Mafy loatra ny dona nahazo azy ireo ka maty tsy tra-drano mihitsy izy ireo », hoy ny tatitry ny zandarimaria eny an-toerana. Loharanom-baovao avy amin’ny zandary no nanamarika fa « tsy nisy jiro ilay môtô ary nahenoana fofona alikaola izy ireo, saingy tsy azo lazaina avy hatrany hoe mamo satria ny »autopsie » ataon’ny mpitsabo ihany no afaka mamaritra tsara an’izany ». Raha ny tatitry ny mpitandro ny filaminana ihany dia saika nilaza avokoa ireo olona teo amin’ny manodidina izay nanontaniana sy nofotorana fa avy nisotrosotro teny Talatamaty izy roa lahy ireo ary nikasa handeha hody izao tra-doza izao. Lalana manokana « Mampidi-doza foana ireo lalana malalaka be eto an-drenivohitra toy ny eny amin’ny Digue sy By pass. Matetika dia môtô hatrany no tra-doza amin’izany. Raha ny soson-kevitro dia tokony hasiana lalana natokana ho an’ny mpitondra môtô mihitsy ireo lalana migodana ireo mba hisorohana ny loza mety hitranga », hoy ny kolonely Rakotomahanina Florens, lehiben’ny fari-piadidian’ny zandary eto Antananarivo. « Matetika amin’ny loza sahala amin’izao dia ny mpitondra fiara foana no voatondro fa diso. Fahita matetika anefa fa ireo mpitondra môtô no tsy mahalala ny lalànan’ny fifamoivoizana. Ny famotorana ihany anefa no mamaritra ny tena zava- misy marina », hoy ny fanamarihan’ny zandary. Ny alatsinainy maraina tokony ho tamin’ny 2 ora no nentina niala teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny vatana mangatsiakan’izy mirahalahy ireo. Haja Randrianantoandro |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |