![]() |
Fiara tapaka hisatra – Mpanampy ny mpamily nosokirina tao ambany kodiarana Mpanampy ny mpamily iray no nosokirina tao ambany kodiaran’ny fiara, izay fiasany ihany, teo amin’ ny toerana iray eo anelanelan’ i Mahanoro sy Marolambo ny 13 avrily teo tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Maty tsy tra-drano ity lehilahy ity. « Tapaka hisatra teo amin’ ny fiakarana iray ilay fiara raha handeha hihazo an’i Maro-lambo. Nidina ilay mpanam- pin’ny mpamily saika hame- traka sakana tao ambanin’ilay kodiarana, saingy tsy tafa- petrany izany, ka izy indray no voahitsaka ary tavela tao ambany kodiarana », hoy ihany ny tatitra azo teo anivon’ny zandarimaria. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary sy ny dokotera teny an-toerana dia efa natolotra ny fianakaviana ny vatana mangatsiakan’ity mpamily mpanampy ity. Haja R. |
|
Hafangainam-pandeha – Fiara nidona tamin’ny arofanina nandratra olona maro
Voalaza fa vokatry ny fandehanana mafy. Fiara iray marika »Mercedes Sprinter » no nidona tamin’ny rindrina natao ho arofanina na »mur de balisage » eo amin’ny kihon-dalana iray ao Ambavaloza Manerinerina ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Tsaramandroso distrikan’Ankazobe, ny alatsinainy 15 avrily teo tokony ho tamin’ny 8 ora maraina. Saika nahitana ratra teo amin’ny loha, tanana, tongotra ary tratra, ny ankamaroan’ny olona tao anatin’ity fiara ity, fa mpandeha iray no tena naratra mafy ka efa nalefa notsaboina ao amin’ny hôpitaly ao Ankazobe. « Somary nandeha mafy ilay fiara ka tsy tafavily intsony rehefa tonga teo amin’ilay fiolahana, dia izay no nampidona azy tamin’ilay rindrina natao ho arofanina. Lalina ihany anefa ilay hantsana ao ambadik’ilay rindrina ka raha tsy nisy an’io arofanina io teo dia azo antoka fa tsy maintsy nisy ny namoy ny ainy », hoy ny vaovao voaray avy any an-toerana. Haja R. |
![]() |
Ampitatafika Ambohimandroso – Kamiao iray latsaka tany anaty rano Nitrangana loza mahatsiravina indray tany Ampitatafika, atsimon’Ambohiman-droso amin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly. Kamiao iray no latsaka tany anaty rano. Hatramin’ny omaly dia mbola miady amin’ny fahafatesana ny olona iray tamin’ ireo telo naratra. Tsy fantatra izay tena antony nahatonga ny loza, saingy ahiana ho vokatry ny fandehanana mafy izany. « Avy any atsimo ilay kamiao marika Mercedes ary hiakatra ho any an-drenivohitra. Tsy nitondra na inona na inona io fiarabe io ary tsy nisy antony hafa tokony ho nampitera-doza teo amin’ilay toerana afa-tsy ny fandehanana mafy ihany. Olona telo no nosokirina tao anatin’ilay fiara ary soa ihany fa tany anaty rano no lasa ilay fiara. Ny iray tamin’ireo olona ihany no voa mafy. Tsaboina ao Ambatolampy io olona io amin’izao fotoana izao », hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary any an-toerana. Vao tsy ela akory izay no nisian’ny loza mahatsiravina nahafatesana olona fito teo amin’ny tetezan’Ambohimandroso. Mbola vokatry ny fandehanana mafy ihany koa no nahatonga izany.
Faralala |
|
Tetezana Ambohimandroso – Saika handevina ny anadahiny pretra ilay masera vahiny maty Loza iray loza roa. Araka ny loharanom-baovao dia nikasa hanatrika ny fandevenana ny anadahiny izay pretra namoy ny ainy tany Ambositra ny masera Marie Pagano Concetta, no isan’ireo tra-doza tamin’ilay fifandonana fiara teo ambony tetezan’Ambohimandroso, ka namoy ny ainy tamin’io. Ny zoma 22 marsa vao maraina no tonga teto Madagasikara, notsenaina teny Ivato izy avy any Italia. Ny harivan’io ihany dia nizotra handeha ho any Ambositra, kinanjo tra-doza teo Ambohimandroso tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. « Pretra efa nahazo taona satria manodidina ny 80 taona ilay anadahin’io masera namoy ny ainy io. Any ambositra no halevina ilay pretra, ka nikasa ho any izy izao tra-doza izao », hoy ny loharanom-baovao iray. Hatramin’ny omaly dia mbola teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly Soavinandriana ny vatana mangatsiakan’ilay masera. Ilay anadahiny kosa efa voalevina any Ambositra. « Raha tsy misy ny fiovana farany dia rahampitso alakamisy 28 marsa no hiala eto Madagasikara ilay razana. Hisy fotoam-pivavahana eny Soavinandriana amin’ny 6 ora maraina mialoha ny hitondrana ny razana eny Ivato », hoy ihany ity loharanom-baovao ity. Nandeha fiara 4×4 Toyota Land Cruiser ity masera italianina namoy ny ainy sy ny masera malagasy iray ary olon-tsotra dimy hafa. Nifandona tamin’ny fiara 4×4 Mitsubishi Pajero iray ilay fiara nitondra ireto namoy ny ainy teo amin’ny tetezana Ambohimandroso. Latsaka tany anatin’ny renirano Onive ilay fiara nitondra azy ireo . Maty avokoa ireo mpandeha enina tao anatiny. Mpitaingina bisikileta iray nandeha taorian’ilay fiara 4×4 ihany koa no anisan’ny namoy ny ainy. Faralala |
![]() |
Manankazo – Fiara nitondra mpianatra hanao »voyage d’étude » nivadika Fiara marika «Sprinter» nitondra mpia-natra amina lisea iray eto an-drenivohitra handeha hanao fianarana ivelan’ny sekoly na (voyage d’étude) tany Mahajanga no tra-doza teo Manankazo, omaly maraina tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany. Olona enina no naratra tamin’ity loza ity ary ny mpanampy ilay mpamily no tena naratra mafy. «Fiara roa izahay no nandeha, ka ny iray nitondra ireo vehivavy rehetra ary ny iray kosa nitondra ireo lehilahy. Ity farany no tra-doza», hoy ny mpamilin’ilay fiara iray nitondra ireo vehivavy. Araka ny fitantaran’ity mpamily ity ihany dia «misy fiolanana be eo amin’ilay toerana nitrangan’ny loza ary nanampoka an’ilay mpamily, izay tsy dia za-dalana firy io ka nampivadika ny fiara». Ny ilany havanan’ilay fiara no nandry tamin’ny arabe ary mbola nikorisa teo amin’ny 15 metatra teo ilay fiara vao tafajanona. Ireo mpianatra nipetraka tamin’io ilany havanan’ny fiara io dia saika naratra avokoa. Ny sasany teo amin’ny lohany no nahitana ratra ny hafa teo amin’ny tanana.Voatery nentina niverina nody ireo ankizy rehetra vokatr’ity loza ity. Haja R. |
|
4×4 nifandona – Masera roa sy olona efatra maty teo amin’ny tetezan’Ambohimandroso Mampangorovitsika ! Olona enina no indray maty tamin’ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin’ny tetezan’Ambohimandroso Gara, ny zoma hariva teo tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany. Fiara tsy mataho-dalana roa an’ny Ekara Fianarantsoa sy an’ny minisiteran’ny Fiompiana sy ny fambolena no nifandona teo ambony tetezana. Ny dimy tamin’ireo mpandeha enina tao anatin’ilay fiaran’ny Ekara no voamarina hatreto fa namoy ny ainy dia ny mpamily ilay fiara, masera roa ka teratany vahiny ny iray ary olona mpianaka. Mbola tsy hita popoka kosa ilay mpandeha fahenina tao amin’ity fiara iray ity. Ankoatra ireo dia mpitaingina bisikileta iray nanaraka avy tao aorian’ilay fiara ho any Fianarantsoa koa no maty tsy tra-drano. Nifatratra tany amin’ireo fiara roa tra-doza izy io, ary nilatsaka tany anaty rano indray avy eo. « Fiara avy nitsena masera teratany italianina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ilay fiaran’ny fiangonana katolika tra-doza. Isan’ny maty tamin’ity loza ity ilay masera vao avy notsenaina », hoy ny fanamafisana avy amin’ny zandarimaria any an-toerana. Latsaka tany anaty rano ilay fiara tsy mataho-dalana ho any Fianarantsoa ka izay no nahamaro ireo olona namoy ny ainy. « Somary nandeha mafy ilay fiaran’ny fiangonana katolika nitondra ilay relijiozy vao avy notsenaina », hoy hatrany ny zandary. Ny alin’io tokony ho tamin’ny 10 ora no tonga teny an-toerana ny teo anivon’ny vondrona fiarovana sivily avy amin’ny Tafika, nikaroka ireo olona latsaka tao anaty rano. Ny sabotsy tokony ho tamin’ny 5 ora maraina anefa vao hita ireo razana efatra sy ilay fiara nilatsaka tany anaty rano ary ny antoandron’io no hita ireo razana roa hafa. Natao ny fizahana ireo razana efa hita ka taorian’izay dia natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’ilay mpitaingina bisikileta. Ireo razana hita tao anatin’ilay fiaran’ny fiangonana katolika ao Fianarantsoa kosa nentina tao amin’ny paroasy Fo Masin’i Jesoa ao Ambohimandroso Gara. « Efa nidina teny an-toerana avokoa ireo tompon’andraiki-panjakana tany an-toerana, toy ny Lehiben’ny faritra Vakinakaratra, ny Lehiben’ny distrikan’Ambatolampy ary ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria ao Ambatolampy, nijery ifotony ny zava-misy ary nanolo-tanana amin’ny fikarohana ireo razana », hoy hatrany ny tatitry ny zandarimaria. Haja Randrianantoandro Nandritra ny ranom-bavaka tao anatin’ny fankalazana ny sampan-kazon’ny tanora ho an’ny diosezin’Antananarivo teny Ivato dia nahatsiaro manokana ireo niharam-boina tamin’ity loza ity ny Arsevekan’Antananarivo monsenera Odon Marie Arsène Razanakolona ary nitondra am-bavaka ho an’ny fialan-tsasatry ny fanahin’izy ireo. |
![]() |
Loza tetsy Alasora – Naiditra am-ponja vonjimaika ilay mpamily Taorian’ny famotorana nataon’ny zandary, dia omaly no natolotra ny Fampanoavana ny mpamilin’ilay fiara namoa-doza tetsy Alasora, ny 1 febroary teo tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Notanana vonjimaika eny amin’ ny fonjan’Antanimora vokatr’izany ilay mpamily. « Olona maro izy ireo no niaraka natolotra Fampanaovana,ka isan’izany ny mpamilin’ilay fiara, ny tompon’ilay fiara ary ny mpanampy ilay mpamily. Ity mpamily ity irery anefa no notanana vonjimaika eny am-ponja », hoy ny tatitry ny zandarimaria avy etsy Alasora. Haja R. |
![]() |
Andranomena – Fiara tapaka hisatra nandratra vehivavy roa Vehivavy roa no naratra vokatry ny fifatraran’ny fiara taksibe iray amin’ny zotra 144 tany amina fiara kamiao lehibe iray tetsy Andranomena, omaly antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany. Voalaza fa mbola olana teo amin’ny hisatra indray no nahatonga ity loza ity. « Nidina fidinana ilay fiara ka teo no tapaka hisatra. Nafatratr’ilay mpamily tany amina fiara kamiao iray vao nivoaka tao amina orinasa iray ilay fiara noentiny rehefa tsy voafehiny intsony», hoy ny nambaran’ ny lehilahy iray nahita maso ny loza. « Somary mafimafy ihany ilay fifandonana satria vaky ny fitaratr’ilay fiara ary potika kosa ny lohany. Tamin’izany no nampaharatra ireo olona roa tao anatin’ilay taksibe. Teo no ho eo ihany izy ireo dia nalefa notsaboina teny amin’ny hôpitaly », hoy hatrany ny fitantaran’ilay vavolombelona. Haja R. |
|
Loza tetsy Alasora – Renim-pianakaviana nivoaka niantsena toa efa voatondro ho faty «Mahatsiaro fahabangana be mihitsy aho!», io foana no ambeti-tenin’Andriamboavonjy Bertrand, noho ny namoizany tampoka ny vady andefimandriny, Rasoalimanga Henriette. Nindaosin’ny fahafatesana tamin’ilay lozam-pifamoivoizana niseho tetsy Alasora ny zoma 01 febroary teo ity farany. Tsy ity raim-pianakaviana ity irery anefa no mahatsapa fahabangana noho ny fahalasanany fa olona marobe, raha ny asa nosahaniny sy ny andraikitra notanany teo anivon’ny fiarahamonina. Sady mpiandry no mpiandraikitra sekoly alahady tao amin’ny fiangonana Fjkm Ambohitrandriananahary Lovasoa izy ary mpanjaitra ihany koa. Nikasa handeha hiantsena eny Analakely ity ramatoa ity izao tra-doza izao. «Niala tato an-trano izy ny maraina fa niantso azy ilay lehibeko any am-piasana hoe mba hiaraka handeha hiantsena izy ireo. Dia izy tra-doza iny. Tena tampoka tokoa ny fahafatesany ary na ny saiko aza hatramin’izao dia mbola tsy mety mino hoe maty izy!», hoy ilay vadiny sady nisafo loha. Efa voalahatra Toa efa voatondro ho faty mihitsy ity ramatoa ity satria raha ny voalazan’ny vadiny dia efa tokony ho ny alakamisy izy no nandeha niantsena saingy nisy zavatra nanakana azy ka izao izy tra-doza ny zoma izao. «Nisy olona nampanjaitra akanjo taminy nilaza fa haka ny lamba nampanjairiny ka izay no tsy nivoahany tamin’io alakamisy io. Ny hariva anefa dia nilaza indray olona fa tsy ho avy. Izy efa tsy tafavoaka tao an-trano intsony. Tonga ny ampitso dia nanapa-kevitra handeha hiantsena amin’izay izy. Fiara efa tsy tomombana no notaingenany satria io ihany no nitondra ahy nandeha niasa ny maraina. Efa nisy tsy nety tamin’io fiara io tamin’izay fotoana izay saingy mbola noteren’ilay mpamily noentina ihany ka izao namoa-doza izao. Raha ny omalin’io izany izy no nandeha dia angamba tsy tratran’io loza io saingy voa aho aloha izao ka aleoko mangina», hoy hatrany ilay raim-pianakaviana namoy vady tao anatin’ny indray mipy maso. Raha ny nomarihan’ny zaobavin’ity ramatoa namoy ny ainy ity dia «tavela tao anatin’ilay fiara nivadika izy ary teo amin’ny lohany no tena voadona mafy». « Sendra handeha hidina eo amin’io toerana io aho no nitranga ilay loza. Mbola tsy hitako ilay fiara nivadika fa olona iray nitsirara teo amin’ny tany no hitako voalohany. Mbola tsy nieritreritra zavatra ratsy aho aloha teo fa rehefa nahita lehilahy iray nihazakazaka mafy, sahala amin’ny ho any amin’ny zandary aho vao tonga saina hoe misy loza ao ambany ao. Rehefa tonga teo amin’ilay toerana nisy ilay loza aho dia nanampy ireo olona teo tamin’ny fibatana marary. Tsy mbola nahalala aho hoe ny anabavin’ny vadiko ihany koa anie ka tra-doza ao fa ny vadiko no niantso ahy hoe tra-doza izy, izay aho vao nihazakazaka nankeny amin’ny hôpitaly » hoy ny fitantaran-dRasoanomenjanahary Nirina. Niteraka telo mianadahy izy mivady fa na izany aza dia toa manahy ny ho irery ihany ilay raim-pianakaviana. «Tena fahabangana be ho ahy ny fahalasanany. Ny zanaka mantsy rehefa mahita izay olon-tiany any dia tsy mahalala anao mihitsy. Manana reny mbola velona aho fa hafa mihitsy ny hantahanta amin’izany hoe vady izany », hoy i Bertrand. Fifanorohana farany «Ny harivan’ny alakamisy, rehefa avy niasa aho dia nitondra fromazy kely sy ranom-boankazo ary mofomamy ho an’ilay vadiko. Nolazainy tamiko tamin’izay fa tena tiany be ilay zavatra nentiko ka dia norohako kely izy ho tambin’izany teny maminy izany. Sahala amin’ny hoe io no fifanorohana farany nifanaovanay mivady», hoy ihany i Bertrand, nilazalaza ny fotoana mamy farany niarahany tamin’ilay vadiny. «Tsy nety nino mihitsy aho tamin’ny vao nahazo antso voalohany fa hoe maty izy, nangina aho aloha tamin’ny voalohany mandra-pahitako ny nofo mangatsiakany ary nafahako nilaza fa tena maty tokoa izy. Amin’izao fotoana izao dia sahala amin’ny misy zavatra marary be ao anatiko ao, izany no antony amoahako ny sentom-poko rehetra rehefa mahita azy mitsotra tsy miteny intsony. Mitomany aho, avoakako eo avokoa izay rehetra tsy zakako », hoy hatrany ity raim-pianakaviana nilaozam-bady ity. Omaly antoandro tamin’ny 1 ora ity renim-pianakaviana ity no nentina nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tao amin’ny fiangonana Fjkm Ambohitrandriananahary Lovasoa ary napetraka tao amin’ny fasan-drazany tao Ambohimiandra. Ny andalan-tSoratra Masina, ao amin’ny Bokin’ny Apokalipsy manao hoe «Sambatra izay maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao. Eny hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy, fa ny asany manaraka azy», no teny fampiononana nosafidian’ny fianakaviany.
Soratra: Haja Randrianantoandro
|
|
Taksibe tapaka hisatra – Roa maty, 20 naratra teny Alasora Nisehoana tranga nitovitovy tamin’ilay tetsy Ambohidahy Ankadindramamy indray tetsy Alasora, omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany. Fiara iray mpitatitra olona marika « Mercedes 307 » no nilaozan’ny hisatra ka nahafaty olona roa. Raha ny fitantaran’ny vehivavy iray nahita maso ny niandohan’ny loza dia « nidina teo amin’ny fidinana ilay fiara no tapaka hisatra ka nikasoka tamin’ny fiara mpitatitra iray niakatra ary nivadika nony farany ». « Nidina an’ilay fidinana aho no nahita vehivavy iray naratra be, nitsirara teo amin’ny tany. Mbola nanohy ny diako aho, ka rehefa tonga teo ambanimbany indray dia nisy olona telo naratra be nandry tamin’ny tany koa, ka teo aho vao tonga saina hoe misy loza », hoy ny fitantaran’ny renim-pianakaviana iray, sendra nandalo teo amin’io toerana io tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Roa maty, 20 naratra Raha ny nambaran-dRazanamihaja Benarivo, Ben’ny tanànan’Alasora dia « olona roa no maty tamin’ity loza ity, ka vehivavy avokoa izy ireo, 47 taona sy 60 taona ». Raha ny nambaran’ity tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Alasora ity hatrany dia « nahatratra 20 ireo naratra tamin’ity loza ity, ka ny folo tamin’izy ireo dia nalefa nody rehefa avy nomena fitsaboana teo anivon’ny CSBII eny an-toerana, fa ireo 10 hafa no voatery nalefa notsaboina teny amin’ny hôpitaly ». « Teny an-dalana hamonjy hôpitaly no namoy ny ainy ny iray tamin’ireo olona roa maty ireo, ny iray kosa efa nialana nenina ihany, saingy tsy tana intsony ny ainy omaly tokony ho tamin’ny 5 ora hariva », hoy hatrany ny nambaran’ny Ben’ny tanànan’Alasora. Mipetraka eny Ambohitanety ny iray tamin’ireo vehivavy maty ireo. Raha ny nambaran-dRasoanomenjanahary Nirina, zaobavin’ilay maty dia « saika hiakatra aty an-drenivohitra izy io no tra-doza. Teo amin’ny lohany no nahitana fahavakisana be ka izay no nahafaty azy ». Haja Randrianantoandro Mbola olana tamin’ny hisatry ny fiara ihany koa no nahatonga ny loza teny Ankadindramamy ka nahafatesana olona 15. Olona maro no nitondra takaitra vokatry ny ratra nahazo azy tamin’iny loza iny. Ny 5 febroary izao no hiakatra eny amin’ny Fitsarana ity raharaha Ankadindramamy ity. Raha ny fantatra dia efa notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ilay mpamilin’ilay fiara namoa-doza.
|


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |