|
Vahaolan’ny krizy – Tsy manohana ny fehin-kevitry ny Ffkm ny Foloalindahy Nanasa tanana ary nanamafy ny finiavany tsy hiandany sy hiditra lalina amin’ny resaka politika ny Foloalindahy, tamin’ny alalan’ny fanambarana novakian’ireo tompon’andraikitry ny serasera avy eo anivon’ny polisim-pirenena, ny zandarimaria ary ny tafika. «Tsy marina ny filazana fa nahazo fankatoavana avy amin’ny mpitandron’ny filaminana ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra politika nataon’ny vondron’olona, na iza izy na iza. Tsy misy fiheverana hanangana fitondrana miaramila izany koa avy amin’ny mpitandro ny filaminana”, hoy ilay fanambarana novakian’ny kaomisera Alexandre. Voafaoka ao anatin’ity fanambarana ity na tsy noresahana mazava aza ny fehin-kevitra nivoaka tao anatin’ny fivoriam-ben’ny Ffkm, ny alahady teo, izay nanantitrantitra ny amin’ny tokony hirosoana amin’ny fananganana ilay «tetezamita vaovao sy ny fandravana ny governemanta, ny fanemorana ny fifidianana….». Tsy mijanona hatreo fa nilaza ny “handray andraikitra amin’ireo mpitandro ny filaminana izay minia tsy manaja ny tsy fiandaniana politika koa ny Foloalindahy araka ny fanomezan-toky nataon’izy ireo ny 17 aprily 2013 lasa teo”. Tsaho no aely Araka ny fantatra anefa dia efa nisy ny resaka maharitra nataon’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Foloalindahy tamin’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy mpitarika ny Ffkm ny sabotsy teo. Taorian’io dia nandeha ny resaka fa “mety hisy ny fanonganam-panjakana hotanterahan’izy ireo ka hametrahana tetezamita vaovao araka ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ny fivoriamben’ny Ffkm teny Ivato”. Siosion-dresaka izay nodisoin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Randrianazary tanteraka. “Tsaho fotsiny no haely ary tsy mahalala izany resaka fitondrana miaramila izany mihitsy ny tenako. Tiako marihana koa fa soson-kevitra toy ny soson-kevitra rehetra mivoaka ireny ihany iny naroson’ny Ffkm iny ka tsy hitako aloha izay hambara mahakasika izany. Efa nilaza rahateo iny ny Ffkm fa tsy tokony hiditra amin’ny resaka politika ny Foloalindahy ka noho izany dia tsy tokony hiresaka politika amin’ny Foloalindahy koa ny mpanao politika», hoy izy omaly, hentitra dia hentitra. Voalaza ao anatin’ity fanambarana nataon’ny Foloalindahy, omaly ity ihany koa fa «manampy amin’ny fampiharana ny tany tan-dalàna, ary anisan’izany ny fiarovana ny fahaleovantenan’ny fitsarana amin’ny didy izay avoakany ny Foloalindahy ary ny torolalana izoran’izy ireo hatreto dia ny fanatanterahana ny fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika, ny 24 jolay 2013 izao”. JR Nanampy tosika koa ny ankamaroan’ireo kandidà Saika nanakiana mafy ilay fehin-kevitra navoakan’ny Ffkm ny alahady teo avokoa ny ankamaroan’ireo kandidà hirotsaka amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Ho an’ny Praiminisitra teo aloha, Monja Roindefo dia «tsy afaka ny hiandry 18 volana hanatanterahana tetezamita vaovao intsony ny Malagasy ka tokony tazomina ireo tetiandrom-pifidianana napetraky ny Cenit sy ny Firenena Mikambana». Ny kandidà, Ny Rado Rafalimanana dia tonga tamin’ny filazana mihitsy fa «tokony hijoro hanao fanambarana miaraka hiaro hatramin’ny farany ny fantanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena ny 24 jolay izao ireo kandidà 41 handray anjara amin’izany». Ny minisitry ny Raharahambahiny, Pierrot Rajaonarivelo ihany koa dia nanipika fa «tsy tokony hokitihana intsony ireo lamina rehetra amin’ny famaritana ireo datim-pifidianana izay efa neken’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena». |
|
Vahaolan’ny krizy – Raikitra amin’ny 18 avrily ny fanelanelanan’ny Ffkm Izay vao tena tapa-kevitra hiroso amin’ny asa mifandraika amin’ny fandaminana ny raharaham-pirenena ireo Filoham-piangonana efatra mirahalahy mpitarika ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (Ffkm). Ny 18 avrily izao no hamory ireo mpanao politika sy ireo hery velona samihafa mba hikaroka vahaolana amin’ny famahana ny krizy politika eto Madagasikara izy ireo. «Dinika savaranonando hiarahana amin’ireo vondron-kery rehetra izay efa nihaona tamin’ny Sefip no hotanterahina amin’io andro voalohany io», araka ny fanazavan’ny Arsevekan’Antananarivo, ny monsenera Odon Marie Arsène Razanakolona, izay nitarika ny fotoam-pivavahana noentina nahatsiarovana ireo mahery fon’ny firenena namoy ny ainy tamin’ny 29 marsa 1947. Tetsy amin’ny fiangonana Fjkm Analakely no natanterahina an’io fotoam-pivavahana io omaly maraina. Na dia efa maro aza ireo dingana nirosoana tamin’ny fanatanterahana ny sori-dalana dia mbola mahatsapa ny Ffkm fa «mbola mampitondra faisana ny isan-tokantrano ny krizy politika izay efa naharitra efa-taona maninjitra». «Voatohintohina ny soa toavina amin’ny maha Malagasy sy ny ara-pinoana ka tsy maintsy mijoro hampihavanana ny zanany ny fiangonana», araka ny fanambarana nosoniavin’ireo Filoham-piangonana efatra mirahalahy izay novakian’ny Arsevekan’Antananarivo teny an-toerana, omaly. Nohitsian’ireto raiamandreny am-panahy ireto mihitsy aza fa «mbola tsy nahitam-bokany ny fanatanterahana ny fifanarahana teo amin’ireo vondron-kery politika sy ny iraisam-pirenana raha ny famahana ny krizy politika eto amintsika no jerena». Hatreto aloha dia nilaza fa tsy mandà ny handray anjara amin’ity fampihaonana ny samy Malagasy ity ny antoko Tanora malagasy vonona (Tgv). Notsindrian’i Lanto Rakotomavo, sekretera nasionalin’ity antoko ity, anefa fa «adihevitra no tanterahina ka miankina amin’izay fifandresen-dahatra hitranga eo ihany no haneken’izy ireo izay fehin-kevitra mivoaka amin’io fihaonana io na tsia». Ny ankolafy Ravalomanana ihany koa dia tsy mbola nandà ny hidiran’ny Ffkm an-tsehatra amin’ny fandaminana ny raharaha politika eto Madagasikara. JR
|
![]() |
Krizy miverimberina – Niadian-kevitra teny Tsara-lalàna ny fototry ny olana Nitondra hevitra maro ho an’izay ho mpitondra rahampitso i Harotsilavo Rakotoson, mpahay lalàna nandritra ny famelabelaran-kevitra nataony teny amin’ny sekolim-pirenena manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha eny Tsaralalàna, omaly. Mpahay lalàna maro, tompon’andraikitra ambony sivily sy miaramila no nanatrika izany. « Isan’ny olana tokony hojerena eto amin’ ny firenena ny fanapahan’ny olon-tokana eto amin’ny firenena dia ny Filoham-pirenena izany. Misy lesoka ny rafitra politika eto amintsika. Raha tsy marin-toerana anefa ny fahefana eo am-pelantanan’ny manam-pahefana sivily dia miseho lany ny krizy. Matetika ny tompon’andraikitra dia mivaona amin’ny fanapahan-keviny, ka mahatonga ny olona hanohitra izany. Ny fahefana miaramila indray dia tokony hampiasaina ho fiarovana ny vahoaka fa tsy sanatria hanaovana herim-pamoretana. Ilaina noho izany ny fandanjalanjana », hoy ity mpahay lalàna ity. « Araka izany, dia mila manana tetikasa mampiseho fitiavan-tanindrazana isika. Ny tompon’andraikitra rehetra ihany koa dia tokony hanana fanapahan-kevitra iraisana ho an’ny tombontsoam-bahoaka mba hisian’ny filaminana marina. Raha milaza ny mpitondra fa mihafy dia tokony ho hita taratra amin’izy ireo izay fihafiana izay. Ny amin’ny firotsahako hofidiana amin’ny fifidianana filoha dia ho hita eo ihany izany fa aleo aloha handinika tsara », hoy izy. Faralala |
![]() |
Krizy Malagasy – Hivory mandritra ny telo andro any Dar es Salam indray ny Sadc Anio no hivory any Dar es salam, renivohitr’i Tanzania indray ireo komity iraisan’ireo minisi-tera mandrafitra ny Troïka, rafitra mpanatanteraky ny vondrona Sadc. Araka ny fampitam-baovao navo-akan’ny biraom-pifandra-isana iraisam-pirenena misolo tena ny vondrona Sadc eto amintsika dia «hifototra amin’ny fandinihana ny krizy politika eto Madagasikara sy ny an’ny Repoblika demokratikan’ Aorian’ity fivoriana savaranonando ity dia hitohy rahampitso sy raha-fakampitso amin’ny fivorian’ireo Filoham-pirenena telo tonta mandrafitra ny Troïka izay tarihin’ny Filohan’i Tazania, Jakaya Kikwete sy ny Filohan’i Mozambika ity fihaonana savaranonando handinihana ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika ity. Azo heverina fa isan’ny tsy maintsy hodinihina mandritra izany ny resaka manodidina an’ilay soson-kevitra naroson’izy ireo ny amin’ny tokony tsy haha-kandidà ny Filohan’ny tete- zamita, Andry Rajoelina sy ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana amin’ny fifi- dianana Filoham-pirenena. Eo ihany koa ny fanoman-komanana ny dian’ireo delegasionan’ny vondrona Sadc, izay tokony ho avy eto Madagasikara amin’ity tapatapaky ny volana janoary ity. JR |
|
Krizy Malagasy – Mitaky fifanarahana mialoha ny faran’ny taona ny «Troïka»
Tsy an-kiandry marary. Fantatra taorian’ny fihaonan’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina sy ny Filoha mpitarika ny «Troïka», rafitra mpanatanteraky ny vondrona Sadc tany Dar es Salaam, ny zoma 14 desambra teo, fa tsy maintsy hotadiavina ao anatin’ny fotoana fohy ny vahaolana maika ahafahana mamaha ny krizy politika eto Madagasikara. Tamin’io fihaonana io dia nifanaraka ny roa tonta fa «ilaina ny fanohizana ny fakan-kevitra amin’ireo izay rehetra tompon’antoka afaka manapa-kevitra amin’ny famahana ny krizy politika eto Madagasikara, mialoha ny faran’ny volana desambra 2012 izao». Azo heverina aloha fa hirona kokoa amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ny fodian’ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana eto Madagasikara ny fanohizana an’izay fakan-kevitra izay . Taorian’ny lanonam-pitokanana ny kianjan’ny Makis tetsy Andohatapenaka ny sabotsy teo rahateo dia notsipihin’ny Filohan’ny tetezamita fa «fepetra maro no tokony mbola hipetraka amin’ity fodian’ny Filoha teo aloha ity ary tsy azo ekena mihitsy ny mety ho fisiana tafika vahiny hiaro azy eto an-toerana». Isan’ireo lahadinika nohalalinin’ny roa tonta tamin’ity fihaonana ity ihany koa ny pitsopitsony rehetra momba ireo fehin-kevitra noraisin’ny vondrona Sadc taorian’ny fivoriambe notanterahina ny 8 desambra lasa teo. Nambaran’ny mpanorina ny antoko Tanora malaGasy Vonona fa «isan’ny zava-dehibe ny faneken’ny Sadc ny tsy hanemorana intsony ireo datim-pifidianana hotanterahina amin’ny taona 2013. Hatramin’ny sabotsy teo aloha dia mbola tsy nilaza ny fanapahan-keviny mahakasika ny ho firotsahany na tsia amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny Filohan’ny tetezamita. «Mialoha ny faran’ny taona no hanambarako izany », hoy fotsiny izy.
JR
|
![]() |
Fivoahana ny krizy – Handefa mpanara-maso ny Vondrona eoropeanina Handefa manam-pahaizana manokana hijery ifotony sy hanara-maso ny firoson’ny fanatanterahan’ny fitondrana tetezamita ny famahana tsikelikely ny krizy politika eto Madagasikara ny Vondrona Eoropeanina. Araka ny nambaran’ny masoivoho misolo tena ny Vondrona Eoropeanina eto amintsika, Leonidas Tezapsidis, dia amin’ny volana janoary eo ho eo no ho tonga eto amintsika ireto manam-pahaizana ireto. «Hizaha ifotony ny resaka fandriampahalemana sy ny firo- soana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana no anton-dian’izy ireo», araka ny nolazain’ity Masoivoho ity, tetsy amin’ny biraony tetsy amin’ny «Tour Zital» Ankorondrano omaly maraina. Hatreto aloha dia mbola nanamafy ny fitazonany ny sazy mihatra amin’i Madagasikara hatrany ny Vondrona Eoropeanina. Na dia izany aza dia nanambara ny fahavononany hanome vola ny Cenit amin’ny fanomanana sy ny fanatontosana ny fifidianana eto amintsika ry zareo Eoropeanina. JR |
|
Krizy Malagasy – Hanapa-kevitra any Dar es Salam amin’izay ny Sadc
Rahampitso zoma 7 desambra sy ny sabotsy 8 desambra izao no hotanterahina any Dar Es Salam renivohitr’i Tanzania ny fivoriana iarahan’ny vondrona Sadc. Fivoriana tsy ara-potoana izay handi-nihana manokana ny krizy politika eto Madagasikara ary koa ny fandriampahalemana any amin’ny Repoblika demokra- tikan’i Congo sy i Zimbabwe. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny biraom-pifan-draisana iraisam-pirenena, izay misolo tena ny vondrona Sadc eto amintsika dia «omaly no efa nanomboka ny fanoma-nana ireo pitsopitsony rehetra mahakasika ny lahadinika haroso ao anatin’io fivoriana io ireo Filoham-pirenena mpitarika ny Troika, rafitra mpanatanteraky ny vondrona Sadc, izay tarihin’ ny Filohan’i Tanzania, Jakaya Kikwete». Isan’ny tena handrasan’ ireo mpanao politika fatratra amin’ity fivoriana ity ny fanapahan-kevitra maha-kasika ny mahamety na tsia ny fodian’ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana eto Mada- gasikara, izay efa nanaovan’ ireo jeneraly avy amin’ny vondrona Sadc fanadihadiana manokana teto amintsika ny tapaky ny volana oktobra lasa teo. Eo ihany koa anefa ny fiandrasana ny hevitr’ireo Filoham-pirenena mandrafitra ny vondrona Sadc mahakasika ny firotsahan’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina sy ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana amin’ny fifi-dianana Filoham-pirenena. Mety tsy hihaona Araka ny fantatra dia omaly no efa nihazo an’i Dar es Salam hanaraka akaiky an’ity fivoriana ity i Marc Ravalomanana. Ity farany izay miandrandra ny fanohanan’ ny vondrona Sadc ny fiverenany an-tanindrazana sy ny haha kandidà azy amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. «Tsy hamela antsika fotsiny amin’izao ny Sadc fa hitady ny fomba rehetra haha- tanteraka an’izany», io hatrany no ambetin-tenin’ny mpano- rina ny orinasa Tiko raha nandaha-teny nanoloana ireo mpomba azy tetsy amin’ny kianjan’i Magro, efa ho herinandro maromaro izao. Isan’ ireo mety hitodi-doha ho any Dar es Salam ihany koa ny Filohan’ny kaongresin’ny tete- zamita sady mpitarika ny delegasionan’ny ankolafy Ravalomanana, Mamy Rakotoarivelo. Tsilian-tsofina aloha no nahafantarana fa «raha ny tokony ho izy dia tokony hisy ny fiha- onana teo amin’ny Filohan’ ny tetezamita sy ny Filoha teo aloha any an-drenivohitr’ i Tanzania anio». Hatreto anefa dia mbola nitazona ny heviny ny tsy hihaona amin’ny mpanorina ny orinasa Tiko hatrany ny Filoha mpanorina ny antoko Tanora malaGasy Vonona. Ity farany izay mbola nitarika ny filankevitry ny minisitra teny amin’ny lapan’Iavoloha, omaly. Voalaza fa ny tale misahana ny Fifandraisana iraisam-pirenena eo anivon’ ny Fiadidiana ny tetezamita, Annick Rajaona ihany aloha no mety hisolo tena azy, hanjohy an’izay fihaonana any Dar es Salam izay. JR Aza kitihina ny tetiandrom-pifidianana hoy ireo Ct |
|
Krizy Malagasy – Hanapa-kevitra afaka andro vitsivitsy ny Sadc Hivory tsy ho ela hanapa-kevitra mikasika ny fandaminana ny raharaha politika eto Madagasikara indray ny «Troïka», rafitra mpanatanteraky ny vondrona Sadc. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Raharahambahiny dia amin’ny fiandohan’ny volana desambra izao no voatondro hanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny vondrona Sadc, hamoahan’ny «Troika » fanapaha-kevitra momba ny krizy malagasy. « Mbola tsy nahazo fampitam-baovao mahakasika ny daty mazava sy ny toerana hanatanterahana izany izahay hatreto, fa tsy tokony ho ela intsony izany», araka ny fanambaran’ny tompon’andraikitry ny fifandraisana eo anivon’ny minisiteran’ny Raharahambahiny malagasy, omaly. Ny masoivohon’i Frantsa, Jean Christophe Belliard omaly, no nanamafy fa «fanapahan-kevitra politika no handrasana amin’ny Sadc mba hamoahana an’i Madagasikara ao anatin’ny krizy, aorian’io fihaonana an-tampony io». Azo heverina fa isan’ny hanan-danja ao anatin’izay fanapahan-kevitra izay ny tatitra hataon’ireo manamboninahitra avy amin’ny Sadc, izay nanao tombana ny mampety na tsia ny fodian’ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Miandry ny fihaonan-dRavalomanana sy Rajoelina Eo ihany koa anefa ny fandravonana ny fehin-kevitra naroson’ireo antoko sy vondrona ary ankolafy politika nanasonia ny sori-dalana mahakasika ny fanatanterahana ireo andininy sasantsany izay mbola tsy tanteraka ao anatin’ny sori-dalana. Araka ny fantatra dia afaka herinandro eo ho eo no hampihaona ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina sy ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana ny minisitry ny Raharahambahiny tanzanianina, Bernard Kamillius Membe sy ny minisitry ny Raharahambahiny frantsay, Laurent Fabius. Tsy mbola voafaritra ihany koa anefa ny andro sy ny toerana hanatanterahana izany. Tsilian-tsofina no nahenoana fa mety ho atsy Afrika Atsimo no hanatontosana izay fampihaonana azy mirahalahy izay. Azo heverina fa hanan-danja amin’ny fanapahan-kevitra horaisin’ny Sadc izay ho vokatry ny fampihaonana ny roa tonta eo. JR |
|
Krizy Malagasy – Nively kanota ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Katolika
Nampiseho fitiavan-tanindrazana. Tsy mankasitraka ny fihetsiky ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny famahana ny krizy mitarazoka eto Madagasikara ireo Eveka katolika izay nanatanteraka fivoriambe tetsy amin’ny «Episcopat» Antanimena, nanomboka ny 7 ka hatramin’ny zoma 17 novambra teo. Ny Malagasy anefa aloha no voatsindrom-paingotra voalohany tamin’ny fanambarana navoakan’ny fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, ny sabotsy teo. «Noho ny tsy fahasahiana miaro ny tombontsoam-pirenena dia firenen-kafa no manery ankolaka na mivantana ny samy Malagasy mba tsy handraisantsika vahaolana eto an-toerana», hoy ireo Eveka. Notsiahivin’ireto mpitondra fivavahana ireto tao anatin’ity fanambarana ity mihitsy ny hafatra napetrak’ireo Eveka, nivoaka tamin’ny taona 1972 izay namariparitra fa tokony hanorina rafi-pitondrana tsy nalain-tahaka tatsy na taroa, fa mifanaraka amin’ny toe-tsaina sy toe-po malagasy i Madagasikara. «Tsy maintsy malina isika eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena. Aza variana maka tahaka na manantena fanampiana lalandava avy amin’ny firenan-kafa, fa ny fahaizana amam-pahalalantsika dia ahafahana mitrandraka tsara ny harena misy eto amintsika sy hahitana vahaolana amin’ireo fahasahiranana rehetra», araka ny voafaritra ao anatin’ity fanambarana ity ihany. Isan’ny nokianin’ireo Eveka katolika ihany koa ny endriky ny fanelanelanana noentin’ny vondrona Sadc, indrindra fa ny fampihaonana manokana tsy an-kiato ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina sy ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana. «Hatramin’izay dia fitadiavana ny marimaritra iraisana fotsiny no misy ka mitondra amina ady politikan’olon-droa tsy mety hifanaraka, izay miafara amin’ny fanaovana ny vahoaka ho takalon’aina», raha ny hevitra nivoitra tao anatin’ity fanambarana ity ihany. Notsipihan’ny sekretera jeneralin’ny «Juctice et Paix», ny pretra Alain Thierry Raharison anefa fa «tsy izy mirahalahy ireo irery ihany no fototry ny olana fa ny toe-tsaintsika rehetra mihitsy no voageja». Ny Filohan’ny sampanasa misahana ny raharaham-pirenena eo anivon’ny Ffkm, Angelo François Randriambeloson dia nandika ity fanambarana ity ho «isan’ny fanaovana antso avo amin’ny Ffkm handray ny andraikiny». JR Birao vaovao Ny Arsevekan’i Toamasina, ny monsenera Tsarahazana Désiré indray no voatendry ho Filoha mpitantana ny fivondronamben’ny Eveka Katolika eto Madagasikara. Taorian’ny fivoriamben’ny Eveka tetsy amin’ny «Episcopat Antanimena», dia izy indray no voafidy hisolo toerana ny monsenera Fulgence Rabemahafaly, Arsevekan’i Fianarantsoa izay efa nitantana ny fivondronamben’ny Eveka nandritra ny enin-taona. Ny monsenera, Ramaroson Marc Benjamin, Evekan’i Farafangana no misahana ny andraikitry ny Filoha lefitra. Mbola voatazona ho eo amin’ny toeran’ny sekretera jeneraly kosa ny monsenera Phillipe Ranaivomanana. |
![]() |
Krizy politika – Miahiahy fifandonan’ny samy Malagasy ny Pr Zafy Manahy ny hisian’ny adin’ny samy Malagasy ny Filoha teo aloha, ny Pr Zafy Albert mano-loana ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny. «Hifamono eto isika raha izao zava-misy izao no tsy miova haingana. Mahakasika ny fifidianana dia tsy hisy mihitsy izany raha tsy milamina ny firenena», hoy ihany izy. Ny amin’ny mety hisian’ny diniky ny filoha efa-tonta any Maputo indray dia nilaza i Zafy Albert fa «lainga izany fa tsy mahalala mahakasika izany aho». Nilaza ho tsy mifandray intsony amin’ny Praiminisitra Omer Beriziky ihany koa ny Profesora, efa tao ana-tinny fotoana maharitra izao. «Mampiresaka fotsiny ny Praiminisitra milaza ireny hoe tsy tokony hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena ny Filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Ny marina dia ireo mpitondra rehetra amin’izao mihitsy no tokony hiala daholo satria sakana tsy ivahan’ ny krizy», araka ny hevitr’ i Albert Zafy. Faralala |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |