![]() |
Baolina kitra Analamanga – Hiato roa herinandro ny fifaninanan’ny “Ligue 1”(0) “Tsy mety intsony amin’izao ny tsy hampiarahana ireo lalao eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ Analamanga ho an’ny diviziona voalohany. Isan’ny antony nampiatoana roa herinandro ny fifaninanana izany”, hoy i Henintsoa Rakotoarimanana na i Tôta, filohan’ny ligin’Analamanga ho an’ny baolina kitra. Etsy an-danin’izany ihany koa ny tsy maha eto an-toerana ny Tana Formation, izay miatrika ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indianina. Hotontosaina any Seychelles amin’ny sabotsy izao sy etsy Mahamasina amin’ny 2 jona izao ny lalao mandroso sy miverina ho an’ity fihaonan’ ny Tana Formation sy Dalons De la Côte d’Or ity. “Amin’ny maha ekipa avy eto Analamanga ny Tana Formation dia hiara-hanohana an’io ekipa io avokoa ireo ekipa rehetra miara-mifaninana aminy eo amin’ ny Ligue 1. Na izany aza anefa dia hisy ihany ireo lalao ho an’ny diviziona faharoa hotontosaina amin’ireo andro ireo”, hoy ihany izy. Ny Ajesaia no tokony hifanandrina amin’ity ekipan’ ny Tana Formation ity eo amin’ny andro faha-14 ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga. R.A |
![]() |
Baolina kitra UFOI – Hatao etsy Mahamasina ny lalao famaranana miverina(0) Ny alatsinainy teo no nanainga hihazo an’i Seychelles, izay hiatrehan’izy ireo ny lalao famaranana mandroso ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indianina hihaonana amin’ny Dalons de la Côte D’Or, ny Tana Formation FC. Mpilalao 18 no mandrafitra ny delegasiona ka ny “hikatsaka fandresena no tena tanjona”, araka ny nambaran’i Hery Rasoamaromaka, filohan’ny klioba Tana Formation FC. “Mbola matory indroa alina ao Maorisy izy ireo ary rahampitso (ndlr: anio) no hamonjy an’i Seychelles hiatrika ny lalao amin’ny sabotsy ho avy izao”, hoy ihany izy. Herinandro aorian’io dia anjaran’i Mahamasina indray no hampiantrano ny lalao miverina, izay hotontosaina amin’ny 2 jona ho avy izao. “Miantso sahady ireo mpankafy baolina kitra malagasy izahay hanohana ny ekipantsika amin’ny alalan’ny fahatongavana maro. Ny hitazona ny amboara efa azon’i Madagasikara tamin’ny taon-dasa no tanjona”, hoy ihany izy. Mpilalao malagasy telo no milalao ao amin’ity Dalons de la Côte d’Or, ka isan’ireny i Valentin Mazinot sy Patrick, izay mpilalaon’ny tanànan’ Antananarivo renivohitra fahiny. R.A |
|
« Beach soccer » – Hiady mafy amin’i Sénégal, tompondaka farany, ny Barea(0) Vondron’ny fahafatesana. Sendra ny vondrona henjana ny ekipam-pirenena malagasy eo amin’ny baolina kitra lalaovina amina tora-pasika, izay hanomboka anio, any El Jadida Maraoka. Ny Senegal, izay tompondaka farany ary mihevitra ny mbola hitana izany anaram-boninahitra izany, no hiaraka amintsika eo amin’ny dingan’ny fifanintsanana. Ankoatra azy dia tsy maintsy hihaona amin’i Maraoka sy Ghana ihany koa ny Barean’i Madagasikara, eo amin’ny Beach soccer. Fifaninanana hoentina mifantina izay ho solontenan’i Afrika, amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany hatao any Tahiti, amin’ny volana septambra izao io handraisantsika anjara io. Hiaraka eo amin’ny vondrona ilany kosa i Nizeria, Ejypta, Côte d’Ivoire ary Lybia. Ireo roa voalohany isam-bondrona no hiatrika ny manasa-dalana. Tamin’ny taona 2011, tany Maraoka, dia lavon’ ny Lions de Teranga avy any Sénégal tamin’ny alalan’ny isa 7 no ho 5 teo amin’ny lalao famaranana i Nizeria, izay niray vondrona tamintsika. Laharana faharoa tao amin’ny vondrona B ary faharoa mendrika indrindra kosa no nisy an’i Madagasikara taorian’ny fandresena tokana azontsika nanoloana an’i Afrika Atsimo (3 – 0) ka nahatonga antsika hiatrika ny manasa-dalana. Teo amin’io dingana io no nailik’i Nizeria tamin’ny alalan’ny isa 7 no ho 6 ny Barea ary mbola resin’i Ejypta tamin’ny alalan’ny “tir au but” 1 no ho 0 teo amin’ny fiadian-toerana rehefa nisaraka ady sahala 3 no ho 3 teo amin’ny fe-potoana ara-dalàna. R.A |
|
Kitran’ny mpamily – Tsy mbola resy mihitsy ny Taxi Tsimbazaza
Tamin’ireo lalao efatra nataony, tsy mbola nisy naharesy ny ekipan’ny Taxi Tsimbazaza, mandray anjara amin’ilay “Grand tournoi taxi-foot”, atao isaky ny sabotsy, eny amin’ny kianjam-pasika, eny Fort Duchesne, izay kitra lalaovin’olona fito. Omby no loka amin’ity fifaninanana ity. Isa 5 no ho 4 no nisarahan’i Taxi Tsimbazaza tamin’ny Taxi Anosibe ka anisan’ny lalao tena niady tamin’iny indray mitoraka iny. Azo antoka hiakatra ambonimbony hatrany amin’ity lalao ity ny avy eny Tsimbazaza. “Mbola misy ihany ny mampiasa mpikarama an’ady, na dia efa voararan’ny fitsipika nifanarahana aza. Rehefa azonay ny sarin’ireo mpilalao ka handalo sivana ny ekipa tsirairay, hisy ny fisavana ny karatra fahazoan-dalana mitondra fiarakaretsaka. Ho sahirana izay mbola mitady hanao hitsin-dalana ririnina”, hoy Randrianindrina John, mpandrindra ny fifaninanana. Barphil Andriantsiferanarivo Voka-dalao abotsy 18 mey Taxi Ambohipo (4) # Taxi Total Analamahitsy (2) |
|
Baolina kitra Analamanga – Voatanan’ny Cosfa ady sahala ny Masindahy Misely Nitarika ny fidinan’ny AS Saint Michel Elgeco ho eo amin’ny laharana faharoa ny ady sahala samy tsy nitoko nisarahan’izy ireo tamin’ny Cosfa, ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianjan’i Carion. Tsy afa-nanohitra ny sakana napetraky ny miaramila tamin’io fihaonana nanamarika ny andro faha-13 ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga io ny ekipan’ny Masindahy Misely avy eny Amparibe. Na izany aza anefa dia efa isan’ireo ekipa efatra hiatrika ny “Poule des AS”, izay hamaritana izay hisalotra ny anaram- boninahitra izy ireo aorian’ny andro faha-18. Ny AS Adema, izay nandresy ny Vesta Team, tamin’ny alalan’ny isa 4 no ho 2 izany no mitarika vonjimaika amin’izao. Tsy nahatana ny fandresena efa azon’izy ireo, tao anatin’ny 88 minitra, ihany koa ny ekipan’ny Iarivo Football Club, tetsy Mahamasina raha nihaona tamin’ny Tana Formation, ny andron’ io sabotsy io. Efa nitarika tamin’ny alalan’ny isa 2 no ho 1 ireto avy ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ireto tamin’izany fe-potoana izany. Votsotra anefa izany fandresena izany noho ny tandrevaka nataon’i Jaoronono Bruno, izay vodilaharana, tamin’ ny fandraisan-tanana nataony tao anaty faritra tsy azo ivalozana. Baolina tokony nodakana no notsenainy tamin’ny loha, teny amin’ny tany ka tsy azony ary nahatonga azy handray tanana no nahatonga ny fanasahalana nataon’ny Tana Formation. “Tena niloka angamba i Jaoronono tamin’io satria tsy tamin’ity alao ity ihany no nanaovany tandrevaka tahaka izao fa efa niseho ihany koa izany teo amin’ny lalaonay sy Saint Michel”, hoy ny mpitantana avy eo anivon’ ny Iarivo Football Club. Mikasa ny hampihantona azy izy ireo ato ho ato. Roméo Andriamihaja Ireo vokatra hafa Ajesaia # Cospn (0 – 0) |
|
Baolina kitra Analamanga – Hotsapain’ny IFC ny Tana Formation
Mialoha ny handehanany hiatrika ny lalao famaranana mandroso any Seychelles, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indiana ny talata izao, dia hotsapain’ ny Iarivo Football Club etsy Mahamasina anio ny Tana Formation FC. Lalao miverina ho an’ny fiadiana ny ho tompon- dakan’Analamanga eo amin’ny baolina kitra ity lalaon’ny roa tonta ity, tafiditra amin’ireo lalao hanamarika ny andro faha-13. Lalao azo heverina ho fanalana vela ihany ho an’ny ekipan’i Frank Rajaonarisamba, satria tamin’ny lalao mandroso dia niondrika tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Tana Formation. Mila mitana ny toerany faharoa eto Analamanga anefa ity farany satria taorian’ny andro faha-12 dia izy ireo no milahatra eo aorian’ ny AS Saint Michel. “Ny harerahan’ny vatana teo amin’ireo mpilalao avy tany Kaomoro no isan’ny nahatonga iny faharesena iny saingy hiezaka ny hanarina izahay amin’ity”, hoy Roméo Andriamihaja Fandaharan-dalao Sabotsy 18 mey 2013 |
![]() |
Kitra amin’ny tora-pasika – Mpilalaon’ny morontsiraka avokoa no mandrafitra ny Barea Saika mpilalao avy any amin’ny morontsiraka avokoa no mandrafitra ireo Barea 12 hiatrika ny fifanintsanana hiatrehana ny Mondial eo amin’ny baolina kitra lalaovina amina tora-pasika hatao any El Jadida Maraoka amin’ny 21 – 26 mey ho avy izao. Hifantenana izay hisolo tena an’i Afrika amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany hatao any Tahiti amin’ny septambra 2013 izy ity. Olona 15, ka 12 no mpilalao, no handrafitra ity delegasiona malagasy, izay hanainga amin’ny alatsinainy izao. “Manaiky ny tsy nahatafidirana mpilalao ao amin’ny Barea Beach Soccer izahay satria tsy misy ny fifaninanana eto Analamanga saingy kosa hanao fanamby izahay ato ho ato fa manana mpilalao afaka manao izany. Tokony hahay hitsara tena tahaka izany ihany koa ireo ligy rehetra misy raha toa ka tsy mahatafiditra mpilalao izy ireo”, hoy i Henintsoa Rakotoarimanana na i Tôta, filohan’ny ligin’ Analamanga ho an’ny baolina kitra. Nanomboka ny 25 avrily teo tany Mahajanga ny fampivondronana ho an’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Ankoatra ny fandraisana anjarantsika eo amin’ny ekipa dia voafidy hitsara lalao any an-toerana ihany koa i Said Hachim Nassur, mpitsara iraisam-pirenena. R.A Ireo Barea amin’ny Beach soccer Mpiandry tsatokazo: Dominique (Atsinanana), Jhorialy (Boeny) |
![]() |
Kitran’ny mpamily – Hanatevin-daharana ny Taxi Andranonahoatra sy Anosy Niampy ekipa roa ireo mpamily fiara-karetsaka, tonga mandray anjara amin’ilay kitra lalaovin’olona fito karakarain’ny Fiteramana, eny amin’ny Kianjam-pasika Fort Duchesne isaky ny sabotsy. Nanatevin-daharana ireo efa nisantatra ny fifaninanana ny ekipa Taxi avy eny Andranonahoatra sy ny Taxi Anosy. Hanenjika ny lalao tsy mbola natrehiny izy ireo, ka tafakatra sivy ny lalao hotanterahina anio. B.A Fandaharan-dalao Taxi Ambohipo # Taxi Total Analamahitsy |
|
Kitra lalaovin’olona fito – Sambany nibata omby ny FC Papa Antaniavo
Tamin’ny taona 2010 no niforona ny ekipa mpanao baolina kitra FC Papa, avy ao amin’ny fokontanin’ Antaniavo Antanimena. Voalohany tamin’ireo fifaninanana telo efa nandraisany anjara no nivoahany ho mpandresy, tamin’ilay “Tournoi Firaisankina”, nifarana ny 5 mey teo ka nandreseny ny FC Garage, tamin’ny lalao famaranana tao amin’ny kianja Ylang Ylang, ao Vassacos. Saika mpiara-monina, samy efa miasa ary samy efa raim-pianakaviana 35 hatramin’ny 43 taona, mpitia kitra lalaovin’olona fito izy 28 lahy mandrafitra ny ekipa. B.A |
|
Fotodrafitrasa – Misedra lava ny tsy fahampiana kianja ireo mpanao fanatanjahantena Olana sedrain’ny ankamaroan’ny mpikarakara hetsika na fihaonana momba ny fanatanjahantena ankehitriny ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa azo ilalaovana, na an-tanàn-dehibe na eny ambanivohitra. Misy koa ny tsy fahampian’ny fikojakojana azy ireny ary ao koa ireo efa antitra ka tsy azo ilalaovana na tsy manara-penitra intsony. Ahiana tsy hahitam-bahaolana ity tsy fahampian’ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ity. Matetika ny vola azo kely avy amin’ny fihaonana iraisam-pirenena no hararaotina hanatsarana ny kely ananana. Ekipa vitsy no tsy manofa kianja Azo isaina amin’ny ratsan- tanana ny ekipa tsy manofa kianja hilalaovana, amin’ny taranja rehetra, raha ny eto amintsika no resahina. Miankina amin’ny politika arahin’ny mpitantana ireny fotodrafitrasa ireny matetika ny fahatezan’izy ireny na tsia. Samy hafa koa matetika ny olana atrehan’ ny taranja lalaovin’ olon-tokana sy ny taranja itambaram-be. «Manofa 80 000 ariary isam-bolana ny toerana azonay ilalaovana rugby izahay. Efatra ora isan-kerinandro na adiny roa isaky ny milalao no azonay ampiasana azy ho an’ny kianja fotsiny. Tsy mbola manana toerana manokana na foibe azo ivoriana na azo ikolokoloana hozatra izahay, ankoatra ny olana ara-pitaovana na eo amin’ny rugby na ny kitra», hoy ny mpitantana ekipa iray efa am-polo taona maro nijoroana. «Manofa isam-bolana ny toerana fanaovanay fifanintsanana ara-panatanjahantena izahay, isaky ny sabotsy sy alahady. Olana koa anefa ny fiambenana ny manodidina ny kianja. Misy ireo misompatra, minia mametraka fiara eny an-tsisin’ny kianja, hanelingelenana ny fizotran’ny lalao. Misy mamaky ny baolina ilalaovana raha sendra lasa any amin’ny taniny. Nahita izany izahay na teny Ambohimangakely, na Ambohimanarina, na Fort Duchesne na Andoharanofotsy. Misy aza minia mamefy ny kianja fotsiny noho ny fialonana», hoy Randrianindrina John, mpandrindra fihaonana ara-panatanjahantena eto Antananarivo. Sasatra ny manarina kianja Ho an’ny Fimita, mpikarakara fihaonana eo amin’ny kitra lalaovin’ olona fito eny amin’ny Boulevard de l’Europe dia asa goavana no miandry azy isan-kerinandro vokatry ny fampiasan’ny fiarakodia vaventy ny toerana ilalaovana. «Voatery mitaona tany izahay hanotofana ny lavadavaka avelan’ireo kamiao lehibe mivezivezy eo amin’ny kianja, mialohan’ny hilalaovana isan-kerinandro», hoy Gilbert Fanahisoa, ao amin’ny Fimita. Voatery nampiato ny lalao nokarakarainy koa i Tanteliharimalala Annie, hany vehivavy mpandrindra lalao ara-panatanjahantena ho an’ny kitra lalaovin’ olona 11, eny Mahazoarivo atsinanana noho ilay kianja dibo-drano sy feno lavadavaka tamin’ny nandalovan’ny orambe farany teo. Namoaka vola mihitsy izy nanamboarana ilay toerana ka tamin’ny Paska teo vao mba azo nilalaovana sy nanohizana ny fihaonana efa nomanina. Dobo filomanosana sivy Dobo filomanosana sivy ihany no hany azon’ny mpitia fifaninanana lomano 1 000, hanazaran-tena manerana ny Nosy. «Fotodrafitrasa efa niorina tany amin’ny taona 1960 sy 1980 ny ankamaroan’ny dobo filomanosana eto amintsika ka efa tsy manara-penitra ny ankamaroany. Toy ny lalana eto amintsika ihany, atahorana tsy ho azo ampiasaina intsony ny ankamaroany noho ny tsy fahampian’ny fikojakojana, vokatry ny tsy fahampiana ara-bola eo amin’izay mitantana azy», hoy Razafimahatratra Dina, tale teknika nasionaly eo amin’ny taranja ny tenisy. Ilaharana na efa andoavam-bola aza Ny toerana azo ilalaovana tennis, ohatra dia marobe izy ireny no eo am-pelatanan’olon-tsotra. «Saika natao fitadiavam-bola ireny kianja filalaovana tennis ireny. Misy andoavana saram-pampiasana 700 000 Ariary isan-taona na latsakemboka 100 000 ariary vao azo ampiasaina. Misy klioba mampandefitra ny fanomanana ireo solofo dimbin’ny ala, ka izay manam-bola ihany no mibahan-toerana. Na mandoa volabe aza ny olona, mbola milahatra ela vao mahazo kianja. Izay no mampalaina ny olona amin’ny fanatanjahantena. Ny kianja ao Ankatso, ohatra, noho ny politika narahin’ny mpitantana azy dia saika ny 90% ny sangany eo sasany amin’ny mpitia lalao tennis no novolavolaina tao», hoy Razafimahatratra Dina. Isaky ny alarobia sy sabotsy amin’ny 12 hatramin’ ny 4 ora, atokan’ny mpitantana ho an’ireo solofo dimbin’ny ala amin’ity taranja ity ny kianja eny amin’ny oniversite Ankatso. Toeram-pianarana lehibe vitsivitsy ihany noho izany no afaka mametraka politikam-pampianarana momba ny fanatanjahantena ao anatin’ny sekoly misy azy, noho io tsy fahampian’ny fotodrafitrasa io. Taranja roa na telo ihany Any amin’ny firenena sasany dia nisy nifidy nanangana foibe fanazarantena ho an’ny taranja vitsivitsy, izay heveriny fa tokony hatosika toy ny kitra, baskety, rugby, ohatra na kitra, lomano, atletisma. Raha momba ny lomano, ohatra dia tokony hisy dobo filomanosana, efitra fisoloana akanjo, efitra fatorian’ny atleta, toeram-pisakafoanana ho an’izay voafantina hanaraka fiofanana na fanazarantena ny foibe atsangana. «Latsa-danja hatrany ny fikarakarana ny fotodrafitraasa ho an’ny taranja iombonambe raha mitaha amin’ny taranja lalaovin’ olona vitsy , izay mora kokoa ny sara fanorenana na fikarakarana azy. Natsangana, ohatra ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina ary mba mahazo ny vola hihodinana. Mahazo vahana kokoa anefa ny kolontsaina noho ny fanatanjahantena amin’izany», hoy Razafimahatratra Dina. Mampihemotra ny fitiavana fanatanjahantena izay fahasarotan’ny fampiasana fotodrafitrasa izay. Refin’ny kianjana kitra manara-penitra : Refin’ny kianjana baskety : Refin’ny kianjana volley : Refin’ny kianjana tennis : Nangonin’i Barphil Andriantsiferanarivo |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |