Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Kanetibe Miverena

« Masters de petanque » – Hanohitra ny ekipam-pirenena malagasy  i Thierry Bezandry na i Masaka « Masters de petanque » – Hanohitra ny ekipam-pirenena malagasy i Thierry Bezandry na i Masaka

Nahazo fanasana manokana hanohitra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny «Masters de Petanque» i Thierry Bezandry na i Masaka, izay mpilalao malagasy mila ravinahitra any ivelany ary efa voahosotra ho tompondaka eran-tany teo amin’ny olon-tokana na ny “Tête à tête” natao tany Millau, ny taona 2009. Hanomboka amin’ny 13 jona ho avy izao, any Figeac ny dingana voalohany amin’ity fifaninanana handraisan’ireo mpilalao tsipy kanetibe kalaza era- ntany anjara ity. Hiara-dalana amin’i Robineau sy Le Bourgeois ary Marc Foyot i Masaka amin’ izany fifaninanana izany.

Ho an’i Madagasikara dia hiverina hifaninana indray i Jacky, tompondaka eran-tany tamin’ny taona 1999, sy i Nanou tompondaka eran-tany lefitra tamin’ny taona 2007 sy 2010. Hiaraka amin’izy ireo i Heritiana Ralison sy Anthony Ramamonjisoa, azo heverina mbola ho zaza- vao eo amin’ny Masters. Tamin’ny taon-dasa dia niatrika ny famaranana tamin’ny Masters ireo solontena malagasy. Ekipa B no misy antsika eo amin’ ireo ekipa fito mandray anjara, raha ekipa G kosa no misy an-dry Masaka. Any Monaco amin’ny 6 septambra no hiatrehan’ ireo efatra voalohany, aorian’ireo dingana dimy tsy maintsy holalovana, ny lalao famaranana.

Roméo Andriamihaja

Ireo dingana

13 jona: Figeac
27 jiona: La Baule
18 jolay: Illkirch-Graffenstaden
22 aogositra: Autun
28 aogositra: Beaucaire
6 septambra : famaranana Monaco

Tsipy kanetibe – Hiady ny ho any Frantsa ireo mpi­lalao fito lahy Tsipy kanetibe – Hiady ny ho any Frantsa ireo mpi­lalao fito lahy

Nanomboka omaly teny amin’ny Batou Beach Ambohimanam­bola ary haharitra telo andro ny fifantenana ireo mpilalao efatra handrafitra ny ekipam-pirenena hiatrika ny Masters, hotontosaina any Frantsa amin’ny volana jona izao. Mpilalao fito (Nanou, Taratra, Thony, Radoko, Bali, Hery, Jean) no hiatrika ny fampivondronana, izay tarihin’ireo vaomiera teknika vonjimaika eo anivon’ny federasiona. Isan’ireo teknisiana hifantina ry Dama, Honorus ary Jafetra, samy efa mpilalao kalaza fahiny.

Dingan’ny fifanintsanana enina miampy dingan’ny famaranana iray ho an’ireo efatra voalohany no tsy maintsy hodiavina amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena  goavan’ny tsipy kanetibe ity. Mbola tsy voafaritra kosa ny daty sy ny toerana hanaovana izany. Isan’ireo mpilalao miandry antsika amin’izany ry Philippe Quintais sy Philippe Suchaud ary ry Dylan Rocher sy ireo hafa.

R. A

Tsipy kanetibe – Hiatrika «Mondial de Millau»  any Frantsa i Trema sy Carlos Tsipy kanetibe – Hiatrika «Mondial de Millau» any Frantsa i Trema sy Carlos

Norombahin’i Trema sy Carlos, tetsy amin’ny kianjan’ ny CBT Mahamasina omaly ny tapakilan’izy ireo hiatrika ny “Mondial de Millau”, izay hotontosaina any Frantsa. Tamin’ny isa 13 no ho 10 no nandavoan’izy ireo an’i Rado Lalaina sy Sylvain, omaly, teo amin’ny lalao famaranana ho an’ny “Concours Ballou” nahafahana nifantina izay ekipa hisolo tena antsika any amin’io fifaninanana io.

Hotontosaina any Frantsa amin’ny 13 – 18 aogositra ho avy izao ity fifaninanana tsipy kanetibe izay efa hiditra amin’ny andiany faha-32 ity ary efa nahazo amboara tamin’izany isika Malagasy, tamin’ny taona 2010, tamin’ny alalan’i Thierry Bezandry na i Masaka, teo amin’ny olon-tokana. Nahatonga solontena tamin’io fifaninanana io avokoa ireo ligim-paritra manodidina an’i Madagasikara, izay azo heverina fa nitovy lanja tamin’ny fifaninanam- pirenena mihitsy. Isan’ireo nandray anjara tamin’izany i Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Atsinanana ary Boeny ankoatra an’Analamanga.

R.A

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite