![]() |
Asan-dahalo – Adzidà iray maty voatifitra teo amin’ny lohany(0) Zandary mitondra ny laharam-boninahitra adzidà iray no maty tsy tra-drano voatifitry ny dahalo, teo amin’ny lohany, tany Ankavandra, ny alin’ny alakamisy teo. Nanara-dia ireo dahalo avy nangalatr’omby no nahafaty azy. «Rehefa tonga teo Ankavandra dia nizara roa ny lalan’ireo omby. Nizara roa ihany koa ireo mpanara-dia vokatr’izany. Nifanehatra tamin’ireo dahalo ny andiana mpanara-dia nisy ilay zandary voatifitra», hoy ny loharanom-baovao iray avy amin’ny zandarimaria any an-toerana. «Mbola any an-toerana amin’izao fotoana izao ny razan’io zandary io. Mbola sarotsarotra ihany anefa ny hitondrana azy io avy any Ankavandra ho aty amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary aty Menabe ka nolazaiko ireo zandary any an-toerana hitondra ny razana ho any Belobaka», hoy ny nambaran’ny kolonely Manassé, lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria, any Menabe. «Raha ny vinavina dia mety ho amin’ny sabotsy no ho tonga aty Belobaka ny vatana mangatsiakan’io zandary io», hoy kosa ny nambaran’ny kolonely Rakotobe Christian, lehiben’ ny vondron-tobim-pileovan’ny zandary ao amin’ny faritra Bongolava. H.R |
|
Fanafihan-jiolahy – Jeneraly iray maty voatifitra, tsena roa voatafika(0) Nandriaka ny ra tetsy Ankaroabato, ny alin’ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 8 ora sy fahefany. jeneraly iray efa misotro ronono no maty notifirin’ny jiolahy nanafika tsena telo nifanesy. Niisa 9 izy ireo tamin’izany ary nanao fanamiana miaramila ny iray tamin’ireo jiolahy ireo sady nitondra basy. Poa-basy in’enina no heno teny amin’ny tanànan’Ankaraobato tamin’io fotoana io. «Nanesy nanafika tsena roa ireo jiolahy ireo izay nitondra fiara tsy mataho-dalana iray. Nisy ramatoa nivoaka ny trano, satria mbola be olona nifamezivezy tamin’io fotoana io, kinanjo nambanan’ireo jiolahy tamin’ ny basy. Nikoropaka tamin’izany ilay ramatoa ka nitabataba sy niantsoantso. Izay no nitarika ireo jiolahy hitifitra», hoy ny nambaran’ny lehilahy iray mponina eo amin’ny manodidina ilay toerana nitrangan’ny fanafihana. Tsena roa voatafika « Nivoaka ilay jene-raly ka raha ny fahenoana azy dia nifamaly tamin’ ireo jiolahy izy. Tsy nifanara-kevitra izy ireo ka izay no nitifiran’ireo jiolahy azy. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny basim-borona an’ity jeneraly ity », hoy ihany ny fitantaran’io lehilahy io. Nikasa handeha hamaky tsena fanintelony ireo jiolahy no voalaza fa nifanehatra tamin’ilay jeneraly. « Vola Ar 1 tapitrisa mahery no azon’izy ireo tao amin’ilay tsena voalohany. Nifindra tao amina tsena iray hafa indray izy ireo avy eo ka 400 000Ar indray no azon’izy ireo tao », hoy ny vaovao voaray avy amin’ny polisim-pirenena. Raha vao avy namono ilay jeneraly ireo olon-drasy dia nitsoaka nandositra. Natao ny fanarahan-dia saingy tsy mbola nisy tratra ireo jiolahy. Haja Randrianantoandro |
|
Ambohibao Antehiroka – Adiny telo no nampihorohoroan’ny jiolahy ny Ben’ny tanàna mivady
Dimy lahy, nitondra basy poleta roa sy sabatra, no nanafika ny tranon’ny Ben’ny tanànan’ Ambohibao, ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Manao saron-tava sy akanjo mainty avokoa izy ireo tamin’ity fanafihana ity. Rehefa tafiditra tao amin’ny efitranon’izy mivady ireo jiolahy dia namatotra ny vadin’ilay Ben’ny tanàna. «Vola, volamena ary finday no lasan’izy ireo tamin’io fanafihana io. Mbola tsy fantatra kosa anefa izay tena tetibidin’ireo entana very ireo satria mbola tsy nanaovana fanadihadiana izy mivady vokatry ny hatairana nahazo azy ireo», hoy ihany ny fanazavan’ ny zandary, avy etsy Ambohibao. Tamin’ny 2 ora maraina vao nivoaka tao amin’io trano io ireo jiolahy ireo ka taorian’izay vao niantso ny teo anivon’ny zandary tetsy Ambohibao ireo olona voatafika. «Adiny telo teo ho eo ireo jiolahy no tao amin’io trano io. Raha ny fanamarihana nataon’ ny zandary dia sahala amin’ny olona efa mahay tsianjery ity trano ity mihitsy ireo olona nanafika ireo. Fantany avokoa ny isan’ireo olona tao amin’ilay trano sy ny lalana rehetra ao anatiny», hoy ny fanazavana azo teo anivon’ny zandary, tetsy Ambohibao izay mandray ny famotorana ity raharaha ity sy ny fikarohana ireo olon-dratsy ireo. Haja Randrianantoandro |
![]() |
Asan-jiolahy – Roa lahy avy namaky trano fanakalozana vola vahiny matin’ny olona Lehilahy roa voatondro ho jiolahy avy nanafika trano fanakalozana vola vahiny tany Nosy Be Hell-Ville, ny 12 mey teo tokony ho tamin’ny 10 ora sy fahefany antoandro no matin’ny fitsaram-bahoaka. « Nitondra poleta iray ireo mpanafika ka voatifitra teo amin’ny lamosiny ny tompon’ilay trano fanakalozana vola vahiny », hoy ny tatitra avy amin’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana. « Nanao fanarahan-dia ny fokonolona tany ka tratran’izy ireo teo Anjojo izy roa lahy ireo. Nanamparan’izy ireo ny hatezerany ireo voasambotra, ka ny iray maty teo no ho eo. Tonga teny an-toerana ny polisy ka nitondra an’ilay faharoa izay mbola naratra tany amin’ny hôpitaly. Teny an-dalana no afaka ny ain’ity farany », hoy ihany ny mpitandro ny filaminana. Ny fitoeram-bala tamin’ilay basy nentin’ ireo jiolahy sisa no hitan’ny polisy fa ilay basy kosa nisy nanararaotra naka tamin’ny fotoana nahamaro ireo olona. Efa manao fikarohana an’ity basy ity amin’izao fotoana izao ny Emmo-securité any an-toerana. H.R |
![]() |
Halatr’omby – Dahalo telo tamin’ireo 30 matin’ny fokonolona Dahalo telo tamin’ireo 30 avy nangalatr’ omby tao Sakafia ao amin’ny kaominin’i Besandraha any Amboasary atsimo no matin’ireo mpanara-dia, ny 8 mey teo tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany. « Omby 130 teo ho eo no lasan’ireo dahalo tamin’ny fanafihana nataony ka mbola vao ny 47 no tafaverin’ireo mpanara-dia », hoy ny tatitra avy amin’ny Zandarimaria any an-toerana. « Nisy ny fifandonana tamin’ireo dahalo sy ny mpanara-dia ka tamin’izany no nahafaty ny telo tamin’ireo dahalo ireo ary nampaharatra ny iray tamin’ny fokonolona. Nentin’ireo namany avy hatrany ny faty roa fa ny iray no tavela teo. Mbola afaka nitsoaka niaraka tamin’ny omby am-polony maro ireo dahalo. », hoy ihany ny tatitry ny Zandarimaria. Tonga nanampy ireo mpanara-dia ny zandary avy ao Tsivory ary mbola mitohy izany amin’izao fotoana izao. H.R |
![]() |
Fanafihana mitam-piadiana – Notetezin’ny jiolahy i Sabotsy Namehana, Ambohitrarahaba, Anosy avaratra Firavaka volamena maro, lelavola an-tapitrisany, hatramina taratasim-bola dia nalain’ny jiolahy avokoa teny Sabotsy Namehana, Ambohitrarahaba ary Anosy avaratra, ny alin’ny zoma sy ny marainan’ny sabotsy. Nisy ny naratra voa-tifitra tamin’ireo mponina teny Anosy avaratra. Mitaraina noho ny fahataran’ny mpitandro ny filaminana rehefa antsoina ireo mponina. « Tany Anosy avaratra no lasibatra voalohany ny alin’ny zoma. Tokantrano iray no notafihin’ireo jiolahy. Nampiasa basy izy ireo ka olona iray no naratra voa-tifitra. Tamin’ny 1 ora maraina indray ny sabotsy, teny Sabotsy Namehana, no nisy nanafika. Mety ho ireo tany Anosy avaratra ihany ireo satria samy nanapoaka basy toa nitovitovy feo. Ora telo taorian’izay dia tokantrano iray teny Ambohitrarahaba indray no lasibatra. Lasan’ireo jiolahy hatramin’ny taratasim-bola, ankoatra ny firavaka sarobidy », hoy ny loharanom-baovao. R.F |
![]() |
Mampikony – Olona roa voalaza fa dahalo matin’ny fitsaram-bahoaka Olona roa voatondro ho dahalo no maty vokatry ny fitsaram-bahoaka tany Tsarahasina, any amin’ny distrikan’i Mampikony, ny 8 mey teo tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro. Raha ny tatitra voaray avy any an-toerana dia voatondro ho isan’ireo jiolahy nanafika tokantrano roa tao Ankirihiry izy ireo, ny Nanao fikarohana ny zandary ka rehefa tratra izy ireo dia nosavaina ary finday enina no sarona tany amin’ireo izay voalaza fa isan’ny very tao amin’ilay trano voatafika . « Rehefa handeha hitondra azy ireo hiverina ny zandary avy ao Mampikony dia nosakanana andian’olona 500 isa teo ho eo. Nalain’ireto farany avy hatrany ireo voalaza fa olon-dratsy ka nanamparan’izy ireo ny hatezerany ary maty tsy tra-drano », hoy ny tatitra avy any an-toerana. H.R |
![]() |
Fanafihana – Maty novonoin’ny jiolahy ny mpivady mpiambina toe-ram-pitsaboana Toeram-pitsaboana ana teratany italianina iray an-dalam-panamboarana no niharan’ny fanafihan-jiolahy tao Djamandzar-Nosy be. Novelesin’ireo olon-dratsy tamin’ny hazo ny lohan’ireo olona mivady, mpiambina ilay toerana izay tsy mbola nisokatra tamin’ny fomba ofisialy akory,ka nahafaty azy ireo. Olona telo no voasambotra hatramin’ny omaly izay voatondro fa jiolahy raindahiny avokoa, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Ny alakamisy tokony ho tamin’ny 2 ora maraina no nitrangan’ity fanafihana ity. Nofatoran’ireo jiolahy ilay raim-pianakaviana mpiambina. Rehefa hitan’izy ireo ilay vadiny izay niantso vonjy dia novelesin’ireo tamin’ny hazo ny lohany ka namoy ny ainy avy hatrany. Novelesin’izy ireo ihany koa ilay lehilahy vadiny taorian’io, ka maty. « Niainga tamin’ny fisamborana jiolahy iray avy any Ambanja nitsoaka any Nosy be ny fahatrarana an’ireo olon-dratsy rehetra. Voasambotra taorian’izay ny lehilahy iray hafa, ka rehefa nosavaina ny tranony ao Madirokely dia nahatrarana basy poleta 9mm iray. Voatery nosamborina ihany koa ny vadiny izay nikasa ny hanafina an’ilay basy », hoy ihany ny loharanom-baovao. Tsy tao an-toerana ireo mpivady tompon’ilay toeram- pitsaboana tamin’ny fotoana nisehoan’ity fanafihana ity. Nisy tamin’ireo fitaovana fitsaboana lafo vidy kosa no very. R.F |
|
Fanafihan-jiolahy tao Betroka – Fifampitifirana adiny telo nahafatesana dahalo dimy sy olon-tsotra telo Naharitra adiny telo ny fifampitifirana tamin’ny dahalo sy ny zandary tany Befotaka ny alarobia 8 mey teo. Nanomboka tamin’ny 2 ora tolakandro ka hatramin’ny 5 ora hariva dia tsy nahenoana afa-tsy feom-basy tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ambiatoka. Dahalo dimy sy olona telo avy amin’ny fokonolona no maty tamin’izany. Raha ny fantatra dia dahalo avy nanafika tokantrano telo tao Betaingisy ao amin’ny fokontany Anakoty, kaominina ambanivohitr’i Beharena ireo dahalo ireo, ka omby an-jatony no lasan’ izy ireo tamin’izany. « Raha vao nahazo fampandrenesana mikasika io fanafihana io ny zandary tao Befotaka dia nandefa zandary nanampy ny fokonolona hiambina ny kizo tao Ambiatoka, toerana nitrangan’ny fifampitifirana. Tokony ho tamin’ny 2 ora hariva ireo dahalo no nandalo teo amin’io kizo io, ka raha vao nahita ireo mpiambina izy ireo dia nanao tifitra variraraka. Tamin’izany no nahafaty ny telo tamin’ireo fokonolona. Namaly koa tetsy ankilan’izay ny zandary ka lavo ny dimy tamin’ireo dahalo », hoy ihany ny tatitra avy tany an-toerana. « Omby 25 no latsaka nandritra ny fifampitifirana nandritra ny adiny telo ka tao aorian’izay dia afaka nitsoaka ihany ireo dahalo tsy maty niaraka tamin’ny omby marobe. Mbola nitohy nanara-dia ihany anefa ny fokonolona sy ny zandary », raha ny voalazan’ny loharanom-baovao hatrany. Nandray andraikitra ny zandary avy ao Vangaindrano ka nandefa zandary dimy miampy manam-boninahitra iray any Midongy, toerana mety handalovan’ ireo dahalo. Haja Randrianantoandro |
![]() |
Manjakandrina sy Mantasoa – Nandefasana zandary sy miaramila marobe Mihorohoro ny mponina any Manjakandriana sy Mantasoa, tato anatin’ny andro vitsivitsy izay. Misy ny resaka miely any an-toerana fa misy jiolahy manao andiany mitondra fiara tsy mataho-dalana manafika tanàna. Taorian’ny zava-nitranga tany Mantasoa, andro vitsy lasa izay, ka nanafihana jiolahy nitondra basy «kalachnikov» trano vitsivitsy no nampahoraka ny resaka. Nisy ny fepetra noraisin’ny zandary any an-toerana taorian’io tsaho miely io satria dia efa tsy matory any an-trano intsony ireo mponina sasany any an-toerana. Vao mainka nihamafy ihany anefa ilay tsaho ka nidina tany an-toerana ny kolonely Rakotondrazaka Andry, lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Analamanga, nijery ny zava-nisy, ny talata teo. Mbola niitatra ihany ny vaovao taorian’izay. Afak’omaly dia tonga tany Manjakandriana ihany koa ny kolonely Rakotomalala Florens, lehiben’ny Fari-piadidiam-paritanin’ny Zandarimariam-pirenena Antananarivo. Manamboninahitra zandary iray no napetraka any amin’izao fotoana izao miaraka amin’ny fiara tsy mataho-dalana an’ny «Emmo sécurité». Miaramila maromaro mirongo fiadiana no nanampy ireo zandary ireo. «Mbola mijanona ho trakta aloha ny zava-nisy any an-toerana fa tsy mbola nisy trangam-panafihana hatreto», hoy fotsiny ihany ireo lehiben’ny zandary. Ranaivoson Faniry |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |