Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: HJRA Miverena

Tranom-paty HJRA – Ahitana fatin’olona tsy manan-kavana hatrany isam-bolana Tranom-paty HJRA – Ahitana fatin’olona tsy manan-kavana hatrany isam-bolana

Very faty. Misy olona maty tsy manan-kavana foana isam- bolana eto amintsika eto an-drenivohitra. “Misy foana izany tranga izany. Nahitana faty tsy misy mpaka enina tamin’ny volana janoary teo, iray kosa ny febroary ary tafakatra telo ny marsa,  efatra ny avrily teo”, araka ny antontan’isa nomen’ny Dr Rabeson Hervé Patrick, avy amin’ny birao monisipaly momba ny fahadiovana (BMH).

Etsy amin’ny hopitaly Hjra no itazonana ireo faty ireo mandra-pahatongan’ ny havany na ny taratasy milaza fa tsy misy havana.

“Tsy maintsy mandefa antso na amin’ny alalan’ ny onjam-peo na amin’ ny alalan’ny peta-drindrina izahay hanairana izay mety ho havany na olom-pantany. Andrasana mandritra ny telo volana ny fahatongavan’ ny havany vao miroso amin’ny fikarakarana ny taratasy rehetra handevenana azy eny amin’ny fasam-bahoaka rehefa tsy misy maka. Efa tsy mitazona maharitra afa-tsy eo amin’ ny iray volana sy tapany eo izahay amin’izao fotoana satria efa mihasimba ny vata fampangatsiahina ka miteraka fofona ato amin’ ny tranom-paty. Fianaka- viana telo ka hatramin’ ny dimy isan’andro no tonga mijery ny havany tsy hita ety, saingy matetika tsy ilay olona maty eo”, araka ny nambaran’ny mpiasa iray etsy amin’ny tranom- patin’ny hopitaly Hjra Ampefiloha.

Matetika ireo olona avy any ambanivohitra na avy any amin’ny faritra tonga mila ravinahitra eto an-drenivohitra no tratran’io tranga tsy manan- kavana io, raha ny loharanom-baovao hatrany. Fiaraha-miasan’ny hopitaly Hjra etsy Ampefiloha sy ny Bmh no manatanteraka ny fandevenana ireo razana tsy misy tompony ireo. Ireto farany avokoa no mizaka ny fandaniana rehetra amin’izany.

Lilia Rajaonah

Tsy fahampiana oksizena – Nahemotra ny ankamaroan’ny fandidiana etsy amin’ny Hjra Tsy fahampiana oksizena – Nahemotra ny ankamaroan’ny fandidiana etsy amin’ny Hjra

Vonjy aina miandry. Olana mbola saro-bahana eny anivon’ny hopitalim-panjakana tato ho ato ny tsy faham­pian’ny oksizena. Mbola misedra olana amin’ny famatsiana izany izy ireo, indrindra ny etsy amin’ny hopitaly Hjra Ampe­filoha. Efa nisy mihitsy aza fivoriana niarahan’ireo tompon’ andraikitry ny hopitalim-panjakana rehetra handinihana ity olana ity tamin’ny alakamisy teo.  »Mbola eo am-pandaminana ny famatsiana io oksizena io mihitsy izahay. Voatery mampihena ny fandidiana eto anivon’ny hopitaly izahay ary misy amin’ireo fandidiana mihitsy no nahemotra. Ny fandidiana tena maika ihany no tsy maintsy atao », hoy ny profesora Rantomalala Harinirina Yoel, tale teknikan’ny hopitaly Hjra.

Maro amin’ny fiana­kavian’ny olona marary no sahirana sy velon-taraina manoloana izany fanemorana ny fandidiana izany. “Famonoana olona ny fanapahana ny fama-tsiana oksizena na dia misy aza ny trosa mbola tsy voaloa. Efa mandeha ny taratasy rehetra amoahana izany vola izany ka tsy tokony hisy fahatapahana mihitsy”, hoy kosa i Ndahi­mananjara Johanita, minisitry ny Faha­salamam-bahoaka.

LR

Voalaza saika namono tena – Vehivavy sivy sy lehilahy iray naiditra tetsy amin’ny HJRA Voalaza saika namono tena – Vehivavy sivy sy lehilahy iray naiditra tetsy amin’ny HJRA

Niakatra ny tarehimarika teny amin’ny sampan-draharaha misahana ireo olona voapoizina sy ny famonoan-tena teny amin’ny hopitaly Hjra nandritra ny faran’ny herinandro nanomboka ny zoma 29 marsa 2013. Niavaka ny nahafantarana ny fisian’ireo olona 10 voalaza fa saika namono tena, ka vehivavy avokoa ny sivy. Olona 10 kosa no safotry ny fisotroan-toaka.

« Olona telo no maty tonga teto aminay. Efa tany ivelany izy ireo no namoy ny ainy fa tsy nisy inona azo natao intsony tonga teto. Ireo olona namono tena indray dia avotra soa aman-tsara daholo. Toy izay ihany koa ireo olona safotry ny fisotroan-toaka. Nisy olona roa hafa namoy ny ainy tato aminay saingy noho ny aretina nahazo azy ireo no anton’ny fahafatesana », hoy ny dokotera Randrianarijaona Liva, mpitsabo ao amin’ny sampan-draharaha misahana ireo olona voapoizina sy ny famonoan-tena eny amin’ny hopitaly Hjra.

Loharanom-baovao hafa no nahafantarana fa vokatry ny famoizam-po noho ny olana teo amin’ny olon-tiana no maro tamin’ny antony nahatonga ireo vehivavy ho namono tena. Ampy taona avokoa izy rehetra ireo.

Faralala

Hopitaly HJRA – Misy vantan-dehilahy mivarotra ra Ar 13 000 Hopitaly HJRA – Misy vantan-dehilahy mivarotra ra Ar 13 000

Asa soa hafa kely. Mahita fitadiavam-bola ireo vatan- dehilahy tazana mijorojoro manoloana ny vavahadin’ ny hopitaly Hjra Ampefiloha. Mikarama manome ra izy ireo, araka ny filazany. “Misy amin’ireo marary no mila ra maika, nefa tsy ampy olona dia afaka manome ra, saingy misy sarany”, hoy ny iray tamin’izy ireo.

Manodidina Ar 13 000 ka hatramin’ny Ar 15 000 no nambaran’izy ireo fa ivarotany ny rany. Maro izy ireo no manao ity asa an-tselika hafa kely ity hanampiana ny fidiram-bola. “Isaky ny telo volana ihany vao afaka manome ra, ka rehefa feno izay dia miverina ety indray. Manao asa an-tselika hafa eo anelanelan’izay”, hoy hatrany ny tovolahy iray.

Saika ahitana olona manome ra tahaka izany avokoa eny anivon’ireny hopitalim-panjakana ireny. Mirotsaka amin’izy ity avokoa na ny mpiasa mpamafa trano na ireo irakiraka eny anivon’ny hopitalim-panjakana. “Sady fidiram-bola ho anay ilay izy no fanomezan-tanana ny marary ihany koa”, hoy ny mpiasa iray etsy amin’ny hopitaly fiterahana Befelatanana.

Lilia Rajaonah

Ampefiloha – Lehilahy 40 taona maty tao amin’ny zari-dainan’ny Hjra Ampefiloha – Lehilahy 40 taona maty tao amin’ny zari-dainan’ny Hjra

Lehilahy iray tokony ho 40 taona no hita faty tao amin’ny zarida-inan’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andriana-valona (Hjra), omaly maraina tokony ho tamin’ ny 7 ora sy sasany.

« Lehilahy iray saika handeha hivalan-drano no nahita azy natory teo amin’io zaridaina nahitana azy io. Rehefa nokitihin’ilay lehilahy izy dia hitany fa tsy nihe- tsika intsony, ka niantso olona izy. Rehefa nijery ilay lehilahy ireo olona teo dia fantatra fa efa tsy nisy aina intsony izy », hoy ny fitantaran’ny olona iray nahita maso ny fitrangan’ny loza.

« Niantso ny teo anivon’ny polisy avy eo ny tompon’andraikitra tao amin’ilay hôpitaly, nizaha akaiky ilay razana, ka hita tamin’ izany fa tsy nisy namono ilay lehilahy fa mety ho mamo na matin’ny hano- anana», hoy ny mpiam- bina iray teo anivon’ny hôpitaly Hjra.
« Olona tsy mana-raka marary ao amin’ ny hôpitaly ilay maty fa mety ho olona tsy manan- kialofana ka mamonjy ao amin’ny hôpitaly rehefa alina ny andro », hoy hatrany ilay mpiambina ao amin’ny hôpitaly.

Nentina tao amin’ ny tranom-patin’ity hôpitaly ity ihany avy eo ilay razana rehefa avy nozahan’ny polisy.

Haja R.

Saropody – Nanjavona telo andro vao hita ny fatiny, tsy hita ny vola teny aminy Saropody – Nanjavona telo andro vao hita ny fatiny, tsy hita ny vola teny aminy

Telo andro taorian’ny nanjavonany vao hita ny vatana mangatsiakan’i Herilala Jean Bernard, raim-pianakaviana, 38 taona. Teny amin’ny ranon’Ikopa eny Saropody no nampiakaran’ny fokonolona ny vatana mangatsiakany, ny zoma antoandro teo.

Efa an-dalam-pahasimbana ny razana no hita. Raha ny nambaran’ny vadiny dia nahitana ratra teo amin’ny tendany, toy ny hoe voatsatoka antsy.

Monina eny Saropody ihany ary mpivarotra voankazo sy karazana fitaovana ampiasaina amin’ny zava-maneno ireny no foto-piveloman’i Herilala Jean Bernard mivady.

« Efa ny alarobia lasa teo izy no tsy nody tao an-trano intsony raha nivoaka niaraka tamin’ny vola Ar 720 000 hividianana entana teny Anosibe », hoy i Zina vadiny.

Raha ny fanazavany dia niainga tao an-trano ity vadiny tamin’ny 4 ora sy sasany maraina io alarobia io. « Amin’ny fito ora na amin’ny valo ora maraina izy dia tafaverina isan’andro. Sady tsy nody anefa izy no tsy niantso ahy an-tariby toy ny fanaony », hoy izy nitantara.

Hatrany Antanimora

Nitotototo nitady am-badiny nanerana an’Antananarivo i Zina teo, nanomboka teny amin’ny biraon’ny polisin’i Tanjombato, Mahamasina, Anosy, Tsaralalàna hatreny amin’ny biraon’ny zandary teny Andoharanofotsy. Raha ny fanazavany dia noteteziny ny havany, ny namany, saingy tsy hita izy. « Tsy nitondra kara-panondro izy ka noheveriko ho voasambotry ny mpitandro ny filaminana. Avy nitady azy teny amin’ny fonjan’Antanimora aho ny zoma no nahare fa hita faty teny amin’ny ranon’Ikopa izy », hoy hatrany i Zina.

Tamin’alahelo no nandraisan’ireo fianakaviany ny fahafatesany. « Lehilahy tsotra i Hery », hoy Rafredy Eric namany, nanganohano nanampy ny fianakaviana nikarakara ny razana tetsy amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona, ny sabotsy lasa teo. Mihevitra ny hametraka fitoriana ny fianakavian’ny maty.

 

Hanitry Ny Aina

Tsy fahampian’ny oksizena – Ahena ny fandidiana atao ho an’ny hopitaly Hjra Tsy fahampian’ny oksizena – Ahena ny fandidiana atao ho an’ny hopitaly Hjra

Loza mitatao. Nihena ny famatsiana oksizena eny anivon’ny toeram-pitsaboana tantanan’ny fanjakana. « Orinasa iray no tena mpamatsy ny hopitaly rehetra. Tsy voaloan’ny fanjakana anefa ny volan’io orinasa io. Soa fa nihena fotsiny ny famatsiana fa tsy mbola tapaka tanteraka », araka ny nambaran’ny profesora Rantomalala Harinirina Yoel, tale teknikan’ny hopitaly Hjra Ampefiloha.

Misy fiantraikany eo amin’ity toeram-pitsaboana goavana ity izany fihenan’ny famatsiana oksizena izany. « Tsy maintsy ahena ihany koa ny fandidiana vokatr’izany, ary ireo tena maika no atao. Tsy afaka manome fahafaham-po ny marary ny hopitaly satria tsy maintsy ahemotra ireo fandidiana efa voalahatra », hoy hatrany ity tale teknika ity.

Nangina ny minisitra

Maimaim-poana raha ny fantatra ny oksizena eny anivon’ny hopitaly. Ho an’ny hopitaly Hjra manokana dia nambaran’ity profesora ity fa mandany Ar 100 tapitrisa isam-bolana amin’ny oksizena izy ireo. « Tokony hampitomboin’ny fanjakana ny tetibola omeny ny hopitaly dia milamina io. Tsy ampy mihitsy ny tetibola amin’io oksizena io, ka izahay no miezaka manampy mividy mba hitsinjovana ny marary », raha ny filazany hatrany.

Tsy mba tratran’ity olana ity kosa, ohatra, ny hopitalin’ny zaza etsy Tsaralalana. Efa mahavita tena amin’ny oksizena ity toeram-pitsaboana ity nanomboka tamin’ny volana septambra teo, noho ny fahazoana fitaovana entina mamokatra izany.

Raha azo an-tariby ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka omaly dia nandà ny tsy hiresaka momba ity raharaha ity ny tenany.

 

Lilia Rajaonah

Hopitaly HJRA – Lehilahy nararin’ny zava-pisotro mampatanjaka Hopitaly HJRA – Lehilahy nararin’ny zava-pisotro mampatanjaka

Lehilahy iray 45 taona no voatery naiditra teny amin’ny sampana fameloman’ ainan’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona, ny alatsinainy hariva teo tokony ho tamin’ny 6 ora.

Voalaza fa nisotro ireny zava-pisotro mampatanjaka ireny ity lehilahy ity.

Nohamarinin’ny mpitsabo ao amin’ny hôpitaly nandray an-tanana ity lehilahy ity tokoa, tamin’ny fitiliana nataon’izy ireo fa nisotro zava-pisotro mampatanjaka ity lehilahy ity ary izay no tsy zakany. Nandoa ranon’afero izy ary ny vavoniny no nitarainany ho tena narary azy.

« Misy laro manaitaitra sy karazana zava-mahadomelina ao anatin’ireny zava-pisotro ireny, ka tokony tsy hosotroin’ny olona noana sy manana olana amin’ny tosi-drà », hoy ny fanazavan’ilay mpitsabo.

Haja R.

Mahazoarivo – Miaramilan’ny Primatiora nihantona tamin’ny tady Mahazoarivo – Miaramilan’ny Primatiora nihantona tamin’ny tady

Efa ambivitra ny ain’ity miaramila iray miasa eo anivon’ny fiadidiana ny Praiminisitra no tongan’ireo fianakaviany tetsy amin’ny sampana fameloman’ainan’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (Hjra), ny alin’ny zoma teo. Mbola tsy nahatsiaro tena izy hatramin’ny omaly.

Hitan’ireo fianakaviany nihantona tamin’ny tady teo an-tokontaniny, eny Mahazoarivo, ity miaramila ity, ny harivan’io zoma io. Feon’ olona toy ny nihoaka nandoa no ren’ireto farany tany an-tokontany, raha ny fanazavana azo, kinanjo rehefa nivoaka izy ireo dia ilay miaramila nirazorazo, tamin’ny tady teny an-tendany, no tazan’izy ireo.

Tsy voafaritra mazava izay tena antony nahatonga ity tranga ity. Ireo fianakaviany tonga tetsy amin’ny Hjra rahateo rehefa noezahina nakana vaovao mahakasika ity tranga ity, dia hita ho tsy nazoto firy nitantara izay zava-niseho.

Misy ny miteny fa olana ara-pianakaviana, ara-panambadiana, hatramin’ny olana araka asa, no nahatonga ilay miaramila nananton-tena.

Ny sampana misahana ny seraseran’ny Foloalindahy no nilaza avy hatrany fa “tsy maintsy hisy fanadihadiana hosokafana aloha hamaritana ny antony tena nahatonga izany”.

Tonga maro teny amin’ny Hjra  ireo miaramila namany nahitana ireo avy ao amin’ ny ekipa mpanao fanatanjahantena eo anivon’ny fiadidiana ny Praiminisitra izay misy azy.

HNA

Raharaha Valerien – Hivoaka ny 16 jolay ny didim-pitsarana Raharaha Valerien – Hivoaka ny 16 jolay ny didim-pitsarana

Tarehy miramirana no nivoahan-dRakotonandrasana Jean Valérien, ilay mpitsabo mpanampy nosamborina teny amin’ny Hjra, ny alarobia 4 jolay teo, rehefa voalaza fa tsy nandray andraikitra nitsabo ireo naratra tamin’ny fifanosehana teny Mahamasina.
 » Tsy famonjena olona tandindonin-doza » rahateo no nanenjehana azy.

« Tsy nisy mpitory. Tsy nisy vavolombelona. Tsy nahita maso akory izay olona naratra, nila famonjena ny olona narovako. Tahaka ny hoe fitiavana hamono an-karanany ny hetsik’ireto mpitsabo mpanampy no nisy », hoy ny Me Razafinjatovo Willy, mpisolovava ny voampanga.

« Tsapako kosa fa tsy nisy  »tsindry bokotra » na baiko avy any ambony ny fizotry ny fitsarana fa nandeha nangarahara. Miandry am-pitoniana izay didy havoakan’ny mpitsara amin’ny 16 jolay izahay », hoy ihany ity mpisolovava ity.
Rakotonandrasana Jean Valérien kosa dia efa velom-panantenana fa ho afaka madiodio.

B.A

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite