Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Fitsarana Miverena

Fitokonan’ny mpiraki-draharaha – Niveri-maina ireo nanana raharaha tetsy amin’ny fitsarana Fitokonan’ny mpiraki-draharaha – Niveri-maina ireo nanana raharaha tetsy amin’ny fitsarana

Nangaina sady tsy nisy nana-po. Trano sy vavahady mihidy no novantanin’ireo olona manana raharaha tetsy amin’ny tribonaly Anosy, omaly. Nikatso avokoa ny ankamaroan’ny asa tao an-toerana hatramin’ny raharaham-pitsarana ka hatramin’ny fandraharahana birao, noho ny fitokonan’ireo Mpiraki-draharaha.

« Efa tapitra ny fe-potoana nomenay ireo tompon’andraikitra samihafa nefa tsy mbola misy foana hatramin’izao ny marimaritra iraisana. Efa nifanarahana taorian’ny fitakiana nataonay tamin’ny desambra teo fa hokarakaraina ilay fitakianay. Efa nisy solontena avy amin’ny sendika nanaraka ny fikarakarana rehetra hatrany amin’ny primatiora ka hatrany amin’ny minisiteran’ny Teti-bola. Rehefa tonga tao amin’ny tahirim-bola anefa dia tsy fantatra intsony ny tohiny. Efa nomenay 48 ora ny tahirim-bola saingy tsy nisy valiny », hoy Rabenandrasana Nicolas, filohan’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha. Natambatra Ar 100 000 isan’olona io fitakiana neken’ny roa tonta tamin’ny desambra io.

Niveri-maina hatramin’ireo fiara be nitondra voafonja avy eny Antanimora sy Tsiafahy. Naverina eny amin’ny biraon’ny polisy ihany koa ireo olona voarohirohy an-jatony. Tsy nahitana filaharana toy ny isan’andro koa tao amin’ny fangalana biletà laharana fahatelo.

Ny 90%-n’ny asa eo amin’ny tribonaly no fantatra fa mandalo sonian’ireo mpiraki-draharaha ireo avokoa. Ireto farany anefa nilaza fa hanohy ny fitokonana amin’ny fotoana tsy voafetra.

LR

Fitsarana – Tsy nahazo fahafahana ilay Renioney mpanondrana volamena Fitsarana – Tsy nahazo fahafahana ilay Renioney mpanondrana volamena

Nangataka fahafahana vonjimaika omaly i Wilson Lauret, ilay teratany renioney nahatrarana volamena 66,905 kg mahery tany Mayotte, ny 26 febroary saingy tsy neken’ny Fitsarana izany. Mbola nametraka hatrany anefa ny mpisolovava azy fa ara-dalàna ireo taratasy nitondran’ny olona arovany ireo volamena ireo teto Madagasikara. Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao iray dia efa nitondra volamena 60 kg ny 29 janoary ary 93 kg ny 13 febroary ity teratany renioney ity, niala teto Madagasikara.

Raha ny tamin’ny 26 febroary teo indray dia nataony tamin’ny valizy dimy ireo volamena no tra-tehaka tao Mayotte. Fantatra fa saika noentina tany Dubaï ireo volamena ireo ary tsy nisy nanakana ny ladoany tany an-toerana rehefa nampiseho ireo taratasy ny tenany. Ny polisy kosa vao nahita ny anarany dia nahalala fa misy didy fampisamborana mahakasika azy nivoaka ny taona 2008 tany La Réunion ka izay no antony nisamborana azy. Tsy hita anefa ilay didy rehefa tena nokarohina. Mbola voatazona am-ponja noho izany ity Renioney ity.

Faralala

Famotsoran-keloka – Tsy an-kiandry marary ny an’ ny Fitsarana  Famotsoran-keloka – Tsy an-kiandry marary ny an’ ny Fitsarana 

Tsy hiandry ny fitsanganan’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy (Ffm) vao handinika ireo antontan-taratasy fangatahana famotsoran-keloka ireo mpikambana eo anivon’ilay vaomiera manokana eo anivon’ny Fitsarana Tampony. Ireto farany izay hisahana ny famoahana ny didim-pitsarana ho an’ireo olona tokony hisitraka ny famontsoran-keloka faobe voasaringotra tamina raharaha politika nandritra ny raharaha 2002 sy ny raharaha 2009.

Araka ny fantatra dia eo ho eo amin’ny 20 eo ny isan’ireo olona nanao io fangatahana famotsoran-keloka io teo anivon’ ity vaomiera manokana ity. Hatreto aloha dia mbola tsy voafaritra mazava ny fe-potoana hitsanganan’ny Ffm.

Voalaza anefa fa amin’ny faramparan’ny volana mey izao no tokony ho fantatra ny anaran’ireo olona hisitraka izay famotsoran-keloka izay. Roa volana eo ho eo no fe-potoana hanatanterahan’ny Ffm ny fisokajiana ireo anarana ireo.

JR

Raharaham-pitsarana – Nivoaka ny lisitr’ireo voafonja hahazo fanalefahan-tsazy Raharaham-pitsarana – Nivoaka ny lisitr’ireo voafonja hahazo fanalefahan-tsazy

Tonga teo am-pelantanan’ireo fonja omaly hariva ny taratasy ofisialy mamaritra ireo voafonja nahazo fana-lefahan-tsazy tamin’ny Filo-han’ny tetezamita amin’ity taona 2013 ity. « Ireo voafonja nanao heloka tsotra no hahazo tombony amin’ izany. Araka ny famaritana voaray dia fanalefahan-tsazy roa volana no ho azon’ireo nomelohina higadra herintaona na latsak’izay. Telo volana ho an’ireo nigadra herintaona hatramin’ny roa taona. Efa-bolana ho an’ireo nigadra roa taona hatramin’ ny telo taona. Dimy volana ho an’ireo telo taona hatra-min’ny efa-taona ary enim-bolana ho an’ireo mihoatra ny efa-taona », hoy Rajer-narson Aubin, lehiben’ny fonjan’Antanimora.
Ho an’ny fonjan’Antani-mora dia mety ho manodi-dina ny 400 eo, toy ny tamin’ ny taon-dasa, ny isan’ireo voafonja ho voakasik’io fanalefahan-tsazy io. Mano-didina ny 3 000 eo mazàna io tarehimarika io ho an’ireo fonja manerana ny Nosy.

Endrika iray entina hana- lalahana ny fonja ny fanalefahan-tsazy. « Afaka telo volana eo ihany anefa dia miverina tsentsina indray ny fonja. Ho an’Antanimora manokana dia mandray olona voafonja hatrany amin’ny 60 na mahery isan’andro », hoy indray Ranaivo Andriamaro-ahina Tovonjanahary, tale jeneralin’ny fiadidiana ny fonja.

HNA

Raharaha Alain Ramaroson – Miandry baiko avy amin’ny Fitsarana ny tohinfny fitoriana Raharaha Alain Ramaroson – Miandry baiko avy amin’ny Fitsarana ny tohinfny fitoriana

Hatramin’ny omaly dia tsy mbola nisy nisintona ny fitoriany na ireo nitory an’i Alain Ramaroson na ity farany. Naato fotsiny araka izany ilay didy fitondrana fa ny olana eo amin’ny mpitory sy ny tenany mbola mitoetra. Ny eo anivon’ny zandary dia manamarika hatrany fa « tsy nisy nisintona ny fitoriany ny andaniny na ny ankilany ».

Ny Praiministra Omer Beriziky tety Mahazoarivo, ny zoma teo, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, dia mbola nanamafy fa « tokony hotanterahina hatrany ny didin’ny Fitsarana. Fiantsoana an’i Alain Ramaroson hihainoana azy no anton’ilay didy fitondrana ka tokony hotanterahina izay. Na izany aza, ny fametrahana miaramila marobe manodidina ny tranon’ilay olona kosa hitako fa mihoatra ny tokony ho izy ».

Manamafy anefa ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Sylvain Rabetsaroana fa « efa nisintona ny fitoriany teny amin’ny Fitsarana i Alain Ramaroson, ny 11 oktobra 2012. Izany hoe raha ny 10 oktobra no nifanaraka fa samy hisintona ny fitoriany ireo voakasika tamin’ny raharaha nahafaty an’i Nadine Ramaroson dia ny ampitso ihany dia efa nisintona ny azy ny tenany ».

« Miandry baiko avy amin’ny Fitsarana izahay ny amin’izay tohin’ny raharaha. Ireo antontan-taratasin’ady mahakasika an’i Alain Ramaroson kosa mbola miandry aty aminay. Tsy nisy nanisy tohin’ny resaka taty aminay na i Alain Ramaroson na ireo mpitory azy maromaro, taorian’ny fampiatoana ilay didy fampitondrana. Raha tsy misy ny fisintonana ny fitoriana noho izany dia tsy maintsy mbola hisy tohiny ity raharaha ity na ho ela na ho haingana », hoy ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny zandary.

Faralala

 

 

Tontolon’ny fitsarana – Manatsara ny endriny ny Enmg Tontolon’ny fitsarana – Manatsara ny endriny ny Enmg

Miezaka manala ahiahy amin’izay mahakasika ny fahadiovan’ny fifaninanana hidirana eo anivon’ny sekolim-pirenena manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha (Enmg) ireo tompon’andraikitra eo anivony.

Natao omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana Faravohitra ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ary ny minisiteran’ ny Asam-panjakana, momba ny ady amin’ny kolikoly amin’ny fifaninanana izay.

“Mba hanafoana ny resabe mandeha amin’ny hoe fisiana kolikoly ary mba hahitan’ny olona ny fahadiovan’ ny tontolon’ny Fitsarana no antony nirosoana tamin’ ity fiaraha-miasa ity”, hoy Rakotoson Francine, tale jeneralin’ny Enmg.

Ny fahavitsian’ny mpianatra horaisina amin’ity sekoly ity ihany koa no mety mahatonga izany resaka rehetra izany, araka ny fantatra. « Raha ho an’ity taona ity ohatra dia maherin’ny 1435 ireo mpifaninana. Ny 50 amin’ireo ihany anefa no horaisina », hoy ny tompon’andraikitry ny sekoly.

“Manomboka amin’ny fandraisana ny antontan-taratasin’ny mpifaninana ka hatrany amin’ny fivoahan’ ny valim-panadinana dia efa hiasanay avokoa”, araka ny nambaran’ny jeneraly Rabetrano Faly, talen’ny Bianco. « Efa tafiditra ao anatin’ny fandaminan’asan’ny minisitera ny ady amin’ny kolikoly », hoy kosa Razanamahasoa Christine, minisitry ny Fitsarana.

LR

Raharaha Alain Ramaroson- Nahanton’ny Fitsarana ilay didy fitondrana Raharaha Alain Ramaroson- Nahanton’ny Fitsarana ilay didy fitondrana

Nirava maina ny raharaha nahakasika an’i Alain Ramaroson. Nanome baiko ny zandary ny Fitsarana hampihantona ilay didy fitondrana, omaly. Avy any an-tampony no nirotsaka ilay baiko nankany amin’ny Fitsa-rana, araka ny tsilian-tsofina.

« Nahantona ilay didy fiton- drana araka ny baiko azonay avy amin’ny Fitsarana. Mijanona eo aloha izany ilay raharaha, fa ho hita eo ihany ny tohiny », hoy ny kolonely Rakotomahanina Florens, lehiben’ny fari-piadi-diam-paritry ny zandarimariam- pirenena Antananarivo.

Iray tamin’ireo nitory an’ity mpikambana ao amin’ny Filan- kevitra ambonin’ny tetezamita ity kosa no nilaza omaly fa « nisy ny fifanarahana teo amin’ izy ireo sy Alain Ramaroson ny amin’ny tokony hanatsoahana ny fitorian’ny andaniny sy ny an-kilany, saingy tsy nanatanteraka izany ity farany, ka izay no antony nampitohy ny raharaha indray ».

« Mahavariana anay mpitandro ny filaminana ihany ny tranga tahaka izao. Rehefa inona ny mpanao politika no afaka mitory olona iray dia enjehina ilay olona ary rehefa inona kosa ilay mpanao politika no tsy azo enjehina rehefa misy mitory? », hoy ireo mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmo-reg, omaly, toa kivy raha vao naharay ilay baikon’ny Fitsarana.

Faralala

Tsy mety fotorana – Namoahan’ny Fitsarana didy fitondrana i Alain Ramaroson Tsy mety fotorana – Namoahan’ny Fitsarana didy fitondrana i Alain Ramaroson

Niala maina ny zandary, omaly, teny Andoharanofotsy. Tsy nivoaka ny tranony mihitsy i Alain Ramaroson, raha nikasa ny hampihatra ny didy fitondrana avy amin’ny Fitsarana ireo mpitandro ny filaminana. Ny mba hahafahana manao famotorana azy no voalaza fa namoahan’ny Fitsarana an’io didy io.

Raha ny filazan’ity mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity dia « tsy manaraka fepetra » ireo mpitandro ny filaminana tonga teny an-tranony, nikasa hitondra azy, ka izay no nandavany

Ny eo anivon’ny zandary kosa dia milaza fa « didim-pitsarana no tanterahin’izy ireo ».

Ny fanambarana nataon’i Alain Ramaroson, nanonona anaran’ olona maromaro izay notondroiny ho tompon’antoka tamin’ny nahafatesan’ny minisitra teo aloha Nadine Ramaroson, zana-drahalahiny, no fototry ny olana. Nametraka fitoriana avokoa mantsy ireo olona voatonontonona ireo afa-tsy ny manamboninahitra jeneraly iray ihany. Tsy nipetra-potsiny fa nametraka fitoriana ihany koa anefa i Alain Ramaroson.

« Rehefa nisy ny fitoriana an’i Alain Ramaroson dia natao famotorana ny mpitory rehetra. Vita izany dia nandefasana fampiantsoana ilay toriana, saingy tsy tonga. Naterinay tany amin’ny Fampanoavana ny antontan-taratasin’ady. Nanome baiko ny Fampanoavana ny amin’ny tokony hakana am-bavany azy any amin’izay toerana mety ahitana azy, na teo aza ny taratasy avy amin’ny birao maharitry ny Filankevitra ambony tetezamita (Cst) milaza fa mizaka ny zo tsy enjehina ny tenany mandritra ny fotoam-pivorian’ny Cst », hoy ny kolonely Rakotomahanina Florens, lehiben’ny fari-piadidiam-paritanin’ny zandarimariam-pirenena eto Antananarivo.

Nanatsoaka fitoriana ?

Ny zandary ihany no nilaza fa intelo no nandefasana fampiantsoana i Alain Ramaroson, saingy tsy nipoitra hatrany. « Taty aoriana nitory ireo olona nitory azy ireo ny tenany. Nampanantsoina indray izy teo mba hohenoina. Mbola tsy nipoitra indray anefa izy tamin’izay », hoy ihany ity manamboninahitra kolonely ity.

Raha ny voalazan’ny filohan’ny Vaomieran’ny fandriampahalemana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita anefa dia  « fitoriana fiandry no nataony ary voalazany fa efa ela no nanatsoahany an’izany ».

« Mahakasika ny fanaovana famotorana ahy dia tsy mandà izany ny tenako raha toa ka voahaja ny fepetra rehetra tokony hoarahina. Tokony misy ny fahazoan-dalana avy amin’ny Filohan’ny Cst vao afaka hanao izany. Efa nisy ny taratasy avy amin’ny birao maharitra, saingy tsy nohajain’ny mpitandro ny filaminana izany. Raha tsy hifanaja tahaka izany ny andrim-panjakana dia ho aiza ity firenena ity ? », hoy hatrany ny fanehoan-kevitr’i Alain Ramaroson.

Manoloana an’izay rehetra izay ny minisitry ny Fitsarana, Razanamahasoa Christine dia nanizingizina fa « tsy nanatsoaka fitoriana velively i Alain Ramaroson ».

« Raha toa izy ka tsy manaiky ilay didy fitondrana azy dia tokony hanao taratasy amin’ny Fitsarana milaza fa manaiky kosa hatao famotorana », hoy ny minisitra.

Afak’omaly no nivoaka io didy fitondrana an’i Alain Ramaroson io. «Atao famotorana izy dia avotsotra fa tsy misy hitazona azy », hoy hatrany ny zandary.

Mpikambana Cst vitsivitsy no tonga nanotrona an’i Alain Ramaroson teny an-tranony, omaly.

Faralala

 

Lapan’ny fitsarana – Hiverina hiandry raharaha ireo mpiraki-draharaha Lapan’ny fitsarana – Hiverina hiandry raharaha ireo mpiraki-draharaha

Hiasa ihany saingy … Tapitra omaly ny fe-potoana tapa-bolana nambaran’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha fa hanaovany ny fitokonana fitakiana momba ny tabin-karaman’izy ireo. Nilaza ny hiverina hiasa izy ireo manomboka ny alatsinainy izao kanefa mbola ny mpiandry raharaha ihany no hisahana izany. « Tsy noho ny antson’ny minisitry ny Fitsarana velively no antony hiverenanay miasa fa noho ny fahataperan’ny fe-potoana 15 andro nanaovanay fitokonana. Ao anatin’ny fotoam-pialan-tsasatry ihany koa ny Fitsarana manomboka amin’ny tapak’ity volana desambra ity. Tsy maintsy mbola hitohy ny fitakiana aorian’izay « , hoy Rabenandrasana Nicolas,  filohan’ny sendikan’ny mpikari-draharaham-pitsarana.

Tsy mbola nahafa-po azy ireo ny valin’ny fangatahana niteraka iny fitokonana lavareny iny 

Lilia Rajaonah

 

Fitokonan’ny mpiraki-draharaha – Olona 300 isan’andro miveri-maina avy etsy Anosy Fitokonan’ny mpiraki-draharaha – Olona 300 isan’andro miveri-maina avy etsy Anosy

Mikatso tanteraka. Efatra andro omaly izay no nitokonan’ireo mpiraki-draharaham-pitsarana etsy amin’ny tribonaly Anosy. Mbola maro amin’ny olona ihany koa anefa no tsy mahafantatra izany, ary tonga eny an-toerana, ka miveri-maina fotsiny. Isan’ny nahitana izany ny ao amin’ny fanamboarana ny biletà laharana fahatelo.

Diso fanantenana ny ankamaroan’ny olona mila izany. Ary ireo mpiasa no tena mila maika io biletà ilaina amin’ny antontan-taratasy any amin’ny toeram-piasana io. Ny mandika ireo taratasy ilaina sy ny modely fangatahana izany, izay misoratra eo amin’ny vavahady sisa no ataon’ireo olona saika haka ny biletà laharana fahatelo.

“Raha tsy miverina miasa mihitsy ny mpiraki-draharaha tsy misy ny fizaràna biletà laharana fahatelo. Olona manodidina ny 300 isan’andro anefa no tonga maka sy mila izany eto”, araka ny fitantaran’ny mpiasa iray eo anivon’ity sampan-draharaha ity. Mbola haharitra hatramin’ny 7 desambra anefa ny fitokonana.

LR

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite