Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Fitsaboana Miverena

Fitsaboana – Efa afaka mandray mararin’ny homamiadana etsy Soavinandriana Fitsaboana – Efa afaka mandray mararin’ny homamiadana etsy Soavinandriana

Mitombo ny toeram-pitsaboana homamiadana. Raha tetsy amin’ny hopitaly Hjra Ampefiloha irery ihany hatramin’izay no nitsaboana ireo olona voan’ny homamiadana, dia fantatra izao fa efa manomboka mandray izany koa ny etsy amin’ ny hopitaly Cenhsoa Soavinandriana.  » Tsy mbola manana sampandraharaha manokana amin’izany kosa anefa aloha ny eto. Valo volana izay no nandraisana marary teto ary hita fa tena mitombo 8% eo ny olona mitsabo tena vokatry ny homamiadana tamin’ity taona ity », araka ny nambaran’ireo mpitsabo ao an-toerana.

Mitovy amin’ny fandraisana any amin’ny hopitaly rehetra ihany ny etsy Soavinandriana, maimaim-poana ny fizahana sy ny fitiliana ary ny fitsaboana ankoatra ny fanafody. Efa misy ihany koa ny mpitsabo manokana ity aretina ity ao an-toerana.
Voalaza fa vehivavy avokoa ny ankamaroan’ ny marary, izay tratran’ ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ankehitriny, raha ny homamiadan’ny rà kosa no tena mpahazo ny lehilahy.

LR

Fitsaboana – Ampiana roa ireo CSB eto an-drenivohitra Fitsaboana – Ampiana roa ireo CSB eto an-drenivohitra

Laharam-pahamehan’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra (Cua) ny fanamaivanana ny andavanandron’ny mponina. Ny eo amin’ny lafiny fahasalamana matetika no hitan’ny Cua fa olana  mahazo ny vahoaka. Na tsy ampy ny toeram-pitsaboana na lavitra satria misy amin’ireo boriborintany eto an-drenivohitra no tsy ahitana izany. “15 ihany ny dispansera misy eto an-drenivohitra izay
ahian’ny minisiteran’ny Fahasalamana.

Efatra kosa ny CSB eo ambany fiahian’ny Cua. Miparitaka amin’ny boriborintany efatra ireo ary ezahina kosa ny hanangana roa vaovao ho an’ny boriborintany roa mbola tsy manana”, araka ny filazan’ny Pds-n’Antananarivo, Razafindravahy Edgard, omaly.

Andravoahangy, Volosarika Ambanidia, Isotry ary Namontana ihany no mbola misy izany Csb izany eto an-drenivohitra. Hisy ihany koa ny fidinan’ny mpitsabo avy amin’ny birao misahana ny fahadiovana (Bmh) eny anivon’ny fokontany, indroa isam-bolana, hanao  fizaham-pahasalamana maimaim- poana.

LR

Fitsaboana – Vonona hanatona ireo olona te hanome rà ny Hjra Fitsaboana – Vonona hanatona ireo olona te hanome rà ny Hjra

Na misy ihany aza ny rà etsy amin’ny toby fitehirizan- dràn’ny Hjra Ampefiloha amin’izao fotoana izao dia mbola maro ihany koa ny filàna. Miezaka manatona ireo olona na fikambanana vonona hanome izany ny banky fitehirizan-drà ao amin’io hopitaly io, ankoatra ireo tsara sitrapo tonga manome rà eny an-toerana.

“Efa mba misy ny fitaovana ahafahana man- dehandeha manatona ireo mpanome rà. Azon’ny olona rehetra atao ny miantso ny sampan-draharaha raha vonona amin’izany izy ireo”, hoy ny Dr Rabemahery Claude, avy ao amin’ny Hjra.

Tetsy amin’ny fiangonana Fvkfm Andraharo no nan- dehanan’ny ekipan’ny Hjra omaly, nanatontosa izany fakana rà izany. Olona 300 mahery avy amin’ity fiangonana ity no namaly ny antso, ary nahazoana paosin-drà 200 mahery. “Ny Hjra no mpiara-miasa afaka mandehandeha ary mbola vonona hanome ny hopitaly hafa mazoto amin’izany izahay”, hoy kosa Rakotomavo Jacky, avy amin’ny fivondronan’ ny hopitaly, sampana ao amin’ny Fvkfm.

LR

Ivato sy Talatamaty – Toeram-pisotroana toaka am-polony nakaton’ ny zandary Ivato sy Talatamaty – Toeram-pisotroana toaka am-polony nakaton’ ny zandary

Nanatanteraka hetsika tampoka ny Emmo- Reg ny alin’ny 7 marsa, teny Talatamaty ka hatrany Ivato, nanomboka tamin’ny 9 ora. Nakaton’izy ireo avokoa ny toeram-pivaro-tana zava-pisotro misy alikaola rehetra tamin’ ireo tanàna ireo.

« Misy ny lalàna mametra fa hatramin’ny 9 ora alina ihany no tokony hisokatra ny toerana tahaka ireny. Be loatra ny fihoaram-pefy ka izay no nandraisana fepetra. Tsikaritra ihany koa fa isan’ny antony mampahazo vahana ny asan-jiolahy ny fisokafan’ireo toerana ireo aorian’ny amin’ny 9 ora alina », hoy ny avy amin’ny Emmo-reg. Tsy nisy kosa ny fisamborana saingy fantatra fa mbola hitohy ny hetsika.

Faralala

Asa fitsaboana – Ar 20 000 ny karama iray andro miandry marary Asa fitsaboana – Ar 20 000 ny karama iray andro miandry marary

Mety hanamaivana ny fahasahiranana. Mihamaro ny olona milaza ho tsy manam-potoana ka zary tojo olana eo amin’ny fifandaminana raha sendra misy fianakaviana marary, tsaboina maharitra am-pandriana any an-trano na aiditra hopitaly, izay mila olona hiandry manokana. Ny fahatsapana izay indrindra no anisan’ny nampidiran’ny ivon-toeram-pahasalamana tsy miankina iray ny asa miandry marary ao anatin’ireo sehatr’asa iandraiketany.

« Manolo ny fianakaviana mihitsy ny olona manao ny asa miandry marary. Manao ny asa rehetra mifandraika amin’izany, toy ny fanadiovana ny marary, ny famahanana azy, ny fividianana fanafody maika... », hoy i Mbelomasina Philomène, renim-pianakaviana sady mpitsabo mpanampy, nanorina sy mitantana ny ivon-toerana. Mifandray tsy tapaka amin’ny fianakaviana ilay olona manao ny asa, ka afaka mifampita vaovao hatrany, araka izay fotoana ilaina izany. Tsy mifidy karazana aretina ihany koa fa iandraiketana avokoa rehefa marary.

Nahazo alalana

Miankina amin’ireo olona manjifa ny raharaha kosa no ifanarahana ny amin’ny mpiandry marary lahy na vavy, saingy nilaza ity tompon’andraikitra ity fa tokony ho lahy no miandry marary lehilahy ary vehivavy no miandry ny marary vehivavy, amin’ny ankapobeny. Ar 20 000 ny saran’ny fiandrasana marary ao anatin’ny iray andro, maharitra ora 11. Ar 30 000 kosa raha amin’ny alina. Sarany ho an’ny teratany malagasy ireo ary manantombo kely ho an’ny vahiny. Nahazoany alalana avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fiandraiketana izany.

Monica Rasoloarison

Fitsaboana ireo mahantra – Hitory an’ireo tsy mahaloa trosa ny hopitaly fiterahana Befelatanana Fitsaboana ireo mahantra – Hitory an’ireo tsy mahaloa trosa ny hopitaly fiterahana Befelatanana

Mila vonjy. Efa mipetraka eny anivon’ny toeram-pitsaboana samihafa ny tahiry manokana antsoina hoe « fond d’équité », ahafahana miahy ireo olona tena sahirana. Isan’ny manana izany ny etsy amin’ny hopitaly fiterahana Befelatanana. « Efa manana io tahiry hitsaboana ireo olona tena mahantra io izahay. Tsy ampy anefa izany ary mbola hiezaka hitety varavarana amin’ireo orinasa lehibe mba hanome tanana ho an’ny mahantra ny hopitaly. Entanina ihany koa ireo tsara sitrapo rehetra mba hifanohana amin’ny sahirana. Malalaka ary mangarahara ny fitantanana io vatam-bola io », hoy ny Pr Rakotovao Hery Andriampanalinarivo, lehiben’ny hopitaly fiterahana Befelatanana.

Ar 9 tapitrisa

Isan’ny manana trosa miavosa ihany koa ity hopitaly fampiterahana ity. « Mahatratra Ar 9 tapitrisa ny trosa tsy voaloan’ny mpanjifa tamin’ny herintaona. Mieritreritra ny hitory amin’izay izahay satria miakatra foana izy io raha Ar 7 tapitrisa ny teo aloha. Mbola tsy fantatra ny hanonerana io trosa io », raha ny tatitra hatrany. Trosa nomena ireo olona tsy manam-bola izy io, raha ny fanazavana, ary misy ny taratasy mazava hamerenana azy. Nisy tamin’ireo olona no tsy nahaloa izany rehefa sitrana ary nisy kosa no nahefa amin’ny ampahany ka nampivangongo ny trosa.

« Ny fitsaboana ny ain’ny olona no tena zava-dehibe eto amin’ny hopitaly. Maro anefa no milaza azy ho mahantra ka tsy maintsy mila fanadihadiana manokana hatreny amin’ny fokontany mihitsy vao azo amoahana vola avy amin’io vatam-bola io », hoy hatrany ny Profesora ao an-toerana.

Lilia Rajaonah

Fitsaboana – Niakatra hatramin’ny 15%  ny vidim-panafody Fitsaboana – Niakatra hatramin’ny 15% ny vidim-panafody

Niakatra ny vidim-panafody. Mikaikaika ireo mpanjifa saingy tsy maintsy mividy raha te ho sitrana. Efa tamin’ny tapaky ny volana janoary sy ny fiandohan’ ny volana febroary iny no nanomboka tsikaritra io fiakaran’ny vidim-panafody io teny anivon’ ireo farmasia.
«Ny fanafody mampa- tanjatanjaka ny lehilahy no lasa Ar 18 000 raha Ar 16 000 teo aloha. Ny fanafody mampidina tosi-dra indray dia lasa Ar 6 700 raha Ar 6 400 teo aloha. Mahatratra hatrany amin’ny 15% mihitsy ny fiakarana ho an’ireo fanafody hafa», hoy ny nambaran’ny tompon’andraikitra eo anivona farmasia iray, etsy Andravoahangy.

Sandan’ny Ariary

«Ny fidinan’ny sandan’ ny vola Ariary no tena fototry ny fiakarana. Izany hoe miakatra ny sandan’ ireo vola vahiny. Eny amin’ny mpambongady mpanafatra ireo fanafody any ivelany mihitsy araka izany no mihatra ny fiakarana», hoy Raovola Rajaosafara, farmasianina etsy Ankorondrano.

Nanamafy izany ny farmasianina iray etsy Behoririka. «Ny vidin’ny vokatra fampiasa amin’ ny fikojakojana ny tarehy na ny vatana ihany no tsy nihetsika. Ny eto aminay izao dia mbola vidin’entana tamin’ny roa taona no nihatra ho an’ireo karazana vokatra ireo. Ireo fanafody fitsaboana aretina no tena niakatra», hoy izy.

Hanitry Ny Aina

Fitsaboana any ambanivohitra – Fikambanana tsy miankina iray  mitady mpitsabo 12 Fitsaboana any ambanivohitra – Fikambanana tsy miankina iray mitady mpitsabo 12

Tsy dia marisika miasa loatra any amin’ny toerana somary ambanivohitra ny ankamaroan’ny mpitsabo. Misy mponina maro mila fitsaboana anefa amin’ ireny toerana ireny. Ho an’ny fikambanana Santé Sud, dia nilaza izy ireo tetsy Tsiadana, omaly fa isan’ny tanjona ho azy ireo ny hanampy ireo dokotera miasa eny amin’ny toerana lavitra andriana.

Efa mahatratra 59 ireo dokotera miasa eny ambani- vohitra, na eto Analamanga, Itasy, Bongolava, Vakinankaratra, Boeny ary Sofia. « Mbola hisy ihany ny fandraisana mpitsabo miisa 12 amin’ity taona ity », hoy Rafaly Harinjato, tompon’andraikitra avy amin’ny fikambanana.

Maharitra dimy taona ny fifanarahana asa ataon’ ny mpitsabo amin’io fikambanana io ary afaka misafidy ny toerana hiasany izy aorian’izay. Tsy mandray karama ireo dokotera ireo fa kosa mivelona amin’ny alalan’ ny fananganana trano fitsaboana tsy miankina.
« Vatsiana fitaovana sy fanafody ary môtô sy vata fampangatsiahana mandeha amin’ny masoandro ireo mpitsabo ireo. Rehefa mahavita io dimy taona io ilay mpitsabo dia omena azy ireo fitaovana ireo hafa tsy ilay vata fampangatsiahana », hoy hatrany ny avy amin’ny fikambanana.

Any amin’ny faritra tsy ahitana Csb no hametrahana ireo mpitsabo ireo.

LR

Fitsaboana – Profesora roa ihany no mandidy zaza eto Madagasikara Fitsaboana – Profesora roa ihany no mandidy zaza eto Madagasikara

Tsy ampy. Tsy manana afa-tsy profesora roa manam- pahaizana manokana momba ny fandidiana ny zaza isika eto Madagasikara. Nivoitra izany nandritra ny kaongresy faharoa natao tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly.

“Eto amin’ny Hjra irery ihany koa no ahitana toeram- pitsaboana harifomba eto amintsika. Voatery miakatra eto an-drenivohitra avokoa ireo ankizy mila izany”, araka ny nambaran’ny Pr Andriamanarivo Lalatiana, mpitsabo etsy amin’ny Hjra Ampefiloha.

50%-n’ny zaza marary mila fandidiana etsy amin’ ny Hjra no fantatra fa avy any amin’ny faritany avokoa. Fandinihana momba ny fanatanterahana ny asa maika amin’ny fandidiana ny zaza no lohahevitra nodinihina nandritra ny kaongresy. Hita tao avokoa ireo profesora maro avy atsy amin’ny nosy La Réunion sy Comores ary Frantsa. “Fizaràna traikefa sy fanamafisana fiaraha-miasa no tena tanjon’ny kaongresy. Afaka mandefa mpianatra hianatra asa any ivelany isika noho io fiaraha- miasa io », hoy hatrany Pr Andriamanarivo Lalatiana.

LR

Fitsaboana any La Réunion – Mihasalama ny kolonely Charles Andrianasoavina Fitsaboana any La Réunion – Mihasalama ny kolonely Charles Andrianasoavina

Fotoana fohy sisa dia afaka hody an-tanindrazana ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, izay mitsabo tena any La Réunion ankehitriny, raha ny voalazan’ireo fianakaviany. « Ny rantsan-tongony iray sisa no misy fery fa efa eo an-dalam-pahasitranana izany. Araka ny resaka nataony taminay farany dia hody izy raha vao sitrana io tongony io. Tsy mbola fantatra aloha ny fotoana hiverenany fa miankina amin’ny fizahana hataon’ny mpitsabo azy aorian’ny fahasitranan’ny tongony ihany», hoy ihany ny fianakavian’ity manamboninahitra voaheloka noho ny raharaha fanonganam-panjakana tsy nahomby teny amin’ny Bani Ivato, ny 17 novambra 2010 ity.

Mahakasika ny lafiny politika indray dia ireo havany ihany no nahafantarana fa « ny fampiharana ny tondrozotra tsy misy anam- piana sy analana ihany no vahaolana ho an’ny firenena araka ny hevitry ny lietnà kolonely Andrianasoavina Charles ».

Faralala

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite