|
Fifandonana teny Ankatso – Mpianatra iray no naratra, niraradraraka ny baomba mandatsa-dranomaso Nipoaka ny basy namoaka bala fingotry ny mpitandro filaminana omaly teny Ankatso. Ny handrin’ny mpianatra iray, taona faharoa ao amin’ny lalam-piofanana fizika, Rajerison Herimanoa, 21 taona no niantefan’ ny bala ka nandratra azy. « Tsy anisan’ny mpianatra nitokona izy fa handeha hianatra, nijorojoro teo am-pidirana ny efitrano fianarany teny anglisy izy no niantefan’ny bala, efa aty anatin’ny faritry ny oniversite », hoy ny mpandraharaha iray. Nidina an-dalambe, nisakana ny fifamoivoizana teny Ankatso ny mpianatra avy eny amin’ny Polyteknika, eny Vontovorona, ka izay no nahatonga ny Emmo Reg teny an-toerana, nanaparitaka azy ireo tokony ho tamin’ny 11 ora. Nitora-bato avy any anatin’ny faritry ny oniversite ireo mpianatra, rehefa natosiky ny mpitandro filaminana niala ny arabe. Namoaka mpianatra Ny maraina,dia noteren’izy ireo nivoaka ireo ny mpianatra tao amin’ny sampana Lalàna sy Toekarena, ka notarihiny nidina an-dalambe. Vitsy ihany anefa ny mpianatra nanaraka izany. Nifampiraharaha tamin’ny Emmo Reg izy ireo. « Mitolona am-pilaminana izahay hiverenan’ny fampianarana fa te hianatra », hoy Andrianaivonirina Anjarasoa Rado, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra. « Izahay tsy maintsy miantoka ny hahazoan’ny olona mivezivezy malalaka, tsy ho sakantsakananareo toy izao. Milaza mitolona am-pilaminana ianareo kanefa efa manangona vato hitorahana anay, izay efa mandika lalàna”, hoy kosa ny avy amin’ny Emmo Reg. Nivoaka nandroaka ny Emmo Reg nanenjika ny mpianatra tao amin’ny faritry ny oniversite ny filohany, Andriatsimahavandy Abel, izay nanamarika fa efa nisy seza nopotehin’ny mpanao fihetsiketsehana tany amin’ny katedralin’ny Degs. « Misy fandikàna ny fahaleovantenan’ny oniversite. Mitaky ny hampitomboana ny vatsim-pianarana sy hampihenana ny sara fisoratana anarana sy sara fampiasana laboratoara izahay », hoy i Tsarabohitra Jean Edgard, filoha lefitry ny fikambanan’ny mpianatra Polyteknika. Milaza mbola hanohy ny hetsiny ireo mpianatra ireo raha tsy voavaha ny olana. B.A
|
![]() |
Fitokonana SEMPAMA – Mbola hiampy ireo mpampianatra ho tapaka karama Mandrangaranga indray ny fampitahorana. »Hitombo ireo mpampianatra hotapahina karama raha mbola tsy miverina miasa », araka ny fanambaràn’ ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Manoro Régis. Ireo mpampianatra mpiasam-panjakana rehetra nandefasana taratasy fiantsoana hanara-maso sy hitsara ny fanadinam-panjakana nefa tsy tonga hana- tontosa izany no ho voakasik’ io fanapahana karama io. Amin’ny talata 07 aogositra izao no handeha ny fanadinam-panjakana voalohany amin’ity taona ity. Efa voa-zaran’ireo fari-piadidiam-pampi- anarana (Cisco) samihafa ny taratasy fiantsoana, na ho an’ ny mpiadina izany, na ho an’ ny mpampianatra. Eo ihany koa ny fandraisana mpampia-natra hafa hanatanteraka ny fanadinana. Ny ankamaroan’ireo mpam-pianatra, mivondrona ao anatin’ ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe na Sempama any amin’ny faritra, izay tsy tafiditra tao anatin’ny lisitry ny nahazo »réquisition de service » anefa miziriziry amin’ny heviny. « Tsy misy fanadinana mandeha izany eo. Hovo-noina ve ny ankizy malagasy ka terena hanao fanadinana amin’ny fandaharam-pianarana tsy vita? », hoy izy ireo. LR |
|
Fitokonana – Raikitra ny fitadiavana mpampianatra amin’ny fanadinana
10 andro sisa. Hentitra omaly ny talen’ny kabinetran’ ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena nilaza fa tsy hihemotra intsony ny fanadinam-panjakana. “Efa mipetraka sy mirindra avokoa ny lamina rehetra. Faritra vitsivitsy sisa no mbola misy olana. Mpampianatra maro kosa no ilaina hanara-maso sy hitsara ny fanadinana ary miankina amin’ny filan’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) sy ny isan’ny ivon-toeram-panadinana ny isan’izany”, hoy Razafimanantsoa Christophe. Fepetra nambarany fa takiana amin’ireo olona tadiavina ireo ny tsy maintsy maha mpampianatra azy, izay mety ho avy amin’ny tsy miankina ihany koa. “Karama “vacation” toy ny fandrain’ny rehetra ihany no homena azy ireo”, hoy izy. Nohamafisiny koa fa maro ny sekoly mbola mikatona. « Misy mpampianatra mampianatra ihany any amin’ ireny sekoly mikatona ireny, saingy any amin’ny toeran-kafa izy no manatontosa izany noho ny tahotra ny Sempama », hoy izy. Ireo sendikan’ny mpampianatra mpanabe (Sempama) kosa an-kilany nilaza fa tsy tompon’andraikitra amin’ izay mety ho fandehan’izany fanadinam-panjakana atao amboletra izany. Lilia Rajaonah |
|
Fitokonan’ny SEMPAMA – Nolavin’ny filankevi-panjakana ny fitorian’ny mpampianatra
Tsy nahita rirany indray. Nahavory lanona olona sy mpampianatra maro omaly maraina ny valin’ny fitoriana napetraky ny sendikan’ny mpampianatra mpanabe (Sempama) tetsy amin’ ny filankevi-panjakana Anosy. Nolavin’ity farany anefa ny fitoriana fiandry napetraky ny Sempama raha mbola miandry amin’ny herinandro ny momba ny fampiatoana sy ny fana- foanana ny fampiharana ny « réquisition ». « Tsy mampiova ny hetsika ireny. Hitohy hatrany izany ary vao mainka aza mety hihamafy », araka ny fanehoankevitry Raharovoatra Claude, filohan’ny Sempama. Nijanona tetsy amin’ ny lalan’ny fahafahana Ampefiloha hatramin’ny omaly ny hetsik’ireto sendika ireto. Taorian’io hetsika io no nitohizan’ ny fivoriana nataon’izy ireo handinihana indray ny mety ho tohiny. LR |
|
Dokotera sy mpitsabo mpanampy – Mbola manahirana ny fanangonana ny anaran’ireo mpitokona
Tsy hisy fanavahana. Efa manomboka mikononkonona ny lisitr’ireo sendikan’ny mpitsabo mpanampy sy ny dokotera manao fitokonana ihany koa ny eo anivon’ ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, taorian’izay nitranga ho an’ny seha-panabeazana. Mahatsiaro faha- sahiranana anefa ny minisitera amin’ny fanatanterahana izany raha ny loharanom-baovao marim-pototra. « Tsy fantatra intsony izay tena mitokona marina amin’ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy. Misy ihany ny manatanteraka ny fiandrasan-draharaha. Ireo mpitokona rahateo tsy tazana manao fihetsiketsehana intsony », raha ny nambaran’ity loharanom-baovao ity. Ny minisitra Ndahimananjara Johanita koa nanamafy fa efa an-dalam-panangonana izany. “Mbola tsy maintsy dinihina ireo tokony hosaziana, ny sazy hampiharina ary ny porofo matanjaka. Misy amin’ireo mpanao fitokonana mantsy no mety efa nahavita ny asany na mifanandrify amin’ny andro tsy fiasany no mandeha mitokona”, hoy ny minisitra. Nilaza ny mbola hanohy ny fitokonana kosa anefa ireo sendika roa ireo. Lilia Rajaonah |
|
Tafatafa tamin’i… Razafimanantsoa Jean Christophe Tale kabinetra Fanabeazam-pirenena « Mpampianatra mpitokona 171 no mety ho tapaka karama » Nilaza ho vonona hampihatra sazy ihany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, saingy nanilika ny andraikitra any amin’ny fanjakana. Nilaza ny talen’ny kabinetran’ny minisitera fa efa lasa any amin’ny minisiteran’ny Tetibola ny lisitra mirakitra ireo mpampianatra tsy mbola niverina nampianatra. - Ao Raha: Tena sahy handray fepetra amin’ireo mpampianatra mitokona tokoa ve ianareo ? Razafimanantsoa Jean Christophe: Tsy maintsy natao ny fandinihana lalina sy ny ala nenina rehetra. Rehefa tena zohiana hatramin’ny talata maraina teo dia nahatratra 38% tamin’ireo mpampianatra no niverina nampianatra. Ny harivan’io no nangatahina nandritra ny filankevitry ny governemanta ny lisitr’ireo tsy mbola nampianatra ary any amin’ny minisiteran’ny Tetibola izany. - AR: Midika ve izany fa hiroso amin’ny fanapahana karama ianareo ? RJC: Matoa natao ny fanentanana sy ny ala nenina samihafa ary efa napetraka ny fepetra dia tokony hisy ny sazy. Ny fanjakana anefa no tompon’ny teny farany momba ireo mpampianatra 171 tsy niverina nampianatra. - AR: Raha tena miziriziry tsy hampianatra mihitsy ireo mpampianatra ireo na dia efa tapaka karama aza dia mety handeha ihany ve ny fanadinana ? RJC: Manodidina ny 60 000 ny isan’ny mpampianatra manerana ny Nosy. Raha ny 200 latsaka anefa no tsy hampianatra dia kely ihany izany ary tsy sakana mihitsy amin’ny fampandehanana ny fanadinana. - AR: Inona ary ny fepetra horaisina mba hisorohana ny tsy fisian’ny fanadinana ? RJC: Efa miahy toy ny anakandriamaso ny fampandehanana ny fanadinana ny minisitera. Tsy maintsy apetraka ny lisitra fiandry hanatontosana ny fanadinana ary efa napetraka ihany koa ny fepetra ho fitandroana ny fiparitahan’ny laza adina sy ny fiarovana ny taratasim-panadinana aorian’ny fanadinana.
Lilia Rajaonah |
![]() |
Fitokonana mpiasam-panjakana – Mbola isalasalana hatrany ny fanapahana karama Sarotra ny fandidiana. Very hevitra ihany ny amin’ny fepetra horaisina manoloana ireo mpitsabo mpanampy sy dokotera ary mpampianatra efa noterena handray ny asany nefa mbola manohy ny fitokonana ny eo anivon’ ny mpanatanteraka. Efa samy nandrangaranga ny hirosoana amin’ny fanapahana karama anefa na ireo tompon’andraikitry ny minisitera na ny Filohan’ ny tetezamita. Tale iray ao amin’ny minisiteran’ny Asam-panjakana kosa indray no nilaza fa « tsy maintsy mandalo dingana maromaro vao ho tonga amin’izany fanapahana karama izany ». Samy manao io fikaonandoha io avokoa na ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka na ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Ny andro tokony handraisan’ ireo mpampianatra sy mpitsabo mpanampy ary dokotera mpiasam-panjakana karama rahateo efa miha manakaiky ihany satria dia isaky ny faha 20-n’ny volana izany. LR |
|
Fitokonan’ny mpitsabo – Fisiana fitoriana fiandry no niantsoan’ny polisy ireo mpitarika grevy
Fitoriana fiandry napetraka tale iray eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana no voalaza fa antony nampiantsoana an-dRakotonandrasana Valérien, mpitarika ny sendikan’ny mpitsabo mpanampy sy ny Dr Ndatason Frédéric, filohan’ny sendikan’ny mpitsabo, omaly maraina teny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava eny Anosy. « Fampahafantarana an’io fitoriana fiandry io ihany no nataon’ny polisy », hoy ny mpisolovava azy ireo, ny Me Andriamanjakasoa Ndranto. « Fandrahonana sy fanalam-baraka ary fanaparitahana vaovao tsy marina » no voalaza fa voarakitra ao anatin’io fitoriana fiandry napetraka tale iray eo anivon’ny minisitera io. Nilaza anefa Rakotonandrasana Valérien fa vao nikasa hametraka fitarainana fiandry tamin’ilay tale io indrindra ihany koa izy ireo. Raha ny filazany dia « manana porofo sy sary izy ireo fa nisy ny finiavana hanakorontana ny hetsika nataon’ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy teny amin’ny Hjra ». Ireto tompon’andraikitra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ireto izay milaza ny hanamafy hatrany ny hetsik’izy ireo, araka ny nivoitra tamin’ny fivoriamben’izy ireo, omaly.
MR |
|
Fitokonana – Ampanantsoin’ny polisy ireo mpitarika ny sendikan’ireo mpitsabo Nampanantsoina ho eny amin’ny sampan-draharahan’ny polisy misahana ny heloka bevava ( »brigade criminelle ») eny Anosy anio maraina Rakotonandrasana Valérien, filohan’ny sendikan’ny mpitsabo mpanampy sy ny Dr Ndatason Frédéric, mpitarika ny sendikan’ny dokotera. « Tsy fantatray izay antony hampanantsoina anay fa ny taratasy fampiantsoana no naterina tany amin’ny toeram-piasanay », hoy Rakotonandrasana Valérien. Ity farany izay mbola miandry ny didim-pitsarana amin’ny raharaha mahavoasingotra azy ary heverina hivoaka ny alatsinainy ho avy izao. Ny voalaza fa tsy fanampiana olona tra-doza no anenjehana azy amin’izany. Etsy andanin’izay dia tsy nampahafantatra ny anton’izao fiantsoana izao ihany koa ny kaomisera Velotsara Marcel, talen’ny fikarohana ny fandikan-keloka eo anivon’ny polisim-pirenena. Nampiaka-peo avy hatrany aloha ireo sendika mpitokona ary nanao antso amin’ny fampitsaharana ny voalazan’izy ireo fa fandrahonana sy fisamborana ary ny fanapahana karaman’ny mpiasam-panjakana. Omaly dia niova kianja nankeny amin’ny hôpitaly Joseph Raseta eny Befelatanana (Hjrb) indray ireo mpitsabo mpanampy sy ireo dokotera. Nisy ihany aloha ny fiandrasan-draharaha teny anivon’ny hopitaly. Ny alarobia teo izy ireo dia efa nametraka fitoriana teny anivon’ny Filankevi-panjakana ho fampiatoana ny fampiharana ilay didy manery ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy mitokona mba handray avy hatrany ny asany ary ho fanafoanana izany.
Monica Rasoloarison/Barphil Andriantsiferanarivo |
|
Fitokanan’ny dokotera – Mihamaro ny olona manatona mpitsabo tsy miankina
Mitombo ny isan’ireo olona manatona ny tobim- pitsaboana tsy miankina, noho ny fitokonan’ny mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy amin’ireo hopitalim-panjakana tato anatin’ny andro vitsivitsy izay. « Aleonay manatona avy hatrany ety amin’ny mpitsabo tsy miankina, na andoavam-bola aza, toy izay ho very fotoana fotsiny eny amin’ny hopitaly », hoy Ralimanana Fanan- tenana, renim-pianakaviana iray, nitondra ny zanany tetsy amin’ny mpitsabo tsy miankina iray etsy Antanimena. « Manantombo eo amin’ny 25% eo ny isan’ireo olona mizaha fahasalamana ety aminay, nandritra ny tapa-bolana teo ho eo izay », hoy ny Dr Sam Nériah, mpitsabo iray eny Anosibe. Ny Dr Andriarimanana Abel, etsy Antanimena koa dia nanamafy fa niakatra kely ny isan’ireo marary tonga ao aminy. « Raha manodidina ny 30 isan’andro eo ny marary, dia manantombo 10 eo izany amin’izao fotoana », hoy izy. Hita ho miha mahazo vahana ihany koa anefa ny fanaovana dokotera tenany, ankoatra izany. « Mihamaro ny olona manontany fanafody sy mividividy fahatany izany fotsiny amin’izao, raha momba ireo aretina tsotra toy ny sery sy ny kohaka na gripa tsotra », raha ny fanamarihan-dRanaivotiana Nirina, mpivarotra eny amin’ny farmasia iray eny Analakely, vokatr’ity fitokonan’ny mpitsabo ity. MR |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |