Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Fitokonana Miverena

Karama tsy voaloa – Nitokona tsy niasa ireo mpiasan’ny Cnapmad Karama tsy voaloa – Nitokona tsy niasa ireo mpiasan’ny Cnapmad

Niato kely nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo ka hatramin’ny omaly ny famatsiana ireo fitaovana enti-mampianatra vokarin’ny orinasa Cnapmad etsy Ankorondrano. Nitokona tsy niasa ireo mpiasa miisa 125 ao amin’ity orinasa ity ary tsy nety nanatanteraka asa mihitsy. “Olana efa miverimberina foana eto aminay ny fahataran’ny fandoavana karama, toy ny karama volana okotobra. Na ny volan-tsakafo aza tsy mbola mivoaka”, hoy Razafindrazaka Jeannot, solontenan’ny mpiasa.

Niaiky ny fisian’izany lesoka izany kosa ny tale iray eo anivon’ity orinasa ity ary nilaza fa efa vonona ny vola handoavana izany androany. “Ny fiovan’ny mpitana bokim- bola eto amin’ny orinasa no mahatonga ny fahatarana. Efa nandeha ny filankevi-pitantanana ary hivoaka izany”, hoy izy. Nambaran’ity farany fa be loatra ny trosan’ ny orinasa tsy maintsy aloa, toy ny volan-jiro sy rano.

Nirava tamin’ny 1 ora sy sasany ireo mpiasa rehefa nahazo izany fampanantenana izany. Tsy mbola niasa kosa anefa izy ireo fa nody ary nilaza hanohy ny asa anio maraina.

LR

Rotaka tao Barikadimy – Mpianatra 28 nosamborina, polisy iray naratra Rotaka tao Barikadimy – Mpianatra 28 nosamborina, polisy iray naratra

Nifindra tany Toamasina ny tsimok’aretin’ny fihetsiketsehan’ny mpianatra teny Ankatso afak’omaly. Nitroatra noho ny tsy mbola nahazoany vatsim-pianarana ihany koa omaly ireo mpianatra tao Barikadimy Toamasina. Nafana ny hetsika ; nisy fanakanan-dalana ka voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmo/Reg : mpianatra 28 no nosamborina ka ny 23 navotsotra rehefa avy nalaina am-bavany raha notazonina kosa ny mpianatra dimy. Ankoatra ny polisy iray naratra vokatry ny fifandonana, dia nisy ny fiaran’ny mpitandro ny filaminana vaky fitaratra noho ny tora-bato sy ny fanararaotana fanimbana fananan’olona.

An-jatony maro ireto mpianatra ireto no nivoaka nitabataba teo ivelan’ny vavahadin’ny oniversite, omaly tokony ho tamin’ny 7 ora maraina. Tonga ny Emmo/Reg tamin’ny 8 ora sy sasany nandrava ny hetsik’izy ireo.

Voatery nitifitra

« Tifi-danitra ihany no natao dia niparitaka ireo mpianatra an-jatony maro teo ivelan’ny vavahady. Rehefa azo ny alalana hiditra ny oniversite dia niditra ireo mpitandro ny filaminana nitsimpona ireo noeritreretina ho nanakorontana. Mpianatra 28 no nosamborina», hoy ny Contrôleur général de police Rakotondratsima desiré Johnson, tale jeneralin’ny polisim-pirenena. Anio no atolotra ny Fampanoavana izy dimy ireo.

Araka ny fanazavana azo teo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony dia mbola tsy voaloa tokoa na ny vatsim-pianarana na ny tambim-pampitaovana ireo mpianatra eo anivon’ireo oniversite manerana ny Nosy. « Tsy maintsy nandrasana ny fidiran’ireo mpianatra rehetra vao nampidirina ny antontan-taratasy nikarakarana ny vatsim-pianaran’izy ireo. Hoafainganina ny famoahana izany », hoy fotsiny Rakotoarison Jean Jacques, talen’ny kabinetran’ity minisitera ity.

 

Hanitry Ny Aina

 

Fitokonana fasan’ny karana – Nifandefitra ny minisiteran’  ny Fitaterana sy ireo mpitatitra Fitokonana fasan’ny karana – Nifandefitra ny minisiteran’ ny Fitaterana sy ireo mpitatitra

Niravona aloha hatreto. Nihaona tamin’ny tompon’andraikitra tao amin’ny minisiteran’ny Fitaterana ireo sendika sy mpitatitra etsy amin’ny toeram-piantsonan’ny Fasan’ny Karàna, Ankadim-bahoaka, omaly. “Misy andininy ahitsy amin’ilay naoty navoaka ho an’ny zotra tokana”, araka ny nambaran’ny avy amin’ny minisiteran’ny Fitaterana. “Nekenay izay fanitsiana izay mandra-pahatongan’ny fivoriamben’ny mpitatitra”, hoy kosa Rakotoarisoa Hery, filohan’ ny sendikan’ny mpitatitra na Seimampafi.

Samy tsy nisy nety nilaza izay fanitsiana izay kosa ny roa tonta. Tsilian-tsofina heno tamin’ireo filohan’ny kaoperativa ao amin’ny Fasan’ny Karàna no nilaza fa natao ho an’ireo fiara vaovao ihany ny zotra tokana. “Natao ho an’ny fiara vao hiditra io naoty io. Mety aminay izany satria entina hanadiovana ny tontolon’ny fitaterana”, hoy ny lehibena kaoperativa iray.

Niverina niasa nanomboka omaly ireo mpitatitra rehetra amin’ny zotra nasionaly sy rezionaly.

LR

Disadisa – Nitokona ireo «Auto-école» Disadisa – Nitokona ireo «Auto-école»

Vory maro be tetsy Tsimbazaza, toerana fanaovana fanadinana amin’ny fianarana mamily fiarakodia ireo seloky misahana izany na «auto-école», omaly. Nitokona tsy nety hampanao fanadinana ireo mpiadina ny sekoly miisa 52 amin’ ireo 68 misy eto an-drenivohitra.

“Tsy nisy mihitsy fanatsarana nataon’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (Att) hatramin’ ny nandraisany andraikitra nanomboka ny taona 2008. Na ny dabilio hipetrahan’ireo mpiadina hanao fanadinana aza zara raha misy sady efa ratsy. Ny mpiadina anefa mandoa Ar 10 000 any amin’nyAtt”, hoy Andriam- bololona Lalanirina, filohan’ny sendikan’ny «auto-école».

Notakian’izy ireo ny hamerenana ny fiahiana mivantana ataon’ny fanjakana.”Tsy maintsy hifampidinika fa androany (ndlr: omaly) mandeha ihany ny fanadinana ho an’izay vonona”, hoy fotsiny kosa Razakarivony Mamy, tale jeneralin’ny Att.

LR

Ankatso – Mpandraharaha 50 eo ho eo nanao fitokonana Ankatso – Mpandraharaha 50 eo ho eo nanao fitokonana

Nanao fitokonana. Nibahana ny vavahady miditra ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo omaly ireo mpiasa manodidina ny 50 eo ho eo, mpandraharahan’ny oniversite. Ny tsy mbola nandraisan’izy ireo ny karamany tamin’ity volana ity no nambaran’izy ireo fa anton’io fitokonana io. Raha ny fanazavana avy amin’ny tompon’andraikitry ny oniversite anefa dia efa niainga ara-potoana ny fandoavana ny karama ho an’ny volana aogositra.

« Nifanena tamin’ny minisitry ny Vola ny tenako ny faran’ny herinandro teo ary voalaza fa efa vita sonia ny alarobia teo izany », hoy ny fanampim-panazavan’ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Andriatsimahavandy Abel. Nilaza ihany koa izy fa manan-jo malalaka haneho hevitra ny mpiasa, saingy tsy tokony hiteraka fanelingelenana izany.

 

MR/JS

Lisea Sabotsy Namehana – Nitokona tsy nety namoaka naoty ireo mpampianatra Fram Lisea Sabotsy Namehana – Nitokona tsy nety namoaka naoty ireo mpampianatra Fram

Niaritra ny mafy. Efa dimy volana izay no nambaran’ireo mpampi- anatra Fram, ao amin’ny lisea Sabotsy Namehana, fa tsy nandraisan’izy ireo karama intsony. Nanapa-kevitra tsy hamoaka ny taratasy filazam-pahaizana mirakitra ny naotin’ireo mpianatra, tokony ho nozaraina tamin’ny 14 aogositra lasa teo izy ireo. “Efa ela loatra no niaretanay. Tsy nanao ambanin-javatra ny asa mihitsy izahay mba ho fitsinjovana ny ankizy”, hoy Andriambolatiana, isan’ny mpampianatra fram.

Ireo ray aman-drenin’ ny mpianatra tonga marobe nitaky ny filazam- pahaizan’ny zanany tamin’ ny sabotsy teo kosa anefa nilaza fa efa nandoa izany latsakemboka izany ho fanampiana ny mpampianatra fram. “Matoa ny zanakay afaka mianatra dia efa nandoa ny latsakemboka izahay. Ny latsakemboka Ar 10 000 rahateo tsy maintsy aloa amin’ny fanombohan’ny taom- pianarana”, hoy izy ireo.
Mitentina Ar 1 200 000 ny karaman’ireto mpampi- anatra tsy voaloa ireto. “Tsy maintsy hijerena vahaolana ny momba azy ireo”, hoy kosa ny fampanantenan-dRalijohn Rolland, filohan’ny Fram ao amin’ity lisea ity.

 

LR

Fampianarana ambony – Tsy mety milamina ny eny amin’ny oniversiten’ Antananarivo Fampianarana ambony – Tsy mety milamina ny eny amin’ny oniversiten’ Antananarivo

Mandrangaranga indray ny mety hisian’ny taona fotsy fanindroany ho an’ireo mpianatra afaka Bakalorea tamin’ ny herintaona (2011) teo ny eny amin’ny oniversite. Tsy mbola nanomboka ny fianarana ao amin’ny lalam-piofanana siansa sy politeknika ary ny ampahany ao amin’ny fakiolten’ny Teny sy ny haisoratra. Ny any amin’ ny departemanta hafa kosa, misy no efa nanomboka ary misy no efa hiroso amin’ny fanadinana.

Ho fanairan’ireo mpianatra sy ny mpampianatra mpikaroka (Seces) ary ny mpandraharaha momba izany zava-misy eny amin’ny oniversite izany no nanaovan’izy ireo hetsika nitambatra, omaly maraina. Nihantona avokoa ny fianarana na ny fanadinana saika hotontosain’ny tao amin’ny Degs. « Fampisehoana firaisankina satria samy mahatsiaro fa marary ny oniversite. Hetsika farany izao sady fanairana ary hiroso amin’ny paika manaraka izahay », hoy Raharimalala Fidèle, filohan’ny Seces Antananarivo.

“Efa very herintaona ireo ankizy afaka bakalorea tamin’ny herintaona. Tsy azo ampidirina miaraka anefa ireto farany sy izay afaka amin’ity taona ity. Ireto farany izay ho very herintaona ihany koa satria tsy maintsy mamita ny fianarana ho 25 herinandro ny mpianatra, raha tsy izany dia tsy manan-kery ny diplaoman’izy ireo”, hoy ny filoha lefitry ny Oniversiten’Antananarivo, Rakotoarisoa Jean Eric.

 

Lilia Rajaonah

Fitokonana – Mpitsabo mpanampy sy dokotera 25 ho tapaka karama Fitokonana – Mpitsabo mpanampy sy dokotera 25 ho tapaka karama

Milatsaka ny sazy. « Mpitsabo mpanampy sy dokotera 25 manerana an’i Madagasikara no hiharan’ ny fanapahana karama amin’ity volana aogositra ity, tohin’ny fitokonana nataon’izy ireo ka tsy nandraisany ny asany nandritra ireny hetsika mafana niseho ireny », raha ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka. « 50 ny isan’izy ireo tao anatin’ny lisitra nalefa tety aminay. Ireo 25 ireo no tsy nanaiky nifona taorian’ny taratasy fampahafantarana nalefa ho azy ireo, ka izao nandraisana fanapahan-kevitra izao », hoy hatrany ity loharanom-baovao ity. Efa nalefa eny anivon’ny minisiteran’ny Vola sy ny tetibola ny anaran’izy ireo.
« Tsy hampihemotra ny fitakiana ataonay ny momba izany ary efa manana ny fomba hoentina miatrika izany izahay. Tsy olana
ny tapaka karama fa ny fanontaniana dia ny hoe rariny ve ny nanapahana ny karama atao ho an’ny olona mitaky ny zony ?», hoy kosa Rakotonandrasana Valérien, mpitondra tenin’ny sendikan’ny mpitsabo mpanampy, manoloana izany.

Nambarany fa  aorian’ ny fihaonamben’ny mpiasam-panjakana dia hisy ny fanapahan-kevitra miaraka horaisina. Nilaza kosa ny Dr Razafindralambo Mamy, lehiben’ny sendikan’ny mpitsabo eto amin’ny faritra Anala- manga, fa tsy mbola nisy ny mpitsabo naharay taratasy fampahafantarana mikasika izany hatramin’izao ary ho hita eo izay mbola hatao rehefa tena miantraika tokoa ny sazy.

 

MR

Oniversiten’Antananarivo – Nandamoka ny hetsiky ny mpianatra sy ny mpampianatra Oniversiten’Antananarivo – Nandamoka ny hetsiky ny mpianatra sy ny mpampianatra

Tsy nahavanona. Hetsika lehibe no saika hataon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) sy ny fikambanan’ ny mpianatra ary ny mpandraharahan’ny Oniversiten’Antananarivo omaly, saingy tsy raikitra. Nisy ihany ny fivoriana teo amin’ny Esplanade ny maraina, teny Ankatso. Nambaran’izy ireo tamin’izany ny fihaonana amin’ny Praiminisitra amin’ny talata izao. Samy naka ho azy ny rehetra rehefa vita ny fivoriana.

Nandeha nitety departemanta ny Seces niantso ireo mpampianatra namany, sady nanentana ny mpianatra nampaha- fantatra ny anton’ny fitakian’izy ireo. Ity fitetezana departemanta ity izay tokony niarahana tamin’ny mpianatra. ”Voalaza fa hiaraka hifampi- dinika amin’ny solontenanay ny minisitry ny Vola, Hery Rajaonarimampianina, izay mbola any ivelany sy ny minisitry ny Fampianarana ambony, Etienne Hilaire Razafindehibe”, hoy i Fidèle Raharimalala, filohan’ny Seces Antananarivo.

Ireo mpianatra kosa tsy resy lahatra amin’ny fanao- vana fitokonana ao anatin’ ny faritry ny oniversite. « Any ivelany izahay mba misy mahita sy mandre », hoy izy ireo omaly sady nilahatra sy nifampitaona.

 

BA/LR

Vontovorona – Hiverina hanamafy ny hetsiny Vontovorona – Hiverina hanamafy ny hetsiny

Amin’ny zoma mifankahita. Tsy nihetsika ny mpianatra avy eny amin’ny Sekoly Politeknika omaly fa niverina teny Vontovorona, mpianatra izay niakatra nanao fihetsiketsehana teny Ankatso tamin’ny talata teo.

« Amin’ny zoma izahay vao hanamafy ny fitakianay. Hiaraka ny mpampianatra, ny mpianatra ary ny mpandraharaha », hoy Andrianaivonirina Anjarasoa Rado, filohan’ ny fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny Politeknika, eny Vonto- vorona, omaly.

« Terena izahay  hidina an-dalambe fa raha ny tianay dia ny hanohy ny fianaranay. Tsy misy tombontsoa azonay mifandona amin’ny Emmo Reg sy miatrika baomba mandatsa-dranomaso. Ny fitakianay dia ny hampihenana ny saram-pianarana asaina aloanay fa sahirana ny ray aman-dreninay », hoy Tsabohitra Jean Edgard, filoha lefitry ny fikambanan’ny mpianatra eny Vontovorona.

B.A

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite