Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Fitaterana Miverena

Fanavaozana fiara fitaterana – Kaoperativa valo no tsy resy lahatra amin’ny fanoloana fiara Fanavaozana fiara fitaterana – Kaoperativa valo no tsy resy lahatra amin’ny fanoloana fiara

Efa eo am-piandrasana ny lisitra farany amin’ireo hahazo ilay fiara sinoa vaovao ireo mpitatitra. Nisy 530 izy ireo no voasivana tao anatin’ny 600 mahery nandefa fangatahana. “Kaopertiva 52 no nanafatra ny fiara ary valo no tsy nanoratra anarana. Ireo
kaoperativa madinika manana fiara vitsivitsy miasa no tsy resy lahatra tamin’ny fanoloana fiara” hoy Andriambinitsolomora Bernardin, filohan’ny fivondronan’ny mpitatitra an-drenivohitra (Uctu), sady mpikarakara ny tetikasa fanavaozana fiara.

Ny fitsanganan’ny vaomiera manokana, ahitana ny kaominina Antananarivo renivohitra, sy ny prezidansa ary ny mpitatitra, no hanapaka farany ireo 500 hahazo izany fiara izany amin’ny andiany voalohany. Io vaomiera io sisa no andrasana dia alefa ny fanafarana ary vinan’ny mpikarakara ny hahatongavan’ny fiara mialoha ny faran’ny volana jona izao.

Lilia R

Fanolorana taksibe – Mbola handalo sivana farany indray ireo mpanafatra fiara Fanolorana taksibe – Mbola handalo sivana farany indray ireo mpanafatra fiara

Be dingana lalovana. Efa vitan’ireo mpikarakara ny tetikasa fanavaozana ny fiara fitateram-bahoaka ny fanasivanana ireo olona vonona hividy ny fiara vaovao hafarana avy any Chine. 530 tamin’ireo antontan-taratasy 600 mahery nanao fangatahana no azo nekena. « Tsy fananana fahazoan-dalana hisahana asa fitaterana (licence) avokoa no tsy nandraisana ireo fangatahana hafa ireo. Mbola handalo sivana fanindroany indray koa anefa ireo 530 ireo satria 500 fiara ihany no ho tonga amin’ny andiany voalohany mialoha ny faran’ny volana jona izao », hoy Andriambinitsolomora Bernardin, filohan’ny fivondronan’ny mpitatitra an-drenivohitra (Uctu), sady mpikarakara ny tetikasa.

Nambaran’ity farany hatrany fa mbola handrafitra ny fepetra entina hanivanana ireo 500 hahazo ny fiara indray izy ireo. Vaomiera manokana mihitsy no fantatra fa handrafitra izany, ahitana solontena avy amin’ny Uctu, kaominina Antananarivo renivohitra (Cua), ary ny fiadidiana ny Filohan’ny tetezamita.

Nanome toky kosa ny avy amin’ny mpandrindra ny tetikasa, fa anjaran’ny fanjakana ny mandefa ny lisitra sy manafatra ny fiara. « Miankina amin’izay no mety hahatongavan’ny fiara mialoha io volana jona io« , araka ny fanampim-panazavana.

LR

Fitaterana – Afaka vidiana amin’ny finday ny tapakilam-piaramanidina Fitaterana – Afaka vidiana amin’ny finday ny tapakilam-piaramanidina

Manala fahasahiranana ho an’ireo mpandeha amin’ny zotra an’habakabaka. Nanokanana fotoana manokana hatrizay ny fividianana tapakila eny anivon’ireo masoivohon’ny kaompania Air Madagascar.

Manom­boka izao anefa dia afaka kara­karaina avy lavitra ny fividianana tapakila noho ny fiaraha-miasan’ ity kaompania malagasy ity amin’ ny orinasam-pifandrai­sana Airtel Madagascar.

Efa azo atao amin’ny alalan’ny fifanakalozana ara-bola amin’ny finday, dia ny Airtel money ihany koa mantsy amin’ izao fotoana izao io fividianana tapakila io. “Flysmart” no anarana nampitondraina ity tolotra ity, ka araka ny fana­zavan’ny Airtel Mada­gascar dia nakambana amin’ny “e-ticket” izy io.

Mbola vitsy, raha ny fantatra, ireo kaompaniam-pitaterana an’haba-kabaka no mampiasa izao fomba vaovao fividianana tapakila izao eo anivony.

AR

Fitaterana Ivato – Tsy mbola mi­voaka ny bokin’ andraikitra Fitaterana Ivato – Tsy mbola mi­voaka ny bokin’ andraikitra

Saro-piterahana. Tsy mety voarafitra sady tsy mbola mivoaka hatramin’ izao ny bokin’andraikitra ho an’ny fitaterana mam­pitohy an’Ivato amin’ny renivohitra. Mitohy noho izany ny gaboraraka sy ny tsy fanarahana lalàna ataon’ireo mpitatitra. Tena mampitaraina ny mpandeha amin’ity zotra ity ny fihodinana antenan­tenan-dalana, ny fanaovana tapa-dalana ka milaza fa tsy miasa intsony na dia mbola mazava aza ny andro.

“Efa miezaka mijery akaiky ny olana mba hanafoanana izany gaboraraka izany izahay. Tsy nanana bokin’andraikitra mihitsy io zotra io hatra­min’izay ary efa manao izany izahay. Mbola eo am-pamaranana mihitsy amin’izao fotoana, saingy mbola hampi­antso ireo lehiben’ny kaoperativa amin’io zotra io. Amin’ny herinandro angamba no hivoaka izany bokin’andraikitra izany”, raha ny nambaran-dRazakarivony Mamy Gérard, talen’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (Att).

LR

Fanavaozana taksibe – Hisy sivana  fanindroany hahazoana ireo fiara sinoa vaovao Fanavaozana taksibe – Hisy sivana  fanindroany hahazoana ireo fiara sinoa vaovao

Mpitatitra maherin’ ny 500 no voafantina, ekena amin’ny fividianana ilay fiara vaovao. Mbola mandalo sivana fanindroany indray anefa izy ireo. “Efa fantatra avokoa ny lisitr’ireo mpitatitra hividy ilay fiara vaovao. Maromaro ihany koa no nolavina noho ny tsy fahampian’ny taratasy fanamarinana ny maha mpitatitra azy. Mbola tsy maintsy handalo dingana manaraka eo amin’ny vaomiera atsangan’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua) sy ny prezidansa ihany koa anefa ireo lisitra ireo vao azo alefa ny fanafarana ny fiara”, hoy Andriambinitsolomora Bernardin, filohan’ny vondron’ny mpitatitra eto an-drenivohitra (Uctu).

“Fiara 500 ihany no zakan’ny sambo, izay novinavinaina ho avy amin’ny volana jona izao, ka antony tsy maintsy handinihan’io vaomiera io indray ireo lisitra ireo”, hoy kosa ny avy amin’ny kaofederasiona nasiona-lin’ny fitaterana.

Notombanan’ireo tompon’andraikitra ireo ho alefa mialoha ny faran’ny volana mey izao izany lisitra izany.

LR

Olan’ny fitaterana Ivato – Voatondro molotra ny tsy fandraisan’andraikitry ny kaoperativa Olan’ny fitaterana Ivato – Voatondro molotra ny tsy fandraisan’andraikitry ny kaoperativa

Isan’ireo zotra mampimenomenona ireo mpandeha fiara fitateram-bahoaka ireo taksibe mampitohy ny renivohitra sy Ivato. Tsy misy tsy mitaraina amin’ny fihodinana eny antenantenan-dalana manomboka etsy amin’y 67Ha (Vatobe), ny eny Andranomena ka hatrany Talatamaty, ataon’ireo  fiara fitateram-bahoaka. Raha tsy ny bemidina niarahan’ireo zandary sy ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny ivon-toerana misahana ny fitaterana an-tanety (Att) teny Talatamaty tamin’iny herinandro lasa iny dia tsy nangingina ny fandikan-dalàna fanaon’ireo mpitatitra. Azo lazaina ho 100% mihitsy ny fahatongavana eny amin’ny toby fiantsonana tokony hiaingana sy hahatongavana, taorian’iny bemidina iny, raha ny filazan’ireo « pointeurs » manamarika ny fandalovan’ireto fiara ireto isaky ny toeram-piantsonana. « Saingy mazàna rehefa lasa ireo mpanara-maso dia miverina ny gaboraraka. Tsy misy tonga eny amin’ny  »primus » ny 50%-n’ireo taksibe ao anatin’ny tontolo andro. Rehefa ora fodiana ny hariva dia tena fahoriana ny an’ireo mpandeha milahatra eto ora maro. Zara raha misy taksibe tody eto amin’izany», hoy izy ireo.

Kolikoly

Voatondron’ny kaoperativa ho mandray vola amin’ireo mpamily taksibe ireo mpanamarika ka mahatonga ny fikorontanan’ny fitaterana amin’iny lalana iny. Ireto farany indray anefa dia manilika ny olana ho avy amin’ny voalaza fa kolikoly ataon’ireo polisy, toy ny etsy amin’ny Vatobe.

Voalazan’izy ireo ihany koa fa tsy mandray ny andraikiny ireo kaoperativa manoloana ny fandikan-dalàna ataon’ireo taksibe ao anatiny. « Lisitra lava be no voarain’ny biraon’ireo kaoperativa ireo avy aty aminay mahakasika ny fihodinana antenantenan-dalana, saingy zara raha misy na maivana ny sazy », hoy izy ireo. Mandà mafy io fandoavana tsolotra amin’ny polisy io ny eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito etsy 67 Ha. « Raha ny havesatry ny fifamoivoizana eo Vatobe dia tsy afaka ny hampihodina taksibe eo mihitsy ireo polisy. Taksibe telo isan’andro raha kely no tratran’ireo polisy mihodina sy saziana eo isan’andro. Anjaran’ny kaoperativa no mifehy ireo taksibe eo anivony. Tsy asanay izany », hoy ny kaomisera Ramampiandry Nicolas, lehiben’io kaomisaria io.

Hanitry Ny Aina

Izay vao hanana bokin’andraikitra

Toa miambakavaka indray ny teo anivon’ny kaoperativa iray manana zotra amin’iny faritr’ Ivato iny rehefa nanontaniana. « Manasazy ihany izahay fa ireo mpamily mihitsy no mafy loha. Tsy ny fiara ihany koa no tokony hosazian’ireo mpitandro ny filaminana fa ireo mpamily », hoy izy. Nilaza anefa izy fa mety ho ny famenoana ny vola takiana harotsak’ireo mpamily isan-kariva no mahatonga io fihodinana antenantenan-dalana io. Mitaraina anefa ireo manana taksibe manaja ny fandehanana any amin’ny « primus » sy « terminus », fa misy akony amin’ny fidiram-bolan’izy ireo ny fihodinan’ireo taksibe sasany eny antenantenan-dalana. Nanamafy ny teo anivon’ny Att fa isan’ireo « zotra maditra » indrindra ny zotra mpankeny Ivato. « Be ny andraikitr’ireo kaoperativa amin’ny gaboraraka. Havoaka amin’iny herinandro ho avy iny ny bokin’andraikitra ho an’io zotra D io . Anjaran’ireo kaoperativa no manitsy ireo mpikambana ao anatiny », hoy i Rohy Rasoamaromaka, mpiandraikitra ny serasera eo anivon’ny Att.

Fitaterana ivelan’ny renivohitra – Nitety minisitera nanatitra taratasy fampahatsiahivana ny Ucts Fitaterana ivelan’ny renivohitra – Nitety minisitera nanatitra taratasy fampahatsiahivana ny Ucts

Omaly no nanatitra ireo antontan-taratasy fampahatsiahivana ny tokony handoavana ny patanty tokony honeran’ ny minisitera ireo tsy nampiakatra ny saran-dalana ny teo anivon’ny fikambanan’ny mpitatitra amin’ny faritra ivelan’ny renivohitra na ny Ucts.

“Nandalo tao amin’ ny minisiteran’ny Fitate­rana izahay ary nangataka hihaona amin’ny minisitra, saingy tsy tanteraka izany satria nilaza ho sahirana ny minisitra. Nankeny amin’ny minisiteran’ny Tetibola indray izahay avy eo fa tahaka izany ihany koa. Tao amin’ny minisiteran’ny Solika no namarananay ny fitetezana minisitera. Izay minisitera nandalovana tamin’ity androany (omaly) ity dia nametrahana taratasy avokoa”, hoy i Fidy Rakotoari­manana, Filohan’ny Ucts.

Tetsy ankilan’izay anefa dia efa nisy ireo kaoperativa mpikambana ao anatin’ny Ucts efa nampiakatra ny saran-dalany, toy ireo taksibe mampitohy an’Ambohitrimanjaka amin’ny renivohitra. Ar400 izany teo aloha ary lasa Ar500 amin’ izao fotoana izao.

Haja R

Fitaterana eto an-drenivohitra – Hivoaka afaka herinandro ny lisitr’ireo hahazo fiara vaovao Fitaterana eto an-drenivohitra – Hivoaka afaka herinandro ny lisitr’ireo hahazo fiara vaovao

Afaka herinandro no hahafantarana izay tena lisitr’ireo olona voafidy hahazo mividy ireo fiarabe avy any Sina. Tafakatra 550 ny isan’ny olona nametraka fangatahana, tamin’ny andron’ny omaly. Noferana ho 500 ny isa farany, araka ny fanazavana nomen’ Andriambinintsolomora Bernardin, filohan’ny UCTU na Firaisan’ny kaoperativa mpitatitra an-tanàn-dehibe, izay nanankinana ny fanasivanana ireo mpangataka.

Voalaza fa izy ireo efa mahalala tsara ny fandehan’ny fitaterana eto Antananarivo renivohitra no nanankinana tamin’ny fisivanana ny lisitry ny mpangataka mendrika izany. Misy mason-tsivana telo na efatra arahina. Ny voalohany dia ny fananana fahazoan-dalana manao fitateran’olona. Ho voailika izay vao haingana loatra no nidirany tao amin’io sehatra io. “Afaka herinandro no hanoloranay ny lisitra eny amin’ny fiadidiana ny Prezidansa, izay manana ny teny farany”, hoy ihany Andriambinintsolomora Bernardin.

Barphil Andriantsiferanarivo

Fitaterana – Mandrahona ham­piakatra saran- dalana ny Ucts Fitaterana – Mandrahona ham­piakatra saran- dalana ny Ucts

Amin’ny alatsinainy izao no voalaza fa hana­titra ny taratasy fampaha-tsiahivana ny tokony handoavana ny patanty ho an’ireo taksibe tsy nam­piakatra saran-dalana ny avy eo anivon’ny fikambanan’ny mpitatitra amin’ny faritra manodidina ny renivohitra (Ucts).

“Fampanantenana nataony taminay io ka izay no antony hanateranay ilay taratasy fampahatsiahivana. Ho hita eo izay tsy manaja ny teny nomena amin’izay fotoana izay”, hoy ny nambaran-dRakotoari­manana Fidy, lehiben’ny Ucts.

Raha ny nambaran’ity farany dia fantatra fa “rehefa tsy mahazo valiny mahafa-po ny eo anivon’ny Ucts dia tsy maintsy hiditra amin’ny fampiakarana saran-dalana ihany”.

Etsy andanin’izay anefa dia efa nisy ireo kaoperativa namerina ny saran-dalany, toy ny teo aloha indray raha efa nidina kely izany toy ny mpitatitra  amin’ny zotra mihazo an’Imerintsia­tosika. “Ar700 izany teo aloha teo ary naverina ho Ar1000 toy ny taloha”, hoy ity filohan’ny Ucts ity.

Haja R

Fividianana fiara vaovao – Mety misy holavina ny fangatahan’ ireo mpitatitra sasany Fividianana fiara vaovao – Mety misy holavina ny fangatahan’ ireo mpitatitra sasany

Mandalo sivana. Mahaliana mpitatitra maro ihany ilay tetikasa fanoloana ny fiara fitaterana eto an-drenivohitra. Nambaran’ny mpandrindra ny tetikasa fa efa maherin’ny 500 ireo mpitatitra nisoratra anarana hanafatra izany.

« Mbola mila mandalo sivana be ny taratasin’ireo hividy fiara. Misy amin’izy ireo no tsy matihanina sady tsy manana taratasy fahazoan-dalana akory (licence). Misy ihany koa ny tsy nahatonga ny taratasy avy amin’ny kaoperativa niasany », hoy Andriambinitsolomora Bernardin, filohan’ny fivondronan’ny mpitatitra an-drenivohitra (Uctu).

« Mbola maro no liana hisoratra anarana, saingy 500 ihany no zakan’ny sambo hoentina. Tsy maintsy hodinihina araka izany ny hanaovana ireo ambiny na miandry afaka fotoana fohy indray na mbola hifanaraka amin’ ny mpanamboatra fiara amin’ny tokony hampitomboana ny isan’ny nafarana », hoy kosa Andriamandimbisoa Jocelyn, mpandrindra ny tetikasa fanavaozana ny fiara fitaterana sady filohan’ny kaonfederasiona nasionalin’ny fitaterana.

Samy nilaza ireo tompon’andraikitra ireo fa tsy mbola miova fa tsy tara ny faran’ny volana jona izao ny fahatongavan’ireo fiara. Mbola mipetraka hatrany kosa ilay tsy misy fandrotsaham-bola voalohany amin’ireo fiara karazany roa mitentina Ar 83 480 750 sy Ar 66 418 250.

LR

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite