Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Fifidianana Miverena

Raharaham-pifidianana – Mananontanona ny fanilihana ireo kandidà niara-nihosona tamin-dRajoelina Raharaham-pifidianana – Mananontanona ny fanilihana ireo kandidà niara-nihosona tamin-dRajoelina(0)

Mizotra mankany amin’ny fanesorana ireo kandidà tafiditra tao anatin’ny lisitr’ireo olon’ny Fahefana avon’ny tetezamita miisa 109 nosazian’ny Vondrona Afrikanina tsy handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tolo-kevitra vaovao ho famahana ny olana manodidina ireo kandidà amin’ny fifidinana Filoham-pirenena.

Tsilian-tsofina no nahafantarana fa isan’ny nametraka ho tambin’ny fisintonan’ny firotsahan-kofidiany ny hanilihana ihany koa ireo rehetra « voasazy » ireo ny Filo­han’ny tetezamita, Andry Rajoelina. Ity farany izay voalaza fa nanaovan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny frantsay, Laurent Fabius, tsindry manokana ny amin’izay tokony hialany an-daharana amin’ ny fifidianana Filoham-pirenena izay. Etsy anda­niny, dia voalaza fa tsy mankasitraka ny firotsahan’i Lalao Ravalomanana ihany koa ny filoha mpa­norina ny antoko Tgv.

Hatramin’ny omaly aloha dia mbola tsy nahazoam-baovao mazava mihitsy ny momba ny fanapahan-kevitra horaisin’ny Cenit, taorian’ny fiafaran’ilay fe-potoana 48 ora nomen’ny filohany ireo kandidà ho filoham-pirenena mba hifanaraka sy hampitovy tadin-dokanga. Mbola baraingo ihany koa na nalefa natonta any Copenhague ihany ny biletà tokana na tsia. Ny filoha lefitry ny Cenit, Mamy Ralaiariliva, omaly no nanamafy fa «efa misy tokoa ny lamina vaovao mandeha ankehitriny saingy mbola ho hita eo izay ho tohin’ny raharaha».

Fihaonana maro 

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Cenit ihany dia hipaka hatrany Frantsa ny dian’ny Filohan’ ny Cenit, Béatrice Atallah, izay hifototra amin’ny fandresen-dahatra ny iraisam-pirenena tsy hanapaka ny famatsiam-bolan’ny fifidianana indrindra fa ny mahakasika ny fanontana ny biletà tokana.

Ny alahady teo no niala teto Madagasikara nihazo an’i Etazonia i Béatrice Atallah. Hihaona aminy voalohany i Donald Yamamoto, tompon’ andraikitra ambony eo  anivon’ny departemantan’ny fitondram-panjakana amerikanina ao Washington. Aorian’izany dia hisy ihany ny fanaovany tatitra mahakasika ny firosoan’ny raharaham-pifidianana amin’ireo tompon’andraikitry ny sampan-draharaha misahana ny raharaha politika eo anivon’ny Firenena Mikambana, ao New-York.
Aorian’ity diany ao Etazonia ity dia hihazo an’i Bruxelles, hihaona amin’ ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Vondrona Eoro­peana indray ny filohan’ny Cenit. Avy eo dia ho any Frantsa hihaona amin’ny talen’ny sampan-draharaha misahana ny fifandraisana amin’ny vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny frantsay.

«Hifototra amin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana manokana misahana ny raharaham-pifidianana (Ces) tamin’ny famoahana ny lisitry ofisialin’ireo kandidà hirotsaka amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, ny 3 mey teo, ny resaka amin’io fihaonana io».

Mialohan’ny hiverenany eto Madagasikara ny 1 jona izao dia hisy ihany koa ny fihaonany amin’ny sekretera jeneralin’ny fianakaviam-ben’ny Frankofonia, Abdou Diouf.

JR

Firotsan-kofidiana – Tsy hiverin-dalana intsony Ravalomanana mivady Firotsan-kofidiana – Tsy hiverin-dalana intsony Ravalomanana mivady(0)

Mbola nanamafy ny fanohanany ny firo-tsahan-kofidian’ny vadiny, Lalao Ravalo­manana, amin’ny fifidianana filoham-pirenena indray ny Filoha teo aloha, Marc Ravalo­manana. «Mijoro amin’ny fahamarinana isika, ary tsy misy mihitsy ny tsy maha ara-dalàna ny filatsahan’i Neny. Aza ny tatitra entin’ny sasany any no henoina ary aza atao safobemantsina toa ny filatsahan’ireo olona izay ao anatin’ireo 109 voasazy ireo izy», hoy ny filoha mpanorina ny orinasa Tiko, raha niditra mivantana, tetsy amin’ny kianjan’ i Magro, ny sabotsy teo. Tetsy an-kilan’izay dia nambaran’i Lalao Ravalomanana, ny sabotsy teo ihany koa fa «izy no hampody ny vadiny».

Nanomboka ny zoma lasa teo no nitety faritra maro teto an-drenivohitra ity vadin’ny Filoha teo aloha ity. Ny sabotsy teo dia nihazo an’Analamahitsy sy Ambohidratrimo ary nandalo teny Itaosy i Lalao Ravalomanana,  taorian’ny niatrehany ny fotoam-pivavahana nataon’ireo mpitandrina mpitariky ny «Hetsiky ny mpitondra fivavahana», tetsy Antsahamanitra.

JR

Lalatina Ravololomanana – « Mety hiteraka ra mandriaka ny fifidianana amin’ny 24 jolay» Lalatina Ravololomanana – « Mety hiteraka ra mandriaka ny fifidianana amin’ny 24 jolay»

Nanakiana mafy ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana (Ces) i Lalatiana Ravololomanana, omaly. Tonga hatrany amin’ny filazana fa mety hisy ra mandriaka, toy ny zava-piseho any Afrika mihitsy, ny fanehoan-kevitr’ity farany manoloana ny fikirizana hanao fifidianana amin’ny 24 jolay.

Manahy mafy ity mpitarika ny antoko Manda ho an’ny firaisam-pirenena ity ny amin’izay zavatra hiseho « indrindra fa raha ny firafitry ny Ces ankehitriny ihany no tazomina », araka ny fanehoan-keviny.

«Ravàna ny Ces ankehitriny. Atao ny fampihavanana ka tsy misy manana alahelo na amin’iza na amin’iza eto, toy ny fampihavanana ataon’ireo raiamandreny am-panahy ao amin’ny Ffkm. Hatsangana ny Ces vaovao tsy ao anatin’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana fa mahaleo tena mihitsy. Havela hisafidy izay Lalàm-panorenana tiany hitondrana ny firenena ny vahoaka Malagasy aorian’izay», hoy i Lalatiana Ravololomanana.

Ranaivoson Faniry

Fanatanterahana ny fifidianana – Notapahan’ny iraisam-pirenena  ny famatsiam-bola ny Cenit Fanatanterahana ny fifidianana – Notapahan’ny iraisam-pirenena  ny famatsiam-bola ny Cenit

Niitatra hatramin’ny fanapahana tanteraka ny famatsiam-bola ny fifidianana ny fanapaha-kevitra noraisin’ny vondrona iraisam-pirenena manoloana ny mbola fizirizirian’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina sy ny amiraly Didier Ratsiraka ary i Lalao Ravalomanana ny hirotsaka ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Nambaran’ny filohan’ny vao­mieram-pirenena misahana ny fifidianana ao anatin’ny tetezamita (Cenit), Béatrice Atallah fa «nampiato ny famatsiam-bolany ho an’ny Cenit i Frantsa sy ny Vondrona Eoropeana». «Misam­boaravoara toy ny rano ny fiainam- pirenena. Tsy natory mihitsy ny tenako hatramin’ny omaly alina raha nandray ireo antso avy any Frantsa sy avy amin’ny Vondrona Eoropeana, nilaza fa tsy hisy intsony hatramin’ny famatsiam-bola ny fanontana ny biletà tokana», hoy izy nanoloana ny sasany amin’ireo kandidà tonga tetsy alarobia, omaly taorian’ny fotoana nampahafantarana azy ireo ny endrik’ilay biletà tokana hampiasaina amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Handresy lahatra 

Tetsy ankilan’izay dia nilaza ny «tsy afa-manoatra fa tsy maintsy manaraka moramora io fanapaha-kevitra io» ihany koa ny mpandrindra ankapobeny ny fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana, Fatma Samoura, omaly. «Ny asanay rehetra dia miankina amin’io famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona Eoropeana io, ka raha misintona izany izy ireo dia tsy misy azonay hatao intsony afa tsy ny misintaka amin’ ny fanampiana ny cenit ihany koa», hoy izy, tetsy Alarobia.

Hatreto aloha dia mbola tsy tena nahazoam-baovao marim-pototra ny momba ny toe-bolan’ ny Cenit ahafahany manohy ireo asa fanomanana sy ny fikaraka­rana ny fifidianana. Ny tarehimarika farany azo hatreto dia ny nampiasana ilay vola mitentina Ar 4 620 tapitrisa, izay hoentina hanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena.

Araka ny fantatra dia ny mety tsy hisian’ny fankatoavana irai­sam-pirenena amin’io fifidianana io no tena itoeran’ny ahiahin’ny Cenit, indrindra raha ny iray amin’ ireto kandidà telo noraràn’ny iraisam-pirenena tsy hirotsaka amin’io fifidianana io no lany hitantana ny Repoblika faha-IV. Nambaran’ny Masoivohon’i Afrika atsimo, Gert Grobler, omaly tetsy Alarobia rahateo fa «mbola hisy ny ezaka hataon’ny iraisam-pirenena handresy lahatra ireo kandidà telo ireo tsy hirotsaka amin’io fifidianana io». «Raha tsy mahomby izany fandresen-dahatra izany dia ho hita eo ny tohin’ny raharaha», araka ny nomarihin’ity masoivohon’i Afrika Atsimo ity ihany.

Rahampitso rahateo dia hanainga ho any Etazonia hihaona amin’ireo tompon’ andraikitra ambony eo anivon’ny Firenena Mikambana ny filohan’ny Cenit, Béatrice Atallah. Aorian’izay dia mbola hisy ihany koa ny fihaonany amin’ireo
tompon’andraikitra eo anivon’ny Vondrona Eoropeana hanazava ny maha mety na tsia ny hiro­soana amin’io fifidianana filoham-pirenena io.

JR 

Nanome roa andro 

Nanome hatramin’ny anio ny mba «hitadiavan’ireo kandidà 41 ny marima-ritra iraisana amin’ny hirosoana na tsia amin’ny fifidianana filoham-pirenena», ny filohan’ny Cenit, Béatrice Atallah, omaly. «Manainga ny mpanao politika malagasy izahay mba hitady vahaolana haingana satria misamboaravoara toy ny rano ny fiainam-pirenena. Raha tsy tratra io fotoana io dia tsy maintsy halefa hatonta any Copenhague ny biletà tokana amin’ny endriny ankehitriny», hoy izy. Na dia eo aza izay fepetra napetraky ny filohan’ny Cenit, izay dia hita araka ny nambaran’ny Maître Hanitra Razafimanantsoa fa «tsy tokony hampitoviana amin’ireo kandidà hafa i Lalao Ravalomanana satria izy dia olona madio». «Tsy mbola niova tamin’ny fanapahan-kevitra noraisinay ny hanohana azy amin’io fifidianana io izahay», hoy ihany izy. 
Ny eo anivon’ny ankolafy Ratsiraka aloha hatreto dia mbola nisafidy ny tsy haneho hevitra mihitsy mahakasika ity fahatapahan’ny famatsiam-bola ity. Handrasana anio izay tena ho fanapahan-kevitra horaisin’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, izay hanatanteraka fisidihana any Nosy-Be Hell-ville anio. 

Fisintahana tsy ho kandida – Nanaovan’ny Vondrona Afrikanina tsindry manokana Rajoelina  Fisintahana tsy ho kandida – Nanaovan’ny Vondrona Afrikanina tsindry manokana Rajoelina 

Vao mainka nasiaka kokoa noho ny fanambaran’ny Vondrona Eoropeana sy ny «Troïka», rafitra mpanatanteraky ny Vondrona Sadc, ny fitakiana nataon’ny Filankevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikanina (Cps) ny amin’ny tokony hisintahan’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina sy ny Filoha teo aloha, ny amiraly Didier Ratsiraka ary i Lalao Ravalomanana amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Araka ny fahitan’ny Cps azy dia «tena manasarotra tanteraka ny ezaka efa vita mahakasika ny famoahana an’i Madagasikara ao anatin’ny krizy politika, indrindra fa ny momba ny fifidianana ny zava-misy». «Toe-javatra izay hampitarazoka ny krizy sy mety hitera-doza ho an’ny filaminana eto Madaga­sikara», araka ny voafaritra ao anatin’ny fanambaràna navoakan’izy ireo omaly taorian’ny fivoriana tany Addis-Abeba, renivohitr’i Éthiopie.

Noavahan’ny Cps sy tena voatsindrom-paingotra manokana tao anatin’ity fanambaràna ity  ny Filohan’ ny tetezamita, izay nambaran’izy ireo fa «tsy nanaja ny teny nomeny, taorian’ny tsy firotsahan’ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana».

Notsindrian’ny Cps fa «ny foto-kevi-dehibe ijoroan’ ny Vondrona Afrikanina dia mandrara ny firotsahan-kofidian’olona iray tafakatra teo amin’ny fitondrana tamin’ ny fomba tsy mifanaraka amin’ izay voafaritry ny Lalàm-panorenana». Tsy nijanona hatreo anefa fa efa karazana fampitandremana mihitsy no nataon’ity Filankevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikanina an’ireto kandidà telo ireto raha toa ka mbola misisika ny hirotsaka amin’io fifidianana io ihany izy ireo .

« Mety hanohintohina ireo ezaka efa vita hatramin’ izay ny tsy fanarahana ny fepetra notakian’ny Vondrona Sadc raha tsy misy ny fitandre- mana», hoy izy ireo.

J.R

Vondrona Eoropeana – Mitsipaka ny filatsahan’i Lalao Ravalomanana, Ratsiraka, Rajoelina Vondrona Eoropeana – Mitsipaka ny filatsahan’i Lalao Ravalomanana, Ratsiraka, Rajoelina

Nanohana ny fanambaran’ny «Troïka», rafitra mpanatanteraky ny Vondrona Sadc, izay nilaza ny tokony hisintahan’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina sy ny Filoha teo aloha, ny amiraly Didier Ratsiraka ary i Lalao Ravalomanana, amin’ny fifidianana Filoham-pirnena ihany koa ny Vondrona Eoropeana.

«Sahiran-tsaina tanteraka amin’ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny toe-draharaha politika eto Madagasikara ny Vondrona Eoropeana. Manova tanteraka ny fizotran’ny fifidianana io firotsahan’ny telo tonta io ary mifanohitra amin’ny fifanarahana nisy teo aloha»,  araka ny fanambaràna nataon’i Catherine Ashton, tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Vondrona Eoropeana, omaly.

Nomarihin’ity farany ihany koa fa miandry izay fanapahan-kevitra horai-sin’ny Filankevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikanina izy ireo ahafantarana ny ho tohin’ity raharaha ity. «Miankina amin’izay tapaka ao anatin’io fivoriana io ny ho tohin’ny fanampian’izy ireo an’i Madagasikara amin’ny fanatontosana ny fifidianana», araka ity fanambarana ity hatrany. Vao tsy ela anefa izay no samy nanizingizina ny tokony tsy hikitikitihana intsony ny lisitra ofisialin’ireo kandida 41 hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena navoakan’ny Fitsarana manokana misahana ny raharaham-pifidianana ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina sy ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana. Tamin’iny herinandro lasa iny rahateo dia mbola nanamafy ny amin’ny tokony hitazonana ireo tetiandrom-pifidianana napetraky ny Cenit sy ny Firenena Mikambana ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeana, Leonidas Tezapsidis.

Nomarihin’ity farany rahateo fa «ilaina ny fanajana ny sori-dalana ary tokony hiara-misalahy hitady izay fomba rehetra ahitana lamina politika hitondra ho any amin’ny fitoniana ka ahafahan’i Madagasikara miroso any amin’ny fifidianana ny mpanao politika malagasy». Voalaza fa mety hanamafy ny sazy hampiharina amin’io olom-panjakan’ny tetezamita ny Filankevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikanina raha toa ka mbola misy ny fikirian’ny telo tonta hiatrika io fifidianana io.

J.R

Fifidianana filoha – Mety ho latsaky ny 1 m indray  ny halavan’ny biletà tokana Fifidianana filoha – Mety ho latsaky ny 1 m indray ny halavan’ny biletà tokana

Mety tsy hanana halava iray metatra mahery toy ny teo aloha intsony fa ahena araka izay tratra ny biletà tokana hampiasaina amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Araka ny vaovao mbola tsy ofi­sialy avy amin’ireo manam-pahaizana manokana momba ny raharaham-pifidianana, omaly, dia «mety hajanona ho taratasy tokana amin’ny endrika A3 ihany io biletà io».

Voalaza fa tokony ho tafiditra ao anatin’io tara­tasy iray io ihany ny lisitr’ireo kandidà  hofidiana amin’io fifidianana io. Mety hizara ao anatina efitra roa samy hafa kosa anefa izy ireo.

Etsy an-danin’izay anefa dia misy soson-kevitra ny hitazomana ny endrikendrik’ilay biletà tokana, araka izay efa nanomboka nampahafantarina, andro maromaro izay.

Mbola tsy fantatra aloha hatreto ny ho fanapahan-kevitry ny Cenit mahakasika io biletà tokana amin’ny endriny vaovao io. Omaly rahateo no tonga teto Mada­gasikara handinika miaraka amin’ny Cenit momba izany ireo manam-pahaizana manokana avy amin’ny Ceni ao Afrika Atsimo ka ny zoma no hampahafantarana ireo kandidà ny tena ho endrik’ity biletà tokana ity.

J.R

Fisintahana amin’ny fifidianana – Mitsipaka ny fitakian’ny Troïka koa Rajoelina   Fisintahana amin’ny fifidianana – Mitsipaka ny fitakian’ny Troïka koa Rajoelina  

Tsy niandry ela ny valin-kafatra. Notoherin’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina ny fitakian’ny Troïka, rafitra mpanatanteraky ny vondrona Sadc, ny tokony hisintahany tsy ho kandidà amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Ho an’ny Filoha mpanorina ny antoko Tgv dia «tsy misy adihevitra tokony hitoetra intsony manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana manokana misahana ny raharaham-pifidianana (Ces), izay namoaka ny anaran’ireo kandidà 41 hiatrika ny fifidianana Filoham-pirenena ».

«Tsy isika Malagasy no nangataka ny fananganana ny Ces fa ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Andrim-panjakana faran-tampony izay efa nampisahanina ny raharaham-pifidianana ny Ces, ka tokony tsy hotoherina izay fanapahan-kevitra noraisiny», hoy izy taorian’ ny fotoam-pivavahana noentina nanamarihana ny hetsika tamin’ny 13 mey 1972 izay notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, omaly hariva.

Etsy ankilan’izay dia nambaran’i Norbert Lala Ratsirahonana, mpanolo-tsaina manokan’ny Filohan’ ny tetezamita fa «hisy ny fanapahan-kevitra horaisina momba ny fanamafi­sana ny maha ara-dalàna an’io didy navoakan’ny Ces io mandritra ny filankevitry ny minisitra manaraka eo».

Efa natsidiky ny Filohan’ny tetezamita omaly ihany anefa  fa «isan’ny soson-kevitra efa naroso ny amin’ny tokony hanendrena mpitsara mpanampy misolo tena an’ireo kandidà miisa 41 hiara-hiasa amin’ireo mpi-tsara miisa 9 eo anivon’ny Ces».

Juliano Randrianja

Fifidianana filoham-pirenena – Tsy mety misy misintaka ireo kandidà telo ahian’ny Troika hiteraka korontana   Fifidianana filoham-pirenena – Tsy mety misy misintaka ireo kandidà telo ahian’ny Troika hiteraka korontana  

Raha ny fanehoan-kevitr’ireo olona akaiky azy ireo dia tsy mbola misy mihevitra  ny hiala an-daharana tsy ho kandidà amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, araka ny fangatahan’ny Troika, rafitra mpanatanteraka eo anivon’ny Vondrona Sadc na i Lalao Ravalomanana, na ny amiraly Didier Ratsiraka na koa ny Filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina.

Ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana no avy hatrany dia nanizingizina ny fitazonany ny vadiny ho kandidà amin’io fifidianana io.
«Efa notapahan’ny Fitsa­rana manokana misahana ny raharaham-pifidianana (Ces) ny maha kandidà an’i Neny, afaka herinandro aty aoriana ve vao hoe hosintonina ? Diso hevitra izy ireo fa tsy hihemotra amin’izany isika», hoy ity Filoha teo aloha ity raha niditra mivantana an-tariby nitafa tamin’ireo mpomba azy tetsy amin’ny Magro Beho­ririka, ny sabo-tsy hariva teo. Raha ny tatitra nataon’ny filoha mpanorina ny orinasa Tiko tamin’io fotoana io ihany dia «nisy ny soson-kevitra nataon’ny Sadc ny zoma lasa teo ny amin’ny tokony hanoloany ny vadiny amin’io fifidianana io».

«Matokia ianareo fa tsy mivadika amin’izany aho ary matoky ny vadiko koa aho», hoy i Marc Ravalo­manana nanamafy.
Tetsy ankilan’izay dia noraisin’ny mpitarika ny delegasionan’ny ankolafy Ratsi­raka, Ange Andrianari­soa ho karazana soson-kevi-tra ihany ilay fitakiana nataon’ny Troïka nivoaka ny zoma teo. «Raha ny fahalalako azy dia tolo-kevitra ihany io nataon’izy ireo io fa tsy fanerena akory», hoy izy.

Hatramin’ny omaly dia mitandrina mafy ary tsy mbola nisy nety naneho hevitra mazava momba izay soson-kevitra naroson’ny Troïka izay ireo mpikambana eo anivon’ny antoko Tanora malaGasy Vonona. «Mbola ho hita eo ihany ny ho tohin’ny raharaha», hoy fotsiny ny sekretera nasionalin’ ny antoko Tgv, Lanto Rakotomavo. Ny mpandrindra ankapobeny ny fandaharan’asa eo anivon’ny fiadidiana ny tetezamita, Nirhy Lanto Andriamahazo no nilaza omaly fa «kara­zana fitsabahana andraikitra ity fanambarana navoakan’ ny Troïka ity».

«Ny vahoaka malagasy ihany no tokony ho afaka hanapa-kevitra momba izany», hoy ity farany.

Julino Randrianja

Tsy mihemotra ny Cenit 

Naneho ny tsy hihemorany intsony amin’ireo asa rehetra fanomanana sy ny fanatontosana ny fifidianana ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana ao anatin’ny tetezamita (Cenit) na dia misy aza izay fitakian’ny Troïka izay. «Ny fanambarana toy ireny aloha dia tsy natao hampihemotra ny asa ataon’ny Cenit mihitsy. Raha toa ka misy ny lalàna vaovao havoakan’ny parlemanta momba ny Ces dia manaraka izany izahay ary mampihatra izany antsakany sy andavany», hoy ny fanazavan’ny talen’ny kabinetran’ny Cenit, Thierry Venty, omaly. Nomarihin’ity farany ihany koa anefa fa «tsy hisy intsony ny famerenana ny antsapaka izay nataon’izy ireo momba ny filaharan’ireo kandidà ao anatin’ny biletà tokana». «Raha misy ny fialan’izy ireo ao anatin’io lisitra io dia fenoina fotsiny izay banga. Ny laharana no haroso», hoy izy. 

Lalam-pifidianana – Hangataka fanazavana amin’ny Ces  ny governemanta  Lalam-pifidianana – Hangataka fanazavana amin’ny Ces  ny governemanta 

Nandefa taratasy fangataham-panazana mahakasika ny lalàna nampihariny tamin’ny fisokajiana ireo kandidà 41 hiatrika ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ ny Fitsarana manokana misahana ny raharaham-pifidianana ny governemantan’ny tetezamita.

«Isan’ny fanontaniana iray mipetraka amin’ny Ces ny hoe: iza amin’ireo lalàna miisa telo no nampiasain’izy ireo tamin’izany? Ny lalàm-pifidianana ve sa ny lalàna fehizoro 2012-015 sa ny sori-dalana», araka ny nambaran’ny mpikambana iray eo anivon’ny governemanta izay nisafidy ny tsy hitonona anarana, omaly.

Voalaza ihany koa fa nangatahan’ny rafitra mpanatanteraka fanazavana amin’ireo mpikambana eo anivon’ny Ces ny fomba fahitan’ireto farany ny famariparitana ny hoe «mpiasam-panjakana ambony mitana andraikitra eo anivon’ny fitondrana tetezamita sy ireo olom-panjakana ambony ary momba ireo olom-boafidy mitana toerana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana».

Aorian’ny famalian’ny Ces ireo fanontaniana samihafa ireo vao hanohy ny fivoriana manokana voalaza fa hanapahan’izy ireo hevitra mahakasika ireo olana momba ny fampiharana ireo lalàna mahakasika ny fifidianana  ny governemanta.

JR

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite