Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: FFKM Miverena

Vahaolan’ny krizy – Tsy manohana ny fehin-kevitry ny Ffkm ny Foloalindahy Vahaolan’ny krizy – Tsy manohana ny fehin-kevitry ny Ffkm ny Foloalindahy

Nanasa tanana ary nanamafy ny finiavany tsy hiandany sy hiditra lalina amin’ny resaka politika ny Foloalindahy, tamin’ny alalan’ny fanambarana novakian’ireo tompon’andraikitry ny serasera avy eo anivon’ny polisim-pirenena, ny zandarimaria ary ny tafika.

«Tsy marina ny filazana fa nahazo fankatoavana avy aminny mpitandronny filaminana ny  fanatanterahana ny fanapahan-kevitra politika nataonny vondronolona, na iza izy na iza. Tsy misy fiheverana hanangana fitondrana miaramila izany koa avy aminny mpitandro ny filaminana, hoy ilay fanambarana novakian’ny kaomisera Alexandre.

Voafaoka ao anatin’ity fanambarana ity na tsy noresahana mazava aza ny fehin-kevitra nivoaka tao anatin’ny fivoriam-ben’ny Ffkm, ny alahady teo, izay nanantitrantitra ny amin’ny tokony hirosoana amin’ny fananganana ilay «tetezamita vaovao sy ny fandravana ny governemanta, ny fanemorana ny fifidianana….».

Tsy mijanona hatreo fa nilaza ny handray andraikitra amin’ireo mpitandro ny filaminana izay minia tsy manaja ny tsy fiandaniana politika koa ny Foloalindahy araka ny fanomezan-toky nataon’izy ireo ny 17 aprily 2013 lasa teo.

Tsaho no aely

Araka ny fantatra anefa dia efa nisy ny resaka maharitra nataon’ireo tompon’andraikitra ambony eo  anivon’ny Foloalindahy tamin’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy mpitarika ny Ffkm ny sabotsy teo. Taorian’io dia nandeha ny resaka fa “mety hisy ny fanonganam-panjakana hotanterahan’izy ireo ka hametrahana tetezamita vaovao araka ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ny fivoriamben’ny Ffkm teny Ivato”. Siosion-dresaka izay nodisoin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Randrianazary tanteraka.

Tsaho fotsiny no haely ary tsy mahalala izany resaka fitondrana miaramila izany mihitsy ny tenako. Tiako marihana koa fa soson-kevitra toy ny soson-kevitra rehetra mivoaka ireny ihany iny naroson’ny Ffkm iny ka tsy hitako aloha izay hambara mahakasika izany. Efa nilaza rahateo iny ny Ffkm fa tsy tokony hiditra amin’ny resaka politika ny Foloalindahy ka noho izany dia tsy tokony hiresaka politika amin’ny Foloalindahy koa ny mpanao politika», hoy izy omaly, hentitra dia hentitra. Voalaza ao anatin’ity fanambarana nataon’ny Foloalindahy, omaly ity ihany koa fa «manampy amin’ny fampiharana ny tany tan-dalàna, ary anisan’izany ny fiarovana ny fahaleovantenan’ny fitsarana amin’ny didy izay avoakany ny Foloalindahy ary ny torolalana izoran’izy ireo hatreto dia ny fanatanterahana ny fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika, ny 24 jolay 2013 izao”.

JR 

Nanampy tosika koa ny ankamaroan’ireo kandidà

Saika nanakiana mafy ilay fehin-kevitra navoakan’ny Ffkm ny alahady teo avokoa ny ankamaroan’ireo kandidà hirotsaka amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Ho an’ny Praiminisitra teo aloha, Monja Roindefo dia «tsy afaka ny hiandry 18 volana hanatanterahana tetezamita vaovao intsony ny Malagasy ka tokony tazomina ireo tetiandrom-pifidianana napetraky ny Cenit sy ny Firenena Mikambana». Ny kandidà, Ny Rado Rafalimanana dia tonga tamin’ny filazana mihitsy fa «tokony hijoro hanao fanambarana miaraka hiaro hatramin’ny farany ny fantanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena ny 24 jolay izao ireo kandidà 41 handray anjara amin’izany». Ny minisitry ny Raharahambahiny, Pierrot Rajaonarivelo ihany koa dia nanipika fa «tsy tokony hokitihana intsony ireo lamina rehetra amin’ny famaritana ireo datim-pifidianana izay efa neken’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena».

Vahaolan’ny krizy – Hiroso, tsy hihemotra hanangana ilay tetezamita vaovao ny Ffkm Vahaolan’ny krizy – Hiroso, tsy hihemotra hanangana ilay tetezamita vaovao ny Ffkm

Tsy nisy niova tamin’ilay fehin-kevitra savaranonando izay efa nanatsidika ny fananganana tetezamita vaovao ny fehin-kevitra raikitra navoakan’ny Ffkm omaly, teny Ivato, taorian’ilay dinika ho fampihavanana notarihin’izy ireo.

Fandravana ny tetezamita ankehitriny sy fananganana tetezamita vaovao fohy ; fanoratana tondrozotra vaovao; fandravana ny governemanta ankehitriny sy fananganana governemanta tsy miandany; fanendrena Praiminisitra tsy miandany, manana fahefana feno; fanemorana ny fifidianana Filoham-pirenena ; fametrahana Antenimiera mpamolavola Lalàm-panorenana, fanaovana fitsapan-kevi-bahoaka hifidianana Lalàm-panorenana vaovao hifehy ny Repoblika faha-IV. Ireo no nisongadina tamin’ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ity dinika notarihin’ny Ffkm ity, ka nandraisana  antoko politika ary fikambanana miisa 231 anjara.

… Tsy naman’izay mihemotra

Tehaka mirefodrefotra hatrany no setrin’ny famakian’ny monsenera Samoela Jaona Ranarivelo, mpitarika ny fiangonana Loterana eto Madagasikara ireo fehin-kevitra ireo teny Ivato omaly hariva. «Isika dia tsy naman’izay mihemotra», hoy rahateo ny filoha mpitarika ny Ffkm, ny Arsevekan’Antananarivo, ny monsenera Odon Marie Arsène Razanakolona omaly tao anatin’ny kabary famaranana ny fivoriambe teny Ivato, omaly. Araka ny tatitra nataon’ireo Filoham-piangonana mpitarika an’ity rafitra ekiomenika ity ihany omaly dia «efa nakana ny hevitr’ireo mpikambana eo anivon’ny faritanin’ny Ffkm miisa 35 eto Madagasikara ireo fehin-kevitra ireo».

Momba ny fanatanterahana izany anefa dia samy mbola nilaza «ny hanao asa goavana sy hivory mahakasika izany ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ratsamangaikan’ny Ffkm». «Mbola hitohy tsy an-kiato ny fivoriana hirosoana amin’izany», hoy ny sekretera jeneralin’ny Ffkm teo aloha, ny pastora Gabriel Randrianirina.

«Efa mazava angamba ireny nambaran’ny Filohan’ny Ffkm ireny ka tsy afaka milaza mihoatra izay zavatra nolazainy teo intsony ny tenako», hoy fotsiny indray ny tonian’ny Ffkm amperinasa, ny pastora Miha Jean Michel.

Mialoha ny hanatanterahana ireo fehin-kevitra ireo dia milaza ny hampihaona ireo Filoha teo aloha telo mirahalahy, ny amiraly Didier Ratsiraka, ny profesora Zafy Albert ary i Marc Ravalomanana miaraka amin’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina ireo Raiamandreny am-panahy eo anivon’ny Ffkm. «Hampihavana azy ireo sy hanolotra ireo fehin-kevitra ireo no anton’io fampihaonana io», araka ny fanambarana nataon’ny monsenera Odon Marie Arsène Razanakolona omaly hatrany. Voafaritra ao anatin’ity fehin-kevitra ity rahateo fa izy efatra mirahalahy ireto no hapetraka ho Filoham-boninahitra hitantana ity tetezamita vaovao ity.

Hatreto aloha dia tsy mbola fantatra ihany koa ny toerana hanaovana izay fampihaonana azy efatra mirahalahy izay.

«Miankina tanteraka amin’ny Ffkm izany fa tsy mpaminany ny tenako», araka ny nambaran’ny Filoha teo aloha, ny amiraly Didier Ratsiraka izay niatrika ny famaranana ny fivoriambe teny Ivato, omaly.

Nihaona tamin’ny miaramila sy i Chissano

Araka ny fantatra dia efa nisy ny fihaonan’ireo Filoham-piangonana efatra mirahalahy tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Foloalindahy. Isan’izany ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Lucien Rakotoarimasy, ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika malagasy, ny jeneraly Ndriarijaona André, ny  sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Randrianazary ary ny minisitry ny Filaminana anatiny, ny «contrôleur général» n’ny polisim-pirenena , Arsène Rakotondrazaka mialoha ny namoahana ireo fehin-kevitra ireo. Tsy mbola nisy nipika aloha anefa ny tena antsipirian-dresaka nifanaovan’izy ireo.

Voalaza ihany koa fa nisy ny fivoriana nataon’ireo lehibena toby miaramila teny amin’ny biraon’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika teny Andohalo omaly. Omaly mialoha ny namoahan’izy ireo ireto fehin-kevitra ireto dia nisy ihany koa ny fihaonana fohy nataon’ireto Filoham-piangonana ireto tamin’ny mpitarika ny fanelanelanana amin’ny krizy Malagasy eo amin’ny sehetra iraisam-pirenena, Joacqim Chissano. Nambaran’ity farany mialoha ny hiaingany teny Ivato omaly tolakandro fa «mbola hisy ny fandinihana lalina ireo fehin-kevitra izay navoakan’ny Ffkm ireo». Araka ny fanazavan’ny filohan’ny sampanasa  iraisam-pinoana misahana ny raharaham-pirenena eo anivon’ny Ffkm, Angelo François Randriambeloson dia io omaly io ihany dia efa nandefa ireo fehin-kevitra ireo any amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izy ireo.

Juliano Randrianja

Efa nampitandrina ny Ffkm ireo Eveka katolika 

Ny 30 avrily teo no nanoratra taratasy ho an’ireo Filoham-piangonana efatra mirahalahy mpitarika ny Ffkm, milaza ny tokony tsy hidiran’ny Fiangonana lalina amin’ny raharaha politika ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Fiangonana katolika eto Madagasikara. 

«Tsorinay fa matahotra sy velona ahiahy izahay sao mivaona ho fampihavanana politika fotsiny no imasoana , satria io dia tsy anjaran’ny fiangonana velively. Tsara raha mijanona amin’ny tolo-kevitra voalohany isika dia ny fiekena heloka, fibebahana, fahamarinana, fihavanana. Io tokoa no lalana mitondra amin’ny fampihavanana tena izy», araka ny voalaza ao anatin’io taratasy io, izay nosoniavin’ny filohan’ny fiombonamben’ny Eveka eto amintsika, ny monsenera  Désiré Tsarahazana sy ny lefiny ny monsenera Ramaroson Marc Benjamin ary ny sekretera jeneralin’io rafitra io, ny monsenera Ranaivomanana Philippe.

Niangavy ireo raiamandreny am-panahy eo anivon’ny Ffkm tsy hiditra amin’ny fananganana io tetezamita vaovao io sy ny fanemorana ny datim-pifidianana ihany koa ireto Eveka ireto.

«Tsy adidin’ny fiangonana ny mametraka rafitra itondrana ny firenena, na koa mampihemotra na mampandroso ny datim-pifidianana», araka ny voalaza ao anatin’ity taratasy ity hatrany. 

 

Vahaolan’ny krizy – Hijanona ho mpanamora ihany ny Ffkm  Vahaolan’ny krizy – Hijanona ho mpanamora ihany ny Ffkm 

Nanomboka omaly ny fivoriam-be fanindroany tanterahin’ny Ffkm ho fandaminana ny raharaham-pirenena, teny amin’ny ivon-toe-ram-pivoriana iraisam-pirenena Ivato. Nohamafisin’ny filoha mpitarika ity rafitra oekio­menika ity, ny monse-nera Odon Marie Arsène Razana­kolona, tamin’ny lahateniny, teny an-toerana, fa «hija­nona ho mpanamora ny fifampidinihan’ny samy Malagasy ahafahana mikaroka vahaolana tsy hiverimbe-renan’ny krizy sy hisian’ny fampihavanana ny Ffkm». Isan’ny noantitranterin’ny arsevekan’Antananarivo ihany koa fa ny «fiaiken-keloka sy ny fibebahana ary ny fampihavanana no tena isan’ny zava-dehibe indrindra amin’ ireo olom-pirenena Malagasy ankehitriny».

Io omaly io aloha dia tsy isan’ireo mbola nodinihina tao anatin’ity fivoriam-be ity ny momba ny fananganana ilay tetezamita vaovao, araka ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ ny fivoriana ny 18 avrily lasa teo. Anio rahateo vao handinika ireo foto-kevitra mahakasika ny vahaolana  hisorohana ny fiverimberenan’ny krizy ireo mpandray anjara amin’ny dinika eny Ivato. Ny alahady  hariva izao no hampahafantarana an’ireo fehin-kevitra ifanarahan’ireo mpandray anjara amin’ity fihaonam-be ity.

JR

Fampihavanana – Mbola tsy misy tokontaniny ny fihaonambe karakarain’ny Ffkm Fampihavanana – Mbola tsy misy tokontaniny ny fihaonambe karakarain’ny Ffkm

Raha tokony ho efa nanomboka anio dia nahemotra rahampitso ka hatramin’ny sabotsy izao indray ny fihaonambe hamorian’ny Ffkm ireo mpanao politika sy fikambanana samihafa, izay hotanterahina eny amin’ny ivon-toeram-pivoriana iraisam-pirenena eny Ivato. Araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Ffkm, ny pastora Miha Jean Michel dia «ny mbola tsy fahatongavan’ny tatitra avy amin’ireo mpikambana isam-paritry ny Ffkm miisa 35, izay nandinika ny fehin-kevitra vonjimaika nivoaka tamin’ny fivoriana savaranonando teny Ivato no anton’io fihemorana io». Nomarihin’ity tonia vaovaon’ny Ffkm ity ihany koa anefa fa «tsy mbola afaka handroso sy handinika ireo lohahevitra  haroso hodinihina amin’ity fihaonambe mandritra ny hateloana ity mihitsy izy ireo raha tsy efa voaray avokoa ireo tatitra isam-paritra ireo».

Etsy ankilan’izay dia namoaka fanambarana izay milaza ny mbola tsy fahatomombanan’ireo pitsopitsony rehetra, momba io fivoriana io ihany koa ireo mpikambana eo anivon’ny komity mpanomana ity hetsika ity, omaly. Araka ny fandaharam-potoana narafitr’izy ireo anefa dia tokony ho efa tapitra omaly ny fandraisana ny anaran’ireo solontenan’ireo fikambanana sy antoko politika handray anjara amin’ity fivoriana eny Ivato ity, saingy mbola tsy tanteraka izany. Isan’ireo handray anjara amin’ity fihaonambe ity ihany koa ireo solontena miisa 35 avy amin’ny vakim-paritry ny Ffkm sy olona telo avy misolo tena ireo fikambanana sy antoko politika miisa 187 nandroso hevitra ny amin’ny «tokony hananganana tetezamita vaovao sy ny hanemorana ny fifidianana».

Juliano Randrianja


Tsindry iraisam-pirenena

Tsilian-tsofina ihany aloha hatreto no nahafantarana fa nisy ary mbola misy ny tsy fitoviam-pijery  eo amin’ny Filoha mpitarika ny Ffkm, ny monsenera Odon Marie Arsène Razanakolona sy ireo masoivoho sy solontenana sampandraharaha iraisam-pirenena eto Madagasikara mahakasika ity fihaonambe ho fandaminana ny toe-draharaham-pirenena ity. Voalaza fa noho io antony io dia nisy mihitsy ny fangatahan’ny masoivoho frantsay, François Goldblatt,fihaonana tamin’ny solontenan’ny Papa eto amintsika, ny monsenera Eugène Martin Nugent. Hatramin’ny omaly aloha dia mbola tsy nahazoam-baovao marim-pototra ny resaka nifanaovan’ny roa tonta.

Soson-kevitra teny Ivato – Tezitra mafy amin’ny Ffkm ny solontenan’ny Firenena mikambana Soson-kevitra teny Ivato – Tezitra mafy amin’ny Ffkm ny solontenan’ny Firenena mikambana

Karazan’ny efa felaka teha-maina ho an’ireo filoham-piangonana mpitarika ny Ffkm mihitsy no nataon’ny mpandrindra ankapoben’ny fandaharan’asan’ny Firenena mikambana eto Madagasikara, Fatma Samoura omaly. «Tsy niditra an-tsehatra tamin’ny famahana ny krizy mihitsy ny Sadc raha nahavita izany ny Ffkm. Ianareo ihany no nangataka ny fanampian’ny Sadc  ny hamahana ny krizy eto Madagasikara. Ianareo ihany koa no nampiseho fa tsy vitan’ny samy malagasy ny mandamina izany ary ireo mpifanandrina mivantana tamin’ny krizy ihany no afaka mamaha olana», hoy izy naneho hevitra taorian’ny hetsika «donak’afo» nokarakarain’ny fikambanana Friedrich Ebert teny Anosy omaly hariva.

Mazava fa tsy mankasitraka ny hirosoana amin’ilay soson-kevitra nitsiry teny Ivato ny alakamisy mahakasika ny fananganana tetezamita vaovao ny sehatra iraisam-pirenena.

Ho azy ireo dia ny fanatanterahana ny fifidianana araka ny fotoana efa voafaritra ihany no tolony imasoana.

«Mandany ny 75% n’ny fotoanako ny fanomanana ny fifidianana. Ekena fa mety tsy ho fifidianana tsy misy kianina no hisy saingy ahafahana mametraka ireo rafi-panjakana kosa anefa izany», hoy ihany i Fatma Samoura. Tetsy ankilan’izay dia nohitsian’ny mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny masoivohon’i Alemana eto Madagasikara, Ulrich Hochschild nandritra io hetsika io fa «tsy afaka ny hiandry iray taona izany ny alemanina vao hanatanteraka ny fifidianana».

Mampizarazara be ihany an’ireo mpanao politika aloha ilay tsirin-kevitra nipoitra avy amin’ilay fivoriana notanterahin’ny Ffkm. Ireo efa nanambara ny ho filatsahan-kofidiany amin’ny fifidianana dia mazava fa tsy mankasitraka ny hanemorana an’izany intsony. Misy koa anefa ireo izay efa nanolotra kandidà ihany koa anefa no toa mihevitra ny hahita tombontsoa amin’ilay fananganana tetezamita vaovao. Isan’izany ny ankolafy Ravalomanana.

«Rehefa tsy mahavita mampihatra ny sori-dalana ny eto an-toerana sy ny vahiny dia aleo ny Ffkm handray ny andraikiny», araka ny nomarihan’ny mpitarika ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana, Mamy Rakotoarivelo omaly.

JR

 

 

 

Famorian’ny FFKM – Nirona tany amin’ny fananganana tetezamita vaovao ireo mpizaika teny Ivato Famorian’ny FFKM – Nirona tany amin’ny fananganana tetezamita vaovao ireo mpizaika teny Ivato

«Tetezamiitatra». Vaomiera dimy tamin’ireo enina nandray anjara tamin’ny fanomezana soson-kevitra nandritra ilay dinika savaranonando  notarihan’ireo filoham-piangonana eo anivon’ny Ffkm teny Ivato omaly ary natao hikaroham-bahaolana amin’ny krizy politika no samy nilaza ho «resy lahatra ny amin’ny tokony hananganana tetezamita vaovao».

«Ireo Filoham-pirenena telo mirahalahy teo aloha, ny amiraly Didier Ratsiraka, Zafy Albert, Marc Ravalomanana ary ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina no tokony hiara-hitantana io tetezamita vaovao io», araka ny soson-kevitry nivoaka avy amina vaomiera roa.

Raha ny soson-kevitr’ireo mpandray anjara avy amin’ireo vaomiera ireo anefa dia « tsy izy efatra mirahalahy ireono ho tompon’ny fahefana fa ny Praiminisitra izay hiarahan’ny mpanao politika sy ny solontenan’ny fiarahamonim-pirenena manendry ».

Samy niray feo ny amin’ny tokony mbola tsy hirosoana amin’ny fifidianana ihany koa ny ankamaroan’ireto vaomiera nivory teny amin’ny ivotoeram-pivoriana iraisam-pirenena teny Ivato ireto ary mitaky ny hanemorana izany araka izay fotoana heverin’izy ireo fa «mahamety azy». Mitaky ny handravana tanteraka ny sori-dalana ihany koa ireo vaomiera enina nandray anjara tamin’ity fivoriana notarihan’ny Ffkm ity. Voalazan’izy ireo fa «tsy mahavaha olana ny fampiharana izany». «Fampihavanana, famahana ny krizy ary ny fisorohana ny fiverimberenan’ny krizy», ireo lohahevitra telo ireo no naroson’ny Ffkm hodinihan’ireo mpizaika hitadiavana vahaolana hirosoana amin’ny fandaminana ny raharaham-pirenena teny Ivato omaly.

Hita niharihary tamin’ity dinika teny Ivato ity aloha fa saika ny ankamaroan’ireo mpanohitra ny fitondrana tetezamita, ka isan’izany ireo akaiky ny Filoha teo aloha, Zafy Albert sy ireo akaiky ny Filoha teo aloha, ny amiraly Didier Ratsiraka, ireo mpikambana avy amin’ny fiarahamonim-pirenena izay tsy mankasitraka ny fitondrana tetezamita no maro an’isa tao anatin’ireo vaomiera.

Vitsy an’isa

«500 mahery kely teo ho eo ny isan’ireo mpizaika teny Ivato ary nozaraina vaomiera dimy. Tsy mahagaga ny fivoahan’io fehin-kevitra io satria tamin’ny taon-dasa no efa naneho ny tsy fankasitrahany ny fitondrana ankehitriny ny ankamaroan’ireo fikambanana sy mpanao politika nanome soson-kevitra ny Ffkm. Soson-kevitra ihany anefa izany fa tsy fanapaha-kevitra akory ka ho hita eo ihany ny ho tohin’ny raharaha», araka ny fanazavan’ny sekretera nasionalin’ny antoko Tgv, Lanto Rakotomavo omaly.

Ny arsevekan’Antananarivo, ny monsenera Odon Razanakolona izay Filoha mpitarika ny ffkm ankehitriny rahateo tao anatin’ny kabariny teny an-toerana omaly dia efa nanipika fa «tsy mbola fanapaha-kevitry ny Ffkm ity nivoaka omaly ity ary mbola hisy ny fanontaniana ireo mpikamban’ny Ffkm amin’ireo faritra 33 iasany». Nilaza ihany anefa ity farany fa «horaisina sy hodinihana ary mety ho isan’ny lalan-kizorana amin’ny fandaminana ny raharaham-pirenena ihany io fehin-kevitra nivoaka teny Ivato io».

Tetsy andanin’izay ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina raha nanontaniana ny mety ho fanatanterahana ny fananganana an’io tetezamita vaovao io dia nilaza tsotra fa « anjaran’ny rehetra no mieritreritra raha tafiditra ao anatin’ny fampihavanam-pirenena izany ».

Omaly dia mbola tsy namoaka ny daty hanatanterahana ilay fivoriana mandritra ny telo andro handinihana sy hamoahana ny fehin-kevitra farany hiarahan’ny rehetra manaiky ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Ffkm. «Mbola hiarahana midinika ny fanapahan-kevitra momba izany», araka ny nomarihan’ny monsenera Odon Marie Arsène Razanakolona.

Tsilian-tsofina  no nahenoana fa «mety ho amin’ny faraparan’ny volana avrily na ho amin’ny faha-3 ka hatramin’ny faha-5 n’ny volana izao no hanatanterahana izany ».

JR

 

Fivoriambe eny Ivato – Nilaza ny hihanona fotsiny amin’ny fanamorana ny asa fampihavanana ny Ffkm Fivoriambe eny Ivato – Nilaza ny hihanona fotsiny amin’ny fanamorana ny asa fampihavanana ny Ffkm

Niezaka nanala ny ahiahin’ireo mpanao politika momba ny voalaza fa mety hamoahan’ny Ffkm fehin-kevitra manohintohina ny drafitra efa napetraky ny sori-dalana ny Arsevekan’Antananarivo, ny monsenera Odon Marie Arsène Razanakolona. Ity farany izay nanao fanambarana namariparitra ny tsy hitsabatsabahan’ny fiangonana amin’ny fanemorana ny datim-pifidianana sy ny hoe fananganana tetezamita vaovao indray.

«Ny fanamorana ny asa fampihavanana no tanjona kendren’ny Ffkm ary anjaran’ireo tompon’antoka  rehetra no manome soson-kevitra amin’izany. Tsy afaka ny hifampinidinika an-kitsipo sy amim-pahamarinana ny rehetra raha tsy efa mifamitram-pihavanana miara-mitady sy miara-mikaroka ny lalana hivoahana amin’ny krizy sy hisorohana ny fiverimberenany», araka ny fanambarana navoakan’izy ireo, omaly. Araka ny efa voafaritra tao anatin’ny fanambaran’ny Ffkm teo aloha anefa dia vahaolana maharitra mihitsy no karohina amin’ity fivoriana ity.

Voalaza fa «mety hisy ny famolavolana drafitra homena izay Filoham-pirenena hitantana ny Repoblika faha-IV».

Tsy tomombana

Hery roa lehibe no heverina fa hifanandrina amin’ity fivoriana ity. Ny ankolafy Zafy sy Ratsiraka aloha hatreto no fantatra fa hiray feo hitaky ny hametrahana lamina vaovao hoentina handaminana indray ny fiaraha-mitantana an’ireo rafi-pitondran’ny tetezamita. Izy ireo mihevitra fa mbola tsy tomombana ny fepetra hanatanterahana fifidianana amin’ireo daty voatondron’ny Cenit sy ny Firenena mikambana.

«Ilaina fa tsy azo irotorotoana ny fanatanterahana ny fifidianana. Maro tamin’ireo firenena aty Afrika no niroso tamin’ny fifidianana tao anatin’ny fahamaizana, saingy tsy nahitam-bokany izany. Mirary sy manantena ny hisian’ny fitoniana sy ny fandriampahalemana eto Madagasikara aho ka tokony hisy ny fandinihana lalina ny momba an’io raharaham-pifidianana io», hoy ny Filoha teo aloha, ny amiraly Didier Ratsiraka raha nitafa fohy tao amin’ny onjam-peo Rfi omaly.

Fampitandremana

Etsy ankilan’izay anefa dia efa samy niezaka nampitandrina sahady ny Ffkm mba «tsy hikitikitika na handrava ireo rafitra rehetra voapetraky ny sori-dalana ireo vondrona sy ankolafy ary antoko politika nanasonia izany». Nahitsy teny ihany koa ny Praiminisitra Omer Beriziky omaly raha nilaza fa «tsy tokony hanohintohina ireo lamina efa mipetrapetraka ankehitriny ny vahaolana haroson’ny Ffkm eny Ivato». «Vahaolana hitondra ho any amin’ny fitoniana sy ny filaminan’ny fifidianana no tokony hoentin’ny Ffkm», hoy izy teny Mahazoarivo omaly.

Araka ny fantatra dia fikambanana sy antoko politika mihoatra ny 180 no handray anjara amin’ity fivoriana ity anio. «Maro be tsy araka ny noeritreretina ny isan’ireo mpandray anjara ary efa mihoatra ny tokony ho izy io isa io », araka ny nomarihan’ny tonian’ny Ffkm teo aloha, ny pastora Gabriel Randrianirina omaly.

JR

Ezaka fanelanelanana – Tsy mihevitra hikitika ny datim-pifidianana ny Ffkm Ezaka fanelanelanana – Tsy mihevitra hikitika ny datim-pifidianana ny Ffkm

Nodisoin’ny sekretera jeneralin’ny Ffkm, ny pasitera Miha Jean Michel tanteraka ny fanambarana nataon’ireo mpanao politika sasantsasany mahakasika ny voalaza fa « fikasan’ireo Filoham-piangonana efatra mirahalahy hanemotra ireo datim-pifidianana narafitry ny Cenit sy ny Firenena mikambana ».

« Tsy mbola misy izany resaka fanemorana tetiandrom-pifidianana izany mihitsy hatreto. Asa fampihavanana no hatao ary izany no tena mahamaika ny Ffkm« , araka ny nohamafisin’ity sekretera jeneralin’ny Ffkm ity, omaly.

Ny antoko maitso Hasin’i Madagasikara omaly dia tsy nanadino nampahatsiahy ny Ffkm ary toa nampitandrina mihitsy aza mba « tsy hitoetra ho sakana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana« .

« Tsy mitovy  ny zava-misy amin’izao fotoana izao sy ny tamin’ny taona 1991 na koa ny tamin’ny 2002, ka tokony hitandrina amin’ny asa masina ataony ny Ffkm« , araka ny fanamarihan’i Sarah Georget Rabearisoa, mpitarika ity antoko ity.

Hatreto aloha dia mbola samy nilaza ny fahavitrihany hiatrika ny fivoriana hotanterahin’ny Ffkm eny amin’ny ivon-toeram-pivoriana iraisam-pirenena eny Ivato, ny alakamisy izao ny ankamaroan’ireo mpanao politika. Ankoatra ireo antoko politika sy fikambanana samihafa miisa 180 handray anjara amin’ity fivoriana ity, dia isan’ireo nasaina ho eny Ivato ihany koa ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina. « Nasaina ihany koa ireo mpikambana rehetra ao anatin’ny governemanta sy ny Praiminisitra, ny filohan’ny Kaongresy sy ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ary ireo masoivoho vahiny sy ny solontenan’ny Firenena mikambana« , araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Ffkm hatrany.

JR

Fikaroham-bahaolana – Ho avy hiatrika ny dinika tarihin’ ny Ffkm Ratsiraka  Fikaroham-bahaolana – Ho avy hiatrika ny dinika tarihin’ ny Ffkm Ratsiraka 

Ny alakamisy 18 avrily maraina izao indray no voatondro higadona eto Madagasikara ny Filoha teo aloha, ny amiraly Didier Ratsiraka. Namba-ran’ity farany tao amin’ny onjam-peon’ny Rfi omaly fa «hijanona eto Madaga-sikara ny tenany ary tsara-tsara kokoa ny fanatrehany ny fihaonambe karakarain’ireo Filoham-piangonana mpitarika ny Ffkm» izay hanomboka amin’io alakamisy io. Araka ny nohamafisin’ny mpitarika ny delegasionan’ny ankolafy Ratsiraka, Ange Andrianarisoa omaly dia «handray anjara sy efa mivonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny fiatrehana io fihaonambe io izy ireo».

Voalazan’ity akaiky ny amiraly Didier Ratsiraka ity fa efa miomankomana amin’ny fitsenana ity Filoha teo aloha ity ny ankolafy Ratsiraka sy ny antoko Arema.

JR

Ezaka fanelanelanana – Miantso fanampiana ara-bola ny Ffkm Ezaka fanelanelanana – Miantso fanampiana ara-bola ny Ffkm

Hisy latsakemboka asaina haloan’ireo vondrona politika sy fikambanana handray anjara amin’ilay fihaonambe tarihin’ny Ffkm ho fikaroham- bahaolana mba tsy hiverenan’ny krizy intsony. Ny sakafo sy ireo kojakoja rehetra ilaina amin’io fivoriana io no fantatra fa ilàna an’io vola io. Omaly dia mbola niantso ireo malala-tanana hanampy ara-bola amin’ny fanatanterahana izay ezaka fenelanelanana izay ireo Raiamandreny am-panahy mpitarika ny Ffkm.

Fanamby lehibe no hataon’ny Ffkm dia ny «famo- lavolana vahaolana sy fama-ritana foto-kevi-dehibe ary fenitra hoenti-misoroka ny fiverimberenan’ny krizy », araka ny fanambarana novakian’ny Arsevekan’ Antananarivo, ny monse-nera Odon Razanakolona, izay mitana ny toeran’ny filohan’ny Ffkm tetsy amin’ ny Ekar Faravohitra, omaly maraina.

Hoentin’ny Ffkm hanom- bohana an’ity adidy ity ny dinika savaranonando izay hamorian’izy ireo fikambanana sy antoko politika miisa 180 eny amin’ny ivon-toeram-pivoriana iraisam-pirenena eny Ivato, ny alakamisy 18 avrily izao.

«Tanjona amin’izany ny famaritana ny dinika ho fampi- havanana sy ny fifampifehezana ary ny fanadihadiana ireo lohahevitra hoentina miroso amin’ny fanelanela-nana», araka ny voafaritra ao anatin’ilay fanambarana novakiana omaly hatrany.

Aorian’io andro voalohany io dia fantatra fa mbola hanokana telo andro hamo-riana ireo fikambanana sy mpanao politika hikaonandoha amin’ny fitadiavana vahaolana amin’ny fanda-minana ny raharaham-pirenena indray ny Ffkm.

Ny Filoha mpitantana ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy (Ffm) ,ny jeneraly Sylvain Rabotoari-son, omaly, dia naneho ny fahavononana hiara-hiasa akaiky amin’ireto Raiaman-dreny am-panahy ireto. «Mifameno fa tsy mifanipaka ny tanjona ka azo atao tsara ny miara-miasa. Hangataka fihaonana amin’izy ireo izahay amin’iny herinandro ambony iny», hoy izy.

Juliano Randrianja

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite