Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Fanafihana Miverena

Fanafihana mitam-piadiana – Roa lahy voalaza ho namaky ny BOA nalefa eny Tsiafahy Fanafihana mitam-piadiana – Roa lahy voalaza ho namaky ny BOA nalefa eny Tsiafahy

Roa lahy tondroin’ny polisy ho « isan’ny atidohan’ny fanahifana ny banky BOA teny Sabotsy Namehana sy  BOA Mahanoro » no naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny sabotsy teo. Ny alarobia teo izy roa lahy ireto no saron’ny polisy misahana ny heloka bevava, sakelika fahefatra tetsy Ampefiloha.

Hetsika manokana izay nametrahan’ny polisim-pirenena mpitsikilo no nahatrarana azy roa lahy ireto. « Loharanom-baovao avy amin’ireo mpitsikilo ireo no nahafantarana fa manatanteraka fivoriana ao amin’ilay trano nahatratrarana azy ireo foana izy roa lahy ireo isaky ny alarobia. Natao ny vela-pandrika avy eo ka noraisim-potsiny izy ireo», hoy ny tatitry ny polisim-pirenena.

« Tratra tao an-tranon’izy ireo etsy Andranomanalina nandritra ny fisavana natao ny basy poleta iray niaraka tamin’ny bala enina sy fitaovana mamoaka herinaratra, izay fitondran’izy ireo isaky ny manao fanafihana », hoy hatrany ny tatitra.

Raha ny voalazan’ny polisim-pirenena ihany dia « azo sary tamin’ny fanafihana ny banky iray tetsy Ambohimanarina ny volana janoary teo ny iray tamin’izy roa lahy ireto».

Niisa efatra ireo jiolahy nanatanteraka ny fanafihana ny BOA Sabotsy Namehana, ny 18 septambra teo ka vola Ar 10 tapitrisa no lasan’izy ireo tamin’izany. Ny 11 desambra teo kosa  no nitrangan’ilay fanafihana tany Mahanoro ka jiolahy 10 indray  no nanao ny fanafihana ary vola Ar 700 tapitrisa indray no lasan’izy ireo.

Haja Randrianantoandro

Saika handroba Banky – Nofotorana ireo efa-dahy voarohirohy tao Manakara Saika handroba Banky – Nofotorana ireo efa-dahy voarohirohy tao Manakara

Omaly no nanatanterahana ny famotorana lalina an’ireo olona efatra voarohirohy tamin’ilay raharaha fikasana handroba banky iray tany Manakara, ka voalaza fa saika hakana lelavola 6 000 tapitrisa ariary, ny 1 novambra teo. Nisy lehilahy iray hafa voarohirohy,  vadina mpiasa izay mitana ny fanalahidin’ny fitoeram-bolan’ilay banky noafahana vonjimaika, andro vitsy lasa izay ,kanefa nofotorana ihany koa.

Ity farany izay milaza ho niharam-boina tao anatin’ity raharaha ity.

« Isan’ny zava-baovao amin’ity raharaha ity ny fisehoan’ilay vadina mpiasa iray ao amin’ilay banky ho niharam-boina. Ankoatra ilay banky izany dia io lehilahy io ihany koa no mety ho isan’ireo hilatsaka ho mpitory indray. Tany am-pahatrarana ireo olona efatra voarohirohy ireo anefa dia izy no olona fahadimy voatonontonona ihany koa. Nahazo fahafahana vonjimaika izy taorian’ny fanolorana ny Fitsarana ny raharaha », hoy ny loharanom-baovao iray avy any Manakara.

« Koa satria voatonontonona tamin’ilay fikasana fandrobana banky ilay vadina mpiasa tao amin’ilay banky io, dia nosavaina ny tranony. Tsy nahitana na inona na inona anefa tany aminy, raha ny voalazan’ny tatitra tonga aty aminay. Tsy azo hamaivanina kosa ny maha vadin’ilay mpiasa mitazona ny fana-lahidin’ny fitoeram-bolan’ilay banky azy », hoy kosa ny loharanom-baovao akaiky ny famotorana.

Faralala

Saika hanafika tao Manakara – Polisin’ny Gir taloha sy mpamono olona tratra nitondra  »Kalachnikov » Saika hanafika tao Manakara – Polisin’ny Gir taloha sy mpamono olona tratra nitondra  »Kalachnikov »

12 Km tsy hiditra an’i Manakara, tao Marofarihy, no tratry ny sakan-dalana nataon’ireo zandary ny taksiborosy nitondra lehilahy efatra nirongo basy  »Kalac-hnikov » ny alakamisy teo. Voalaza fa saika hanafika ivon-toeram-pampindramam-bola madinika iray ao Manakara izy ireo, izao sarona izao.
Polisy afaka, ary niasa teo anivon’ny vondron’ny polisy mpanao hetsika manokana (Gir) ny iray tamin’ireo voasambotra. Jiolahy voasaringotra tamin’ny famonoana mpamily fiara 4×4 tao Farafangana tamin’iny volana oktobra lasa teo iny kosa ny iray hafa. Nisy tratra ireo namany, saingy izy no tafatsoaka taty Antananarivo, ka izao sarona izao indray.

Ankoatra azy ireo anefa dia mbola misy lehilahy telo hafa tokony hosamborina izay fantatra fa mpitandro ny filaminana miasa eo anivona andrim-panjakana lehibe iray avokoa. Ny fanadihadiana an’ ireo efa voasambotra no voalaza fa naha-fantarana ny mombamomba azy ireo.
Nambaran’ireo loharanom-baovao avy any an-toerana fa efa mandroso ny fanadihadiana mahakasika ity andian-jiolahy ity, ka heverina hivoaka ao anatin’izany ny mombamomba ireo mpitandro ny filaminana ahiahiana ireo. Toraka izany ihany koa ny mahakasika ireo fitaovam-piadiana, izay mety ho fantatra, amin’ny alalan’ireo laharana amin’ny vodim-bala saika hampiasaina, ny fiaviany.

Efa nisy lehilahy iray voasambotra mialoha tao Manakara ka io no nahafahan’ ny mpitandro ny filaminana nisambotra ireo namany.
Raha ny vaovao azon’ireo zandary dia misy andian-jiolahy mirongo basy, mandeha fiara manokana ho any Manakara. Tao Ilonjo, 100 Km miala an’i Manakara, raha handeha aty Antananarivo, no nametrahana sakana, saingy tsy hita mihitsy io fiara nandrasana io. Teo vao fantatra fa maty tany an-dalana ilay fiara, ka izay no antony nandehanan’izy efa-dahy voasambotra taksiborosy.

Mbola tao anatin’ny fikononkononana io fanafihana io ireto voatondro ho jiolahy  raindahiny ireto no naharay vaovao ireo zandary tany Manakara. Raha ny fehin’ny fikasan’ireto jiolahy ireto dia halaina an-keriny ny mpiasa mitazona ny fanalahidin’ ny fitoeram-bolan’ity ivon-toerana mpampindramam-bola ity handrobana ny volabe ao aminy.

Hanitry Ny Aina

Fanafihana teny Ivanja – Tsy mbola misy fanadihadiana  eo anivon’ny fiadidiana ny fonja Fanafihana teny Ivanja – Tsy mbola misy fanadihadiana  eo anivon’ny fiadidiana ny fonja

Tsy mbola rototra manoloana ny filazana fahitana satroka mpiasan’ ny fiadidiana ny fonja  nandritra ilay fanafihana niseho teny Ivanja Ambo-hitsoa ny harivan’ny ala-kamisy teo ny fiadidiana ny fonja. Fanafihana naha-fatesana olona telo mianaka, samy rotidrotiky ny bala no niseho.

Nisafidy ny tsy hanao fanadihadiana sy fanaraha- maso teo anivony mihitsy aloha ny fiadidiana ny fonja.

« Mba tsy hisian’ny fifam- pitsabatsabahana amin’ny andraikitra dia aleo mihitsy aloha hanao ny fanadihadiany ireo mpitandro ny filaminana », hoy Rasolo-manga Rakotonirina talen’ ny foibem-pitondrana misa- hana ny fiambenana ireo fonja manerana ny Nosy.

Ny avy eo anivon’ny fia- didiana ny fonja izay hita ho tsy dia maniry ny hano-mezana lanja be loatra an’ izay fahitana satroka mpiasan’ny fiadidiana ny fonja nandritra io fanafihana io izay.

« Na basina mpitandro ny filaminana na fanamiana dia tsy atao mahagaga intsony ny ananan’ireo jiolahy azy », hoy ny tompon’ andraikitra iray eo anivon’ ny fiadidiana ny fonja ihany.

HNA

Fanafihana taksiborosy – Lasan’ireo mpanakan-dalana ny vola Ar 8 tapitrisa Fanafihana taksiborosy – Lasan’ireo mpanakan-dalana ny vola Ar 8 tapitrisa

Fiara mpitaitra iray marika  »Sprinter » avy any Toliara indray no niharan’ny fanakanan-dalana nataona lehilahy enina nirongo basim-borona tao Mahaboboka Toliara, afak’omaly alina tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany. Vola 8 tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy tamin’ izany ary mpandeha iray no naratra vokatry ny vono nahazo azy, raha ny fanazavana avy amin’ ny kaomandin’ny borigadin’ny Zandarimaria ao Sakaraha

« Hazo no natsivalan’izy ireo teo afovoan-dalana ka tsy afaka niala intsony ilay fiara », hoy hatrany ny zandary. Lehilahy efatra mampiahiahy, ary efa voarohirohy tamina fanakanan-dalana ihany tany aloha, no nokasaina hosamborina tamin’ity raharaha ity, saingy tsy nisy tratra tao an-tranony. Ny fianakavian’izy ireo akaiky no voatery notanana ao amin’ny tobin’ny zandary.

Haja R.

Fanafihana tany Ambalavao – Mitondra fanitsiana ilay « receveur »-n’ny Paositra Fanafihana tany Ambalavao – Mitondra fanitsiana ilay « receveur »-n’ny Paositra

Manome fanampim-panazavana sy fanitsiana i Eugène Rakotovao, « receveur »-n’ny Paositra Malagasy any Ambalavao, taorian’ny fanafihana nihatra tao amin’ny tokantranony ny 21 aogositra 2012 lasa teo. Nodisoiny ny filazana an-gazety, raha nitranga ilay fanafihana fa « nampandrenesin’ny teo amin’ny manodidina avy hatrany ny polisy tany an-toe-rana, saingy tsy nety nandray ireo polisy tonga tao aminy ilay « receveur »-n’ny paositra. Nilaza izy tamin’izany fa hiandry ny fahatongavan’ny zandary ».

« Ny marina dia izao: ny olona tonga namonjy anay tato ny alin’ny 21 aogositra iny no nanana fandavan-tena, ka nilaza tamin’ny zandarimaria, saingy nilaza izy fa tsy misy element hono ao fa rahampitso maraina ry zareo no ho tonga eo. Taorian’izay dia ny tenako mihitsy no niantso ny Adojoint-n’ny Commissaire fa efa henony ny vaovao ka efa nandefa « patrouille » aty amin’ny manodidina anay ny tenany. Marihiko eto fa tsy nahita izany aho satria tsy niditra tato aminay ny
« patrouille » io alina io », araka ny fitantaran-dRakotovao Eugène.

Ambalavao –  »Receveur »-n’ny paositra voaroba Ar 21 tapitrisa Ambalavao –  »Receveur »-n’ny paositra voaroba Ar 21 tapitrisa

Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia nikasi-tanana ny  »receveur »-an’ny Paositra ao Ambalavao Fianarantsoa,ireo jiolahy nandroba  ny 21 aogositra teo. Mbola teo am-panisana vola ilay tompon’andraikitry ny paositra no niditra tampoka ireo olon-dratsy sady nanambana basy no nanakenda, araka ny tatitry ny zandarimaria. Lelavola mitentina Ar 21 tapitrisa mahery no lasan’ ireo jiolahy, raha ny voalaza ihany.

« Nampandrenesin’ny teo amin’ny manodidina avy hatrany ny polisy tao an-toerana, saingy tsy nety nandray ireo polisy tonga tao aminy ilay  »receveur »-n’ny paositra. Nilaza izy tamin’izany fa hiandry ny fahatongavan’ny zandary. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy mihitsy ny kaomandan’ny borigady sy ny zandary tao amin’ny borigady », hoy ny zandary Efa eo am-pikarohana ireo olon-dratsy amin’ izao fotoana izao ny zandary any an-toerana.

 

Haja R.

Fanafihana teny Andralanitra – Voatery nozairina in-27 ilay mpiambina an-dry Mompera Pedro Fanafihana teny Andralanitra – Voatery nozairina in-27 ilay mpiambina an-dry Mompera Pedro

Voatery naverina hotsaboina eny amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona, omaly ilay mpiambina iray tena niharan’ny vono nataon’ireo mpanafika mitam-piadiana, saika handroba ny mompera Pédro, teny Andralanitra ny zoma hifoha sabotsy lasa teo.

Sahy nifampitana tamin’ireo jiolahy ity mpiambina vao 34 taona ity ka nanamparan’izy ireo ny habibiany raha vao tafiditra tao amin’ny faritry ny biraon’ny Akamasoa izy ireo, nikasa haka ny volan’ny  mompera. ”Mahatratra 27 ny zaitra natao tamin’ny tavany sy ny fihirifany vokatr’ireo vono nihatra taminy. Mbola misy tena marary azy ka izay no namerenana azy ho tiliana eny amin’ny Hjra”, hoy Andrianjato Njaka, tompon’andraikitra teknika ao amin’ity fikambanana miahy ny sahirana ara-pivelomana ity. Iray amin’ireo efa-dahy naratra tamin’ny fifandonana, mpiambina ny Akamasoa izy io. Nanatevina ny fiambenana ny tanànany ny ao amin’ny Akamasoa. ”Efa tonga tety ny lehiben’ny Zandarimaria sy ny Polisy ka nisy fifanarahana nifanaovana. Mandefa miaramila mitsirika anay ety ry zareo ary misy aza apetrany ety mihitsy”, hoy Andrianjato Njaka. Feno 23 taona ny Akamasoa izao, nahavita trano 3 000, fonenan’olona 20 000 ka 10 000 amin’izy ireo no mpianatra. Misy koa fanomezany fiofanana araka asa ny tanora ho lasa mpandrafitra, elektrisianina,mpanao rafi-by sy angovo azo havaozina. Olana eo aminy ny tsy fananany intsony tany hanorenana trano vaovao ho an’izay tokony horaisina eny.

Barphil Andriantsiferanarivo

Fanafihana fiara mpitatitra – Niray tsikombakomba tamin’ ireo jiolahy ny mpamily Fanafihana fiara mpitatitra – Niray tsikombakomba tamin’ ireo jiolahy ny mpamily

Isan’ireo olona 12 naiditra am-ponja vonjimaika noho ilay raharaha fanafihana fiara mpitatitra marika Mazda, ka nahavery ny basin’ny kolonelin’ny zandarimaria iray ny mpamilin’ilay fiara.

« Sarona nandritra ny fikarohana ireo jiolahy ny « lampe de poche », saron-tava mainty ary antsy nampiasain’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny seraseran’ ny zandarimariam-pirenena.

Basy poleta ankoatra ny firavaka volamena no isan’ny lasan’ireo jiolahy teny amin’ilay manam-boninahitra. Mbola tsy hita nanjavonana ilay fitaovam-piadiana hatramin’izao.

Ny 17 jolay tamin’ny 3 ora maraina no nisehoan’ity fanafihana teny amin’ny lalam-pirenena faha-4 ity, teo amin’ny toerana antsoina hoe Ankadimainty, afaka kely an’i Mahitsy. Hihazo ny renivohitra ilay fiara mpitatitra no sendra ireo mpanafika.

Faralala

Fanafihana ny 1 er RFI Ivato – Rezervista efatra sy olon-tsotra iray tazonina eny Fiadanana Fanafihana ny 1 er RFI Ivato – Rezervista efatra sy olon-tsotra iray tazonina eny Fiadanana

Mahatratra dimy hatreto ireo olona voarohirohy ary tazonina etsy amin’ny sampana misahana ny fikarohana heloka bevava eo anivon’ny Zandarimaria (Src) etsy Fiadanana, taorian’ny fanafihan-dry kaporaly Koto Mainty ny toby miaramila 1er Rfi eny Ivato afak’omaly.

« Sivily ny efatra amin’ireo notazonina ireo», hoy ny jeneraly Rakotoarimasy Jean André minisitry ny Foloalindahy, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly maraina.

Miaramila fiandry na rezervista izy ireo, raha ny fantatra. Ny adzidà-sefo Isoarana, izay mbola tsaboina eny hôpitaly eny Soavinandriana no fanindiminy.

Niampy iray anefa ny sivily voasambotra omaly antoandro raha ny fanampim-baovao azo omaly hariva. Voatazona eny amin’ny biraon’ny Src eny Fiadanana ihany koa izy io.

Mbola misy 120 eo ho eo, ankoatra izay ireo tavela ao amin’ny toby miaramila 1er Rfi. Voatery mandeha eny an-toerana ireo zandary manao ny famotorana noho ny hamaroan’izy ireo. Tafiditra ao anatin’ireto hanaovana fanadihadiana eny Ivato ireto na miaramila miasa eny an-toerana na zazavao sy izay rehetra tavela tao anatin’io toby miaramila io, ny alahady nisehoan’ny fanafihana. Ny vokatry ny fanadihadiana avy eo no hanasokajy ireo vavolombelona sy ireo voarohirohy.

Nizara vola

Mitohy ihany koa anefa ny fikaroham-baovao ivelan’ny toby. Tranon’olona roa eny amin’ny Fasan’ny karàna iny no fantatra fa nanaovana fisavana ny alahady alina.

Raha ny filazan’ny jeneraly Rakotoarimasy Jean André, etsy ankilan’izay, dia efa voaangona ireo fitaovam-piadiana tafavoaka tao amin’ny efitrano fitoeram-basin’ny 1er Rfi. « Ankoatra ny sazy ara-pitsarana dia hivoaka ny sazy ara-miaramila amin’ireo rehetra voasingotra tamin’io fanafihana io, afaka herinandro any », hoy hatrany izy.

Nanamafy ny fisian’ny fizarana vola an’ireo zazavao tao amin’ny 1er Rfi ity manamboninahitra ambony ity.  « Raha kaporaly sy adzidà-sefo tsy hanana vola omena ireo zazavao ireo izany. Ho fantarina any anatin’ny famotorana ny fihavian’io vola io », hoy izy.

Mbola hofotorana anefa ny fihavian’izany vola izany sy ny tena tanjon’iny fanafihana ny 1er Rfi iny.

Nitsapa alahelo teny amin’ny trano nitoeran’ny nofo mangatsiakan’ny kapiteny Rakotondrazafy Pascal ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra Omer Beriziky, omaly.

 

Hanitry Ny Aina

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite