Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Fanadinana Miverena

Fanadinana BEPC – Hanomboka amin’ny 27 mey ny adina ara-panatanjahantena Fanadinana BEPC – Hanomboka amin’ny 27 mey ny adina ara-panatanjahantena

Tokony efa hiomana amin’ny fiatrehana ny fanadinana ara-panatanjahantena ireo mpiadina Bepc. Hanomboka amin’ny alatsinainy 27 mey ka hatramin’ny 30 mey ny anjaran’izy ireo. Hitohy ny alatsinainy 3 jona izany ka hatramin’ny 7 jona. Hitsinjara amina kianja telo ireo mpiadina manodidina ny 27 000 araka ny vaovao avy amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo reni- vohitra, dia ny kianjan’i Mahamasina sy Nanisana ary Alarobia.

“Iangaviana mba hijery tsara izay voasoratra amin’ ny taratasy fiantsoana, milaza ny daty sy ny toerana hanaovana ny fanadinana, ireo mpianatra mba tsy ho diso fotoana. Tokony ho tonga 30 minitra mialohan’ny fanombohan’ny adina ireo mpianatra. Ny taranja lomano no hamaranana ny fanadinana ny 22 jona etsy Ampefiloha”, hoy i Voahanginirainy Jeanne, avy amin’ny Cisco Antananarivo.

Efa samy naka ny taratasy fiantsoany avokoa ny anka- maroan’ny tompon’andraikitry ny sekoly. Azon’ny mpianatra atao tsara araka izany ny manantona avy hatrany ny ivon-toeram-pianarana mba ahafahany miomana.

LR

Fanadinana CEPE – Hiroso amin’ny fisafidianana laza adina ny minisitera Fanadinana CEPE – Hiroso amin’ny fisafidianana laza adina ny minisitera

Dingana farany. Efa tonga eny anivon’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) sy ny sampan-draharaham-paritry ny fanabeazana (Dren) ny laza adina avy amin’ireo mpampianatra niandraikitra ny fandrafetana laza adina Cepe. Hanomboka ny fiandohan’ny volana mey izao kosa no hano- lorana ny laza adina voafantina amin’ny minisiteran’ny Fanabe- azam-pirenena.
Io dingana farany io sisa no andrasana dia hiroso amin’ny fitandroana izany laza adina izany ny tompon’andraikitra. “Nisy vaomiera manokana mihitsy nanao ny fisafidianana ary efa mamaramparana ny any amin’ny renivohi-paritany hafa izahay”, hoy Randriankoto Samuelson, avy amin’ny  Dren.

Laza adina karazany telo no havoaka ary samy hanana ny anjarany tsirairay ny renivohi-paritany enina. Tsy hitovy ny laza adina manerana ny Nosy. “Mba ho fisorohana ny mety hisian’ny fivoahan’ ny laza adina mialoha ny fotoana no antony nisafidianana karazany telo. Raha sanatria mivoaka ny iray dia mbola misy roa azo anoloana azy. Na izany aza efa matotra ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana”, hoy ny avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

LR

Fanadinana CEPE – Mety ho tafakatra 1 450 000 ireo mpiadina Fanadinana CEPE – Mety ho tafakatra 1 450 000 ireo mpiadina

Mitombo 10% isan-taona ny isan’ny mpiadina Cepe, ka mety hahatratra 1 450 000 ny isany amin’ity taona 2013 ity, raha ny vaovao azo teo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Madiva ho voafidy izay laza adina hatrehan’ny ankizy amin’io fanadinana io. Misy ny fomba­-fomba tsy maintsy harahina, mandra-pahatongan’ny fotoana hifantenana ireo laza adina telo hisafidianana isaky ny taranja, araka ny fanazavan-dRandriakoto Samuelson Daumet, talen’ny Fanabeazana fototra (DEF), ka miainga any amin’ny Cisco ka hatrany amin’ny foibem-panadinana. Midina ny teknisianina, iraka avy amin’ny DEF mizaha sy manombana ireo laza adina voafantina, izay akariny aty amin’ny foibe hosivanin’ny tompon’ andraikitra ambony ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, tarihin’ny minisitra sy ny sekretera jeneraly. Isaky ny faritany,dia hisy ny laza adina isaky ny taranja ka voasokajy voalohany, faharoa sy fahatelo hatonta hiatrehan’ny mpiadina Cepe ny fanadinana.

Barphil Andriantsiferanarivo

Fanadinana CEPE – Efa manomana ny laza adina ny tompon’andraikitra Fanadinana CEPE – Efa manomana ny laza adina ny tompon’andraikitra

Hiditra amin’ny telo volana faharoa amin’ny taom-pianarana 2012-2013, manomboka amin’ny herinandro, ireo mpianatra. Efa miomana ihany koa amin’ny fiatrehana ny fanadinana ny eo anivon’ny minisitera tompon’andraikitra. Isan’ny efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanomanana ny laza adina Cepe tao anatin’ny telo herinandro teo izay ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny mpampianatra eny anivon’ny sekoly, raha ny tsilian-tsofina.

Mbola fanomanana eny anivon’ny mpampianatra isaky ny sekoly no natao tao anatin’izay telo herinandro izay, ary amin’ny tapaky ny volana avrily ity no hanolorana azy ny minisitera. Tsy mbola voafaritra mazava kosa, araka ny loharanom-baovao, ny tetiandro hanaovana ny fifantenana.  »Raha vao voarain’ny minisitera ny laza adina dia hirosoana ny fifantenana ny laza adina amin’ny fanadinana. Mbola tsy maintsy mametraka ny lamina rehetra aloha mba hisorohana ny fiparitahan’ny laza adina mialoha,izay vao manao izany fifantenana izany », raha ny voalazan’ny avy amin’ny minisitera hatrany. Amin’ny talata 16 jolay no daty ofisialy hanatontosana ny fanadinana Cepe.

LR

Fidirana ho polisy – Hivoaka tsy ho ela ny valim-panadinana Fidirana ho polisy – Hivoaka tsy ho ela ny valim-panadinana

Andro vitsy lasa izay no tontosa teny amin’ny minisiteran’ ny Filaminana anatiny ny fombafomba fanamarinana farany an’ ireo izay tokony ho afa- panadinana tamin’ny fifaninanana hidirana ho polisy, natao ny volana aogositra teo. Ankoatra ireo tale rehetra eo anivon’ny minisitera dia fantatra ihany koa fa nanatrika izany ny solontenan’ ny Birao mahaleotena miady amin’ny koli-koly (Bianco) sy ny avy amin’ny minisiteran’ ny Asam-panjakana.

« Tsy nisy zavatra natao an-kinafinafina mihitsy tato aminay fa mangarahara tante-raka. Ny tompon’an-draikitra rehetra tato aminay dia nomena fitenenana avokoa ary nanatrika ny fanapahan- kevitra farany tamin’ ireo izay ho afaka tamin’ ny fanadinana ho polisy », hoy ny contrôleur général Rako-tondrazaka Arsène, minisitry ny Filami-nana anatiny.

Faralala

Fanadinana bakalorea – Nidina ho 48,17% ny taham-pahafahana teto Antananarivo Fanadinana bakalorea – Nidina ho 48,17% ny taham-pahafahana teto Antananarivo

Hivoaka anio ny valim-panadinana bakalôrea 2012 ho an’Antananarivo sy ny manodidina. Vita omaly ny famerana ny naoty farany ambany ahazoana ny mari-pahaizana. 48,17% ny taham-pahafahana, raha ny vokatra hita. Nidina io raha oharina ny tamin’ny valim-panadinana taona 2011, izay nahitana taham-pahafahana 50,38%.

Teo amin’ny sokajy ankapobeny no tena tsikaritra io fihenan’ny taha io. 49,78% izany tamin’ny taona lasa ary nidina ho 46,88% kosa tamin’ny tamin’ity taona ity. Nifanohitra amin’izay kosa ny an’ny sokajy teknika. 50,99% ny taha tamin’ny taona lasa ary niakatra ho 61% tamin’ity.

« Miha ambany ny fahaizan’ny mpiadina. Hita izany teo amin’ny tsy fahaizana mandrindra hevitra tamin’ny famelabelaran-kevitra tao anatin’ny taranja filôzôfia. Teo ihany koa ny tsy fananana hairindra mikasika ny rafi-pisainana ara-kajy», hoy ireo mpampianatra nanao ny fitsarana ny fanadinana, raha nitondra fanazavana momba ny antony anisan’ny nahatonga izao fidinan’ny taham-pahafahana izao.

Tsy azo odian-tsy hita ihany koa anefa ny mety ho tsy fahatomombanan’ny fampianarana nifandraika tamin’ireny fitokonan’ny mpampianatra lavareny tamin’ny fotoan’andro ireny. Saika manodidina ny 09/20 sy ny 10/20 noho izany ny ankamaroan’ireo naotin’ny mpiadina. Anio no samy hioty ny vokatry ny nataony tamin’ny fotoam-panadinana ireo mpiadina.

Monica Rasoloarison

Fanadinana nahemotra – Noafahana ireo mpampianatra tsy nety nanatontosa Cepe Fanadinana nahemotra – Noafahana ireo mpampianatra tsy nety nanatontosa Cepe

« Afaka noho ny fisala- salana ». Io no didim-pitsarana nivoaka ho an’ ireo mpampianatra miisa dimy tsy nety nanatontosa ny fanadinana Cepe tany Mandritsara, ny 7 aogositra lasa teo. « Nosokajiana ho fanakorontanana sy tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fanabeazana ny fihetsik’ izy ireo», hoy ny avy amin’ ny minisiteran’ny Fanabe- azam-pirenena, mpitory.

Tsy tontosa tamin’ny andron’ny 7 aogositra tokoa ny fanadinana ary voatery nahemotra. Nampisendaotra ny tany an-toerana ny zava- nisy taorian’ny fivoahan’ ny didim-pitsarana, raha ny tatitra nomen’i Ndrianjafy Francel, Talem-paritry ny fanabeazana (Dren) any Sofia. “Nahazo fahafahana ireo mpampianatra miisa dimy ary nanao fety mihitsy izy ireo vokatr’izany”, hoy ny fitantarany.

LR

Fanadinana – Maherin’ny 100 no tsy tonga tamin’ny adina manokana Cepe Fanadinana – Maherin’ny 100 no tsy tonga tamin’ny adina manokana Cepe

Mba hanana anjara hanala fanadinana toy ny mpiadina rehetra. Tontosa soa aman-tsara, omaly, ny fanadinana manokana Cepe, tany amina fari-piadidiam-pampianarana telo any amin’ny Faritra Sofia, nahitana foibem-panadinana fito, ka ny dimy ao Mandritsara, ny roa hafa ao Analalava sy Port-Bergé. Ho fandraisana an-tanana ireo mpiadina tsy afaka niatrika izany ny 07 aogositra teo, noho ny fitokonana nataon’ny lehiben’ny Cisco sy ny lehibena foibem-panadinana tany an-toerana.

Mbola nisy ihany anefa ary maherin’ny 100 ireo tsy tonga nanao ny fanadinana, raha ny filazan’ny tompon’andraikitra. « Toy izao ny antontan’isa momba izany : 33 no tsy tonga tamin’ireo mpiadina 293 tao Port-Bergé, 33 no tsy tonga tamin’ireo nisoratra anarana miisa 160 tao Analalava ary nahatratra 53 no tsy tonga tamin’ireo mpiadina 1101 nisoratra anarana tao Mandritsara », hoy ny fanazavan-dRandriankoto Samuelson, talen’ny fanabeazana ifotony eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, izay nandeha nijery ifotony ny fizotry ny fanadinana tany an-toerana.

Efa nanomboka ny fitsarana ireo taratasim-panadinana ary kendrena havoaka ny fiandohan’ny herinandro ho avy io, raha ela indrindra, ny vokatra.

MR

Maro ny mpianatra kilasy voalohany (1ère) manandrana bakalorea Maro ny mpianatra kilasy voalohany (1ère) manandrana bakalorea

HOY IZY IREO  

Fy, 1èreA

« Sarotsarotra ihany tamin’ny ankapobeny ny fanadinana. Ny taranja anglisy sy ny « sciences de la Vie et de la Terre » no tena heveriko hangalàna naoty, satria ireo no tena manavanana ahy. Faniriako ny hiasa eo amin’ny tontolon’ny serasera sy ny haino aman-jery, rahatrizay mahavita fianarana »

Ezra, 1èreD

« Ny matematika no tena sarotra indrindra tamin’ireo taranja nosedraiko. Eo ho eo ihany amin’ny ankapobeny ireo taranja sisa ambiny. Misy ny tokin’aina momba ny fahafahana fanadinana ary tsy maintsy atao ambony hatrany ny saina »

Vatosoa, 1èreC

« Antonontonony avokoa ny laza adina rehetra natrehina. Ny tantara sy ny jeografia no hitako ho tena nanavanana, na izany aza dia azo nihoriranana ihany ireo ambiny. Mihevitra ny haka rivotra kely mihitsy aho  aorian’ity fanadinana ity, handinihako ny zavatra hataoko rehefa afa-panadinana eo »

Nantenaina, 1èreD

« Sarotra ny fanadinana. Hitako ho teo ho eo ihany anefa amin’ny ankapobeny ireo laza adina natrehina. Tiako ny hanana diplaoma roa ka izay no antony nanandramako nanala izany na tsy ao amin’ny kilasy famaranana aza aho. Rehefa mahazo ny diplaoma baka D aho vao hieritreritra ny lalam-piofanana hanohizako ny fianarako, saingy tsy maintsy ho any amin’izay misy vola aloha no tena kendrena »

Nangonin’i Monica Rasoloarison

Fanadinana – Mpiadina 11 nahintsan’ny Ofisin’ny Bakalorea Antananarivo Fanadinana – Mpiadina 11 nahintsan’ny Ofisin’ny Bakalorea Antananarivo

Very ny herintaona nianarana. Mpiadina miisa 11 no tratran’ny fanintsanana tsy ho afa-panadinana amin’izao fanadinam-panjakana Bakalorea taona 2012-2013 izao, ho an’ny eto Antananarivo noho ny tsy fahatongavan’izy ireo tamin’ny adina ara-panatanjahantena sy fahatarana tamin’ny fidirana tany amin’ny efitrano fanadinana. Voalaza aza fa mbola mety hiakatra aza io tarehimarika io.

Raha ny fanamarihan’ny avy ao amin’ny Ofisin’ny Bakalorean’Antananarivo dia mihintsana avy hatrany tsy afa-panadinana ireo mpianatra tonga miatrika ny fanadinana nefa tsy nanatanteraka ny adina ara-panatanjahantena.

Isan’ireo toromarika napetraky ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ihany koa ny amin’ny tokony hanajana ny fotoana fidiran’ny mpiadina. Ny fahatarana fahefatr’adiny aorian’ny fotoana nanombohana ny adina ihany no azo ekena. « Mbola nisy anefa ny mpiadina tsy nanaraka izany, izay taraiky antsasak’adiny hatramin’ny adiny iray latsaka fahefany aty aorian’ny ora voatondro », hoy Ravelomanantsoa Solofo, lehiben’ny Ofisin’ny Bakalorean’Antananarivo. Iray kosa hatramin’izao no nambarany ho nanao izany, ka nampiharana ny sazy, nahintsana tsy ho afa-panadinana ihany koa.

Iray volana nialoha ny fanadinana Bakalorea no nanatontosana ny adina ara-panatanjahantena. Nanazava hatrany iry tompon’andraikitra iry fa tsy tokony hipetraka ny mety ho fisiana  fanakorontanana sy ny fihemoran’ny daty mahakasika izany.

 

Monica Rasoloarison

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite