|
Akany fanabeazana – Mampahafantatra ny fiainany sy ny alahelony ireo zaza mania etsy Anosiala
MIAINA TOY NY OLONA REHETRA IREO ANKIZY TSY AMPY TAONA ENJEHIN’NY LALÀNA ETSY AMIN’NY AKANY ANOSIALA, ANJANAMASINA. SAMY MANANA NY FIHETSEHAM-PO IAINANY IZANY TOERANA MISY AZY IZANY ANEFA IZY IREO. MISY NO LASA POETA TAMPOKA VOKATRY NY ALAHELO, AO NO LASA MPAMBOLY SY MPIOMPY ARY MPANAMBOATRA SAVONY. Zaza tsy ampy taona enjehin’ny lalàna vokatry ny halatra madinika sy ny ditra samihafa no ankabeazan’ny vesatra antony anabeazana ireo ankizy tsy ampy taona etsy Anosiala, Anjanamasina. Manodidina ny 120 izy ireo, izay 10 ka hatramin’ ny 18 taona, no beazina eny an-toerana amin’izao fotoana raha 87 no tokony ho zakan’ny fotodrafitrasa. Miavaka kosa ny ankamaroan’ny heloka vitan’ireo zaza ireo, ankoatra ny ditra madinika, satria dia voarohirohy amin’ny trangana fanolanana. »Tao anatin’ny roa taona izay no tena nisehoan’izany tranga izany », hoy Ralaivoavy Hanta Eliane, talen’ny akany. Miezaka manarina ny fiainana sy ny toetran’ireo zaza mania tokoa ny akany satria mandranto fianarana ara-dalàna, mamboly, miompy ary mianatra momba ny haitaon-trano. Hadisoan’ny rehetra Efa samy mahafantatra ny anjara asa sahaniny avy ireo ankizy tezaina etsy amin’ny akanin’ny zaza »maditra » na mania, etsy Anosiala, raha vao mifoha maraina. Ao ny mikarakara avy hatrany ny trano fonenany, ao ny mandeha manao ny asa mahazatra ary tsy hadinon’izy ireo ny fotoam-bavaka. Niavaka kosa anefa izany fomba mahazatra izany tamin’ ny fetin’ny Krismasy sy taom-baovao teo. Lanonana maraina hatramin’ny harivan’ny andro no nanamarihan’ireo zaza mania ny fety na dia lavitra ray aman-dreny sy fianakaviana aza. Ondry no sakafo nohanin’izy ireo nandritra ny fety. »Hadinon’ny ankizy izany alahelo izany rehefa fety ohatra izao. Ny akany rahateo miezaka mampahery azy ireo ary tsy avy amin’ny ankizy ihany ny hadisoana. Tsy ampy fitiavana ny 75%-n’ireo ankizy, ka izay no antony mampania azy. Tsy avy aminy ihany anefa ny fahadisoana satria ny 80%-n’ny nipoiran’ny heloka dia avy amin’ny ray aman-dreny avokoa », hoy hatrany Ralaivoavy Hanta Eliane. Mitaraina Miteraka fihetseham-po eo amin’ireo ankizy ny fisarahany amin’ny fianakaviany sy ny toerana misy azy eny Anosiala. Antso no ataon’ireo zaza beazina, antso natao hiantefa amin’ny olona tsirairay avy, na ny ankizy toa azy, na isika ray aman-dreny na ny fiarahamonina iray manotolo mihitsy. Misy amin’ireo ankizy ihany koa no mahatsapa ho voailikila satria dia ny ray aman-dreniny mihitsy no nanatitra azy eny amin’ny akany vokatry ny ditra nataony. Samy nanambara anefa ireo ankizy nanontaniana fa malahelo ny fianakaviana saingy kosa nanenina tamin’ny ditra nataony izay hita taratra tamin’ny tononkalo sasantsasany noforonin’izy ireo. Olona an-jatony no fantatra fa efa latsa-dranomaso tamin’ny tononkalon’ireo ankizy ireo satria hita fa tena vokatry ny fihetseham-po tokoa izany. Rakotonirina Tojo Maminirina, 14 taona « Tsy tokony hankaty amin’ny toerana toa itony ny ankizy », izany no voalohan-tenin’ i Tojo raha vao naneho ny heviny. 15 volana no sazy na fe-potoana ipetrahany eny Anosiala, rehefa voarohirohy tamin’ny asa fanolanana, ary amin’ny 29 marsa 2014 izy vao afaka mody. Efatra mirahalahy i Tojo no mpiray tampo ka tena nahatsapa ny hamafin’ ny fisarahana izy tamin’ ny fety. »Hafa ihany izany manao fety eo anivon’i Dada sy Neny izany. Voarohirohy ny tena ka tsy maintsy miatrika, nefa na izany aza mahatsapa aho fa hiova amin’ny fitondran-tena rehetra », hoy izy. Fotoana isany tsy andrin’i Tojo indrindra, raha ny nambarany hatrany ny sabotsy na alahady, fotoana izay amangian’ny ray aman-dreniny azy. Mianatra i Tojo na dia voasokajy ho isan’ny zaza mania aza. Kilasy fahatelo amin’ny fampianarana ankapobeny izy ary ny ho lasa dokotera no mba faniriany. »Anatra ho an’ny tanora ny fijoroanay toa izao. Tokony hiova ianareo ankizy satria madiditra ny ankizy amin’izao fotoana. Tsy tokony hiditra amin’itony toerana itony ny ankizy », izany no hafatra hampitainy amin’ireo ankizy namany. Radovazanany Holison Joel, 16 taona Tamin’ny 22 jolay 2010 no nihazo ny akany tetsy Anosiala i Joel ary hody eny anivon’ny fianakaviany amin’ity volana janoary ity. »Voaendrikendrika nanolana ankizy aho », hoy kosa Joel, raha nitantara ny antony nahatongavany eny amin’ny akany. Ny zavatra tena tsapany na dia efa eny amin’ny akany fanarenana aza izy dia ny tsy fahafoizan’ireo fianakaviany azy. Nambarany fa tonga mitsidika azy matetika ny reniny sy ny iray tampo aminy mianadahy. Miofana momba ny fambolena izy ao amin’ny akany ary isan’ny faniriany ny ho lasa mpamboly matihanina. Haveloarison Christian Alexis, 17 taona Tamin’ny volana mey 2012 no niditra teny amin’ny akany fibeazana Anosiala i Christian, ary hody amin’ity volana janoary ity. Mianatra momba ny haintrano izy ao amin’ny akany ary ny ho lasa miaramila no tanjony. Niavaka amin’ireo ankizy nanontaniana ny antony nidirany teny amin’ny akany satria dia trangam-piarahamonina avy amin’ny ray aman-dreny mihitsy no nahatonga azy teny. »Naditra aho ary tena tsapako izany. Bedin’i Neny foana aho nefa sarotra notenenina ary nivadika ho fankahalako azy aza izany. Ny ray aman-dreniko mihitsy no nandefa ahy ety mba hiovan’ny toetrako », hoy izy sady malomalok’endrika. Efatra mianadahy izy ireo no iray tampo ary manana hafatra ho azy ireo sy ny ankizy toa azy i Christian. «Miova ho olom-baovao aho izao. Tena voataiza kokoa aho raha mitaha ny tany ivelany. Anatra ho an’ny rehetra ny tokony hanarahana ny tenin’i Dada sy Neny», hoy izy sady manganohano. Nenina sy alahelo maro no nifamezivezy tao an-tsain’i Christian, nandritra ny fotoana nisarahany tamin’ireo ankohonany. Vokatr’izany alahelo nitambesatra tao am-pony izany no nahavitany nanoratra tononkalo miisa 36, mirakitra ny alahelony sy ny fiainany rehetra. »Tononkalo ho an’ny fianakaviana no tena nifotoran’ny aingam-panahiko. Ny momba an’i Neny kosa no tena betsaka », hoy izy. Santionany amin’ireny ity tononkalo ity. Rakotondrainibe Anjaratiana, 16 taona Roa taona no nambaran’i Anjaratiana fa tokony hipetrahany eny amin’ny akany fibeazana Anosiala, ary amin’ny 12 aogositra 2013 izy no mody. »Endrikendriky ny fianakaviana nilaza fa nanolana no nahatonga ahy tety », hoy Anjaratiana. Sivy mianadahy izy no mpiray tampo ary mahatsiaro ho tena irery izy eny amin’ny akany. »Miezaka manary dia amin’ny fianarana miompy akoho aho mba hanadinoako ny alahelo ny fianakaviana », hoy izy. Na ireo mpanabe eo anivon’ny akany aza dia mahatsapa fa efa tena mahafehy tsara ny fiompiana akoho i Anjaratiana. Antso ataony ho an’ny rehetra ny tokony hiantorahana amin’Andriamanitra. »Mila mivavaka isika satria Andriamanitra manome ny zavatra rehetra ary mahay mitantana ihany koa ny fiainan’ny olona rehetra », hoy izy. Toetra nambarany fa ataony fanomezana tsy ampoizina ho an’ireo ray aman-dreniny sy ny fianakaviany ny fiovany, rehefa mivoaka eny Anosiala. Isan’ny fiovana hitany amin’ny tenany ny fananany fiainam-bavaka. Sary: Mamy Mael Vokatry ny ditra 1- Naditra aho dia nosaziana 2- Naterina tany Anjanamasina 3- Vonona aho hiova amin’izay 4- Rehefa tonga any aho hianatra 5- Rehefa tafita aho mamaly babena |
|
Mozika sy fivelomana – Nanosika an-dry Njila hiondrana tany Frantsa ny fisaraham-bazan’ny tarika TARIKA NANANA NY LAZANY TAMIN’NY TAONA 80 SY 90 NY TARIKA NJILA. NISY NY FISARAHAM-BAZANA KA NAHATONGA IREO MPIKAMBANA SASANY NIONDRANA NILA RAVINAHITRA TANY IVELANY. ANISAN’IRENY I NJILA LEHIBEN’NY TARIKA, MAMY, RAMAKA ARY SOLOFO. NATOSIKY NY FITADIAVANA, NA DIA NIAINA TANY IVELANY AZA, KA VOATERY NITADY ASA FIVELOMANA HAFA. Ankoatra an’i Mamy, dia tsy nirona tamin’ny sehatry ny mozika ny asa nataon’ireo mpikambana sasany tao amin’ny tarika Njila, taorian’ny nahatongavan’izy ireo tany ivelany. Efa ho 20 taona aty aoriana, vao telo volana akory aza izay, no mba nahazo alalana hampianatra gitara i Njila ary mifindra monina atsy Mayotte. Talohan’izay anefa, teto an-tanindrazana, dia anisan’ireo nanosika ny mpikambana sasany tao amin’ny tarika Njila niondrana tany Frantsa ny tsy fitovian-tsaina intsony teo amin’ireo mpikambana. Tany amin’ny fiandohan’ny taona 90 tany no nisehoan’izany, eny fa na dia tena tarika be mpankafy tamin’izany fotoana aza ity tarika noentin-dRakotoarisoa Richard ity, izay very anarana tamin’ny hoe Njila, sady anaran’ny tarika. «Na samy niainga teny ambony tamboho aza, dia samy manana ny eritreriny hitondrana ny fiainana ny rehetra rehefa miditra amin’ny sehatry ny asa», hoy ny fanazavan’i Njila. «Nisy ihany koa ireo andriambavilanitra toa an-dry Poopy, izay nisafidy ny hiditra ao anatin’ny tokantrano ary tsy hanomezana tsiny azy izany», hoy ihany izy. Niparitaka ho azy ny tarika, araka izany, ary nisy ny nisafidy ny hanohy irery ny lalany amin’ny maha mpanakanto azy, toa an’i Hery sy i Poopy. «Nahita koa izahay tamin’izany fotoana fa kely loatra i Madagasikara raha samy hijanona eto, ka nahatonga anay niondrana tany Frantsa. Mpiasan’ny trano printy Na izany aza, tsy niaina tanteraka tao anatin’ny mozika i Njila hatramin’ny nialany teto Madagasikara. «Niasa tamin’ny trano printy aho ankoatra ny fampisehoana vitsivitsy niarahana tamin’ireo fikambanana na fiangonana malagasy, izay nitetezana firenena maro», hoy izy. Ankoatra ny tany Frantsa dia efa nitondrany ny talentany ihany koa ny tany Alemana, Soisa… Tetsy an-kilan’izay anefa, dia nitohy tamin’ny fandalinana ny fianarana gitara ihany koa i Njila tao anatin’ny 12 taona. Vokatr’io fikirizana io, dia vao telo volana lasa izay no nahazo alalana hampianatra gitara izy. «Mampianatra ao amin’ny Conservatoire Nationale de musique aho amin’izao fotoana», araka ny fitantarany. Mivezivezy matetika ao Frantsa sy Mayotte izy. Atsy Mayotte rahateo no misy ny toerana fampianarany. «Manakaiky kokoa an’i Madagasikara aho eo ary afaka mandalo matetika ihany koa amin’ny fotoana mahamety izany». Efa tantara naharitra ny fiainan’i Njila sy ny gitara ary tsy mety mifankafoy hatramin’izao. Nanomboka tamin’ny fahazazany no efa liana sy nankafy ity zava-maneno ity izy. Fitiavana izay nitarika azy tamin’ny fandalinana, ka anisan’ireo mpianatr’i Bouboul izy. «Efa teo foana ny fahaizana ny zava-maneno fa tsy mbola feno ny fepetra tamin’ny fahazoana mampianatra. Ny lafiny pedagojika no tena nohalalinina kokoa nandritra izay» hoy ihany izy. Gasy music Ankoatra an’i Njila, dia manana ireo lalana nodiaviny ihany koa ireo mpikambana hafa tao anatin’ny tarika. Ho an’i Mamy, izay mpitendry gitara beson’ny tarika Njila dia nanangana ny tarika «Gasy music» izy, izay matetika mihodina amin’ny fampisehoana sy fanafanana lanonana samihafa any ivelany any. Niondrana tany ivelany niaraka tamin’izy mirahalahy ireo ihany koa i Solofo sy Ramaka, izay niova sehatra asa hafa fa tsy nanohy ny fivelomana tao anatin’ny mozika. Anisan’ireo mpikambana nisafidy ny nijanona teto an-toerana i Hery, izay fantatra amin’ny feo somary beso nefa ambony ao amin’ny tarika. «Ny toetr’andro any no tena tsy mety amiko, indrindra amin’ny ririnina», hoy izy. Rava tanteraka Amin’izao fotoana izao dia azo lazaina fa efa rava tanteraka ny tarika Njila. Mitoetra foana anefa ny fisian’ny tarika rehefa mijoro ny mpitarika na dia miova aza ireo mpikambana miara-dia aminy. Anisan’ny nanaporofoana izany ny seho izay notanterahin’izy ireo teny amin’ny «Kianjan’ny kanto», teny Mahamasina, ny sabotsy 29 desambra 2012 ka nahitana an’i Njila, Hery ary Lily. Mbola hitohy rahateo ny tetikasa eo amin’ny sehatry ny mozika, ka anisan’ny endrik’izany ny fisian’ny hira vaovao izay hiaran’i Njila amin-dRaboussa an-daniny ary Njila sy Tovo J’hay an-kilany. «Hivoaka ny volana avrily na mey amin’ity taona ity ny rakikira vaovao», araka ny fampanantenan’i Njila ihany. Niovaova andriambavilanitra Tany amin’ny taona 1976 no teraka ny tarika Njila. «Rehefa misy ny fety ataon’ny fokontany dia miantso ahy ry zareo hanafana ny hetsika, dia manangana tarika kely eo aho aloha», araka ny fitantaran’i Richard. Nitombo ny fahamatorana taty aoriana, ka niroso tamin’ny fametrahana ny tarika izy sy Ramaka Joël, ka nampitondraina ny anarana hoe tarika Njila. Ankoatra azy mirahalahy, dia mpikambana maro no nifandimby nandrafitra ny tarika tao anatin’izay 35 taona nisian’ny tarika izay, na ny teto an-toerana io na ny tany ivelany. Anisan’ny mateti-piova indrindra anefa ny endriky ny andriambavilanitra. «Vehivavy efa am-polony maro no nitondra ny talentany tato anatin’ny tarika Njila», raha ny fitadidin’ny mpanorina azy. Nanomboka tamin’ny 1979 no nisy vehivavy voalohany tao anatin’ny tarika, nahitana an’i Voahangy Rakotomalala, izay andefimandrin’i Solofo Ranarivelo, ary nahafantarana ny tarika tamin’ilay hira «Ilazao». Nandimby an’i Voahangy tamin’ny 1982 i Vololona, niangaly ilay hira «Rivotra». Nandimby azy herintaona taorian’izay i Poopy. Ankoatra azy ireo dia efa nandalo tao amin’ny tarika Njila ry Mbolatiana, Patsy, Giana, Balou, Carmen, Maholy, Hanitra (tarika Mahaleo), Fara kely, Hanta… Nisantatra toerana maro Teo amin’ireo mpikambana hafa kosa dia nitondra feo vaovao tao anatin’ny tarika Njila ny fahatongavan’i Hery sy Mamy. Toy izany koa teo amin’ny sehatry ny zava-maneno izay nahitana an-dry Datita Rabeson, Riri (mpitendry amponga maroanaka maty tamin’ny 2005), Hoby, Solofo ary Hery kely. Toy izany koa ny fampiasana ireo zava-maneno tsofina niaraka tamin-dry Razakamahefa mirahalahy avy. Anisan’ireo nisantatra ny fametrahana ny tarika ho matihanina ihany koa ny tarika Njila tamin’ny nahatogavan-dRakotoniaina Victor izay niandraikitra ny fitantanana ny tarika. Anisan’ny tarika nisantatra ireo toerana fanaovana fampisehoana ankalamanjana maro taorian’izay ny tarika Njila raha tsy hilaza afa-tsy Antsahamanitra sy Antsonjombe. Soratra: Faly Randriamiarantsoa • Sary : Express de Madagascar Hirahiran’ialahy Ireo hirahiran’ialahy toa hira falifaly Vao maraina ialahy Rehefa antoandro ny andro lasa ialahy Rehefa hariva ny andro indro ialahy NJILA |
|
Fankalazana ny Noely – Krisimasin’ny sahirana, izay teo an-tanana no nifaliana
SAMY MANANA NY FOMBA NIATREHANY SY NIOMANANY TAMIN’NY FITSENANA SY NY FAHATONGAVAN’NY KRISMASY NY FIANAKAVIANA TSIRAIRAY. TAO IREO EFA NIOMANA NANAO SAKAFO BE, SAINGY TSY VITSY NO NIEZAKA NIFALY TAMINIZAY KELY TEO AN-TANANA. MITOVY IHANY ANEFA NY TANJONA DIA NY SAMY HIFETY SATRIA KRISMASY NY ANDRO. Manoloana ny fiainana sarotra, mandalo krizy, dia samy nanao izay mahametimety ao an-tokantrano ny fianakaviana tsirairay nandritra iny fetin’ny Krismasy iny. Ankoatra ny maha fety kristianina azy dia fotoana iray natokana hanaovana lanonana, hisakafoanana be tsy toy ny mahazatra ny andron’ny Noely. Ny tena izy aza dia ny hampifalifaliana ny ankizy no mibahan-toerana, aminny alalanny kilalao isan-karazany, kanefa tsy diso anjara ihany koa ny lehibe amin’ny alalan’ny fitafiana vaovao. Mbola isan’ny firenena mahantra anefa i Madagasikara, ary maro an’isa ireo Malagasy mivelona aminny zara raha misy. Misy araka izany ireo olona tsy mba afaka nihanoka tao anatina sakafo be, kilalao be dia be sy fitafiana vaovao ho an’ny ankizy fa ny fiarahana misakafo antoandro ao an-trano ihany dia natao nahampy. Miaina sy miezaka mifaly toy ny rehetra ireo fianakaviana tena sahirana ireo, na Ar 500 na Ar 1 500 aza no ampifanampiana sy ampifanalana dia atao mahavita ny sakafo mandritra ny fety. Vitan’ny tokantrano malagasy ary tena hain’izay sendra an’izany tokoa ny mahay mionona amin’izay eo am-pelantanana, araka ny fitantaran’ireto fianakaviana eto ambany eto ireto. Fianakaviana Rakotonirina Davidson “Efa nanomana efa ela izahay mivady satria fetin’ny ankizy ny Krismasy dia mila ampifaliana izy ireo. Tsy namorona ny tsy misy fa ny teo am-pelantanana no natao izay nahampy azy. Vao maraina izao dia nivoaka niantsena kely izahay mivady dia nividy vary 4 kapoaka sy taovan-kena Ar 1500 dia nasiana anana kely dia izay no atao laoka krismasy. Efa nividianana akanjo kely sy saribakoly kely ireo tena madinika dia izay ny Noelinay. Amin’ny maha fetim-pianakaviana azy anefa dia nasaina hisakafo aty an-trano ireo ankizy efa lasa nanambady dia izay kely ato no iaraha-mihinana. Rehefa mipaika kosa ny amin’ny 2 ora tolakandro dia mba alefa ny radio dia miara-mikorana kely eto izahay mianakavy”. Fianakaviana Rasolofoniaina Patrick Iaraha-mahita fa tena sarotra ny fiainana, ny ankizy anefa tsy mahalala izany tsy misy izany, ka tsy maintsy ampifalifaliana. Vao nifoha izao dia tena nalahelo mihitsy satria tsy nisy kilalao hatolotra ho azy ireo. Ny sakafo no natao tsaratsara, henan-kisoa natao ritra izao no laoka. Tsy nitady zavatra lafo anefa fa izay takatry ny vola ihany no natao. Akondro kely telo no natao tsindrin-tsakafo ka izay no ifampizaranay eni-mianaka. Tsy afaka nanasa fianakaviana satria iaraha-mahalala ny fiainana. Ny ato an-trano mantsy ny raim-pianakaviana irery no miasa, ka izay mba vola azony tany no anaovanay fety. Ny alin’ny 24 desambra izahay no nandeha nivavaka dia ny maraina nikarakara ny tato an-trano fa ny ankizy no nalefa tany am-piangonana nanatrika ny lamesa. Fianakaviana Razafindrafara Hanitra Tokantranon’ny zaza kamboty ny anay. Efa maty mantsy ny vadiko ary 7 mianadahy ny zanako. Efa nifampiresaka izahay mianakavy kely talohan’ny nahatongavan’ny Krismasy hoe inona no atao : ividianana kilalao ve ireo mbola kely sa ny sakafo no atao tsaratsara ?. Namaly ireo ankizy tamin’izany fa ny sakafo no atao tsara dia henan-kisoa kely sy lasary »concombre » no natao androany antoandro, nasiana akondro kely natao tsindrin-tsakafo. Ny alatsinainy antoandro aho no nandeha niantsena tany amin’ny tsenan’Isotry, any mantsy no mora. Ity Krismasy ity dia tena onjonjonay mianakavy kely mihitsy satria ny raim-pianakaviana efa nodimandry, ny fianakaviana any lavitra no mipetraka. Ny zavatra atao izao dia rehefa tolakandro eo dia alefa ny hira dia mba mandihy manadino ny sorisory. Tsy maintsy ampifaliana ihany koa ny ankizy satria fetiny ny andro Krismasy. Noeline (renim-pianakaviana tsy manan-kialofana) Fety ao anatin’ny tsy fisiana. Nahaontsa izay nandalo ny nahita an’i Noeline sy ny zanany fito mianadahy ny alin’ny 24 desambra teo, mialoka sy matory etsy amin’ny tonelina Ambanidia. Mitakoko ary miandry izay mba tsara sitrapo hanolotra vola ho azy izy ireo, hiatrehana ny fetin’ny Noely,miaraka amin’ny fipitrapitran’ireo zazakely manodidina azy. Roa taona ka hatramin’ny 12 taona ireo zanany. Misy ihany ny mpandalo no nanolotra sakafo sy kilalao ho an’ireo ankizy, saingy tsy nahita afa- tsy vola Ar 500 i Noeline. »Io Ar 500 io izao no mba eritreretinay valo mianaka hanaovana fety rahampitso. Na izany aza soa fa tsy mba dia manome lanja izany fety izany izahay fa mitovy foana ny fiainana », hoy izy sady somary malahelo. Efa maty ny rain’ireto zaza ireto, ary i Noeline irery no misahana ny fameloman-jaza amin’ny alalan’ny fitsindrohana fako sy ny fangatahana. Efa 15 taona no nambaran’i Noeline fa nipetrahany tao anatin’ny tonelina. »Mipetraka eny Masindray izahay, saingy tsy misy asa azo atao any. Aty mba mangatangataka sy mitsimpona fako », hoy izy sady mijery ny fipitrapitran’ireo zanany matory mipetraka ao anaty tonelina. Soratra : Haja Randrianantoandro/Lilia Rajaonah |
|
Fety aman-danonana – Fantaro ireo fomba fisorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo
AO ANATIN’NY ASARAMANITRA TANTERAKA ISIKA ANKEHITRINY. INDRETO MISY TOROHEVITRA VITSIVITSY HISOROHANA NY METY HO FAHAPOIZINANA ARA-TSAKAFO SY NY TSY FAHALEVONAN- KANINA IZAY MATETI-PISEHO REHEFA FETY TOY IZAO. Tao anatin’ ireo trangana fahapoizinana ara-tsakafo 600 isa nanaovan’ny ivon-toerana misahana ny fanaraha- maso ny fahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo (Acsqda) fitsirihana, tao nandritra iny enim-bolana voalohan’ny taona 2012 iny, dia avy amin’ny tsy fitandremana tamin’nyfikarakarana sakafo ny 80%-n’ny fahavoazana. «Namoy ny ainy mihitsy ny dimy tamin’ireo olona tratran’ny fahapoizinana. Ny tsy fitandroana ny fahadiovana teo am-pikarakarana ny sakafo amin’ny ankapobeny no tena antony. Isan’izany ny fikarakarana ny maionezy. Rehefa fety toy izao anefa no tena mampirongatra ny fahapoizinana ara-tsakafo”, hoy Dr Razafindramonjy Jean, talen’ny Acsqda. Fahadiovana sy fitahirizana Fitsipika fototra mikasika ny fahadiovana vitsivitsy, sady tsy sarotra no tokony harahina rehefa mikarakara sakafo. “Tokony hadio ny fitaovana ampiasaina sy ny sakafo karakaraina, izany hoe sasàna tsara. Sakafo vaovao fa tsy mialin’ andro no ampiasaina amin’izany. Sakafo tsy lany daty ihany koa ary vidina eny anivon’ireo toeram-pivarotana ara-dalàna hanamoràna ny fanenjehana raha toa ka misy ny olana. Tokony hadio toraka izany ihany koa ny mpikarakara. Ny mikraoba miroborobo ao anatin’ny sakafo, noho ny tsy fitandroana ireo fenitra ireo, mantsy no mahatonga ny fahapoizinana”, hoy Ramamonjison Edouard Delphin, biolojista eo anivon’ny Acsqda. Nomarihin’ity biolojista ity fa eo anelanelan’ny 37° sy 44° ny maripàna tena mahavelona sy mampiroborobo ny mikraoba. Tokony hihoatra io maripàna io, araka izany, no aroso ny sakafo raha sakafo natao hohanina mafana. Raha sakafo tahirizina any anaty vata fampangatsiahana indray dia tokony ho +4° ny maripana itahirizana azy. Raha sakafo havaingana kosa dia tokony ho latsaky ny 0°. “Tsy tokony hihoatra ny 48 ora anefa ny hitahirizana ny sakafo ao anatin’ny vata fampangatsiahana. Ny sakafo havaingana indray dia tsy tokony hotahirizina mihoatra ny 15 andro. Ny sakafo avy navaingana efa natsonika kosa dia tsy tokony haverina havaingana intsony”, hoy Ramamonjison Edouard Delphin. Fikarakarana maionezy Fadio ny mampiasa atodim-borona rehefa hanao maionezy. “Any anaty rano maloto mantsy no manatody ny vorona. Miditra eo amin’ny mason-koditry ny atody iny araka izany ny loto amin’ny fotaka na honahona anatodizan’ny vorona. Sakafo feno anefa ny atody hany ka tena mora anirian’ny mikraoba. Tsy tokony hohanina manta araka izany ny atodim-borona. Azo atao kosa anefa ny manamasaka azy satria ny hafanana dia mamono ny mikraoba”, hoy hatrany Ramamonjison Edouard Delphin. Iray ora na roa ora farafahabetsany mialohan’ny hihinanana azy indray vao tokony hokarakaraina ny maionezy. Raha tsy maintsy atao mialohan’izay anefa dia tsara raha tahirizina any anaty vata fampangatsiahana izany. Tsy tokony hihoatra ny 48 ora aorian’ny fikarakarana azy anefa ny fe-potoana itahirizana azy. Tokony hohajaina ihany koa ilay maripana +4° itahirizana azy any anaty vata fampangatsiahana. Ny fampiasana ny menaka Mahatonga fahapoizinana ara-tsakafo ihany koa ny fampiasana menaka tsy manara-penitra. Araka ny efa voalaza teo dia toeram-pivarotana manara-penitra ihany no tokony hividianana menaka. Menaka azo antoka fa ara-pahasalamana no tokony hovidina amin’izany. Raha ny nambaran’ireo biolojista eo anivon’ny Acsqda ihany dia tsy tokony haverimberina ampiasaina ny menaka. Any amin’ny 200° mantsy ny maripana ilaina vao mangotraka ny menaka. “Raha averimberina ampiasaina noho izany ny menaka dia mihasimba. Misy ilay singa antsoina hoe ‘’acroléine’’ iny maniry ao anatiny. Manimba ny sela iny raha mipetaka amin’ny sela ary mety hiteraka homamiadana mihitsy”, hoy Ramamonjison Edouard Delphin. Divay, saosy, vinaingitra, glasy Tsy voatery ho ny fahapoizinana ara-tsakafo ihany anefa no mahazo rehefa fety fa eo ihany koa ny tsy fahalevonan-kanina. Ny fahaizana mandanjalanja ireo sakafo telo: ny sakafo fanokafam-bavony, ny vary sy ny laoka ary ny tsindrin-tsakafo anefa dia ampy hisorohana izany tsy fahalevonan-kanina izany. “Raha manao saosy be menaka amin’ny sakafo fanokafam-bavony dia tsy tokony hatao be menaka ny laoka. Tsy tokony hasiana marikivy kosa ny sakafo raha manao saosy amin’ny ‘’crème fraiche’’ mba hisorohana ny fivalanana. Manampy amin’ny fandevonan-kanina ihany koa ny divay. Divay mena no sotroina raha hena mena no hanina. Divay fotsy, na volon-davenona na mavokely indray raha toa ka hena fotsy”, hoy ireo mpahay sakafo. Tsara ihany koa raha halefahana ny saosy vinaingitra. Azo atao tsara ny mampifangaro ny vinaingitra sy menaka amin’ny voasary mankirana sy tantely ahazoana io saosy malefaka io. Nomarihin’izy ireo fa manampy amin’ny fandevonan-kanina ihany koa ny fanaovana tsindrin-tsakafo amin’ny glasy. Ny hena matavy, trondro, legioma… Na izany aza anefa dia tsy tokony hihinana sakafo matavy loatra. Sarotra levonina mantsy ny menaka avy amin’ny biby. “Andrahoy mialoha ny hena matavy. Esory ilay menaka mandry aminy iny dia avereno andrahoina indray avy eo”, hoy ny torohevitr’i Harisoa Vaohirana Soalimanana Rakotoarisoa raha tsy te ho tratran’ny fivalanana. Sakafo vaovao hatrany no tokony hohanina, etsy ankilan’izay. Ho an’ny hena dia ireo hena misy fitomboka ihany no tokony hovidina. Tokony ho mafy tsara ihany koa fa tsy hilempona ny trondro vao rehefa tsapaina. Notsiahivin’ireo mpahay sakafo fa manampy betsaka amin’ny fandevonan-kanina ary tsy azo atao tsinontsinona ny legioma, indrindra rehefa mihinana sakafo matavy. Mitondra hery fiarovana ho an’ny vatantsika rahateo na ny legioma na ny voankazo. Ankoatra ny fampiasana legioma amin’ny sakafo fanokafam-bavony dia azo atao zava-pisotro ihany koa izy. Mety hanamboarana zava-pisotro avokoa na beteravy na poavrao na karaoty… Azo asiana voasary mankirana kely izany hanatsarana ny tsirony. Ny toaka sy ny sigara Izany hoe raha tsy te hanana olana eo amin’ny fandevonan-kanina dia indreto ny fepetra fototra tokony harahina. Soratra sy sary :Hanitry Ny Aina |
|
Noho ny elanelan-tany – Mitsidika indroa isan-taona ireo zanany any Etazonia i Njakatiana Mankalazana ny faha-20 taona nidirany teo amin’ny sehatry ny mozika tamin’ity taona ity i Njakatiana. Ankoatra ny maha mpanakanto azy anefa,dia raim-pianakaviana ihany koa ary manana izay andraikitra maha raim-pianakaviana izay izy. Any Etazonia efa ho taona vitsivitsy anefa ny vady aman-janany, izay ezahiny hatrany ny mifandray sy miserasera amin’izy ireo. Ny olon-tiana tsy mahalavi-tany. Ninia tsy nety nitantara izay tantaram-pitiavany na ny fanambadiany i Njakatiana. Tsy nisalasala kosa anefa izy namboraka ny elanelan-tany eo aminy sy ireo zanany, izay miara-miaina amin’ny reniny any Etazonia efa ho taona vitsivitsy izao. Na dia misara-toerana amin’ireo zanany aza i Njakatiana, dia manara-dia azy hatrany teo amin’ny sehatry ny mozika izy ireo. Ny vavimatoany, izay vao 15 taona monja izao dia efa liana tanteraka amin’ny fitendrena gitara sy piano, sady miangaly ny gadon-kira gospel ihany koa any Etazonia. Ny lahimatoa kosa somary mirona kokoa amin’ny fandrafetana sy filalaovana ireny rakitsary ireny. «Tsy manery na mampirisika azy ireo amin’ny resaka mozika aho, fa aoka izy ireo handeha amin’ny nahim-pony», araka ny fanamarihana noentin’i Njakatiana. «Maharaka tsara ny fivoaran’izy ireo ihany koa aho noho ny firoboroboan’ny teknolojia amin’izao fotoana», hoy ihany izy. Etsy ankilan’izay, anisan’ny andraikitra sy fahafinaretan’ity mpanakanto ity ihany koa ny mamangy azy ireo indroa isan-taona na dia tena lavitra tokoa aza i Etazonia. Fifanakalozana Mandritra ny fitsidihina ataon’i Njakatiana dia ireo zanany ireo no mpitari-dalana azy amin’ny fitsidihina ireo toerana samihafa any Etazonia. Ankoatra ny fitsidihana, dia anisan’ny entin’izy mianakavy rehefa tafahaona ny fifanakalozana. «Anisan’ny mahafinaritra ny fanoroan’ireo ankizy ireo ahy ny fivoaran’ny teknolojiam-pifandraisana sy ny fampiasana izany», araka ny fitantaran’i Njakatiana ihany. Misy ihany koa anefa na izany aza ny seho hiarahana amin’ny Malagasy any an-toerana, izay hitondran’ireo zanany ihany koa ny talentany. Nandritra ny fivahinianana tany Etazonia tamin’ny 2009 no nahitan’i Njakatiana ny fahatsiarovana tsara indrindra ho azy teo amin’ny sehatry ny mozika. Anisan’ireo mpanakanto, nisolo tena ny kaontinana afrikanina, nandray anjara tamin’ilay hetsiky ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana ny taona arivo, tany amin’ny efitranon’ny Firenena mikambana izy. «Ankoatra ireo mpitendry amerikanina izay nanaraka ahy tamin’ny fampisehoana, dia nanamarika iny hetsika iny ny fiarahana tamin’ireo mpanakanto sangany, toa an-dry Céline Dion… », hoy ihany izy nahatsiaro. Fitiavana mozika hatramin’ny fahakeliny no nanosika an-dRaharisoa Njakatiana hiditra teo amin’izay tontolon’ny kanto izay. Tany amin’ny fahasivy taonany dia efa mpitarika tamin’ny antoko mpihira iray tany Antsiranana izy, na dia isan’ny zandriny indrindra tamin’ny taona aza. Nandalina manokana ny fitendrena piano sy ny hira tao amin’ny Cnem (Centre National d’enseignement de musique de Madasacar) tany an-toerana ihany koa izy teo amin’ny faha-14 taonany, ary nanangana tarika iray antsoina hoe « Tanjomanana » taoriana kelin’izay. Mpiara-mianatra avokoa izy ireo no mpikambana tao anatin’ny tarika tamin’izany fotoana izany, ary efa namorona hira « folk » na dia mbola tsy nivoaka iny faritra avaratry ny Nosy iny aza,dia teo ihany koa ny filalaovany hiran’olona. Nalaza be tany an-toerana izy ireo ary betsaka ny naka azy hanao fanentanana maro isan-karazany, na fetim-piangonana izany na fetim-pianakaviana. Njaka tanjona Teo amin’ny faha-16 taonany, no niakarany teto an-drenivohitra, ka nandraisany anjara tamin’ilay fifaninanan-kira « Top 16 » izay nahatafakatra azy tamin’ny dingana manasa-dalana tamin’ilay hira hoe « Ny fitiavako anao ». Njaka Tanjona no anarana nentiny, ary taona voalohany tao amin’ny lalam-piofanana Lalàna izy tamin’izany. Hatreo dia nifanerasera tamin’ny trano fandraisam-peo « Rafal 2000 », izay ambohipihaonan’ny mpanakanto i Njakatiana, ka nanomboka tafaroboka lalindalina kokoa teo amin’ny sehatry ny mozika noho ny fiarahany miasa tamin’i Datita Rabeson, Samy Rakotoarimala sy ny maro hafa. Efa niara-nihira matetika tamin’ny Parshon Jacques ihany koa izy nandritra ny roa taona teo eo. Miaina ao anatin’ny mozika Hatramin’ny taona 1992 nandehanany irery ka hatramin’izao, dia tsy manana asa hafa ankoatra ny mozika i Njakatiana. «Saika miodina sy manodidina izay kanto izay avokoa ny zavatra rehetra ataoko, toy ny famokarana mpanakanto (fampisehoana na rakikira), famoronana hira», araka ny fanamarihana nentiny. 17 ny rakikira (kasety sy kapila mangirana) efa navoakany tao anatin’izay 20 taona nilomanosany teo amin’ny mozika izay, ary amin’ity taona 2012 ity no famaranana izany fankalazana ny faha-20 taona nihirany izany. Anisan’ny nanamarika izay fiainan’i Njakatiana teo amin’ny sehatry ny mozika izay ny nananganany ny orinasa Nj Promart. Anisan’ireo nikolokolo sy namolavola mpanakanto maro io raha tsy hilaza afa-tsy ry Mika sy Davis. Toy izany koa ny nikarakarany ny seho voalohan’ny tarika Rebika ary mitohy amin-dry Joseph d’Af amin’izao fotoana Soratra: Faly Randria - Sary: Express de Madagascar
Ny fiainana raha dinihina Angamba mety alamina Hatsaraina ary hitondra soa Hitondra ainga vao ka mba hampandry fo
Mbola ianao no hany finidiko Handravaka ny androko Manantena aho fa ho fy Ny fiainantsika ety haharitra doria
Tantano aho f’ianao no sitrako Tantano aho fianao no tokiko Tantano aho e ! Tantano n’aiza n’aiza aleha
Njakatiana – 1993 – K7 Vol 3 |
|
Faran’ny herinandro
Fampisehoana ara-pilazantsara maimaim-poana Taorian’ny fitokanana, dia hitohy ny sabotsy ho avy izao ny hetsika ho an’ireo zava-bita, ka hanolorana indray fampisehoana maimaim-poana hiarahana amin’ireo mpanakanto ara-pilazantsara sangany eto amintsika. Ny sabotsy 22 desambra izao no hanaovana ny hetsika etsy amin’ny Coliseum de Madagascar Antsonjombe, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Anisan’ireo handray anjara amin’izany ry Rija Rasolondraibe, Joseph d’Af, Saotra sy Dera, Mialy Rakotomamonjy, Les Adélines… Hisy ihany koa anefa ireo mpanakanto hafa manana hira fiderana ho vahiny manokana amin’ity seho ity, ka anisan’ireny ry Hampiara-peo amin’ireo mpianany Iary Iray amin’ireo andriambavilanitra mbola mivoy ny rock malagasy. Mankalaza ny 5 taona an-tsehatra Iary, izay efa nosantariny ny volana mey, tamin’ ity taona ity. Hitohy mandritra ny faramparan’ny volana desambra ny fankalazana ka tafiditra ao anatin’izany ny fampiaraham-peo tamin’ireo mpianany nandritra ny fifaninanan-kira «The one», tao amin’ny Rta. Eny amin’ny Trash Ambatoroka (Fiavo teo aloha) no hanaovana ny hetsika ny sabotsy 22 desambra izao manomboka amin’ny 9 ora alina. Hiara-dia amin’Iary amin’io seho hafakely io ry Nathan, Diary, Heraz ary Red Ji. Karazana gadona maro ao anatin’ny rock no entin’izy ireo amin’io takariva io. Haharitra eo amin’ny ora telo sy sasany ny fampisehoana hiarahan’izy ireo. Worship jazz hiarahan’i Zara sy ny Jazz clubn’ny CGM Hiarahana amin’ny sampana Mpanazava eto Madagasikara. Hotanterahina ny 22 desambra izao eny amin’ny Katedralin’ny DEGS eny Ankatso ny seho Noely «Worship jazz». Handray anjara amin’izany i Zara, mpihira jazz izay hanolotra ireo hira Noely amin’ny endrika Jazz. Hanampy azy amin’izany koa ireo mpikambana ao amin’ny Jazz club-n’ny CGM. Ireo hira mifandraika amin’ny vanim-potoana krismasy no hasehon’izy ireo amin’ny endrika izay tsy faheno an-davan’andro. Hisedra samirery ny sehatra i Joël Rabesolo Niara-dia tamin’ny mpanakanto maro no nahitana azy hatramin’ izay. Hiavaka kosa ny seho entin’i Joël Rabesolo, izay hisedra irery ny sehatra anio hariva manomboka amin’ny 6 ora, etsy amin’ny CGM Analakely. Ankoatra ny fitendrena gitara efa mahazatra azy dia handray ny «micro» sy hanolotra ny feo mangany amin’ny mpankafy mozika amin’ny ankapobeny ity mpanakanto fantatra eo amin’ny tontolon’ny jazz ity. Hoentin’i Joël Rabesolo amin’io seho miavaka io ireo hira izay noforoniny. Efa kilalaony ihany koa anefa ny findramana sy fiangaliana ireo sanganasana mpanakanto hafa ary lalaoviny araka ny aingam-panahiny. Tsy hoferana ny seho tsy ampoizina, nasain’i Joël amin’ity fampisehoana ity rahateo ireo mpanakanto efa niara-niasa taminy. CCI – IVATO Hitohy ny «Lalatiana manontolo» Taorian’ny tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Piment Café, hitohy anio alina manomboka amin’ny 8 ora sy sasany eny amin’ny CCI Ivato ny fampisehoana atolotr’i Lalatiana amin’ny fandalovany eto an-tanindrazana. «Lalatiana manontolo», izay hiarahana amin’ny trano mpamokatra mi’Ritsoka. Anisan’ireo raitra ny seho efa vita fa tsy ho latsa-danja amin’izany ny hatolony anio alina na ho an’ireo efa nahita ka mbola te hijery, na ho an’ireo tsy afaka nanatrika ireo seho roa voalohany ireo. Ankoatra ireo hira efa nahafantarana an’i Lalatiana hatramin’izay, tafiditra ao anatin’ny hetsika atolony ihany koa ny fampahafantarana ireo vokatra vaovao ao anatin’ilay rakikira farany «i-malala». CGM – ANALAKELY «Angolaina» antsan-tononkalon’ny Faribolana Sandratra Tafiditra ao anatin’ny hetsika entin’izy ireo hamaranana ny taona. Hotanterahina ny sabotsy 22 desambra izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fihaonan’ireo mpanoratra sy poety ao anatin’ny Faribolana Sandratra. Amin’ity indray mitoraka ity ary ho famaranana ny taona 2012 sy hitsenana sahady ny taona 2013, dia ireo poetan’ny Faribolana Sandratra avy any Antsirabe indray no hitondra vokatra. «Angolaina» no antsan-tononkalo hatolotr’izy ireo, hanehoan’i L.Niry Andriamora, Ra-Phi ary i Rima ny rivotr’i Vakinankaratra. Araka ny tsilian-tsofina dia i Niry-Solosoa no hanolotra azy telo mirahalahy ireo mandritra ny «Angolaina». |
|
Hotalim-panjakana – Fianakaviana iray namoy havana, voakiana ny HJRA «Maro ny lesoka tokony harenina momba ny fomba fiasa ao anivon’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (Hjra), raha ny trangan-javatra niainanay tao», hoy ny fianakavian-dRamahalitsoa Hanta Harilala. Renim-pianakaviana iray no nindaosin’ny fahafatesana ny zoma hifoha sabotsy faran’ny herinandro teo, tamin’ny iray ora maraina, rehefa nodidiana homamiadan’ny nono tao amin’ity hopitaly ity. «Nodidiana ny reniko ny alakamisy maraina ary avy hatrany dia nalefa tany amin’ny efitrano vantany vao vita ny fandidiana», hoy Andrianirainy Tinah, zanaky ny maty, vavimatoa. «Natanjaka tsara tsy naninona izy. Nitaraina ho nararirary kibo kosa ny alin’iny izay nitohy ny maraina. Antoandro be anefa vao tonga ny «major», izay nanakiana anay indray tamin’ireo entanay lazainy ho be loatra tao amin’ny efitrano. Niampy tsongo sofina sy fibedesana ary fikitakitana isan-karazany izany», hoy ihany ny fitantarany. «Maro ny mpitsabo nifandimby nijery ny marary, samy nanana ny baikony avy ary samy nampividy fanafody, araka izay fomba fahitany ny reniko teo. Tsy misy fijerena akory izay fanafody teo aloha fa dia fampividianana fanafody hatrany no natao», hoy ihany i Tinah. Tafiditry ny loto «Ny harivan’ny zoma vao tonga ilay mpitsabo nanao ny fandidiana, izay mbola nampikaroka fitaovana fitsapana ny tahan’ny siramamy indray koa fa tsy manana ny hopitaly. Nasainy nalefa tany amin’ny trano famelomana aina avy eo ny marary. Raha nirahina haka fantsona hanaovana fitiliana tany amin’ny laboratoara izahay dia nilaza ny tao fa amin’ny alatsinainy vao mandray…», raha ny nambaran’ny fianakaviana hatrany. Voakiana hatramin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny Hjra manao kolikoly, maka vola amin’ny marary hividianana paosin-dra sy fanafody izay tsy hita tao amin’ny farmasian’ny hopitaly ary namidy tamin’ny sarany mora. Voalaza, ankoatra izany, fa tsy nahitana mikraoba tamin’ny fitiliana ny marary nialoha ny nidirana ny efitrano fandidiana, rehefa nivoaka avy tao anefa dia hitan’ny fitiliana fa nisy ny loto tafiditra, na ny «infection nosocomiale». «Rehefa mandalo indray ireo mpitsabo mpanampy samihafa mijery ny fandehan’ny ra na ny seraoma dia samy milaza hiantso tompon’andraikitra avokoa. Andrasana anefa tsy misy tonga akory izany», raha ny fitantaran’ny fianakaviana ny zava-misy niainan’izy ireo tao amin’ny hopitaly hatrany. Nambaran’ny fianakaviana fa nanomboka tany amin’ny fanaraha-maso ny mararin’izy ireo, hatrany am-boalohany mihitsy ny lesoka. «Mpitsabo iray tao amin’ny hopitaly no nandray ny marary tamin’ny voalohany. Nasaina nanao ny «chimiothérapie» ny marary. Tsy tao an-toerana foana io mpitsabo io, isaky ny fotoana ifanomezana, ka mpitsabo hafa hatrany no manohy ny fanaraha-maso ny marary. Taty aoriana anefa, rehefa hijery ny marary ilay mpitsabo nandray voalohany dia gaga ary nilaza fa tokony ho nodidiana efa ela ny mararinay», hoy ihany ny fianakaviana. Fanentanana hijerena bebe kokoa ny marary Santionany tamin’ireo tsy fahatomombanana hitan’izy ireo tao amin’ny hopitaly ihany ireo. Raha fehezina dia nilaza ity fianakaviana ity fa nisy antsirambina maro mifandraika amin’ny tsy firindran’ny asa eo anivon’ny hopitaly sy ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso ny marary, no anisan’ny nitarika ny fahafatesan’ny havany. Nambarany kosa anefa fa tsy fanenjehana be fahatany no ataon’izy ireo fa kosa fanentanana ho amin’ny fijerena bebe kokoa ny marary miditra hopitaly sy ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ny fahasalamam-bahoaka eny amin’ny hopitalim-panjakana. Niaiky ny tsy fahatomombanana Rehefa nanontaniana mikasika ireo zava-misy ireo ny lehiben’ny hopitaly, ny profesora Razafimahandry Jean Claude, dia nilaza fa tsy ialàna trangana tsy fahatombomanana toy izany hatrany ny hopitalim-panjakana, na any ivelany aza. «Ny loto manodidina ny hopitaly sy ny rivotra iainana dia efa mety hiteraka ny loto, na ny «infection nosocomiale» fa tsy voatery ho ny mpitsabo nanao ny fandidiana no namboly izany», hoy ny fanampim-panazavany. «Tokony hapetraka ny fifanomezan-tanana eo amin’ny rehetra, mikasika ny fandraisana an-tanana ny fahasalamam-bahoaka eny anivon’ny hopitaly satria lafo ny saran’izany, nefa isika mametraka ny fitsaboana tsy misy sarany», hoy ihany izy. «Tokony handoavana 1000 euros, izany hoe manodidina ny Ar 3 tapitrisa isan’andro ny fitsaboana ny marary iray eny amin’ny hopitaly, raha tena tiana hanara-penitra, nefa tsy mbola izany eto amintsika», hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Nohamafisiny fa tsy voatery ho tonga lafatra avokoa ny olona rehetra miasa amin’ny fahasalamana. Mikasika ilay tsy fahampian’ny fanaraha-maso indray dia nilaza izy fa manana ny taratasy fanaraha-maso mikasika azy ny marary tsirairay, ka tsy tokony hipetraka izany olana izany. «Momba ilay fahafatesana kosa dia maro ny trangan-javatra mety hipoitra hitarika fahafatesana eo amin’ny olona mararin’ny homamiadana», hoy hatrany ny profesora Razafimahandry Jean Claude. Nalevina omaly alarobia ny nofo mangatsiakan’iry renim-pianakaviana iry. Monica Rasoloarison Photo: Hery Rakotondrazaka |
|
TONTOLO IAINANA Mahasoa ny mamerina mamboly hazo gasy TSY FITIA AN-JAMBANY NY FITANANA ARA-BOAJANAHARY NA BIOLOJIKA NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA HO AN-DRASOLOMANANA FULGENCE, TEKNISIANA IRAY NAMPIANA-TENA. NOPOROFOINY TAMIN’NY ANDRANA SAMIHAFA FA MAHASOA KOKOA NY MAMERINA NY FAMBOLENA HAZO GASY, IZAY MAHALONAKA NY TANY SY NOHO IZY IREO MAMELONA NY LOHARANO MANODIDINA AZY. NODISOINY NY FIHEVERANA FA SAROTRA VOLENA IRENY HAZO GASY IRENY. 50 taona Rasolomanana Fulgence. Mpampianatra mpikaroka iray teny amin’ny oniversite no nanome fiofanana azy momba ny famokarana ara-biolojika. «Nikasa hiaraka hamboly «rose damatienne», izay nahitana lalana tamin’ny taona 1995-1997, fa azo amidy 6 000 000 ariary ny kilao amin’ny lohamenaka azo avy aminy, tany an-dafy, io mpampianatra nampiofana ahy io. Efa nanana zanak’io hazo io izy fa nitady tany hambolena azy no maty tampoka ka tsy nisy nanohizana azy», hoy Rasolomanana Fulgence, mitantara. Tato aoriana, mpampianatra vahiny zezoita iray no nampiofana azy momba ny fiompiana. Nohateveniny tamin’ny fanaovana fikarohana manokana izany fahalalana azony izany tao anatin’ny dimy ambin’ny roapolo taona. Anisan’ny nanavanana azy ny fambolena ravintsara. Orinasa maro no efa nampiany nanitatra ny fambolena io karazan-kazo fakàna lohamenaka io, izay tena lafo dia lafo tokoa ny vidiny any ivelany. Niompy kisoa izy ka teo koa no nahitany fa mahasalama ny biby sy mahasoa ny olombelona ny fiompiana ara-biolojika. Nanana traikefa tamin’io fambolena ara-biolojika io izy tamin’ny niasany tamin’iny tetikasa iray tany Ankotrofotsy, Miandrivazo, izay nanomezana fiofanana ho an’olona 200, nizaràna tany telo hekitara tsirairay, nambolena hazo, nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Fondation Tany Meva. Kininina mitroka rano «Isa ny amontana, roa aviavy, telo fangady…». Resy lahatra tamin’ny fikarohana nataony izy fa nahay noho isika ny Ntaolo tamin’ity fambolena sy fiompiana ara-boajanahary ity. Mitroka rano sy mamono ny tany haingana ny voly kininina sy kesika nampidirina teto amintsika, fa mahalonaka ny tany sy mitana ny rano amin’ny loharano kosa ny fambolena hazo gasy toy ny voarabe, aviavy, amontana, rotra, andrarezina, valanirana na zamborizano… «Velona ao anatin’ny ala misy hazo gasy ny «orchidées» sy voly fanao fanafody ary biby isan-karazany. 20 hatramin’ny 50m, manodidina ny fototra voarabe, ahitana rano na loharano tsy mety ritra. Nahitako porofo izany teny Ambohidratrimo, tany Behenjy sy tany Amoron’i Mania ary tao Andasibe. Matimaty avokoa kosa na kely aina izy ireo ao anatin’ny alana kininina na kesika. Maty, tsy azo ambolena ny tany. Ritra ny loharano», hoy ity teknisiana sady mpampianatra mpikaroka ity. Mpiofana nisy andiany 32 Ny sabotsy 8 desambra teo izy no nampiofana ny andiany faha-32, farany, momba ny fiompiana ara-biolojika na izay antsoiny hoe «Agribiosystem». «Nisy olona zato mahery foana ny andiany folo farany, nanaraka ny fiofanana nomeko ary saika nanaraka ny torohevitra nomena ny ankamaroany teo amin’ny fiompiana sy fambolena nataony. Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro sy Amoron’i Mania, ireo faritra nahazo fiofanana. Nahazo izany Ambatondrazaka, Amparafaravola sy Moramanga», hoy izy, hita ho afa-po. Nisy koa ny andiana mpianatra sy mpandraharaha efa matihanina, malagasy sy vahiny. «Misy aza, any anatin’ny toeram-piompiany mihitsy no nanomezako azy ny fiofanana. Misy olon-tsotra, fianakaviana na fikambanana. Na ny ody aretina sy biby manimba voly koa aza, misy ara-biolojika», hoy Rasolomanana Fulgence. Izay mahatonga azy mitaona ny rehetra hiverina amin’ny fambolena sy fiompiana ara-boajanahary. Azo atao ny mamboly andramena Noravan’ity mpikaroka ity ny fiheverana fa sarotra ny mamboly hazo gasy. «Azo volena avokoa ny hazo gasy, nisy teo aloha. Mivarotra zanaka andramena, voamboana, voarabe, aviavy, amontana, nonoka sy andrarezina, mbamin’ny zamborizano aho ary hatramin’ny zanaka reniala na baobab avy any Morondava na ny ananambo, mpaniry any Toamasina. Diso ny filazana fa tsy maniry aty afovoan-tany ireny karazan-kazo, tsy fahita afa-tsy any amorontsiraka ireny. Manamora ny fambolena ireo hazo gasy ireo ny fanarahana fomba fambolena ara-biolojika», hoy izy. Karazan-kazo haingam-paniry Tsy manaiky ny fampidirana hazo vahiny eto amintsika ity mpikaroka ity. Haingam-paniry, ohatra ny hazomena, 5m ao anatin’ny telo taona. Hazo mafy, tsy mora lo, nampisain’ny tany Atsimo atsinanana fandevenana mpanjaka. Ny tratramborondreo, ohatra, ataon’ny Sakalava hazo masina, atahoran’ny mpilalao ody ratsy. Ny ompy, karazan-kazo toy ny volotsangana, raha dorana an-doha Fanaovana fefy mpanome hanitra ny hazo gasy, tian’ny vorona noho izy manome alokaloka sy mahalonaka ny tany ka ahitany rano hosotroina. Ny laingo, voalaza fa asaina tsakoin’ny zaza tsy mbola nifo-nify any Atsimo. Tsy mety lanin’ny olimanara ny nifiny avy eo. Eo am-pananganana sekoly fianarana miompy eny Imerintsiatosika Rasolomanana Fulgence, tetikasa tiany hampiroboroboana ity fiompiana sy fambolena ara-boajanahary ity. Sary sy soratra: Barphil Andriantsiferanarivo |
|
Zon’olombelona – Mitontongana ny fiahiana ny zo fototra maha olona eto Madagasikara Nanomboka tamin’ny krizy politika 2009 no nitontongana ny fiahiana ny zo fototra maha olona teto Madagasikara, raha ny tatitra avy amin’ny ankamaroan’ireo mpikambana eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena. Noho ny antony politika, izay niteraka ny fahaverezan’ny soa toavina malagasy sy ny olana sosialy samihafa no fototr’izany, raha ny fanamarihana nataon’izy ireo. Singanina manokana ho isan’ny nahatonga izay fitontonganana izay ihany koa ny raharaha tany Atsimo, izay nitarika ny fidiran’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena an-tsehatra amin’ny fanaovana fanadihadiana manokana mihitsy. Mahatsapa avokoa ny ankamaroan’ireo fikambanana miahy ny zon’olombelona eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena ankehitriny fa tsy mitsahatra «manao lanja midina» ny fiahiana ny zo fototra maha olona eto Madagasikara, indrindra indrindra fa ny fanajana ny zo miaina tokony hananan’ny olom-pirenena tsirairay. «Noho ny krizy misy eto amintsika dia hita ho nitontongana tanteraka ny fiahiana ny zon’olombelona. Tsy misy ny fandriampahalemana, miaina ao anaty tahotra sy ahiahy tanteraka ny Malagasy ary mahatsiaro ho tsy misy mpiaro intsony. Voahitsakitsaka ny zo ahafahan’ny olona miaina, izay voafaritra ao anatin’ny satan’ny Firenena Mikambana mifehy ny zon’olombelona», hoy ny fanamarihan’ny Filohan’ny fikambanana Zon’olombelona Mijoro, Raoera Chandoutis. Etsy ankilan’izay, dia nomarihin’ny filohan’ny Voifiraisana (Vovonana iombonan’ny firaisamonim-pirenena eto Madagasikara), Lalao Randriamampionona fa: «ny fahaverezan’ny soa toavina malagasy mihitsy no isan’ny fototry ny olana mahatonga io fitontonganan’ny fiahiana ny zon’olombelona eto amintsika io». «Toa manjary tsy asiana vidiny intsony mihitsy ny ain’olombelona eto amintsika ary matimaty foana ny Malagasy. Nanomboka tamin’ireny hetsika ny volana febroary 2009 ireny no tena nahita io fanaovana tsinontsinona ny zo maha olona io», hoy izy. Notsindrian’ireto mpitarika fikambanana eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena ireto anefa fa «tsy voatery ny raharaha nitranga tany amin’ny faritra atsimo, izay nahafatesana olona maro ihany no ahitana taratra io tsy fisian’ny fanajana ny zo maha olona io». Olana sosialy «Ankehitriny dia re matetika fa betsaka ireo olona maty vokatry ny asan-jiolahy sy ny hetraketraky ny fiarahamonina. Maro ireo olana miteraka izany ka azo singanina manokana ho isan’ny lehibe indrindra amin’izany ny tsy fananana asa, ny fahaverezan’ny soa toavina malagasy, maro ireo olona no tafalatsaka lalina ao anatin’ny fahantrana ary atahorana ny hisian’ny olana sosialy goavana eto amintsika», hoy ihany ny fanamarihan’ny filoha mpanorina ny fikambanana Zon’olombelona Mijoro, Raoera Chandoutis. Notsipihin’ity farany anefa fa tokony ho azo sorohina hatramin’ny ela ireny tranga tany Atsimo ireny. «Tokony efa nojerena hatramin’izay hoe avy aiza tokoa ireny fitaovam-piadiana ampiasain’ny dahalo ireny. Eo dia efa azo sorohina ny fifampitifirana miteraka aina nafoy maro. Raha ny tokony ho izy aloha dia samborina ary entina any amin’ny fitsarana ny olona iray», hoy izy. Sata iraisam-pirenena Isan’ny miteraka olana lehibe eto Madagasikara aloha hatreto ny tsy fahafantaran’ny Malagasy ny zo fototra ananany manoloana ny fihetsik’ireo manam-pahefana. Eo ihany koa ny fisian’ny fanajana ireo sata mifehy ny zon’olombelona napetraka eo anivon’ny Firenena Mikambana. «Isika dia isan’ireo Firenena nanasonia fifanarahana maro ao anatin’io sata io. Raha fehezina dia tokony hohajaina hatrany ny ain’olona ka tsy tokony hanampatra ny fahefany toy izay efa nitranga hatramin’izay ireo manam-pahefana», hoy ihany ny filohan’ny Voifiraisana. Isan’ireo nanao tatitra teo anivon’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana, mahakasika ny zon’olombelona, tany Genève tamin’ny taona 2010 ity vovonan’ny firaisamonim-pirenena ity. Taorian’izany no nahatsapan’ireo Firenen-dehibe ny tsy fanaovan’i Madagasikara laharam-pahamehana ny fanajana ny zon’olombelona. Resaka politika Isan’ny nampikoropaka ireo mpikambana eo anivon’ny governemantan’ny tetezamita ny tatitra nataon’ny «Amnesty international», izay nilaza ny fisiana karazana fandripahana ain’olona nandritra ny «opération tandroka» nataon’ny mpitandro ny filaminana tany amin’ny faritra atsimo. Taorian’io fanambaràna io dia nampiantso ireo Masoivoho vahiny sy ireo solontenana sampan-draharaha iraisam-pirenena miasa eto amintsika ny rafitra mpanatanteraka. Raha ny filazan’ireo mpandinika ny raharaham-pirenena dia ny fahatahorana amin’ny mety ho fihemoran’ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny fanampiana ara-bola an’i Madagasikara amin’ny fanatontosana sy ny fanomanana ny fifidianana no anton’ity fihetsiky ny fitondrana tetezamita ity. Rafitra mpanara-maso Fotoana fohy taorian’io fihaonana tamin’ireo solontenan’ny iraisam-pirenena io dia nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny governemanta ny fananganana rafitra vaovao misy ny vaomiera nasionaly mahaleo tena momba ny zon’olombelona. Io rafitra io no nasolo ny vaomiera nasionaly misahana ny Filankevitra nasionaly momban’ny zo fototra maha olona teo aloha. Isan’ny asa hosahanin’ity vaomiera manokana ity ny fanavaozana sy ny fijerena ireo lesoka rehetra mifandraika amin’ny lalàna manodidina ny fanaraha-maso ny fiahiana ny zon’olombelona. «Hiasa tsy an-kiato hanome valin-teny haingana mifandraika amin’izay mety ho fisiana fandikana ny lalàna mifehy ny zon’olombelona io vaomiera io», araka ny voafaritra ao anatin’ny fampitam-baovao navoakan’ny governemantan’ny tetezamita. Soratra: Juliano Randrianja |
|
Faran’ny herinandro TOKOTANIBEN’NY EKAR SOANIERANA Hiragasy hifandonan-dRaedisamimanana sy ny zaza navelan’i Sahondrafinina Tsy vao sambany no hifanena. Hifandona etsy amin’ny tokotaniben’ny fiangonana Katolika etsy Soanierana ny tarika mpihiragasy Raedisamimanana, avy any Sahavato sy ireo Zaza navelan’i Sahondrafinina, avy any Fenoarivo. Mpanakanto roa samy manana hatoraka raha ny fampitana hafatra amin’ny alalan’ny hiragasy ireto samy haneho ny talentany ireto, ny alahady 16 desambra izao, manomboka amin’ny 11 ora. Toy ny mahazatra, dia samy tsy hitsitsy taim-bava amin’ireo kabary samihafa mandravaka ny hiragasy ny roa tonta ary samy hitondra ireo karazan-kira raitra hiarovana ny hevitry ny tsirairay. Tsy voafaritra mazava rahateo ny lohahevitra fa rehefa eny an-kianja sy eo am-pandrasana mahita ny voatoatiny. Na dia nandrombaka ny amboara tamin’ny fifaninanana hiragasy farany teo aza ny tariky Raedisamimanana, dia tsy hikoso-maso ary tsy hanaiky ho resy tsy miady ireo zaza navelan’i Sahondrafinina, izay manan-katoraka ihany koa raha ny hiragasy no resahina. IFM – ANALAKELY Hanohy ny fampahafantarana ny «Hevero» i Rôla Gamana Mpanakanto misongadina noho ny fahaizany sy ny fahafehezany karazana zava-maneno maro. Hiaka-tsehatra etsy amin’ny IFM Analakely ary hanohy ny fampahafantarana ny rakikira farany «Hevero» i Rôla Gamana. Entiny amin’ity seho hotanterahina anio takariva manomboka amin’ny 7 ora ireo hira ao anatin’io rakikira farany io, izay dia mitondra fanentanana amin’ny fiarovana ny ala sy ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny. Ankoatra ny fitendrena gitara, ampiasain’i Rôla Gamana hanomezana endrika ity fampisehoana ity ihany koa ireo karazan-java-maneno samihafa vokatry ny fikarohana sy famoronana nataony. Amin’ny ankapobeny, dia saika zava-maneno tsy mandeha amin’ny herinaratra no entiny amin’ny fampisehoana ataony. Eo amin’ny sehatry ny gadona kosa dia anisan’ny ahafantarana ity mpanakanto ity ny fikarohana sy ny fitrandrahana ireo gadona nentin-drazana avy amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy. JAO’S PUB – AMBOHIPO Salegy mipoapoaka sy Kilalaky hiarahana amin’i Tence Mena sy Mamada Manao atsimo sy avaratra. Karazana gadona roa samy manana ny maha izy azy no hifandimby hanafana ny sehatry ny Jao’s Pub eny Ambohipo amin’ny faran’ity herinandro ity. Hisantatra izany ny salegy mipoapoaka, hiarahana amin’i Tence Mena anio alina manomboka amin’ny 9 ora. Toy ny mazatra, dia hibahan-toerana amin’ny seho entin’ity andriambavilanitra ity ireo mozika mafana miainga amin’ny gadona salegy. Ankoatra ireo hira tsy ampoizina entiny, dia ho hita sy ho re amin’ity fihaonana ity ireo hira efa nahafantarana azy sy voarakitra ao anatin’ny rakikira samihafa. Anisan’izany ny vokatra farany «Mandeha mare». Anisan’ny ao anatin’ izany ny «seulement toi», izay hira milamindamina hanelanelanana ireo mozika mafana sy fakàna aina. Ny sabotsy 15 desambra kosa dia anjaran’i Mamada indray no hiakatra sy hanafana ny sehatry ny Jao’s Pub. Ny gadona kilalaka kosa no tena ahafantarana sy voizin’ity mpanakanto avy any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ity. PIMENT CAFE- BEHORIRIKA Silo sy ny feomangany ary ny karazan-java-maneno maro Anisan’ireo tovolahy maro afitsoka i Silo eo amin’ny sehatry ny mozika. Ankoatra ny fahaizany mihira, dia mahafehy karazan-java-maneno maro izy. Hirona kokoa amin’ny groove na amin’ny endrika akaostika ny seho hoentiny anio hariva, etsy amin’ny Piment Café- Behoririka manomboka amin’ny 9 ora alina. Ankoatra ireo mozika efa mahazatra sy nahafantarana an’i Silo hatramin’izay dia hitondra vokatra vaovao izy. Amin’ny seho takariva toy izao dia mivelatra amin’ny fiangaliana hirana mpanakanto hafa ihany koa i Silo. Mahazatra azy amin’izany ny fiangaliana soul sy Pop rock toy ireo sanganasan-dry Sting, Beatles… «Lalatiana manontolo» miaraka amin’ireo hira taloha sy «i-malala» 10 taona aty aoriana. Ho tafahaona amin’ireo mpankafy azy i Lalatiana amin’ny fampisehoana voalohany izay hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny alahady 16 desambra izao manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Hoentin’i Lalatiana amin’ity fampisehoana «Lalatiana manontolo» ity ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay sy ireo hira vaovao ao Htolotra ny mpankafy amin’io fampisehoana io ihany koa ny rakikira vaovao «i-malala». 313 – LE LOUVRE ANTANINARENINA Bodo sy Rija Ramanantoanina Tafaray samy andrarezina. Mpanakanto roa samy manana ny talentany no hiara-dia etsy amin’ny trano fisakafoanana 313, etsy amin’ny Hotel du Louvre, Antaninarenina anio alina manomboka amin’ny 9 ora. Hanolotra seho miavakai Bodo sy Rija Ramanantoanina, izay samy manana ny talentany na eo amin’ireo hira kaloin’olon-tokana na eo amin’ny fampiaraham-peo. Samy manana ny feo mangany rahateo izy mianadahy ary tsy vaovao ihany koa amin’ny fampiarahana talenta. Ankoatra ny hira entin’ny mpanakanto tsirairay, araka izany, dia hanana ny anjara toerany amin’ity seho takariva ity ihany koa ny fampiaraham-peo amin’izy mianadahy. Amin’ny seho takariva toy izao dia misokatra sy mivelatra eo amin’ny karazan-kira rehetra ny mpanakanto. Ankoatra ny hiran’izy ireo, dia misy hatrany ny mozika tsy ampoizina ho fanomezana fahafaham-po ireo mpanotrona, indrindra ireo hira malagasy manana ny lazany. Anisan’ny efa nahitana ny fiarahan’i Bodo sy Rija ny fampisehoana «Ny omaly». |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |