Subscribe to RSS

Lahatsoratra nampiasa ny teny miverina matetika: Fanadihadina manokana Miverena

Hetraketraky ny fiainana – Mpivady sy ny mpanampiny  novonoin’ny dahalo tamin’ ny fomba feno habibiana Hetraketraky ny fiainana – Mpivady sy ny mpanampiny novonoin’ny dahalo tamin’ ny fomba feno habibiana(0)

TAO AMINA TSENA IRAY AMORON’NY LALAM-PIRENENA FAHAFITO, AO AN-TAMPON-TANÀNAN’ILAKAKA, NO NITRANGAN’ITY FAMONOANA OLONA AMIN’NY FOMBA FENO HABIBIANA ITY. TAMIN’NY 8 ORA SY SASANY ALINA, MAIZIN-KITROKA NY TANÀNA IRAY MANONTOLO, NANDRIAKA NY RA TAO AMINA TSENA IRAY TAO AN-TOERANA. MPIVADY ROA, RAMAROLAHY SAMUEL SY RAZAFINDRAMAVO HANTAMALALA, NIARAKA TAMIN’NY MPANAMPINY IRAY NO MATY TSY TRA-DRANO NOVONOIN’NY DAHALO TAO AN-TRANONY.

«Tsy misy tsy mahalala azy mivady ireo ny olona rehetra mpandalo ao Ilakaka. Toa vara-datsaka tamin’ireo olona nahalala azy mihitsy ny nandre ny fahafatesany sy ny fomba nahafaty azy. Tifitra roa no nahafaty ilay raim-pianakaviana, tifitra iray kosa no nahafaty ilay mpanampiny ary fira famaky sy vono kosa no nahafaty ilay renim-pianakaviana», hoy ny fitantaran’Andrianarivo Solofosoa, zana-drahavavin’ ilay renim-pianakaviana namoy ny ainy.

«Manana tsena maromaro ao an-tampon-tanànan’Ilakaka izy mivady ireo, ka rehefa hariva dia mamory ireo mpiasany manao fivoriana kely. Tokony ho tamin’ny  8 ora sy fahefany alina teo ho eo no tapitra ny fivoriana. Lasa nivoaka ireo mpiasa rehetra ka tamin’izany no nanararaotra niditra ireo jiolahy. Raha vao tonga tao amin’ny efitra nisy azy mivady izy ireo dia nitaky ny vola rehetra. Tsy nahafa-po azy ireo anefa izay vola azony ka notifi­rin’izy ireo ilay raim-pianakaviana», hoy Rasoamalala Justine, mpitaiza ny zanak’izy mivady nahita maso ny zava-nitranga rehetra. «Notaritaritin’izy ireo tamin’ny volony nivoaka ilay ramatoa ka nampijalijaliany vao novonoiny. Diam-pamaky marobe no hita tamin’ny vatany, ny feny mitady hiala satria novoraborahin’izy ireo sahala amin’ny hoe nampijaliana mihitsy vao novonoina», hoy ihany io mpitaiza zaza, nahita maso ny zava-nitranga rehetra io. Vao naheno izany ilay lehilahy iray mpiasan’izy ireo, izay tsy iza fa fianakavian’ilay raim-pianakaviana ihany, dia saika hiditra hamonjy ka lehilahy iray nijoro teo amin’ny arabe no nitifitra ka nahafaty azy.

Vao tafaraka dia niara-maty

Amin’ny asan’izy mivady dia mahalana izy ireo no tafaraka ao an-toerana. «Lahatra angamba satria rehefa eo an-toerana ny iray dia tsy eo ny iray. Tamin’io anefa dia samy tao avokoa izy ireo ary niara-maty», hoy ny fitantaran-dRazanatsimba Marie Rosette, rahava­vin’ilay renim-pianakaviana namoy ny ainy.

«Talohan’io dia nanafatra ahy izy hoe hapetrany aty, hono, ireo zanany telo mianadahy, 7 taona ny zokiny indrindra ary 3 taona kosa ny farany, fa aty no hampianarana. Tsy tanteraka anefa izany ka izaho no nandray ireo zanany ireo amin’izao izy efa tsy eo intsony izao», hoy ihany i Marie Rosette, rahavavin-drenin’ireo zaza.

« Nampalahelo ny nijery ireo zanany telo mianadahy, taorian’io voina io satria nahita maso ireo ray aman-dreniny novonoina mihi­tsy izy ireo. Tsy nahato­many mihitsy ireo zokiny roa voalohany fa ilay farany kosa indraindray mbola miantso tampoka hoe  »iny i Dada »», hoy ihany Razanatsimba Marie Rosette, rahava­vin’ilay ramatoa maty.

Nalevina niaraka amina fasana iray 

Tany Ambalahazo Ambohimahamasina no nandevenana azy telo ireo ny talata 2 avrily lasa teo. «Fasana iray ihany  no nandevenana azy ireo tamin’ izany ary natao nifanakaiky ny nofo mangatsiakany», hoy i Solofosoa, zanaky ny rahavavin’ilay renim-pianakaviana namoy ny ainy. «Gaga avokoa ny olona rehetra tany tamin’io fotoana io satria isan’ny olona mamy hoditra ao amin’io tanàna nahabe azy mivady io izy ireo. Ny azo amehezana azy angamba dia hoe: banga ny fianakaviana sy ny fiarahamonina iray manontolo», hoy ny rahavavin’i Hantamalala, ilay renim-pianakaviana namoy ny ainy.

Olona fito amin’izao fotoana izao no efa notanana am-ponja vonjimaika vokatr’ity raharaha ity. Isan’izany ny telo lahy voatondro ho nanao ny famonoana, olona telo mpiasan’izy ireo ary olona iray hafa ahiahiana ho mpaniraka azy ireo. Amin’ny 21 jona ho avy izao no hanaovana ny fanadihadiana lalina izy ireo.

Soratra: Haja Randrianantoandro
Sary: Vonjy Radasimalala

Acupuncture – Teboka 800 amin’ny vatan’ny olona no azo itsaboana Acupuncture – Teboka 800 amin’ny vatan’ny olona no azo itsaboana

5 000 TAONA ATY AORIAN’NY NIANDOHAN’NY ACUPUNCTURE NA NY FOMBA FITSABOANA SINOA AMIN’NY ALALAN’NY FANJAITRA: MANOMBOKA MAHAZO VAHANA ETO AMINTSIKA IZY IO ANKEHITRINY. TEBOKA 800 EO AMIN’NY VATAN’NY OLONA NO AZO ITSABOANA, HATRANY AN-TAMPON-DOHA KA HATRANY AM-PALADIA. NATAO HAMERENANA AMIN’NY LAONINY NA HAMPIRINDRA TSARA NY HERIM-BATANA NY «ACUPUNCTURE». ARETINA MARO NO AZONY SITRANINA. TSY VITANY KOSA IZAY MILA FANDIDIANA NA MISY OTRIK’ARETINA MIHANAKA.

Rantsana iray amin’ ireo dimy, eo amin’ ny fomba fitsa­boana nentin-drazana sinoa ny «acupuncture». Misy ny fitsaboana amin’ny zava-maniry, ny fanorana sy ity tsindrona ity. Ireo no fototra telo, fa manampy azy ireo ihany koa ny fanarahana fomba fisakafoa­nana, izay sady mitsabo no miaro ary indrindra ny fampiasana vatana toy ny fanaovana Tai-chi na Qi gong. Afaka misa­fidy izay sampana tiany hofehezina amin’ireo ny mpitsabo.

Ao amin’ny Inspc Befelatanana

Lalam-piofanana iray ao amin’ny Ivon-toeram-pirenena momba ny fahasalamam-bahoaka (Inspc), ao Befelatanana, no misy ny foibe fianarana azy sy misy rantsana iray fitsaboana koa. Dokotera 30 eo, efa nahavita fianarana valo taona, tamin’ ny fomba fitsaboana mahazatra, no misafidy mianatra azy mandritra roa taona. Nisy nandeha nianatra izany mihitsy tany am-potony, tany Shina. Malagasy no mpampiofana eto amintsika. Misy ny fitaovana fitsaboana hafarana avy any Shina.
«Ny taona 2007 no nisokatra ity lalam-piofanana ity. Eo am-piofanana ny andiany fahatelo izao fa isaky ny roa taona vao misy famoahana. Fifaninanana kosa no hidirana ao amin’io ivon-toeram-pampianarana manokana io», hoy Dr Ratianarima­mindramanga Andrée Evelyne, lehiben’ny sampana Fitsaboana nentim-paharazana.

Toeram-pitsaboana amin’ny alalan’ny «acupuncture» efatra no iandraiketan’ny Sinoa tahaka ny ao Ambovombe, Sambava, Vatomandry ary Mahitsy. Efa misy dokotera mahafehy ity fomba fitsaboana ity koa anefa amin’ireto hopitaly manaraka ireto: CHRR Toamasina, CRMM Antsirabe, CHD Ifanadiana, CHU Fenoarivo sy Itaosy ary ao amin’ny Hjra. 2 000 ariary fotsiny ny sara fanaovana tsindrona indray mandeha.

Herim-batana miely araka ny tokony ho izy

«Raha vao safotry ny loto na poizina miforona ao anatin’ny vatana ny vavony, ny aty, ny sarakaty, ny tsinay na ny taova samihafa eo amin’ny olona, dia tsy mikoriana tsara ny herim-batana ka teraka ny aretina eo amin’ilay olona. Manetsika ireny taova tra-pahasahiranana ireny ilay fanjaitra atsindrona amin’ny teboka mandalo amin’ny lalana mampifandray ireo taova samihafa», hoy Dr Saholiarinasy Georgeline, manam-pahaizana manokana momba ity fitsaboana ity, miasa ao Befelatanana. Misy atsindrona any amin’ny felan-tongotra kanefa aretin’andoha no sitranina. Misy aretina amin’ny tapany ambany eo amin’ny olona, nefa any amin’ny loha no ametahana ilay fanjaitra.

Tsy fanjaitra volamena intsony

«Nivoatra tsikelikely ny fahalalana ireo teboka ireo. Teboka vitsy ihany no fantatra tamin’ny voalohany. Izao izy, misy teboka 800. Tany aloha, fanjaitra volamena no nampiasaina. Taty aoriana, hita fa ny fanjaitra vita amin’ny vitsy sy varahina dia mety hanaovana azy ihany koa, noho izy ireo tsy atahorana hitondra loto», hoy Dr Saholiarinasy Georgeline. Mbola misy ny mampiasa fanjaitra volamena na izany aza.

«Vato na taolana noranitina no nampiasaina tany am-boalohany vao nampiasa fanjaitra volamena. Tsy misy hafa ny teboka amin’ny olona na lahy na vavy ankoatra ny faritry ny taovam-pananahany. Tsy tokony lasa diso lavitra loatra ny teboka ametahana ny fanjaitra. Toy ny fitsaboana rehetra, mety misy olona tsy andairan’ny fitsaboana atao. 80%-n’ny olona tsaboina dia andairany avokoa. Marary 30 hatramin’ny 40 isan’andro no raisinay eto ka misy ny fitsaboana fototra, misy ny efa fikoloko­loana», hoy Dr Ratianarimamindramanga Andrée Evelyne, manam-pahaizana amin’ity fomba fitsaboana sinoa ity.

Alentika 3,5cm

Arakaraka ny nofo eo amin’ilay teboka mila ametahana fanjaitra ny halalin’ny fandentehana azy. Eo amin’ny 2 mm, amin’ny faritra manify nofo ka hatrany amin’ny 3,5 cm, raha eny amin’ny nofom-pe na nofom-pitombenana, ohatra. «Ny fidiran’ny fanjaitra fotsiny no re kely fa rehefa alentika izy, tsy re intsony», hoy Dr Saholiarinasy Georgeline.

Ireo karazan’aretina

Fampiasa hanalana fanaintainana ny tsindrona amin’ny fanjaitra. Azo tsaboina amin’ity fametahana fanjaitra ity ny ankamaroan’ny aretina mpahazo ny olona: loha, fiakaran’ny tosi-dra, fahatapahan’ny lalan-dra, paralysie faciale, arthrose, lohalika, aretin-damosina, siatika, sinozita, maso, hatoka, faha­vizanana, rhumatisma, goty, fampihenana menaka any anaty, diabeta, spasmophilie, palpitation, sohika, aretin’ny taovam-pisefoana, stress, névrose, fikorontanan-tsaina, fivalanana na aretin’ny retsika (nerfs), gripa, alerzia isan-karazany, tratran’ny hatsiaka tampoka, mitohana, torimaso tsy ampy, tsy mety tsemboka tsara, mamoaka nana amin’ny faritra sasany na aretin’ny taova mampipipy.

«Mitsabo ireny ankizy manana fahatarana ara-tsaina ireny koa izahay ary mizaha manokana ny ankizy. Misy aretina vetivety dia voatsabo. Misy ny mila fitsaboana maharitra. Manohy ny fanafody efa nomena azy ihany koa ny marary sasany. Izay tokony homena fanafody fanampiny aza dia azonay omena ihany koa», hoy Dr Saholiarinasy Georgeline.

Fitaovana fampiasa

Fitaovana vitsivitsy no fampiasan’ny mpanao «acupuncture» ny fanjaitra no fitaovana lehibe voalohany. Sahabo 8cm ny halavany. Electropun­c­ture na milina kely mandeha herinaratra, mane­tsiketsika mirindra ny fanjaitra amin’ny teboka iray. Mampiasa «ventouse» koa ry zareo, izay fitaovana toy ny vera, asiana hafanana avy amin’ny afo, atohaka amin’ny faritra mila tsaboina. Misy koa ny antsoina hoe «moxa», izay hafarana any Shina ka atao manakaiky ny teboka ilaina kitihina ilay lohany misy afo kely.

Nangonin’i Barphil Andriantsiferanarivo

Razam-be niaviana – Maro ireo fombafomba itovizan’ny Malagasy amin’ny Jiosy Razam-be niaviana – Maro ireo fombafomba itovizan’ny Malagasy amin’ny Jiosy

SAMY MANANA NY FOMBA FILAZANY AMIN’NY FIAVIAN’NY RAZAM-BEN’NY MALAGASY NY REHETRA. HEVITRA NALAZA SY NOVOIZINA TATO HO ATO NY FILAZANA FA AVY AMIN’NY JIOSY NY MALAGASY. TANTARA IHANY ANEFA IZANY HATRETO, ARAKA IRETO FIJOROANA VAVOLOMBELONA IRETO, FA TSY MBOLA NISY NANAMAFY KOSA. SAIKA FOMBA SY KOLONTSAINA ARY ENDRIKA AVOKOA NO AMBARAN’IREO MPAHAY TANTARA.

Tamin’ny alalan’ny fikarohana sy ny tantara tao amin’ny Baiboly avokoa no ilazan’ny ankamaroan’ny olona fa manana fiaviana Jiosy ny Malagasy. Maro ny fikambanana efa nitsangana manohana izany ary mivondrona ao anatin’ny firaisamben’ny Jiosy eto Madagasikara. Ity farany izay efa tafajoro ara-dalàna ary voalaza fa mifandray amin’ny Jiosy rehetra maneran-tany.

Misy amin’ireo fikambanana ihany koa no efa nahazo fiofanana teknika tany Israely, milaza fa “tena Jiosy ny Malagasy”, ka nanangana ekipa iray “shalom”. Ireo fikambanana rehetra ireo no resy lahatra fa manana fiaviana Jiosy na taranaka Hebreo isika Malagasy, araka ireto fanazavana maromaro ireto. Ankoatra ireto sombintsombiny ambara ireto dia hisy ihany koa ny fampahafantarana lehibe, amin’ny alahady 26 mey izao, etsy Soavimbahoaka.

Hazo gasy nanamboarana tempoly

Fampahatsiahivana fohy ny tantara ao amin’ny Baiboly no nambaran’ny fikambanana ny fiandohan’ny tantara. “Babo tany Asyria ny Israely avaratra ka tsy tafody intsony fa nampielezina manerana izao tontolo izao. Nisy no tonga taty Madagasikara, tamin’ny fotoana nanjakan’ny Mpanjaka Solomona. Porofo mbola hita amin’izany ny fisian’ny hazo sy volamena avy aty Madagasikara ao amin’ny tempoly lehibe iray any Israely. Notaterina avy aty amintsika ireo mba hananganana fiangonana. Mifamatotra amin’ny fananganana ny tempoly Madagasikara sy Israely”, araka ny nambaran’Andrianarisoa Ashrey Dayves, filohan’ny firaisamben’ny Jiosy eto Madagasikara.

Tehin’i Mosesy sy didy folo

Foko malagasy maromaro no voalazan’ireo mpikaroka fa mbola nahitana ihany koa ny zavatra avy any Israely. Isan’ireny ny foko Antemoro Anakara ao amin’ny faritra Vohipeno sy Manakara. Nambaran’ny tantara fa nisy izany Ralitavaratra izany, noroahina avy any Lameka, ary niafina tao ambadiky ny Arabo. Mpisorona (Cohen) anefa izy io ary Jiosy avy any Israely. Ali Towarah no tena anarany saingy lasa io Ralitavaratra io rehefa tafatsoaka tany Vohipeno. “Io mpisorona io no nitondra ny zava-boatokana avy amin’ny tempoly tao Jerosalema tamin’ny Taonjato faha-15. Mbola hita ao amin’io toe­rana io ny potiky ny didy folo, ny ampahan’ny tehin’i Mosesy rehefa nentin’io mpisorona io taty amintsika”, hoy hatrany ny tantara.

Taom-baovao

Nambaran’ny mpahay tantara hatrany fa ny ankamaroan’ny faritra nisy andriana teto amin’ny Nosy dia taranaka Jiosy avokoa. Ohatra nohazavain’ny mpandinika ny taom-baovao Malagasy ankalazaina eny Ambohitrabiby. “Jiosy ny Mpanjaka Rabiby nanjaka teny. Io teny io izay avy amin’ny teny hebreo hoe “aviv”, anarana volana (Eksodosy 12) dia volana voalohany amin’ny taona araka ny Baiboly. Io volana io ilay ankalazaintsika hoe taom-baovao Malagasy ary mifanandrify amin’ny any Israely hatrany ny fankalazana azy”, hoy hatrany ny mpahay tantara. Matetika io taom-baovao io no eo anelanelan’ny volana marsa sy avrily. Mitovy avokoa ny fombafomba atao any Israely sy eto Madagasikara amin’io fankalazana io. “Samy nanomboka tamin’ny 11 marsa maty masoandro avokoa tamin’ ity taona ity”, raha ny filazan’ny fikambanana hatrany.

Tany tondra-dronono sy tantely

Ireo fombafomba rehetra tanterahina amin’ny taom-baovao Malagasy no nitarafan’ireo mpahay tantara fa Jiosy ny Malagasy, satria tantara voasoratra ao amin’ny Baiboly avokoa ireo fombafomba ireo ary mbola hita any Israely ihany koa.
Mialohan’ny fetin’ny Paska hatrany no nambaran’ireo mpahay tantara fa hanamarihana io taom-baovao Malagasy io. Misy ny fotoana fandroana amin’izany izay hiatrehana ny Paska, ity farany izay ambaran’ny Baiboly mihitsy fa efa fomban’ny Jiosy hatramin’izay. Misy ihany koa ny santa-bary amin’io fotoana io. Ny fampiasana ny “afo tsy maty”, izay tany Israely no nahitana izany voalohany, tamin’ny fomban’ny mpisorona tamin’ny andron’ny Baiboly. Misy ihany koa ny “tatao” na ilay sakafo voalohany iaraha-mihinana. Io sakafo io ilay vary sy ronono tondrahan-tantely izay manambara fa tanin’ny Jiosy. “Tsiaron’ilay tany tondrahan-dronono sy tantely ao amin’ny Baiboly”, hoy hatrany Andrianarisoa Ashrey Dayves.

Ireo teny itovizana

Ireo mpanao fikarohana sy mpahay teny Hebreo hatrany no nilaza sy nahita fa maro ny teny hitovian’ny teny Jiosy sy teny Malagasy. Santionany amin’ireny ireto aseho amintsika ireto:
Lava –lava/ soa- shouah/ fanahy- panah/ potsika- pouts/ zao-zoh/ hety-et/ kila- kilah/daka-daka/ atafy-ataf/ kilema-kilemah/ maty-mat/ latsa-latsa/ raiso-resh/ kabary-khabar/ vary-var/ rora-rour/ salama-shlama/ hariva- erev/ anaka-ianaq/ marary-marar/ adala-ha-dal/ kala-kala/

Sary sy soratra: Lilia Rajaonah

Lehilahy handeha  hijery baolina maty  tany anaty honahona Lehilahy handeha hijery baolina maty tany anaty honahona

MPONINA ENY AMIN’NY FOKONTANY AMBOHIDAHY-ANKADINDRAMAMY RANDRIAMANANJARA HERITSOA ANTSOINA HOE TSOA, RAIM-PIANAKAVIANA 44 TAONA, HITA FATY TAO ANATY HONAHONA, TENY ANKORONDRANO -ANDRANOMAHERY, NY ALAKAMISY 16 MEY LASA TEO. TSY NODY AN-TRANO NANOMBOKA NY ALAHADY TALOHAN’IO ITY RAIM-PIANAKAVIANA ITY. EFA NIALANA NENINA TAMIN’NY FILAZANA AMIN’NY ONJAM-PEO SAO VERY NA NARARY TAMPOKA TANY AN-DALANA KA TSY TAFODY. NOTETEZINA AVOKOA REHEFA HOPITALY NITADIAVANA AZY.

Hatairana ny an’ireo vady aman-janaky Randriamananjara Heritsoa rehefa tsy nody ity farany  ny alin’ny Alahady 12 mey lasa teo, raha nilaza ny handeha hijery baolina teny Tsarahonenana no nivoahany ny trano ny antoandro. Notsilovina avokoa ireo tatatra rehetra manodidina an’Ankadindramamy iny sao nianjera tany ho any ka tsy nisy mpahita. «Nivezivezy nitady azy izahay ny alin’iny satria efa tsy dia salama loatra i Tsoa nefa mbola nivoaka ny trano. Fanaony ny mandehandeha saingy tsy lasa lavitra izy fa manodidina ety ihany no tena falehany», hoy Vololomanitrarivo Dina, vady navelan-dRatompokolahy. Nampandrenesina avokoa ireo havana aman-tsakaiza rehetra sao mba nisy nahita azy, saingy niala maina nandritra ny telo andro. Notetezina mila ho isan’andro vaky ny tranom-patin’ireo hopitaly lehibe teto Iarivo hatramin’ny alarobia lasa teo saingy tsy hita mihitsy ny nofo mangatsiakany. Ankona ireto fianakaviana raha nahita ny razana ny alakamisy maraina teo. «Tsy nahalala azy ireo fianakaviana fa izaho no tena nahalala hoe tena i Tsoa io maty io», hoy hatrany ny vady andefimandriny.

Be vazivazy…

Tomefy olona ny tanànan’Ambohidahy tamin’ny fanotronana farany ny nofo mangatsiakan’i Tsoa  ny Sabotsy maraina lasa teo. Samy nanamafy izy ireo fa tena olona mamy hoditra teo amin’ny fiarahamonina tokoa ity nodimandry ity. «Rehefa misy fahoriana eto an-tanàna dia tsy mianona fotsiny amin’ny famangiana i Tsoa fa manolo-tena hanatanteraka ny fiaretan-tory mihitsy. Vatrany mihitsy aza ny mamonjy ny fandevenana raha toa ka mbola manodidina an’Antananarivo no anaterana ilay mpiray vodirindrina nodimandry», hoy i Mosesy namana akaiky azy.

Olona be vazivazy ihany koa izy teo anivon’ny fiarahamonina. Tia firaisan-kina  ary tsy mahatanty mijery olona manana olana, ka mahavatra manolo-tanana. Mizara izay mba ananany amin’ireo akamany izy ary manao izay hampifalifaliana ireo manodidina azy rehefa faran’ny herinandro.

«Tso-po sady malala-tanana i Tsoa. Tsy mba tia zavatra an-kinafina fa milaza avy hatrany izay tena ao am-pony. Manampy ny olona ao anaty fahasahiranana ihany koa izy. Tsy nahagaga raha vory ny namana sy olom-pantatra nanotrona sy nanao veloma farany azy», hoy Ravoniarisoa Simone , anabavin’i Tsoa.

Tsiaro an’i Dada

Telo mianadahy ny zanak’i Tsoa, samy manana ny aha­tsiarovany an-drainy daholo ireo zaza ireo. «Matetika aho no tenenin’i Dadanay foana fa ny lehilahy dia natao hamelom-bady aman-janaka. Fanaony ihany koa ny manome torohevitra sy anatra ho amin’ny fahendrena. Tena tia anay izy ary mitondra ahy tsara sy mifampiresaka ny fiainako ivelan’ny trano. Ny fitendrena gitara no tena ahatsiarovako azy», hoy Randriamananjara Manohisoa Sedo, zanany lahimatoa.

«Tia manambitamby dadanay ary tena tsara fanahy. Na dia izany aza dia tsy miresaka aminy firy ireo tsiambarateloko aho.», hoy kosa i Vololomananjara Maharitsoa Nadie, zanaka vavitokan’i Tsoa.

Fahabangana ho azy efa-mianaka tanteraka ny fandaozan’i Tsoa azy ireo tao anatin’ny tampoka sady tsy natrehi-maso akory ny fialany aina.

Mampiahiahy

Mbola ankamantatra ho an’ireo fianakaviana kosa hatreto ny nahitana ny vatana mangatsiakany teny Ankorondrano. Tanàna tsy mba falehany mantsy iny toerana iny. Gaga ihany ireo fianakaviana raha nahita tamin’ny gazety fa tany Ankorondrano no hita ny nofo mangatsiakan’i Tsoa. «Tsy mazava aminay hatreto ny antony nahitana azy tany Ankorondrano Andrano­mahery. Noho izy tsy dia salama dia tsy sahy mandeha tongotra lavitra nefa any no nahitana azy», hoy hatrany Ravoniarisoa Simone, anabavin’i Tsoa. Niezaka nampionona ny tenany ireto fianakaviana ary velom-panantenana tamin’ny fahitana ny nofo mangatsiakany. Mbola eo am-panatanterahana ny fombafomba fanao amin’ny fisaonana rahateo ry zareo, ka miandry am-pitoniana izay fomba rehetra ahafahana mamantatra ny antony nahafaty an’i Tsoa.

Ny fianakavian’i Tsoa dia maneho fisaorana ireo rehetra nikarakara ny razana hatreny Ankorondrano Andranomahery sy ireo izay nanampy tamin’ny fandevenana azy.

Sary sy soratra: Maminiaina Andri.

Very saina hatramin’ izao ny renin’ilay zazalahy matin’ny taksibe tetsy Masay Very saina hatramin’ izao ny renin’ilay zazalahy matin’ny taksibe tetsy Masay

 

NILAOZAN’I ANDRY, ZAZALAHY 14 TAONA, NY FIANAKAVIANY VOKATRY NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA NAMONOAN’NY TAKSIBE AZY, TETSY AMIN’NY LALAN’NY FARIHY MASAY, NY SABOTSY TEO. VOA MAFY VOKATR’ITY FAHAFATESAN-JANANY ITY NY RENIN’I ANDRY. NAHAGAGA FA TSY FANAON’ITY ZAZALAHIKELY ITY NY MAKA TRONDRO ETSY MASAY, KANEFA DIA NOHO NY FIHAZAKAZAHANY HAKA ILAY TRONDRO MBA AZONY NO NAMOIZANY NY AINY.

Maty voadonan’ny taksibe 163, tamin’ ny sabotsy 11mey teo, tetsy amin’ny arabe Marais-Masay, Rabariherilala Andry Jean Bertaoud. Zazalahy faharoa amin’izy telo mianadahy zanak’i Bariherilala sy Rasoarivelo Noéline. Mpianatra taona fahenina tao amin’ny CEG Nanisana izy ary monina etsy Amboditsiry kosa ireo ray aman-dreniny. Nilalao baolina toy ny fanaony hatrany i Andry, tamin’io  sabotsy io. Tampotampoka teo anefa dia nandeha naka trondro teny amin’ny Marais-Masay niaraka tamin’ny zokiny lahimatoa izy.

«Tsy fanaon’i Andry mihitsy ny maka trondro eny Masay. Isaky ny alahady aza matetika no entiko mitaingina lakana eny izy sy ny zokiny lahy ary i Andry hatrany no mitaona anay hody fa tsy zakan’ny sainy ny mahita ireo fiara mirimorimo amin’iny arabe iny. Tsy nampoiziko mihitsy hoe ny zanako no ho fatin’ny lozam-piarakodia eo amin’io lalan’i Masay io», hoy i Bariherilala, rain’i Andry, nitantara ny nanjo an-janany.

«Niara-naka trondro teny amin’i Masay izahay. Efa tafita tety an-kavanan-dalana izahay roa lahy nefa hadinony teo amoron-drano ny trondrony. Ndeha hiverina haka ilay trondro i Andry ary efa eo amin’ilay sisin-dalana (trottoir) afovoany no nisy taksibe 163 anankiroa nifanenjika avy any andrefana hifam­pisongona ka nifaoka azy. Nipitika sahabo ho 100 metatra izy izay vao nitontona tamin’ny tany ary mbola nodiavin’ilay kodiarana  roa tamin’ny ilany havian’ilay fiara», hoy indray ilay zokiny lahy, latsa-dranomaso sy mbola nangovingovitra raha nampahatsiahy ny fitrangan’ny loza tamin’io andro io.

Tsy niverina ny sain-dreniny  

Tsy nahatsiaro saina ny reniny nandritra ny naha teo am-bohitra ny razana. «Tsy nahatsiaro saina ny vadiko ary tsy navela hijery ny nofo mangatsiakan-janakay izy nandritra ny fotoana niaretan-tory», hoy i Bariherilala vadiny. Tsy fantany na dia ny rahavaviny aza nefa efa olona mifanerasera aminy isan’andro.

Mihendratrendratra hatrany ity renim-pianakaviana ity taorian’ io loza io, na dia efa ho herinandro latsaka kely aza no namoizany ilay lahiaivony. Rehefa tsy verivery saina toy izany izy, dia mba mitony rehefa matory, raha ny fahitana azy tao an-tokantranony, omaly.

Mbola ady sy tolona ho an’i Bariherilala koa hatreto ny fitsaboana io vadiny io sy ny fanambatambazana azy hiezaka handamina ny fiainany. Miezaka manampy sy manohana ara-tsaina azy ireo fianakaviana hatramin’izao.

Ar 7 000 monja

«Nantsoin’ny rahavavin’ny vadiko aho io sabotsy io ho any amin’ny kaomisaria ao Tsaralalàna ary nasainy nitondra bokim-pianakaviana sy kara-panondro. Tsy nanana afa-tsy vola Ar 7 000 aho tamin’izay nefa nasain-dry zareo nandeha fiarakaretsaka. Tonga tao amin’ny birao aho ka ny vaovao momba ny fahafatesan’i Andry tamin’ny fahitalavitra tao amin’ny polisy ao Tsaralalàna no nitsena ahy. Ankona tsy nahateny aho fa avy dia ny ranomasoko no nirotsaka», hoy hatrany ny rainy mitantara ny olana nosedrainy tamin’io andro io.

Tsy nanam-bola ny fianakavian’i Bariherilala tamin’io fotoana io nefa ny adidy tsy maintsy hatrehina. Isan’ny nanampy azy ireo betsaka ny Kaomisera Ranaivoson Alexandre, talen’ny sampana seraseran’ny Polisim-pirenena, tamin’ny fikarakarana sy famoahana ny razana avy ao amin’ny tranom-paty.

Mpanaja olona

Mampiavaka ny toetran’i Andry ny fifaneraserany tamin’ny mpiara-monina rehetra, eny fa na ireo olon-dehibe tsy fantany aza. «Zazalahikely tsotra sy tia manaja olona izy. Vatrany ny miarahaba ireo olon-dehibe eto an-tanàna  isaky ny handeha hianatra» , hoy i Soanandrasana Elisabeth, rahavavin-dreniny.

Tsy mba tia adiady i Andry na dia misy aza ireo ankizy lahy mihetraketraka aminy. Mpikambana amin’ny fikambanana skoto rahateo ny tenany ary io no namolavola azy hanana fandeferana sy tia mandray andraikitra. Tena ankafiziny ny lalao baolina kitra sy ny fanenjika.

«Niteny tamiko izy fa tsy hianatra intsony  tamin’ity taona ity raha tsy afaka taona fahenina tao amin’ny Ceg Nanisana», hoy hatrany ny rahavavin-dreniny. Hafaliana anefa ny azy tamin’ny nahitana ny valim-panadinana hidirana taona fahenina satria afaka soa aman-tsara. Zaza mpankatoa anatra i Andry saingy tsy manaiky lembenana kosa izy raha hitany fa marina ny azy na dia horesena lahatra mandra-pahariva ny andro aza.

Nangonin’i Maminiaina Andri.

Mananara Avaratra – Misy ambadika ny raharaha andramena Mananara Avaratra – Misy ambadika ny raharaha andramena

Mampiahiahy ny zanak’i Mananara Avaratra ny fihetsiky ny manampahefana sasany, izay toa tsy taitra mahita ny fandripahana sy fanondranana ny andramena. Ny hafa aza dia manararaotra ny zava-misy hangoronan-karena. Ny mponina any an-toerana no mahita ifotony ka mitantara ny tena ao ambadiky ny raharaha andramena   

«Zaha-poagna sy atô tsy hita ny fandrobagna boaderôzy aty aminay. Ny fanjakagna mizaha foagna», hoy ireo mponina any an-toerana. Toa very fanahy mbola velona ny any Mananara Avaratra mahita maso ny fitrandrahana sy fanondranana tsy amin-tahotra ny andramena, na dia efa namoaka didy fandraràna izany aza ny fitondrana foibe. Efa anaty tambajotra matanjaka ireo mpanao «tantely afa-drakotra» ny harem-pirenena ka sarotra ny mamaky ady aminy, araka ny fanazavan’ireo mponina sasantsasany, izay hany sahy miresaka ity raharaha andramena ity.

«Izahay miteny izao tsy misy  »parapluie » fa Andriamanitra an-tampon’ny loha no ianteherana», hoy Rabemazava Soa Jean, raha namaky bantsilana fa fanta-poko, fanta-pirenena ny tompon’ny sambo anondranana ireo andramena any Mananara Avaratra. «Na ny toerana misy ny tahiry, any amin’ny dimy kilaometatra miala eto amin’ny tanànan’i Mananara aza dia fantatry ny rehetra», hoy ihany ity filohan’ny fikambanana Maso (Mananara Solidaire) ity, nanohy ny teniny.

Efa betsaka ihany ny tompon’andraikitra sy manampahefana nidodododoan-dry Rabemazava Soa Jean sy ny namany, nanaovana fanairana saingy toa tsy nisy vokany mivaingana izany hatreto, araka ny fanombanany azy. Toa vao mainka aza manome vahana ny mpanao ratsy. «Misy mpikambana ao amin’ny Parlemantan’ny Tetezamita milaza fa hanampy anay dia mangataka aminay ny anaran’ireo mpanao ‘bois de rose’ tsy ara-dalàna sy ny mpiray tsikombakomba aminy. Rehefa azony anefa ny anarana dia entiny ampitahorana sy hakana vola any amin’ireto farany», hoy ihany Rabemazava Soa Jean naneho ny hakiviany amin’ireo olona mba nitarainana.

Basy atifi-kavana

Ny solontenam-panjakana any an-toerana dia naneho fahavononana handray fepetra manoloana ny gaboraraka. Namory ny OMC (Organe mixte de conception) izay ahitana ny Kaomandàn’ny borigadin’ny zandarimaria sy ny Kaomiseran’ny polisy ary nitarina tamin’ny tompon’andraikitry ny ala, ny Lehiben’ny distrika Raharison Mahatombo, tamin’ny volana avrily. Tapaka tamin’izany fa hatao ny andrimasom-pokonolona any amin’ireo toerana tena anaovan’ireo mpandroba ny harem-pirenena ny asa ratsiny. Hampiasaina koa ny mpitsikilo (agent de renseignement) izay hanaitra ny mpitandro ny filaminana, arakaraka ny zava-mitranga. Atao avy hatrany ny fisamborana dia tanterahina ny fombafomba rehetra voafaritry ny lalàna ahafahana manohy ny fanenjehana.

Tsy nafenin-dRaharison Mahatombo fa mametraka olana ara-piarahamonina ny fandraisana fepetra famaizana ny raharaha maizin’ny andramena. Mitaraina mantsy ny zanak’i Mananara, hoy izy, fa rehefa tonga ny andro iray dia ireo tompon-tany no miditra am-ponja «fa ry zareo tena tompon’andraikitra avy any Sambava na Antalaha na Antananarivo lasa mitsoaka».

Antso, noho izany, no nalefan’ny Lehiben’ny distrika tamin’ny mponina mba hampitsaharan’izy ireo ny fampanofana fiara na lakana na trano na tokontany amin’ny mpanao andramena.

Voaroba i Verezantsoro

Toerana telo no tena ivoahan’ny andramena ao Mananara Avaratra, dia ny ao amin’ny fokontany Enara, kaominina Antananivo, fokontany Ivarary, ao amin’ny kaominina Sandrakatsy ary ny manodidina ny fokontany Antevialabe, ao amin’ny kaominina Antanambe. Ireo rehetra ireo dia tafiditra ao amin’ny faritry ny ala arovana Verezantsoro. Misy ihany anefa ny avy any amin’ny kaominina Manambolosy.

Ny ankamaroan’ireo andramenan’i Mananara dia tsy maintsy mandalo eo amin’ny vinany antsoina hoe Agnalila, vao akarina ao anaty sambo lehibe hitondra azy any ivelany. Any Sina matetika ny seranana iantsonan’ireo andramena avy aty Madagasikara. «Tsy misy tetiandro mazava ny fahatongavan’ny sambo fa rehefa voaangona ny entana dia vonona io. Tsikaritra anefa fa mielanelana roa volana eo ho eo ny fiavian’ny sambo. Sambo mahazaka entana any amin’ny 1 500 taonina na 2 000 taonina izy io», hoy Rabemazava Soa Jean, nijoro tsy nihambahamba.

Ny tangalamena Bonsantiry dia nivaky fa «botry sy sambo kely mahazaka entana 50 hatramin’ny 100 taonina miisa am-polony isam-bolana no mivoaka ny reniranon’i Managnara, mitondra andramena aondrana any an-tsambo efa miandry eny afovoan-dranomasina tsy lavitra ny morontsirak’i Mananara».

Kononkononina ny «Dina»

Andrandrain’ny mponina ny fahazoana tamberim-bidy avy amin’ireo andramena nogiazana mba hahafahana mampandroso an’i Mananara Avaratra. Teo anivon’ny Sehatra fifampidinihana Crdm no nitsiry ny hevitra hametrahana Dina ho amin’izany. «Hatreto dia tsy hita taratra amin’ny endrika ivelan’ny tanana ny fananan’i Mananara ireo harena isan-karazany. Takianay ny hanomezana tamberim-bidy anay avy amin’ireo andramena nogiazana», hoy Rabemazava Soa Jean.

Amin’ny alalan’ny Dina no heverin’ny Crdm fa hanatanterahana izany. Saingy hatramin’izao dia mbola tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny manampahefana io Dina io.  Nomarihin’ny Lehiben’ny distrika, Raharison Mahatombo, fa ankoatra ireo andramena nogiazana dia misy koa ireo hazo nanaovana fanambaràna. Atoby amin’ny toerana vitsivitsy ireo andramena ireo ka tsy azo ahetsika mandra-pisian’ny didy avy amin’ny Fanjakana. Ireo dia hazo tapaka talohan’ny fandraràna ny fanapahana, fitaterana ary ny fivarotana ny andramena navoakan’ny Fanjakana.

Midangana ny vidim-piainana

Lafo fiainana indrindra amin’ireo tanàn-dehibe any amin’ny faritra misy azy i Mananara Avaratra. Misondrotra ny vidim-piainana indrindra amin’ny fotoanan’ny fiotazana jirofo sy lavanila eo anelanelan’ny volana oktobra sy janoary. Mampiakatra ny vidin-javatra koa ny fananan’ny olona vola noho ny raharaham-bato kristaly. Mbola ny Sinoa ihany koa no tonga manangona vato any an-toerana.

Tafakatra hatrany amin’ny 24 000 Ariary ny iray gony amin’ny saribao rehefa miakatra ny jirofo, raha vidiana 8 000 Ariary izany andavanandro. 450 Ariary no ividianana ny kapoakan’ny vary. Iray alina ariary ny kilao amin’ny hena mifangaro ary 12 000 Ariary ny nofony. 4 500 Ariary kosa ny litatra amin’ny lasantsy.

Heritiana Rabesetra

 

 

Fotodrafitrasa – Misedra lava ny tsy faham­piana kianja ireo mpanao fanatanjahantena Fotodrafitrasa – Misedra lava ny tsy faham­piana kianja ireo mpanao fanatanjahantena

Olana sedrain’ny ankamaroan’ny mpikarakara hetsika na fihaonana momba ny fanatanjahantena ankehitriny ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa azo ilalaovana, na an-tanàn-dehibe na eny ambanivohitra. Misy koa ny tsy fahampian’ny fikojakojana azy ireny ary ao koa ireo efa antitra ka tsy azo ilalaovana na tsy manara-penitra intsony. Ahiana tsy hahitam-bahaolana ity tsy fahampian’ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ity. Matetika ny vola azo kely avy amin’ny fihaonana iraisam-pirenena no hararaotina hanatsarana ny kely ananana.

Ekipa vitsy no tsy manofa kianja

Azo isaina amin’ny ratsan- tanana ny ekipa tsy manofa kianja hilalaovana, amin’ny taranja rehetra, raha ny eto amintsika no resahina. Miankina amin’ny politika arahin’ny mpitantana ireny fotodrafitrasa ireny matetika ny fahatezan’izy ireny na tsia. Samy hafa koa matetika ny olana atrehan’ ny taranja lalaovin’ olon-tokana sy ny taranja itambaram-be.

«Manofa 80 000 ariary isam-bolana ny toerana azonay ilalaovana rugby izahay. Efatra ora isan-kerinandro na adiny roa isaky ny milalao no azonay ampiasana azy ho an’ny kianja fotsiny. Tsy mbola manana toerana manokana na foibe azo ivoriana na azo ikolokoloana hozatra izahay, ankoatra ny olana ara-pitaovana na eo amin’ny rugby na ny kitra», hoy ny mpitantana ekipa iray efa am-polo taona maro nijoroana.

«Manofa isam-bolana ny toerana fanaovanay fifanintsanana ara-panatanjahantena izahay, isaky ny sabotsy sy alahady. Olana koa anefa ny fiambenana ny manodidina ny kianja. Misy ireo misompatra, minia mametraka fiara eny an-tsisin’ny kianja, hanelingelenana ny fizotran’ny lalao. Misy mamaky ny baolina ilalaovana raha sendra lasa any amin’ny taniny. Nahita izany izahay na teny Ambohimangakely, na Ambohimanarina, na Fort Duchesne na Andoharanofotsy. Misy aza minia mamefy ny kianja fotsiny noho ny fialonana», hoy Randrianindrina John, mpandrindra fihaonana ara-panatanjahantena eto Antananarivo.

Sasatra ny manarina kianja 

Ho an’ny Fimita, mpikarakara fihaonana eo amin’ny kitra lalaovin’ olona fito eny amin’ny Boulevard de l’Europe dia asa goavana no miandry azy isan-kerinandro vokatry ny fampiasan’ny fiarakodia vaventy ny toerana ilalaovana. «Voatery mitaona tany izahay hanotofana ny lavadavaka avelan’ireo kamiao lehibe mive­zivezy eo amin’ny kianja, mialohan’ny hilalaovana isan-kerinandro», hoy Gilbert Fanahisoa, ao amin’ny Fimita.

Voatery nampiato ny lalao nokarakarainy koa i Tanteliharimalala Annie, hany vehivavy mpandrindra lalao ara-panatanjahantena ho an’ny kitra lalaovin’ olona 11, eny Mahazoarivo atsinanana noho ilay kianja dibo-drano sy feno lavadavaka tamin’ny nandalovan’ny orambe farany teo. Namoaka vola mihitsy izy nanamboarana ilay toerana ka tamin’ny Paska teo vao mba azo nilalaovana sy nanohizana ny fihaonana efa nomanina.

Dobo filomanosana sivy

Dobo filomanosana sivy ihany no hany azon’ny mpitia fifaninanana lomano 1 000, hanazaran-tena manerana ny Nosy. «Fotodrafitrasa efa niorina tany amin’ny taona 1960 sy 1980 ny ankamaroan’ny dobo filomanosana eto amintsika ka efa tsy manara-penitra ny ankamaroany. Toy ny lalana eto amintsika ihany, atahorana tsy ho azo ampiasaina intsony ny ankamaroany noho ny tsy fahampian’ny fikojakojana, vokatry ny tsy fahampiana ara-bola eo amin’izay mitantana azy», hoy Razafimahatratra Dina, tale teknika nasionaly eo amin’ny taranja  ny tenisy.

Ilaharana na efa andoavam-bola aza

Ny toerana azo ilalaovana tennis, ohatra dia marobe izy ireny no eo am-pelatanan’olon-tsotra. «Saika natao fitadiavam-bola ireny kianja filalaovana tennis ireny. Misy andoavana saram-pampiasana 700 000 Ariary isan-taona na latsakemboka 100 000 ariary vao azo ampiasaina. Misy klioba mampandefitra ny fanomanana ireo solofo dimbin’ny ala, ka izay manam-bola ihany no mibahan-toerana. Na mandoa volabe aza ny olona, mbola milahatra ela vao mahazo kianja. Izay no mampalaina ny olona amin’ny fanatanjahantena. Ny kianja ao Ankatso, ohatra, noho ny politika narahin’ny mpitantana azy dia saika ny 90% ny sangany eo sasany amin’ny mpitia lalao tennis no novolavolaina tao», hoy Razafima­hatratra Dina.

Isaky ny alarobia sy sabotsy amin’ny 12 hatramin’ ny 4 ora, atokan’ny mpitantana ho an’ireo solofo dimbin’ny ala amin’ity taranja ity ny kianja eny amin’ny oniversite Ankatso.

Toeram-pianarana lehibe vitsivitsy ihany noho izany no afaka mametraka politikam-pampianarana momba ny  fanatanjahantena ao anatin’ny sekoly misy azy, noho io tsy fahampian’ny fotodrafitrasa io.

Taranja roa na telo ihany

Any amin’ny firenena sasany dia nisy nifidy nanangana foibe fanazarantena ho an’ny taranja vitsivitsy, izay heveriny fa tokony hatosika toy ny kitra, baskety, rugby, ohatra na kitra, lomano, atletisma. Raha momba ny lomano, ohatra dia tokony hisy dobo filomanosana, efitra fisoloana akanjo, efitra fatorian’ny atleta, toeram-pisakafoanana ho an’izay voafantina hanaraka fiofanana na fanazarantena ny foibe atsangana.

«Latsa-danja hatrany ny fikarakarana ny fotodrafitraasa ho an’ny taranja iombonambe raha mitaha amin’ny taranja lalaovin’ olona vitsy , izay mora kokoa ny sara fanorenana na fikarakarana azy. Natsangana, ohatra ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina ary mba mahazo ny vola hihodinana. Mahazo vahana kokoa anefa ny kolontsaina noho ny fanatanjahantena amin’izany», hoy Razafimahatratra Dina. Mampihemotra ny fitiavana fanatanjahantena izay fahasarotan’ny fampiasana fotodrafitrasa izay.

Refin’ny kianjana kitra manara-penitra :
Kitra lalaovin’olona 11 : 110 x 68 m
Kitra lalaovin’olona 9 : 90 x 70 m
Kitra lalaovin’olona 7 : 70 x 60 na 50 m
Kitra lalaovin’olona 5 na 4 : 35 x 15 m na 45 x 30 m raha misy mpiandry tsatokazo.

Refin’ny kianjana baskety :
28 x 15 m amin’ny ankapobeny. Nampitomboin’ny FIBA kely anefa ny habeny tamin’ny 2010.

Refin’ny kianjana volley :
18 x 9 m miampy sisiny 3 m.

Refin’ny kianjana tennis :
23,77 x 8,23 m.

Nangonin’i Barphil Andriantsiferanarivo

Hetraketraky ny fiainana – Nametraka taratasy mifono hafatra ho am-badiny ilay raim-pianakaviana nisy namono Hetraketraky ny fiainana – Nametraka taratasy mifono hafatra ho am-badiny ilay raim-pianakaviana nisy namono

Herintaona lasa izay! Tao anaty alina maizin-kitroka no nandaozan-dRaherimanana Dina Lalaina tampoka ny vady aman-janany, ny fianakaviany sy ny namany rehetra vokatry ny tsatok’antsy niantefa teo amin’ny tendany. Teny Vontovorona no nisehoan’ity tranga ity.

Nandritra ny fotoam-pivavahana ho faha­tsiarovana azy, tao amin’ny Lasapelin-dry masera, tetsy Amparibe, omaly alahady, no nahafantarana fa nisy taratasy miendrika hafatra napetraky ny maty. «Namaky ilay ravin-taratasy iray fijeriny isan’andro izay aho herinandro taorian’ ny nahafatesany. Tsy mbola fantatro mihitsy izay voasoratra tao anatin’io taratasy io talohan’izay. Taitra aho rehefa namaky ilay izy fa tenin’ Andriamanitra maro be no tao anatiny. Sahala amin’ny hoe navelany ho ahy mba hataoko fiononana io taratasy io. Nataoko tao anaty fitoe­ran-tsary ilay taratasy ary nasiako zoron-trano manokana hahatsiarovana azy ao aminay ka teo no nametrahako ilay soratra miaraka amin’ny sariny sy ny zavany rehetra», hoy ny nambaran-dRajaonera Herimanana Francia, vady navelan’i Dina.

«Lasa fampaherezana ho ahy ny famakiana io taratasy io isaky ny misy olana mianjady amiko na koa tena malahelo azy aho. Sahala amin’ny mahita azy izany aho rehefa mamaky ireo hafatra maharitraritra», hoy ihany ity vadiny ity.

Manaiky aho

Hipoka ny fiangonana, omaly alahady, nandritra ny fotoam-pahatsiarovana an’i Dina. Saika maso nanganohano no hita teo amin’ireo mpanatrika. Nanakoako tao am-pian­gonana ilay hira malaza an’ i Firmin mitondra ny lohateny hoe:  »Manaiky aho ».
«Mino aho fa misy ny lanitra ary efa sambatra any izy izay. Izany no itiavako ilay hira hoe  »Manaiky aho » iny. Rehefa maheno ny tonon’iny hira iny aho dia tsy hitako intsony izay antony itomaniana. Tsapako avy hatrany fa toa misy hery hafa hoentin’iny hira iny eo amin’ny fiainako», hoy ny nambaran-dRajaonera Herimanana Francia, vady navelan’i Dina.
Tao anatin’izay herintaona izay dia mbola misy ireo fahatsiarovana tsy mety maty ao an-tsaina ho an’ireo fianakaviana sy ny

namana akaikin’ity raim-pianakaviana namoy ny ainy teo amin’ny faha-23 taonany ity.

Tsy mety maty

«Mbola tsy mety maty fa vao mainka mamaivay be ny fahatsiarovana azy. Amin’ny zavatra atao rehetra sy eny an-dalana eny dia misy haha­tsiarovana azy hatrany. Sahala amin’ny hoe  »feno azy ny tontoloko »», hoy ihany ny vady navelany.
«Mbola tsa­roako foana ilay izahay tao anaty fiara handeha ho any amin’ny hôpitaly tamin’izy vao voa tamin’iny fotoana iny», hoy kosa ny nambaran-dRakotondrabe Zarasoa August, namana akaiky an’i Dina sady niaraka taminy tamin’ny fotoana vao nahavoa azy.

Tetsy an-daniny anefa Rajaonera William, rafozan’i Dina tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony tao am-piangonana dia niezaka nampionona raha nilaza fa «efa nivadika ny pejy mikasika iny tantara iny ka ny toetran’i Dina sy ny ohatra napetrany no tokony ho alain-tahaka».

Ny fifankatiavana kosa no notsindrian’ny pretra nitarika ny fotoam-pivavahana tamin’ny torinteny nataony. «Aoka isika hifankatia, hoy izy, satria isika no sisa velona eto. Tsy fivavahana amin’ny maty no anton’izao Sorona Masina izao fa fivavahana ho an’ny fanahin’ireo olona mijaly ao amin’ny afo fandiovana».

«Handeha hamonjy fety teny Vontovorona no nialany tao an-trano tamin’io zoma io. Ny sabotsy tokony ho tamin’ ny 3 ora maraina anefa no nisy nampandre izahay fa maty ary efa eny amin’ny tranom-paty izy. Rehefa nofantarina ny antony nahafaty azy dia ra nivaingana tany amin’ny lohany», hoy Raherimanana Marie Martial, rain’i Dina, tamin’ny fotoana nitrangan’ity voina ity, herintaona lasa izay.

Toetra nafindra

Vao 3 taona ny zanak’i Dina ary raha ny filazan’ny fianakaviana dia tena manahaka an-drainy tokoa ilay zaza.
«Isaky ny mijery io zanany io aho dia toa mahita azy mihitsy. Tsy misy mpanana mihitsy ny fijerin’io zaza io, tena mitovy amin’ny fijeriny. Hita amin’ny tarehin’io zaza io avokoa ny toetran-drainy rehetra izay mitory fitiavana sy fahatsorana», hoy ny nambaran’i Hery Soa, fianakavian’ny vadin’i Dina.

Mbola tsy hita

Tsy nitsahatra nikaroka ny marina mikasika iny vono olona iny hatramin’izao ny mpitandro ny filaminana sy ny fianakavian’i Dina. Mbola miriaria any anefa ilay lehilahy voatondro ho nanindrona antsy azy. «Tsy misy zavatra azo lazaina betsaka afa-tsy ny hoe mivoatra hatrany ny toe-draharaha», hoy ny nambaran-Raherimanana Marie Martial, rain’i Dina.

Rehefa nanontaniana kosa ny teo anivon’ny mpitandro ny filaminana, mandray an-tanana io raharaha vono olona io dia nilaza fa «tamin’ ny fotoana nisehoan’ny voina dia efa naparitaka any amin’ireo toerana rehetra misy mpitandro ny filaminana manerana an’i Madagasikara ny sarin’ilay voatondro ho nahavanon-doza».

Tao aorian’ilay fotoam-pivavahana, omaly, dia nanatitra voninkazo tany amin’ny fasan-dRaherimalala Dina Lalaina, tetsy Ankadikely Ilafy ny vady aman-janany sy ny fianakaviany ary ny namany rehetra.

Soratra: Haja Randrianatoandro

Sary: Mamy Maël

Aretim-po sy alahelo – Reny namoy ny ainy,  tsy nahazaka ny fahafatesan-janany Aretim-po sy alahelo – Reny namoy ny ainy, tsy nahazaka ny fahafatesan-janany

Nifanao roa volana katroka ny nahafatesan’ilay renim-pianakaviana sy ny zanany. Tsy mampandre marina Rafahafatesana. Tampoka tamin’ny fianakaviana sy ny manodidina rehetra ny nahafatesan-dRazafiarijay Claudine Léa, vokatry ny fijanonan’ny fo tampoka, na dia mbola teo aza ireo tetikasa maro nokasainy niaraka tamin’ny ankohonany.

Folaka an-dantony. Nifanesy tao amin’ireto fianakaviana ireto ny fahoriana nandritra ny roa volana. Mbola tao anatin’ny hery sy ny hatanorana tanteraka no nindaosin’ny fahafatesana tampoka Razafiarijay Claudine, renim-pianakaviana 36 taona, monina etsy Ambatoroka. Nifanao roa volana ny andro nahafatesany sy ny zanany vao 20 volana monja. Ny 21 febroary teo no maty ny zanany ary nanaraka azy roa volana katroka taty aoriana ny reniny ny 21 aprily teo.

Tampoka tamin’ny olona rehetra io fahafatesany io satria na ireo vady aman-janany aza tsy nahatsikaritra zavatra hafahafa taminy, talohan’izao fahoriana izao. « Mbola niresaka tsara izahay ny alina alohan’ny hatory. Tsy nisy na inona na inona mihitsy ahafantarana fa ho faty izy. Tamin’ny 21 avrily tamin’ny 1 ora sy 30 maraina izy no henoko nivadika mafibe tampoka. Nitrena mafy izy avy eo ary nojereko dia hitako fa nibontsina ny tratrany sy ny tendany. Niantso mpitsabo izahay nefa rehefa tonga ity farany dia nilaza fa efa tsy namana intsony. Nisy lalan-dra lehibe tapaka tao amin’ny fony », izany no fitadidian-dRahaingoarijaona Mamy, vadiny ny fotoana farany niarahana taminy.

Alahelo niotrika

Tsy nisy nino ny fahafatesan-dRazafiarijay Claudine ny manodidina. « Vao omaly hariva izy no niresaka sy nifananihany taminay sady nividy zavatra teto », hoy ny mpivarotra iray mpiara-monina aminy. Olona sariaka, tsotra ary tia fihavanana i Claudine, fony fahavelony, raha ny fitantaran’ny olona rehetra mahafantatra azy. Noho izay fahatsorany izay anefa no notombanan’ireo vady aman-janany fa mety nitarika ny fahafatesany, izay hitan’izy ireo taratra hatramin’ny nahafatesan’ny zanany 20 volana, tamin’ny 21 febroary teo ihany.

« Vao dimy volana io zanakay farany io dia efa narary niditra hopitaly matetika. Nisy fotoana narary mafy ilay zaza ary niditra hopitaly indray teo amin’ny faha-20 volany, kanjo maty avy eo. Hatramin’ny nafatesan’io zaza io dia lasa malahelohelo sy manomboka sempotra matetika izy. Efa nentina tany amin’ny mpitsabo ary notarafina ka hita fa mivonto ny fony. Izany rehetra izany anefa tsy hita soritra ety ivelany mihitsy amin’ny fahavitrihany manao zavatra. Tokony hiverina hanao fitsaboana izy tamin’ny 28 avrily teo kanjo maty ny 21 avrily », raha ny fitantaran’i Mamy vadiny hatrany.

Notombanan’ity raim-pianakaviana ity hatrany fa mety ho takaitra avy amin’io zaza io no nahatonga ny fahafatesany. « Telo mianadahy sisa ny zanakay velona saingy tamin’ny andro mialohan’ny nahafatesany io no narary koa ilay farany teo an-tanana. Ohatry ny niady saina tamin’io zaza marary io angamba izy saingy niezaka nanafina ka nahatonga ny fijanonan’ny fony tampoka », raha ny fiheveran’ny vadiny hatrany.

Olon’ny finoana

Tsy mitovy tokoa ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy. Nahagaga ny olona rehetra ny nahita ny herin-tsaina nananan’ny vady aman-janany manoloana izao fahoriana izao. « Misy ny alahelo saingy hain’ny fiarahamonina ny mitaiza ny olona nidonan-javatra. Hery lehibe ho anay ny fanohanan’ny fiangonana sy ny olona rehetra. Tsaroako tsara ny anatry ny mpampianatra sekoly alahady ahy tamin’io fotoanan’ny fahoriana io hoe « Mahareta amin’ny finoana ary tazomy izay efa nampianarina anao », hoy ity raim-pianakaviana ity.

Amin’ny maha renim-pianakaviana ity namoy ny ainy kosa anefa dia mahatsiaro fahabangana lehibe ihany ireo ankohonany. « Ny fandaminana tanteraka ny tokantrano no tena olana. Hafa ihany ny reny amin’ny fandaminana, indrindra rehefa amin’ny maraina. Noho izay fahabangana izany dia lasa mitombo hatramin’ny vola mivoaka satria tara lava amin’ny asa aho matetika dia mandeha taksibe raha vita dian-tongotra teo aloha », hoy hatrany i Mamy.

Mifanohana hatrany amin’izy efa-mianaka kosa anefa ny fianakaviany satria mbola velon-dray aman-dreny sy rafozana ary rafozambe i Mamy. « Tsy maintsy miatrika ny fiainana. Ny fikarakarana an’i Dada sy ny zandriko no tena imasoako ankoatra ny fianarana. Na izany aza tsy adinoina ny asa fanompoana ataoko eo anivon’ny fiangonana misy anay », hoy kosa Rasoahaingo Laiticia, zanaky ny maty vavimatoa, 14 taona, vonona handray andraikitra.

Sary sy soratra: Lilia Rajaonah

 

Asan-jiolahy sa… ? – Tovolahy kely iray sambany vao niakatra ny renivohitra nisy nikasa handoro tao an-tranony Asan-jiolahy sa… ? – Tovolahy kely iray sambany vao niakatra ny renivohitra nisy nikasa handoro tao an-tranony

Vao mangiran-dratsy ny andro kanefa dia zava-doza no nanaitra ny mponin’Ankazolava ambony sy ny manodidina, ny sabotsy 27 avrily teo. Tovolahy kely 13 taona mantsy no voalaza fa nisy nikasa handoro velona tao an-tranony. Afaka nitsoaka ihany anefa io zaza io raha vantany vao nirehitra ilay trano.

Tovolahy vao nalaina niakatra avy any ambanivohitra izy io kanjo izao tra-doza izao. « Tsy nanana indra fo mihitsy ireo olon-dratsy fa notampenany tamin’ny lamba ny vavan’ilay zazalahy mba tsy ahafahany miantso vonjy ary nodoran’izy ireo avy eo ny trano », hoy  Radasiarison Jean Baptiste, lehilahy monina eo ampitan’ilay trano nisy nandoro.

« Nivoaka nandeha nivalan-drano aho ny maraina tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany teo ho eo. Tsy nisy olona hitako mihitsy anefa na iray aza teo amin’ny manodidina. Tokony ho tamin’ny 5 ora dia nisy olona henoko nitsaitsaika ka nivoaka aho. Ny zanaky ny tompon’io trano may io no hitako ary nilaza izy ireo fa handeha hanao volo ka niverina natory indray aho. Tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany dia nisy nandondona mafy ny tranonay ka ilay zaza efa nifatotra teo amin’ny vavany sy ny tranony efa nirehitra no hitako. Taitra ihany aho satria mbola tsy nisy antsasak’adiny akory no nivoahako teo an-tokotany. Ilay fatorana teo amin’ny vavan’ilay zaza nigeja mafy dia mafy no novonjeko novahana voalohany », hoy ilay raim-pianakaviana mpiray vodirindrina amin’ity fianakaviana ity.

Avy any ambanivohitra

Raha ny fantatra dia vao sambany no tonga teto an-drenivohitra ity tovolahy ity ary vao volana vitsivitsy izay no naha teto azy. « Nantsoina avy any Antsirabe izy sy ny zokiny mba hitaiza ny zandrinay, izy rahateo efa tsy mianatra intsony », hoy Razanakolona Rolande, zanaky ny tompon-trano vavimatoa. « Raha ny fitantarany taminay,dia efa fanindroany tamin’io izay izy no notongavan’ireo olona ireo tao an-tranony tao. Somary nahavariana ihany anefa izany satria ny olona eto amin’ny manodidina dia tsy misy mahita ny hidiran’ireo ao mihitsy. Ny voalohany mantsy dia tamin’ny 1 ora antoandro izy no tonga tao izahay anefa amin’izany dia manao volo eto an-tokotany eto ary ny olona sasany manao « lôtô ». Ny tena mahavaka ny saina dia izy irery foana no milaza fa mahita ny hidiran’ireo olona ireo ao an-tranony fa tsy misy olon-kafa mahatsikaritra izany mihitsy. Raha ny fitantarany taminay dia nandrahona izy ireo nanao hoe tsy misy iray minitra no handoroanay ireo entana rehetra ireo », hoy ihany i Marie Hélène, mpiray vodirindrina amin’ireo niharam-boina.

Lehilahy lava be

« Lehilahy lava be foana izany no tantarainy aminay fa hoe tonga ao aminy rehefa izy irery no ao an-trano. Tany am-boalohany izahay dia tsy nisy nino, tapa-bolana nialoha io voina nitranga io, fa noheverinay fa mpiasan’ny Jirama nanao fizahana kaonteran-jiro ilay izy », hoy ny nambaran-dRazanakolona Fine, tompon-trano. « Rehefa niseho anefa iny sabotsy iny vao nino ny rehetra hoe tena nisy marina ilay izy », hoy ihany ity tompon-trano ity.

« Toa nilatsaham-baratra izahay raha vao nandre ny vaovao. Ary vao mainka taitra raha vao naheno azy nitantara fa ilay olona lava be indray no niverina tao », hoy ihany i Fine.

« Tonga teny an-toerana nijery ireo niaram-boina izahay teto amin’ny fokontany. Nozahana ifotony ihany koa ny fahavoazana nahazo azy ireo. Rehefa sendra voina sahala amin’izao mantsy dia misy ny tranom-pokotany ka ao no apetraka ireo olona ireo rehefa tena tsy azo ipetrahana intsony ny tranony », hoy ny fanazavan-dRatsirarison Martin Luther, sekreteran’ny fokontany eny Ambohitsoa.

Haja Randrianantoandro

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite