![]() |
Fanabeazana – Nahazo tambajotra “internet” ny tanoran’ i Soavinandriana Itasy(0) Afaka manovo fahalalana amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao indray ireo mpianatra ao Soavinandriana. Nahazo solosaina efatra, miaraka amin’ny “connexion internet” haingam-pandeha izy ireo. Fiaraha-miasa teo amin’ny fikambanana Fitia sy ny orinasa Orange no nahafahana nanao izany. Ity farany ihany koa izay nametraka “coach multimedia” any an-toerana mba hanoro sy hampianatra ny ankizy amin’ny fampiasana ny “internet”. “Ianareo tanora no ho avin’ny firenena ka rariny raha ampiana. Iray minitra monja dia afaka mifanerasera eran’izao tontolo izao ianareo. Mampivelatra ny mpianatra io “internet” io. Raiso an-tanana ny ho avinareo satria isika miaraka no fampandrosoana”, araka ny fampaherezana nampitondrain’i Mialy Rajoelina, filohan’ny fikambanana Fitia, ireo mpiara-miasa aminy. Faritra faha-19 nahazo ny “internet” i Soavinandriana. LR |
|
Fanabeazana – Vita fanavaozana ny Epp Ambakirano Ambilobe
Nifanandrify tamin’ny fankalazany ny faha-111 taona nisiany ny fahavitan’ny fanavaozana ny Epp Ambakirano any Ambilobe, ny 06 mey lasa teo. Ny orinasam-pifandraisana Airtel, niaraka tamin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, no niara-nisalahy tamin’ny asa fanavaozana. Ny Epp Ambakirano, izay sekoly fanintelony eo ambany fiahian’io orinasam-pifandraisana io, taorian’ny Epp Mahavelona Antananarivo sy ny Epp Befanamy Toliara. Nahazo tombony manokana anefa ity sekoly tany Ambilobe ity satria sady nanamboarana toeram-pivoahana no nomena fitaovam-pampianarana isan-karazany ary aron’akanjo ho an’ireo mpianatra. Nisy ny lanonana ara- kolontsaina, narahina fisakafoanana niendrika nofon- kena mitam-pihavanana tamin’io andro nanatanterahana ny fitokanana ny fahavitan’ny asa fanavaozana io. AR |
![]() |
Fanabeazana – Nosoloina ireo lehiben’ ny Cisco maro manerana ny Nosy Tsy misy fiovana ny fanomanana fifidianana sy ny fanoloana ireo lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana (Chef Cisco) maro teto amin’ny Nosy. “Manahy amin’ny mety hidiran’ny politika eny anivon’ny fampianarana izahay. Nosoloina olona mpanao politika avokoa ireo lehiben’ny Cisco maro. Lasa atao fitaovana politika ny mpampianatra”, araka ny fitarainan’ireo mpampianatra ao amin’ny Sendikan’ny mpanabe eto Madagasikara na Sempama. Manahy mafy ny amin’ny mety ho fizotran’ny fanadinana ihany koa ity sendika ity, kanefa nanome toky ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa nosoloina teknisiana avokoa ireo tompon’andraikitra voalaza eo ambony ireo. “Tsy misy fiantraikany amin’ny fanadinana ny fifidianana ary tsy miova ny tetiandro rehetra”, hoy kosa Rabetahiana Pascal, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena. Mbola voatazona avokoa noho izany ireo datim-panadinana rehetra, ka ny talata 16 jolay ny Cepe; ny alatsinainy 29 jolay ka hatramin’ny 1 aogositra kosa ny Bepc. Toa izany koa ny bakalorea ankapobeny sy ny teknika. Manomboka ny 12 aogositra ka hatramin’ny 23 aogositra izao. LR |
|
Fanabeazana – Be ny mpianatra maniry hiditra eny amin’ny CEG
Somary ahitana fitomboana kely ny tahan’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana ara-panjakana Cepe amin’ity taona ity, raha miohatra ny tamin’ny herintaona. Ny eo amin’ny isan’ireo nisafidy ny haka ny Cepe fotsiny ihany anefa no vitsivitsy. “Mahatratra 26 320 ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana Cepe. Ny 2 979 amin’ireo ihany no haka ny Cepe fotsiny, raha tafakatra 23 000 no haka ny Cepe sy ny kilasy fahaenina miaraka, hidirana eny amin’ny CEG”, araka ny tarehimarika voaray teny anivon’ny fari-piadidiam-pampianaran’ Analamanga (Cisco). Hitsinjara amina toeram-panadinana 625 ireo mpiadina ireo. Mpanara-maso 1 692 no hifarimbona amin’izany ary mpitsara 1 915 no hisahana ny fitsarana ny taratasim-panadinana. Nampahatsiahy kosa ny avy amin’ny Cisco fa amin’ny 26 avrily izao no hifarana LR |
![]() |
Fanabeazana – Nahazo fanampiana Ar 1450 tapitrisa ireo sekoly tsy miankina Niroso tamin’ny fanampiana ireo sekoly tsy miankina ny avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Tamin’ny alakamisy teo no nisantarana ny fizarana ny fanampiana tetsy amin’ny Lycée Rabearivelo Analakely. Ireo sekoly tsy miankina ambaratonga fototra no fantatra fa hahazo izany anjara fanampiana izany izay mitentina Ar 1 450 tapitrisa. Entina hanampiana sy hanamaivanana ny vesatra zakain’ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny ankizy no voalaza fa anton’izao fanampiana izao. Misy ihany koa ny tetibola Ar 726 tapitrisa, fantatra fa novinain’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hoentina hampandeha ny fampianarana amin’ny ankapobeny. Mahatratra eo amin’ny 5 386 ireo sekoly tsy miankina hahazo ireo fanampiana ireo manerana ny Nosy, ka fari-piadidiam-pampianarana miisa valo eto amin’ny faritra Analamanga no efa notolorana ny anjarany tamin’ny alakamisy teo. “Hitohy amin’ny faritra maro izany ary hahazo ny anjarany avokoa ny fari-piadidiam-pampianarana rehetra”, araka ny nambaran’i Tsilanizara Maurille, talen’ny ofisy nasionaly momba ny fampianarana tsy miankina (Onep). LR |
|
Fanabeazana – Fanintelony amin’ny sekoly ahian’ny Airtel ny Epp Ambakirano
Mitohy ny firotsahan’ny orinasam-pifandraisana Airtel amin’ny fanohanana ny seha-panabeazana eto amintsika. Nitombo iray indray ny sekoly eo ambany fiahiany, ka taorian’ny Epp Mahavelona (Antananarivo) sy Befanany (Toliara) dia ny Epp Ambakirano tany Ambilobe indray no nohavaozin’ny Airtel. Ny 5 marsa lasa teo no nanombohana ny asa mifandraika amin’izany. Iarahany amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ity tetikasam-panabeazana ity. Manomboka izao dia hanana lava-piringa sy fitaovana hafa ary kojakojam-pianarana sy aron’akanjo ity Epp Ambakirano ity. Tamin’io 05 marsa io no nametrahana ny vato fototra nisantarana izany asa fanamboarana ny sekoly tany an-toerana izany. AR. |
|
Fanabeazana – Hisy ny fandraisana mpampianatra miisa 700 hataon’ny fanjakana
Tsy misy fenitra. Maro ireo mpampi- anatra Fram, izay mitaky ny handraisana azy ireo ho isan’ny mpampi- anatra raikitra amin’ny fanjakana. Hampiditra mpampianatra miisa 700 ny fanjakana amin’ity taona ity, ka 400 amin’ ireo Fram, 25 kosa ireo mpampianatra manana ny mari-pahaizana Capen. Araka ny fanazavan’ ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazam- pirenena, Rabetahina Pascal Pierrot, dia mametraka olana ankehitriny ny fisian’ ireo mampianatra Fram maro be. “Ireo ray aman-dreny mihitsy no manaonao foana satria tsy miera amin’ny minisitera mahefa izy ireo fa mampiditra ary manakarama mpampi- anatra hampianatra ny zanany. Tsy zakany anefa aty aoriana ny karaman’ ireo mpampiantra ka zary lasa vesatra ho an’ny minisitera ireny mpampi-anatra Fram ireny”. Tsy voatery ho mpiasam-panjakana Tsy voatery ho lasa mpiasam-panjakana avokoa anefa ny mpampianatra Fram satria mbola ireo nivoaka ny sekoly mampi- ofana ho mpampianatra hatrany no manana ny laharam-pahamehana. Ohatra akaiky amin’izany ny Epp Ampasimbe ao Vohitranivona, distrikan’ i Brickaville, izay nahazo trano fianarana vaovao kanefa tsy ampy mpampi- anatra satria roa monja ireo miandraikitra mpianatra miisa 100. Vokatry ny famatsiam-bola tamin’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana io fotodrafitrasa io ary ny Unicef kosa no nametrahana ny fananganana iray manontolo. Nanamafy Rabetahina Pascal Pierrot fa tsy ara-dalàna ny fisian’ny kilasy roa indray ampiarahana (classe multigrade) satria mpampianatra iray misahana ankizy 35 ka hatramin’ ny 40 no tokony ho izy, kanefa ny eny ambanivolo efa mihoatra io fenitra io. Farah Randrianasolo |
|
Fomba fanabeazana – Narafitra ho hira sy lalao ireo lesona any ampianarana
Olona maro no efa nitady ny fomba rehetra mora handraisan’ny mpianatra ny lesona any ampianarana. Isan’ny nanao izany ny fikambanana Katraka izay mivoy ny fomba fampianarana amin’ny alalan’ny hira sy ny lalao. “Hita fa moramora kokoa ho an’ny ankizy ny mandray ireny hira sy lalao ireny. Fitaizana ny ankizy hahatonga azy ho olona ilaina ary feno amin’ny ara-batana sy saina ary fanahy no tena tanjona”, hoy Rafalimanana Haja, lehiben’ny Katraka. Hita ao anatin’izany, ohatra, ny fampianarana ny tantara sy jeografia amin’ny alalan’ny lalao sabaka. Efa nisy ny fifanarahan’ny fikambanana tamin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hampiharana izany eny anivon’ny sekoly. Sekoly miisa enina no nanaovana andrana tamin’izany, ahitana Epp telo sy sekoly tsy miankina telo. Ny kilasy T3 sy T4 no nanaovana ny fampiharana. LR |
|
Fanabeazana – Tsy tafiditra an-tsekoly ny 60%-n’ny ankizy etsy Androhibe
Sahiran-tsaina ireo ray aman-drenin’ny ankizy sy ny tompon’ andraikitry ny fokontany eny Androhibe, Bori- borintany fahadimy, noho ny tsy fisian’ny sekoly fanabeazana fototra (Epp) eny an-toerana. “Voatery manenjika any amin’ny toeran-kafa sy etsy Analamahitsy Cité ny ankizy mianatra. Voafetra ihany koa anefa ny isan’ny mpianatra raisin’ ireo Epp manodidina, ka mampiakatra ny tahan’ ny ankizy tsy tafiditra an-tsekoly. Mahatratra 60%-n’ny ankizy eto amin’ny fokontany izany”, hoy Andriantahina Ramanankasina Michelin, sefo fokontany Androhibe. Nambaran’ity farany fa tsy mamaha olana ny fisian’ny sekoly tsy miankina, satria vitsy amin’ny ray aman-dreny no mahatakatra ny saram-pianarana amin’izy ireny. Bitika ihany koa ny vahaolana nateraky ny fiaraha-miasa tamin’ny vahiny, satria na nisy aza ny fananganana akany hiahy ny zaza sahirana dia ankizy 30 ihany no zaka nampianarina tao, ary efa nijanona ihany koa ny famatsiam-bolan’io tetikasa io tamin’ity taona ity. Misy tanim-panjakana lehibe eny an-toerana, nangatahin’ny avy amin’ny fokontany efa am-polo taona maro, mba hananganana sekoly, saingy mbola tsy nivaly izany hatramin’izao. Io no mba tena hany andrandrain’ity fokontany ity. Lilia Rajaonah |
|
Airtel sy fanabeazana – Handrimbinana ny ampahany amin’ny saran-draharaha Hiara-hiasa amin’ny tan-tsoroka ho an’ny fanabeazana ny orinasam- pifandraisana Airtel sy ny fikambanana tsy miankina «Aide et Action». Hisy ny vola angonina amin’ny alalan’ny saram- pidirana amin’ny raharaha Fun 5 sy Fun 15 atolotry ny Airtel amin’ny mpanjifany, mba hampitomboana izany kitapom-bola ho an’ ny seha-panabeazana imasoan’ny Ong « Aide et Action » izany. Tsy vao izao akory no nitondra ny anjara birikiny amin’io sehatra iray io ity orinasam-pifandraisana ity. Ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana tena sahirana no isan’ny iantefan’ny fanampiany. Amin’ity fiaraha-miasa iray ity dia ny fanatsarana ny fahazoana sy ny kalitaon’ ny fanabeazana ho an’ ireo ankizy sy ny zazavavy tena avy amin’ny fianaka- viana sahirana eto Mada- gasikara no hokendrena. AR |


Raha hifandray @ Ao Raha
ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com |
Tambazotram-pifandraisana hafa |
Sokajy be mpamaky |